Inona no atao hoe Andro favavotana?? Ary iza no tena mandray andraikitra ao???

1. Maranatha ( 15/07/2013 12:11)
Andro fanavotana: ahoana no fanao t@ teo aloha??? Tamin'ny Testamenta taloha (talohan'ny nanombohana an'i Messiah teo amin'ny hazofijaliana)
Iza no tena mandray andraikitra ao??? Ahoana ny fanaon'ny vahoaka (zanak'israely)????

Ahoana ny ankehitriny???? Iza no mandray ny andraikitra??? Aiza ny toerana hanaovana izany??? ahoana ny ataon'ireo vahoaka (Ny kristiana na mpanara-dia ny Mpamonjy)????

Mba hangatahina ny hevitrareo rehetra izay efa nandalina io indrindra fa isika izay milaza fa Hebreo ny gasy sy ireo izay milaza fa tokony mbola ho tandremana ny lalàm-pisoronan'i Mosesy.

novalian'i Nehemiah ny 29/07/2013 06:03
2. moustaraf ( 15/07/2013 14:02)
Salama namana,
Fanitsiana kely:
Ny dikan-teny marina (avy @ baibly fototra hebreo) dia "ANDRO FANARONANA" fa tsy andro fanavotana akory!
Eo dia efa misy fahadisoan-kevitra sahady mifototra @ fahadisona dikan-teny!
Aza maika ho avy ny tohiny e!
3. moustaraf ( 15/07/2013 14:07)
Fanitsiana kely koa:
Ny lalàm-pisoronana dia tokana ihany ny tompony dia ilay Nahary;
-fa ny fomba fisoronana dia roa:
"Araka ny fanaon'i Arona na Araka ny fanaon'i MALKITSEDEK!"
Mahereza!
4. Miharena ( 15/07/2013 15:32)
Mahaliana ilay hoe andro fanaronana

Inona no saronana?

Misaotra amin'ny famaliana ny fanontaniana.
5. sitlo ( 15/07/2013 19:12)
Tena tsy haiko izany andro favavotana izany.
6. didi10 ( 16/07/2013 10:15)
Rehefa mbola tsy tonga eny amin'ny rahon'ny lanitra Jesosy dia andro fanavotana foana isanandro; Andriamanitra miantso ny olona hibebaka; hiroso amin'ny Batisa ary handray ny Fanahy Masina.

Ny toerana?
Ny fibebahana: n'aiza n'aiza
Ny Baitsa: asitrika amin'ny ranobe amin'ny anaran'i Jesosy
Ny Fanahy Masina; N'aiza n'aiza
7. moustaraf ( 16/07/2013 17:45)
Salama namana,

1.Ny dikan-teny:
Yôm hakipourym= andron’ireo fanaronana
Inona moa no saronana? NY HELOKA
Mazava be ny voalaza hoe: "Ary aza manao raharaha akory amin' izany andro izany; fa andro fanaronana izany, hanaovana fanaronana ho anareo eo anatrehan' i Adonay Elohym nareo."

Didiana ny Israely (ihany) isan-taona hahatsiaro sy hanao fanehoam-pinoana fa ny Tsitoha dia manao FANARONAN-KELOKA hoa azy, ary misy fomba atao amin’izany!

Ny tsy fahaizana ny Torah dia mandiso fomba fijery maro momba an’io baiboly io , ka heverina fa toy ny boky hafa rehetra ny famaky azy, raha izany dia tsy hazava amintsika velively ireo zava-nitranga aty @ testamenta vaovao izay fahatanterahan’ny Torah:

IZAO NO PROCEDURES FANARONAN-KELOKA ARAKA NY TORAH
(raha fintinina ny LEV 16)
Maka osylahy 2:
Ny 1°atao fanatitra fanaronana, omena an’i Adonay
Ny 2°amindrana ny ota, alefa ho an’i Azazela
Toy izao ny fandehany:
-Ny Israely miaky ny helony @ Kohen gadol (mpisorona)
-Mpisorona mametraka ny tanany @ lohan’ny osy lahy, ary miaky ny heloky ny Israely,
-Osy lahy misy ny OTA alefa any anefitra ho an’I Azazela (io no tena anaran’i satana)

Fahatanterahany @ fanekena vaovao:
Hoy Yeshu’a izay mpisorona be tokana @ izao fotoana izao:
“Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana, tsy misy mankany @ Ray afa tsy @ alalako”
-Ny atao hoe voavela heloka= voasarona ny fahotana= noraisin’Yeshu’a ny fahotana, ary nafindrany @ Azazela!
Hoavy ny andro handringanana izay rehetra tsy madio; raha ianao no tokony ho ringana, dia Yeshu’a no nitondra ny heloka, ary efa namindra an’izany any @ Azazela; ka i Azazela no hofaizina noho ny Otanao:
-Izany no antsoina hoe “Ambany fahasoavana!”

Izany no asaina hotsarovan’ny Israely isan-taona isan-taona;
Izany hoe: efa an’arivo taona talohan’ny fanekena vaovao no efa nankalaza ny famonjena vitan’I Mesia ny Israely, araka ilay voasoratra hoe “APOK 13:8…ILAY zanak’ondry voavona hatramin’ny nanorenana an’izao tontolo izao”
TSY MANAN-DANJA VE IZANY RY NAMANA ISANY??
TSY IZANY VE NY FOTOTRA LAZAINA FA IORENAN’NY FOTO-PINOANA MARO TATY AORIANA??

“”HAYA KOL ASER IKRA ADONAY IMALET=Na iza na iza miantso ny anaran’I ADONAY dia hovojena
8. Nehemiah ( 17/07/2013 05:41)
Ka ny Yôm hakipourym anie fanekena taloha e. Hafa ny fanekena vaovao.

Diso koa ny famoahanao ny hevitry ny Ap. 13:8, ny dikan-teny Segond dia mahalaza azy tsara :
"Et tous les habitants de la terre l’adoreront, ceux dont le nom n’a pas été écrit dès la fondation du monde dans le livre de vie de l’agneau qui a été immolé", fa tsy ny zanak'ondry no efa voavono hatr@ nanorenana an’izao tontolo izao.
9. Maranatha ( 17/07/2013 05:50)

moustaraf:

Salama namana,

1.Ny dikan-teny:
Yôm hakipourym= andron’ireo fanaronana
Inona moa no saronana? NY HELOKA
Mazava be ny voalaza hoe: "Ary aza manao raharaha akory amin' izany andro izany; fa andro fanaronana izany, hanaovana fanaronana ho anareo eo anatrehan' i Adonay Elohym nareo."

Didiana ny Israely (ihany) isan-taona hahatsiaro sy hanao fanehoam-pinoana fa ny Tsitoha dia manao FANARONAN-KELOKA hoa azy, ary misy fomba atao amin’izany!

Ny tsy fahaizana ny Torah dia mandiso fomba fijery maro momba an’io baiboly io , ka heverina fa toy ny boky hafa rehetra ny famaky azy, raha izany dia tsy hazava amintsika velively ireo zava-nitranga aty @ testamenta vaovao izay fahatanterahan’ny Torah:

IZAO NO PROCEDURES FANARONAN-KELOKA ARAKA NY TORAH
(raha fintinina ny LEV 16)
Maka osylahy 2:
Ny 1°atao fanatitra fanaronana, omena an’i Adonay
Ny 2°amindrana ny ota, alefa ho an’i Azazela
Toy izao ny fandehany:
-Ny Israely miaky ny helony @ Kohen gadol (mpisorona)
-Mpisorona mametraka ny tanany @ lohan’ny osy lahy, ary miaky ny heloky ny Israely,
-Osy lahy misy ny OTA alefa any anefitra ho an’I Azazela (io no tena anaran’i satana)

Fahatanterahany @ fanekena vaovao:
Hoy Yeshu’a izay mpisorona be tokana @ izao fotoana izao:
“Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana, tsy misy mankany @ Ray afa tsy @ alalako”
-Ny atao hoe voavela heloka= voasarona ny fahotana= noraisin’Yeshu’a ny fahotana, ary nafindrany @ Azazela!
Hoavy ny andro handringanana izay rehetra tsy madio; raha ianao no tokony ho ringana, dia Yeshu’a no nitondra ny heloka, ary efa namindra an’izany any @ Azazela; ka i Azazela no hofaizina noho ny Otanao:
-Izany no antsoina hoe “Ambany fahasoavana!”

Izany no asaina hotsarovan’ny Israely isan-taona isan-taona;
Izany hoe: efa an’arivo taona talohan’ny fanekena vaovao no efa nankalaza ny famonjena vitan’I Mesia ny Israely, araka ilay voasoratra hoe “APOK 13:8…ILAY zanak’ondry voavona hatramin’ny nanorenana an’izao tontolo izao”
TSY MANAN-DANJA VE IZANY RY NAMANA ISANY??
TSY IZANY VE NY FOTOTRA LAZAINA FA IORENAN’NY FOTO-PINOANA MARO TATY AORIANA??

“”HAYA KOL ASER IKRA ADONAY IMALET=Na iza na iza miantso ny anaran’I ADONAY dia hovojena

Misaotra an'i Moustafar fa io mihintsy no tiana hivoaka. fa eo indrindra no maro no tsy fantan-tsika izay milaza ny tenany ho Kristiana anefa tsy mahalala ny finoana takian'izany akory.

Fa ity no mivaona kely ny an'i Moustafar
moustaraf:
Izany no asaina hotsarovan’ny Israely isan-taona isan-taona;

Eto amin'izay kosa ry Moustafar no mihiditra ilay 2300 jours nanomboka t@ fiafaran'i didy fanamboarana an'i Jerosalema. Hianareo mamaky ny Torah fa diniho tsara. Dia rehefa nifarana io fotoana io izay vao nihiditra tao amin'ny efitra masina indrindra ny Mpamonjy nanao ny asan'ny Mpisorona be.
Raha mamaky io Lev 16 io dia hita ao ny tokony ho hataon'ny Mpino rehetra. Miory., Mandram-pivoakan'ny Mpisoronabe tao, mandram-pahavita ny fanompoam-pivavahana, mandram-pahatapitra ny andro iray, eto anefa tsy indray andro amin-tsika olom-belona ny Messiah no ao fa mbola ao ary izy izao dia eo no mahasamihafa ny an'i Melkizedech (Kristy) sy ny fisoronana t@ an'i Mosesy. Izay no mahatonga hoe lava ny fioriana eto ka tsy maintsy manaraka ny fampahorian-tena izay nataon'i Daniela fony izy tany Babilona Daniela 10:2-3,12
Vakio ity teny ity ho anao II Tim 2:7
10. moustaraf ( 17/07/2013 12:46)
salama namana,
1-Misy fahadisoan-kevitra lalina @ filazana foana fa "hafa ny fanekena Taloha sy vaovao":
Ilay fanekena dia tsy niova (teneur), fa ny tombony ao @ fanekena vaovao dia AFAKA MIDITRA SY MANDRAY ANJARA IHANY KOA NY HAFA FIRENENA,
-Raha zavatra tsy mitovy ny ao anatin'ireo fanekena ireo dia ho nolazaina hoe"Fanekena hafa" mihitsy ilay faha roa fa tsy hoe fanekena vaovao!
-Ny tena dikan-teny dia FANEKENA NOHAVAOZINA, fa tsy fanekena vaovao akory aza, fa lasa mampiroaroa saina ny fandikan'ny sasany azy
ALLIANCE RENOUVELLEE fa tsy nouvelle Alliance!

2-Ny mikasika ny fanisana andro indray , dia betsaka ny fomba entin'ny maro milaza an'io fanisana andro io; fa ny azoko lazaina fotsiny dia izao:
Misy fety sy andro izay nasaina notandreman'i Israely tandindon'izay hitranga aty aoriana sy mandrakizay, ohatra:
-Ny peshar na paska, Ny Rhag shavout, ny Rahg shukut, ny hakipourym, sns... IZAY samy manana ny dikany sy ny anton'antony avokoa!
FANEHOAM-PINOANA AVOKOA IREO REHETRA IREO, tahaka ny hoe "manao batisa @ rano", mihinana ny mofo sy ny divay, sns....
11. Nehemiah ( 17/07/2013 14:54)

Ahoana indray ny Heb. 8:6-10 :
Fa ankehitriny efa mahazo fanompoam-pivavahana tsara noho ny an’ ireny Izy, dia araka ny nanaovana Azy ho Mpanalalana amin’ ny fanekena tsara lavitra, izay natao tamin’ ny teny fikasana tsara lavitra. Fa raha tsy nanan-tsiny izany fanekena voalohany izany, dia tsy mba nisy fitoerana hotadiavina ho an’ ny faharoa. Fa manome tsiny ny olona Izy manao hoe: "Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay hanaovako fanekena vaovao* amin’ ny taranak’ Isiraely sy ny taranak’ i Joda, Nefa tsy araka ny fanekena nataoko tamin’ ny razany Tamin’ ny andro nitantanako azy nitondra azy nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta; Fa izy ireny tsy nitoetra tamin’ ny fanekeko, Ary Izaho kosa dia tsy nitandrina azy, hoy Jehovah. Fa izao no fanekena hataoko amin’ ny taranak’ isiraely, Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko, Sady hosoratako ao am-pony, Ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko;

*2537 kainos (kahee-nos’)

??????

affinité incertaine ; TDNT - 3:447, 388; adj

LSG - neuf, neuve, nouveau, nouvelle, chose nouvelle ; 44

1) nouveau, neuf, récent, qui vient de se produire
1a) en ce qui concerne la forme
1a1) fait récemment, frais, récent, non usé, non porté
1b) en ce qui concerne la substance
1b1) nouvelle sorte, sans précédent, non commun, inouï, inconnu inattendu, imprévu, différent de ce qui s’était produit jusqu’alors
1c) étrange, extraordinaire
moustaraf:
2-Ny mikasika ny fanisana andro indray , dia betsaka ny fomba entin'ny maro milaza an'io fanisana andro io; fa ny azoko lazaina fotsiny dia izao:
Misy fety sy andro izay nasaina notandreman'i Israely tandindon'izay hitranga aty aoriana sy mandrakizay, ohatra:
-Ny peshar na paska, Ny Rhag shavout, ny Rahg shukut, ny hakipourym, sns... IZAY samy manana ny dikany sy ny anton'antony avokoa!
FANEHOAM-PINOANA AVOKOA IREO REHETRA IREO, tahaka ny hoe "manao batisa @ rano", mihinana ny mofo sy ny divay, sns....

Is. 28:12-13 : "Izay nilazany [Na: Dia Izy Izay nilaza taminy] hoe: Ity no fitsaharana, ampitsaharo ny reraka, ary ity no famelombelomana; Nefa tsy nety nihaino ireo. Ary ny tenin’ i Jehovah dia ho tonga didy anampy didy aminy tokoa, eny, didy anampy didy, fitsipika anampy fitsipika, fitsipika anampy fitsipika; Kely et?, ary kely er?, mba hanaovany dia mianotra, ka ho torotoro izy sy hofandrihana ary hosamborina."
12. moustaraf ( 17/07/2013 17:15)
Salama namana;

HEB 8:6-10
Mazava be ny voasoratra fa ny olana t@ ilay fanekena izay natao dia TSY ILAY FANEKENA AKORY, fa ilay OLONA TSY VOAFORA FO ka tsy mahay mandray SY mitoetra ambanin'ilay fanekena:
"Nefa tsy araka ny fanekena nataoko tamin’ ny razany Tamin’ ny andro nitantanako azy nitondra azy nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta; Fa izy ireny tsy nitoetra tamin’ ny fanekeko, Ary Izaho kosa dia tsy nitandrina azy, hoy Jehovah. Fa izao no fanekena hataoko amin’ ny taranak’ isiraely, Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko, Sady hosoratako ao am-pony, Ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko"
-Ny fanekena Nohavaozina dia NY FANORATANA NY LALANA AO AN-TSAINA SY AO AM-po:
Lalàna inona? ny TORAH= ilay lalàna teo aloha ihany, izay nosoratana t@ vato fisaka!

13. moustaraf ( 17/07/2013 18:18)
1°Ity ISA 28:12-13 ity dia faminaniana ho an’I Joda sy Israely (irery ihany) fa tsy ho an’ny hafa firenena akory, ka liana fitandremana ny famakiana azy mba tsy ho diso:

2°ity faminaniana ity dia efa tanteraka t@ vanim-potoana niainan’I Mesia tao Jodia:
-t@ io vanim-potoana io no voalaza ho nahabe indrindra ny mpisorona mammon-toaka sy miraingiraingy eran’ny tanàana, ka nahatonga fanoharana maro mampitandrina ny fariseo sy ny mpanora-dalàna, ary ny tempoly dia lasa fivarotana sy fividianana izay rehetra ilaina @ fiainana an-davan’andro; “feno loa sy loto ny latabatra rehetra, ka efa tsy misy madio hitoerana”

-Ny andininy faha-9 dia misy diso fandika: “zaza vao notazana no hampianatra azy fahalalana”: Yeshu’a vao 12 taona no nampianatra teo an-kianjan’ny tempoly
-and-11: t@ teny vahiny no nitoriana ny famonjena :teny grika, nifangaro hebreo,
-and 12: “Ity no fitsaharana…AMPITSAHARO ny reraka”, hoy Yeshu’a hoe”Manatona ianareo izay reraka sy mivesatr’entana fa izaho no hanome anareo fitsaharana”, “ity no famelombelomana” hoy Yesu’a “izay mihinana ny nofoko sy misotro ny ràko no hanana fiainana mandrakizay”

-and 13: “Ny tenin’I Adonay dia ho tonga didy anampy didy AMINY toka, eny didy anampy didy; fitsipika anampy fitsipika….kely ety, ary kely ery”= lasa mavesatra ho azy ireo ny fanarahana ny Torah izay tsy iza fa Yeshu’a.
Yeshu’a no ILAY VATO NOLAVIN’NY MPANAO TRANO, ka izay potraka eo amboniny dia ho torotor ary izay ianjerany kosa dia ho mongomongo”
14. Maranatha ( 18/07/2013 05:24)
moustaraf:

2-Ny mikasika ny fanisana andro indray , dia betsaka ny fomba entin'ny maro milaza an'io fanisana andro io; fa ny azoko lazaina fotsiny dia izao:
Misy fety sy andro izay nasaina notandreman'i Israely tandindon'izay hitranga aty aoriana sy mandrakizay, ohatra:
-Ny peshar na paska, Ny Rhag shavout, ny Rahg shukut, ny hakipourym, sns... IZAY samy manana ny dikany sy ny anton'antony avokoa!
FANEHOAM-PINOANA AVOKOA IREO REHETRA IREO, tahaka ny hoe "manao batisa @ rano", mihinana ny mofo sy ny divay, sns....

Mitombina tsara ilay voalohany ka tsy ho valiako.
Nasaina notandreman'ny zanak'israely tokoa ireo fety ireo. ireo no atao hoe lalam-pisoronan'i Mosesy. Fa rehefa mihiditra kosa ny lalam-pisoronan'i Messiah dia miova manaraka izay koa ireo. hebreo 7:12 Fa raha ovana ny fisoronana, dia tsy maintsy ovana koa ny lalàna.
Ny lalàm-pisoronana izany no miova ka ireo fety rehtra fanao tamin'izany dia miova avokoa manaraka ny lalàn'i Messiah.
Oh: Ny Peshar na paska miova ho fandraisana na fihinanana ny mofo tsy misy masirasira (tandindon'ny vatan'i messiah), ny fisotroana ny divay (ranom-boaloboka) tandindon'ny fisotroana ny rà-ny. ny divay (ranom-boaloboka) Io ilay voalaza ao amin'ny Jaona 6:53 53 Fa hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Raha tsy mihinana ny nofon'ny Zanak'olona sy misotro ny ràny ianareo, dia tsy manana fiainana ao aminareo.
Hamafisin'ny I KOR 11:23 Fa izaho efa nandray tamin'ny Tompo izay natolotro anareo kosa, fa Jesosy Tompo tamin'iny alina iny izay namadihana Azy, dia nandray mofo,
24 ary rehefa nisaotra Izy, dia novakiny, ka hoy Izy: Ity no tenako* ho anareo; izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy. [* Ampio hoe: [izay vakina]25 Dia araka izany koa ny kapoaka, rehefa nihinana, dia hoy Izy: Ity kapoaka ity no ilay fanekena vaovao amin'ny rako; izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy, na oviana na oviana no misotro ianareo.
26 Fa na oviana na oviana ianareo no mihinana itony mofo itony sy misotro amin'ny kapoaka, dia manambara ny fahafatesan'ny Tompo ianareo mandra-pihaviny

Ireo fety rehetra izay natao teo aloha rehetra dia ny Andro fanavotana izao no hatao na ny Fitsarana, avy eo mihiditra amin'ny fetin'ny fijinjana ny vokatra izay tandindon'ny fiavian'i Messiah. Ny sisa efa vita daholo. Ny paska misolo ny firaisana latabatra amin'i Mesiiah. Pantecoty efa ilay ny nanomezana ny Fanahy Masina voalohany ho an'ny Mpianatra. sns....
Mbola mamerina aminao aho mba handinihinao tsara izay lazaiko fa homen'i Tsitoha fahazavan-tsaina hianao.
15. Nehemiah ( 18/07/2013 06:03)

moustaraf:

Salama namana;

HEB 8:6-10
Mazava be ny voasoratra fa ny olana t@ ilay fanekena izay natao dia TSY ILAY FANEKENA AKORY, fa ilay OLONA TSY VOAFORA FO ka tsy mahay mandray SY mitoetra ambanin'ilay fanekena:
"Nefa tsy araka ny fanekena nataoko tamin’ ny razany Tamin’ ny andro nitantanako azy nitondra azy nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta; Fa izy ireny tsy nitoetra tamin’ ny fanekeko, Ary Izaho kosa dia tsy nitandrina azy, hoy Jehovah. Fa izao no fanekena hataoko amin’ ny taranak’ isiraely, Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko, Sady hosoratako ao am-pony, Ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko"
-Ny fanekena Nohavaozina dia NY FANORATANA NY LALANA AO AN-TSAINA SY AO AM-po:
Lalàna inona? ny TORAH= ilay lalàna teo aloha ihany, izay nosoratana t@ vato fisaka!

Ity 1 ity no mandringa : ny tiako niaviana dia milaza avokoa ilay lahatsoratra fa fanekena vaovao hafa mihitsy ilay izy fa tsy mba ilay fanekena taloha nohavaozina
16. moustaraf ( 18/07/2013 06:53)
Salama namana,
1° Efa voalazako etsy aloha fa"ireo fety ireo" dia tandindon'izay hitranga na efa nitranga taty aoriana ka tsy hohalavaiko intsony!
2° Didiana ny fankalazana ireo fety ireo ho FANEHOAM-PINOANA satria misy dikany lehibe avokoa izy rehetra ireo;
ohatra:
-Ny dikan'ilay fetin'ny fanatitra AEVAEVA ny ampitson'ny Paska dia Ny fitsanganan'Yeshu'a t@ maty (mino an'izany ve ianao? ataovy ary ny fanehoam-pinoana!
-ilay fanatitra famonoana "zanak'ondry tsy misy kilema" dia Yeshu'a voahombo ho antsika
sns....
Ka maty ny finoana tsy arahin'asa:
Mino ny fitsanganana @ maty ve ianao? eny!
inona ary ilay asa fanehoam-pinoana asaina ataonao? fanatitra aevaeva...
Tsy SAROTRA AKORY NY TORAH, fa isika no be siasia ary satana mamorona hevi-dalina!

2° Niova ny lalàm-pisoronana:
Eny tokoa, marina izany"Izy ilay mpisoron'ny Avo indrindra, araka ny fanaon'i Malkitsédek"
IZAO NO LALAM-PISORONANA:
-Ny hoe lalàm-pisoronana dia lazain'ny baiboly hebreo hoe: ireo fitsipika mifehy ny fisoronana,
fa tsy ny TORAH akory (no miova)!
-Raha Aaron sy ny zanany (ary ny fokon'ny levy) no eo @ fisoronana dia "ATAO MATY" raha misy olon-kafa miditra eo!
(Izahay mpamaky Torah dia tsy gaga raha Novonoina i Yeshu'a, satria tsy maintsy niditraa teo @ fisoronan'i Aaron Izy mba hampijanona izany fisoronana izany, antony faha2 n'ny nahafatesany io):
Io famonoana io dia efa hita aty @ andron'i Josoa: "Natolotra teo an-tanany ny Mpanjakan'i Salema dia i TSEDEK, ary vakio tsara ny fomba namonoana azy! (tandindona izany)

Fintiniko fa mety ho lava be raha ivalam-parana ny fanazavana(....)
Firafitry ny fisoronana t@ Aaron:
1. kOHEN GADOL (mpisorona be)
2. Kohen (Mpisorona)
3. Fokon'i Levy
4.Zokiolona
5. lahimatoa
6. Vahoaka
Fisoronana mamono biby sy mandatsa-drà, ary mamono avy hatrany izay meloka

Fisoronana Malkitsédek: Fisoronan'ny Lahimatoa
1. Kohen gadol (Yeshu'a)
2. Shalarh (Apostoly)
3.Loholona
4.Vahoaka
-NB. Tsy misy fokon'i Levy na tarank'i Aaron intsony,
-Fisoronana miompana amin'ny "fanandratana ny Mofo sy ny Divay"
-Mamela heloka, ary tsy mamono eo no hho eo!
-Fanatitra tena sy vatana="atolory ny tenanareo ho fanatitra velona , ankasitrahana..."
(mbola hoporofoina eto fa ny Apostoly dia nitandrina an'ireo fety voalazan'ny Torah ireo)
MAHAREZA NAMANA
17. Nehemiah ( 18/07/2013 07:19)
Kanefa milaza ny Heb. 7:18 hoe : Fa misy fahafoanana ny didy nialoha noho ny halemeny sy ny tsi-fanasoavany. Rehefa jerena ny hafatrao dia toa resaka fanompoam-pivavahana tsy tonga lafatra tahaka ny fisoronan'i Aarôna ny fisoronan'i Melkizedeka, kanefa mazava tsara ny Heb. fa tsy marina izany, Nanao sorona ny tenany indray mandeha monja i Kristy, ary tapitra hatreo ny resaka, izany hoe efa foana ny otan'ny mino, fa ny fisoronan'i Aarôna dia tsy mahavita manao an'izay.

Nasiaka mihitsy ny Apôstôly t@ konsily tany Jerosalema momba ny finiavan'ny sasany hampiditra fomban'ny Lalàn'i Môsesy @ finoana kristiana (eto dia ny famoràna no noresahiny) : Asa. 15:10 : "Koa nahoana hianareo no maka fanahy an’ Andriamanitra amin’ ny fametrahanareo zioga amin’ ny vozon’ ny mpianatra, izay tsy zakan’ ny razantsika na isika ho entina?"
Ka ao anatin'izay koa ity resaka andro fanavotana ity satria mazava tsara ny Heb. 4 fa Kristy no tena fitsaharantsika
18. moustaraf ( 18/07/2013 08:01)
Salama namana,
-Ny BAIBOLY dia manavaka tsara ny hoe DIDY (mitsvôt) sy ny TORAH (lalàna) ; tsy azo afangaro io!
-Nanao sorona in-1 mandeha Yeshu'a; marina be loatra io, ary dia mijanona ho mpisorona be Izy @ izao fotoana izao; inona no asan'ny Mpisorona be????
-Ianao ihany koa dia asaina hoe"Atolory ny tenanareo ho FANATITRA VELONA"
fanatitra= sorona ,
-Iza no mandray an'izany fanatitra ataonao izany raha tsy misy Kohen gadol dia YESHU'A???
Noho izany: Mbola misy fisoronana araka ny fanaon'i Malkitsedek!!!

Ny Ray avo indrindra dia manana ny fombany izay efa napetrany, fa tsy izay fiheverantsika no anovana araka izay fanompoana tiantsika! hevi-diso nafafin'ny Romana ihany koa io SAMY MANAO IZAY TIANA ATAO IO!

-Ny famorana ara-nofo dia "Tsy natao ho an'ny hafa firenena" fa ho an'ny taranak'i Abrahama ihany! ho mariky ny fifanekena teo aminy sy ny Tsitoha ary @ Taranany!
-ISIKA VE AFAKA MISAINA HOE TSY MIFORA YESU'A?
Raha i J.K roamana dia tsy mifora tokoa io!

-Io teny io dia nentina nampahatsiahy ireo izay tratranan'ny EXCES DE ZELE t@ izany andro izany ka saika hamora ny jentilisa!!!
-Ny famorana nofo dia tsy FAMONJENA fa marika maha taranak'i Abrahama!(mitaky andraikitra goavana izany)
-fa ny famorana FO no famonjena!
NA I MOSESY AZA dia efa nitory an'izany famorana fo izany t@ ISRAELY! fa tsy ny Apostoly no vao nitory an'izany!

19. Maranatha ( 18/07/2013 11:12)

Tsy misy diso ireo voalazanao ireo fa misy ireo fanom-poam-pivavahana izay tsy maintsy miova rehefa i Messiah no lasa Mpisorona sy tonga Mpisorona be. diniho tsara io boky nosoratana ho an'ny hebreo io dia hihazava aminao fa tsy ilaina intsony ny manaraka ireo calendrier-na fety isan-karazany izay nomena t@ lalàn'i Mosesy. Ireny ilay mijanona rehefa avy niteny ny teny hoe VITA teo ambony hazo fijaliana Izy. toy ny fahavitan'ny asa maha Mpisoronabe ihany koa rehefa milaza io teny hoe VITA io koa Izy arakin'ny Apok 16:17.

Tsy hoe tsy hatao intsony akory fa miova arak'izay efa nandaharan'i Avoindrindra azy.

Tsy hiiditra amin'ny resaky Nehemiah aho aloha satria mbola hitako fa mbola lavitra be izy ka ho sarotra aminy ny hahatakatra izay hampilazain'ny Fanahin'i Tsitoha ahy. fa hianao Moustafar no tsikaritro fa efa mahaaraka, fa ny olana eo aminao dia lasa mitady hafangaro-nareo ny lalàn'i Mosesy sy ny lalàn'i messiah, indrindra eo amin'ny fampiharana (pratique)
20. moustaraf ( 18/07/2013 16:58)
Fanamarihana:
Yeshu'a tsy nitondra lalàna, fa nanatanteraka ny Torah!
Izay rehetra voasoratra t@ andron'i Moseh dia MANONDRO an'i Messiah! ary io no tondro zotra narahiny rehefa tonga teto an-tany Izy.

Yeshu'a tsy nampianatra didy hafa fa ilay efa teo ihany no nohamafisiny!
ohatra: Nandà mafy i Petera raha nasaina hamono sy hihinana ireo biby maloto! dikany: Yeshhu'a tsy nampianatra ny APOSTOLY HIHINANA BIBY MALOTO, izany hoe hanohitra ny Torah!
Raha tsy izany dia avy dia nihinana tsy tamim-pisalasalana i Petera!

-Mijanona ve ny fety izay midika ho fanehoam-pinoana???
Nefa ny Apostoly aza sy ireo fiangonana dia nankalaza izany fety izany:
ohatra: Ny fetin'ny Shavout (Pantekosta hoy ny romana) nilatsahan'ny Rouha KOdesh
-Ny Apostoly dia nivavaka manaraka ireo Ora voatendry =fotoana fivavahana
-Ny Apostoly dia miakatra eo @ tempoly ary mitoriteny @ andro Sabata!
sns....
-Indrindra indrindra, any an-danitra dia mbola MISY PESHAR (Paska)!
ka isika aty aoriana be aty indray ve nno hilaza ho mahay noho ny Apostoly izay niara-niaina taminy mivantana???

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3432