vonona hihinana bibikely ve isika?

21. niryna ( 03/09/2013 03:58)

shannie:

Salama e, valala atono sy voangory endasina, efa nihinana t@ mbola kely, t@ kitsonona fa tsara, atao mendimendy ;-p. fa ny @ zao toa tsy manaiky ny saiko hatreto raha izaho manokana, inana kankana manta, holitra, kadradraka, hmm buurrkk be zany. raha efa nozarina h@ fahazaza no nihinana izany rehetra izany mety tsy maninona ihany. fa @zao tena tsy vonona na dia endasina akao mikarepoka aza. hmmm mampangoritsina. mb alaivo sary antsaina oe ihinana holitra sause, hahah tsy mety tsy mety tsy mety tsy mety. na be otrikaina aza. manda be ny saiko. mazotoa izay homana eh. hihih
marina izany araka ny fahazarana io e,izaho aloha raha zavatra hafahafa izany tena tsy teliko e. kenda aho ary tamin'ny mbola kely nomen'ny fianakaviana zanadandy fa nobtsibotsina be daholo ny takolako iny ary tena narary mihitsy. toy izany koa ny crevette,nangididy be ny lelako.Taty aoriana aho tsy naninona tamin'ny crevette fa ny zanadandy,e! e! mandraka androany tsy nandalo ny vavako na ny masoko intsony .
Ny sinoa no tena mihinankinampoana a
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.2991