la mort dans la tradition Israélite et Malagasy
21. Miharena
(
20/07/2013 04:20)
Ilay resak'i Voromailala momba ny hoe "nous irons tous au Paradis" dia hiran'ny olon'afaka ka hizara izany amin'ny rehetra. Ny olona tsy afaka kosa dia tsy mba manana io fomba fijery io.
Raha eo amin'ilay resaka razana indray dia efa misy ireo Kristianina mifoha ka mampita ny fanahin'ny olona hoe eo am-pelatanan'i Jesoa. Fantatr'izy ireo tsara hoe io fa noraisin'i Jesoa ilay olona na koa hoe io fa lasa any amin'ny toerana hafa.
Ny tromba sy ny tsindrimandry moa dia mandeha hatramin'izao. Misy olona mandala ny esoterisma izay milaza mihitsy hoe mireska aminy isanandro Ranavalona I ary efa matevina mihitsy ny boky andraketany izany resaka izany. Ao koa ny filazana ny momba ny fahalalàny fa efa 9 ème réincarnation izy ankehitriny, ary ny filazana fa ao Ankaratra no misy an'Andriamanitry ny olombelona rehetra eran-tany.
Tsy eo amin'ny sehatra razana Malagasy fotsiny ihany io firehana io fa efa Universel. Azontsika anontaniana ireo ray aman-dreny ao Ankaratra raha te-hahalala bebe kokoa ary ao koa ireo mpanasina izay azo anontaniana.

22. Nehemiah
(
20/07/2013 06:54)
Miharena:
Ilay resak'i Voromailala momba ny hoe "nous irons tous au Paradis" dia hiran'ny olon'afaka ka hizara izany amin'ny rehetra.
Tadidio fa hippie no mpanoratra an'izay hira izay :-)
23. Miharena
(
20/07/2013 16:50)
Tadidio fa hippie no mpanoratra an'izay hira izay
Dia kilasiantsika ho inona indray moa izany ny Hippie?
Lasa misy fanavakavahana olona manko raha toa ka avy hatrany dia eo amin'ny fanakilasiana karazan'olona ny fomba fiheverana ara-Kristianina.
Ny fahafantarako izany Kristianina izany manko dia tsotra sady mandray olona tsara ary tsy mijery saranga na firehana.
24. Nehemiah
(
21/07/2013 06:48)
Ie, ary tokony mba tsy avy dia sokajiana @'izao saranga resahanao izao aho raha milaza ny tenanao ho kristiana ianao.
Inona no karazana fahafahana notorian'ny hippies ? Mieritrereta.

25. ratsirano
(
21/07/2013 16:15)
Misy hoe "fanahy" miverina any amin'Andriamanitra tokoa ve, rehefa maty ny olona ?
Raha jerena ao amin'ny Genesisy 2:7 dia hoe nofofonin'Andriamanitra fofonaina mahavelona ny vavoron'i Adama, dia izay no nahatonga azy ho olombelona (na olona velona).
Ka rehefa maty ny olona dia iny fofonaina mahavelona iny no miala aminy ka miverina amin'Andriamanitra, fa ny vatany dia miverina tamin'ny nangalana azy, dia vovoka na tany izany (salamo 146:4). Milaza koa io andininteny ao amin'io salamo io fa tsy afaka hikasa na hisaintsaina na inona na inona ny olona rehefa maty, ary manamafy izany ny bokin'ny Mpitoriteny 9:5.
I Jesosy moa dia nampitaha ny fahafatesana tamin'ny torimaso. Jereo ange ao amin'ny Jaona 11:11-14. Ary mba jereo koa salamo 13:3 fa milaza hoe ohatran'ny olona renoky ny tori-maso ny maty.
Koa miangavy an'i voromailala mba hamaky ireo fen-tsoratra ao amin'ny Baiboly ireo satria tenin'Andriamanitra ireo ary Izy no namorona ny olombelona ka dia Izy ihany no mahafantatra ny momba antsika rehetra na velona isika na maty.
Mety hisy fanontaniana hanitikitika anefa hoe : rehefa maty ny olona dia tsy hisy fanantenana intsony ve ? Ny tenin'Andriamanitra ihany no mamaly izany, koa dia manasa anao am-pitiavana ho any amin'ny site : www.jw.org
Mirary soa

26. Miharena
(
21/07/2013 16:52)
Inona no karazana fahafahana notorian'ny hippies ? Mieritrereta
HS isika raha io no velabelarina. Hanangano lohahevitra hafa indray io namana Nehemiah.
27. Nehemiah
(
22/07/2013 06:07)
Ratsirano >> Kanefa toa tsy mba renoky ny torimaso i Lazarosy sy ilay lehilahy manankarena any @ fiainan-tsi-hita @ Lk 16
28. voromailala
(
22/07/2013 09:49)
Nehemiah:
Ie, ary tokony mba tsy avy dia sokajiana @'izao saranga resahanao izao aho raha milaza ny tenanao ho kristiana ianao.
Inona no karazana fahafahana notorian'ny hippies ? Mieritrereta.
Raha ny hevitro manokana dia tsy tokony asiana fanavahana ny olona rehetra eto antany.
Na hoe Kristianina, silamo,sns tsy tokony hasiana an izany mihintsy.
Ieo no ara-mpivavahana fa ao koa ny ara-poko sy ara-pirenena, araka ny grady ao ampesana,...
Nataon'Andriamanitra hitovy isika rehetra, maninona no hasiana hoe Malagasy, Frantsay, Amerikana, Sinoa,sns......?
Rehefa mahatsapa tena ianao hoe mitovy daholo ny olona rehetra, izay no sarobidy.
30. ratsirano
(
22/07/2013 23:59)
[quote=Nehemiah]
Ratsirano >> Kanefa toa tsy mba renoky ny torimaso i Lazarosy sy ilay lehilahy manankarena any @ fiainan-tsi-hita @ Lk 16
[quote=ratsirano]
Marina fa misy fitantarana momban'ilay mpanan-karena sy Lazarosy tokoa ao amin'ny Lioka 16:19-31.
Fa tena nisy ve sa fanoharana fotsiny io voalaza io ? Ny Diksionera Amin'ny Baiboly (navoakan'ny FJKM) dia manaiky fa fanoharana io fitantarana io. Izao no nolazainy : "Ity monja no fanoharana nanononan'i Jesosy anaran'olona" (fan. faha-3, page 606).
Betsaka ny fanoharana voalaza ao amin'ny Lioka. Ohatra : ilay Samaritana tsara fanahy (Lioka 10:29-37). Varavarana ety (Lioka 13:23,24). Ny farantsakely very (Lioka 15:8-10). Ilay zanaka adala (Lioka 15:11-32)
Raha raisina ara-bakiteny io fitantarana io dia hifanohitra amin'ny andininy hafa ao amin'ny Baiboly. Ny Baiboly anefa dia tsy mifanohitra mihitsy.
Misy andininteny ao amin'ny Baiboly milaza fa tsy ao an-tsain'Andriamanitra akory izany hoe fandoroana olona amin'ny afo izany (Jeremia 7:31)
Ahoana no heverantsika hoe ray na reny iray mandoro ny tanan-janany amin'ny afo mba hanasaziana azy nohon'ny ditrany ?
Ny ray aman-dreny misaina aza tsy hanao izany koa mainka fa ilay Andriamanitra Fitiavana ? (Jaona voalohany 4:8)
Azo antoka fa tsy nanao afobe ampijalina olona mihitsy ilay Andriamanitra Mpamorona antsika.
Fa inona no hevitr'ilay fanoharana ?
Jereo www.jw.org
safidio ny "langue : malagasy"

31. moustaraf
(
23/07/2013 03:31)
Salama namana isany,
Mivoana be ilay resaka satria tsy misy ifandraisany intsony @ lohahevitra naroson'ny mpanolotra.
Ho anareo namana "Témoin de J" izay misera eto, ity misy fanontaniana mba tiako apetraka aminareo :
-Iza no nilaza fa "jéhovah no famaky an'ilay YHWH"? na Nahoana no "Jéhovah "no andikanareo azy?
MAEREZA DAHOLO!

32. Nehemiah
(
23/07/2013 06:13)
Ratsirano >> Ka ny Baiboly anie tenin'Andriamanitra ranoray, tsy azontsika atao ny mitsongatsonga ampahany sasany ary ahilika ny ampahany sasany tsy mety amintsika.
Ny fanoharan'i Jesoa rehetra dia zavatra tsy tena nitranga, izay aloha tsy iadiana hevitra, fa kosa mifototra @ zavatra tena misy (possible anie izany Samaritana tsara fanahy, vehivavy mamafa ny trano 1 manontolo mba ahitàna farantsakely very, zanaka adala, sns), ka nahoana no tokony exception ny Lk. 16:19-31 ? Satria misy anaran'olona ve ? Lôjika tsy mitombina izany.
Azafady aminao fa ny mahavoa anao (tahaky ny ankabetsahan'ny Vavolombelon'i Jehovah nifaneraserako hatrizay) dia miainga avy @ petra-kevitra fa marina ny fampianaran'ny Tilikambo Fiambenana mba hanaporofoana fa marina ny fampianaran'ny Tilikambo Fiambenana. Fisainana mitamberina, izany hoe lôjika tsy mitombina tsy manaporofo inona na inona izany.
Raha ny resaka helo indray dia aleo omeko anao ity rohy ity fa manjary mampalahelo i Moustaraf :
http://forum.serasera.org/forum/message/m5128bf5848aa3

33. voromailala
(
23/07/2013 07:50)
Nehemiah> Tsy tenin'Andriamanitra ranoray izany ny anaty Baiboly, jereo fotsiny baiboly gasy ilay vao nasiana fanovana. Fa maro ireo fanovana nataon'olombena,na amin'ireo evanjily azany dia misy mifanohitra ny zavatra lazainy.
Fa indrindra, raha natao ny fampitahana ny hita tao anaty baiboly sy ireo arsiva tany Egypta na Qumran dia hita fa misy zavatra maro no novaina, nasorina ary nampiana tao anaty baiboly.
Io zavatra io no nahatonga hoe 10 taona taty aoriana vao navoaka ny fandikana ireo arsiva hita tao Qumran.

34. Nehemiah
(
23/07/2013 08:05)
1°) Na izaho na Ratsirano dia tsy ho resy lahatra mihitsy.
2°) Fahaiza-miaina ifotony ny miezaka ny mandinika ny zavatra heverina sy inoan'ny olona resahinao izay voa manakiana, rehefa azo atao. Efa nomeko an'ity rohy ity ianao, nefa nodianao fanina.
Sa matahotra ny hivadika ho "Personne ayant un grand savoir" (famaritan'ny voambolana "érudit" @ www.linternaute.com) ve ianao raha mamaky an'ilay izy :) ?

35. voromailala
(
24/07/2013 07:44)
1°/Tsy mieritreritra ny handresy lahatra anao mihintsy aho,olona "érudit" kokoa noho ianao no mety haharesy lahatra anao.
2°/haveriko eto ilay zavatra nosoratanao, ilay fehiny ihany no novakiako satria fohifohy.
Manaja tanteraka ny fijerinao aho ary azoko tsara ny firesakao satria ny reniko koa dia mpampianatra toa anao ihany koa.
Ny ahy ny fijeriko dia hoe rehefa mitony ny saina dia mivoaka ny fanahy dia izay zavatra lazainao sy hataonao dia avy amin'Andriamanitra.

Fehiny : Nanana ny fahefàna faratampony @ taranja rehetra noresahiny ny Soratra Masina ho an'ny olomasin'ny Testamenta Taloha sy Kristy ary ny Apôstôly. Indrindrindrindra, ho an'i Kristy, rehefa miteny ny Soratra Masina, miteny Andriamanitra. I Kristy koa dia nanamafy nivantana ny tapan'ny Baiboly izay tena ataon'ny kristiana anarana lasibatra. Eto izany isika dia hanohitra ny hevi-diso entina anoherana ny maha-tsi-meti-diso sy ny fahampian'ny Soratra Masina. Tsy azon'ny Kristiana mampihatra lôjika atao ny mihevitra fa diso i Kristy, na nilefitra t@ fomba fijerin'ny mpihaino Azy Izy. Maro ny hevitra manohitra ny fiheverana fa fizohin-kevitra mitamberina (raisonnement circulaire) ny manao ny Baiboly ho fahefàna ambony indrindra : ao ny fakàna toky anatin'ny Baiboly sy ivelan'ny Baiboly, ao ny asan'ny ankina (axiome) @ sitema filôzôfika.
Manaja tanteraka ny fijerinao aho ary azoko tsara ny firesakao satria ny reniko koa dia mpampianatra toa anao ihany koa.
Ny ahy ny fijeriko dia hoe rehefa mitony ny saina dia mivoaka ny fanahy dia izay zavatra lazainao sy hataonao dia avy amin'Andriamanitra.
36. Nehemiah
(
24/07/2013 08:42)
voromailala:
1°/Tsy mieritreritra ny handresy lahatra anao mihintsy aho,olona "érudit" kokoa noho ianao no mety haharesy lahatra anao.
Koa angaha mifototra @ fahaiza-mandahatra ny fahamarinana, fa tsy ny mifanohitra @'izay ?
Raha misy olona milaza zavatra izay mifanohitra @ zavatra efa azoko antoka fa marina dia tsy mba ho resy lahatra aho. Ohatra izao i Ndriana Rabarioelina, Dr en Théologie, izay milaza fa taty Madagasikara no nitotonan'ny Sambofiara, kanefa mifanohitra tanteraka @'izay ny zava-misy.
37. voromailala
(
24/07/2013 09:42)
Nehemiah> Ianao ihany no namaly teo ambany ny fanontaniana napetrakao.
ireny Dr en Théologie ireny izao dia azo lazaina ihany koa hoe "Erudit",ireo zay olona manaraka azy dia resy lahatra ny sainy.
Tsy fantatro hoe iza ny olona nampianatra anao ny finoana arahanao, fa mahay kokoa noho ianao izy amin'ny resaka baiboly sy fivavahana dia nanaraka izay lazainy ianao.
Noho izany ny fahamarinana amin'ny resaka "Erudit" dia resaka fandresena lahatra.
Raha indray andro any misy olona mahay baiboly be, ka mandresy lahatra anao dia mety lasa hanaraka azy indray ianao, na ilay olona nampianatra finoana anao tamin'ny voalohany miova hevitra koa ohatra.

38. Nehemiah
(
24/07/2013 13:32)
Torak'izay koa dia tsy fantatro taiza no nianaranao an'ireny hevitra New Age ireny fa ny anisan'ny antony narahinao azy dia satria neverinao fa mahay kokoa noho ianao ny olona izay nivoitra azy, tsy hitako izay fahasamihafantsika eto.
Ny finoako tsy dia azo lazaina fa nisy "nampianatra" ahy (afa-tsy ny Fanahy Masina), fa ny Baiboly no novakiako, ary namaky boky izay nanazava ny ao anatiny aho, ka resy lahatra fa Jesoa Kristy ihany no mahavaha ny olan'ny otako raha ekeko ho Tompo Izy.
Izaho akory tsy tahakan'ireny olona manaraka an-jambany ny zavatra izay atolotra azy ataon'ny mpitondra sekta sakafo fotsiny, fa tsy maintsy dinihiko aloha ilay izy raha marina na tsia. Tsy ny fiheverako azy no mari-pitsaràna alaiko fa ny Baiboly voalohany, dia avy eo ny antontan-kevitra ara-tsiansa marim-pototra efa ananako momba an'izao tontolo izao manodidina antsika. Izay no mari-pitsarako fa tsy ny fihetseham-poko, ary fantatro fa mitombina ireo mari-pitsaràna ireo satria mifandraika @ réalité.
Minoa ahy fa ny vontoatin'ny zavatra inoako ankehitriny dia tsy ivadihako mihitsy ^_^

39. ratsirano
(
24/07/2013 14:41)
[quote=moustaraf]
Salama namana isany,
Mivoana be ilay resaka satria tsy misy ifandraisany intsony @ lohahevitra naroson'ny mpanolotra.
Ho anareo namana "Témoin de J" izay misera eto, ity misy fanontaniana mba tiako apetraka aminareo :
-Iza no nilaza fa "jéhovah no famaky an'ilay YHWH"? na Nahoana no "Jéhovah "no andikanareo azy?
MAEREZA DAHOLO!
[quote=ratsirano]
Asa raha manana Baiboly ianao fa toy izao ny filazan'ny Salamo 83:18 (fandikan-teny Protestanta) : "Ary aoka ho fantany fa Hianao irery ihany. Izay atao hoe Jehovah, no Ilay Avo Indrindra ambonin'ny tany rehetra." Misy fandikan-teny hafa koa mampiasa an'io anarana io.
Marina fa YHWH no fanoratana an'io anarana io tamin'ny teny hebreo tany am-boalohany satria tsy nisy zana-tsoratra (voyelles) ny teny hebreo fahiny ka tsy misy mahalala hoe ahoana marina no nanononan'ny olona fahiny ilay hoe YHWH.
Misy mandika an'io hoe Jehovah ary ny sasany hoe Yahweh fa ny hoe Jehovah no mahazatra ny sofin'ny olona sy ny masony ato amin'ny salamo.
Matetika dia miova ny fanononana ny anarana iray arakaraka ny fiteny. I Jesosy dia teraka jiosy ka angamba hoe "Ieshoa" no nanononana ny anarany tamin'ny teny hebreo. Ny atao hoe "testamenta vaovao" anefa nadika avy tamin'ny teny grika, dia lasa hoe "Iesos" no nanononana azy. Dia mbola hafa noho izany koa no hanononana azy amin'ny teny hafa.
Fa ny zava-dehibe dia ny ahafantarana fa Izy, izany hoe i Jehovah no Andriamanitra Mpamorona ny lanitra sy ny tany sy izay rehetra eo aminy.

40. voromailala
(
24/07/2013 14:45)
Ny olana dia tianao ho "Classer"-na amin'ny zavatra iray aho ahafanao manenjika ahy (new age,sekta...) :-) , kanefa izaho tsisy religion, tsisy dogma. Izay no zavatra tena manahirana anao miresaka amiko.
Iza no nanoro anao hoe vakio ny baiboly, fa tsy torah, na coran,sns..... ohatra?
Matao mitombo ireo malagasy manaraka ireny sekta ireny dia misy antony ao, any izy ireo no mahita fahasambarana kokoa.
Ny gasy matetika manana fijery ratsy ny sekta kanefa ny fivavahana kristianiana anie ka sekta avy amin'ny fivavahana jiosy e, toy izany koa ny fivavahana protestanta, sekta avy amin'ny katolika.
Izaho manokana aloha tsy hieritreritra ny hamporisika anao hivadika amin'ny zavatra hinoana indrindra fa hoe mahasambatra anao ilay izy.