Hita tany Talpiot tokoa ve ny fasam-pianakavian'i Jesoa Kristy ?

21. Nehemiah ( 09/09/2013 08:52)
Ahoana indray raha mihevitra ny mijery zavatra 1 izy ireo nefa zavatra samihafa no jereny raha ny tena marina ?
22. universal ( 09/09/2013 08:58)

Nehemiah - 09/09/2013 08:44
Raha azoko tsara heverinao ho lainga ve ny fitsanganan'i Jesoa Kristy t@ maty ?



Miala tsiny aminao aho fa tsy io soratanao eo ambony io no tiako ho lazaina. J'ai dit: " Ils ont leurs raisons que ma raison ne connaît pas." Izany hoe takatry ny saiko ilay resaka... dia izay ihany.

Ny tsaratsara angamba raha tena mila valim-panontaniana mazava ianao dia ireo mpianatr'i jesoa ireo no ametrahanao ilay fanontaniana...


23. pisoonja ( 09/09/2013 09:05)
misy ny olona eto @ forum mieritreritra ny olona ho tsy ampy saina ka manambany ny hafa tsy mitovy hevitra aminy ahoana moa no ilazanao fa izany no mampahantra ny malagasy ny toe-tsainy tsy mihaino ny hafa toa anao io no ataon'ny mpitondra fanjakana ka mampahatra ny vahoaka malagasy toy izao !!! avelao ny olona haneho izay fomba fiheverany azy , ary ny Soratra Masina nilaza fa eto Tsy misy olona marina na dia iray aza koa aza mitompo teny fatratra hoe manana ny fahamarinana ianao .
24. voromailala ( 09/09/2013 09:42)

Nehemiah:

Ahoana indray raha mihevitra ny mijery zavatra 1 izy ireo nefa zavatra samihafa no jereny raha ny tena marina ?

"Possibilité" izay koa zao zay. Betsaka ny zavatra mety nitsanga anatin'ny izao tontolo izao fa anatin'ny mandrakizay dia iray tamin'ireo ihany no nitranga.
25. Nehemiah ( 09/09/2013 12:57)
Universal >> Izaho indray no miala tsiny aminao fa izay anie no izy raha ny lôjikanao no arahina e, na dia mbola tsy noheverinao lalina angamba izay.

Tsotra kely anie ilay izy : na milevina @ 1 @'ireny toerana ireny ny vatan'i Jesoa dia tsy nitsangana t@ maty ara-batana araky ny filazan'ny Apôstôly i Kristy, na nitsangana t@ maty ara-batana Izy dia tsy milevina mihitsy. Takatry ny sain'ny rehetra izay fa tsy mila fandinihana be manahoana.


Ny tsaratsara angamba raha tena mila valim-panontaniana mazava ianao dia ireo mpianatr'i jesoa ireo no ametrahanao ilay fanontaniana...


Izy ireo mihitsy no nijoro vavolombelona t@ fitantarany raketin'ny Testamenta Vaovao fa nitsangana ara-batana i Kristy. Fa izany hoe resaka hafa ny @ fahatomombanan'ny Testamenta Vaovao
26. universal ( 09/09/2013 13:07)
HI HI HI fizarana voalohany

HA HA HA fizarana faharoa
27. Nehemiah ( 09/09/2013 13:58)

pisoonja:
misy ny olona eto @ forum mieritreritra ny olona ho tsy ampy saina ka manambany ny hafa tsy mitovy hevitra aminy

Iza kay izao :) ?
Mba lazao ahy kely hoe ny solonanarany sy ny toerany nanambaniany ny hafa tsy mitovy hevitra aminy ary ny mahatonga anao hieritreritra fa mieritreritra ny olona ho tsy ampy saina :)
pisoonja:
ahoana moa no ilazanao fa izany no mampahantra ny malagasy

Satria nandinika ny tenako, ary velabelariko kely eto ny antony (fantatro fa tsy miraharaha an'izao ianao, ary fantatro koa fa mivoana ny resaka, fa sao dia mba mahita tombontsoa ny mpamaky hafa) :
- rehefa manao ny prôpagandiny ny mpanao pôlitika dia tsy mivaky loha ny @'izay hevitra voiziny ny vahoaka fa manatelina an'izay fampanantenana pôkaty rehetra torahany ary mora taomin'ny fanomezana omeny. Vokany : izay be vola ihany no tafita fa tsy izay manan-kevitra tsara sy fahavononana hanarina ny firenena
- rehefa eny @ fitondràna indray izy ireo dia mahazo vahana tsara handrebireby ny saim-bahoaka @ alalan'ny fanantitranterana ny "zava-bita" tsy mahasoa izy ireo mba anafenany ny tsy fahombiazany sy ny fandrobany ny firenena, satria tsy mivaky loha @'izao ny vahoaka
- nahatsikaritra an'izay fisainana izay tsara ny mpanjana-tany sy ny vahiny sasany ka nararaotiny tsara mihitsy mba "hitarozahany" ny harentsika. Aza mieritreritra ny hifanandrina @ raha tsy mahay inona na inona
- ny mpianatra @ kôlejy sy lisea dia tsy mba tia mivaky loha manao fikarohana izany fa tsy mahay afa-tsy ny mandika izay @ tabilao sy manao ny exercices, ary manome vahana an'izay fisainana izay koa ny mpampianatra satria tsy mba maneho fahaiza-mamorona. Vokany : sahirana izy ireo @ oniversite sy ny fitadiavana asa (mbola tadidiko tsara ireny mpiara-mianatra amiko t@ 2e année tsy nahay an'izany four µ-ondes izany !!!)
- torak'izay koa, tsy mahavita manao tahaky ny Beriana tsara toe-panahy (Asa. 17:11) ny olona rehefa taomin'ny hevitry ny sekta nefa tokony mandinika ny Soratra Masina isan-andro, na marina izany, na tsia, hany ka maro ny miala @ fampianaran'ny tenin'Andriamanitra mba hanaraka an'ireo mpandrebireby saim-bahoaka ireo.
pisoonja:
ny toe-tsainy tsy mihaino ny hafa toa anao io no ataon'ny mpitondra fanjakana ka mampahatra ny vahoaka malagasy toy izao !!!

Ianareo no manao bemarenina @ hevitra arosoko dia izaho indray no "tsy mihaino ny hafa" ???
pisoonja:
avelao ny olona haneho izay fomba fiheverany azy

Taiza ho'aho aho no tsy namela olona haneho izay fomba fiheverany azy ? Ary nahoana koa aho no tsy haneho izay fomba fiheverako izay fomba fiheverany azy ? Ny maha-serasera ny serasera dia samy afaka milaza ny tiany lazainy. Eo an-kilany koa tsy maty mihitsy ny fitsipiky ny fahaiza-miaina.
ary ny Soratra Masina nilaza fa eto Tsy misy olona marina na dia iray aza

Fanahy inianao ve ny manovaova ny hevitra voizin'ny voalazan'ny Soratra Masina sa inona e ? Raha ny fandraisanao azy aloha no izy dia tsy manana ny marina koa ianao ka inona no mbola anadalanao ahy :) ?
Ny tian'ny Sal. 14:1-3 lazaina dia tsy misy olona manao ny marina eo anatrehan'Andriamanitra, izany hoe resaka "casier judiciaire" io fa tsy hoe manana ny marina na tsia.
pisoonja:
koa aza mitompo teny fatratra hoe manana ny fahamarinana ianao.

Ahoana indray ny ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo (Jn. 8:32) ? Rehefa misy olona miady hevitra dia tsy maintsy mieritreritra ny tenany ho manana ny marina. Iza koa no hiditra @ adi-hevitra ka hanao hoe "diso ny ahy fa lazaiko ihany" ?
Raha vanona ilay adi-hevitra dia mampitaha ny heviny avy eo ny mpifampiresaka ary raha misy mifanohitra na mifanilika mihitsy ny hevitra dia ezahina fantarina hoe ny an'iza no diso. Ary satria "Teny 100, kabary 1000 fa ny 1 ihany no marina" dia 1 ihany (na 0) no manana ny marina @'ireo izay nandroso hevitra mifanilika.

Ka raha misy diso ny hevitra narosoko dia asehoy ahy ny hadisoako, fa tsy mba vitan'ny argumentation par l'émotion-nao izay, sady tsy mandaitra amiko rahateo izay.

Sa ny fomba namelabelarako finoana kristiana ara-pisainana ve no manirikiry anao satria tsy mety aminao ? Lazao ny marina fa tsy mba tiako ny fihatsarambelatsihy.
28. Nehemiah ( 09/09/2013 14:08)
Universal >> Tsy azoko ny tianao tenenina
29. universal ( 09/09/2013 14:31)

Nehemiah - 09/09/2013 14:08
Universal >> Tsy azoko ny tianao tenenina


je n'en ai pas moi aussi la moindre idée, désolé...
30. mizara ( 16/09/2013 06:18)
voromailala:

Raha ny hevitro manokana dia tsy fasan'i Jesoa io fa any Inde no misy ny fasan'i Jesoa.


:)

Ntss Eo amin'ny Alitara etsy amin'ny EKAR Faravohitra no tena misy ny fasany Koooo!
31. voromailala ( 16/09/2013 08:42)
mizara> ary mety Hebreo ihany gasy a, satria any madagasikara ny fasan'i Jesoa.
32. Miharena ( 16/09/2013 12:44)
Ary isaky ny misy maritiora teto Madagasikara dia nasiana Fiangonana. Ka sao dia efa nisy nahafantatra tokoa aza amin'ireny karazana Fiangonana natsangana ireny hoe : eto no nahafaty an-dRanona Olo-masina ka dia eto no atsangana ny Fiangonana
Ireo fiangoanna natsangana taloha elabe ireo no tiana lazaina.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2049