Nilaza marina ve ny Papa momba ny ao Vatican?

21. RBNIR ( 13/06/2013 08:21)
hery:

Tsy misy filazàna fa nanambady DAHOLO ny mpianatra REHETRA (raha tsy hoe misy apokrifa vaoao koa any)
Tsy nisy filazàna fa tsy nandao ny zavatra REHETRA ireo mpianatra (rahalahy, ray amandreny, vady, zanaka sns) rehefa nanaraka an'i Jesoa... satria nasainy nahafoy ny zavatra rehetra ka mety nanaraka azy.
Tsy nisy filazàna fa nanambady i Paoly. Ary i Paoly indrindra no nampirisika ireo izay mety tsy hahavita ny hanambady sy eonoka mba tsy hanambady noho ny filazan-tsara. Tsy niteny nefa izy hoe ratsy ny manambady.

Noho izany dia tsy azoko antoka hoe tena nanambady daholo ny mpianatra.

I Jesoa tsy miteny hoe ratsy ny manambady. Ny Fiangonana koa amin'izao tsy miteny hoe ratsy ny manambady. Ny pretra tsy manambady dia safidy hiaina ao anaty fitiavana malalaka kokoa fa tsy fanaratsiana ny fanambadiana velively.

koa sitrapon'Andriamanitra ve izany? Asa :-)

Faly misera hatrany namana,

Ilay izy apetraka lalana ao amin'ny fiangonana ankehitriny hoe tsy mahazo manambady ny mpitondra fivavahana no nametrahako fanontaniana hoe sitrak'Andriamanitra v satria ny apostoly aza navelan'i Jesosy Tompo nanambady namana,

Samia ho tahin'ny Tompo e,
22. voromailala ( 13/06/2013 08:40)

endriny:


RBNIR:

Ity teny manaraka ity no mahafehy azy: « Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra. » (Mat.7:21)


O ry Tompo tsy toha o, aiza ianao amin'izao... fa dia azo arahina kay ny mpitanjiro adala... Eto mantsy ilay mpampianatra, na mpitarika fiangonana mihintsy no adala, dia mbola arahina ihany... dia mody atao hoe: "nga izy no ivavahanay fa ny Tompo" ahaahhahaha

izahay ange tsy mivavaka amin'i Odon e, fa mandray ny kominio omeny dia manaraka ny anatra teneniny... Dia hoy aho hoe: Adala noho ny adala izay mianatra amin'ny adala...

Raha ilay mpampianatra aza manao hadisoana mandiso ny zavatra teneniny, dia mbola hianatra ao aminy ve ianao? Mbola matoky ve ianao fa tsy hanome lesona diso anao io mpampianatra io?

Oadray re ry Tompo tsy Toha o.. Ahirato ny masony fa misokatra nefa tsy mahita, ampandreneso ny sofiny fa tsara sikotra anefa tsy mahare...



Hitako misy fahamarinana io zavatra lazain'i endriny io. Tonga amin'ilay fitenena hoe "aza ny hataoko no hatao fa izay lazaiko hatao".

Amiko manokana tokony anjaran'ny tsirairay no mitady ny lalany hiverenany amin'Andriamanitra fa tsy voatery mila pasitera, mopera, guru, imam,daililama, sns.....

Ilay ny fampianarany fa tsy tokony arahana anjambany, mila mivoka amin'ilay "Formatage" ary "Conditionnement" isika.

Tsy ilay "Prière" haverimberina no tena sarobidy fa ilay "Etat de Priére".

23. voromailala ( 13/06/2013 08:46)

endriny:

Fa angaha moa tsy nanambady ny pretra taloha eh? indrindra fa ny Papa.

Fa noho izy voatery tsy maintsy mizara lova amin'ny zaza naterany dia lasa mizara fanana ny fiangonana.

Dia teraka teo ny Kaonsily 1139, izay nandrara ny fanambadian'ny pretra mba tsy hizarana ny lova sy ny fananan'ny fiangonana amin'ny vady aman-janaky ny pretra...

Izany hoe fitiavan-tena no tena marina no tsy anambadian'ny mopera.


Misaotra amin'ny valiteny, ary iny indray mbola tsy fantatro, hay taloha ny 1139 zany mbola afaka nanambady ny pretra. Vao avy nojereko teo koa ny rohy http://www.futurechurch.org/languages/french/histoire.htm

hita mihintsy hoe tsy endry fotsiny ianareo :-)

24. bor2lais ( 13/06/2013 09:33)
H.S kely
voromailala:

hita mihintsy hoe tsy endry fotsiny ianareo

1. "endry" "hendry" ;-)
2. endriny : mety hoe endrika-ny nefa koa mety hoe vadin'i abany ! :-)

Raha tsy hoe angaha misy ifandraisany amin'ity iray ity :
"Enjey ! Fa mahafinaritsa loatsa ..." :-)

Tapitsa ny H.S - ko
25. hery ( 13/06/2013 09:37)

RBNIR:


Ilay izy apetraka lalana ao amin'ny fiangonana ankehitriny hoe tsy mahazo manambady ny mpitondra fivavahana no nametrahako fanontaniana hoe sitrak'Andriamanitra v satria ny apostoly aza navelan'i Jesosy Tompo nanambady namana,

Samia ho tahin'ny Tompo e,


Dia aza mivaky loha fa aleo i Gamaliely no hiteny :-)

Asa 5. 38-39:

"Koa ankehitriny, izao no hevitra omeko anareo: aza manan-draharaha amin'ireo lehilahy ireo akory, fa avelao izy handeha; satria raha avy amin'olona izao hevitra na raharaha izao, dia ho foana ho azy; fa raha avy amin'Andriamanitra kosa, tsy ho hainareo foanana velively, sao dia miseho ho mpiady amin'Andriamanitra hianareo."
http://baiboly.katolika.org/boky/asa/5/38-39
26. voromailala ( 13/06/2013 09:46)

bor2lais:

H.S kely
voromailala:

hita mihintsy hoe tsy endry fotsiny ianareo

1. "endry" "hendry" ;-)
2. endriny : mety hoe endrika-ny nefa koa mety hoe vadin'i abany ! :-)

Raha tsy hoe angaha misy ifandraisany amin'ity iray ity :
"Enjey ! Fa mahafinaritsa loatsa ..." :-)

Tapitsa ny H.S - ko


Diso fanoratra fa "endriny" no tiako lazaina :-)
aza tsiny.

Tsara le HS mampmé.
27. mizara ( 13/06/2013 11:26)
Tim I 4 : 1 - 5
[-4-] Fa ny Fanahy milaza marina fa amin'ny andro aoriana dia hihemotra amin'ny finoana ny sasany, manaiky fanahy mamitaka sy fampianaran'ny demonia, 2 amin'ny fihatsarambelatsihin'ny mpilaza lainga, ka voapetaky ny vy mahamay ny fieritreretany, 3 izay mandrara tsy hanam-bady, ary mampifady hanina, izay nataon'Andriamanitra ho an'izay mino sady mahalala ny marina, mba horaisiny amin'ny fisaorana. 4 Fa ny zavatra rehetra nataon'Andriamanitra dia tsara avokoa, ka tsy misy tokony holavina, raha raisina amin'ny fisaorana, 5 satria hamasinin'ny tenin'Andriamanitra sy ny fivavahana izany.
28. voromailala ( 13/06/2013 12:40)
Miala tsiny aho raha manoratra an'ity fa: Henjana ilay "Formatage" sy "Conditionnement".
29. Nehemiah ( 14/06/2013 06:18)
hery:


Dia aza mivaky loha fa aleo i Gamaliely no hiteny :-)

Asa 5. 38-39:

"Koa ankehitriny, izao no hevitra omeko anareo: aza manan-draharaha amin'ireo lehilahy ireo akory, fa avelao izy handeha; satria raha avy amin'olona izao hevitra na raharaha izao, dia ho foana ho azy; fa raha avy amin'Andriamanitra kosa, tsy ho hainareo foanana velively, sao dia miseho ho mpiady amin'Andriamanitra hianareo."
http://baiboly.katolika.org/boky/asa/5/38-39

Tsy hoe hivazizitra aho fa mba tiako marihina fa tsy milaza mihitsy ny lahatsoratra fa avy @'Andriamanitra io teny io. Jereo ireo vavolombelon'i Jehovah sy Mormons raha tsy mandrombona e !

Tsetsatsetsa tsy aritra ny ahy.

N. B. : Hitanao fa tsy mpanompo Baiboly aho lol.
30. RBNIR ( 14/06/2013 11:27)
hery:

Dia aza mivaky loha fa aleo i Gamaliely no hiteny :-)

Asa 5. 38-39:

"Koa ankehitriny, izao no hevitra omeko anareo: aza manan-draharaha amin'ireo lehilahy ireo akory, fa avelao izy handeha; satria raha avy amin'olona izao hevitra na raharaha izao, dia ho foana ho azy; fa raha avy amin'Andriamanitra kosa, tsy ho hainareo foanana velively, sao dia miseho ho mpiady amin'Andriamanitra hianareo."
http://baiboly.katolika.org/boky/asa/5/38-39


Faly miarahaba hatrany,
Misy ihany koa anefa fiangonana iray izay navelan'Andriamanitra haharitra ho mandrak'izay ihany saingy.......
« Ary nomeko andro hibebahany izy, nefa tsy mety mibebaka amin'ny fijangajangany izy. » (Apok.2:21)
« Indro, hampandamahiko eo am-pandriana izy, ary izay mijangajanga aminy dia hataoko ao amin'ny fahoriana lehibe, raha tsy hibebaka amin'ny asan-dravehivavy izy. » (Apok.2:22)
« Ary hovonoiko amin'ny fahafatesana ny zanany; ary ny fiangonana* rehetra hahalala fa Izaho no mandinika ny voa sy ny fo; ary homeko araka ny asanareo avy ianareo rehetra. » (Apok.2:23)
« Fa aminareo izay sisa any Tyatira, dia izay tsy manana izany fampianarana izany sady tsy mba mahalala ny ataon'ireo hoe "sain-dalin'i Satana", dia izao no lazaiko: tsy hovesarako entana hafa ianareo; » (Apok.2:24)

Samia ho tahin'ny Tompo e,
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4938