andriamanitra, zanahary, andriananahary,
21. Nehemiah
(
16/05/2013 14:47)
Mba te-hanampy tosika kely an'izay aho :
Ny arkanjely Mikaela izao dia antsoina hoe Michel any France, Michael any Angletera, Miguel any Espagne ary Mikhaïl any Rosia nefa tsy misy olona tafintohina mihitsy na iray aza. Ka aiza izany ny olana ?

22. Miharena
(
16/05/2013 15:05)
Tsy fandresen-dahatra tokoa namana Moustaraf ny atao eto fa famosahan-kevitra. Dia mba te-hahalala izay hevitrao momba ny ELOHYM aho hoe firy izy ireo ary IZA avy araka ny Hebreo ?
23. leva2
(
16/05/2013 18:07)
Miharena:
Tsy fandresen-dahatra tokoa namana Moustaraf ny atao eto fa famosahan-kevitra. Dia mba te-hahalala izay hevitrao momba ny ELOHYM aho hoe firy izy ireo ary IZA avy araka ny Hebreo ?
Salama namana.
Ampiako ny fanontanian'i Miharena namana moustaraf hoe :
Iza avy ireto : ELOHYM JHWH ADONAÏ ?
24. moustaraf
(
16/05/2013 18:35)
salama namana,
Ny tena tsy azoko amin'ireo miaro mafy an'ity anarana fatina mpanjaka ity dia ny hoe:
-an'iza moa ity baiboly vakintsika ity? Ny isaraely no nomena an'io
"milaza ny teniny @ jakoba izy, ary ny didiny @ Israely, Tsy nanao toy izany t@ hafa firenena iZY"
koa raha finoana Israeliana no arahinao, boky an'i hebreo no eo am-pelatananao, dia tokony anarana (anglisy, sa frantsay, sa alemana, sa soanagaly, sa gasy) ve no ivavahanao??? mba lojika ve izany e?
-Ny silamo dia mazava ny anarana iavavahany "Allah" satria io no niseho t@ Mohamed SWS; Izay boky rehetra, na soratra, na toriteny na hira, snns... na @ teny inona dia io ihany no tononina, ary tsy mbola nisy sahy nanova an'io ho anarana hafa!
-Ny boudha dia mijanona ho boidha foana na inona fiteny na inona volon-koditra
-Ny anarana jerosalema dia tsy nisy nanova firy, satria nahoana?? tsy important angamba! nefa misy dikany bdb io Yérushalaiym io.
-ka nahoana no vingavingaina ilay nahary ny lanitra sy ny tany, sahinao ve ny hametraka anaram-bosotra @ ilay Tsitoha (tahaka anao fony kely nopetahana anaram-bosotra)?
- KA izay tiana iantsoana azy dia mety avokoa?
Isika mpamaky baiboly rehetra dia samy mahafanatra fa "efa tonga ilay mahay manova ANARANA sy lalàna", ka tsy azoko ny mampihizingizina ny sasany @ anarana novana!
Izany no porofo fa efa nandalo ny mpamadika sy mpanohitra ny Tsitoha!
-Ny anaran'andro: izao no ambarako ny namana Nehemia; miandalana fa tsy mirotoroto akory ny "FANARENANA NY RAVA",
Ary ny anaran'andro dia tsy azo atantana @ anaran'Ilay Mpamorona; io no averina voalohany indrindra!

25. Nehemiah
(
17/05/2013 06:49)
Dia tsy azonao mihitsy ve ny hevitra narosoko e ? Ny hadisoanao dia miainga avy @ hoe nom propre ny Elohim, kanefa tsy marina izany. Ary na izany na tsy izany dia raha i Jehovah nahary ny lanitra sy ny tany no hevitra fonosin'ny voambolana Andriamanitra na Andriananahary sady izay koa no eken'ny daholobe dia tsy maninona mihitsy.
Fa matoa ianao mivazizitra momba an'izay dia mbola tsy azonao mihitsy fa fivavahana manafaka ny fivavahana kristiana fa tsy fivavahana manandevo antsika @ haitraitra toy izao.
Raha tianao antsoina hoe "Elohim" Izy dia ataovy, tsy ota mihitsy izany, fa kosa aza mitsara ny hafa raha tsy mitovy aminao ny fombany. Ny finoana kristiana dia fitiavana an'Andriamanitra sy fitiavana ny manodidina antsika fa tsy resaka anarana, satria mitovy @ resaka hanina izany.
Raha mbola izay no toe-tsaintsika gasy dia tsy handroso mihitsy ny fivavahana kristiana satria voarebirebin'ny haitraitra sy ny zavatra ts'isy dikany miteraka fizarazaràna tokony tsy hisy.

26. Miharena
(
17/05/2013 07:16)
Ilay valinteny omenany namana Moustaraf dia efa nomeny hatrizay ihany fa tsy mamaly ny momba ny ELOHIM, ADONAI sy YHVH voalaza eo ambony izy.
Anisan'ny hahafahana mamantatra ny hoe inona marina moa izany no ao an-tsain'ny olona raha miantso Elohim , na Andriamanitra, na Zanahary ny olona, ka ILAY voalaza ao anaty Baiboly (na Hebreo, na nadika) no resahany?

27. Nehemiah
(
17/05/2013 07:30)
Ka eo ny fototry ny olana : tokony ampianarina ny tena toetran'Andriamanitra ny olona fa tsy taomina @ resaka ts'isy dikany tahak'izao. Maro mantsy ny olona manana fiheveran-diso momba an'Andriamanitra. Satria maninona ? Tsy mahavita azy ny olona manana an'ilay fahalalàna, tsy aeliny ny fahalalany. Ka aza gaga isika raha mitotongana ny fiaraha-monina raha very tsiro ny fanasin'ny tany.
28. moustaraf
(
17/05/2013 11:21)
Salama namana,
Namana Nehemiah: izaho tsy kristiana, ka tsy idirako na mizarazara ianaoreo na mitangorongorona! matoa mizarazara dia tsy mitombina ny fototra izay.
"Efa nandalo ny mpanova ANARANA ary mbola miasa mafy ankehitriny"izy sy ireo izay manaky ampiasainy raha tsy mahatsiaro tena haingana; mba tsy ho tanateraka ny teny hoe" Ny lela rehetra hiantso ny ANARANY" fa avilivily sy aodinkondina ny zavatra rehetra!
Averiko foana: NY ISARELY NO NOMENY NY ANARANY ARY T@ TENY HEBREO FA TSY MALAGASY, FRANTSAY, ANGLISY....KA nahoana no ATAO FORCE FOTSINY IZAO HOE "IZAO NO TIANAY IANTSOANA AZY"
Raha mamaky ny tanaran'ANDRIANA isika mikasika ny nandikana ny baiboly dia hahatsapa fa TSY ISIKA (TSY IANAO) NO NISAFIDY AN'IO ANARANA IO FA NY MPANJAKA" mba tsy hialan'ny Malagasy @ fivavahana @ ANDRIANA (ANdriana manitra).
KOA MAHAEREZA IZAY MBOLA TE HANOHY NY FIANKOHOFANA AMIN'NY FATIN'ANDRIANA, tahaka an-dr'i Nehemiah

30. moustaraf
(
17/05/2013 13:51)
Yeshu'a hamasyarh no fiantso ny Mesia mpamonjy, fa tsy Jesosy kristi
Araka ny efa voalazan'ny mpaminany maro tonga talohany; ka avy aiza ilay Jesosy kristi asaina ivavahanareo???
-Io jesosy kristi ilay efa nolazaina fa ho tonga aorinany ka hamitaka ny maro hanao fahagagana lehibe, hanasitrana, sns...
IO ILAY LAZAINY @ TENY HEBREO HOE "HAMASYARH TSORERH", nadika vilana hoe"antikristi"
Ny kristiana dia miaiana @ dikan-teny, dikan'anarana, dika vilana, sns...Ka mandalo fotsiny manoloana ny tena fahamarinana.
Ekena fa efa an-jaton taona no nanjanahana ara-tsaina sy ara-pinoana antsika, fa tonga kosa ny andro mba isokafan'ny masom-panahy amina'izay!
MANARINA NY EFA RAVA IZAHAY

31. Nehemiah
(
17/05/2013 13:58)
Tsia, mibebaha ianao hoy aho, fa na dia milaza ho manompo Azy dia manao izay tsy sitrany tahaky ny Nikolaita ianao.
32. moustaraf
(
17/05/2013 14:46)
Nehemiah:
Tsia, mibebaha ianao hoy aho, fa na dia milaza ho manompo Azy dia manao izay tsy sitrany tahaky ny Nikolaita ianao.
Namana,
"Tsy misy marenina mihoatra ny manentsi-tadidiny , sy ny jamba mihoatra ny manampi-maso"
Izahay mamerina an'ilay voahosihosy @ hasiny sy ny hajany ve no mila mibebaka mafy sa ireo minia mikipi miantso FATY nefa miandrandra lanitra??
Loha-hevitra hafa indray no hoentiko manaraka, fa tena ampy tanteraka izay adihevitra mafana dia mafana teto izay, ary isaorana manokana ny namana rehetra nandray anajara sy nanaraka mangina, indrindra fa ny namana Nehemiah!
MAHEREZA DAHOLO!
33. Nehemiah
(
17/05/2013 14:56)
moustaraf:
"Tsy misy marenina mihoatra ny manentsi-tadidiny , sy ny jamba mihoatra ny manampi-maso"
Ianao tsy ni-prendre en compte ny hevitra narosoko fa nanizingizina t@ anao ihany indray ve no miteny ahy an'izay ?
34. sitlo
(
17/05/2013 18:47)
Esy e ry kristianina sy ny fanandratatenany.
Mibebaha hono e. Izay ny baiko fa mpampita fotsiny izy. Misy fiteny malagasy mahalazaazy tsara:
"Saonegaly nahazo baiko"

37. Nehemiah
(
18/05/2013 12:17)
Izaho tsy mihevitra ny tenako ho ambonin'iza na iza, tena ny mifanohitra @'izay mihitsy. Fa ianao kosa krizy isaky ny misy olona heverinao ho "manandra-tena", na dia mauvaise foi aza, sady raha voa mahita opportunité hanambany olona 1 @ serasera dia tsy maintsy raisinao foana. Izay ny symptômes ho an'ny complexe d'infériorité.
Eto moa dia mivoana ny resaka, fa izany hoe tsy maintsy miverina @ fototry ny complexe-nao ianao ka miaiky fa io (na ireo) no nahatonga ny toetra ratsinao, dia ho moramora kokoa aminao ny miala @'izany.

38. leva2
(
18/05/2013 15:56)
Velona Jesosy!
Asa aloha namana Moustaraf na ny baibolinao no diso na izay eto am-pelatanako, fa raha izay tsy fitoviana nalahatrao teo aloha dia tsy hitako izay zava-dehibe tamin'izany, fa resaka fotoana sy kifombafomba izay tsy mahakasika na dia kely akory aza ny FAMONJENA.
Asa aloha namana Moustaraf na samihafa tokoa ho anao ilay hoe Yeshoa sy Jesosy, na ianao mihitsy no mpanodikodin-dresaka eto fa iray ihany ireo, tahaka ireo miteny hoe Jesoa no izy fa tsy Jesosy izay tena fahadalana tanteraka.
Fa ho ahy namana dia FANTATRO IZAY INOAKO. Efa noporofoiny tamiko ny maha-Andriamanitra Velona Azy, ary mbola porofoiny eo amin'ny fiainako isan'andro isan'ora, fa tia ahy Jesosy, efa namonjy sy nanafaka ahy IZY, ary tsy izaho intsony no velona fa IZY NO VELONA ATO ANATIKO, mitantana ny fiainako, ny hoaviko, manamboatra sy manefy ahy tsikelikely ho mendrika. Efa noporofoiny tamiko fa MARINA NY TENINY, ary VELONA SY MAHERY NY TENINY.
Ka zovy moa ianao namana Moustaraf no andeha hiteny amiko hoe "tsy io no izy fa ity", fa iza ianao ary avy aiza fa izaho izao no efa nanehoany ny halehiben'ny voninahiNY koa miala tsiny namana.
Io araka ilay nalahatry ny namana Tefigasy hoe "izaho mahalala Azy, izy mahalala ahy", raha vao miantso fotsiny aho hoe DADA, RAY Ô.
Mbola misy ny fotoana ibebahana, araka ny hafatry ny namana Nehemiah etsy ambony.

39. moustaraf
(
18/05/2013 18:04)
Salama namana,
Raha mbola kely ny zaza dia ampianarina mba tsy hiteniteny foana, indrindra fa ireo teny mamoafady, fa raha tsy misy manoro azy hoe tsy fiteny imason'iolona ireo teny ireo dia hoteneniny foana ary tsy fantany hoe manala-baraka sy mamoafady, toy ireny zaza mania mirenireny an-dalam be ireny!
Misy zatovo nampianatra teny malagasy vazaha vahiny iray ary teny ratsy sy ompa no nampianarin'ireo azy @ toeran'ny "bonjour",
nihevitra ilay vazaha fa tena manaja sy manome voninahitra @ "ity teny ratsy mihoa-pampana"
sy opma variraraka,
taitra ny rehetra ary nanaoro azy hoe: mamoafady anie izany teny teneninao izany , fa ity no tena izy e!
Fehiny:
afaka mihizingizina ve ilay vazaha hoe: ity ihany no tiako satria io no efa nampianarina ahy???
Tahaka izany koa ianareo izay mihizingizina @ io anarana FATY io, izay lazaina sy ambara fa tsy anarany velively akory, ary zavatra hafa no antsoina @ izany!