Aza manaiky hampitahorina amin'ny helo sy ny fiainan-tsihita
21. 5laody
(
12/06/2013 19:01)
Manomboka ety an-tany eeeee
Manomboka ety an-tany ny paradisa
raha iska olombelona eeeee
raha isika olombelona mifankatia aaa
22. endriny
(
12/06/2013 19:19)
5laody:
Manomboka ety an-tany eeeee
Manomboka ety an-tany ny paradisa
raha iska olombelona eeeee
raha isika olombelona mifankatia aaa
Hainao ilay hira, ary marina izany
Fa ny sasany mbola eo amin'ny hoe : Mora ho an'ny elefanta hono ny miditra amin'ny vody fanjaitra...
Taiza aza ianao hatramin'izay
23. Miharena
(
13/06/2013 06:46)
IZany hoe rehefa zohina ilay adihevitra dia ny fomba fiheverana izany atao hoe Kristianina izany no tsy itovizan'ny namana Nehemiah amin'ny rehetra. Raha vao tsy mahay mampitahotra amin'ny helo sy ny fiainan-tsihita dia tsy Kristianina aminy angamba?
Izaho ohatra kristianina fa tsy mahay mampitahotra amin'ny fianan-tsihita sy ny helo satria raha vao manao izany aho dia ihomehezan'ny olona.
Ilay fahatsoram-po dia tsy ao mihitsy raha mbola foto-kevitra no ijoroana amin'ny maha-Kristianina raha ny fandinihiko azy.
©
Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 -
2024 - page load 0.8372