Efa hiverina ve i Jesoa Kristy ? Fizaràna voalohany : nivadika tamin'ny teny fikasany ve Izy ?

1. Nehemiah ( 09/09/2013 08:16)
[size=16]Efa hiverina ve i Jesoa Kristy ?[/size]

Angamba mbola tadidin'ny namana @ serasera ny tabataba nataon'i Mailhol (sy ny hafa koa) t@ taona 1999, mety mbola tadidin'ny sasany koa ny "solomaso Apôkalypsy" :). Mino koa aho fa mbola tadidin'ny namana rehetra koa ny hysteria nanodidina ny 21/12/12 sy ny resaka planety Nibiru hoy aho hoy :-).

Fahita indraindray koa ny mpitondra sekta maminany ny datin'ny Fara Andro nefa avy eo diso. Rehefa hoatr'izay dia manao fety be mandany ny volany rehetra na mamono ny ombiny rehetra na mindrana vola be ny mpanaraka azy ireo, kanefa tsy tonga ny Fara Andro ary lasa mahantra tampoka izy ireo...
Indraindray, rehefa hitan'ilay mpaminany sandoka fa diso izy dia milaza daty vaovao akaikikaikin'ny daty nomeny t@ voalohany, kanefa moa mbola diso hatrany ilay izy...

Inona no mahatonga an'ireto olona ireto miseho azy ireo ho manana fahalalàna manokana momba ny datin'ny Fara Andro kanefa efa nilaza mazava tsara i Jesoa Kristy izay lazainy ho arahiny hoe "Fa ny amin’ izany andro na ora izany dia tsy misy mahalala, na dia ny anjely any an-danitra, ary na dia ny Zanaka aza, afa-tsy ny Ray ihany" (Mk. 13:32) ? Ny an'i Mailhol izao dia mieritreritra ny tenany ho manana "code secret" ahafahany mamoaka hevitra miafina avy @ Baiboly.
Kanefa ny zava-doza dia manjary mipetra-panontaniana ny olona hoe sao dia tsy hiverina kosa i Jesoa Kristy ?

[size=16]Nampanantena fa hiverina ve i Jesoa Kristy ?[/size]

Na dia ataon'ny sasany fihomehezana fotsiny ilay izy dia milaza avokoa ny tenin'Andriamanitra fa tsy maintsy miverina ety ambony tany i Jesoa Kristy indray andro any (Asa. 1:11, Ap. 19:11-16, Zk. 14:4). Nilaza t@ mpianany i Jesoa fa Izy no Mesia izay hanatanteraka ny faminaniana momba Azy @ Testamenta Taloha, ao anatin'izay ny fiverenany (Mk. 13:1-37). Nilaza mazava tsara i Isaia mpaminany fa tsy maintsy mijaly sy maty ho an'ny otantsika ny Mesia (Is. 53:3-11). Kanefa ao koa ny faminaniana hafa izay nilaza fa ho tonga ety ambony tany @ maha-Tompo Azy Izy mba hanafaka an'Isiraely @ faha8ny. Sarotra ho an'ny Jiosy ny mampifanandrify an'ireo fomba fijery 2 momba ny Mesia izay toa mifanipaka.

Nialoha ny nanombohana Azy @ hazofijaliana, nodarohana ary noesoeson'ny Jiosy i Jesoa. Toa tsy nahefa inona na inona Izy rehefa nanontanian'i Kaiafasy raha Izy tokoa no Kristy (izany hoe Mesia), ilay zanak'Andriamanitra. Namaly i Jesoa hoe : Izaho no Izy; ary ho hitanareo ny Zanak’ olona mipetraka eo ankavanan’ ny Hery sady avy eo amin’ ny rahon’ ny lanitra" (Mk. 14:62).

Mahagaga ny olona sasany ny nandrovitan'i Kaiafa ny akanjony rehefa naheno an'izay na dia nandrara ny mpisoronabe handrovitra ny akanjony aza ny lalàn'i Môsesy. Azoazontsika kokoa ny antony rehefa fantatsika fa Mesia ho tonga @ hery sy voninahitra no nandrasan'ny Jiosy. Tsy mba nanana ny endriky ny mpanjaka mahery ity lehilahy Galileana mandeha ra teo anoloany ity.
Nanamarika i Jaona hoe : Tonga tany amin’ ny Azy Izy, fa ny Azy tsy nandray Azy. Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery [Na: anarana, na fahefana] ho tonga zanak’ Andriamanitra, dia izay mino ny anarany (Jn. 1:11-12).

Taorian'ny fitsanganany t@ maty, nentin'i Jesoa tany @ Tendrombohitra Ôliva ny mpianany ary nampiakarina tany @ lanitra Izy. Ary raha mbola nandinika ny lanitra izy ireo tamin’ ny nandehanan’ i Jesosy, indreo, nisy roa lahy teo anilany niakanjo akanjo fotsy, [anjely] izay nanao hoe: Ry lehilahy Galiliana, nahoana no mijanona eto mijery ny lanitra hianareo? iny Jesosy Izay nampiakarina niala taminareo ho any an-danitra iny dia mbola ho avy tahaka ny nahitanareo Azy niakatra ho any an-danitra.(Asa. 1:10-11.

Tsy niteny zava-baovao ireo anjely ireo fa nanamafy fotsiny ilay fampanantenan'i Jesoa fa hiverina indray androany @ hery sy voninahitra hitsara ny velona sy ny maty Izy (Mt. 24:27-31).

[size=16]Famantarana manambara ny fahantomoran'ny fiverenan'i Jesoa Kristy ?[/size]

Efa mainka ho 2 000 taona no nandaozan'i Jesoa Kristy ny tany ary maro ny mipetra-panontaniana hoe nahoana Izy no mbola tsy tafaverina ihany hatr@'izao. Nilaza ilay filôzôfa mpandà an'Andriamanitra Bertrand Russell @ bokiny "Why I Am Not a Christian" fa matoa mbola tsy tafaverina i Jesoa hatr@'izao dia nivadika t@ fanekeny. Marina ve izy ?

Efa naminany ny Apôstôly Petera ny @ mpanaraby tahakan'i Russell : "fa fantatrareo voalohany indrindra fa amin’ ny andro farany dia hisy mpaniratsira avy haniratsira, mandeha araka ny filany ka manao hoe: Aiza ny teny fikasana ny amin’ ny fihaviany? Fa hatrizay nodian’ ny razana mandry dia maharitra tsy miova ny zavatra rehetra; eny, hatramin’ ny nanaovana izao tontolo izao aza." (2 Pet. 3:3-4)

Tokony mba nanjohy an'izay sy ny tenin'i Jesoa Kristy momba ny fotoana hiverenany ary ny tranga izay hiseho mialohan'izay i Russell sy ny mpaniratsira tahaka azy. Nilaza mazava tsara i Jesoa fa na dia tsy misy olombelona mahafantatra na hahafantatra ny fotoana marina hiverenany (Mt. 25:13), hisy kosa ny famantarana izay hanambara fa hihakaiky ilay izy.

Nanambara zavatra mikasika ny toe-javatra hiseho amin'izany andro izany koa ny mpaminanin'ny Testamenta Taloha sy ny Apôstôly. Ireto misy vitsivitsy @ famantarana izay manambara ny fahantomoran'ny fiverenan'i Jesoa Kristy araky ny Baiboly (Mt. 24:3-51) :
- horohoron-tany goavana
- mosary manerana ny firenena maro be
- ady
- valan'aretina hamely an'izao tontolo izao
- fanenjehana ny mpino
- ho toriana eran'izao tontolo izao ny Evanjely

Maro ny horohoron-tany, ny mosary, ny ady sy ny valan'aretina nitranga t@ tantaran'izao tontolo izao, fa nilaza kosa i Jesoa fa hihamaro sy hihamafy avokoa ireto zavatra ireto mialoha ny fiverenany. Efa nanomboka t@ andron'ny Apôstôly ny fanenjehana ny mpino ary miha-mitombo hatrany ankehitriny. Mbola tsy nahitàna mpino kristiana betsaka toy izany enjehina nohon'ny finoany t@ tantaran'ny olombelona. Nilaza i Jesoa fa mbola hitohy hatr@ fiverenany izany toe-javatra izany, ary torak'izay koa ny fitoriana ny Evanjely eran'izao tontolo izao. Nilaza koa Izy fa rehefa hiseho ireo tranga ireo dia tokony 'manandratra ny lohantsika' isika satria antomotra ny fiverenany (Lk. 21:28). Ka na dia tsy miombon-kevitra tanteraka momba ny antsipiriany, maro ny manam-pahaizana ara-Baiboly izay mino fa efa mihakaiky ny fotoana noresahin'i Jesoa. Nanentana ny mpino i Paoly mba hiandry ny fanantenana mahafinaritra sy ny fisehoan’ ny voninahitr’ Andriamanitra lehibe sady Mpamonjy antsika, dia Jesosy Kristy [Na: Andriamanitra lehibe sy Jesosy Kristy, Mpamonjy antsika] (Tit. 2:13)Tit. 2:13).

Ka mbola azo antoka ve ny fampanantenany ? Raha eny no valiny dia nahoana izy no mitaredretra tahak'izao ?

I Petera no namaly an'izay : Nefa, ry malala, izao zavatra iray loha izao no aoka tsy hohadinoinareo: ny indray andro amin’ ny Tompo dia toy ny arivo taona, ary ny arivo taona toy ny indray andro. Ny Tompo tsy mahela ny teny fikasany, araka izay ataon’ ny sasany ho fahelany; fa mahari-po aminareo Izy, ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin’ ny fibebahana izy rehetra, (2 Pet. 3:8-9)

Mpino niharan'ny fanenjehana sy fizahan-toetra no nanoratan'i Petera. Naniry an'i Jesoa Kristy ho tonga alohaloha izy ireo, ka nampahatsiahivin'i Petera fa ny fitoriana ny Evanjely manerana an'izao tontolo izao no laharam-pahamehana ho an'Andriamanitra ka ho betsaka arak'izay azo atao ny isan'ny voavonjy, araky ny efa nolazain'i Jesoa.

[size=16]Azo atokisana ve ny fampanantenan'i Jesoa Kristy ?[/size]

Ahoana no hamaliantsika ny mpaniratsira tahakan'i Bertrand Russell izay manendrikendrika an'i Jesoa Kristy ho tsy nanaja ny fampanantenany ? Izay no ho hitantsika amin'ny fizaràna manaraka
novalian'i Miharena ny 16/09/2013 08:39
2. universal ( 09/09/2013 08:45)
Ny hevitro mikasika an'io dia toy izao: "raha tena hiverina tokoa izy dia aleo izy ho avy dia eo isika mahita izay hataony... lasa mpaminany sandoka raha hiteny hoe hiverina izy ary mivadika na tsy mivadika amin'ny teny teny fikasany izy..."
3. Miharena ( 09/09/2013 15:16)
Ny ahy indray dia ilay resaka hoe miverina no mety tsy mitombina satria tsy misy toerana manerana izao tontolo izao tsy nanaovan'i Jesoa ny asaNY. Ary tsy niafina IZY hatrizay ka hoe mbola hiverina. Raha tsy diso ny fitadidiko ida tsy Izy no niteny tamin'ny Apostoly hoe toy ny niakaraNY no hiverenany fa ny anjely izay niseho tamin'izy ireo.

Izy dia nilaza fa handeha hanamboatra fitoerana ho an'ny Apostoly. Raha dinihina dia efa vita ireo toerana ireo ary ny Apostoly dia efa nody any Aminy avokoa.

Asa aloha ny fandraisan'ny Kristianina izay fahatsapako izay. Tsy hevitro aloha izany fa fahatsapana noho ny fandalinana nataoko sao dia hiteny indray ny namana Nehemiah hoe : hevitrao manokana izany.
4. moustaraf ( 10/09/2013 03:40)
Salama namana,
io fiverenany io dia mazava be ny voalaza:
1°Tsy maintsy toriana @ firenena rehetra= israely rehetra izay miely ny filazantsaran'ny fanjakana!
Mihevitra ny maro fa io filazantsara notoriana hatramin'izay io no filazantsaran'ny fanjakana nolazain'i Mpamonjy! tsia, filazantsaran'ny Romana sy grika ireny, fa ilay tena filazantsara dia ilay voasoratra hoe" filazantsara mamerina ny ANARANY" izay vao miantomboka!!!

2°Tsy maintsy toriana ny filazantsara ao:
-Jerosalema sy jodia= firenen'i Joda
_Samaria ka hatramin'ny faran'ny tany= Israely izay miely
-faran'ny tany (araka ny faminaniana dia i Madagasikara)= ilay tany farany voatondro ho nalehan'ilay Israely babo
IZA no mba mahalala an'izany? na ny Malagasy izay Hebreo aza mandà mafy ary milaza tena fa Jentilisa!!
Ireo mpamaky baiboly dia jambenana eo antrehan'ireo faminaniana izay manondro an'i Madagasikara!!

Mino aho fa ireo dia isan'ny antony mahatonga ny mbola tsy fivereny @ rahon'ny lanitra, satria misy adidy manokana ho an'i Malagasy izay mbola tsy fantany.
5. moustaraf ( 10/09/2013 03:55)
Fanamarihana kely:
araka izay voasoratra ombieny ombieny, ny olo-masina izay ampahaorian'ilay biby @ fotoana farany dia olombitsy; ka raha ny zavatra hita @ izao fotoana izao dia MAJORITE ny kristiana eto ambony tany (???) iza marina ireo olom-bitsy, fa sao dia diso lalana é!
6. Nehemiah ( 10/09/2013 05:55)

Miharena:
Ny ahy indray dia ilay resaka hoe miverina no mety tsy mitombina satria tsy misy toerana manerana izao tontolo izao tsy nanaovan'i Jesoa ny asaNY. Ary tsy niafina IZY hatrizay ka hoe mbola hiverina.

Mazava tsara ny lahatsoratra fa milaza mazava ny Baiboly fa tsy maintsy miverina ara-bakiteny @ rahon'ny lanitra, tsy azo ahodikodina mihitsy izay.
Miharena:
Raha tsy diso ny fitadidiko ida tsy Izy no niteny tamin'ny Apostoly hoe toy ny niakaraNY no hiverenany fa ny anjely izay niseho tamin'izy ireo.

Ka rehefa anjely no niteny an'izay fa tsy Jesoa dia tsy azo atokisana ve ? Toa izay mantsy no tianao tenenina
Miharena:
Izy dia nilaza fa handeha hanamboatra fitoerana ho an'ny Apostoly. Raha dinihina dia efa vita ireo toerana ireo ary ny Apostoly dia efa nody any Aminy avokoa.

Asa aloha ny fandraisan'ny Kristianina izay fahatsapako izay. Tsy hevitro aloha izany fa fahatsapana noho ny fandalinana nataoko sao dia hiteny indray ny namana Nehemiah hoe : hevitrao manokana izany.
Tsara ho fantarina fa ny voambolana "???????? " izay nadika hoe "hanomana" dia midika hoe "faire les préparations nécessaires, tenir chaque chose prête" araky ny konkôrdansan'i Strong, ka mety misy zavatra mbola tsy voaomana eo.

Ary raha jerentsika ny Ap. 6:9-11 dia azontsika an-tsaina ny antony
7. Nehemiah ( 10/09/2013 05:57)

moustaraf:
Mihevitra ny maro fa io filazantsara notoriana hatramin'izay io no filazantsaran'ny fanjakana nolazain'i Mpamonjy! tsia, filazantsaran'ny Romana sy grika ireny

Ahoana ho'aho no ahafantaranao an'izay ? Inona no loharanonao ?
8. RBNIR ( 10/09/2013 09:14)
Faly miaraba ny rehetra,

Ho fiomanana ho an-tsika:
http://forum.serasera.org/forum/message/m5142b81e5b494#m5143481313ef6

Samia ho tahin'ny Tompo daholo
9. toriteny ( 10/09/2013 14:41)

Miharena:

Ny ahy indray dia ilay resaka hoe miverina no mety tsy mitombina satria tsy misy toerana manerana izao tontolo izao tsy nanaovan'i Jesoa ny asaNY. Ary tsy niafina IZY hatrizay ka hoe mbola hiverina. Raha tsy diso ny fitadidiko ida tsy Izy no niteny tamin'ny Apostoly hoe toy ny niakaraNY no hiverenany fa ny anjely izay niseho tamin'izy ireo.

Ahitsiko kely fotsiny ianao. Tsy Jesosy no niasa à proprement parler teto an-tany hatrizay (Hatramin'ny niakarany) fa ny FAnahy MAsina.

Ary marina ny anao fa ny anjely anisany niteny tamin'ny Apostoly io fiverenany io. Saingy efa betsaka ihany koa, ankoatran'ny Anjely, ny faminaniana manambara io fiverenany io na hatrany amin'ny TT aza. Ary fantatrao fa ny faminaniana rehetra momba an'i Jesosy dia tsy maintsy tanteraka avokoa fa tsy hoe rehefa Anjely na mpaminany tany ain'ny TT no niteny an'io fa tsy i Jesosy dia tsy marina izany. De toute façon na Jesosy koa aza efa niteny fa mbola hiverina Izy. JAo14:3:"Ary raha handeha hamboatra fitoerana hoa anareo Aho , dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko , ka izay itoerako no hitoeranareo koa ". Ary tsy maintsy hiverina Izy
[/quote]
10. Miharena ( 10/09/2013 15:30)
Tsara ary mahafinaritra daholo izay valinteny nasetry ireo resaka nataoko ireo. Fa izaho indray mahatsapa fa efa betsaka ireo izay efa nisehoan'i Jesoa sy Jehovah Ray hitory amin'ny Malagasy sy ireo firenena hafa. Hatramin'ny taona 1900 mankaty.

Izay no anaovako hoe tsy Fanahy Masina no miasa fa IZY. Ireto misy lalana hahafahana mijery ny fiasan'i Jesoa : Dada Rainisoalambo, Nenilava, Dadatoa Rakotozandry, sy ireo fifohazana izay mahalala hatrany hoe iza indray no olona nahazo fampianarana sy iraka avy amin'i Jesoa mivantana.

Asa aloha na miaiky ireny ianareo fa raha ny fahatsapako dia tena misy mihitsy ny porofo mivaingana amin'ny maha-Mpahary ny maniraka azy ireny. Efa anisan'ny ataon'ny fifohazana ho taim-boraka ihany ireo adihevitra momba ny finoana ankehitriny satria izy ireo dia efa nahatsapa fa miasa i Jesoa ho azy ireo sy ho an'ny olona rehetra eran'izao tontolo izao.
11. moustaraf ( 11/09/2013 04:49)
Salama namana,
Misy holazaina kely ny @ ireny olona milaza tena fa nisehoan'i JK ireny; i JK hoy aho fa tsy Yeshu'a ilay tena izy!
"raha misy mitory Yeshu'a hafa ankoatra izay ....dia fanahy hafa ..."

Izahay dia milaza eto ho ren-tany sy ho ren-danitra fa io J.k IO dia fanahy hafa (mamitaka ny maro manerana an'izao tontolo izao), izay azo roahina @ anaran'Yeshu'a

Iza no mahalala ny nihafaran'ny tantaran'io Nenilava io? Aoka mba holazaina eto ny tena marina mba tsy ho izaho no hanoratra azy!

Tsy mahita ve ianareo fa ilay fifohazana dia sarintsarin'ilay fomba hebreo? Akanjo fotsy lava...misaron-doha...Mametra tanana....zoky olona....fanokanana....toerana iray fidina aleha isan-taona...

12. bor2lais ( 11/09/2013 12:07)
Ary mampitahotra an-dramousta angaha ny milaza na manonona ny Anarany ? Sa iza io J.K resahinao io : John Kennedy ve ? :-)
13. moustaraf ( 11/09/2013 15:50)
"Aoka tsy ho heno avy @ vavanareo akory ny anarany(ireo sampy) fa fahavetavetana eo anatrehako izany"
14. moustaraf ( 11/09/2013 16:02)
EXTRAITS
"Un des rares citations de l'antiquité proférées par les apologistes chrétiens et d'autres pour prouver l'historicité supposée du personnage "Jésus-Christ" est une phrase tirée de l'ancien historien romain Gaius Suétone Tranquillus les Vies des douze Césars (livre 5, la vie de Claude 25.4) . Publié autour de 120 AD / CE"

En réalité, le terme «Crestos" ou ????? ?? a été utilisé en association avec une pléthore de personnes et des dieux, à commencer siècles avant l'ère commune. C Hréstos et son plurielchrestoi ont été utilisés pour décrire des divinités, des oracles , des philosophes, des prêtres, des oligarques «Les citoyens de valeur, des« esclaves, les héros , les décédés et autres. Surtout, chrestos semble avoir été le titre de «saints parfaits» dans diverses écoles de mystères ou des confréries, associés à l'activité oraculaire en particulier.

Raha hivavaka ihany, tsy aleo ve miantso izay azo antoka fa marina, toy izay dikan'anarana izay fantatra fa fanompoana sampy???
15. Miharena ( 12/09/2013 03:14)
Moustaraf:

Iza no mahalala ny nihafaran'ny tantaran'io Nenilava io? Aoka mba holazaina eto ny tena marina mba tsy ho izaho no hanoratra azy!


Asa aloha namana fa rehefa mamaky ireo zavatra rehetra izay lazainao fa misy diso ireo aho dia mahita fa zavamisy avokoa na ireo tantaran-drazana an'ny Malagasy na an'ny Romana.

Asa koa na fantatrao fa avy amin'ny fahalalànany' Malagasy ny tontolon'ny fanahy no hahafahany manana fifandraisana mivantana amin'i Jehovah sy Jesoa.

Tsy azo tsinontsinoavina koa na dia fifandraisana amin'ny zazavavindranoa aza.

Mety misy tantara manodidina ireo ataon'ny olona saingy mila mamantatra ny fototra iorenan'ireny ihany koa isika vao mitsara sao dia mitsaratsara foana.
16. Nehemiah ( 12/09/2013 05:52)
Tokony atao lohahevitra manokana ny fanaporofoana ny fisian'ny zazavavindrano fa manjary mampivoana ny resaka :) .
17. bor2lais ( 12/09/2013 12:02)
mousta:

Raha hivavaka ihany, tsy aleo ve miantso izay azo antoka fa marina, toy izay dikan'anarana izay fantatra fa fanompoana sampy???

:-)
18. moustaraf ( 12/09/2013 17:50)
Miharena:"Tsy azo tsinontsinoavina koa na dia fifandraisana amin'ny zazavavindranoa aza.
Mety misy tantara manodidina ireo ataon'ny olona saingy mila mamantatra ny fototra iorenan'ireny ihany koa isika vao mitsara sao dia mitsaratsara foana."

Izaho Moustaraf izay manoratra eto dia taranaka avy anaty rano, izay tsy mba mifàna araka ny fanaon'ny foko maro fa miroboka avy hatrany anaty rano lalina miaraka @ zazakely raha vantany vao teraka!
ka tsy vaovao amiko raha ireny fahalala ireny sy ny fanahy miaraka aminy, ary tsy manao tsinontsinona an'ireny velively akory fa tena misy ary réel (izay ihany no azoko lazaina)
19. Nehemiah ( 13/09/2013 06:15)
Dia mahavaky vava ahy re ny fahamorana ambakain'ny gasy, soa dia misy taranaka bozalena amin'ny serasera ? :-)
20. Nehemiah ( 13/09/2013 06:53)
Ity indray ary ny rohy mankany @ fizaràna manaraka :

http://forum.serasera.org/forum/message/m5232b6274db0a
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0578