Iza marina no antéchrist?

41. moustaraf ( 04/10/2013 03:34)
Salama namana,
1°tsy marina ny filazana fa tsy misy zana-peo "e" ny hebreo:
ohatra: Yerushalaïm , Elohym, Israel, Malkitsedek, Sefarym, Bavel, sns......
Ka mbola tetika avy @ ilay ratsy ihany izany ho entina mamoaka anarana hafa( Yashua???)

2°Ny tena mahazendana @ ireo valin-teninareo ireo dia ny fifoforanareo hanamarina an'ilay fanovana anarana nataon'ny Grika sy Romana! izay fantatra fa NANOVA ny anarana izy ireo, na tiana na tsy tiana!
EFA VOALAZAN'NY MESIA MPAMONNJY IZANY FANOVANA ANARANA IZANY! ka izay manantsaina dia tokony hahhita sy hahafantatra an'io!

3°Ireo toko sy andininy tanisaina ombieany ombieny dia feno an'ilay anarana efa VOAOVA ka, na hotanisaina in-100 sy 1000 aza dia tsy manova na inona na inona fa mitoetra ho DISO sy fahavetavetana mandrakariva!

4°Nahoana no tsy valianareo mihitsy ilay hoe" bibidia; hanova ANARANA sy FOTOANA"???
42. aldira ( 04/10/2013 05:38)

moustaraf:



4°Nahoana no tsy valianareo mihitsy ilay hoe" bibidia; hanova ANARANA sy FOTOANA"???


Aiza no misy an io oe bibidia hanova anarana io?

Ary ilay fanontaniana oe inona avy moa izany no heverin i Moustaraf fa diso ao anatin io Baiboly io? mba mangataka valiny mazava amin izay!!!
43. Nehemiah ( 04/10/2013 06:08)
I Moustaraf marina mitoraka matetika an'izay elefanta izay
44. moustaraf ( 05/10/2013 04:07)
Salama namana,
1°Aiza no misy ny hoe" bibidia hanova anarana sy fotoana" (???)
Mba mpamaky sy mpandinika baiboly ihany ve isika ry 'reto?
Mampahatsiahy ahy an'ilay Ranamana iray teto izay hoe "aiza ao @ baiboly no milaza fa misy pasika any an-danitra?" dia nomena porofo bdbd !!!

2° Iza daolo no diso anatin'io baiboly io?
be dia be e! ireo rehetra nolazaiko teto @ forum dia ahitana porofo avokoa ny fahadisoana nampidirina ao @ io baiboly io!
-Ireo anarana niniana novana ara-panononana sy fanoratana (misy anefa toa tsy nokitihina akory, mahagaga!)
-Ireo dikan-teny maro naolana mihitsy ka miteraka heviny hafa sy mifanohitra ...
-Ireo tantara sy oha-teny ara-kolotsaina hebreo izay tsy voadika @ maha izy azy, ary nibirioka sy nafangaro @ kolotsaina sampy (grika)
-Maro koa ireo hafatra sy faminaniana izay novana tsotra izao ny iantefany: Israely voadika "hafa firenena=jentilisa/ Jentilisa lasa Israely sns...., ka miolana avy hatrany ny hevi-pampianarana entin'ny mpitoriteny maro!
SNS......Tsy voatanisa

45. Nehemiah ( 05/10/2013 06:11)
Mbola torak'elefanta hatrany
46. moustaraf ( 07/10/2013 04:32)
MIKA 4: 5
1°Fa ny firenena rehetra samy mandeha @ anaran’ny Elilym -ny (sampiny) avy; fa isika kosa handeha @ anaran’i Adonay Elohym-ntsika mandrakizay doria.
Apetraka ary ny fanontaniana: Ianao ve mandeha @ anaran'Iza?
Valiny: izay noterena hivavahanao ve, sa ilay nivavahan'i Avraham, Itshak ary Yaakov =Israely

2°hoy ihany koa ny Apostoly:
I KOR 8: 6
Nefa amintsika kosa dia Elohym IRAY ihany, dia ny Ray izay nihavian’ny zavatra rehetra, ary ho Azy isika; ary iray ihany ny Adone (tompo) , dia YESHO’A HAMASHYRHA
Vakiana bantsilana eto fa LAINGA avokoa ny filazana fa misy anarana maro sns.....

3° Hoy indrindra Yeshu'a (fa tsy jesosy)
MAT 24 :12 Ary noho ny haben’ny tsy fankatoavan-dalàna (Torah) dia hihamangatsiaka nyfitiavan’ny maro!
Yeshu'a mitandrina (ny Torah) # Jesosy mandrava ny lalàna

4°II TES 2
-3) aza mety hofitahin’olona akory ianareo, fa tsy ho avy izany (andron’ny Adone), rahatsy efa TONGA ALOHA NY FIHEMORANA, ka hiseho ilay LEHILAHIN’OTA, dia ilay zanaky ny fahaverezana. Iza ilay lehilahin’ota?
-4) ILAY MANOHITRA ka manedri-tena ho AMBONY NOHO ELOHYM, na izay ivavahana ka MIPETRAKA EO AMBONIN’NY TEMPOLIN’ELOHYM, KA MANAO NY TENANY HO ELOHYM.
Izay ivavahana ka milaza ny tenany ho Elohym:
-Andriamanitra (niantsoana ny mpanjaka rehefa maty; boky Farimamy Terminale P.57…)
- Jésus (jesosy), Dieu, God, Got….(anarana sampy Romana sy grika)
"Izay samy lazaina fa mitovy @ Elohym avokoa"

Izaho ry Nehemiah tsy handany andro hitoraka elefanta, fa ilay rain'ny lainga sy fototr'izao fampianaran-diso rehetra izao no ataonay haza alika (na lambo) a!

47. Nehemiah ( 07/10/2013 06:01)
Izay mihitsy, mitovy amin'ny mandondona rindrina briky amin'ny loha ny miresaka aminao, tsy hiaiky an'ireto zava-misy 2 ireto hatrany :
- teny grika no nanoratana ny Testamenta Vaovao fa tsy teny hebreo
- zavatra tsy misy tenany ny antontan-kevitra, ny fampiasan'ny daholobe ny voambolana iray no mamaritra ny heviny, ka ny olona rehefa miresaka momba an'Andriamanitra na Jesosy Kristy dia Elohim sy Yeshua Hamaschiach no ao an-tsainy
- tsy avy @ anaran-tsampy izao ny hoe Jésus sy Dieu (avy @ latinina Deus, izay avy @ grika theôs, izay avy @ teny kaldeana izay midika hoe "tsara")

Miresaka momba ny rain'ny lainga ianao, rehefa jerena ny zava-misy dia izy mihitsy no nanajamba anao, fa mbola afaka mividy fanafody maso @ Yeshua ianao mba hamirapiratra, dieny mbola azo atao
48. aldira ( 07/10/2013 06:03)
>Moustaraf

Mametraka olana any amin ny tsy tokony hisy olana ianareo, tsy ho Israeliana na oviana na oviana fa Jentilisa, niova fo
Inona fotsiny aminao ireo asa fitoriana natao hatramin ny niakaran i Tompo, olona firy no niova fo, olona firy no nahatsapa hery, olona firy no maty maritiora, na na katolika no nanao ny asa, na Protestanta na Adventista na ny fiangonana zandriny, niasa amin ny alalan ireny ny Fanahy Masina, ary aza manao tsinontsinona ny asan ny Fanahy Masina ianareo,

Angaha ianao tonga nahalala an i Jesosy na izay tianao hilazana Azy raha tsy tao ny asan ny Misionera marobe nahafoy ny ainy, angaha tafapetraka teto Madagasikara ny Finoana Kristiana raha tsy nisy olona marobe maty maritiora tao, ankehitriny tanteraka aty Madagasikara sy any amin ireo firenena marobe maerantany ny tenin ny Tompo manao hoe :
Mat 28:19 koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra...
Fahatanterahin ny asan ny Fanahy Masina sy ny mpanompon Andriamanitra marobe izao ahafahanao manoratra miresaka momba an Andriamanitra eto izao, ary mba aiza ny anjara-birikinao amin ny fampielezana an izany vaovao mahafaly izany, efa tany amazonie ianao sa tany comores sa tany Iran,
Miasa ny Fanahy Masina ary tsy azonao sakanana ny asany, aoka tsy ho atao tsinontsinona izany asany izany

Ny anareo mametraka olana any amin ny tsy tokony hametrahana olana, fa angaha io soratra masina tonga eo ampelantananao io, tafatambatra ao anaty boky 1 io, heverinao fa moramora vao tonga tahaka an io e! ary matoa io navelan Andriamanitra ho tahaka an io ny dikanteniny, dia heveriny fa ampy ho antsika izay mamdra-piveriny, fitondrantena Masina no vokatra andrasany fa tsy ny fivadihanao ho Jiosy, ary na ny Jiosy lazainao sy dradradrainao io aza raha avy ny andro ka tsy hi-reconnaitre an i Jesosy na Yahoshua dia mbola ho very koa fa tsy hoe rehefa Jiosy dia voavonjy d'office

Izaho tsy mahay soratra masina tahaka anao mahita an izany hanova anarana izany ny bibidia ka toko sy andininy no nangatahiko taminao raha mety fa tsy valinteny vague tajaka an io nataonao io!

Mankahery antsika rehetra
49. moustaraf ( 07/10/2013 06:51)
Salama namana,
Aiza indray ary no misy an'ity ô!
"hamavoina mandraka hariva ny ANARAKO....ny voninahitro tsy homeko ny hafa!"
"Ary hanokatra ny vavany izy ka hiteny ratsy ny ANARANA" hanao blasphemie ny anarana!

Efa mba novakiantsika koa ve ireto?
"Iza no ANARAN'ny RAY raha fantatrao ? Ary IZA no ANARAN'NY ZANANY?"
"Tokana AHO hoy Elohym, ary TSY MIOVA NY ANARAKO"

"Izay mitory Yeshu'a hafa, dia mitory fanahy HAFA!"
Mazava hoazy fa Jesosy = fanahy hafa, ary manenika an'izao tontolo izao

"nanokatra ny vavany ny dragona, ka namoaka rano toy ny riaka"
dragona= satana sy devoly
rano= fampianarana
riaka= rano maloto = fampianaran-diso
"nivava ny tany ka nitelina ny riaka"
Tany= olombelona rehetra
nitelina ny riaka= niboboka an'ilay fampianarana maloto avy @ dragona

"ary ilay dragona dia manao fahagagana lehibe maro samy hafa...mampidina afo avy any an-danitra eo imason'ny olona..."
Ny fahagagana sns...tsy porofo azo ilazana fa avy @ Elohym ny fanahy iray!


50. voromailala ( 07/10/2013 08:19)
Misaotra anareo nandray anjara fa mahaliana tokoa na dia somary nivoana kely aza ilay resaka.
51. Miharena ( 08/10/2013 13:12)
Fa tokoy hiverina mihitsy amin'izay tokoa anie isika e! Ny namana Moustaraf izany dia mety matoky fa tsy hoe antéchrist no tokony lazaina fa anti-Yeshua ohatra?
52. voromailala ( 09/10/2013 09:45)
Izay no mahatonga ireo mpikaroka spiritoaly miteny foana hoe aza ilay olona no jerena fa ilay fampianarany. Ary ireo mpikaroka ireo dia miteny hoe aza mivondrona amin'ny anarany ihany koa.
Aza ny tanako no jerena fa ny zavatra tondrony.

Variana amin'ny hoe Andriamanitra i Jesoa, nanao fahagagana sns.. ny olona fa tsy amin' ny fampianarany.
Raha sanatria tsy marina tampoka ireo dia vita hatreo ilay fivavahana, raha toa ka Yeshua no izy fa tsy Jesoa dia ahoana?


53. Miharena ( 10/10/2013 08:46)
Izay indrindra ny hoe marina tokoa ve fa tokony hivavahana i El sy Yeshua ohatra?

Raha ny fahafantarako aloha hatramin'izao dia tsy mba mivavaka anie ny olona fa miresaka amin'Andriamanitra e!

Asa hoe ahona ny sehatra raha toa ka marina fa izay antsoina no mamaly. Mila maneho tsara ny namana Moustaraf eto hoe inona no fomba nitazonana ilay atao hoe fisalovanana ny asan'ny Mpahary. Raha toa ka ny olona tokoa no nanova anarana, raha io no tiany hiantsoana AZY fa ny hevitra iray ihany, inona no tsy mahamety azy?

Raha toa indray ka tena fanahy hafa mihitsy araka ny voalaza, ahoana no fomba fisehony hatrizay nisolokiany fa izy no Mpahary? Ary ahoana no mahatonga ny Mpahary Tena IZY tsy mandray andraikitra ny amin'izany?

Ataontsika ohatra, raha fantatrao tsara fa nanao sosie ny tenanao ny olona iray ka milaza amin'ny zanakao fa izy no rainy fa tsy ianao, tsy hiasa ho an'ny zanakao ve ianao fa hilaza fotsiny hoe rehefa tsy mahay manavaka dia aleo very eo???
54. moustaraf ( 11/10/2013 03:15)
Salama namana,
Efa betsaka ihany izay voasoratra teto izay (toko sy andininy maro ara-baiboly) nentintsika nanaporofo ny fahatanterahan'ny faminaniana momba an'io fanovana ny anaran'ny Mpamonjy sy ny Tsitoha io;
1°hoy EL"Ary @ izany andro izany dia ho fantany ny ANARAKO"
Midika izany fa misy fotoana izay "tsy hahafatarana an'ilay anarana" mihitsy
2°Iza moa no nomeny ny Torah misy ny AnaraNy? Ny Israely
Tsy fifanojoan-javatra akory raha @ izao fotoana ahatsiarovan'ilay" Israely Naely" tena izao no mihamafy ny fivoizana an'ilay anarana, satria Izy no nomena an'izany ary Izy no nanadino sy nanamavo azy , ary izy indrindra koa tsy maintsy mamerina an'izany (fa ny hafa firenena tsy hivaky loha amin'izany velively fa ampy ho azy ny anaran-tsampiny).

3°Mijery fotsiny veIlay Mpahary momba an'io fangalarana anarana io?
Tsia! "t@ taona fanavotana no nanavotako anao"; Ny zavatra rehetra araka ny Torah dia mandeha @ fotoana (ora, andro, volana, taona) voatendry, izay efa tonga ankehitriny!
-Hitantsika ao @ APOK 13:7 fa Navelan'i El nitranga izany zavatra izany:
"Ary navela hiady @ olo-masina izy ka haharesy azy; ary nomena fahefana t@ fokom-pirenena sy ny olona sy ny samy hafa fiteny ary ny firenena rehetra izy"
Mba hahatanteraka ny faminaniana momba an'IREO SISA (olom-bitsy mahatonky sy marina izay voavonjy)
55. Miharena ( 11/10/2013 05:32)
Dia eo indrindra no mahatonga ahy manontany hatrany hoe inona moa ny fiteny azon'ireny olona miteny amin'ny teny tsy pbola hainy ireny rehefa mahazo hafatra avy any an-danitra izy?
56. moustaraf ( 11/10/2013 06:35)

Miharena:

Dia eo indrindra no mahatonga ahy manontany hatrany hoe inona moa ny fiteny azon'ireny olona miteny amin'ny teny tsy pbola hainy ireny rehefa mahazo hafatra avy any an-danitra izy?

Salama namana,
1° Ilay" lanitra" mihitsy aloha no mila faritana tsara, satria bdb ny lanitra,ary samy manana mpanjaka ireo lanitra ireo, ka ilay lanitra aiza ary iza no manjaka ao? Iza ilay mpanome hafatra?
Ohatra:
"isika tsy miady @ nofo aman-dra fa miady @ ireo fanahy RATSY eny @ lanitra"
"Ary ny fanjakana eny @ lanitra dia hohozongozonina" @ izany andro izany!

izay no ilazantsika foana hoe mila mailo isika, fa misy adiresy bdb en @ lanitra ka raha diso adiresy dia loza be!
ohatra ity vavaka nampianarin'Yeshu'a ity:
EL avinou shé ba shamaym = EL rainay izay any an-danitra
fa tsy "Rainay izay any an-danitra" , natelina aiza ilay anarana EL??? mankaiza izany io vavaka io? iza no mamaly an'io?

57. Miharena ( 11/10/2013 12:56)
Ilay resaka lanitra mihitsy tokoa no tsara havoitra hoe aiza?

Ohatra iray hita mazava ny ao amin'ny Korana milaza fa Allah dia ao Sirius no mipetraka.

Dia manana fomba fanehoana hevitra tsy miafina fa mangarahara toy izany koa ve El ao amin'ny Torah?
58. moustaraf ( 11/10/2013 16:04)
Ye, mazava be! "Izy, izay tsy voafetran'ny fotoana sy ny toerana , ary ny elanelana"
"Ny lanitra tsy ampy ho fipetrahany , ary ny tany ho fitoeran-tongony"
59. Miharena ( 12/10/2013 03:54)
Mitovy amin'ny conception Kristianina mazava tsara anie izany io resakao io namana Moustaraf e!
Na inona na inona lazaina dia tsy mifanipaka izay lazainao sy ny olona mitoky amin'i Jehovah sy Jesosy.

Mitana ny toerana faran'izay tsy miandany aho milaza izany. Izany hoe miezaka mihoatra ny fiheverana rehetra ka afaka mamaky izay heverina sy manadihady izany avy.

Ny fironana dia tsy manome io famaritana an'i El voalaza io. Ary toy izany koa ny Kristianina, raha mbola manana fotopisainana mirona etsy sy eroa dia mbola tsy mahalala izay Tompony.

Izay no ilazàna hoe tsy ny Anarana intsony no tokony ho olana satria ny fivoarana dia ahafahana mijery izay fiovana isan-tokony ; mametraka ny ohatra momba ny Babela ihany aho eto. Raha nanangana ny olombelona noho ny mahairay teny azy dia mety voalaza matetika i EL fa rehefa nosarahana dia niova avy ny fiteny. Ny hevitra iray fa ny teny no samihafa teo. Ka eto aho dia milaza ihany hoe : tsy aleo ve anontaniana ireo Mpidinika tao amin'ny andron'ny Babela ity resaka ity? Izany hoe IZY no mahalala hoe IZAHO no antsoina raha miteny hoe Eloha, na Allah na Yahouah na Jehovah.

Ary raha marina ny famaritana momba ny hoe manerana IZY ary tsy voafetran'ny fotoana, ka tsy fantany fa IZY no antsoina raha miteny amin'ny teny samihafa ny olona dia diso ny famaritana nomenao namana.
60. moustaraf ( 12/10/2013 16:11)
Salama namana,
Satria ve ialay Mpamorona avo indrindra Izy dia "Izay tiana iantsoana Azy ve izany dia mety avokoa?" TSIA! diso hevitra bdbd isika!
Raha tsy resaka fivavahana ny sehatra ifampiresahana eto dia mety ho azo ekena ihany, fa saingy baiboly no resahina "misy izay niaingany" t@ teny HEBREO ary nomena ny Israely; izany hoe"Fivavahana natokana ho an'ny Taranaka hebreo",
ka nahoana no tadiavina hampidirna kolotsaina hafa???

Ny olana goavana indrindra @ fivavahana kristiana, fahitako azy , dia ny isam-pirenena (jentilisa) izay mivavaka @ ilay ivavahan'ny Hebreo dia samy mampiditra ny identité-ny "sy ny fisainany, ka terena ho ....tsy maintsy "izao na ity " araka izay mahametimety!
Ny grika sy ny Romana no nanomboka an'io t@ fanoloana ny Elohym ho théos
dia nanaraka ny firenena ambiny rehetra, ary notefena ho VERITE UNIVERSELLE ilay fahadisoana goavana!

tsy mailo ve isika?
Nahoana ny mpiantso budha tsy mitady teny hafa handikana an'io?
Ny mpiantso Allah tsy miasa saina hitady dikan-teny?
Ny mitra, sns.....?
Fa ity Elohym ity no tena tsy avela hiangana mihitsy? Vao mipoitra io dia "allérgique" ny rehetra!!!
izay fa tanteraka ny teti-dratsin'i satana dia i rain'ny lainga!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.008