Andriamanitra ve i Jesoa ? Fizaràna faharoa : Andriamanitra manahoana aloha ?

1. Nehemiah ( 03/04/2013 13:11)
Nanonon-tena ho Andriamanitr'i Abrahama sy Mosesy ve i Jesoa ?
Araky ny efa hitantsika t@ fizarana 1, nanao filazana momba ny tenany izay nahavaky vava ny olona nihaino Azy i Jesoa. Nahatsikaritra ny fahasahian'i Jesoa t@'Izy nanao hoe : "Lazaiko aminareo marina tokoa: Fony tsy mbola ary Abrahama, dia Izy Aho" (Jn. 8:58) i Piper. Hoy Izy t@ Marta sy ny olona nanodidina azy hoe : "Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray." (Jn. 11:25) Torak'izay koa, fombany ny milaza zavatra manahaka ny hoe : "Izaho no fahazavan’ izao tontolo izao; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin’ ny maizina, fa hanana ny fahazavan’ aina" (Jn. 8:12) na "Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ ny Ray, afa-tsy amin’ ny alalako." (Jn. 14:6). Ireo filazàna ireo, tahaky ny filazany maro hafa koa, dia manomboka @ hoe "Izaho no" (Je Suis, I Am, Ego Eimi). Ka inona izany no tena tian'i Jesoa tenenina @'ireo filazàna ireo ary inona no tena tiany tenenina @ hoe "ego eimi" ?

Tsy maintsy mamaritra ny contexte indray isika. Hitantsika @ Soratra Masina hebreo fa rehefa nanontany an'Andriamanitra tao anatin'ny roimemy mirehitr'afo ny anarany i Mosesy, dia navaliny hoe "IZAHO, IZAY IZY" (Eks. 3:14, Je Suis, I Am). Nambaran'i Jesoa t@ filazany fa Izy no ilay Andriamanitra tokana izay ivelan'ny fotoana ary HATRIZAY HATRIZAY KA HO MANDRAKIZAY. Tsy mampino ny nampiasan'i Jesoa an'ireo teny ireo mba hilaza ny tenany. Ka ny fanontaniana mipetraka dia : "Fa nahoana ?"

Hatr@ andron'i Mosesy, tsy mba nisy Jiosy mahay ny fivavahany hilaza ny tenany na iza na iza manao hoe : "Ego eimi". Ka tsy mahagaga raha nirehi-katezerana ny mpitondra Jiosy rehefa nahita an'i Jesoa milaza ny tenany ho "Ego eimi". Tadidintsika ny Jn. 10:33 : "Tsy asa tsara no itorahanay vato Anao, fa fitenenan-dratsy [Gr. blasfemia, izahao Mat. 9,3] , satria olona ihany Hianao, nefa manao ny tenanao ho Andriamanitra" izay nentin-dry zareo anazavàna ny antony nifofoany ny ainy.

Tena difotry ny hatezerana ny mpitondra Jiosy nohon'ny nampiasan'i Jesoa ny anaran'Andriamanitra hilazàna ny tenany. Ny tokony azontsika an-tsaina dia fantatr'ireo manam-pahaizana momba ny Testamenta Taloha tsara mihitsy ny tiany tenenina : nanoritsoritra ny tenany ho Andriamanitra Andriananahary Izy. Izay filazàna izay ihany no nahatonga ny olona hanendrikendrika azy ho manao blasfemia. Tsoa-kevitra marim-pototra ny mihevitra fa nilaza ny tenany ho Andriamanitra i Jesoa rehefa zohintsika ny teniny ary ny fihetseham-po nahazo ny Jiosy izay nihaino Azy.

Nihevitra an'i Jesoa ho angano i C.S. Lewis, ilay mpanoratr'ireo bokin'i Narnia sady manam-pahaizana tsy manam-paharoa momba ny literatiora sy ny mitolojian'izao tontolo izao, t@ voalohany. Kanefa nandinika izy ary satria olona tena lalin-tsaina izy dia nahita fa tena nisy tokoa i Jesoa. Sady arakaraky ny namakafakany ny resaka no nahitany fa tsy vitan'ny nisy i Jesoa, fa nisongadina tanteraka Izy raha ampitahàna @ olona rehetra nivelona tety ambonin'ny tany hatrizay.

C. S. Lewis, Mere Christianity (San Francisco: Harper, 2001), 51:
Then comes the real shock: among these Jews there suddenly turns up a man who goes about talking as if He was God. He claims to forgive sins. He says He always existed. He says He is coming to judge the world at the end of time.”



Izao izany no zavatra hitan'i Lewis : biraingina loatra sady lalina loatra ny filazan'i Jesoa mba azo iheverana Azy ho mpampianatra na mpitondra fivavahana fotsiny.

Karazana Andriamanitra manahoana kay ?
Misy ny sasany nanao hoe nanonon-tena ho ampahan'Andriamanitra fotsiny i Jesoa. Avy @ finoana hindoue sy ny fampianarana New Age ny hevitra manao hoe samy ampahan'Andriamanitra daholo isika ary ao anatintsika rehetra ny tsirin'ny toetra maha-Andriamanitra, fa saingy tsy azo heverina ho nisy fifandraisana @ ity fotopisainana ity ny filazàna sy ny asa nataon'i Jesoa. Révisionnistes ireny hevitra ireny, tsy misy ifandraisany @ fampianarany, na @ zavatra ninoany, na @ fahazoan'ny mpianany ny fampianarany.

Nampianatra i Jesoa fa Andriamanitra araky ny fahazoan'ny Jiosy an'Andriamanitra sy ny fanoritsoritan'ny Soratra Masina hebreo an'Andriamanitra Izy, fa tsy araky ny fiheveran'ny fireham-pinoana New Age an'Andriamanitra.

Lewis, Ibid.:
Now let us get this clear. Among Pantheists, like the Indians, anyone might say that he was a part of God, or one with God….But this man, since He was a Jew, could not mean that kind of God. God, in their language, meant the Being outside the world, who had made it and was infinitely different from anything else. And when you have grasped that, you will see that what this man said was, quite simply, the most shocking thing that has ever been uttered by human lips.


Ao foana moa ireo izay vonona ny hiaiky an'i Jesoa ho mpampianatra mahatalanjona fa tsy vonona ny hiaiky azy ho Andriamanitra. Efa hitantsika fa tsy olana ho an'i Thomas Jefferson, izay deista (izany hoe Andriamanitra alavitra be no inoany, Andriamanitra izay nahary izao tontolo izao ary mamela azy handeha manaraka ny lalàna izay efa napetrany, fa saingy tsy miditra intsony mihitsy @ raharahan'ny olombelona), ny manaiky ny fampianarana ara-pitondran-tenan'i Jesoa sady tsy manaiky azy ho Andriamanitra. Kanefa, araky ny efa nazavaintsika ary mbola ho fakafakaintsika, raha tsy marina ny filazan'i Jesoa momba ny tenany dia anankiroa sisa ny safidy azo raisina, ary raha marina ny anankiray @'ireo dia tsy mba mpampianatra ara-pitondran-tena tsara i Jesoa.

Lewis, 52:
“I am trying here to prevent anyone from saying the really foolish thing that people often say about Him: ‘I’m ready to accept Jesus as a great moral teacher, but I don’t accept his claim to be God.’ That is the one thing we must not say.”


Teo @ fitadiavany ny fahamarinana dia fantatr'i Lewis tsara fa na tena marina ny filazan'i Jesoa hoe Andriamanitra tonga nofo izy na tsia, fa tsy lojika raha samy marina izy 2. Ka raha tsy marina ny filazan'i Jesoa dia tsy mba mpampianatra ara-pitondran-tena goavana Izy, satria na ninia handainga Izy, na adala Izy.

Ka ny aiza @'ireto izany Izy : miparitaka, mpamitaka, sa Mpamorona ? Izay no ho fakafakaintsika @ fizaràna ho avy.
novalian'i Nehemiah ny 26/04/2013 14:42
2. sitlo ( 03/04/2013 14:04)
Ilay Andriamanintr'i Abrahama sy Mosesy mihitsy no tsy dia misy dikany, ka izay resaka taritina avy eo dia revingadra avokoa.

Ny hevitra lazainy no jereo sy hadihadio fa raha mbola olona izany no hilaza tena ho mpitondratenin'Andriamanitra dia fanandrata-tena tsy dia mila ivakiana loha.
3. ialahy ( 03/04/2013 14:07)
Inona no tena tianao ahatongavana amin'ilay fanotaniana?
4. Nehemiah ( 03/04/2013 14:29)
Ity ny rohy mankany @ fizaràna voalohany ho an'izay liana :

http://forum.serasera.org/forum/message/m514d58f5da1ee
5. Nehemiah ( 03/04/2013 14:38)
Aza dia maika hamaly biraingina aloha fa mbola ho avy ny fizaràna manaraka @ faran'ny herinandro e :-).

Raha liana tokoa ianareo dia diniho fotsiny ny hevitra narosoko t@'ity fizaràna ity sy ny fizaràna voalohany, tsakotsakoy, ary ampitahao @ fizaràna manaraka rehefa hapetrako aty @ serasera.

Ialahy >> Fantaro fotsiny aloha fa io no atao hoe "trilemne de Lewis" : manana safidy 3 monja ny olona @ fiheverany an'i Jesoa, satria nilaza ny tenany ho Andriamanitra Izy, fa tsy lojika izany hoe : "Marina fa mpampianatra ara-pitondran-tena goavana i Jesoa, fa tsy Andriamanitra kosa Izy !", ary izay no tiako iaviana @'ity fizaràna ity.
6. sitlo ( 03/04/2013 14:42)
Raha misy vongatany ve hitanao fa tsy azo hanina dia mbola hotsakotsakoinatsara aloha vao aloha?
7. ialahy ( 03/04/2013 14:43)
voavaky ilay lien fa misaotra. Ary ho anao manoratra io(Nehemiah) raha ianao no ametrahako ilay fanontaniana dia inona no avalinao fa tsy tenin'olona hafa any no hamalinao azy.

Andriamanitra ve i Jesoa ? Andriamanitra manahoana aloha?
8. Nehemiah ( 03/04/2013 15:03)
Sitlo >> Fa raha sokolà kosa no neverinao ho vongan-tany dia voa ianao. Maninona kay no tsy mba andramana aloha ? (Kôzy sérieux an izao)

Ialahy >> Ny valiko dia mitovy @ ankabetsahan'ny kristiana : Andriamanitra Andriananahary izay namorona an'izao tontolo izao i Jesoa. Ny tanjon'ireto lohahevitra ireto dia ny manaporofo fa marim-pototra ny finoana an'izany.
9. sitlo ( 03/04/2013 15:09)
Ny mahavoa anao dia ny mieritreritra fa zavatra mbola tsy hitako io. Ny tena marina anefa dia zavatra efa nalohako.

Ny mahagaga ahy dia ny antony mbola isesefanao an'io. Tsy aleo ve miaina tsy misy gidragidra.
10. Nehemiah ( 03/04/2013 15:15)
Mt. 28:19-20 : "koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ ny anaran’ ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary, indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ ny fahataperan’ izao tontolo izao".

Izay no baiko azoko ary tsy afa-manoatra aho (tsy aleo ary izay toy izay manapoaka Twin Towers ?). Sady nanjary feno lanjany sy dikany ny fiainako noho Izy. Ary ianao koa anie afaka mahazo an'izay.
11. sitlo ( 03/04/2013 15:19)
Mampalahelo raha izay no nampisy dikany ny fiainanao. Misy tokoa olona tsy mahita ny hatsaran'ny manodidina azy ka zary mitady olon-kafa hilaza izany.
12. Nehemiah ( 03/04/2013 15:29)
Mampalahelo ? Raha accident no nahatongavantsika aty, raha samy manao izay saim-patana, raha hivadika ho zezika rehefa maty ka tapitra hatreo ny momba ahy, tsy izay ve no tena mampalahelo ?


Blaise Pascal:

Il y a en chacun de nous un vide en forme de Dieu.
13. sitlo ( 03/04/2013 15:42)
La nature a horreur du vide, hoy Aristote izay.

Ka tsy mahagaga raha misarangotra izay azony ianteherana ahavelomana mandrakizay ny olona. Ny mampalahelo dia ny eo ampelantanany indray no tsy hitany izay ilana azy.
14. Miharena ( 03/04/2013 19:06)
Sitlo:

La nature a horreur du vide, hoy Aristote izay.

Ka tsy mahagaga raha misarangotra izay azony ianteherana ahavelomana mandrakizay ny olona. Ny mampalahelo dia ny eo ampelantanany indray no tsy hitany izay ilana azy


Marina ity fanamarihanao ity namana Sitlo. Ary marina sy iraisako hevitra aminao koa ny momba ny tokony tsy hametrahana finoana avy amin'ny fanadihadiana ataon'olombelona ihany izay ataony referansa amin'ny saina sy ny nofony manam-petra.

Nefa kosa aho dia te-hampahalala fa ny tena azo antoka dia tokony hahafantatra isika fa matoa Jesoa nilaza tena ho Andriamanitra dia manamarina fa isika olombelona dia tandnindon'ny Tenany ihany koa, ary Tandindon'Andriamanitra. Tsy fisarangotana no hevitr'izany resaka izany fa fiombonan'aina.

Fampiombonana no hafatra mazava tian'ny Tompo hampitaina. Nefa koa isika dia tokony hahalala avy hatrany fa matoa anie manana saina afaka mandinika dia satria nomena izany araka ny maha-endri'Andriamanitra antsika avy e! Ilay fahasoavana dradraina mihitsy no lasa dika vilana rehefa tadiavina sy sarangotina etsy sy eroa. Satria ny teny dia mazava hoe : Indro ao anatinareo Kristy.

Misy ireo teny izay manome toky mazava ary rehefa haroharoina fombafomba sy foto-pisainana ilay izy dia lasa tototra. Indrindra moa fa haroharoina fanadihadiana amhavalalanina ny maro.
15. sitlo ( 03/04/2013 21:54)
Miharena:
...matoa Jesoa nilaza tena ho Andriamanitra dia manamarina fa isika olombelona dia tandnindon'ny Tenany ihany koa, ary Tandindon'Andriamanitra. Tsy fisarangotana no hevitr'izany resaka izany fa fiombonan'aina.

Fampiombonana no hafatra mazava tian'ny Tompo hampitaina. Nefa koa isika dia tokony hahalala avy hatrany fa matoa anie manana saina afaka mandinika dia satria nomena izany araka ny maha-endri'Andriamanitra antsika avy e! Ilay fahasoavana dradraina mihitsy no lasa dika vilana rehefa tadiavina sy sarangotina etsy sy eroa. Satria ny teny dia mazava hoe : Indro ao anatinareo Kristy.

Ilay endrika iray fanandratatenan'ny olombelona no fenoin'io ka mahatonga ny olombelona hihevitra an'io.
Araka ny voalaza tatsy hoe: iza no hihaino anao raha tsy ahazoana tombony? Ka raha te hampita hevitra aman'olona dia fomba mahomby ny famenoana ny filany. Ary zavatra roa ambony amin'ny olombelona izany Andriamanitra sy ny fiainana mandrakizay.

Vao nanomboka ny baiboly dia io no resaka voalohany tao:
Tsy ho faty tsy akory ianareo... ary ho tonga tahaka an'Andriamanitra...

Jereo tsara fa ny fampanantenan'ny devoly ihany no tadiavin'ny olona aty aoriana ary mbola toriana mandrak'ankehitriny. Ny fomba ahatongavana amin'izany fotsiny no tsy itovizany.

Ka eo no anindriako hoe jereo ny lazainy fa tsy ny fampanantenany.
16. Miharena ( 04/04/2013 04:34)

Tsy ho faty tsy akory ianareo... ary ho tonga tahaka an'Andriamanitra...
Jereo tsara fa ny fampanantenan'ny devoly ihany no tadiavin'ny olona aty aoriana ary mbola toriana mandrak'ankehitriny. Ny fomba ahatongavana amin'izany fotsiny no tsy itovizany.


Diso fihevitra indray ianao eto satria tsy vakianao hatramin'ny voalohany ilay Baiboly. Tsy io voalazanao io manko no fanombohan'ny Baiboly raha ny maha-olombelona no jerena fa hoe ; ...andeha isika hanao olombelona mitovy endrika amintsika...

Ny fitaka nataon'ny devoly voalohany indrindra dia ny fitenenana hoe ho tahaka an'Andriamanitra ??? Izay nataoNY tahaka ny endriny ve mbola ilazàna hoe ho tahaka AZY?
Io no fanasarahana voalohany indrindra niseho teo amin'ny tantaran'ny olombelona sy Andriamanitra, izay asan'ny mpila voninahitra, manambony tena, tia maka fanahy, dia ilay Anjely mamiratra indrindra tao an-danitra (Losifera io). Io toetra io no ilaina avadika ho fanetrentena, fanafoanana ny tena mba hisehoan'ny voninahitr'ANdriamanitra indray ao amin'y olona tsirairay avy.
17. Nehemiah ( 04/04/2013 05:52)
Sitlo >> Tsy i Ovide ve no niteny ny hoe "La nature a horreur du vide" ?
Na izany na tsy izany, tiako marihina fa miombon-kevitra tanteraka aminao aho momba ny fitaky ny devoly sy ny fanandratan-tena.
Fa eo indrindra antsika : mifanohitra tanteraka @ fanandratan-tena ny finoana kristiana. "Izay manandra-tena dia hahetry, izay manetry tena dia ho asandratra". Antsoina hilefitra @'Andriamanitra sy ny fahasoavany ny mpino. Raha ny fivavahan'izao tontolo izao no dinihina dia ny olombelona no manao zavatra maromaro (asa fiantràna, méditation, vavaka...) mba ho ankasitrahan'ny andriamaniny (na hahatakatra ny nirvana raha ny bouddhisme no zohina), ka misy lafiny fanandratan-tena ihany ireny. Fa ny an'ny finoana kristiana dia tokana ny fepetra : minoa an'i Kristy. Voa manao an'izay ianao dia omen'Andriamanitra tombon-tsoa vary raraka, ary anisan'izay ny Fanahy Masina izay hiasa ao anatinao mba hahatonga anao ho olona tsara kokoa hatrany.
Fa ny tokony tsapan'ny kristiana tsirairay dia tsy mendrika an'izany fahasoavana izany izy (izay no maha-fahasoavana ny fahasoavana rahateo) satria tsy misy , ary raha mba mahatsapa an'izay ny tsirairay dia tsy hisy intsony ny sekta mamitaka olona etsy sy eroa. Izay koa no vontoatin'ny fanoharan'ny Fariseo sy ny mpamory hetra.

Na dia i Jesoa aza tsy nitady ny hery sy ny fahefàna ary ny lazan'izao tontolo izao fa nandeha tany @'ireny olona ahiliky ny fiaraha-monina, ka raha ny hanangana antokom-pivavahana na firehana pôlitika no tanjony dia fomba hafahafa entina anaovana izany izay :) (fa aleoko tsy taritina alavitra loatra izao resaka izao aloha fa manjary spoiled ny fizaràna manaraka e :) ).
18. sitlo ( 04/04/2013 12:50)
Nehemiah> averiko indray fa tsy ny fitanisanao sy ny fitsikeranao ny hafa no mahamarina ny anao. Mitovy ihany raha te ho nirvana ianao na te ho eo anilan'Andriamanitra mandrakizay. Samy faniriana te ho ambony ireo.


Miharena:
Diso fihevitra indray ianao eto satria tsy vakianao hatramin'ny voalohany ilay Baiboly. Tsy io voalazanao io manko no fanombohan'ny Baiboly raha ny maha-olombelona no jerena fa hoe ; ...andeha isika hanao olombelona mitovy endrika amintsika...

Ny fitaka nataon'ny devoly voalohany indrindra dia ny fitenenana hoe ho tahaka an'Andriamanitra ??? Izay nataoNY tahaka ny endriny ve mbola ilazàna hoe ho tahaka AZY?
Io no fanasarahana voalohany indrindra niseho teo amin'ny tantaran'ny olombelona sy Andriamanitra, izay asan'ny mpila voninahitra, manambony tena, tia maka fanahy, dia ilay Anjely mamiratra indrindra tao an-danitra (Losifera io). Io toetra io no ilaina avadika ho fanetrentena, fanafoanana ny tena mba hisehoan'ny voninahitr'ANdriamanitra indray ao amin'y olona tsirairay avy.

Ny tiako lazaina tamin'ny hoe voalohany dia ny genesisy. Ary tsy diso aho fa ao tsara io Gen 3 4-5.

Fa na ndeha aza ho raisina ny anao hoe efa tahaka an'Andriamanitra ny olona fa voafitaka ka mila miverina ho tahaka azy indray.

Tsy miala amin'ny nolazaiko izany. Ilay fitiavana ho lasa ambonin'ny rehetra mihitsy no hita taratra foana. Na lainga na tsy lainga no nolazain'ny devoly, tsy manova inona izany satria tsy ny miditra no inona fa ny mivoaka hoy Jesosy izay.
19. Nehemiah ( 04/04/2013 14:05)
Tsy dia ny "hahamarina" ny ahy loatra no tanjoko t@ nitanisako ny fivavahana hafa fa ny hanoro ny mampisongadina ny finoana kristiana @ finoana hafa. Ary na dia halanao toy inona aza ilay izy dia marim-pototra ihany izao fisongadinana izao.

Fanamarihana kely fotsiny : ny kristiana dia tsy "= @'Andriamanitra" (ny New Age no milaza an'izay) fa zanak'Andriamanitra. Ireny mpanao fahagagàna ireny izao (satria misy ny manao fahagagàna tena izy fa saingy tsy manao doka izy ireo) dia @ herin'Andriamanitra no ahatanterahany ny fahagagany fa tsy ny heriny manokana.

Ka ilay zanak'Andriamanitra akory tsy afaka manambony tena hoe "Masina noho ianareo aho !". A-a-a, fa ny mifanohitra @'izay no mitranga. "Izay manandra*tena dia hahetry, izay manetry tena dia ho asandratra". Olona tsy mendrika ny kristiana fa saingy navotan'ny famindram-pon'Andriamanitra. Tsy izy no niezaka ny ho voavonjy fa i Andriamanitra no niantso azy. Ary izay koa no fepetra takiana raha hampihatra ny didin'i Kristy hoe "Mifankatiava" : aiza no hisy olona afaka tia ny hafa raha mihevitra azy ireo ho ambaniny ?
20. mirananirina ( 04/04/2013 14:47)

Nehemiah:

Sitlo >> Fa raha sokolà kosa no neverinao ho vongan-tany dia voa ianao. Maninona kay no tsy mba andramana aloha ? (Kôzy sérieux an izao)

Ialahy >> Ny valiko dia mitovy @ ankabetsahan'ny kristiana : Andriamanitra Andriananahary izay namorona an'izao tontolo izao i Jesoa. Ny tanjon'ireto lohahevitra ireto dia ny manaporofo fa marim-pototra ny finoana an'izany.
ohatra tsy nahita kristianina nanao an i Jeso ho Andriamanitra aho, ny ankabeazany an ,zanak Atra izy ! Izay nampianarina anay fa tsy hoe izy no Atra. Ny antony tsotra fotsiny betsaka mht ankehitriny no tsy manonona firy an Atra fa Jeso foana! Amin ny alalan i Jeso! Jeso irery ihany! Raha manonona Jeso 10, dia Atra 1 na tena tsy misy mht mampalahelo. Nefa Andriamanitra no tokony deraina sy hobiana isan andro isa?andro
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0506