Comment devenir un Chrétien?

21. Miharena ( 02/09/2013 06:59)
Mety azona antoka ve fa maty tokoa Adama sy Eva fa tsy narahan'i Jehovah hatrany izy ireo? Jereo ny tantara.
22. voromailala ( 02/09/2013 07:50)
Misaotra betsaka anareo amin'ny valiteny sy ny adihevitra mahaliana.
Fa raha azo hatao dia mba miverina amin'ilay lohahevitra isika.
23. Miharena ( 02/09/2013 08:13)
Miala tsiny tokoa aloha fa lasa nivoana ilay adihevitra nefa miditra eo amin'ny maha-Kristianina ihany moa izy io.

Raha toa ka tena zohina i Jesoa Kristy dia efa Kristy hatrizay IZY ary isan'ny mikarakara na ny fanahin'ny velona na ny fanahin'ny efa lasa nodimandry. Ka raha izay no izy dia tsy misy olona ho velona tsy ho Kristianina izany. Ary tsy mipetraka tampoka ilay fanontaniana rehefa izay no mitranga.

Aleo angamba atao ohatra velona ilay izy. Misy ohatra ireo izay zanaka Ombiasy malaza taloha nefa dia lasa Kristianina na dia tsy nihevitra ny ho lasa Kristianina aza.
24. voromailala ( 02/09/2013 11:55)
Miharena> raha azoko tsara izany dia io Silamo dia Kristianina ihany koa? fa tokony miverina amin'ny finoana kristianina fotsiny izy?

25. bor2lais ( 02/09/2013 12:43)
voromailala:

Miharena> raha azoko tsara izany dia io Silamo dia Kristianina ihany koa? fa tokony miverina amin'ny finoana kristianina fotsiny izy?

:-)
Izaho aloha mahita fa manomboka azonao ny tian'i miharena lazaina e ! :-)
26. voromailala ( 02/09/2013 13:02)
bor2lais> :-)
27. Nehemiah ( 02/09/2013 15:17)
:-)
28. Miharena ( 02/09/2013 17:15)
Tsy afak hanava-tena isika hoe Kristianina dia hilaza fa tsy izy ny Silamo na ny Boudhista na ny hafa tsy voatanisa. Asan'Andriamanitra ny mamerina ny olombelona amin'ny Fototra Marina raha mbola ekentsika fa Andriamanitra nahary izao rehetra izao IZY. Raha tsy izay IZY dia sekta izany.
29. Nehemiah ( 03/09/2013 05:19)
Ny tsara ataonao dia ny mamaritra izay heverinao ho atao hoe kristiana fa toa tsy mitovy @ fiheveran'ny daholobe ny atao hoe kristiana
30. voromailala ( 03/09/2013 07:24)
Miharena> Mitovy fijery aminao za amin'ilay hoe fofotra marina raha mbola ekentsika fa Andriamanitra nahary izao rehetra izao ary izy tsy nanavakavaka ny olona. Noho izany ve tsy tokony hatao hoe Kristianina daholo ny olona rehetra na hoe tsy asiana fanavahana fa hatao fotsiny hoe zanak'Andriamanitra daholo fotsiny isika?

Marihana fa ny fivavahana katolika dia sekta avy amin'ny Jiosy ary ny fivavahana protestanta dia sekta avy amin'ny fivavahana katolika, sns... sns....

31. voromailala ( 03/09/2013 07:27)

Nehemiah:

Ny tsara ataonao dia ny mamaritra izay heverinao ho atao hoe kristiana fa toa tsy mitovy @ fiheveran'ny daholobe ny atao hoe kristiana

Izay indrindra, na anontanianao azany ny olona iray fiangonana dia samy manana ny hataony hoe kristianina ry zareo.

Io no anisany nanaovana ny konsily fampitovy fijery ny kristianina rehetra kanefa tsy tanteraka izany.

Ary na amin'ireo silamo koa azany dia ohatra an'izany ihany koa. Nisy fandaharana tamin'ny fahitalavitra dia nanontaniana ireo silamo avy nivavaka tao amin'ny moské. Hoe inona no hatao hoe Halal dia misy mamaly hoe sakafon'ny Silamo,misy manao hoe fomba famonoana biby amin'ny fomba silamo,sns.....dia variana fotsiny aho nijery ilay izy.




32. Miharena ( 03/09/2013 10:03)
Mazava anie fa mitsipaka izay fototra iorenan'ny fivavahany ny olona matetika e! Mialza ohatra ny Silamo fa mino an'i Allah izay nanao izao rehetra izao dia milaza ny sasany amin'izy ireo fa tsy izy ny Kristianina. Ny Kristianina koa torak'izany, milaza izy fa Jehovah no tompon'izao rehetra izao dia milaza izy fa tsy kristianina izay olona hafa firehana. Izany hoe tsy mitombina indray izany ilay filaza hoe Tompon'izao rehetra izao rehefa miova hevitra ny olona iray na maro noforonin'Andriamanitra???

Tsy anisan'ny fahadisoana ihany ve izany?

Raha zohina anie ny fitorian-teny ankehitriny dia ny hiovan'ny olona fomba fiheverana no tena vontoatiny, dia ny hahalalàny fa IRAY no Loharano nipoiran'ny rehetra ka tokony hifankatia izy rehetra amin'izany.
33. Nehemiah ( 03/09/2013 13:23)

voromailala:
Marihana fa ny fivavahana katolika dia sekta avy amin'ny Jiosy ary ny fivavahana protestanta dia sekta avy amin'ny fivavahana katolika, sns... sns....

Inona kay no tena famaritan'ny sekta ?
34. voromailala ( 04/09/2013 07:14)
Nehemiah> izao manokana dia mitovy dikateny amin'ny soratan'ny wikipedia eto.


Le mot secte a d'abord désigné soit un ensemble d'individus partageant une même doctrine philosophique, religieuse, etc. soit un groupe plus ou moins important de fidèles qui se sont détachés de l'enseignement officiel d'une Église et qui ont créé leur propre doctrine. Une secte peut aussi désigner une branche d'une religion, une école particulière. En ce sens, ce mot n'a rien de péjoratif.


Fa taty aoriana lasa novain'ny olona ny tena dikany.
35. aldira ( 04/09/2013 14:21)
Amiko ny famaritana ny atao oe Kristiana aloha voalohany indrindra dia mianga avy ao anatin ny SM ihany dia tsy iza izany fa ireo izay nanaradia an i Kristy, ka na antoko no filaza an io na firehana dia izay no kristiana teny amboalohany

Ankehitriny iza no Kristiana?
Dia tsy misy fanazavana azo entina afatsy izay mianga ao anaty SM ihany!
Mpanara-dia an i Kristy izy aloha ary mitandrina ireo nandidian i Kristy

Misy ohatra maromaro ao milaza ny fiovan ny olona iray ho lasa mpanara-dia an i Krsity
Nitoriana teny izy, avy eo nibebaka, natao batisa, nandray ny Fanahy Masina ary nanomboka teo izy dia lasa olombaovao mitandrina ny didin i Kristy araka ny teny manao oe "raha misy olona ao amin i Krsity dia olombaovao izy"

Ny olona iray araka izany rehefa tonga kristiana dia miova tanteraka ny fiainany araka ny famaritana nomen ny mpandinika iray teny ambohalohany, ny fiainana andavanandrony, ny teny aloakan ny vavany, ny ataon ny tanany, ny asian'ny tongony, ny jerean ny masony, ny tafian ny vatany sns

Ny olona rehetra tsy chrétien de naissance fa safidy io, fanampahankevitra no mahatonga olona ho kristiana,
Araka ireo fanazavana ireo tsy hiombonako hevitra ny filazana fa chrétiens ny silamo na ny indou na boudhiste na athée, mety misy amin ireo mino an Andriamanitra fa TSY KRISTIANA!

36. bor2lais ( 05/09/2013 14:20)
aldira:

Ny olona rehetra tsy chrétien de naissance fa safidy io, fanampahankevitra no mahatonga olona ho kristiana,
Araka ireo fanazavana ireo tsy hiombonako hevitra ny filazana fa chrétiens ny silamo na ny indou na boudhiste na athée, mety misy amin ireo mino an Andriamanitra fa TSY KRISTIANA!

Zany hono ry miharena a ! :-)
37. Miharena ( 06/09/2013 16:29)
Mety tsy mbola nanaraka tsara ny asan'i Jesoa amin'ireo karazana finoana lazaina ireo angamba ny namana maro toa an'i Aldira sy isika eto amin'ny serasera.

Raha mamaky fikarohana ara-panahy maro isika vao mety hahita fa hay Jesoa Kristy efa niara-niasa tamin'reny karazana finoana ireny.

Ohatra iray : ao amin'ny boky La Vie des Maitres dia ahitana ny fiaraha-miasan'i Boudha sy Jesoa. Ny Silamo indray matoa manaja betsaka an'i Jesoa dia fantany fa manana fahefana lehibe Izy, indrindra eo amin'ny famonjena ny Jiosy.

Misy ireo boky ayv amin'i Jesoa izay mtovitovy amin'ny foto-pisainana hindoue : 3ème Testament ohatra izay ahitana ny réincarnation.

Ireo rehetra ireo dia ahafahana mamantatra fa tsy mipetra-potsiny akory ny Ray sy Zanaka ary ny Fanahy Masina mampahalala fa tsy misy afa-tsy IZY no mikarakara izao Tontolo ambany masoandro izao sy ny Tontolon'ny Fanahy.

Izany no mahatonga ny olona hifaly sy hahazo antoka fa voavonjy avokoa ny olon-drehetra ary eo ambany fikarakaran'ny Tompo Tsitoha irery ihany izy rehetra. Tsy anjarantsika ny manipaka ny hafa sy hilaza fa isika irery no marina ary isika irery no Kristianina fa ny hafa dia antoko hafa mihitsy. Misy aza anie ny sasany milaza fa avy amin'ny Devoly ireny finoan'ny hafa ireny!!! Izay mifanohitra avy hatrany amin'ny teny voalohany ao anaty Baiboly milaza hoe : andeha isika hanaot olona mitovy endrika amintsika.

Ny sasany mety hilaza hoe jereo ny tantara momba ny fisarahana ho antokon'olona, nefa izay mitana ny fahamarinana voalohany tokony tsy ho voahozongozon'ny tantara fa tokony ho tafaverina amin'ny fisainana tsotra rehefa mifanena na amin'iza na amin'iza eto ambonin'ity tany ity.
38. Nehemiah ( 07/09/2013 07:16)

Miharena:
Tsy anjarantsika ny hilaza fa isika irery no marina ary isika irery no Kristianina fa ny hafa dia antoko hafa mihitsy.

Ahoana ihany ny Jn. 14:6 e ???
39. Miharena ( 07/09/2013 17:44)
Tsy misy mandà io teny io ny filazana etsy ambony fa vao mainka manamafy aza.

izay mahafantatra AZY miasa ao amin'ny olon-drehetra tsy an-kanavaka no hany mitàna ny fahamarinana no sady mibanjina AZY tanteraka ary miara-dia Aminy.
40. Nehemiah ( 09/09/2013 07:47)
Na dia ireo izay milaza fa tsy nitsangana t@ maty Izy ve ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0076