andriamanitra, zanahary, andriananahary,

41. Miharena ( 19/05/2013 03:46)
Mba hiverenana amin'ny lohahevitra ida aoka aloha hazava fa Anrdriamanitra dia tsy anarana no fiheveran'ny Malagasy AZY fa iombonana io hiantsoana ILAY TSITOHA. Ny Andriananahary koa torak'izany. Fa ny Zanahary no atao hoe Anarana fiantso tena malagasy. Ragnahary hoy ny olona any ambany ravinkazo any.

Marina ilay resaka hoe avy amin'ny masoandro no foto-teni'nio Zanahary io araka ny namana Moustaraf.

Ny tokony tsy azo hadinoina fotsiny dia hoe : na iza na iza nihaona tamin'ny Fanahy dia hazavana no hitany. Mazava fa hoarina amin'ny masoandro izany.

Ny tso-drano araka n yAostoly rehetra dia manome ilay hoe : mampamirapiratra ny Tavany amintika anie Jehovah...

Ny momba ny EL indray dia azo heverina hoe izany no nipoiran'ny teny hoe ELA. Izany hoe izay efa nisy ELA. Ny mitady io FOTOTRA io hatrany no vontoatin"ny finoana rehetra erantany. Ary raha toa ka ny mahaèolombelona mijery sy mandinika ara-pijery imaso dia ny Masoandro ny ELA talohan'ny tany.

Fehiny, na EL, na Andriamanitra, na Zanahary dia iray ihany fa izay Mazava Voalohany teto amin'izao tontolo izao no tiana hambara momba ireo.
42. moustaraf ( 20/05/2013 10:53)
Salama namana,
Raha hoy isika hoe:
Andriamanitra = zanahary
dia mety ho marina ihany , na dia tsy izany aza ny niheveran'ny Ntaolo malagasy azy ireo (efa lava be ny fanazavana etsy aloha),
Fa raha hilaza kosa isika hoe:
Andriamanitra= zanahary = ilay voasoratra ao @ baiboly
dia Tsy marina velively, ary tsy misy ifandraisany akory FA ISIKA no mitondra izay fiheverantsika samy irery.

-I Tsitoha mpamorona tsy mijery izay fiheverantsika azy, fa izay napetrany iheverany azy ihany, ary mifanipaka hatrany hatrany ireo;
ohatra: JAONA 16:2 "ho avy ny andro, ka hataon'izay mamono anareo fa manatitra( fanatitra) fanompoam'pivavahana ho an'iElohym izy"
loza be fa izany no mitranga akehitriny!!!

Ny faminaniana manaka izao dia mazava be:
EZEK 43: 9 "Fa amin'izao kosa dia aoka hariany lavitra ahy ny fijangajangany sy ny SAMPIN'NY mpanjakany" (2)=FATIN'NY MPANJAKANY, ka dia honina ao aminy mandrakizay aho.

Isika eto Madagsikara irery ihany no miantso fatina mpanjaka (andriana manitra) nasolo ilay anarana avo indrindra!
AOKA SAMY HISAINA SY HANDINIKA
43. endriny ( 20/05/2013 17:34)

bazylou:

iray ihany tokoa ve ireo ??

Amin'ny vanim-potoana ankehitrio dia mitovy ireo. Ary eken'ny rehetra izany

Saingy taloha dia "Razana" na "Fatin'Andriana" no atao hoe Andriamanitra, Ny andriana tokoa hono mantsy tsy azo lazaina hoe maimbo rehetra mantsiny ny fatiny fa tsy maintsy antsoina foana hoe "Andriana Manitra"

Ka noho ny fanompoana ny razam-bazaha, izay atao hoe masina dia natao hoe "Atra" ilay andriamanitra na zanahary teo aloha.

Sady mba iavahana amin'ny mpanompo sampy dia tsy nampiasa ny teny hoe Zanahary mihintsy ny kristianina tany amboalohany
44. Miharena ( 21/05/2013 04:33)
Marina ny fialazanareo hoe nisy tokoa ireo fototra niorenan'ny teny isan-karazany momba ny Mpahary arakaraka ny firenena isan-tokony. Eny na dia eo amni'ny momba ny fiantso Hebreo aza. Ahoana moa no misy ireto fiantso isankarazany ireto? Elohym, Adonai, IHVH, El Shaddai?

Raha toa ka saro-piaro ami'ny anarana IZY, nahoana no misy ireo teny efatra ireo??

Ny tiana hiaviana amin'izany dai miova ny fomba fiantso arakaraka ny vanim-potoana sy ny fokom-pirenena. Fa ny ao an-tsaina na Andriamanitra, na Zanahary, na Dieu, na God na Elohym, na YHVH, Jehovah, sy ny sisa dia iray ihany no fandikan'izao tontolo izao azy fa ILAY MPAHARY izao rehetra izao. Io dia fivoaran'ny teny fotsiny ihany fa ny vontoatiny no mitondra azy.

Aoka koa ho fantattra fa tsy misy mihitsy olona hiantso hoe Andriamanitra ka hoe razana no ao an-tsainy. Ny fiheverana izany dia fahadisoana eo amin'ireo izay mampiteny ireo olona ireo hoe : Andriana Manitra; fatina Mpanjaka no antsoinareo. Ary mandoto ny fiheveran'ny olona koa izany.

Toy izany koa, raha halalinina daholo ny Baiboly dia azo heverina fa ET i YHVH. Ary ireo fisehoana rehetra hatramin'ny andron'i Abrama, Mosesy ary Ezekiela sy Daniela dia mitovy avokoa eo amin'y fisian'ny rahona mainty manarona AZY mba tsy hifampikasohany amin'ny olona afa-tsy izay voafidy ihany.

Amin'izao fotoana izao dia lazaiko aminareo fa mbola misy io endrika io eo amin'ny fihaonana eny Ankaratra ohatra. Ary vao tsy ela izao ny namana Tsaratsara no milaza izay fantany sy hitany momba an'i Jehovah ary ilazàny hoe tsy misy hafa ireo rehetra ireo fa iray ihany na inona na inona fiantso AZY.

Ka asa aloha hoe efa mba manana zavatra aroso mazava ve ny namana Moustaraf momba ny fifaneraserany ankehitriny amin'i ELOHYM ary iray ihany ve ELOHYM sy YHVH?? Mitovy amin'y fanontaniana eo amin'y lohahevitra ihany fa mifototra amin'ny fiantso Hebreo indray.
45. endriny ( 21/05/2013 05:46)
Saingy na izany aza tena samy hafa ihany ilay Andriamanitra sy Zanahary, satria Andriamanitra izay an'ny Kristianina dia misy filahiny satria ray, fa ny an'ny Malagasy fahiny Zanahary tsy omem-pondro tsy lahy tsy vavy satria Zanahary.
46. Nehemiah ( 21/05/2013 07:19)

Miharena:

Toy izany koa, raha halalinina daholo ny Baiboly dia azo heverina fa ET i YHVH. Ary ireo fisehoana rehetra hatramin'ny andron'i Abrama, Mosesy ary Ezekiela sy Daniela dia mitovy avokoa eo amin'y fisian'ny rahona mainty manarona AZY mba tsy hifampikasohany amin'ny olona afa-tsy izay voafidy ihany.

:-)
47. Nehemiah ( 21/05/2013 07:23)

endriny:

Saingy na izany aza tena samy hafa ihany ilay Andriamanitra sy Zanahary, satria Andriamanitra izay an'ny Kristianina dia misy filahiny satria ray, fa ny an'ny Malagasy fahiny Zanahary tsy omem-pondro tsy lahy tsy vavy satria Zanahary.

Andriamanitra no namorona ny zava-drehetra (Eks. 20:11), ao anatin'izay koa ny filahiana, dia mbola mahita miteny an'izany ve ianao ? Andriamanitra dia fanahy (Jn. 4:24), ka tsy manana vatana Izy.
48. endriny ( 21/05/2013 14:01)
Ka izy ange Dieu Le Pere, fa tsy la mere donc il est masculin, misy filahiana. Sa diso koany tenin'ilay Kristy hoe : "ny raiko izay any an-danitra" fa tsy hoe ny reniko izay any an-danitra.

Fa ny Zanahary dia zanahary sady tsy ray no tsy reny fa Zanahary
49. sitlo ( 21/05/2013 15:47)
Ka nisy nanonofy hono dia feon-dehilahy no henony dia nantonta boky dia azon'ny gasy koa.
50. Nehemiah ( 22/05/2013 07:19)
Ka ny mahadiso an'i Endriny dia ny fiheverana fa tsy voary ny filahiana. Tsy voafehin'izany "taovam-pananahana" izany Andriamanitra. Ny frantsay ary manao hoe "discuter sur le sexe des anges" ka mainka fa Andriamanitra !
51. Miharena ( 22/05/2013 09:24)
Ny fomba fitenenan'ny ankehitriny azy anefa dia hoe Dieu Père/Mère. Ka asa hoe ahoana !

Ilay Elohym voalaza koa moa dia voambara fa tsy singany fa maro.
52. sitlo ( 22/05/2013 12:32)
Mitovy amin'ireo miseho mahalala ny toetr'Andriamanitra ihany.
53. bazylou ( 22/05/2013 23:29)
misy filaharany ireo amin'ny ntaolo an. ary rehefa tonga ny vazaha vao nampidirina ny hoe dieu pere, sy ny karazana interpretation an'ireo.
54. Miharena ( 23/05/2013 04:03)
Io ilay hoe kolontsaina no tena nitondra ilay fombam-pivavahana isan-tokony fa ny fototra nitondrana azy dia ny Baiboly, nefa koa dia mifangaro kolontsaina Jiosy koa ny Baiboly ao amin'ny Testamenta Taloha fa ny vaovao kosa nandrava izany tanteraka ka io no mahatonga ny olana hifamaliana ankehitriny matetika. Karazana interprétaion araka ny resaky ny namana Bazylou daholo no mitranga ary azo lazaina fa tsy mahalaza izay zava-mitranga mivantana raha tsy izay olona niharan'ny fisehoana no manambara izay fantany sy mampita izay iraka ampanaovaina azy avy amin'ny Mpahary sy Jesoa tenany mihitsy.
55. Nehemiah ( 23/05/2013 07:06)
Ny mahatonga ny hoe Andriamanitra Ray dia satria mitaratra ny fifandraisan'ny vahoakany @. Izany ve dia sarotra be e ?
56. endriny ( 23/05/2013 13:26)

bazylou:

misy filaharany ireo amin'ny ntaolo an. ary rehefa tonga ny vazaha vao nampidirina ny hoe dieu pere, sy ny karazana interpretation an'ireo.


Mba lazao anay kosa aloha ilay filaharany, fa tsy hoe misy filaharany io, dia ianareo samy irery no mahalala e. Mba zarao anie ilay fahalalana aza fady o
57. barryfandresena ( 23/05/2017 14:02)
Mahaliana ary mampieritreritra avokoa ilay hevitra naroson'i Moustaraf
58. azara ( 14/07/2017 08:58)
Salama ô
ref namaky ilay ady hevitr zah d lina.
manin mo rah atsoina fotsn ilay A/tra na Elohim sns..we ilay mpamonjy na ny Tompo d vita sa ve ts azo atsoina @reo ku Iz?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0091