Iza marina no antéchrist?

61. Miharena ( 12/10/2013 16:26)
Raha azo atao aloha namana Moustaraf dia aleo valiana araka ilay fanontaniana ilay resaka fa tsy tonga dia avily amin'ny tsoa-kevitrao.

Misy teny momba ny famaritana an'i EL hoy aho io narosonao eo ambony io ary nolazaiko hoe tsy mitombina ny famaritana raha tsy mahafantatra ny fivoaran'ny zava-drehetra i EL ary afaka manaraka hoe niova ny Anarana araka ny firenena.

Tsy hoe allergique ny Anaran'ny Avo indrindra aho miteny izany fa mametraka hoe inona no toeraNY no fahalalàna AZY ho an'izay mandalina ny momba AZY na inona na inona fomba niantsoana AZY isam-pirenena.

62. moustaraf ( 12/10/2013 18:09)
Tsy mibirioka mihitsy ny fanazvana fa lojika be:
Ilay anarana ambony indrindra dia nosoloina anarana faty "Andriana manitra", mitombona ve izany?
Nosoloina anaran-tsampy "zeus"=thius=dieus=dios=dieu", misy zavatra rariny ve izany?
sns.....maro be

Dia terentsika fotsiny hoe "izany no tianay iantsoana ANAO ry ilay Mpahary ô!
"efa ambarany tsara izao ao @ Torah fa tsy tokony ho heno akory avy @ vava ireo anaran-tsaampy ireo" dia ilay anarany mihitsy indray no nosoloina anaran-tsampy!
Dia hoy isika hoe: "tsy maintsy raisinao ny vavakay fa izany no tianay iantsoana anao!"

Raha mbola tsy nahalala izahay taloha dia tsy nisy azo natao, fa raha nampahalalaina kosa indray izahay fa "Elohym" no anaran'ilay nahary izao rehetra izao , ilay nivavahan'i Avraham, Itsahak, Yaakov dia hoy izahay hoe: "tsy sarotra tononina akory izany anarana izany ka ilam-baniny' ary ifonana aminy tanteraka ny @ lasa rehetra nanamavoana ny anarany lehibe indrindra andro aman'alina noho ny tsy fahalalana"

63. Miharena ( 13/10/2013 05:43)
Mihevitra tokoa va izany ianao namana Moustaraf fa fanahy niniana no nanaovana io fiantsoana an'i EL io hoe Andriamanitra ?

Fa tsy avy amin'ny fikarohana momba ny fiantson'ny Malagasy manambara izay fiheverany izany hoe AVO indrindra izany angaha no nahatonga ny fiantsoana natao hoe Andriamanitra?

Ilay hoe Zeus indray dia aoka aloha tsy tonga dia hitsara isika hoe diso koa io. Inona moa ny fomban'ny olona taloha raha njery ny fahatsaran'ny asan'ny Mpahary izy? tsy ny masoandro ve no hitany hoe tena lehibe sy mazava indrindra? dia nanambara izy hoe Zeus no Andriamanitry ny Masoandro. Dia izay no fahalalàny AZY. Elohym daholo no ao ambadik'ireo rehetra ireo amiko rehefa nandinika lalina aho momba ny fisehoan'ny Mazava.

Endrika nentina avokoa ireny hiorenan'ny rohy ifandraisan'ny olona AMINY MPAHARY araka ny firenena misy azy sy ny fomba fiteny ary fomba fiheverana. Fa ankehitriny koa aza efa mivoatra be ny fifandraisana ka afaka milaza izay Fototra mampifandray sy manaparitaka izany ny tsirairay.

Ny filazàna fa diso hevitra ny olona iray dia tsy mamaha ny olana izay iadiantsika hevitra izao fa mila miainga ainn'ny Fanafoanana ny tenantsika aloha isika vao afaka mahalala ny ao am-pon'ny hafa sy ny fototra niorenan'ny foto-piheverana iray mitranga eto ambany masoandro.

Ny tiana iaviana dia hoe tsy io fomba fitantaranao azy io no marina momba ny fiansoana ny anaran'ny Mpahary sy ny fiovany isam-pirenena.

64. moustaraf ( 13/10/2013 16:37)
Salama namana,
Eo @ilay resahinao indrindra ny olana; izahay raha milaza izany hevitray izany dia tsy mitsapatsapa na manandrakandrana fa efa nikaroka lalina, sy nanao fanadiadiana ifotony araka izay azo atao, an-taona maro no lany, mba hiseho ny marina:
-vakio kely ny bokin-drazana "tantaran'Andriana" mba hahitantsika izay voasoratra ao momba ny safidy nahatonga ny anarana "Andriamanitra" ho nasolo ny Elohym!!...
Izay nifaninana t@ "Ikelimalaza sy sampy maro hafa"
Tsy izahay no nanoratra an'io tantaran-drazana malagasy io, fa tahirin'ny kolotsaina malagasy io.

Ny didim_panjakana dia namepetra an'ireo Malagasy nalefa nanampy ny misonera t@ fandikana ny baiboly tany ampita mba "tsy hampiala ny malagasy @ fivavahany @ Fatin'Andriana" ity fivavahana vaovao ity!
Tantara voarakitra an-tsoratra izany, ary azon'ny rehetra vakiana!

MAHEREZA DAHOLO
65. moustaraf ( 14/10/2013 03:37)
Miharena: "Ilay hoe Zeus indray dia aoka aloha tsy tonga dia hitsara isika hoe diso koa io. Inona moa ny fomban'ny olona taloha raha njery ny fahatsaran'ny asan'ny Mpahary izy? tsy ny masoandro ve no hitany hoe tena lehibe sy mazava indrindra? dia nanambara izy hoe Zeus no Andriamanitry ny Masoandro. Dia izay no fahalalàny AZY. Elohym daholo no ao ambadik'ireo rehetra ireo amiko rehefa nandinika lalina aho momba ny fisehoan'ny Mazava"

-Baiboly ve aloha ity resahina ity sa zavatra hafa e?
-Raha baiboly no resahina manko, toa mivaona be ny hoe"hivavaka @ masoandro, kintana, volana, sns...." sa finoana hafa mihitsy io resahin'ny namana io!!!
-Ny fahatsaran'ny asan'ny mpahary ve no antony ivavahana @ ireny asan'ny tanany ireny?? Sampy no anaran'izany! ary i Shedym (satana) no ambadik'izany rehetra izany!
66. Miharena ( 14/10/2013 06:44)
Mety ho fitsara tsy mety ihany ny tonga dia hametrahana hoe izay fisafidianana ny hanonoanana ny anaran'Andriamanitra isam-pirenena no ilazàna fa sampy izany.

Ny vokatra azon'ny Malagasy ohatra hatramin'ny niantombohan'ny fivavahana teto dia efa betsaka. Ary tsy nanakana azy ny hihaona amin'i El sy Yeshua mihitsy ny nanaovana fiantsoana hafa hatramin'izay. Ny ota ihany no mampisaraka amin'Andriamanitra na ny Ray.

Raha hiverina amin'ny tantara araka ny filazanao dia tokony havoitra ihany koa ny tantaran'ny fivavahana teto amintsika izay vao taonjato roa monja izao. Nefa ihany koa tokony hojerena tsara ireo olona izay nitana ny fiaran'ny fanekena sy ny DIdy Folo ary ny Torah izay foko ao atsimon'i Madagasikara no miatana azy ankehitriny. Ireo amin'izao fotoana izao no manamarina fa Jesosy sy Jehovah izay antsoina ankehitriny io dia iray ihany amin'i Yeshua sy YHWH.

Izay tranga niseho tamin'ny fotoana nanenjehana ny fivavahana Kristianina teto koa dia isan'ny nahitana zavatra nahatalanjona nanamarina fa mahery ilay finoana.
67. moustaraf ( 14/10/2013 17:28)
Salama namana,
lasa mivoana be ilay resaka farany!
IZAHO tsy manda fa betsaka ny zava-bitan'io anaran-tsapy io; fahagagana maro, fanasitranana maro, eny fa hatramin'ny fanaganana ny maty aza dia vitany!
NY fandavana an'ireo dia mampiseho ny tsy finoana fa misy i Satana ary miasa mafy ihany koa izy mba handresy ahatra ny firenena maro!

Ny ambiny dia resaka eny @ couloir sy amoron-dalana ka tsy idirako intsony, fa manana zavatra maro azo lazaina momba izany izahay!
68. Miharena ( 14/10/2013 18:17)
Manahirana satria mandihy eo ambony sahafa ny olona amin'ireo valinteninao ireo namana Moustaraf. Raha azo atao dia aleo angamba tena heverina izay marina fa tena very mihitsy ny rehetra e!

Inona indray no fijerinao ireo olona mijoro vavolombelona momba ny Helo?
Io endrika io ve tena misy sa tsia?

Raha tsy Yeshua ilay mitonona ho Jesosy dia inona izany aminareo?

Ary misy ve ny helo ary amin'ny endrika toy ny ahoana no famaritanareo azy?
69. aldira ( 15/10/2013 07:15)
Mivoana b tanteraka ny resaka ary miala amin ny lohahevitra niaingana tery amboalohany!
70. moustaraf ( 15/10/2013 07:51)
Raha ilay lohateny no jerena dia mbola azo tohizana tsara ny dinika raha te hahita marina ny momba an'io Mesia sandoka io isika! satria tsy mora ny hahita an'izany raha tsy ny herin'i Elohym no mitsilo ny tsirairay!
71. Miharena ( 15/10/2013 17:52)
Izay indrindra namana Moustaraf sy Aldira.

TSy hoe mivoana loatra ny resaka fa misy fomba fijery roa ireo dia tsy maintsy mitohy ny fanadihadiana ahafahana milaza hoe fa naninona no notenenina ilay atao hoe antechrist??

Misy valinteny maro izany ao raha ny tena izy ary anisany ny famaliana io fanontaniako eo ambony io. Satria moa ny namana MOustaraf dia niteny mihitsy hoe nanao fisehoana maro io manohitra an'i Yeshua io, ka ireo endrika rehetra isehoany ireo dia tokony hasiana teny matotra tsara.

Dia miandry ny fanazavanao àry namana.
72. Nehemiah ( 16/10/2013 05:43)

aldira:

Mivoana b tanteraka ny resaka ary miala amin ny lohahevitra niaingana tery amboalohany!

Spécialité-n'i Miharena izay
73. toriteny ( 18/10/2013 15:01)
Tsy mahadika ny atao hoe antichrist ve izany anarany izany? Ny antichrist dia izay manohitra an'i Kristy, tsy mino fa i Kristy no Andriamanitra tonga nofo, tsy mino ny famonjena vitany teo amin'ny hazo fijaliana, tsy mino fa nitsangana Izy ary tsy mino fa afaka manome fiainana mandrakizay Izy(1JAo:4-3; 1JAo2:22)

Ny antichrist dia izay maampianatra sarintsarim-pampianarana toa ohatran'ny an'i Kristy nefa amboa mitafy volon'ondry ihany.(2JAo1:7)

Ary tsy maintsy ho avy ny antichrist vao ho tonga ny farany(1JAo2:18)
74. manirii ( 06/11/2013 09:56)
Raha hamaly ny hafatrao aho dia mino aho fa efa voavakinao h@ farany ny Baiboly izay nambaran'i Jesosy Tompo hoe : * Vakionareo ny Soratra Masina . . . fa io no manambara ahy --- Ary tsy azo ampìana na ovàna ny teny rehetra voalaza ao satria ahitàna loza * arytsy misy olombelona mahasolo an'i Jesosy Kristy izany eto ambonin'ny tany ka mahasahy manova ny teny voalaza ao @ tenin'A/tra dia ny Baiboly izany >>> Ka izay nanohitra sy nanova ny tenin'A/tra voalaza ao @ Baiboly no ANTI-CHRIST , ka diniho izany .
75. Miharena ( 06/11/2013 16:00)
Tsy hoe mivoana ilay lohahevira namana Aldira fa raha mbola misy tandindona mitovy fa ny anarana fotsiny no mahasamihafa ny Yeshua sy ny Jesosy voalaza ao anaty Baiboly noho ny fandikanteny dia tsy misy tokony hatahoranareo milaza hoe mitovy ny structure rehetra fa ny anarana n osamy nanana ny fandikany azy ny isa-pirenena.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0563