Andriamanitra ve i Jesoa ? Fizaràna faharoa : Andriamanitra manahoana aloha ?

21. Nehemiah ( 04/04/2013 15:02)
Koa angaha i Mirananirina tsy mino ny fampianaran'ny Trinite ?
22. Miharena ( 04/04/2013 16:32)
Sitlo:

Tsy miala amin'ny nolazaiko izany. Ilay fitiavana ho lasa ambonin'ny rehetra mihitsy no hita taratra foana. Na lainga na tsy lainga no nolazain'ny devoly, tsy manova inona izany satria tsy ny miditra no inona fa ny mivoaka hoy Jesosy izay.


Diso fitsara izay milaza fa fitaivana ho lasa ambony no hevetra mitsiry ao amin'ny Kristianina. Efa novali'an'ny namana Nehemiah teo moa ny maha-Kristianina. Ny fomba fijery na fitsaràna izay miorim-paka ao amin'ny mpitazana no milaza hoe fitiavana ho lasa ambonin'ny rehetra no hita taratra amin'ny Kristianina. Mety hisy fahatsapana toy izany ihany eo amin'ny olona rehefa mijery Kristianina miresaka aminy na mitory aminy. Ary io no anisan'ny sakana lehibe tsy mahatafita mihitsy ny fitoriana satria tsy avy amin'ilay mpitory loatra no sakana fa ilay rindrina na fahajamban'ilay itoriana mihitsy izay efa manana hevitra masaka ao aminy, izay matetika izy io mitodika amin'y fitsaràna ivelany fa tsy mandalina tsara ny fototra tian'ny mpitory hahatongavana marina.
23. sitlo ( 04/04/2013 18:10)
Marihiko fa tsy mitsara velively aho. Ary somary gaga aho mahita anao miteny hoe mitory teny dia izaho itoriana teny. Diso hevitra ianao raha izay satria ady hevitra izy ity fa tsy hoe henoy ka raiso izay lazaiko, ary raha tsy azo dia anontanio. Izaho koa dia mampita ny hevitro ary raha tsy azonareo dia anontanio fa aza raisina hoe fitsarana anareo. Jereo tsara fa ny nolazaiko dia hoe: ny olombelona dia tia manambony tena, fa tsy hoe ny kristianina irery.


Nehemiah:
ny kristiana dia tsy "= @'Andriamanitra" (ny New Age no milaza an'izay) fa zanak'Andriamanitra. Ireny mpanao fahagagàna ireny izao (satria misy ny manao fahagagàna tena izy fa saingy tsy manao doka izy ireo) dia @ herin'Andriamanitra no ahatanterahany ny fahagagany fa tsy ny heriny manokana.

Ka ilay zanak'Andriamanitra akory tsy afaka manambony tena hoe "Masina noho ianareo aho !". A-a-a, fa ny mifanohitra @'izay no mitranga.

Ny tena marina angamba dia ianareo no tsy mihaino izay lazaiko ka ny hevitrareo no asesikareo hoe tsy henoiko. Izao ilay izy:
1 - Ny baiboly dia milaza fa ny olombelona dia namboarin'Andriamanitra manokana tamin'ny fotaka. Dia notsofiny tamin'ny fofon'ainy. Ary notsofiny rano hanjaka amin'ny zavaboahary.
-> io dia efa fanambonian-tenan'ny olombelona. Milaza io fa ny olombelona dia voafidy manokana miohatra ny biby rehetra.

2 - Vokatry ny 1, dia Andriamanitra ihany no tsy ambonin'ny olombelona. Ary nilaza Andriamanitra fa misy zavatra iray ahafaty anareo raha ataonareo. Dia ny fahafatesana io. Ny olombelona dia matahotra ny fahafatesana.
-> dia hoy ny devoly "tsy ho faty tsy akory ianareo..."
Izany hoe fenoina ilay fanirian'ny olona ho velona mandrakizay.
+ dia nampian'ny devoly hoe "fa ho tahaka an'Andriamanitra"
Na ovainao io teny io hoe: zanak'Andriamanitra na tsy haiko izay imanipulenao azy eo. Ny dikany dia hoe ho lasa ambonimbony kokoa noho ny teo aloha.
Hitako fa tsy novalian'i Miharena ny fanazavako teo aloha ka mba tsy hidikodinan'ny dinika dia aza isisihana ny hoe lainga no nataon'ny devoly sns. Satria ny fitiavan'ny olombelona ho ambony no ampitaiko eto. Raha te hiditra amin'izay dia ny valiteniko tetsy ambony aloha vakiana tsara. Ary aza atao antsaina hoe manenjika ny kristianina aho fa ny olombelona tsy ankanavaka no manana an'io toetra lazaiko io.

3 - Tonga amin'izay ny tantaran'ny fanavotana sns.
-> Izaho sy Andriamanitra dia iray ihany
-> ataovy izao sy izao (*)
-> Andeha hanamboatra fitoerana ho anareo aho any an-danitra
-> izay manaraka ahy dia hanana ny fiainana mandrakizay

Izany hoe ny fampanantenan'ny famonjena dia mitovy amin'ny fampanantenan'ny devoly tao amin'ny genesisy ihany.
Fiainana mandrakizay = tsy ho faty tsy akory
ho zakan'Andriamanitra = ho tahaka an'Andriamanitra na izay iantsoana azy

Ny faharoa no isisianareo fa tsy azoko. Fa ny ilazako hoe mitovy ireo dia ny fiarahana amin'Andriamanitra. Ny dikan'ny hoe "asandratra" dia ampiakarina ho ambonimbony kokoa. Io ilay toetra ao anatin'ny olombelona lazaiko.

Averiko ny nolazain'i Nehemiah matetika. Dia ho faty ho lasa zezika tahaka ny biby izany?

(*) dia ivelan'ny ady hevitra
24. sitlo ( 04/04/2013 18:14)
Nisy point essentiel diso frapy:
Vokatry ny 1, dia Andriamanitra ihany no tsy ambonin'ny olombelona. -> Vokatry ny 1, dia Andriamanitra ihany no ambonin'ny olombelona.
25. Nehemiah ( 05/04/2013 05:27)
Izaho indray mba te-hanamafy fa ny fandavàna an'ilay Nahary antsika no fanambonian-tena, fa ny fileferana ny sitrapontsika @ sitrapony no tena fanetren-tena.

Azafady aminao fa io fiheveranao io dia fiheveran'ny olona manana complexe d'infériorité ka tsy mahatanty mahita olona ambony noho izy @ lafiny anankiray. Raha omen'i Dada fahefàna omban'andraikitra aho, inona no tokony ataoko ? "A-a-a, tsy mendrika an'izao aho !" sa "Misaotra" ? Tsy zava-dratsy per se akory ny ambony, raha voa tsy manararaotra.

Ao moa ny tenin'i Montesquieu hoe : "Tout homme qui a du pouvoir a tendance à en abuser", fa inona kay no nahatonga an'izany ? Ahitàna valiny mahafa-po aok'izany ny Genesisy : tsara indrindra ny zava-drehetra t@ fiandohana fa ny otan'i Adama sy Eva no nanimba ny zava-drehetra.
26. leva2 ( 05/04/2013 16:50)
Velona Jesosy!

Ny zavatra mba tiako ho marihina ry zareo dia izao : ny fanetren-tena no toetra faharoa takiana amin'ny kristiana, aorian'ny fitiavana. Nampianatra antsika hanetry tena ny Tompo. (Mba jereo ilay forum eo ambanimbany eo momba izay nataon'ny Pape François e).
Raha ny marina anie, ny fahatsapana fa mpanota ny tena, olo-tsy mendrika, maloto saina, ratsy fo, olona tsinontsinona ary mendrika ny ho faty tokoa noho izany; no etsy ankilany mahatsapa fa tian'Andriamanitra, tsy foiny ho very fa tiany hovonjena; eny, namoizan'i Jesosy ny ainy : koa izaho ve sa Jesosy no tokony hasandratra? iza no mendrika ny voninahitra sy ny toerana ambony, izaho sa Jesosy? izaho ve no handeha hirehareha, sa Jesosy no tokony ho reharehako?
Izany halehiben'ny fitiavan'Andriamanitra izany no manery ahy hanompo AZY, hankato izay lazaiNY, eny hanolotra izay androm-pahavelomako sisa ho AZY tanteraka, hanatanteraka izay baikoNY.

Ny fikatsahana fiainana mandrakizay sy fitadiavana fahasoavana mialoha an'Andriamanitra, sy tsy ialohavan'io toetra feno fanetren-tena io amiko dia interets na amour par interet.
27. Nehemiah ( 06/04/2013 08:53)
Io @'izay ary ny rohy mankany @ fizaràna faha-3 :

http://forum.serasera.org/forum/message/m515fe20b8381e

Mazotoa.
28. dydyh ( 21/04/2013 15:04)
salama daholo nareo an , mampihomehy daholo ianareo , i jesosy tompoko dia tsy andriamanitra velevely fa zanany ary izy mihitsy no milaza izany mba vakio tsara le baiboly fa tsss
29. Nehemiah ( 26/04/2013 14:42)

dydyh:

salama daholo nareo an , mampihomehy daholo ianareo , i jesosy tompoko dia tsy andriamanitra velevely fa zanany ary izy mihitsy no milaza izany mba vakio tsara le baiboly fa tsss



http://forum.serasera.org/forum/message/m5130b473df3f8
http://forum.serasera.org/forum/message/m513460bdd9d56
http://forum.serasera.org/forum/message/m513ed05475f68

Any ianao afaka miresaka momba an'izay tsara satria manaporofo ny Trinite ireo rohy ireo. Rehefa vitanao vaky ireo voa afaka manesoeso ianao.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0653