Aza manaiky hampitahorina amin'ny helo sy ny fiainan-tsihita

1. endriny ( 05/06/2013 17:28)
Fa tiavo sy mihavana amin'ny mpiara-monina aminao, ary mifanaja dia ampy izay. Aza manary vola amin'izay fivavahana, fa Atra sy ny fitiavany tsy misy tambiny rehefa manaja ny mpiara-belona aminao ianao.
novalian'i Miharena ny 13/06/2013 06:46
2. Tefigasy ( 06/06/2013 04:53)
endriny:

Fa tiavo sy mihavana amin'ny mpiara-monina aminao, ary mifanaja dia ampy izay. Aza manary vola amin'izay fivavahana, fa Atra sy ny fitiavany tsy misy tambiny rehefa manaja ny mpiara-belona aminao ianao.

Mba iza aloha ilay andriamanitrao tenenina eto ? Dia io ihany ve ny sori-dalana entina hiarahana aminy sa misy hafa voasoratra any anaty boky ? Raha misy dia boky inona ?
Inona moa no nahatonga anao hiteny hoe "aza manaiky hampitahorina amin'ny helo sy ny fiainan-tsyhita? " Mampatahotra angaha izany sa tena mampangovitra mihitsy ? Raha ny hita mantsy dia ireo demonia ihany no mangovitra sy matahotra ny amin'izany, mba vakio anie ito e : Jak.2:19 "... , ny demonia koa mino izany ka dia mangovitra ."
3. Nehemiah ( 06/06/2013 05:49)
Raha azoko tsara tsy mendriky ny ho saziana ireny mpanao pôlitika manao tsindrihazolena ny vahoaka ? Tsy mendriky ny ho saziana ireny mpanolana zazakely, mpamono olona sy mpisoloky ireny ? Satria raha tsy misy ny helo dia tsy ho voasazy mihitsy ny ankamaroan'ireny olona ireny.

Izay izany no Andriamanitrao ? Andriamanitra "sur-commande" ? Tsy aleo tonga dia miaiky fa halanao ny mihevitra fa tsy maintsy mizaka ny andraikitry ny nataonao t@ Jehovah rehefa ho tonga ny farany, tahaky ny mpanaraby ny finoana kristiana rehetra ?

Kanefa anie raha leferinao @ Kristy ny fiainanao dia tsy ho laviny mihitsy e, na olon-dratsy toy inona aza ianao : Izy no nizaka ny sazy sahazan'ny fahotanao tany Kalvary.
4. hadji ( 06/06/2013 06:32)

endriny:

Fa tiavo sy mihavana amin'ny mpiara-monina aminao, ary mifanaja dia ampy izay. Aza manary vola amin'izay fivavahana, fa Atra sy ny fitiavany tsy misy tambiny rehefa manaja ny mpiara-belona aminao ianao.
tsy mpino io
5. pisoonja ( 06/06/2013 07:55)
Tsy mitsara anao aho endriny fa ny fitiavana lazainao io anie dia mahatanteraka ny didy folon'ny Soratra Masina e. Sa kosa lay fitiavana lazainao hafa noho ny olona rehetra?
Ny helo sy ny fiainan-tsi-hita dia tsy fampitahorana velively satria hanafaka ny olona hiala @ maizina ho @ fahazavana no nahatongavan'i Kristy tety.
Na tsy mino aza ianao , mivavaka ho anao aho fa ho avy ny andro ianao no hijoro vavolombelona eto @ serasera hoy i Jesoa " Izaho koa tsy hanameloka anao..."
6. Nehemiah ( 06/06/2013 08:03)
Ny zavatra adinon'olona matetika dia tsy ny fitiavana no mahavonjy fa ny finoana.
7. pisoonja ( 06/06/2013 08:11)
Mifameno reo namana Nehemiah, ny Finoana tsy mahavonjy raha tsy arahan'asa dia toy izany koa ny fitiavana tsy mahavonjy raha tsy arahan'ny finoana
8. endriny ( 06/06/2013 10:20)

Nehemiah:

Raha azoko tsara tsy mendriky ny ho saziana ireny mpanao pôlitika manao tsindrihazolena ny vahoaka ? Tsy mendriky ny ho saziana ireny mpanolana zazakely, mpamono olona sy mpisoloky ireny ? Satria raha tsy misy ny helo dia tsy ho voasazy mihitsy ny ankamaroan'ireny olona ireny.

Izay izany no Andriamanitrao ? Andriamanitra "sur-commande" ? Tsy aleo tonga dia miaiky fa halanao ny mihevitra fa tsy maintsy mizaka ny andraikitry ny nataonao t@ Jehovah rehefa ho tonga ny farany, tahaky ny mpanaraby ny finoana kristiana rehetra ?

Kanefa anie raha leferinao @ Kristy ny fiainanao dia tsy ho laviny mihitsy e, na olon-dratsy toy inona aza ianao : Izy no nizaka ny sazy sahazan'ny fahotanao tany Kalvary.


Hay ve ny dikan'ny fitiavana hoe fanolanana e, ary hay ve ny dikan'ny fanajana hoe tsindrihazolena e?

Zavatra fohy kely io aza no voasoratra sarotra takarina fa maika fa roa pejy.

Mazotoa mandika sy mamadibadika e
9. endriny ( 06/06/2013 10:22)
Tsotra io tsy misy olakolaka, ary tsy mila tambiny.

Sady tsy misy fiatsaram-belatsihy, tsy razanakolona akory ka hoe ny toriteny fahamarinana, fa ny asa atao fiodikodinana.

Mirary soa e
10. AndriambyII ( 06/06/2013 10:35)
Asio "J' aime" ity serasera ity Rahery a!
11. Nehemiah ( 06/06/2013 12:22)
Modia gisa tsara, fa tsy mahavaha ny olanao ny firedaredanao ry Endriny, tsy valianao na kely aza ny fanontaniako.
12. methode ( 06/06/2013 12:30)

Nehemiah:

Modia gisa tsara, fa tsy mahavaha ny olanao ny firedaredanao ry Endriny, tsy valianao na kely aza ny fanontaniako.

Mety tena gisa fa tsy mody gisa! lol Tsy voatery ho miteny hoe mino vao tena mino fa ny asa atao dia milaza finoana! Rehefa tia ny namana dia efa manaja an'Andriamanitra sy ny didiny zay, satria Andriamanitra dia Fitiavana, ka zay mitoetra amin'ny fitiavana dia mitoetra amin'Andriamanitra!
13. Nehemiah ( 06/06/2013 13:40)
Raha mba tsotra kely tahak'izao mantsy ilay izy... Ny olona milaza hoe "Aza manaiky hampitahorina amin'ny helo sy ny fiainan-tsihita" no tena tsy manana finoana an'ilay Andriamanitra ambaran'ny Baiboly. Traikefa no ahafahako milaza an'izay. Ny voany no ahafantarana ny hazo.
14. booboo ( 06/06/2013 14:32)
Tsy afaka asiana zéme tokoa angaha ity raha ity ry Hery ? lol
15. Nehemiah ( 06/06/2013 14:42)
Inona kay no zemenareo mitsamina @'izao :) ?
16. endriny ( 07/06/2013 16:35)

Nehemiah:

Ny olona milaza hoe "Aza manaiky hampitahorina amin'ny helo sy ny fiainan-tsihita" no tena tsy manana finoana an'ilay Andriamanitra ambaran'ny Baiboly.


Ahahaha, hay koa ve nisy baiboly nilaza an'izany e, andininy fahafiry amin'ny tokoa faha 2013 no misy an'io?.

Iza moa ny Andriamanitro? Tsy iza fa ilay Zanahary nanaofoana nanao ny voay... Fa izaho mbola tsy nahita azy, ary mbola tsy naheno ny feony na naharay hafatra avy aminy, ka tsy afaka mitompo teny fatratra ny hoe izao no hafatr'Andriamanitra, fa ny haiko dia io tsotra kely norotako teo aloha io fotsiny.

"Hitanao ny hanjo anao rehefa any an-danitra" Io ilay fampitahorana sy fampionona ny vahoaka. Firy taona netin'ny Kristianina ity firenena ity sy ny fitantanana eo aminy, dia aiza?

Ohatran'ny milay ihany aloha ilay finoana e, mampanakarena haingana... sady tsy mila asa vatana be akory
17. Nehemiah ( 08/06/2013 05:47)

endriny:
Firy taona netin'ny Kristianina ity firenena ity sy ny fitantanana eo aminy, dia aiza?

Endrey, raha mba entin'ny Kristiana avokoa ity firenena ity... Ny voany no ahafantarana ny hazo. Ny an'i Tsiranana aloha tsy haiko satria tsy nivelona t@ fotoan'androny aho, fa heverinao ho kristiana ve ry zareo nitondra an'i Madagasikara hatrizay ? Tsia tompoko, raha mba kristiana ny 1 @'ireo dia handry fahizay ny firenena, satria ny finoana kristiana ihany no tena antoky ny fitondràna tsara tantana.
18. dydyh ( 08/06/2013 11:53)
raha mba kristiana ny 1 @'ireo dia handry fahizay ny firenena, satria ny finoana kristiana ihany no tena antoky ny fitondràna tsara tantana.
salama daholo o, raha io voalazanao io no mitombina dia ahoana isika no anaty krizy lalina amin izao satria i ravalo zao tena kristianina, i andry ko zao kristianina, dia ahoana
19. Nehemiah ( 08/06/2013 12:29)

dydyh:

ravalo zao tena kristianina, i andry ko zao kristianina, dia ahoana

Tena kristiana ? Hanihaninao kosa izao, sa ? Mba fanaon'olona manaraka ny baikon'i Jesoa Kristy ve ny fanaony ???

Sa mbola mahita mieritreritra fa ny vontoatin'ny finoana kristiana dia ny miangona sy ny manao pilia vava ve ianao?
20. endriny ( 09/06/2013 04:05)
Ary nataoko fa I RANAVALONA I irery no mpitondra farany tsy kristianina teto Madagasikara. Ary tena mba diso tamin'ny tantara aho izany, mhmhmhmmh

I TGV toa katolika raha tsy diso aho, I ZAfy Albert sy Ratsiraka koa
I Ra8 propestata hatramin'izao
Tsiranana Katolika
Les Colons etaient catholika et peu de propestate

Sa i razanakolona mizarazara fahatany ny vatan'i kristy amin'ny olona tsy natao kaominio voanalohany ka nanomemefoana an'i Andry TGV.

mhmhmhmmhmh
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1362