Nilaza marina ve ny Papa momba ny ao Vatican?
1. voromailala
(
12/06/2013 11:28)
Salama daholo
Efa nandehadeha ihany ny siosio dresaka hoe misy corruption sy lobby gay tao vatican,
fa raha ny vaovao hita amin'ny aterineto dia toa hoe niconfimer mihintsy ny Papa Francois hoe misy izany?
inty zao misy rohy
http://www.lefigaro.fr/actualite-france/2013/06/11/01016-20130611ARTFIG00607-quand-le-pape-francois-evoque-le-lobby-gay.php
Raha toa ka sanatria ka misy izany, ahoana ny hevitrao?

novalian'i RBNIR ny 14/06/2013 11:27
2. 5laody
(
12/06/2013 11:30)
Raha toa ka sanatria ka misy izany, ahoana ny hevitrao?
dia aleo ry zareo hivady rehefa mifankatia (Coluche 198?)
3. voromailala
(
12/06/2013 11:51)
Aleo marina ry mopera hanambady.
Iny resaka mariazin'ny mopera iny marina no tsy navelan'ny Papa nihadiana hevitra tamin'ny Concile Vatican II.

4. hery
(
12/06/2013 13:12)
Tsy nisy vaovao ofisialy ni-confirmer-van'ny Papa an'izany aloha nivoaka avy ao Vatican raha ny fahazoako sy ny fahalalako azy.
Toa ny vondron'olona rehetra dia mety misy gay ny olombelona, euh je veux dire hoe ny katolika, euh je veux dire hoe ny pretra. Misy an'hetsiny ny pretra ka tsy ilaozan'izay mamarara. Fa hatramin'izao aloha ny gay tsy avela manao pretra. Ka raha toa ka pretra gay dia na izy nandainga - donc tsy credible koa ny maha gay azy, na izy convertis :-) (niova ho gay tampoka) - donc mety hiova tsy ho katolika tampoka koa. Na ahoana izany na ahoana (en tout cas hoy ny frantsay) dia tsy ho lasa lobby mihitsy ny gay fa sady ho minoritaire, no ho tsy crédible, no mety hiova finoana.
Raha ny resaka mompera manambady indray dia efa naverimberiko hoe resaka fitsipika ifanarahana io. Ny mpilalao baolina no manapaka ny fitsipika fa tsy ny mpijery. Tsy hoe hitan'ny mpijery hoe misy vitsivitsy mandray amin'ny tanana ny mpilalao baolina dia hoe avela handray amin'ny tanana daholo ny mpilalao. Fa raha ny mpilalao baolina rehetra kosa no miaiky hoe tsy ampy intsony ilay mandaka dia miova ho azy ny fitsipika.
Koa raha mbola tsy ny pretra rehetra, na farafaharatsiny ny ankamaroany no mangataka an'izany, dia aza manantena zavatra be loatra :-)

5. RBNIR
(
12/06/2013 14:17)
Faly miarahaba ny namana rehetra indray,
Ny tena marina aloha dia i Petera (Kefasy) sy ireo apostoly sasany naka vady tamin'ny mpino:
« Moa tsy mahazo mitondra vady izay isan'ny mino va izahay, tahaka ny Apostoly sasany koa sy ny rahalahin'ny Tompo ary Kefasy? » (1 Kor.9:5)
Samia ho tahin'ny Tompo daholo

6. hery
(
12/06/2013 14:33)
Vady faharoa ve ny an'i Kefasy? Nisy an'ilay rafozany nositranin'i Jesoa iny mantsy, iny ve ilay tamin'ny mpino sa naka vady faharoa tamin'ny mpino izy? :-)
7. RBNIR
(
12/06/2013 14:53)
hery:
Vady faharoa ve ny an'i Kefasy? Nisy an'ilay rafozany nositranin'i Jesoa iny mantsy, iny ve ilay tamin'ny mpino sa naka vady faharoa tamin'ny mpino izy? :-)
Izaho mino fa iny ihany satria tsy azo atao ny misarabady ao amin'ny Tompo,..... saingy mety efa lasa mpino koa izany ilay vadiny. :-)
Azo atao tsara ny manambady na dia apostolin'ny Tompo aza e, (fampianarana tany amboalohany izany an io ny teny avy ao amin'ny baiboly manamarina azy)......
Samia ho tahin'ny Tompo e
8. hery
(
12/06/2013 14:55)
RBNIR> ny mahatonga ny pretra katolika tsy manambady tsy dia hoe tsy nanambady loatra ny apostoly ka :-) Fantatra tsara fa nanambady i Petera. Fa zavatra mandeha ho azy ilay izy. Ny moines bouddhistes koa izao tsy manambady. Ny ankamaroan'ny olona TENA manoka-tena tsy manambady.
9. voromailala
(
12/06/2013 15:45)
Hery> Tsara mihintsy ilay ohatra baolina kitra. Nijery ilay oronantsary momba ny Vatican II mantsy izaho, dia nolazain'ilay mopera tao tao fa raha misy ny concile Vatican III dia io resaka mopera manambady io no mety anisany hiadiana hevitra sy fitsipika.
Fa na izany misy mpilalao efa mahazo mandray amin'ny tanana ohatra ny mpiandry tsatokazo :-)
Momba an ilay hoe niteny ve i Papa, tranonkala katolika tany amerika no namoka le izy, fa mbola
tsisy version officielle aloha.
RBNIR>Fa raha na ireo Evanjily lasa apocryphe [Maria,Thomas,...] (taorinan'ny Concile Constantin sy ny ambony) koa anie milaza mihintsy fa i Jesoa dia nanoroka an'i Maria.
Io ilay nolazain'i Hery hoe ny mpilalao baolina no manao ny fitsipika tamin izany, izany hoe ireo Eveka nanodidina an'i Constantin no nanao fitsipika tokony arahana tamin'izany.

10. sitlo
(
12/06/2013 16:10)
Ny manambady pretra sy pasitera kosa angamba tonga dia lasa any amin'ny paradisa an.
11. 5laody
(
12/06/2013 18:55)
Fa na izany misy mpilalao efa mahazo mandray amin'ny tanana ohatra ny mpiandry tsatokazo
lool, ataovy goal daholo dia asio terrain handball eo akaiky eo
12. endriny
(
12/06/2013 19:11)
Fa angaha moa tsy nanambady ny pretra taloha eh? indrindra fa ny Papa.
Fa noho izy voatery tsy maintsy mizara lova amin'ny zaza naterany dia lasa mizara fanana ny fiangonana.
Dia teraka teo ny Kaonsily 1139, izay nandrara ny fanambadian'ny pretra mba tsy hizarana ny lova sy ny fananan'ny fiangonana amin'ny vady aman-janaky ny pretra...
Izany hoe fitiavan-tena no tena marina no tsy anambadian'ny mopera.

13. endriny
(
12/06/2013 19:59)
voromailala:
Salama daholo
Efa nandehadeha ihany ny siosio dresaka hoe misy corruption sy lobby gay tao vatican,
fa raha ny vaovao hita amin'ny aterineto dia toa hoe niconfimer mihintsy ny Papa Francois hoe misy izany?
inty zao misy rohy
http://www.lefigaro.fr/actualite-france/2013/06/11/01016-20130611ARTFIG00607-quand-le-pape-francois-evoque-le-lobby-gay.php
Raha toa ka sanatria ka misy izany, ahoana ny hevitrao?
Resaky ny Gazety io e... avy avy ry mpividy...
Saingy zava-misy tsy azo lavina kosa fa misy ny Pretra manolana zazalahy... PD izany ireo, sady pedophile sa ahoana moa... fa zazalahy no naolany koa...
14. RBNIR
(
13/06/2013 02:05)
hery:
RBNIR> ny mahatonga ny pretra katolika tsy manambady tsy dia hoe tsy nanambady loatra ny apostoly ka :-) Fantatra tsara fa nanambady i Petera. Fa zavatra mandeha ho azy ilay izy. Ny moines bouddhistes koa izao tsy manambady. Ny ankamaroan'ny olona TENA manoka-tena tsy manambady.
Faly misera hatrany namana,
Fa sitrak'Andriamanitra v nefa izany?
Matoa ireo apostoly izay nandray mivantana ny fampianarana tamin'i Jesosy ary mahafantatra tsara ny fampianarana nanambady dia izay no nampianarin'i Jesosy Tompo azireo.
Samia ho tahin'ny Tompo namana
15. RBNIR
(
13/06/2013 02:56)
sitlo:
Ny manambady pretra sy pasitera kosa angamba tonga dia lasa any amin'ny paradisa an.
« Aza mety hofitahina ianareo; Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin'ny olona no hojinjany. » (Gal.6:7)
« na dia ao aza ireto telo lahy ireto, dia Noa sy Daniela ary Joba, dia ny tenany ihany no ho voavonjiny noho ny fahamarinany, hoy Jehovah Tompo. » (Eze.14:14)
« na dia ao aza Noa sy Daniela ary Joba, raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tsy hahavonjy ny zananilahy na ny zananivavy ireo, fa ny tenany ihany no ho voavonjiny noho ny fahamarinany. » (Ezek.14:20)
Tsy mahavonjy olona ny olona,
Personnel ny famonjena, matoa ianao avotra dia no ho ianao ihany, matoa ianao very dia noho ianao ihany koa.
Tsy afaka ny hialokaloka amin'ny fahamasinan'i dada, na i mama, a i zoky, na i pasitera na i mopera, fa ianao no mila manao ny sitrapon'Andriamanitra.
Ity teny manaraka ity no mahafehy azy: « Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra. » (Mat.7:21)
Samia ho tahin'ny Tompo hatrany
16. endriny
(
13/06/2013 03:22)
RBNIR:
Tsy mahavonjy olona ny olona,
Taiky, ary diso indray izany ilay testamenta vaovao milaza hoe: "Izay voavahinareo ety an-tany dia ho voavahy any an-danitra..."
hmhmhmhmhmhm
17. endriny
(
13/06/2013 03:31)
RBNIR:
Ity teny manaraka ity no mahafehy azy: « Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra. » (Mat.7:21)
O ry Tompo tsy toha o, aiza ianao amin'izao... fa dia azo arahina kay ny mpitanjiro adala... Eto mantsy ilay mpampianatra, na mpitarika fiangonana mihintsy no adala, dia mbola arahina ihany... dia mody atao hoe: "nga izy no ivavahanay fa ny Tompo" ahaahhahaha
izahay ange tsy mivavaka amin'i Odon e, fa mandray ny kominio omeny dia manaraka ny anatra teneniny... Dia hoy aho hoe: Adala noho ny adala izay mianatra amin'ny adala...
Raha ilay mpampianatra aza manao hadisoana mandiso ny zavatra teneniny, dia mbola hianatra ao aminy ve ianao? Mbola matoky ve ianao fa tsy hanome lesona diso anao io mpampianatra io?
Oadray re ry Tompo tsy Toha o.. Ahirato ny masony fa misokatra nefa tsy mahita, ampandreneso ny sofiny fa tsara sikotra anefa tsy mahare...
18. RBNIR
(
13/06/2013 07:09)
endriny:
RBNIR:
Tsy mahavonjy olona ny olona,
Taiky, ary diso indray izany ilay testamenta vaovao milaza hoe: "Izay voavahinareo ety an-tany dia ho voavahy any an-danitra..."
hmhmhmhmhmhm
Faly miarahaba namana,
Zavatra samihafa ange izany resahintsika izany e?...
Mamaly ny namana sitlo aho : mihevitra izy fa raha manambady pasitera na mopera avy dia miakatra.
Nentiko ny toko sy andiny manambara fa pasitera tsy hahavonjy ny vadiny (tahaka an'i Joba, noa, Daniel izay voalaza fa tsy hahavonjy ny zanany "hoy Jehovah Tompon'ny maro " fa tsy hoy RBNIR (avereno vakina tsara).
P.S: io teny nentinao eo ambony io no betsaka tsy mahay mampiasa ankehitriny ka lasa vahana avokoa izao rehetra izao dia voavaha hatramin'ny didy tsy tokony vahana aza.
(mianara amin'ny fampianarana natolotra ireo apostoly fahiny dia tsy ho diso lalana ianao).
Samia ho tahin'ny Tompo e,
19. sitlo
(
13/06/2013 07:24)
Ka tsy mila miandry ela be intsony ange fa ao an-trano fotsiny no miresaka dia voavela ny heloka e. Efa ny vadinao mihitsy ve no solotenan'Andriamanitra dia mbola ho any amin'ny afobe ihany?
20. hery
(
13/06/2013 07:25)
RBNIR:
Fa sitrak'Andriamanitra v nefa izany?
Matoa ireo apostoly izay nandray mivantana ny fampianarana tamin'i Jesosy ary mahafantatra tsara ny fampianarana nanambady dia izay no nampianarin'i Jesosy Tompo azireo.
Samia ho tahin'ny Tompo namana
Tsy misy filazàna fa nanambady DAHOLO ny mpianatra REHETRA (raha tsy hoe misy apokrifa vaoao koa any)
Tsy nisy filazàna fa tsy nandao ny zavatra REHETRA ireo mpianatra (rahalahy, ray amandreny, vady, zanaka sns) rehefa nanaraka an'i Jesoa... satria nasainy nahafoy ny zavatra rehetra ka mety nanaraka azy.
Tsy nisy filazàna fa nanambady i Paoly. Ary i Paoly indrindra no nampirisika ireo izay mety tsy hahavita ny hanambady sy eonoka mba tsy hanambady noho ny filazan-tsara. Tsy niteny nefa izy hoe ratsy ny manambady.
Noho izany dia tsy azoko antoka hoe tena nanambady daholo ny mpianatra.
I Jesoa tsy miteny hoe ratsy ny manambady. Ny Fiangonana koa amin'izao tsy miteny hoe ratsy ny manambady. Ny pretra tsy manambady dia safidy hiaina ao anaty fitiavana malalaka kokoa fa tsy fanaratsiana ny fanambadiana velively.
koa sitrapon'Andriamanitra ve izany? Asa :-)