Malagasy Mijaly Nefa Mpivavaka?

1. voromailala ( 20/08/2013 15:30)
salama daholo
izay indray vao niverina fa noho ny adidy aman'andraikitra.
Inty indray azany ny lohahevitra vaovao:

Inona no mahatonga ny Malagasy ankehitriny mijaly andro aman'alina kanefany mivavaka?


Zanahary ô, tahio ny tanindrazanay
Handroso lalandava, handry fahizay.
Enga anie hanjaka ao ny saina mahay miray,
Dia ho tany sambatra, ilay Madagasikaranay


Efa ela ihany io hira io fa tsy mbola misy vokany hatramin'izao.

Tsisy fihatraikany ve ilay fivavahana sa mihena ny isan'ny mpivavaka? sa inona?


novalian'i Miharena ny 02/09/2013 08:41
2. Ialahy ( 20/08/2013 16:50)
fa angaha moa hoe ny mivavaka dia midika hoe tsy tokony hijaly??
zanahary o tahio ny tanindrazanay...
efa mitahy izy matoa mbola nomeny masoandro sy orana ary rivotra hiainana ianao.
3. Miharena ( 20/08/2013 18:48)
Mijaly amin'ny araka inona marina moa no tian'ny namana Voromailala tenenina?

Raha manana tany izy ka tsy mamboly izany, fijaliana novoleny manokana sa ahoana?

Ny olana manko izao dia te-hibosesika eto an-drenivohitra eto daholo ny ankamaroany satria hono hoe eto no misy ny vola. Dia rehefa mahantra dia lazaina fa ny rafitra no tsy mety.Na koa hoe ozona io sns..
Ny mpivavaka mikiliolio saina miherikerika etsy sy eroa no ataoko hoe mijaly fa izay mitozo marina na dia tsy manam-bola aza dia tsy mijay amin'izany. Hainy hatrany ny mahampy ny eo am-pelatanany ary hainy ny mamokatra izay kely ananany raha mpivavaka sy mahitsy ny olona.

4. Nehemiah ( 21/08/2013 05:32)
Arakaraky ny fahazoan'i Voromailala ny atao hoe mivavaka ilay izy, satria rehefa jerena ny Is. 58:6-10 dia efa elaela ihany no nivadika t@ tena fivavahana ny gasy
5. ratsirano ( 21/08/2013 06:40)
Raha ny tena marina, tsy ny Malagasy irery no mpivavaka ka mijaly. Fa ny fanontaniana mipetraka dia hoe : nahoana no avelan'Andriamanitra hisy ny fijaliana, nefa Izy no mahery indrindra sady be fitiavana sy manao ny rariny ? Lazain'ny Joba 34:10 anefa fa lavitra an'Andriamanitra ny manao ratsy.

Ny fikasan'Andriamanitra tamin'ny voalohany dia izay voalaza ao amin'ny Genesisy 1:28. Fa saingy nisy nitsiriritra ny toerana nisy an'Andriamanitra ka naniry tompoin'ny olona izy.

Rehefa nitaona an'i Adama sy Eva hikomy sy tsy hankato an'Andriamanitra i Satana dia nanakiana ny fomba fitondran'i Jehovah ka toy ny nilaza hoe : "tsy mahay mitondra Andriamanitra. Mandainga izy, ary misy zava-tsoa tokony ho an'ny vahoakany nefa tsy omeny azy. Tsy mila an'Andriamanitra hitondra azy ny olona fa afaka manapaka samirery ny amin'izay tsara sy ratsy. Ho tsara kokoa ny fiainany raha izaho no mitondra azy" (Genesisy 3:1-5)

Misy mihevitra fa tokony ho novonoin'Andriamanitra ho faty fotsiny ireo mpikomy. Nefa sady tsy nanaporofo izany hoe diso ny fiampangan'i Satana na koa ny fitondran'Andriamanitra no tsara.

Navelan'Andriamanitra handeha ny fotoana, mba hanaporofoana tsara fa mpandainga i Satana Devoly ary diso ny fiampangany. Noho izany dia navelany hifampitondra eo ambanin'ny fahefan'i Satana aloha ny olombelona. Satria dia i Satana no mitondra ity tontolo ity.

Jereo ange ao amin'ny Matio 4:8,9 : naka fanahy an'i Jesosy i Satana hoe omeny Azy " ny fanjakana rehetra amin'izao tontolo izao" raha miankohoka eo anatrehany izy. Tsy nolavin'i Jesosy izany satria an'i Satana ireo fanjakana ireo. Afaka ho jerena koa ny fomba filazan'ny Lioka 4:5,6 an'io.

Izany no mahatonga ny fandehan-javatra amin'izao tontolo izao miharatsy foana satria tsy i Jehovah Andriamanitra no mitondra azy fa ilay andriamanitra voalaza ao amin'ny Jaona 12:31.

I Satana anefa dia miezaka mamitaka ny olona ary ataony izay hinoan'ny olona hoe i Jehovah Andriamanitra no mahatonga izao fijaliana rehetra izao. Izany no mahatonga ny Korintiana faharoa 4:3,4 milaza fa nohajambain'i Satana ny olona mba tsy hahita ny marina.

Koa entanina foana isika hitady ny marina.

Mirary soa.

6. voromailala ( 21/08/2013 07:21)
Ialahy>Miankina amin'ny hoe inona no antony hivavahana? Mino aho misy ny mivavaka mba ho sambatra sy hanana fiadanampo.
Ny ankamaroan'ny olombelona rehetra eto antany anie izany efa tahiana mbola nomeny masoandro sy orana ary rivotra hiainana na ireo tsy mivavaka azany.

Miharena> Misy fahamarinana izany lazainao izay, ary ilay fijaliana lazaiko dia mitombo isan'andro ireo olona mitaraina, marary voan'ny tosidra,sns...

Nehemiah>raha ny fijery ety ivelany dia hitako hoe maro ireo malagasy mandeha any ampegonana,miheno hirampivavahana foana ao antrano, anaty fiara, feno soratra masina eraky ny trano, manao fotompivavahana alohan'ny hanaovana fety, sns....

Raha azoko tsara izany dia tsy voampita tsaran'ireo mpitondra fivavahana ny fampianarana mivavaka?

ratsirano>raha azo tsara izany dia normale raha mijaly ny olombelona amin'izao fotoana hanaporofoan'Andriamanitra tsara fa mpandainga i Satana, dia inona azany no tokony hatao mba hialana amin'izay fijaliana izay eto antany sa tsy maintsy miandry ny any amparadisa vao tsy hijaly intsony?
7. Nehemiah ( 21/08/2013 07:36)
Ie, izay mihitsy no tiako lazaina. Mbola tsy azoko an-tsaina tanteraka ny mety mahatonga an'izay : tsy fahampian'ny fampianarana ? Tsy fifandraisan'ny zavatra ampianarina any am-piangonana @ zavatra ivelomana andavanandro ?
Fa somary mirona @ faha2 aho : ny finoana kristiana dia tokony ahatonga ny olona hahasoa ny namany ka mametraka ny tombon-tsoany ambonin'ny tombontsoan'ny tena, nefa tsy izay no hitako ety Madagasikara, ny finoana kristiana dia tokony mahatonga ny olona hijoro na dia eo aza ny fanarabiana sy ny fanenjehana nefa tsy mba izay no hitako aty Madagasikara, ny finoana kristiana dia tokony hitarika ny olona hitàna ny fanekeny n'inon-kitranga n'inon-kidona nefa ny mifanohitra @'izay no hitako ety Madagasikara, na dia ny fotoan-gasy fotsiny no resahina aza
8. voromailala ( 21/08/2013 07:59)
Nehemiah>Ka izay indrindra. Mila mitady vahaolana izany ireo mpitondra fivavahana mba hampiaran'ny malagasy ny fampianaran'i Kristy amin'ny fiainany andavanandro.
9. Nehemiah ( 21/08/2013 08:11)
Tena marina izany, ary naverimberiko matetitetika ihany @ serasera izay : @ lafin'ny finoana kristiana, tsy finoanoam-poana ilay izy fa mirakitra @ tantaran'izao tontolo izao, miaraka @ tranga tahaky ny Famoronana sy ny Fahalavoana ary ny Fitsanganan'i Jesoa Kristy t@ maty. Ilay izy koa dia natao mba ampiharina @ fiainana andavanandro fa tsy nampianatra fidéisme be manadala fotsiny i Jesoa Kristy. Raha lazaina @ fomba hafa izany dia tsy finoana kristiana mihitsy ny mampisaraka ny ara-panahy sy ny ara-batana ary tsy finoana kristiana mihitsy ny mampifandrafy ny fisainana sy ny finoana.

Ny Baiboly ihany no milaza hoe :
* Tiava an’ i Jehovah Andriamanitrao amin’ ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra [Deo. 6. 5] .38 Izany no didy lehibe sady voalohany. (Mt. 22:37-38)
* Avia ary hifandahatra isika (Is. 1:18a)
* aoka ho vonona mandrakariva hianareo hamaly izay manontany anareo ny amin’ ny anton’ ny fanantenana ao anatinareo, nefa amin’ ny fahalemem-panahy sy ny fanajana (1 Pet. 3:15b)
10. universal ( 21/08/2013 08:24)
Raha araky ny lohahevitra: "Malagasy Mijaly Nefa Mpivavaka".

Hoy ny filazan'i Kristy: "Raha misy roa na telo mivory amin'ny anarako dia eo afovoany aho..."

Ny hita anefa isaky ny sabotsy na alahady ANTAPITRISA NY MALAGASY MIVAVAKA, ny fanontaniana mipetraka dia ny hoe eo afovoan'izy ireo tokoa ve Andriamanitra/kristy?

Ny didy vaovao nomen'i Kristy dia ny fifankatiavana.

Ny zava misy nefa dia samy mitonona ho kristianina avokoa nefa mifanenjika sy mifanaratsy ary ny SAMY IRAY FIANGONANA IHANY NO MIFANKATIA. Angamba tsy namaky ity voalazan'i Kristy ity ao amin'ny evanjelin'i Matio ity: "5.46 Si vous aimez ceux qui vous aiment, quelle récompense méritez-vous? Les publicains aussi n'agissent-ils pas de même?


Ka aza gaga raha mijaly....
11. moustaraf ( 21/08/2013 09:05)
Salama namana!
-MARO IREO firenena tsy mpivavaka Kristiana akory NEFA MANDROSO sy MIVOATRA
-Fa ireo firenena izay NOZANAHINA T@ FOMBA KRISTIANA NO FADIRANOVANA: ary isan'izany i Madagasikara (averimberina foana io)

Aoka tsy hatambatra mihitsy ny hoe Mpivavaka= mahantra; mbola tarazon'ilay fanjanahan_tsaina ihany io!

1° Io fahantrana lalim-paka nefa mitoetra ambony harena io "no POROFO manaraka" fa i Malagasy ilay taranaka HEBREO izay naely "aty @ faran'ny tany= Nosy lavitra= Madagsikara",
ary mbola manaraka azy ireo OZONA nafafin'ny Avoindrindra noho ny fivadihana fanekena naton'ireo razany (vers-750):
-Joda babo tany Babylona ary efa nody
-Israely babo tany Asyria niely ,tonga aty @ Nosy lavitra, ary tsy mbola nody mandraka androany;
"Raha any @ fahababoany, ka mahatsiaro ny anarako izy, izaho kosa hahtsiaro ny fanekeko izay nataoko t@ razany, ary hanenina @ nahafoizako azy aho, ka hitahy azy!"

Ny malagasy dia tena tia fivavahana, ary tena mitady ny fahamarinana fa sinagy mbola tsy ampy satria: mbola miantso faty (Atra), anaran'diso JK, sns...
"Les dieux sont Chrestoi
En outre, il est affirmé que ce titre chrestos / chreste a été conférée au dieu grec et déesseHadès et Perséphone , dieux des enfers. "Crestos» a également été décernés lors de la «omniprésent mystique" ou le dieu grec Hermès , le " psychopompe "ou un guide à l'au-delà, également une figure importante dans la mythologie pègre et dans les écoles de mystère. l'est aussi le titre revendiqué du grec dieu soleil Apollo , le dieu du oracles. Dans les Saturnales (3.4.8) de l'ancienne auteur latin Macrobe (c. 400 AD / CE), nous lisons que, "selon Cassius Hemina, les dieux des Mystères de Samothrace étaient de style ???? ??????? [ Theoi Chrestoi]. " (Mitchell, 18)"
12. universal ( 21/08/2013 09:13)
Raha araky ny lohahevitra: "Malagasy Mijaly Nefa Mpivavaka".

Hoy ny filazan'i Kristy: "Raha misy roa na telo mivory amin'ny anarako dia eo afovoany aho..."

Ny hita anefa isaky ny sabotsy na alahady ANTAPITRISA NY MALAGASY MIVAVAKA, ny fanontaniana mipetraka dia ny hoe eo afovoan'izy ireo tokoa ve Andriamanitra/kristy?

Ny didy vaovao nomen'i Kristy dia ny fifankatiavana.

Ny zava misy nefa dia samy mitonona ho kristianina avokoa nefa mifanenjika sy mifanaratsy ary ny SAMY IRAY FIANGONANA IHANY NO MIFANKATIA. Angamba tsy namaky ity voalazan'i Kristy ity ao amin'ny evanjelin'i Matio ity: "5.46 Si vous aimez ceux qui vous aiment, quelle récompense méritez-vous? Les publicains aussi n'agissent-ils pas de même?


Aza atao mahagaga ra mijaly ny gasy
13. bor2lais ( 21/08/2013 09:28)
Ity misy dinika efa nandeha teto mitovitovy sy/na mifandraika amin'ity lohahevitra ity ho an'izay mety ho liana :
Tsindrio eto
:-)
14. voromailala ( 21/08/2013 10:02)
Nehemiah> Ohatra ny any ampianarana ihany, vitsy no seho manoro ny fifandraisan'ny zavatra hianarana sy ny fiainana andavan'andro. Ka na dia tsara toy inona azany ny zavatra hampianarina rehefa tsy hatoro hoe ahoana ny fampiasana azy dia ho very maina ihany.

universal> Io fifankatiavana io no tena sarobidy "Tiavo ny namanao,ny fahavalonao hoy i Kristy", ary amiko manokana io no zavatra tsara voizina sy hatoro. fitiavana rery ihany no tena harena satria mitombo rehetra zaraina.

moustaraf> Ny fivavahana kristianina anie fivavahan'ny mahantra hoan'ny mahantra hoy ny Papa zay. ary i Kristy dia nahantra zanaka mpandrafitra. Mila manaiky izany ny malagasy hoe Hebreo vao tsy mijaly intsony?

bor2lais> misaotra nanoro ny rohy fa ahitana fijery ny tsirairay momba ny antony hivavahana,toy ny fanomanana ny any ankoatra, fitahiana ety sy any ihany koa.

Azo hatao ve ny sady mahazo harena be eto antany nefa koa mahazo ny lanitra? raha tsy asiana resaka rameva sy fanjaitra :-)



15. bor2lais ( 21/08/2013 13:52)
voromailala:

Tsisy fihatraikany ve ilay fivavahana sa mihena ny isan'ny mpivavaka? sa inona?

Betsaka ny mpivavaka fa vitsy ny voataiza araka an'Andriamanitra, isan'ireo tsy voataiza tsara : ny mpitondra (amin'ny sehatra isan'isany) sy ny mpanao politika (zanaky ny Fiangonana) izay saika lasa manompo an'i mamôna (vola) daholo ny ankamaroany ! :-)
voromailala:

Azo hatao ve ny sady mahazo harena be eto antany nefa koa mahazo ny lanitra? raha tsy asiana resaka rameva sy fanjaitra

Ie, toa azo atao raha tsy diso aho ... Mila amidy fotsiny ilay harena be (rehefa avy eo) dia omena ny mahantra sy ny malahelo alohan'ny andehanana manaraka Azy ! :-)
Fa raha tsy izany dia rameva sy fanjaitra e ! :-)

Fomba fijeriko ihany anefa ireo a ! :-)
16. Nehemiah ( 21/08/2013 14:21)

voromailala:
Azo hatao ve ny sady mahazo harena be eto antany nefa koa mahazo ny lanitra? raha tsy asiana resaka rameva sy fanjaitra :-)

Azo atao ka... raha miresaka @ olona tsy kristiana ;)
17. voromailala ( 21/08/2013 15:35)
bor2lais>raha zohiana anie izany vitsy ihany ny malagasy tena mpivavaka.

Nehemiah> :-)
18. bichette ( 21/08/2013 15:43)
Manompo ampy loatra ny malagasy ! izay no mahatonga azy mahantra, ary miampy an'izany, ny mpitondra manompo sampy koa dia voaozona ny firenena. Soa fa misy mivavaka ka dia ny famindrampon'i Tompo no mbola maha joro ny firenena
19. bor2lais ( 21/08/2013 15:44)
voromailala:

bor2lais>raha zohiana anie izany vitsy ihany ny malagasy tena mpivavaka

Fa mpiangona ve no betsaka ? :-)
20. moustaraf ( 21/08/2013 17:29)
Izahay aloha dia milaza foana hoe: raha fantatry ny Malagasy ny maha -izy azy ,ka miverina @ ilay Nanao ny lanitra sy ny tany izy, ka manala ny anarana fatina mpanjaka, sy ireo sampy grika sy romana eo @ molony dia hahatsiaro azy ny Mpanao azy, araka ny teniny!
"ary hosakanako ny valala, hirotska ny fara orana, ....Ny vokatra aloha ho tratran'ny aoriana, sns..." lainga ve izany io, fa tsy maintsy mahantra ny mpiavaka???

Andramo ka zahao fa TSARA ADONAY!
Tokana ny anarako ary tsy miova AHO!
Izaho no ELOHYM nanao ny lanitra sy ny tany!

Hiteraka zazalahy ianao ary ny anarany hataonao hoe YESHU'A

Aoka izay ao @ maizina hahafoy ny lalany
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0651