manana idole ary tia azy

1. vale ( 16/05/2013 09:50)
Bonjour,

ahoana ny atao mba tsy hitiavana idole anankiray intsony rehefa en couple, toa hitanao foana mantsy izy na dia efa tsy eritreretinao aza dia lasa any ny saina, ohatry ny hoe mamitaka ilay olon-tiana mantsy sa normal izany? misaotra.
novalian'i vale ny 07/06/2013 11:04
2. Nehemiah ( 16/05/2013 13:00)
Tsarovy fotsiny fa olombelona mpanota mety diso tahaky ny olon-drehetra ny "idole"-nao e ^_^.
3. hadji ( 16/05/2013 13:30)
ny saina no mitondra dia ny fo mitempo ka eritrereto
4. vale ( 16/05/2013 14:43)
hadji> sarotra be satria ny fo tsy mety baikoina fa ny saina oui , soa fa afaka misaina
5. 5laody ( 16/05/2013 15:47)
Salut,

Mba tsy hahatongavana amin'ilay hiran'i Olivia Ruiz sy Adamo dia mba amindrao kely an'ilay fitiavanao ilay idole-nao ilay olontianao e.
6. hadji ( 17/05/2013 10:56)

vale:

hadji> sarotra be satria ny fo tsy mety baikoina fa ny saina oui , soa fa afaka misaina
tsy azonao ny tiako ho lazaina @ ilay hoe fo mitempo ny fo mora mitia nefa sarotra mankahala ny olona tiavina fa raiso am-pisainana izay ho atao fa ny nenina avy ao afara foana efa nahazo ahy io fa tandremo vale an
7. vale ( 17/05/2013 11:42)
hadji> ah ok, lol, ny saiko aloha fantatro fa tsy hahavita na inona na inona aho e, t@ mbola tsy niaraka t@ compagnon-ko aho no nanana eritreritra hoe hangalatra bisous amin'ilay idole rehefa mahita azy, fa à izao fotoana mbola tia azy fotsiny, anefa tena tsy te ho tia intsony fa tena tsy mety
8. vale ( 17/05/2013 11:48)
5laody> tiako ny vadiko kah, tena tiako fa ny probleme izany efa FANn an'io idole-ko io aho depuis des années, izany hoe talohan'ny nahitàko ny vadiko ka hatramin'izao ary maniry ny hiala amin'izany fa sarotra be, sao mba misy olona tratra ohatr'ahy dia ahoana no natao mba hialàna amin'ilay izy satria tsy mampandry eritreritra, izy efa tiako hatrizay no maha-sarotra azy,zaho anie tsy hanao zavatra hafa e, na tafahaona aminy aza, mety hoe haka sary miaraka aminy fotsiny dia izay, ny vadiko tsy sarotiny fa ny saiko no tsy mety, dia raha tsorina ny marina dia idéale-ko io idole-ko io anefa tsy possible izany e! fa dia taratara foana aho hatramin'izao, sarotra be
9. mirananirina ( 17/05/2013 11:58)
Ilay idole voalaza eto ve olona malaza dia fan ianao? Raha izay manko tsy hitako izay hanajanonana ny tsy hitiavana azy, fa asio fetrany fotsiny hoe ity tiako maha olomalaza azy, ary ity tiako fa olotiako.Ihezahana ny tsy hiresahana azy rehefa mampiaraka
10. hery ( 17/05/2013 13:03)
raha manampy am fitiavana ilay izy tsy olana loatra e.

Ny olana dia sao dia lasa mi-fantasme an'ilay idole dia mahita be ny imperfection eo amin'ilay olona miaraka aminao. Manjary tsy mahazo tsirony tsara amin'ny tena réel kanefa ilay idole tsy ho azo akory.
11. 5laody ( 18/05/2013 13:33)
vale:

5laody> tiako ny vadiko kah, tena tiako fa ny probleme izany efa FANn an'io idole-ko io aho depuis des années, izany hoe talohan'ny nahitàko ny vadiko ka hatramin'izao ary maniry ny hiala amin'izany fa sarotra be, sao mba misy olona tratra ohatr'ahy dia ahoana no natao mba hialàna amin'ilay izy satria tsy mampandry eritreritra, izy efa tiako hatrizay no maha-sarotra azy,zaho anie tsy hanao zavatra hafa e, na tafahaona aminy aza, mety hoe haka sary miaraka aminy fotsiny dia izay, ny vadiko tsy sarotiny fa ny saiko no tsy mety, dia raha tsorina ny marina dia idéale-ko io idole-ko io anefa tsy possible izany e! fa dia taratara foana aho hatramin'izao, sarotra be

Ka efa mba kôpy ary ny vadinao hoe manao ahoana ilay hoe fan, efa mba zavatra tsara aloha ekeny ilay izy. Misy tokony mba zarainao ko izay passion-ny amin'ny zavatra hafa dia ty sy nday e!

Fa ilay idole-nao anie ry Vale ka olombelona toy ny rehetra ihany e, valo metatra ny tsinainy dia iray metatra sy sasany ny tsinaibeny, mankany an-kabone toy ny olon-drehetra, mamoaka rivotra masiso, maimbo vava rehefa maraina, manana ny fotoana maha rera-tsaina azy koa ary tsy tonga lafatra. Mety hanana toe-tsaina tsy mendrika, sns e.

Saingy mampiasa code de communication hafa izy, hafa ny sary asehony antsika, izay sary tian'ny public-ny ho hita no asehony. Indraindray misy zavatra tsy tiany atao akory fa voatery izy maneho azy io. Ohatra ny tarika sexxion d'assaut, teo alohaloha kely, nampiseho ny eritreriny hoe homophobe izy dia niala tsiny avy eo fa nasain'ny conseiller en communication-ny nanao an'izay dia mody hoe.

Raha mba accessible hoe te ho namany ianao dia misy hoe hatreo amin'ilay image ihany fa tsy lasa lavitra.

Indraindray koa misy mihoa-pefy, ohatra hoe nisy sipa nahazo une nuit miaraka amin'ilay bandy star idole-ny izy, asa na iza eo no tena mahavoa fa tsy ilay bandy tena miaraka aminy aloha.
Manantena fa mba misy zavatra azonao raisina amin'ireo.
12. vale ( 18/05/2013 13:58)
Hery hihihi, tena izany no manjo ahy,lol
13. vale ( 18/05/2013 13:59)
fa tsy mi-fantasme ka, lol fa ohatran'ireny ankizikely tia olona iray ireny le fo tena tsy mety , mais la raison est là ! ;)
14. vale ( 18/05/2013 14:12)
Hadji> merci pour le conseil :) , fa izao anie e, fantatro io idole io ny zavatra tiany sy ny ataony tena mitovy @ tiko daholo dia efa hitako ny quotidien-ny teo @ deux mois teoho eo donc hitako na izy avy mifoha na izy anaty bain aza, lol, torse nu etc, hihihi, fa asa na ilay compagnon-ko tsy dia misy zavatra hiraisana @ tiko no mahatonga ahy tsy manadino ilay idole, dia zaho miezaka manaraka ny passion'ny vadiko koa ^^ fa izany tsy midika hoe tsy tiako ny vadiko a, tsy foiko izy ary koa tsy azoko imaginé-na hoe hisaraka aminy za ohatry ny tsy vitako, jusqu' ici .
15. vale ( 18/05/2013 14:14)
miramirana> oui, olona malaza (lasa malaza fa taloha nahitako azy voalohany izy tsy nalaza) fantatro depuis la télé réalité , grave !!!
16. sitlo ( 19/05/2013 14:30)
Naazo idole vaovao ndray an!
17. vale ( 19/05/2013 17:33)
Sitlo> anankiroa le izy fa za tsy niteniteny lol fa ilay taloha efa maty :(
18. hadji ( 22/05/2013 05:30)

vale:

Hadji> merci pour le conseil :) , fa izao anie e, fantatro io idole io ny zavatra tiany sy ny ataony tena mitovy @ tiko daholo dia efa hitako ny quotidien-ny teo @ deux mois teoho eo donc hitako na izy avy mifoha na izy anaty bain aza, lol, torse nu etc, hihihi, fa asa na ilay compagnon-ko tsy dia misy zavatra hiraisana @ tiko no mahatonga ahy tsy manadino ilay idole, dia zaho miezaka manaraka ny passion'ny vadiko koa ^^ fa izany tsy midika hoe tsy tiako ny vadiko a, tsy foiko izy ary koa tsy azoko imaginé-na hoe hisaraka aminy za ohatry ny tsy vitako, jusqu' ici .
eh ! zany any nahavita be nareo
19. anjali ( 27/05/2013 08:04)
Vale>> Olona efa manambady ianao fa aza misary zaza intsony. Ny hahasoa ny tokan-tranonao atao. Manampotoana be angamba ianao hieritreretana izany idolenao izany ka na ny fisian'ny vadinao avy dia efa tsy mahasakana izany. Ny fotoana laninao @ fieritreretana azy lanio @ fikarakarana ny tokan-tranonareo. Fikolokoloana ny ankohonanao. miaraha miala-voly, manaova sport, ataovy betsaka ny fotoana hiresahanao @ ankohonanao.
Ho hitanao fa vetivety foana dia ho hadinonao izy.
Aza mandrevy ny fiainana miaraka aminy fa ny anao atrehina. Tsy ho azonao na oviana na oviana izy sy ny fiainany.
20. vale ( 27/05/2013 16:56)
anjali> ny fananana idole tsy misy fetran-taona, fa diso ianao, ny génération rehetra samy ahitàna fans eny doly, faharoa tsy namaky tsara ny voalazako ianao, tsy mieritreritra azy aho hoà fa hitako foana izy @ mampalaza azy ka rehefa hitako izy dia taitra foana aho, izaho tsy mandrevy azy intsony koa hoy aho taty aoriana niaraka tamin'ny vadiko, fa rehefa hitako @ télé izy, na miresaka azy ny olona dia taitra aho. Après hoe tsy ho azo, izy ihany no nilaza fa mbola un coeur à prendre ka raha mahita idole-ny tiany izy dia hiarahany, izany tsy midika hoe anisan'ilay tiany koa zah fa mba tia anazy fotsiny. tsy manana aho na poster na sariko miaraka aminy na ny DVD any aza tsy nividy aho fa tsy mety fa mbola taitraaminy foana, ny vadiko tiko kah
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4331