Toe-po krsitianina manoloana sy miatrika olana goavana
21. Nehemiah
(
18/06/2013 08:30)
voromailala:
Inona tamintsika (saina, fanahy,...) no loharano nipoiran'ilay ratsy. asa raha azonao ilay fanontaniana.
Nilaza i Jesoa fa ny fo no loharanon'ny fisainan-dratsy rehetra. Ka jereo tsara ny contexte ara-kolon-tsaina. @ Baiboly, ny dikan'ny hoe "fo" dia ny ampahan'ny olombelona izay mieritreritra.
22. voromailala
(
18/06/2013 08:54)
Tsy azoko tsara, ny Fo anie taova, ahoana no hitsirian'ny ratsy avy amin'ny taova, sa nidiran'ny aretina?
Ny fo izany afaka mieritreritra ohatra ny saina? afaka manao asamarika ve ny fo?
Ny fo izany afaka mieritreritra ohatra ny saina? afaka manao asamarika ve ny fo?
23. Nehemiah
(
18/06/2013 08:59)
Metafôra anie ilay izy. Tsy ilay taova no mieritreritra fa ny voambolana "fo" @ Baiboly dia ilazàna ny ampahan'ny olombelona izay mieritreritra (izany hoe ny mental)
24. voromailala
(
18/06/2013 09:08)
raha azo tsara izany aminao (amin'ny Baiboly moa izany) dia mizara roa ny mental misy anaty fo dia misy anaty atidoha?
Amiko indray anefany dia iray ihany ny mental anaty loha. fa ny fo no hitoeran'ny fanahy, ary ianao ilay fanahy.
Izay mahatonga ny olona mizara foana, ny fo manaiky ohatra nefa ny saina mandà,ohatra ilay hiran'i Mahaleo iny, misy resaka an'izay.
Hoy Antoine Saint Exupery: on ne voit bien qu'avec le cœur. L'essentiel est invisible pour les yeux
tsy hitan'ny maso, ny saina izany ny sarobidy fa ny fo (fanahy io, ianao io) no mahita ny sarobidy.
I Jesoa koa mbola nilaza an izany tamin'ireo mpianany hoe manana maso ianao nefa tsy mahita, manana sofina ianao nefa tsy mandré, sns.......kanefa tsy jamba sy tsy marenina ireo mpianany.

25. bor2lais
(
18/06/2013 10:00)
Tefigasy:
Alohan'ny hanomezako hafatra ho an'ilay akamako vao avy namoy ny vadiny ...
Mazava kokoa ilay lohateny raha izany !
Dia ity tononkiran'i Rajaonarivelo Germain ity no tonga ao an-tsaina ka dia mahereza :
" Raha misy ratram-po na azom-pahoriana ianao
Dia làlana lalovana io mba hanefena anao
Na dia mavesatra aza tsy anariana ny finoana
Ho maivana aminao rehefa Jesoa no antsoina ... "
Izy no hampody ny aizin-dava ho maraina vaovao !
26. Nehemiah
(
18/06/2013 13:41)
Voaterina averina impiry voa azon'i Voromailala fa metafôra ho'aho ilay izy e ?
27. voromailala
(
18/06/2013 13:56)
Azoko ny dikany ny tena soratanao fa ny hevitra tianao ambaro no tsy azoko.Toy izany koa ny zavatra soratako. Ary ohatran 'izany ihany koa ny fampianaran'i Jesoa.
Amiko manokana dia:
Izay olona mamaky sy miadihevitra ny soratra masina amin'ny alalan'ny sainy dia tsy hifankahazo mihintsy ary tsy ahazo izay tian'i Kristy ho lazaina.(Io no nahatonga ny fivavahana lasa maro be)
Fa ireo izay mamaky amin'ny alalan'ny fo (fanahy) no ahazo ireo fampianarany.

28. Nehemiah
(
18/06/2013 14:59)
Diso izany fa ny mahatonga ny fisian'ny fivavahana maro be dia ny tsi-fiombonan-kevitra momba ny fampianarana sasany.
Nahoana hoy ianao no nananatra ny mpianany tany @ lalana mankany Emaosy i Jesoa hoe : "Ary hoy Izy taminy: Ry adala sy votsa saina ka tsy mino izay rehetra nolazain’ny mpaminany" raha tsy mahazo mampiasa saina rehefa mamaky Baiboly ?

29. voromailala
(
18/06/2013 15:06)
Fa ahoana no tonga dia mitsara ianao hoe diso ny zavatra lazaiko? aminao izy mety diso fa amiko izy marina.
Momba ilay resaka saina mila mandalina kely ilay "Le Pouvoir Du Moment Présent" an'i Eckart Tolle ianao vao azonao ny tian'ny mpanoratra lazaina.
Na Jereo ilay Film "Ame Vagabonde", fa ilay mamaky amin'ny fo dia ilay "Ame" no mamaky, ianao izany, fa fitaovana fotsiny ny vatana maso, saina baikoinao hilaza aminao izay voasoratra anatin'ilay Baiboly.
Na avadiko, hoe rehefa ahoana no saina fotsiny no mamaky ny Baiboly, ny saina mamaky ny baiboly rehefa mbola ao anatin'ny "Formatage" sy "Conditionnement" ny "société" ny FJKM ianao mamaky ilay Baiboly.

30. Nehemiah
(
18/06/2013 15:16)
voromailala:
Fa ahoana no tonga dia mitsara ianao hoe diso ny zavatra lazaiko?
Mampihatra ny Jn. 7:24 aho. Tsy mba argumentation par l'émotion tahakan'izao no hanamarina ny tenanao.
voromailala:
aminao izy mety diso fa amiko izy marina.
Na avadiko, hoe rehefa ahoana no saina fotsiny no mamaky ny Baiboly, ny saina mamaky ny baiboly rehefa mbola ao anatin'ny "Formatage" sy "Conditionnement" ny "société" ny FJKM ianao mamaky ilay Baiboly.
Ka izaho anie tsy mandà an'izay e :-) ! Manana ny ankina (axiome) iaingako aho, dia ny Baiboly irery. Ary ianao koa dia manana ankina, na tianao na tsy tianao, izany hoe ny fampianaran'i Tolle raha azoko tsara.
31. voromailala
(
18/06/2013 15:27)
Tokony soloina hoe Baiboly ny solonanaranao :-)
Izaho tsy miteny hoe tsara ny Evanjilin'i Paoly, Thomas, Maria ary Eckart Tolle,Pretra Anthony de Mello, Osho, Arnaud desjardins, Krishnamurti, Ramana Maharsi,Gurdjieff.....
Fa zao, ny hoe mety na tsy mety aminao dia miankina aminao ihany, fa andramo dia rehefa hitanao hoe nahasoa sy nahasambatra anao dia tazomy.
Izao tsy miteny hoe mahasoa na mahasambatra ny zavatra lazain'ireo olona maro be notanisaiko ireo, fa andramo vakiana ny asa sorany dia anjaranao avy eo no mijery hoe tsara sa tsia aminao.
Nahasoa ahy ny nandalina an'ireo mpanoratra ireo dia zaraiko aminareo.

32. voromailala
(
18/06/2013 15:30)
Fanamarihana kely, ny olana izany dia rehefa misy olona manoratra boky sy manana fijery mivoana ny dogma dia lazaina fa sekta.
Marihana anefany fa ny Katolita dia sekta avy amin'ny fivavahana Jiosy, ary ny Protestanta dia Sekta avy amin'ny fivavahana Katolika, sns.. sns....
Marihana anefany fa ny Katolita dia sekta avy amin'ny fivavahana Jiosy, ary ny Protestanta dia Sekta avy amin'ny fivavahana Katolika, sns.. sns....
33. voromailala
(
18/06/2013 15:35)
Farany fa handeha hody aloha fa rahampitso indray.
Ny zavatra voasoratr'ireo "Maitre Spirituel" rehetra ireo dia mitovy amin'ny zavatra lazain'ireo olona izay efa maty ka niverina (NiRenaitre) indray.
eto ny rohy momba an'izany EMI
Ny zavatra voasoratr'ireo "Maitre Spirituel" rehetra ireo dia mitovy amin'ny zavatra lazain'ireo olona izay efa maty ka niverina (NiRenaitre) indray.
eto ny rohy momba an'izany EMI
34. Miharena
(
18/06/2013 19:31)
Raharaha ihany ilay resaka ataontsika namana Voromailala fa rehefa mandefa resaka toy io anao io ny tenako dia tsy mety amin'ny namana Nehemiah mihitsy an! Mahita havaly hatrany izy. Nefa lazaiko fa matetika valy tsy mahafa-po no aposany.
ary tsy mahatsiaro tena mihitsy izy hoe tsy mitombina ny rindran-keviny.
ary tsy mahatsiaro tena mihitsy izy hoe tsy mitombina ny rindran-keviny.
35. Nehemiah
(
19/06/2013 06:15)
voromailala:
Tokony soloina hoe Baiboly ny solonanaranao :-)
^_^
voromailala:
Izaho tsy miteny hoe tsara ny Evanjilin'i Paoly, Thomas, Maria ary Eckart Tolle,Pretra Anthony de Mello, Osho, Arnaud desjardins, Krishnamurti, Ramana Maharsi,Gurdjieff.....
Fa zao, ny hoe mety na tsy mety aminao dia miankina aminao ihany, fa andramo dia rehefa hitanao hoe nahasoa sy nahasambatra anao dia tazomy.
Izao tsy miteny hoe mahasoa na mahasambatra ny zavatra lazain'ireo olona maro be notanisaiko ireo, fa andramo vakiana ny asa sorany dia anjaranao avy eo no mijery hoe tsara sa tsia aminao.
Nahasoa ahy ny nandalina an'ireo mpanoratra ireo dia zaraiko aminareo.
Miteny kosa ianao fa aminao dia mahasoa ireny mpanoratra ireny. Tsy maninona anie izay. Ny serasera dia natao ifampizaràna hevitra. Rehefa manana an'izay honnêteté miaiky ny ankina niaingàna ny tr11 dia efa dingana lehibe izay. Dia samy mandinika ny voalazan'ny 1 ny 1 dia manapa-kevitra raha mety aminy na tsia, fa tsy mety ny manao tery vay manta ny hevitra ao anatin'ny ati-dohan'ny olona resahina.
Izany hoe tiako marihina fa efa novakiako ny evanjely apôkrifa vitsivitsy sy ny asa soratry ny sasany tahakan'i Lobsang Rampa sy Teilhard de Chardin ary Eckhart Tolle fa hitako tsy mahasoa ahy.
36. Nehemiah
(
19/06/2013 06:51)
voromailala:
Fanamarihana kely, ny olana izany dia rehefa misy olona manoratra boky sy manana fijery mivoana ny dogma dia lazaina fa sekta.
Marihana anefany fa ny Katolita dia sekta avy amin'ny fivavahana Jiosy, ary ny Protestanta dia Sekta avy amin'ny fivavahana Katolika, sns.. sns....
Fomba fijery 1 izay, fa ny Katôlika dia tsy mieritreritra ny tenany ho sekta Jiosy fa manatanteraka ny fivavahana Jiosy @ alalan'ny fanarahana an'i Kristy, ary ny Prôtestanta dia tsy mieritreritra ny tenany ho sekta Katôlika fa miezaka ny manaraka an'izay voalazan'ny Baiboly irery, ary ao foana, mazava ho azy, ny lesoka @ andaniny sy ny ankilany.
Ka inona no tokony ho mari-pitsaràna faratampon'ny Kristiana ? Ny tenin'Ilay Andriamanitra tompoiny, mazava ho azy, izany hoe ny Baiboly.
38. Nehemiah
(
19/06/2013 07:28)
Miharena:
Raharaha ihany ilay resaka ataontsika namana Voromailala fa rehefa mandefa resaka toy io anao io ny tenako dia tsy mety amin'ny namana Nehemiah mihitsy an! Mahita havaly hatrany izy. Nefa lazaiko fa matetika valy tsy mahafa-po no aposany.
ary tsy mahatsiaro tena mihitsy izy hoe tsy mitombina ny rindran-keviny.
Tianao ho fantatra ve ny antony ? Satria tsy asianao fiheverana mihitsy ny zavatra lazaiko fa ny anao ihany no asesisesikao, dia avy eo mody manao hoe tsy mitombina ny rindran-kevitro. Fa i Voromailala mba niaiky ny ankina niaingany ka zary nahasoa ny resaka.
39. voromailala
(
19/06/2013 07:31)
Nehemiah
Izany hoe tiako marihina fa efa novakiako ny evanjely apôkrifa vitsivitsy sy ny asa soratry ny sasany tahakan'i Lobsang Rampa sy Teilhard de Chardin ary Eckhart Tolle fa hitako tsy mahasoa ahy.
Amiko izany, izany hataonao izany anisan'ny lalana tsara ahitana ny fahamarinana sy fahasambarana amin'ny fiainana. Tsy mionona fotsiny amin'ny izay natoron'ny Ray amandReny sy Baiboly ohatra, fa mivelatra mamaky ny tantara, boky hafa. Ny anao moa izany hoe tsy nahita fahasamabarana tamin'ireo fijery hafa fa ny Baiboly ihany, dia zay no tena sarobidy.
Ilay "Comprehension" no sarobidy fa tsy ilay "Connaissance". Ny "Comprehension" mantsy dia azo avy amin'ny traikefa, hoe nandrana dia nihainana ilay izy dia hita hoe mahasoa na tsia, fa ilay "Connaissance" hoe manaiky fotsiny izay fahalalana nomena aminao nefa tsy nandramanao akory.
40. voromailala
(
19/06/2013 07:46)
Nehemiah:
voromailala:
eto ny rohy momba an'izany EMI
Misy zavatra nosoratako momba an'izay eto
Nafindrako ato ilay zavatra soratanao satria tsara ilay adihevitra
Nehemiah:
efigasy >> Mahaliana ny hevitrao, kanefa mba te-hanome fampitandremana hentitra aho momba ny NDE (near-death experiences, izany hoe ny filazan'ny olona saika maty fa nahita zavatra tany an-koatra).
Zavatra voalohany, tsy maintsy azontsika an-tsaina fa tsy mila ny NDE isika mba hanaporofoana ny fisian'ny Ankoatra. Efa porofo ampy ny nitsanganan'i Jesoa Kristy t@ maty, izay nanamarina ny filazany rehetra (Asa. 17:31), ary indrindrindrindra ny filazany fa Andriamanitra nitafy vatan'olombelona Izy (Jn. 8:58, 20:28-29).
Sady tsy ilaina ny NDE no tokony mitandrina @ isika :
1°) saika maty ny olona azon'ny NDE fa kosa tsy maty tanteraka ny ati-dohany. Mety fiotan'ny vatana sasany vokatry ny hakelin'ny ôksizena tonga @ ati-doha no mahatonga an'ireny. Mety manjary tsy takany ny ankamaroan'ny zavatra henon'ny 5 sens afa-tsy ny fahazavàna. Ny "tunnel" hitan'ny sasany izao dia mety vokatry ny tsy fandehan'ny fahitàna périphérique ka manjary mihamafy ny fahitàna afovoany.
2°) Betsaka ny olana azon'izany izay milaza fa nahatsiaro finaritra, na dia ny tsy kristiana aza. Mamitaka avokoa izany, satria mampieritreritra fa ho any @ Paradisa daholo ny olona rehetra, na ireo izay tsy mino ny mah'Andriamanitra an'i Kristy, ny fahafatesany hisolo voina ny otantsika sy ny fitsanganany amim-boninahitra @ maty (Jn.14:6, Asa. 4:10-12, 1 Kor. 15:1-4. Ka tokony mipetra-panontaniana isika : Andriamanitra tokoa ve ilay "être de lumière" hitan'ny sasany @ NDE (2 Kor. 11:14) ?
Tsy hitanao ve hoe tombony hoan'ny Kristianina azany ve ny NDE, fanamporofoina mazava hoan'ireo Athé fa misy ny fiaivanana any ankoatra? Maninona no tsy ekena ny porofo aratsiantifika? Raha miverina azany i Jesoa, iza milaza fa tsy hohejehanareo izy satria mety tsy mifanaraka amin'ny zavatra hitanareo tao anaty Baiboly?
Hoy ianao hoe tsy maty tanteraka ny atidohany? raha arakatsientifika sy aramedikaly dia rehefa mahintsy ilay eo amin'ilay fitaovana iny dia maty ny atidoha na tsy miasa intsony.mort clinique hoy ry zareo.
Tsy hiditra lalaina amin'ny hoe zavatra hitan'ireo olona ireo aho, fa fotsiny hoe ianao izany dia tsy ilay atidoha, fa ilay fanahy mivoka anaty vatana rehefa maty ny atidoha, dia mahita ny fanjakan'Andriamanitra.
Io ilay lazaiko hoe "Non-Mental", rehefa tonga amin'ny etat "Non-Mental" ianao dia miteraka indray, dia mahita ny fanjakan'Andriamanitra.
Izaho manokana dia nahatsapa azy io fa vetivetika kely, ka izay no mahatonga ahy miezaka ny hampitony hatrany ny saiko amin'ny alalan'ny "living presence" na fanaovana meditation.