Ny nipoiran'ny angano Genesisy sy ny safo-drano

21. voromailala ( 13/06/2013 14:46)

Nehemiah:


voromailala:

Satria ny Rar anao Kristianina dia miteny an izany ianao, ny tianao tenenina izany dia vahoaka voafidy isika Malagasy, natao lasa Kiristianina, fa ireo Silamo sy Jiosy dia nofidiana tsy hanaraka ny tenin'Andriamanitra?

Tsy marina kosa izay.

1°) Izaho koa nirona t@ resaka occulte sy resaka New Age, neveriko ho traces manjavozavon'ny finoana tena izy ny fivavahan'izao tontolo izao. Resaka ETs, réincarnation, méditation, annales akashiques sns ? Tena nandalina an'izay aho !
Nitondra faisana sy fahoriana t@ fiainako izay, tsy nanana fanantenana t@'izao tontolo izao, satria nivarina t@ relativisme moral ary nanalavitra an'Andriamanitra mihitsy aho. Tsy nisy antony ny fiainako. Farany dia najanoko ka nanapa-kevitra aho handinika an'ity Baiboly nataoko tsinontsinona mandritry ny taona am-polony aho. Tao no nahitako ny tena fahasambarana sy fiadanana. Nilaza i Kristy fa hanome fiadanana ahy izay mavesatr'entana Izy ary notanterahiny avokoay ilay izy. Izay no antony inoako Azy sy ny teniny.

Ka izay no anaovako anao hoe : tsy mahasoa ireny resaka novelabelarinao ireny fa mitondra @ fijaliana mandrakizay. Aza tezitra, fa fampianaran'ny devoly ireny.

2°) Raha ny sitrapon'Andriamanitra dia ho voavonjy avokoa ny olombelona rehetra, fa hajainy mandrakariva ny sitrapontsika olombelona handà Azy. Ny demony koa dia mamitaka sy misandoka ary manasoloky.


Mahafinaritra ilay miresaka.

Izaho tsy manaraka ireo zavatra be dia be lazainao eo ambony ireo, nanao fikarohana fotsiny za momba ny finoana rehetra, indrindra ny Kristianina. Dia nahatsapa fa fa olona vitsy no manapakevitra ny dikatenin'ny Baiboly tamin'ny alalan'ireo Concile maromaro izany.

Inty pretra Jezoita ity zao no tiako ny fijeriny.
Anthony de Mello

Fitiavana no hizarako anareo izao zavatra izao, satria nahasoa ahy ilay izy, nahitako ny "Paix du Christ".

Tsara ny teraka anatin'ny finoana iray, fa tsy tsara kosa ny maty ao anatiny.








22. endriny ( 13/06/2013 15:48)

mizara:

Mba endrik'iza koa aloha e! endrin'i Satana?


Ntso, raha mba fantatrao mantsy fa tsara endrika ohatry ny anjely I Satana, dia hoy ianao hoe aleo aho hanaraka anao ry satana a...

(Avereno jerena ny niavin'ny anjely sy Satana)
23. endriny ( 13/06/2013 16:06)
Mbola eto amin'ny Genesisy ihany isika amin'io fanadihadiana io a.

"Afobe na ny Helo", io moa dia efa naverimberiko fa ilay lavak'afo fandoroana ireo nanao ratsy teo amin'ny fiaraha-monina no tena niandohany. Toroina atao lasa lavenona ny fatin'izy ireo ka tsy hanana taolana alevina, ka ny fandoroana no natao tamin'izany. Ary tany amin'ireny lavak'afo ireny no nanaovana azy. Dia io no niteraka ny hoe afobe na helo na gehen'afo. Ka tsy hisy ahatsiaro intsony ireo izay nanao ratsy. Tonga amin'ny fiteny gasy hoe ataovy lasa lavenona any...

Efa taty aoriana tamin'ny andron'ny raomanina vao nisy ny hoe izay meloka dia ombohina amin'ny hazo fijaliana na omena ny biby masiaka na toraham-bato...

Raha oharina amin'ny tany Tatsinanana io, dia ny mifanohitra amin'izay no zava-misy, fa ry zareo dia mihevitra ny ny lavak'afo avy amin'ny volcano dia herin'Atra. Ka ivavahana sy anaovana sorona mihintsy aza.
24. mirananirina ( 13/06/2013 17:29)

Nehemiah:

Nadinonao ny hoe "Tiava an’ i Jehovah Andriamanitrao amin’ ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra" (Mt. 22:37), ary ny tenin'Andriamanitra dia ny Baiboly irery

Tena tsy matiko lolo mht ity tenin'i Nemhemiah isaky ny mihetsika ity ka! Tena marina e, contre anao 100% mht aho fa tsy ny baiboly irery no tenin'Atra.
Porofo voalohany: nahita an'Atra angaha ireo olona nanoratra ireo? Fiainana lavabe iny ve dia voatatarany tao anaty baiboly daholo ny zvt nitranga rht? raha nisy rivo-doza na torandrano dia lazainy fa Andriamanitra manafay(mamono) olona sns...
Hany ka lasa manompo baiboly ianareo=manompo ireo olona nanoratra azy? Izy ireo koa aza tsy nahita ny tantara niseho fahiny(ohatra iza t@ ireo nanoratra ny baiboly no nahita an'i Adama sy Eva? fahiny mbola tsy misy ny taratasy sy sytlo nanoratana angamba ô
25. moi ( 14/06/2013 05:30)
io ary ho'a fa lasa étalage de connaissances ny resaka ; mahita fijery hafa klo zahay e, ary manomboka fantatray kokoa ianareo mpifanandrina.
Ny ahy moa torohevitra ho an'izay mihevitra fa kristiana ihany, satria voasoratra any ho any hoe "Mandava ny fanontaniana adaladala tsy misy antony, satria fantatrao fa mahatonga ady izany."
Fanampin'izay, raha azonareo jerena ny Tenin'Andriamanitra rehetra ahitana ny teny hoe "anganongano".
26. Nehemiah ( 14/06/2013 06:45)
mirananirina:

Tena tsy matiko lolo mht ity tenin'i Nemhemiah isaky ny mihetsika ity ka! Tena marina e, contre anao 100% mht aho fa tsy ny baiboly irery no tenin'Atra.

Tsara ny miaiky ny hevitra efa raiki-tapisaka @ sainao, tsy misy tsy manana an'izay. Ary tsarovy fa iny hevitra raiki-tapisaka iny no solomaso ijerevanao ny zava-panahy rehetra.

Kanefa faran'izay tsy miombon-kevitra aminao aho ka mizara an'izay.
mirananirina:
Porofo voalohany: nahita an'Atra angaha ireo olona nanoratra ireo?

Nom. 12:7-8 : Fa tsy toy izany kosa Mosesy mpanompoko, izay mahatoky amin’ ny tranoko rehetra. Mifanatrika no itenenako aminy, dia amin’ ny fahitana, fa tsy amin’ ny teny saro-pantarina, ary mijery ny endrik’ i Jehovah izy; ka nahoana hianareo no tsy natahotra hanome tsiny an’ i Mosesy mpanompoko?
Tsy hitako izay olana @'izao raha mino ny Baiboly ianao.
mirananirina:
Fiainana lavabe iny ve dia voatatarany tao anaty baiboly daholo ny zvt nitranga rht?

F'angaha izaho niteny hoe voarakitra ao daholo ny zavatra nitranga rehetra ???
mirananirina:
raha nisy rivo-doza na torandrano dia lazainy fa Andriamanitra manafay(mamono) olona sns...

Tapany aiza @ Baiboly kay no tianao tenenina @'izao ? Sao dia diso famoahan-kevitra...
Tsy hitako izay tianao iaviana @'ity 1 ity. Tena marina.
mirananirina:
Hany ka lasa manompo baiboly ianareo=manompo ireo olona nanoratra azy?

Raha mieritreritra tokoa fa mpanompo Baiboly aho dia asio maso ity valiko momba ny fitanisàna an'i Gamaliela nataon'i Hery ity.
mirananirina:
Izy ireo koa aza tsy nahita ny tantara niseho fahiny(ohatra iza t@ ireo nanoratra ny baiboly no nahita an'i Adama sy Eva? fahiny mbola tsy misy ny taratasy sy sytlo nanoratana angamba ô

Ahoana no ahafahanao mitompo teny fantatra fa tsy nahay nirakitra tantara ny olona talohan'ny Safo-drano ? Hitanareo mantsy, manjaka @ ati-dohan'ny olona ny hoe "donto saina ny razantsika", satria mirehareha ery fa nahavita zavatra be dia be t@ lafiny ara-teknôlôjia ny sivilizasiônantsika. Kanefa snobisme bevava izay satria lova io siansa ananantsika ankehitriny, vokatry ny asa fikarohana nataon'ny olona taloha mandritry ny taon-jato maro.

Olona mahavita manamboatra Sambofiara mitovy habe @ Titanic ve dia tsy hahita fomba iraketana tantara ? Mba mieritrereta.
27. Nehemiah ( 14/06/2013 06:48)

moi:
Ny ahy moa torohevitra ho an'izay mihevitra fa kristiana ihany, satria voasoratra any ho any hoe "Mandava ny fanontaniana adaladala tsy misy antony, satria fantatrao fa mahatonga ady izany."

Aza adino kosa ny 2 Kor. 10:5 : fa mandrava ny fisainana sy ny zavatra avo rehetra izay atsangana hanohitra ny fahalalana an’ Andriamanitra izahay ka mamabo ny hevitra rehetra hanaiky an’ i Kristy,
28. endriny ( 14/06/2013 16:29)

Nehemiah:

Olona mahavita manamboatra Sambofiara mitovy habe @ Titanic ve dia tsy hahita fomba iraketana tantara ? Mba mieritrereta.


Dia ahoana aloha no nandehanan'i Noa nanangona ireo biby tany Amerika latinina sy Afrika ary Siberia e?
29. Nehemiah ( 15/06/2013 05:44)
Gen. 1:9 : Ary Andriamanitra nanao hoe: Aoka hiangona ny rano eny ambanin’ny lanitra ho eo amin’ny fitoerana iray, ary aoka hiseho ny maina; dia nisy izany.
Gen. 6:20 : Ny vorona, samy araka ny karazany avy; ary ny biby, samy araka ny karazany avy, ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin’ ny tany, samy araka ny karazany avy, dia, roa avy samy araka ny karazany avy, dia roa avy isan-karazany no hankeo aminao hovelomina.
Avy amiko ny soramandry.
30. endriny ( 15/06/2013 09:40)

Nehemiah:

Gen. 1:9 : Ary Andriamanitra nanao hoe: Aoka hiangona ny rano eny ambanin’ny lanitra ho eo amin’ny fitoerana iray, ary aoka hiseho ny maina; dia nisy izany.
Gen. 6:20 : Ny vorona, samy araka ny karazany avy; ary ny biby, samy araka ny karazany avy, ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin’ ny tany, samy araka ny karazany avy, dia, roa avy samy araka ny karazany avy, dia roa avy isan-karazany no hankeo aminao hovelomina.
Avy amiko ny soramandry.


Angano daholo izany,

Dia nandeha inona ilay biby avy any amerika nankany Israely mba handray ny sambo fiara?
31. Nehemiah ( 15/06/2013 12:35)
Nehemiah:

Gen. 1:9 : Ary Andriamanitra nanao hoe: Aoka hiangona ny rano eny ambanin’ny lanitra ho eo amin’ny fitoerana iray, ary aoka hiseho ny maina; dia nisy izany.
32. endriny ( 15/06/2013 17:29)

Nehemiah:

Nehemiah:

Gen. 1:9 : Ary Andriamanitra nanao hoe: Aoka hiangona ny rano eny ambanin’ny lanitra ho eo amin’ny fitoerana iray, ary aoka hiseho ny maina; dia nisy izany.



Ny tendrombohitra amin'ny hantsan'i Betsimisaraka sy Anosy ary ny atsinanan'i Amerika avaratra no antintra tany antitra indrindra eto ambonin'ny tany, nefa tsy misy na iray amin'ireo aza maneho fa safotry ny rano taloha.

fa mba angano ka atao. Ny Ntaolo razanay koa dia nanao angano fa teo Ankaratra no nanamboaran'i Zanahary ny olombelona.
33. Nehemiah ( 17/06/2013 08:09)

endriny:
Ny tendrombohitra amin'ny hantsan'i Betsimisaraka sy Anosy ary ny atsinanan'i Amerika avaratra no antintra tany antitra indrindra eto ambonin'ny tany, nefa tsy misy na iray amin'ireo aza maneho fa safotry ny rano taloha.

Ahoana no ahafantaranao an'izay :-) ?
34. endriny ( 17/06/2013 14:55)

Nehemiah:


endriny:
Ny tendrombohitra amin'ny hantsan'i Betsimisaraka sy Anosy ary ny atsinanan'i Amerika avaratra no antintra tany antitra indrindra eto ambonin'ny tany, nefa tsy misy na iray amin'ireo aza maneho fa safotry ny rano taloha.

Ahoana no ahafantaranao an'izay :-) ?

Coupe geologique
35. Nehemiah ( 17/06/2013 15:05)
Ny coupe géologique dia azo ahafantarana âge relatif fa tsy azo ahafantarana âge absolu. Nohon'izay dia tsy mba izay no hahaporofo ny "anganon"'ny Safo-drano ho diso.
36. endriny ( 17/06/2013 15:22)

Nehemiah:

Ny coupe géologique dia azo ahafantarana âge relatif fa tsy azo ahafantarana âge absolu. Nohon'izay dia tsy mba izay no hahaporofo ny "anganon"'ny Safo-drano ho diso.


Hay ve eh, koa inona no inoanao ny any Arizona sa ilay izy hoe vazaha?
37. Nehemiah ( 18/06/2013 07:44)
He he he, tsy niteny mihitsy aho hoe mino an'izao :-) fa nampiasa ny lôjikanao mpandala evôlisiona mba anehoana anao fa mifanipaka ny evôlisiona.
38. Miharena ( 19/06/2013 02:46)
Hatamin'izao dia manohana hevitra ny namana Nehemiah fa tsy hita hoe inona marina no efa rafitra mazava amin'ny tsy fahamarinan'ny evolisiona? Azo valiana mazava ami'ny fehezanteny vitsivitsy ve?
39. endriny ( 19/06/2013 05:09)
Ny Genesis dia mitovy amin'ilay angano Malagasy mitantara ilay atody lehibe hitan'ilay zazalahy kely, dia notehiriziny ka fohy. Akory anefa ny ahatairany fa biby lehibe mahatelina trano ilay izy nony lehibe tokoa, ka dia novonoin'ny olona tamin'ny lefona sy ny famaky...

Tsy nahita film Jurasic park ny Ntaolo fa nahita ireo taolam-biby lehibe izay tsy azony veroka hoe biby inona na avy aiza, dia izay no namoronany ny angano.

Dia toa izany koa ny namoronany angano hoe: teny Ankaratra I Zanahary no nilalao ka nanao ny olom-belona voalohany.

Raha ny taona ny Genesis no tena zohina dia vao 4.000 taona izay I Adama sy Eva raha ela indrindra. Mitovitovy taona amin'ilay karan-doha hita tany Lavanono raha ampitahaina akaiky. Saingy ny olom-belona dia efa niriaria teto ambonin'ny tany efa ho iray tapitrisa taona mahery izao.

Dia mipetraka ny fanontaniana hoe: oviana marina ary izany I Adama sy Eva no tonga teto? Dia aiza daholo ny tantara teo an'elanelany raha toa ka nisy voadingana satria efa an-tapitrisa taona no nisy olona ny tany?
40. Nehemiah ( 19/06/2013 07:08)
Ianareo 2 ary tsy ho resy lahatra mihitsy fa tsy marina ny evôlisiona sy ny tapitrisa taona koa inona indray :-) ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3788