Tokony hifidy ve ny kristianina ?

1. vonynive ( 16/10/2013 10:05)
miarahaba,
satria fotoanan'ny fifidianana isika izao dia maro ny hevira voizina etsy sy eroa, mivoy izany koa ny antokom-pivavahana maro, ka ao ireo milaza fa tsy tokony hiraharaha ny fifidianana ny kristianina fa tsy ety an-tany ny fiainany fa any an-danitra, ny hafa indray dia milaza fa manana andraikitra eo @ fiarahamonina ny kristianina
répondu par moi le 23/12/2013 06:34
2. voromailala ( 16/10/2013 13:24)
Hoy i Kristy hoe omeo an'Andriamanitra izay an'Andriamanitra ary omeo ho an'ny Kaisara ary izay an'i Kaisara.

Ny fifidianana fahitako azy eto dia an'i Kaisara, noho izany amiko tsy mipetraka ary tsy misy hifandraisany loatra amin'ny resaka Kristianina ilay fifidianana.
3. Nehemiah ( 17/10/2013 05:18)
Manana andraikitra hitory ny ratsy ny kristiana, ary ao anatin'izay ity fifidianana amboletra ity
4. vonynive ( 17/10/2013 13:06)

Nehemiah:

Manana andraikitra hitory ny ratsy ny kristiana, ary ao anatin'izay ity fifidianana amboletra ity

angamba tsy hiditra @ lay hoe amboletra isika aloha fa lay hoe tokony hifidy sa tsia no resahina eto
5. leva2 ( 17/10/2013 17:25)
Velona Jesosy!

"LOZAN’izay midina any Egypta hitady famonjena
Sy miantehitra amin’ny soavaly
Ary matoky ny kalesy, satria maro ireny,
Sy ny mpitaingin-tsoavaly, satria mahery dia mahery ireny,
Fa tsy manandrandra ny Iray Masin’ny Isiraely,
Na mitady an’i Jehovah.

Nefa Izy koa dia hendry ka mahatonga loza,
Ary tsy tsoahany ny teniny;
Fa mitsangana Izy hamely ny mpianakavin’ny mpanao ratsy
Sy izay manampy ny mpanao meloka.

Fa olona ihany ny Egyptiana, fa tsy Andriamanitra;
Ary nofo ihany ny soavaliny, fa tsy fanahy.
Koa raha ahinjitr’i Jehovah ny tànany,
Dia ho tafintohina izay manampy, ary ho potraka izay ampiana,
Ka samy ho levona avokoa izy roa tonta". Isaia 31/1-3
6. leva2 ( 17/10/2013 17:30)
Velona Jesosy!

"Izao no lazain'i Jehovah: ho voaozona izay olona matoky olona sy manao ny nofo ho sandriny, ka miala amin'i Jehovah ny fony, ... Hotahina izay olona matoky an'i Jehovah, dia izay manana an'i Jehovah ho tokiny". Jer 17/5,7

Mahasoava e.
7. moustaraf ( 18/10/2013 04:13)
Salama namana,
Na tsy kristiana aza dia handray anjara ihany, satria mmapiasa baiboly ihany koa!
Ny hoe MIFIDY OLONA dia araka ny Torah mazava tsara, ary imbetsaka mihitsy i Mosesy no nasaina nifidy olona hapetraka @ anadraikitra iray voafaritra tsara:

1-T@ voalohany dia Izy Mpahary mihitsy no "nifidy na nanendry "olona (eny fa hatramin'izao aza)
-Ilay olon nofidiny indray asainy mifidy olona hiara-miasa aminy
-Ary misy fanapahan-kevitra alaina avy @ vahoaka manontolo
Dikany: tsy manohitra ny baiboly ny "principe d'élection"

2-Ny firenena israely dia "mamlekhet kohanym" na fanjakam-pisorona: olona voatendry mivantana avy any @ Tsitoha no hosorana ho mpitarika ny firenena!
Tsy nomena ny firenena jentilisa IZANY! ka izay mpivavaka na hafa firenena te hanana an'izany dia tsy maintsy miditra @ Hebreo, fa mpisandoka isika raha mialaza tena ho jentilisa nefa fanomezana ho an'ny hebreo no tadiavina hosalorana!
-Mahagaga mihitsy isika mpiavavka ireto: manenjika mafy ny hebreo sy ny jiosy nefa faminaniana voatokana ho an'ny jiosy no isalovanina ho an'ny tena!
Dikany: raha mandà ny tsy ho hebreo isika dia tsy maintsy manaraka ny didi'ny firenena jentilisa!

3-Mifidy sa tsy mifidy: araka izany dia malalaka be ny safidy (tsy voafehin'ny toko sy andininy isika satria natokana ho an'ny jiosy sy Israely ireny!)



8. vonynive ( 18/10/2013 10:05)

leva2:

Velona Jesosy!

"Izao no lazain'i Jehovah: ho voaozona izay olona matoky olona sy manao ny nofo ho sandriny, ka miala amin'i Jehovah ny fony, ... Hotahina izay olona matoky an'i Jehovah, dia izay manana an'i Jehovah ho tokiny". Jer 17/5,7

Mahasoava e.

misaotra anao leva
raha mifidy ve dia midika hoe matoky an' ilay olona fa tsy matoky an i Jehovah ? ataoko hoe tsy fifidianana politika (filohampirenena, solombavambahoaka, filohampokontany sns) àry ilay fifidianana fa fifidianana ho mpiandraikitra any ampiangonana, dia ahoana ny zavamisy ? samy fifidianana izy roa ireo mantsy.
9. Nehemiah ( 18/10/2013 12:31)

vonynive:
angamba tsy hiditra @ lay hoe amboletra isika aloha fa lay hoe tokony hifidy sa tsia no resahina eto
Raha izay indray dia tsy hitako izay antony tokony tsy anaovan'ny kristiana ny adidiny maha-olom-pirenena azy
10. leva2 ( 18/10/2013 22:06)
Velona Jesosy!

Hamaly anareo aho eto araka izay tandrify azy avy.
Raha fifidianana mpitondra firenena no resahina, iza no handeha hifidy olona tsy azony antoka na itokiany fa hahavonjy azy? Saingy moa misy azo antoka sy itokiana fa mamonjy mihoatra ny Tompo va?

Amiko namana Moustaraf, ny tena mpino dia faritan'ny toko sy andininy avokoa ny fiainany sy izay ataony rehetra satria ny toko sy andininy no mamaritra izay sitrapon'Andriamanitra na tsia.

Ny fifidianana eo anivon'ny fiangonana, raha resahina namana vonynive, dia tsy mitovy loatra amin'ny fifidianana ho filoha :
- eto dia asam-panompoana no atao, ary fanetren-tena no takiany fa tsy voninahitra sy rehareha.
- eto dia olona hizara no tadiavina fa tsy hanangona sy hangoron-karena.
- eto dia ny sitrapo'Andriamanitra no ho tanterahina fa tsy izay eritreritry ny mpitondra na izay tian'ny olom-boafidy hatao.
- ny olona voafidy anivon'ny fiangonana koa dia iaraha-manaiky fa nantsoin'ny Tompo ho amin'izany asa izany.
- misy critères takiana ho an'izany olona fidina eo anivon'ny fiangonana izany : 1Timoty 3
- ny fitantanana eo anivon'ny fiangonana mantsy dia tsy resaka demokrasia na fitondram-bahoaka fa ny Tompo no mpitondra, ny baiboly no lalam-panorenana.

Tena resy lahatra aho fa sarobidy kokoa ny antsasakadiny lanianao hivavahana ho an'ny malagasy, noho ny handehananao mifidy olombelona hitondra eto amin'ity fiaina-mandalo sy izao tontolo izao ity.
Misaotra namana.
11. toriteny ( 19/10/2013 03:54)
Moustaraf>>>Ny mpitondra rehetra taloha teo amin'ny zanak'Israely dia marina avy amin'ny lignée Mosesy daholo no nihaviany. Saingy tadidio anie fa tsy Israely irery no firenena tamin'izany é. Ny Egyptiana nanana ny mpanjakany izay lignée iray ihany koa, ny Mesopotamia koa torak'izay,sns. Ka diso hevitra ianao raha milaza fa Israely irery no tompon'ny Royauté sy nanana ny mpanjakany tamin'izany. Sady ny fifidianana filoham-pirenena anie ka ny malagasy silamo koa mifidy é, ny mbola mivavaka amin'ny razana, ny dadarabe mitaiza kalanoro fa tsy 100% kristianina mpivavaka daholo akory ny Malagasy (Na dia izay aza no tena faniriana)

Raha ny hevitro manokana indray mikasika ny fifidianana eto amintsika amin'ny maha Kristianina ahy dia izao. Ny tsara indrindra dia ny tena kristianina mihitsy no tokony hilatsaka filoham-pirenena sy mandray andraikitra any amin'ny ambaratonga samihafa any. Fa tsy misy moa ilay izy nefa mifidy ihany isiaka kah! MArina fa tsy eto an-tany no fanjakantsika fa Jesosy aza anie nanome ny derania an'i KAisara é!!! (MAr12:17) Raha tsy niraharaha ny teto an-tany Izy tsy nanao an'izany nefa KAisara tamin'izany efa nalaza ratsy fa mpitondra ratsy fanahy ary mazava ho azy tsy nanana an'Andriamanitra.
12. ratsirano ( 03/11/2013 22:17)
Araka ny voalaza ao amin’ny Titosy 3 :1,2 dia tokony “hanaiky izay manapaka sy manam-pahefana” ny kristianina ary azony atao ny mivavaka ho an’ny fitondram-panjakana hoy ny Timoty voalohany 2 :1,2, ary lazainy ny antony, dia ny « mba hiainantsika miadana sy mandry fahizay ».
Romana 13 :7 kosa dia mananatra ny amin’ny fandoavan-ketra. Ary izany rehetra izany ny hoe “aloavy ho an’i Kaisara izay an’i Kaisara”.

Fa ahoana kosa ny hoe « ho an’Andriamanitra » ? Milaza i Jesosy ao amin’ny Jaona 18 :36 fa “tsy avy amin’izao tontolo izao” ny fanjakany.

Io fanjakana io no nasainy hivavahana ao amin’ny Matio 6 :9,10 ary raha marihana tsara ny voalaza ao amin’io vavaka nampianarin’i Jesosy io dia hoe : rehefa hitondra io fanjakan’Andriamanitra io, dia ny sitrapon’Andriamanitra no atao ety an-tany.

Noho izany dia tsy mitsabaka amin’ny raharaha politikan’ny firenena ny mpanara-dia an’i Jesosy fa kosa manohana an’io fanjakan’Andriamanitra io amin’ny fitoriana azy manerana izao tontolo izao (Matio 24 :14)
13. bor2lais ( 04/11/2013 10:46)
vonynive:

satria fotoanan'ny fifidianana isika izao dia maro ny hevira voizina etsy sy eroa, mivoy izany koa ny antokom-pivavahana maro, ka ao ireo milaza fa tsy tokony hiraharaha ny fifidianana ny kristianina fa tsy ety an-tany ny fiainany fa any an-danitra, ny hafa indray dia milaza fa manana andraikitra eo @ fiarahamonina ny kristianina

Amiko manokana dia ny mitaiza ny olona ho olom-pirenena vanona araka an'Andriamanitra no (isan'ny) andraikitry ny Fiangonana.

Noho izany ny zanaky ny Fiangonana dia afaka mirotsaka amin'ny fitondrana ny raharaham-pirenena.

Tahaka ny RAD rehetra, amiko ny mpitondra fivavahana dia tokony hipetraka eo amin'ny toeran'ny mpitaiza (miteny ny tsy mety, manoro sy mananatra, sns) :-)

Azo itarafana ny fitaizana azony tamin'ny RAD ny toetra asehon'ny zanany ety ivelany (fitondrana ny raharaham-pirenena ohatra) ;-)

Amiko dia sady "mpaminany" (mitaiza) no "mpisorona" (mifona, mivavaka ho an'ny zanany) ny RAD (mpitondra fivavahana) fa tsy natao hidina eny an-dalambe na ho lasa depiote sy filoham-pirenena ! :-)

Fomba fijeriko manokana ihany anefa izay ! ;-)
14. ratsirano ( 05/11/2013 21:41)
Ny olona tsirairay moa dia samy manana ny fomba fijeriny daholo, fa raha ny momban’ny fitondram-panjakana rehetra amin’izao fotoana izao, dia misy faminaniana mikasika azy ireo ao amin’ny Daniela 2 :44. Araka io faminaniana io dia ho levona daholo ireo fanjakana ireo ka ny fanjakan’Andriamanitra no hasolo azy ireo. Izany no nahatonga an’i Jesosy nampianatra nivavaka hoe : « ho tonga anie ny fanjakanao » ao amin’ny Matio 6 :10 ; fa manohy ilay andiniteny hoe : « Hatao anie ny sitraponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra ». Izany hoe hitondra ny tany io fanjakana io ka izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no hiaina ao.

Noho izany dia raha miditra amin’ny raharaha politika sy ny fitondrana raharaham-pirenena amin’izao fotoana izao, dia sahala amin’ny miditra ao anaty sambo iray izay efa fantatra hoe ho rendrika atsy ho atsy.
15. bor2lais ( 06/11/2013 12:05)
ratsirano:

Ny olona tsirairay moa dia samy manana ny fomba fijeriny daholo

Izay kosa aloha dia tsy lavina e ! :-)
Amiko izao, rehefa ny Tompo no manjaka ao am-ponao dia efa any amin'ny Fanjakan'ny lanitra ianao !
Ahy manokana izay a ! ;-)
16. ratsirano ( 06/11/2013 22:03)
Marina tokoa fa fijerinao manokana izany.

Fa ny fepetra fidirana any amin’ny Fanjakan’ny lanitra dia tsy miankina velively amin’ny fijerin’ny olona fa efa nolazain’i Jesosy ao amin’ny Matio 7:21 hoe : “tsy izay rehetra manao amiko hoe : Tompoko, Tompoko, no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon’ny Raiko Izay any an-danitra.”

I Jesosy, ilay Mpanjaka ao amin’io Fanjakana io no milaza izany, ka dia mazava ho azy fa na samy manana ny fomba fijery aza isika dia ny azy no marina satria azy ny fahefana : izay manao ny sitrapon’ny Rainy no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra./
17. bor2lais ( 07/11/2013 09:03)
ratsirano:

Fa ny fepetra fidirana any amin’ny Fanjakan’ny lanitra dia tsy miankina velively amin’ny fijerin’ny olona fa efa nolazain’i Jesosy ao amin’ny Matio 7:21 hoe : “tsy izay rehetra manao amiko hoe : Tompoko, Tompoko, no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon’ny Raiko Izay any an-danitra.”

Lazao hoe aiza @ zavatra nosoratako no manipaka an'io lazainao io azafady ! :-)
ratsirano:

I Jesosy, ilay Mpanjaka ao amin’io Fanjakana io no milaza izany, ka dia mazava ho azy fa na samy manana ny fomba fijery aza isika dia ny azy no marina satria azy ny fahefana : izay manao ny sitrapon’ny Rainy no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra.

1. Raha ao aminao Izy dia mandeha araka ny Fanahy ianao : raha mandeha araka ny Fanahy ianao dia ahatanteraka ny sitrapon'ny RaiNY.

2. Raha ekenao fa Izy tokoa no Mpanjaka ao amin'io Fanjakana io, ka monina ao aminao Izy, (Fanjakana) aiza no misy anao ? ;-)

3. Toa niteny an'ity angamba Izy e : "Ary hoy Izy taminy: Inona no voasoratra ao amin'ny lalàna ? Manao ahoana no famakinao azy!"

Averiko indray fa fomba fijeriko (na famakiko) no entiko eto (tahaka ny anao ihany angamba) !
Fijery amin'ny maha-Kristiana mino an'Andriamanitra Telo izay Iray ! :-)

4. Raha iverenana ny lohateny dia tsy azo ianteherana amin'ny resaka fitondram-pirenena sy fiaraha-monina mihitsy izany ianareo ao amin'ny TJ e ! :-)

Dia ahoana ireo "madinika" lazaiNY izany ? :-)
18. ratsirano ( 13/11/2013 21:00)
bor2lais > . Toa niteny an'ity angamba Izy e : "Ary hoy Izy taminy: Inona no voasoratra ao amin'ny lalàna ?Manao ahoana no famakinao azy!"
Averiko indray fa fomba fijeriko (na famakiko) no entiko eto (tahaka ny anao ihany angamba) ! Fijery amin'ny maha-Kristiana mino an'Andriamanitra Telo izay Iray !


Valiny :
Aminao izany dia samy manana ny fomba famaky (na fomba fijery) ny Baiboly ny olona tsirairay. Lioka 10:26 io resahinao io. Fa raha raisinao manomboka any amin’ny andininy faha-25 ka hatramin’ny andininy faha-28 io resaka io, dia ho hitanao fa olona efa mahafantatra ny lalàna ilay nanontany an’i Jesosy, fa te haka fanahy azy. Ary rehefa nanontanian’i Jesosy izy hoe “manao ahoana no famakinao azy” dia novakiany araka izay voasoratra ilay teny, dia izay voalaza ao amin’ny Deotoronomia 6:5 sy Levitikosy 19:18, fa tsy araka izay fomba fijeriny. Ary izany no nahatonga an’i Jesosy namaly azy hoe “marina ny navlinao” eo amin’ny andininy faha-28, fa ny tohiny no tena zava-dehibe satria hoy izy hoe “ataovy izany, dia ho velona hianao”. Izay ilay fampiharana ny Tenin’Andriamanitra izay no atao hoe : manao ny sitrapony.
19. ratsirano ( 13/11/2013 21:08)
bor2lais > 1. Raha ao aminao Izy dia mandeha araka ny Fanahy ianao : raha mandeha araka ny Fanahy ianao dia ahatanteraka ny sitrapon'ny RaiNY.



Valiny :
Fomba fijerinao indray koa io izany. Marihako eto fa raha ny amiko dia aleoko jerena ao amin’ny Soratra Masina ihany ny zavatra tian’ny andinin-teny iray ho lazaina. Raha jerenao ny ao amin’ny Lioka 6:46-49 dia lazain’i Jesosy mazava fa ny “manao izay lazainy” no tena zava-dehibe fa tsy ny miantso Azy hoe “Tompoko, Tompoko”. Dia izay ihany indray ilay hoe “manao ny sitrapon’ny Rainy”. Ary ny sitrapon’Andriamanitra rehetra dia mbola ao amin’ny Soratra Masina ihany no ahitana azy ary raha jerenao izay voalaza ao amin’ny Salamo 143:10 dia hoe mila hianarana izy io, izay vao mitarika anao any amin’ny làlana tokony alehanao ny Fanahy Masina avy amin’Andriamanitra.

Ary na ny anjely aza dia voalaza fa manao ny sitrapon’Andriamanitra ao amin’ny Salamo 103:21 ; dia lazaina eo amin’ny andininy faha-20 hoe ahoana no fomba anaovan’ireo anjely izany sitrapon’Andriamanitra izany. Voalaza fa “mankatò ny didiny” izy ireo sady “mihaino ny feon’ny teniny”. Izany hoe : tsy maintsy mahafantatra an’ilay didy izy ireo vao afaka mankatò.

Ary ao amin’ny Deotoronomia 31:12 indray dia hoe novorina daholo ny vahoaka hatramin’ny zaza madinika sy ny vahiny tao amin’ny tanàna mba “hihainoany sy hianarany” ary “hitandremany hanaraka ny teny rehetra” amin’ny lalàn’Andriamanitra.

Fa raha ohatra hoe misy didy mivoaka, ka raha samy manana ny fomba famakiny (na fomba fijeriny) ilay didy ny olona eo amin’ny tany sy ny fanjakana, dia ho azo atao ve hoe samy hampihatra an’ilay didy amin’izay fahazahoany azy ? Angamba tsy maintsy azo tsara ilay didy izay vao afaka mampihatra azy.

Ary tamin’ny andron’i Nehemia mpaminany dia tsy hoe novakina fotsiny ny lalàn’Andriamanitra fa nila nohazavaina koa, dia voalaza mihitsy hoe : “azon’ny olona tsara ny teny novakina”. Ao amin’ny Nehemia 8:8 no milaza izany.
20. ratsirano ( 13/11/2013 23:06)
bor2lais > 2. Raha ekenao fa Izy tokoa no Mpanjaka ao amin'io Fanjakana io, ka monina ao aminao Izy, (Fanjakana) aiza no misy anao ?


Valiny :
Angamba tsy novakianao tsara ilay faminaniana ao amin’ny Daniela 2:44.
Milaza izy io hoe “amin’ny andron’ireo mpanjaka ireo”, na amin’ny fotoana mbola isian’ny fitondram-panjakan’olombelona, dia “hanorina fanjakana” Andriamanitra.

Manaraka izany dia hoe “tsy ho rava mandrakizay” na haharitra mandrakizay ilay Fanjakana.

“Tsy havela ho an’olon-kafa” na tsy hosoloan’ny fitondram-panjakana hafa, ilay Fanjakana.

Farany, mety tsy hanaiky ireo fitondram-panjakan’olombelona ireo fa tsy maintsy hiady amin’ilay Fanjakan’Andriamanitra, satria voalaza fa hoe “hotorotoroiny sy holevoniny, fa izy kosa hitoetra mandrakizay”.

Nahazo fahitana momba izany koa ny Apostoly Jaona dia hita ao amin’ny Apokalypsy 11:15 izany. Milaza izy fa “ny fanjakana amin’izao tontolo izao dia efa lasan’ny Tompotsika sy ny Kristiny, ary Izy no hanjaka mandrakizay mandrakizay”.

Fanjakana hitondra ny tany io Fanjakana io fa tsy hoe monina ao am-ponao ilay mpitondra azy dia hoe ho eo ambanin’ny fitondrany ianao.

Ny zavatra azo antoka dia nampianarin’i Jesosy nivavaka momban’io Fanjakana io ny mpanara-dia azy ao amin’ny Matio 6:10, ka milaza mazava mihitsy izy hoe rehefa “ho tonga” io Fanjakana io, dia hatao ny sitrapon’Andriamanitra “ety an-tany tahaka ny any an-danitra”. Zavatra mbola ho avy izany izy io ary mazava ho azy fa izay vonona ny hanao ny sitrapon’Andriamanitra ihany (arakan’ny efa lazain’i Jesosy hatrany) no hiaina eo ambanin’ny fitondran’io Fanjakana io.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.008