vonona hihinana bibikely ve isika?

1. 5laody ( 12/06/2013 19:11)
Efa maromaro amin'izao ireo mpandraharaha madinika mampiasa bibikely anaovana sakafo. be proteina tokoa izy ireo ary tsy sarotra ompiana. efa maromaro ny restaurant manana menu insectes, ary misy chocolat misy tsirom-biby kely

Vitsy nefa ny olona mbola tsy vonona ara-tsaina, isika angamba efa mpihinana voangory sy valala atono.

sahinareo sa tsia?

lazao fa mamahan-dalitra indray aho
novalian'i niryna ny 03/09/2013 03:58
2. sitlo ( 12/06/2013 22:46)
Ny tena marina dia efa nihinana ary sakafo tena tian'ny malagasy tokoa ny valala. Izay no mahatonga ny ohabolana maro be momba ny valala.

Fandria-mafana sa valala manatody?
Ny valala tsy in-droa mandry am-bavahady...
3. shannie ( 13/06/2013 05:24)
Salama e, valala atono sy voangory endasina, efa nihinana t@ mbola kely, t@ kitsonona fa tsara, atao mendimendy ;-p. fa ny @ zao toa tsy manaiky ny saiko hatreto raha izaho manokana, inana kankana manta, holitra, kadradraka, hmm buurrkk be zany. raha efa nozarina h@ fahazaza no nihinana izany rehetra izany mety tsy maninona ihany. fa @zao tena tsy vonona na dia endasina akao mikarepoka aza. hmmm mampangoritsina. mb alaivo sary antsaina oe ihinana holitra sause, hahah tsy mety tsy mety tsy mety tsy mety. na be otrikaina aza. manda be ny saiko. mazotoa izay homana eh. hihih
4. hery ( 13/06/2013 07:47)
Azo atao tsara ny manova an'ireny ho azo hohanina. Voakarakara tsara, mety hoe hamainina dia totoina dia atao fangaron-tsakafo sns. Inoako fa tsy hiova be ny taux-n'ny proteines ao anatiny. Ny tombony amin'izay dia:

- Tsy mibahana saina intsony ka mora hohanina
- Voalanjalanja ny fihinanana azy
- Voakarakara ny fahadiovana sy ny aretina mety hitranga hafa (effets sécondaires)

Raha misy vovo-balala izao atao anaty sakafo mety hatsiro. Na koa jumbo vita amin'ny olitra sns :-)
5. booboo ( 13/06/2013 11:02)
Mandà be koa ny saiko. Na atao tsara be aza ny présentation anaty vilia sns. Aoka klé ! Comme quoi, tout est dans la tête marina...
6. 5laody ( 13/06/2013 16:38)
booboo:

Mandà be koa ny saiko. Na atao tsara be aza ny présentation anaty vilia sns. Aoka klé ! Comme quoi, tout est dans la tête marina...


tsaroako ery ny tsirona zanadandy.
raha vita ohatr'izao ve dia tsy tokony hisalasala?

7. booboo ( 14/06/2013 17:59)
5laody > deeeeeeeeeeeein ! nanenina bee zà nijery tato !! brrrrrrrrrrrrrrr
8. anjali ( 17/06/2013 12:11)
Raha voangory, valala, zana-dandy aloha dia tsy maninona e! Fa raha atao @ le bonne présentation @ lazain'i Hery hoe potehina aoka kosa. Iza no mahalala raha lalitra no nototoina tao? Izay vao tena hisy ny voafahan-dalitra . Aza hitako ary aza mahita ahy marina a!
9. 5laody ( 17/06/2013 13:42)

anjali:

Raha voangory, valala, zana-dandy aloha dia tsy maninona e! Fa raha atao @ le bonne présentation @ lazain'i Hery hoe potehina aoka kosa. Iza no mahalala raha lalitra no nototoina tao? Izay vao tena hisy ny voafahan-dalitra . Aza hitako ary aza mahita ahy marina a!


Ohatran'ny fahazarana izy io e, izaho dia efa nihinana ilay ohatry ny fanday maintimainty io. mitovy endrika amin'ny zana-dandy ihany fa somary hafa ny tsirony. Mety ho lasa fihinana atsy ho atsy izy ireo fa tsara ho fantatra ihany hoe inona ny vokatry ny famokarana betsaka azy ireo.

Raha olona mihinana patsa, pirina , cerevette, huitres, moules, escargots, cuisse de grenouilles ohatra dia tsy dia betsaka loatra ny ezaka ara-tsaina ahafahana manaiky mihinana bibikely hafa.

Na kadradraka lehibe ireny aza hono fihinana; raha ompiana izy dia azo antoka kokoa ny fahadiovany.
10. sitlo ( 17/06/2013 22:57)
Ilay izy aloha tsy vaovao amiko ary zavatra mba tiako makany ambanivohitra ny misaka trondro dia alefa miaraka any daholo ny tsindretra sy tsikovoka sns. Tena matsiro.

Fa ilay hala sy bibitsonjo sy fanday kosa tsy rariny e. Indrindra fa ilay hala be sy bibitsonjo. Ireny ange ka vitsy an'isa e. Raha ho zary fihinana ireny dia ho lany tamingana.

Izay no mahatonga ny toerana maro ho fady azy ho fiarovana azy ireo. Tahaka ireo gidro taloha ihany. Nony sahy nihinana gidro ny gasy dia iny no nanomboka lany tamingana ilay izy.
11. 5laody ( 19/06/2013 13:20)

Ka ilay izy zavatra ompiana izany raha ny tena marina fa tsy hazaina na otazana, ary tsy tokony hanimba tontolo iainana. (tsy ahiana miparitaka be hamono ny karazam-biby sasany etsetra).

Marina ny anao amin'ilay resaka gidro, kivy be aho mahita reportages misy olona mivarotra sy mividy henan-gidro eny an-tsena. Mahatonga ahy hieritreritra cannibalisme.
12. shannie ( 20/06/2013 03:43)
Hahah, beurk!!! saika nipitika h@ tel naita lay karazam-biby kely atao sakafo, humm, toy ny misy mandady anaty akanjo any. tena tsy manaiky ny saiko. tsaroako za efa nanaovan'ny namako sangy ratsy, naita biby saojo matavy be zareo, nofonosin'zareo tsara dia hoe cadeaux, faly ery za kinanjo saik afaka ny aiko naita azy.
raha fitahina tsy ampafatarina ny mihinana ilay sakafo totom-biby dia voafitaka tokoa, fa raha fantatra dia oano irery eo ny anao kah. mazoto eh. ireny sakafo tsinoa be epice be reny zao dia tsy hay intsony oe inona na inona e. aleo avy dia tsy mividy.
13. shannie ( 20/06/2013 03:49)
hahah,
14. booboo ( 20/06/2013 17:26)
Shannie > hahahahahahahaha, azoko an-tsaina t@ ilay cadeau klé ! deiiiin !!! aza manody hoe hihihihihihihihihi.
15. shannie ( 20/06/2013 18:59)
Hahah, ihinana biby saonjo ohatra, beurk, in n tinao atao vinaigrett ve? hahah vazivazy fa sao kiriko be eo. hu3!
16. sitlo ( 20/06/2013 19:06)
sady ny 90 isan-jaton'ny biby saonjo ve tsy anana ihany e?
17. endriny ( 21/06/2013 11:30)
Ny kankana izao no tena betsaka ety amin'ny tanana, fa andeha hibarotra kankana saosy, kankana maina, kankana ritra... Aho izany fa teneno ny kil...
18. 5laody ( 22/06/2013 12:12)

endriny:

Ny kankana izao no tena betsaka ety amin'ny tanana...


Io indray raha tsy en mode survie aho tsy hanao an'io, rehefa tonga amin'ny tany misy olona aho avy eo dia fanafody kakana no tadiaviko aloha sao tsy maty ny atodiny.

fa ianao io anie mety efa nihinana e, rehefa avy manjono ireny dia tsy hita hoe aiza ho aiza ao amin'ilay trondro no misy an'ilay kankana natao fandrika.
19. shannie ( 23/06/2013 17:07)
hmmm! d ho atao solon'anana izany ny biby saonjo? beurk, tsy mety ka. hih3
20. niryna ( 03/09/2013 03:53)

sitlo:

Ny tena marina dia efa nihinana ary sakafo tena tian'ny malagasy tokoa ny valala. Izay no mahatonga ny ohabolana maro be momba ny valala.

Fandria-mafana sa valala manatody?
Ny valala tsy in-droa mandry am-bavahady...
sitlo koa mampihomehy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7593