Mahagaga ny olona

1. endriny ( 04/07/2013 16:32)
Milaza fa mpandala ny baiboly sy mpivavaka nefa ady hevitra aza tsy zaka dia manompa no atao
novalian'i Nehemiah ny 25/07/2013 06:51
2. andrywui ( 05/07/2013 00:38)

endriny:

Milaza fa mpandala ny baiboly sy mpivavaka nefa ady hevitra aza tsy zaka dia manompa no atao



Iza io ???

Fiangonana io sa olona ??
Ka rehefa sarotra resena lahatra kosa d mety ny azy e apinann kely alou hotonga saina vo averina ndraika ny fanazavana . Méthode tsara zan ka ,,,nenle anao ary mbola vo ompa fotsn
3. bor2lais ( 05/07/2013 08:46)
andrywui:

Ka rehefa sarotra resena lahatra kosa d mety ny azy e apinann kely alou hotonga saina vo averina ndraika ny fanazavana . Méthode tsara zan ka ,,,

:-)
Mat 18.15 "Ary raha manota aminao ny rahalahinao dia mankanesa any aminy, ka rehefa mitokana hianareo roa lahy, dia asehoy azy ny fahadisoany. Raha mihaino anao izy, dia efa azonao ny rahalahinao;"

-> mila mitokana (any amin'ny mangingina) ianareo aloha ry andrywui fa tsy tonga dia eo imason'olona be dia be akory a ! :-)
4. 5laody ( 05/07/2013 11:42)
Ny olombelona tsy tonga lafatra fa mahaiza mifamela e
5. endriny ( 05/07/2013 12:43)
Ahahahahahah, izay ilay kristianina... Baiboly amin'ny tanana an-kavia atao akaikin'ny fo... Fa basy amin'ny tanana an-kavanana hitofirana izay tsy miankohaka....
6. Nehemiah ( 05/07/2013 13:30)
Ie, aleo ihany miala @ finoana kristiana tahakan'i Hitler sy Staline ary Mao : tsy nampamono afa-tsy 200 tapitrisa olona eo ho eo izy 3 lahy :)
7. sitlo ( 05/07/2013 21:51)
Ka ry zareo ange efa nilaza tena fa naazo fahefana hisolo tena an'Andriamanitra e. Izay azony kianina hono dia kianin'ny any an-danitra koa, ka izay no antony anevatevany olona tsy miorokoroka ny baiboliny.
8. Nehemiah ( 08/07/2013 13:32)
Resaka hafa mihitsy ny momba ny mpitondra fivavahana izay miseho ny tenany ho solotenan'Andriamanitra mba hangejàna ny vahoakan'Andriamanitra, mazava loatra fa tsy mety ny zavatra ataony. Ny Baiboly dia milaza fa i Kristy irery no Mpiandrintsika fa tsy ny Papa (ohatra).
9. sitlo ( 08/07/2013 22:28)
Fa inona moa ny mpitari-pivavahana raha tsy ny fivavahana taritiny sy ireo mpivavaka manaraka azy? Ary indrindra moa fa rehefa irahina hanaparitaka ilay fivavahana ilay olona mpivavaka, inona no mampiavaka ireo sy ireo naniraka azy?
10. endriny ( 09/07/2013 05:00)

Nehemiah:

Ie, aleo ihany miala @ finoana kristiana tahakan'i Hitler sy Staline ary Mao : tsy nampamono afa-tsy 200 tapitrisa olona eo ho eo izy 3 lahy :)


Fa iza no milaza aminao fa tsy Kristianina i Hitler sy Musoleni... Ary izy diso Kristianina aza no nampitombo ny fankahalany Jiosy

Raha i Rosia taloha no resahina fohy, dia nodisoina ny fijery tandrefana fa nisy tany foana ny atao hoe Orthodoxe, fa noho ny Katolika Romanina sy ny Protestanta tsy tafiditra tany dia natao antso avo ny hoe tsy tia Kristianina ny Rosianina, nefa ny Orthodoxe angaha tsy Kristianina?
11. Nehemiah ( 09/07/2013 07:57)

endriny:

Fa iza no milaza aminao fa tsy Kristianina i Hitler sy Musoleni...

Raha mihevitra tokoa ianao fa kristiana izy ireo dia anjaranao irery ny manaporofo an'izay.
endriny:

Ary izy diso Kristianina aza no nampitombo ny fankahalany Jiosy

Mbola be dia be ny stocks-na bilaonao ? Fantatry ny rehetra fa notarihina hiala @ finoana katolika ny tanora t@ Jeunesses Hitlériennes.

Ny boky nosoratan'i Bruce Walker mitondra ny lohateny : "The Swastika against the Cross: The Nazi War on Christianity" dia mandiso tanteraka an'ilay angano hoe kristiana ny nazi.

Eo ankilany koa, nifototra t@ fotopisainan'i Darwin ny nazisme.
endriny:
Raha i Rosia taloha no resahina fohy, dia nodisoina ny fijery tandrefana fa nisy tany foana ny atao hoe Orthodoxe, fa noho ny Katolika Romanina sy ny Protestanta tsy tafiditra tany dia natao antso avo ny hoe tsy tia Kristianina ny Rosianina, nefa ny Orthodoxe angaha tsy Kristianina?

Mino aho fa efa fantatrao fa ny bolchevisme no tena nahatonga ny Rosiana ho malaza mankahala finoana kristiana :-).
12. Nehemiah ( 09/07/2013 08:08)
Sitlo > Ka izay anie no tokony ho izy. Tsy tokony miavaka ny fampianarana nentin'i Kristy sy ny fampianarana entin'ny mpianany. I Kristy no naniraka olona izay naniraka olona sns... ka tokony mitaratra an'i Kristy irery ny fampianarany. Kanefa moa marina fa tsy dia izay loatra no zavatra hita matetika dia matetika fa ataon'ny olona fitaovana fotsiny ilay izy...

Lasa eritreritra aho : nahoana no manaraka tsara ny fampianaran'i Bouddha ny bouddhistes, nahoana no manaraka tsara ny fampianaran'i Marx ny marxistes, nefa tsy manaraka tsara ny fampianaran'i Kristy ny kristiana ?
13. endriny ( 09/07/2013 12:39)

Nehemiah:


[quote=endriny]
Mbola be dia be ny stocks-na bilaonao ? Fantatry ny rehetra fa notarihina hiala @ finoana katolika ny tanora t@ Jeunesses Hitlériennes.

Ny boky nosoratan'i Bruce Walker mitondra ny lohateny : "The Swastika against the Cross: The Nazi War on Christianity" dia mandiso tanteraka an'ilay angano hoe kristiana ny nazi.

Eo ankilany koa, nifototra t@ fotopisainan'i Darwin ny nazisme.

Mino aho fa efa fantatrao fa ny bolchevisme no tena nahatonga ny Rosiana ho malaza mankahala finoana kristiana :-).


I Hitler dia Katolika iringiriny, ary ny fanasana ny sainy fony kely fa ny Jiosy no namono an'i Kristy no tena nandringanany ny Jiosy, ary tsy vitsy akory ny mpitondra fivavahana nanampy azy, efa taty aoriana resy Hitler vao mody notadiavina daholo ny ala olona hoe tsy tia Kristianina i Hitler fa mahamenatra... Fa izy koa moa efa maty tsy hay hoe novoina na namono tena na niakatra velona any an-danitra ka tsy hita antsoina hanaporofo ireo miezaka ny manoratra fa tsy kristianina izy. Saingy tohiny ny Croisade no nataony...

Resaka Marxiste koa adinonao... Saingy noho ny fivavahana protestanta sy katolika tsy tafiditra tany no tena nilazana fa tsy tia Kristianina ny rosianina nefa tany aza efa nisy foana ny orthodoxe...
14. Nehemiah ( 09/07/2013 15:09)
Mahafaty ve ny mijery Wikipedia alohan'ny miteniteny foana e ?

Lohahevitrao rahateo ilay izy, fa raha tsy izay dia efa nasiako hoe "Don't feed the Troll"...
15. endriny ( 09/07/2013 16:26)

Nehemiah:

Mahafaty ve ny mijery Wikipedia alohan'ny miteniteny foana e ?

Lohahevitrao rahateo ilay izy, fa raha tsy izay dia efa nasiako hoe "Don't feed the Troll"...


Don' troll anyone if you are a loser...

Fa tsy ny wiki ihany akory no loharano, http://www.thewhig.com/2013/07/04/on-war-and-religion fa maro tsy tambo isaina ny loharano fa ny kristianina te hanatsara tena fotsiny nefa mpamono olona hatramin'izay...
16. endriny ( 10/07/2013 04:41)
Lasa mandany ny androko fotsiny ny mitanisa ny teti-dratsin'ny Kristianina sy ny fandemen-tsaina entiny, fa aleo aho hitady ny soa nvelan'ny razana ho anay.
17. moi ( 10/07/2013 06:36)
Za ange gaga fa ny ratsy ihany no atao malaza e ! hitondra mankaiza koa ny fitanisana ny teti-dratsin'ny kristiana ? sao tonga amin'ilay teny hoe Ianareo tsy miditra, ny te hiditra sakananareo !
Ny fisian'ny kristiana fôpla dia efa tsy iadian-kevitra satria efa voasoratra fa hisy holavina rahatrizay : "Ary dia hambarako aminy marimarina hoe: Tsy mba fantatro akory ianareo hatrizay hatrizay; mialà amiko, ianareo mpanao meloka" (mantsy ireo naminany tamin'ny anarany, namoaka devoly ...) ary Izy mahalala ny ondriny (fantany ny tsy ondriny akory).

Rehefa mba mahita ny soa navelan'ny razana dia mba zarao, fa tsy ny ratsy indray no anaovana resa-be eto !
18. Nehemiah ( 10/07/2013 14:12)

endriny:


Nehemiah:

Mahafaty ve ny mijery Wikipedia alohan'ny miteniteny foana e ?

Lohahevitrao rahateo ilay izy, fa raha tsy izay dia efa nasiako hoe "Don't feed the Troll"...


Don' troll anyone if you are a loser...

Kudos for such a debased mentality, no wonder Madagascan society is decaying so rapidly
endriny:

Fa tsy ny wiki ihany akory no loharano, http://www.thewhig.com/2013/07/04/on-war-and-religion fa maro tsy tambo isaina ny loharano fa ny kristianina te hanatsara tena fotsiny nefa mpamono olona hatramin'izay...


ny rohy nomenao:

When traditional Christians opposed Hitler, he threw over 6,000 clergymen into concentration camps where over a thousand of them died or were murdered, the great Lutheran Dietrich Bonheoffer among them.

Hitler believed in pseudo- scientific racial theories and occult notions about the racial superiority of the white Nordic race. The professor can call that a religion if he likes, but he need not imply that it derives from Hitler’s Catholic upbringing or was warmly embraced by anyone other than ardent Nazis.


:)
19. sitlo ( 12/07/2013 09:48)
Nehm aloha milay ihany amin'ny lafiny maro an! Aza sorena fotsiny rehefa mahita ny marina fa samy nandalo teo daholo. :D
20. endriny ( 15/07/2013 05:44)

Nehemiah:


endriny:


Nehemiah:

Mahafaty ve ny mijery Wikipedia alohan'ny miteniteny foana e ?

Lohahevitrao rahateo ilay izy, fa raha tsy izay dia efa nasiako hoe "Don't feed the Troll"...


Don' troll anyone if you are a loser...

Kudos for such a debased mentality, no wonder Madagascan society is decaying so rapidly
endriny:

Fa tsy ny wiki ihany akory no loharano, http://www.thewhig.com/2013/07/04/on-war-and-religion fa maro tsy tambo isaina ny loharano fa ny kristianina te hanatsara tena fotsiny nefa mpamono olona hatramin'izay...


ny rohy nomenao:

When traditional Christians opposed Hitler, he threw over 6,000 clergymen into concentration camps where over a thousand of them died or were murdered, the great Lutheran Dietrich Bonheoffer among them.

Hitler believed in pseudo- scientific racial theories and occult notions about the racial superiority of the white Nordic race. The professor can call that a religion if he likes, but he need not imply that it derives from Hitler’s Catholic upbringing or was warmly embraced by anyone other than ardent Nazis.


:)


Vakio manontolo fa aza tsongatsongaina
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5754