Fantatrao ve i Mère Amma?

21. Nehemiah ( 17/07/2013 15:09)
Dia tsy ho afaka hifankahazo mihitsy isika izany, satria tsy misy fotony ny hevitra 1 raha tsy ara-pisainana, mazava ho azy
22. voromailala ( 17/07/2013 15:26)
Nehemiah> miombokevitra aminao amin'izay voalazanao izay aho.
Fa tsy manakana antsika hamaly ilay fanontiana ery ambony tamin'ny voalohany :-)
23. Nehemiah ( 18/07/2013 06:22)
Tsy manakana anao koa hanisy maso ny rohy nomeko anao. Raha hitako manao an'izay ianao dia ho azoko antoka ny honnêteté intellectuelle-nao ka ho valiako ny anao
24. voromailala ( 18/07/2013 07:41)
Raha omenao rohy 1 na 2 aho ka tsy lava loatra ny ao anatiny dia mamaky foana aho, fa raha rohy efa ho 10 mahery, ialako tsiny fa tsy hanana fotoana amin izany aho, sady miasa aho io no mifanoratra mizara izay zavatra mahasoa hitako.



25. Nehemiah ( 18/07/2013 07:57)
Izaho koa sady miasa no manoratra kanefa tsy manakana ahy handika an'izay anaty clé USB ka mamaky azy any an-trano rehefa malalaka :). Tsy ny hakamoan'ny mpiresaka amiko no mandiso ahy :P.

Na izany na tsy izany farafaharatsiny azonao vakiana tsara ny rohy farany indrindra momba ny hoe "I Adama sy Eva no voalohany dia ahoana avy eo no nahatonga ny olona lasa be dia be? sa niray tamin'ny reniny ny zanany?" :-).
26. voromailala ( 18/07/2013 09:40)
Ka izay no mahasamihafa antsika, izaho tsy "Erudit" :-), izaho rehefa tonga any antrano, dia milalao, miresaka amin'ny vady amanjanako, na mijery fotsiny ny natiora eo antokotany.

Izaho zao malaladalaka ato ampesana dia manararotra mizara izay zavatra hitako nahasoa ahy.

Raha ohatra zay zao dia mamaky aho :-), hoe niteraka vavy i Adama sy Eva dia mpianadahy izany no niray. Mazava ny fijerinao :-)




27. Nehemiah ( 18/07/2013 14:43)
Raha ny fomba firesakao dia angamba tsy mazava aminao mihitsy na odianao fanina fa tsy nampaninona mihitsy raha izy samy mianadahy no nifanambady satria mbola tsy lon'ny Fahalavoana ny ADN-ny ka tsy hiteraka zaza sampona izy ireo.

Raha mametraka fanontaniana ara-pisainana tahaky ny etsy ambony ianao, dia tsy maintsy valiny ara-pisainana no azonao, ka aoka isika hifanaja satria tsy fomba fiadiana hevitra ny miafina ambadiky ny hoe érudit aho érudit rehefa hita fa manana valiny mitombina ny olona iresahanao
28. voromailala ( 19/07/2013 08:04)
Nehemiah> samy manana ny fanazavany azy daholo ny olona rehetra,manontany mpandalina Baiboly hafa ianao ("Erudit") dia hafa ihany koa no havaliny.

Fa amiko manokana dia angano ny tantaran'i Adama sy Eva.

Tsy azonao tsara angambany ny zavatra tiako lazaina amin'ialay hoe saina. mandalo amin'ny saina daholo ny resaka rehetra. Fa tsy tokony ny saina no mibaiko anao fa ianao no mibaiko ny sainao.

Raha mbola ao anatin'ny "Formatage" ary "Conditionnement" ny "Fivavahana" ianao no mamaly
dia mbola tsy ara-pisainana malalaka no hamalianao ahy.

Raha mbola manao "référence" amin'ny Baiboly ianao fa tsy "référence" amin'ny zavatra niainanao dia mbola anatin'ny "Formatage".

Jereo i Kristy, Jiosy, rehefa miresaka ve izy dia nanao "référence" tamin'ny lalan'i Moizy? fa ny zavatra niainany no notantarainy.

29. Nehemiah ( 19/07/2013 08:23)
Ka ianao nametraka fihaikàna misy sous-entendu hoe finoanoam-poana ny finoan'ny Baiboly satria tsy ara-pisainana ny tantaran'i Adama sy Eva. Nomeko valiny ara-pisainana ianao ilazàna fa ara-pisainana anie ny Baiboly dia amavoinao indray ilay izy hoe tsy mety ny ara-pisainana kanefa fanontaniana mirona @ ara-pisainana ny t@ voalohany: hoatran'ny hoe "Andao hilalao foot" nefa avy eo indray ny fitsipiky ny rugby indray no arahinao.

Ka raha manao équivocation tahak'izao ianao dia miomàna fa tsy mba hifankahazo isika.


Jereo i Kristy, Jiosy, rehefa miresaka ve izy dia nanao "référence" tamin'ny lalan'i Moizy? fa ny zavatra niainany no notantarainy.

Ahoana indray ny Mt. 4:3-10,ny zavatra niainany (ety ambony tany) ve no notantarainy @ Satana, ary indrindrindrindra ny Jn. 10:35b ?
30. voromailala ( 19/07/2013 09:40)
Nehemiah> Misy fahamarinana ny zavatra lazainao. azo fintinina amin'ny hoe miresaka sakafo ohatra isika.
Ianao vary ihany no ekenao fa sakafo, nefa izaho rehefa miresaka dia miresaka, voankazo, hena, anana, sns...

Jereo zao fa mbola avy amin'ny Baiboly foana no hamalianao ahy. Eritrereto kely anie e, hoe indray andro mivoaka hoe betsaka zavatra novaina, diso tao anaty Baiboly?

Amin'izay fotoana izay tsy afaka ny hamaly ahy intsony ny sainao. Tsisy vary intsony.

31. Nehemiah ( 19/07/2013 13:49)
Manana loharano hafa azo atokisana momba ny fianan'i Jesoa ve ianao ankoatran'ny Testamenta Vaovao ? Aza ny apôkrifa aloha no tondrona ahy satria mitifi-tena izy ireo.

Izay izao no tsy tiako izay : voalohany ianao miantso porofo ara-tantara, izany hoe ny loharano tena ahafantarantsika ny fianan'i Kristy dia ny Testamenta Vaovao, nefa avy eo fotsifotsianao ny porofo avoakako avy @ Testamenta Vaovao ary tsy manome antony mitombina ho an'izay famotsifotsianao izay ianao.

Fa tsy ho afa-bela @'izany ianao. Nahoana no tsy tokony atokisana ny fitantaran'ny Testamenta Vaovao ? Raha tsy mamaly an'izay ianao dia tsy hitako izay antony tokony anohizana an'ity resaka ity, sady ny lohahevitrao ihany no mivoana lol
32. Miharena ( 20/07/2013 17:24)
Tsy mahagaga namana Voromailala fa rehefa misy adihevitra ivelan'ny fiheverana lazaina fa maha-Kristianina dia efa tonga ny namana maro amin'ny angady ny harona handà azy a!

Io dia tsy fantatra na noho ny fahatahorana hoe sao dia resin'ireny ilay fivavahana Kristianina, sa hoe sao dia lasan'iren ny mpikambana.

Izany hoe misy hevitra mametra sy mamefy hatsngana hatrany eo anatrehan'ny tranga iray, dia izay ve no tena mahavonjy?
33. Nehemiah ( 21/07/2013 06:52)

Miharena:
Io dia tsy fantatra na noho ny fahatahorana hoe sao dia resin'ireny ilay fivavahana Kristianina, sa hoe sao dia lasan'iren ny mpikambana.

:-)
34. Nehemiah ( 21/07/2013 06:56)

Miharena:

Tsy mahagaga namana Voromailala fa rehefa misy adihevitra ivelan'ny fiheverana lazaina fa maha-Kristianina dia efa tonga ny namana maro amin'ny angady ny harona handà azy a!

Eisy e ilay mizàna tsindrin'ila e :-) !

Rehefa mametraka hevitra mandala ny fahariana ara-Baiboly aho, tsy ianareo ihany ve no manatona avy any mikiry hoe tsy marina ny ahy :-) ?
35. Miharena ( 21/07/2013 17:31)
Tsy ianao no tsy marina kah! Mitanisa izay voalaza fotsiny ihany ianao fa rehefa manohana ilay hevitra ao anaty Baiboly tanisainao ianao dia lasa mahagaga fa tsy maharesy lahatra. Toy ny olona tsy mino izany no famakiana ilay laha-kevitra arosonao avy eo.

Asa aloha ny naana hafa raha mahatsapa ozay fa izaho manokana dia mahatsapa mihitsy hoe tsy lalimpaka ny finoanao an'Andriamanitra sy Jesoa (fahatsapana ihany izany fa tsy fitifirana anao akory an!) Ka izay no mahatonga anay hiteny aminao hoe tadiavo izay marina tsy azo hozongozonina fa aza dia mitanisa teny betsaka tsy ananana fomba tsotra entina afaka hanohanana azy akory ianao.
36. Nehemiah ( 22/07/2013 06:10)
Hihihi... Finoana tsy lalim-paka... Ahitàna raha ity serasera ity ka :-)

F'angaha tsiniko raha manajamba tena ianareo ?
37. voromailala ( 22/07/2013 08:10)
Nehemiah>Eny manana loharano azo atokisanao aho momba ny fiainan'i Kristy, dia ny ato anatiko izany.
Rehefa mitony ny saiko dia miray amin'ny aho ary lasa miaina ny fianany.

Ary haveriberiko hatrany fa ny soratra ny maty, rehefa nampianatra i Jesoa dia tsy nisy nandray antsoratra ny fampianarany, torak'izany daholo ireo mpitarika spiritoaly rehetra. Zoroasta, Bouddah, Mohamed,......

Ireo apostoly koa moa tsisy nahay nanoratra ny ankamaron'ny tamin izany hafatry i Thomas.

Tsara soloina Baiboly hoy aho sy solonanaran'i Nehemiah :-)
38. Nehemiah ( 22/07/2013 08:32)

voromailala:

Nehemiah>Eny manana loharano azo atokisanao aho momba ny fiainan'i Kristy, dia ny ato anatiko izany.

Dia mieritreritra tokoa ve ianao fa haharesy lahatra ahy na an'iza na iza mahay mampiasa ny sainy izao ?
39. Nehemiah ( 22/07/2013 08:35)

voromailala:

Ary haveriberiko hatrany fa ny soratra ny maty, rehefa nampianatra i Jesoa dia tsy nisy nandray antsoratra ny fampianarany, torak'izany daholo ireo mpitarika spiritoaly rehetra. Zoroasta, Bouddah, Mohamed,......

Dia ?
voromailala:
Tsara soloina Baiboly hoy aho sy solonanaran'i Nehemiah :-)

I Nehemiah dia nikely aina hamerina ny vahoakany @ fanajàna ny Fanekena izay nataony mb@ razany t@'Andriamanitra, mitovitovy @'izany ny tanjoko, ka aleoko ihany tazomina ity solonanarana ity fa misaotra ho an'ny soso-kevitra
40. voromailala ( 22/07/2013 09:55)
Nehemiah> Soratra dia maty, midika izany fa tsy manana lajany ny boky, baiboly mihoatra ny fianarana ny lalan'Andriamanitra amin'ny fiainana.

Hoy Jesoa (Evangile de la Paix) hoe fa maninona hoy izy no any anaty soratra no hitadiavanao ny lalàn'ny Raiko? kanefa ny soratra dia maty, fa tsy amin'ny zavaboary izay nohariany? amin'ny zavamaniry, biby fa indrindra ao aminao.

Angalana fianarana izay nolazain'i Jesoa fa fampiharana ny tena sarobidy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0727