Inona no atao hoe Andro favavotana?? Ary iza no tena mandray andraikitra ao???

21. Maranatha ( 19/07/2013 05:29)

moustaraf:

-Mijanona ve ny fety izay midika ho fanehoam-pinoana???
Nefa ny Apostoly aza sy ireo fiangonana dia nankalaza izany fety izany:
ohatra: Ny fetin'ny Shavout (Pantekosta hoy ny romana) nilatsahan'ny Rouha KOdesh
-Ny Apostoly dia nivavaka manaraka ireo Ora voatendry =fotoana fivavahana
-Ny Apostoly dia miakatra eo @ tempoly ary mitoriteny @ andro Sabata!
sns....
-Indrindra indrindra, any an-danitra dia mbola MISY PESHAR (Paska)!
ka isika aty aoriana be aty indray ve nno hilaza ho mahay noho ny Apostoly izay niara-niaina taminy mivantana???

-Tsy nankalaza ny pentekoty ny apostoly taty aorian'io fa io ihany no nasaina niandrasany ny Rouha KOdesh. hoy ny Messiah Asa 1:4 Ary raha niara-niangona* teo aminy ny Mpamonjy , dia namepetra azy tsy hiala an'i Jerosalema, fa hiandry ny teny fikasan'ny Ray, izay efa renareo tamiko, hoy Izy; 5 fa Jaona nanao batisa tamin'ny rano; fa ianareo kosa hatao batisa amin'ny Fanahy Masina (Rouha KOdesh), rehefa afaka andro vitsivitsy.

Io no fotoana nanaovana batisa azy ireo tamin'ny Fanahy masina. Tsy nankalaza intsony ry zareo ta aorian'io.

-Ny sabata noresahina eto dia ny sabatan'i Tsitoha izay voasoratra ao amin'ny Didy 10 , ny didy faha 4 fa tsy ny sabata fety( oh: sabatan'ny tany, sns....) Tsy azo hafangaro ireo.

-Mba afaka manome toko sy andininy ve hianao fa mbola misy Peshar any an-danitra. Ny peshar na ny paska izay efa nosoloina ny firaisana latabatra amin'ny Mpamonjy, ka raha ny firaisana latabatra aminy any an--danitra no resahinao dia hianao ihany dia afaka manamarina fa efa tsy mankalaza daty napetraka tamin'izany intsony isika . Ny peshar dia efa voalaza ao amin'ny I kor 5:7 Esory ny masirasira ela, mba ho vongana vaovao ianareo, araka izay tsy maha-misy masirasira anareo. Fa voavono Kristy, Paska ho antsika;

Dia nampiantra izy fa I kor 11:26 Fa na oviana na oviana ianareo no mihinana itony mofo itony sy misotro amin'ny kapoaka, dia manambara ny fahafatesan'ny Tompo ianareo mandra-pihaviny.

Jaona 6:53 Fa hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Raha tsy mihinana ny nofon'ny Zanak'olona sy misotro ny ràny ianareo, dia tsy manana fiainana ao aminareo.54 Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no manana fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany.55 Fa ny nofoko no tena fihinana, ary ny rako no tena fisotro.56 Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no mitoetra ao amiko, ary Izaho kosa ao aminy.

Tena miangavy anao aho ry Moustafar sy ry namana isany mba handinika tsara sao ho very maina fotsiny ny fanompoana natao.

22. moustaraf ( 19/07/2013 06:45)
hoy Yeshu'a ao @ Lioka 22:
_Il leur dit : J'ai désiré vivement manger cette Pâque avec vous, avant de souffrir ;
22:16 car, je vous le dis, je ne la mangerai plus, jusqu'à ce qu'elle soit accomplie dans le royaume de Dieu.

22:16 Fa lazaiko aminareo, tsy mba hihinana izany intsony Aho ambara-pahatanterak' izany ao amin' ny fanjakan' Andriamanitra.

-For I say unto you, I will not any more eat thereof, until it be fulfilled in the kingdom of God.

Tsy hampianatra aho ry Namana, fa ny boky Apokalypsy dia manambara ny fahatanterahan'izany any @ Paradisa.
AVERIMBERENO MATETIKA NY FAMAKIANA FA SAO MISY HADINO!
23. Maranatha ( 19/07/2013 09:49)

moustaraf:

hoy Yeshu'a ao @ Lioka 22:
_Il leur dit : J'ai désiré vivement manger cette Pâque avec vous, avant de souffrir ;
22:16 car, je vous le dis, je ne la mangerai plus, jusqu'à ce qu'elle soit accomplie dans le royaume de Dieu.

22:16 Fa lazaiko aminareo, tsy mba hihinana izany intsony Aho ambara-pahatanterak' izany ao amin' ny fanjakan' Andriamanitra.

-For I say unto you, I will not any more eat thereof, until it be fulfilled in the kingdom of God.

Tsy hampianatra aho ry Namana, fa ny boky Apokalypsy dia manambara ny fahatanterahan'izany any @ Paradisa.
AVERIMBERENO MATETIKA NY FAMAKIANA FA SAO MISY HADINO!


Ekena ary fa misy io any fa natao fanao isan-taona ve ???? Isika aza mahafantatra tsara fa tsy misy volana sy masoandro intsony any dia atao ahoana???
Izay no mahatonga io teny ao amin'ny I Kor 11:26 io hoe na oviana na oviana .Izany hoe isaky ny mihinana. Tsy manondro taona intsony izany fa na isan'andro aza dia mety, na isam-bolana.

Fa hiverenako amin'izay ilay andro fanavotana na fanaronana hoy hianao, eto ny fampahorian-tena izay atao dia tsy fifadin-kanina tahaka ny fanao isan'andro fa noho ilay izy lava dia hoy i Daniela Tsy nanendry hena na divay na hani-py ny vavako, tsy nohosorako diloilo ny lohako. io no fanao manamafy izany ny Isaia 22:12-14 Ary amin'izany andro izany ny Tsitoha, Tompon'ny maro, Hiantso fitomaniana sy fioriana sy fiharatana ary fisikinana lamba fisaonana.13 Kanjo he izato hafaliana sy halavoravoana! Sy famonoana omby sy ondry aman'osy ary fihinanan-kena sy fisotroan-divay! Aoka isika hihinana sy hisotro, fa rahampitso dia ho faty.14 Dia nambaran'i Tsitoha, Tompon'ny maro, teo an-tsofiko izao: Tsy havela mihitsy ambara-pahafatinareo izao helokareo izao, hoy ny tsitoha, Tompon'ny maro.
Misy miova ny fanom-poam-pivavahana tamin'ny fisoronana tamin'ny andron'i Mosesy sy ny fanom-poam-pivavahana amin'ny fisoronana amin'ny an'i Messiah.
24. moustaraf ( 19/07/2013 10:35)
Salama namana;
(1)-Tsara reefa miaiky isika fa misy paska any an-danitra
(2)-Tsy misy volana sy masoandro tokoa any, fa misy 12 volana; izay isaina avy @ zava-maniry izay "mamoa voa 12 samy hafa isam-bolana" (aiza no misy an'io ô?)
dikany= misy paska ara-potoana any an-danitra!
(3)-I KOR 11:26
Ilay dikan-teny mihitsy eto no misy olana, ary izay no mahatsara ny miverina ifotony (hebreo) fa mandiso izay tena zava-dehibe isika:
"Na oviana na oviana" eto dia tsy azo adika hoe "isaka ny te hanao"=izay tiana atao
"Na oviana na oviana" eto = isaka ny mankalaza ny Paska= araka izay voatendry
Mifanalavitra be ny orizinaly sy ny piraty eto an!

(4)-Andro fanaronana:
Aoka tsy atambatra ny zavatra tsy mifanaraka, fa lasa voatery HAZAVAINA ny baiboly manontolo!
-olana ho an'ny fivavahana maro ny tsy fahaizana mifeny ny teny voasoratra sy ny foto-pinoana tiana arahina na ampianarina ka lasa mibirioka be ihany ny resaka atao.
-Misy ny fotoana voatendry ifehezana (sakafo), misy fotoana voatendry ifaliana, misy ny fotoana natokana ivavahana sy hanaterana fanatitra, misy ny fotoana itomaniana: efa voalahatra avokoa ireo rehetra ireo fa tsy isika izao no vao handahatra azy!

MAHEREZA DAHOLO!

25. Maranatha ( 22/07/2013 10:35)
moustaraf:

(4)-Andro fanaronana:
Aoka tsy atambatra ny zavatra tsy mifanaraka, fa lasa voatery HAZAVAINA ny baiboly manontolo!
-olana ho an'ny fivavahana maro ny tsy fahaizana mifeny ny teny voasoratra sy ny foto-pinoana tiana arahina na ampianarina ka lasa mibirioka be ihany ny resaka atao.
-Misy ny fotoana voatendry ifehezana (sakafo), misy fotoana voatendry ifaliana, misy ny fotoana natokana ivavahana sy hanaterana fanatitra, misy ny fotoana itomaniana: efa voalahatra avokoa ireo rehetra ireo fa tsy isika izao no vao handahatra azy!
MAHEREZA DAHOLO!

Ilay resaka paska mbola hiverenan-tsika resahina fa aleo aloha ity andro Fanavotana na fanaronana ity no ho resahina satria ity ihany koa no tena lohahevitra.
Ka na te hanazava ny baiboly aza isika dia ny baiboly ihany no avela hanazava azy.
moustaraf:

-olana ho an'ny fivavahana maro ny tsy fahaizana mifeny ny teny voasoratra sy ny foto-pinoana tiana arahina na ampianarina ka lasa mibirioka be ihany ny resaka atao.

Tena marina izany satria voalaza ny Isaia 4:1 Ary amin'izany andro izany dia hisy vehivavy fito hihazona lehilahy iray ka hanao hoe: Ny haninay ihany no hohaninay, ary ny lambanay ihany no hotafinay; Fa izao ihany no angatahinay: Aoka hotononina amin'ny anaranao izahay, Ka afaho tondromaso.
Fa raha ny amin'ity andro fanaronana ity dia tsy azo hialana ny maha fototra azy satria voalaza fa lalàna ho amin'ny taranaka faramandimby izy io. Sady te hiteny aminao aho fa hianareo ilay tsy nino ny Messiah tamin'ny fotoanandrony dia lasa tsy mahaaraka ny Fototra hinoana amin'izao fotoana izao hoy mantsy ny Messiah Mat 23:29 Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa manao ny fasan'ny mpaminany ianareo sady manisy haingony ny rarivatom-pasan'ny olona marina,30 ka hoy ianareo: RAHA NIARABELONA TAMIN'NY RAZANAY IZAHAY, dia tsy mba nikambana taminy handatsa-drà ny mpaminany.
kanefa rehefa tonga ny Messiah dia tsy nino izy ireo.

Ny fotom-pinoana andrasana amin-tsika izany izao Izy mbola ao amin'ny Fitoerana masina indrindra izao dia ny MIORY (satria mitovy amin'ny FITSARANA no andraikitra ataony ao), Andro fanaronana io hanadiovana an-tsika amin'ny fahotan-tsika.
Ny an-tsika no tsotra indrindra ny zavatra andrasana amin-tsika MIORY ka manaraka ilay Isaia 22:12-14. Enga anie isika tsy hilaza tahaka ilay ao amin'ny Matio 23:30 Raha mba velona tamin'izao vanim-potoana izao anefa tsy voavonjy dia hanenina.
Diniho tsara

26. endriny ( 29/07/2013 05:56)
Sangy tsarovy fa ny Atr'Israely dia tsy natao ho an'ny olona mainty fihodirana toa ahy sy ny afrikanina namako. Ka raha io no Atr'i Jesosy dia tsy ahazo ny fiainana mandrakizay any aminy ny taranaky ny maizina toa ahy
27. Nehemiah ( 29/07/2013 06:03)
Gen. 1:26-27 :"Ary Andriamanitra nanao hoe: Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika; ary aoka izy hanjaka amin’ ny hazandrano ao amin’ ny ranomasina sy ny voro-manidina sy ny biby fiompy sy ny tany rehetra ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin’ ny tany. Ary Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny; tahaka ny endrik’ Andriamanitra no namoronany azy; lahy sy vavy no namoronany azy. "

1 Kor. 15:22 : "Fa tahaka ny ahafatesan’ ny olona rehetra ao amin’ i Adama no ahaveloman’ ny olona rehetra kosa ao amin’ i Kristy." (Avy amiko ny soramandry)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2461