Malagasy Mijaly Nefa Mpivavaka?
21. ratsirano
(
21/08/2013 20:53)
Valiny manokana ho an'ny namana Voromailala
Azonao tsara ilay hevitra avoitry ny Baiboly ary rariny mihitsy ny fanontanianao hoe :" inona no atao mba hialana amin'izany fijaliana eto an-tany izany sa tsy maintsy miandry ny paradisa vao tsy hijaly intsony ?"
Fa avelatsika ny Baiboly no hamaly azy.
Marina fa mbola i Satana no mitondra izao tontolo izao (Jaona voalohany 5:19).
Kanefa ny Soratra Masina dia efa nilaza mialoha fa hisy fiafarany ireo fanjakana eto amin'izao tontolo izao ireo (Daniela 2:44)
Io Fanjakan'Andriamanitra io no resahin'i Jesosy tamin'ilay vavaka nampianariny antsika ao amin'ny Matio 6:10.
Mazava ho azy fa raha ho atao ny sitrapon'Andriamanitra ety an-tany, araka io tenin'i Jesosy io, dia tsy hisy intsony ny fijaliana, araka ny voalaza ao amin'ny Apokalypsy 21:3,4.
Alohan'izany anefa, dia misy karazana "propagande" nasain'i Jesosy atao mba hahafantaran'ny olona rehetra eran'izao tontolo izao ny momban'io Fanjakana io (Matio 24:14)
Tian'Andriamanitra hahafantatra ny marina mantsy ny olona rehetra mba hahafahany hisafidy, fa raha ny tena sitrapon'i Jehovah Andriamanitra dia voasoratra ao amin'ny Petera faharoa 3:9.
Andriamanitra dia manome toromarika ho antsika ao amin'ny Teniny mba hananantsika fiadanam-po dieny izao. Sady mahasoa antsika ankehitriny sy amin'ny ho avy ny fanarahana ny Tenin'Andriamanitra (Timoty voalohany 4:8)
Entanina isika rehetra handalina bebe kokoa hatrany izany Tenin'Andriamanitra izany.
Mirary soa

22. moustaraf
(
22/08/2013 04:41)
Ny olana dia ny tsy fahaizana mamaky ny baiboly sy mandray izay voatondro:
-Misy toko sy andininy maro dia maro izay tsy tokony hafangaro, ary samy manana izay iantefany avokoa;
ohatra:
-misy ny teny nosoratana ho an'i Israely irery ihany, ka tsy tokony horaisin'izay tsy Israely
-misy ny an'i Joda manokana
-misy hoan'ny hafa firenena
-sns...
Ny famakiana baiboly kristiana dia raisiny ho an'ny tenany avokoa ny hafatra rehetra: ho an'Israely, Joda, Syriana,.....hany ka mibirioka @ tsy tokony halehany ny ihafarany!
Indrindraindrindra ny HAFATRA MANOKANA HO AN'I MALAGASY:
ISA 11:11
Ary izany andro izany, ny Avoindrindra dia MBOLA HANINJITRA NY TANANY FANINDROANY, hanavotra ny olony, izay mbola sisa avy any Asyria sy Egypta sy Patrosa, sy Etiopia sy Elama sy Sinara sy Hamara , ary avy any @ moron-dranomasina(dikan-teny orizinaly= nosin-dranomasina)
IANAO IO VOALAZAN'NY MPAMINANY RY MALAGASY; ireo no lalana voatondra narahin'ireo razambenao niala avy tany @ fahababoana tany Asyria, ary niely hatra aty @ Nosylavitra!
ISA 49
Mihainoa ahy RY NOSY, ary atongilano ny sofinareo ry firenena lavitra....
6°Eny hoy izy; mbola zavatra kely foana raha tonga mpiasako hanandratra ny firenen'i Jakoba Ianao, sy HAMPODY ny ISRAELY SISA VOAARO

23. voromailala
(
22/08/2013 09:06)
bichette>izay izany ilay hoe madagasikara tsy mandohalika? :-), inona izany no vahaolana hatolotrao mba hialan'ny malagasy amin'ny fanompoana sampy?
moustaraf> mahaliana ny mahita fijery samihafa toy izao. tokony mihaiky izany hoe hebreo ny malagasy dia miverina manaraka ny fivavahana hebreo?
ratsirano>Misaotra anao amin'izay valiteny izany. Miombokevitra aminao aho amin'ilay hoe amin'izao dia afaka mahazo fiadanampo. Inona moa izany no tena dikan'ilay hoe mandalina ny tenin'Andriamanitra? mamaky baiboly isan'andro ve, sa mihony tsara ny toriteny any ampegonana? sa inona.?

24. Miharena
(
22/08/2013 16:46)
Mila porofo mivaingana rehefa miteny zavatra iray amiko fa tsy tokony holazaina fotsiny hoe izany no voalazan'ny Baiboly.
Ny namana rehetra miresaka eto ohatra dia manana fahalalàna ampy amin'ny famakiana Baiboly na amin'ny teny Hebreo io na amin'ny dikan-teny.
Ny tokony hofantarina mandrakariva araka ny lohahevitra hoe maninona ny Malagasy no mahantra na dia Krsitianina aza amiko dia mizara roa mazava tsara:
- Ny toetran'ny Malagasy hatrizay izay tia fandeferana dia tsy nahafahany nibahana ny harena misy eo aminy na maka ny an'ny olon-kafa ho azy
- Ny tsy fahafantarany ny momba azy fa variana maka tahaka izay nitondra izay fahaizany sy fahalalàny avy any ivelany ary manaiky fa izay lazain'ireo olona ireo no mametraka ny mari-drefy fa mahantra izy.
Raha toa ka ataontsika hoe marina ny lazain'ny namana Moustaraf dia mazava fa mizara roa koa ny Malagasy : Ny Jiosy ao Israely ankehitriny izay nanjanaka ani' Paletina ary ny Malagasy izay nozanahan'ny Eoropeana.
Karazana foko miavaka tsara ireo fa ny fanontaniana dia hoe maninona moa ny Malagasy no mihevitra fa raha ho any min'ny tany Kanàna izy dia Israel izay io tany io fa tsy hoe Madagasikara?
Tadidiko fa tami'ny andron'i Ratsiraka DIdier dia nisy ilay fanadihadiana lalina momba ny fiavian'ny Malagasy. Ary anisan'izany ny nanehoana fa nandalo taty ireo izay nitady volamena sy hazo hanaovana ny Tempolin'i Jerosalema tao Israely.
Ankehitriny dia rava io Tempoly tao Jerosalema io nefa ny fampanantenana dia hoe Jerosalema Vaovao. Ny fanontaniana dia hoe tena azo antoka ve fa Tanàna vaovao io Jerosalema vaovao izay tsy nataon-tanan'olombelona io?

25. ratsirano
(
23/08/2013 06:37)
Valiny ho an'i Voromailala
Ilaintsika ny mianatra ny Baiboly sy misaintsaina ny momba azy, ary mila ny fanampian'Andriamanitra isika mba hahazontsika tsara izay tiany ho lazaina ao amin'ny Teniny ka tokony angataka ny Fanahin'Andriamanitra isika amin'izany satria omeny am-pitiavana mihitsy io (Lioka 11:9-13)
Misy fitaovana fianarana Baiboly koa azonao andraisan-tsoa. Fitaovana fotsiny io fa ny Baiboly no fototra ary azonao hamarinina tsara mihitsy ao amin'ny Baiboly-nao hoe mifototra tsara amin'ny Tenin'Andriamanitra ve ilay fampianarana. Io fitaovana io dia ho hitanao ao amin'ny www.jw.org . Misy amin'ny fiteny maro dia maro izy io ary indrindra ny teny malagasy.
Ilaina koa matetika ny fanampian'olon-kafa. Sahala amin'izany ohatra ny lehilahy Etiopianina iray, izay namaky teny tao amin'ny Soratra Masina dia nampian'i Filipo mba ho azony tsara ny zavatra novakiany (Asan'ny Apostoly 8:26-35)
Koa dia mamporisika anao am-pitiavana mba hiroso amin'izany.
Mirary soa hatrany.

26. voromailala
(
23/08/2013 07:29)
Miharena>
Miombokevitra aminao ao amin'io. Io ilay lazaiko hoe samihafa ny hoe "CONNAISSANCE" sy hoe "COMPREHENSION". ilay connaissance izany azo avy amin'ny Théorie fa ny comprehension azo avy amin'ny Pratique na fampiharana ny Théorie.
Novoizina ihany koa ao amin'ny fivavahana kristianina fa dia tsy tsara loatra ny manakarena satria moramora kokoa hoan'ny rameva ny miditra anaty vodimpandraitra noho ny mpanakarena any amin'ny fanjakan'Andriamanitra.
ratsirano> Tokony hozaraina any ampiangonana anie izany io fitaovana io www.jw.org raha toa ka mety hanampy ny olona hanana fiadanampo.Ireo olona efa manana Comprehension ny Baiboly izany amiko dia tokony hizarana ny lalana nodiaviny,toa an'i Filipo tamin'ilay lehilahy Etiopianina.
Tsy efa izay ve nefa no hataon'ny mopera sy pasitera any ampegonana fa maninona no mbola mijaly ihany ny ankamaroan'ny malagasy?
Mila porofo mivaingana rehefa miteny zavatra iray amiko fa tsy tokony holazaina fotsiny hoe izany no voalazan'ny Baiboly.
Miombokevitra aminao ao amin'io. Io ilay lazaiko hoe samihafa ny hoe "CONNAISSANCE" sy hoe "COMPREHENSION". ilay connaissance izany azo avy amin'ny Théorie fa ny comprehension azo avy amin'ny Pratique na fampiharana ny Théorie.
Novoizina ihany koa ao amin'ny fivavahana kristianina fa dia tsy tsara loatra ny manakarena satria moramora kokoa hoan'ny rameva ny miditra anaty vodimpandraitra noho ny mpanakarena any amin'ny fanjakan'Andriamanitra.
ratsirano> Tokony hozaraina any ampiangonana anie izany io fitaovana io www.jw.org raha toa ka mety hanampy ny olona hanana fiadanampo.Ireo olona efa manana Comprehension ny Baiboly izany amiko dia tokony hizarana ny lalana nodiaviny,toa an'i Filipo tamin'ilay lehilahy Etiopianina.
Tsy efa izay ve nefa no hataon'ny mopera sy pasitera any ampegonana fa maninona no mbola mijaly ihany ny ankamaroan'ny malagasy?
27. voromailala
(
23/08/2013 07:32)
ratsirano>hanaiky koa ve ny fiangonana raha hizaranao an'io jw.org io?
28. pisoonja
(
23/08/2013 13:38)
Mahantra ny malagasy satria nisafidy ny hahantra izy izay tsy misy idiran'Andriamanitra velively ny mampahantra azy fa sitrapon'ny samy malagasy
Nomen'ANdriamanitra nosy tsara isika , volamena, vatosoa, harena an-kibon'ny tany ... izay ampy hiveloman'ny malagasy raha tena mpivavaka marina fa izany tsy misy satria fitiavan-tena no mibahana izay mitondra eo mihinana , ny mihinana tsy mahalala onina, ny vahiny te-hampahantra ny malagasy ahafahany manao ny ataony , firifiry moa ny gasy mahita vazaha dia mivadika otran'ny karipetra
ovaina ny toe-tsaina , raha te hampiadana ny malagasy , tsy theorie vava fotsiny , Andriamanitra manome ny zavatra rehetra efa tolora-potsiny ny malagasy sa miandry an'Andriamanitra hampiditra sakafo am-bava vao hilaza hoe sambatra !!!!!!!!!!

29. voromailala
(
23/08/2013 13:43)
pisoonja> ka izay voalazanao izay indrindra ilay izy. Fa ny fanontaniana mipetraka hoe, mba maro ihany ny fiangonana malagasy fa maninona no tsy mety miova ny toe-tsain'ny malagasy?
Inona no fepetra tokony raisina?
Ny mpitondra nifandimby teo irery ihany ve no diso?

30. ratsirano
(
23/08/2013 15:10)
Valiny ho an'i Miharena amin'ilay hoe " mila porofo mivaingana rehefa miteny zavatra iray amiko fa tsy tokony holazaina fotsiny hoe izany no voalazan'ny Baiboly".
Ny aminao izany, raha azoko tsara, dia raha tsy hitanao maso na azonao tsapain-tanana dia toy ny hoe tsy misy ?
Isika rehetra misera eto dia olona mino daholo fa misy Andriamanitra. Nefa dia tsy mbola nisy nahita an'izany Andriamanitra izany, ary tsy hisy afaka hanome porofo mivaingana amin'izany satria dia milaza mihitsy Jaona 1:18 fa "tsy nisy nahita an'Andriamanitra na oviana na oviana".
Ary izany no mahatonga ny Apostoly Paoly milaza hoe "fa finoana no andehanantsika fa tsy fahitana" (Korintiana faharoa 5:7)
Na dia izany aza anefa dia misy "porofo mivaingana" ihany ny fisiany satria hitantsika eny amin'ny zavatra nataony izany (Romana 1:20). Isika rahateo moa dia anisan'ny zava-boahariny.
Satria Izy no namorona antsika dia fantany tsara ny ao an-tsain-tsika sy ny ao am-potsika ao. Fantany fa betsaka ny fanontaniana manitikitika antsika, ohatra hoe :
- inona no antony namoronana ny olombelona ?
- Tsy misy azontsika antenaina ve afa-tsy ny hoe teraka, dia antitra, dia maty ?
- Manao ahoana izany Andriamanitra izany ?
Matoa isika nomeny saina afaka mametraka fanontanina sahala amin'izany dia mazava ho azy fa tiany ny manome ny valin'izany ho antsika. Afaka mahita izany isika ao amin'ny Baiboly ary tena misy valiny mazava tsara ao.
Rehefa mahita an'izay valin'ny fanontaniantsika izay isika dia lasa velom-panantenana na mety ho faly mihitsy aza, dia avy amin'izay no miainga ny finoana.
Jereo fa misy définition-n'ny finoana ao amin'ny Hebreo 11:1. Diniho fa mafonja be io "définition" io : ohatran'ny hoe fiandrasana zavatra antenaina nefa dia afaka atao ny mahatoky hoe ho azo io zavatra io na dia mbola tsy hita maso aza.
Dia mirary soa hatrany.

31. Miharena
(
24/08/2013 05:16)
Tsy manao mihitsy isika namana Ratsirano hoe tsy voalaza ao anaty Baiboly ny fahamarinana fa ny fiheverana azo avy amin'y fanadihadiana tsy midika fa ny tena marina no mivoitra avy amin'izany.
Azo antoka io rehefa mamaky sy mijery ny fiainan'ny Kristianina ankehitriny. Tsy ny Kristianina ihany fa ny Hebreo sy ny Silamo ary ny Boudhista sy izay mamofompofona resaka ara-panahy rehetra. Izy ireo dia tsy misy mahita ny FOTOTRA fa miady hevitra. Ary izay adihevitra izay raha tsy efa samy milaza ny azy avy tsy hahitana mihitsy izay bingo tokony hahitsy.
Asa ianao raha mino fa misy ny Malgasy efa hatramin'ny fotoana nidiran'ny fivavahana Kristianina teto no nisehoan'i Jesoa ary niteraka ireo karazam-pifihazana eran'i Madagasikara ireo. Asa koa raha efa tsapanao izany hoe ilatsahan'ny Fanahy Masina izany. Karazan-javatra toy izany no porofo tiana iaviana fa tsy hoe mahay mamaky teny sy manao teoria araka ny tenin'ny namana Voromailala ianao dia hoe manome izay tena zavamisy izay teneninao.

32. ratsirano
(
26/08/2013 06:21)
Marina fa mety hahafinaritra ny miady hevitra, satria samy milaza ny heviny avy ary samy te-hilaza daholo hoe ny azy no marina, dia mainka vao mafana ny fiadin-kevitra amin'izay.
Fa ny Mpamorona antsika dia iray ihany, ary manana ny heviny izy amin'ny fomba hivavahantsika aminy sy ny fomba tokony hitondratsika ny fiainantsika mba handraisantsika soa (Isaïa 48:17).
Ahoana no ahafantarantsika ny fomba tokony hanompoana an'i Jehovah ? Tsy voatery handinika sy hampitaha ireo fampianarana maro ankehitriny isika fa izay tena ampianarin'ny Baiboly ihany no ilaintsika hianarana.
Haka ohatra isika : olana any amin'ny tany maro ny vola sandoka. Raha asaina mamantatra ireny vola sandoka ireny ianao, ahoana no anavahanao azy ? Hiezaka hitadidy ny karazana vola sandoka rehetra ve ianao ? Tsia. Tsara kokoa raha ilay vola tena izy no dinihanao tsara. Hahay hamantatra ny vola sandoka ianao, rehefa fantatrao ny endrik'ilay vola tena izy.
Ary samy manana ny itiavany hanaovana azy ny Tenin'Andriamanitra. Misy manao azy ho "théorie" fotsiny, fa misy kosa tena mampihatra azy amin'ny fiainany mihitsy satria rehefa tena mandinika azy isika dia sahala amin'ny hoe tena miteny amintsika mihitsy Andriamanitra araka ny voalaza ao amin'ny Isaïa 30:21.
Ny ankoatran'izay lazain'ny Tenin'Andriamanitra, dia tsy avy any aminy ary mila fitandreman'ny tsirairay satria mety hahita zavatra hahatalanjona isika dia ho taitra amin'izay ary izay no tanjon'ilay fahavalon'Andriamanitra (Korintiana faharoa 11:14)
Mirary soa.

33. Nehemiah
(
26/08/2013 07:49)
Rehefa mitobaka @ tsena ny vola sandoka dia fongorana ary ampianarina hahay hanavaka ny vola sandoka sy vola tena izy ny vahoaka
34. moustaraf
(
26/08/2013 08:31)
AMOSA 4:6
Ozona: Izaho efa nanome anareo ny Mahamavovava tao an-tananareo NEFA tsy niverina tamiko ihany ianareo.
Tsy izany ve no fiteny malagasy ankehitriny ilazàna ny tsy fisiana sy ny fijaliana ara-bola?
"MAVO VAVA" :tanteraka eto Madagasikara ara-bakiteny ilay faminaniana!
Io no porofo tsy azo lavina fa mila miverina isika,Isika no lazian'ny faminaniana eto! isika @ maha Hebreo antsika; ilay taranaka mila miverina @ Elohym!
AMOSA 5:4
"Fa izao no lazain' i Adonay amin' ny taranak' Isiraely: Tadiavo Aho, dia ho velona ianareo;
AMOSA 5:8
Mitadiava Ilay manao an' Ikotokelimiadilaona sy ny Telonohorefy, ary mampody ny aloky ny fahafatesana ho maraina sy manamaizina ny andro ho alina, dia Ilay miantso ny rano ao an-dranomasina ka mandatsaka azy amin' ny tany: Adonay ELOHYM no anarany,
Raha miverina isika dia ariana avy hatrany ireo anaran-tsampy rehetra izay ivavahana (Atra,...) fa hoy Izy hoe: ADONAY ELOHYM no anarany!

35. Miharena
(
31/08/2013 05:15)
Tsy mametraka ilay porofo anie ilay fanoharana momba ny vola.
Fa aleo angamba averina mihitsy amin'ny lohahevitra izy ity fa mibirioka ka tsy mahazo valiny mazava isika amin'ny hoe : nahoana no mino nefa mahantra ny Malagasy.
Ny harena amiko dia tsy ny vola fa ny Fanahy maha-olona. Matoa mahantra izany dia tsy tontosa io fanahy maha-olona io.
Raha misy izany fanahy maha-olona izany dia mazava fa azo atao tsara ny mamolaka ny vola hanome tombon-tsoa ho an'ny olombelona fa tsy ny vola indray no manandevo ny olona.
Manankarena izany isika rehefa mahay mifehy ny vola. Nea tsy hahay hifehy ny vola raha tsy hendry tanteraka, izany hoe manam-panahy mazava tsara.
Raha mbola mivavabavaka va tsy mivavaka dia hahantra eo hatrany.

36. Nehemiah
(
31/08/2013 06:17)
Miharena:
Tsy mametraka ilay porofo anie ilay fanoharana momba ny vola.
Izay foana no anaovako hoe miezaha ihany mandinika ny voalazan'ny olona fa manjary
Miharena:Ny lohahevitra dia "nahoana no mahantra ny Malagasy nefa mino" fa tsy ny mifanohitra an'izay
Fa aleo angamba averina mihitsy amin'ny lohahevitra izy ity fa mibirioka ka tsy mahazo valiny mazava isika amin'ny hoe : nahoana no mino nefa mahantra ny Malagasy.
37. voromailala
(
02/09/2013 07:54)
misaotra anareo fa amin'ny fandraisana anjarana.
Raha tohizana araka ireo adihevitrareo ilay fanontaniana dia hoe:
mety ve hoe sady manakarena ilay olona eto antany no tena kristianina ihany koa? sa tsy maintsy misafidy hoe na manakarena eto antany, na hanakarena rehefa any andanitra?

38. Nehemiah
(
02/09/2013 08:33)
Raha tsorina ny fomba fijery kristiana momba an'izay dia izao : tsy ota mihitsy ny manankarena satria afaka manisy soa ny manodidina (sady izay indrindra no nitahian'Andriamanitra an'ilay manankarena), fa tombon-tsoa ny mahantra toy izay manankarena satria afaka mitodika @ zava-panahy bebe kokoa ary afaka mianatry ny miankina tanteraka @ fahasoavan'Andriamanitra.
39. Miharena
(
02/09/2013 08:41)
Raha io fanontaniana io indray amiko dia tsy tokony hipetraka satria ny harena eto an-tany anie ka ny olombelona no mamaritra azy fa ny tena harena dia ny Fanahy. Ilay hoe omeo ani' Kaisara izay azy ary an'Andriamanitra izay AZY dia misaraka tanteraka. Ny an'i Kaisara dia ny vola fa ny an'Andriamanitra dia Fanahy. Sasanany samihafa ireo. Izay noforonin'ny sain'i Kaisara dia azy fa izay noforonin'Andriamanitra (tsy vola) dia an'Andriamanitra. Ka rehefa midera AZY ao amin'ny voary sy izay asan'ny Tanany isika dia hana-karena tokoa satria izay volena hamokatra ary izay hompiana hahavanona be dia be tsy hita lany. Tsy mila mampiasa ny volan'i Kaisara akory dia efa manan-karena.