Aza matahotra
1. hery
(
19/03/2013 15:00)
Tenin'ny Papa Fransoà androany... Aza matahotra ny ho tsara fanahy.
Marina fa heverina fa adala ireo izay tsara fanahy sy manao soa amin'izao fotoana izao, indrindra moa raha tsy mahazo tombony sy mahazo valiny.
novalian'i karandoha ny 31/03/2013 20:21
2. sitlo
(
19/03/2013 15:18)
Izay indrindra.
Misy mantsy mihevitra fa raha tsy misy ny afobe dia tsara kokoa ny manao ratsy.

3. smileyah
(
20/03/2013 06:38)
Ny hatsaram-panahy dia mitaona antsika koa handefitra ny tsy rariny mihatra @ tenantsika. Satria tokoa ankehitriny ny ankamaroan'ny olona @ izao vanim-potoanan'ny demokrasia izao dia lasa tsy manam-pandeferana intsony. Hany ka simba ilay soatohavina malagasy.
Ary ny fanaovantsoa dia tokony hiaraka mandrakariva @ fanetrentena, satria poakaty ny soa atao tsy amim-panetren-tena.

4. Nehemiah
(
20/03/2013 07:06)
Ny olana anie dia tsy hoe matahotra ny ho tsara fanahy ny olona fa "Tsy misy izay mahafantatra, Tsy misy izay mitady an’ Andriamanitra." (Rom. 3:11).
5. Miharena
(
20/03/2013 07:45)
Fa ny mahita AZY tsy mizara koa fa manao tanisa izay fahalavoana ao anaty Baiboly fotsiny dia naman'ny mpanakivy fotsiny ihany.
Tsy aleo ve ny fampaherezana no atao betsaka sy tanisaina mba hitombenan'ny fanantenana?
Ny mijoro amin'ny fahatsaram-panahy dia olona mahatoky ny tenany ary mizara fahasoavana ho an'ny namany.

6. Nehemiah
(
20/03/2013 08:09)
Marina moa fa tokony faritan'i Bergoglio tsara kosa ny hatsaram-panahy tiany tenenina, satria ny bouddhistes koa anie mba mitory hatsaram-panahy.
Fa antsika kristiana dia afaka maneho hatsaram-panahy satria nanehoan'Andriamanitra hatsaram-panahy tany Kalvary.

7. hery
(
20/03/2013 08:21)
Dia maninona raha maneho ny hatsaram-panahy ny Bouddhistes? Ratsy ve?
Sa rehefa hatsaram-panahy asehon'ny Kristianina dia tsara noho ny hatsaram-panahy asehon'ny Bouddhistes?

8. Miharena
(
20/03/2013 08:26)
Tafalatsaka amin'ny sektarisma indray ny namana Nehemiah! Tsy azo lazaina ho Universel ve ny hatsaram-panahy izany?
9. Nehemiah
(
20/03/2013 08:41)
Andao ary ataontsika hoe tsy navoakako tsara ny hevitra tiako voizina. Inona moa no ilàna ny maneho hatsaram-panahy raha mbola ao anatin'ny otantsika antsika ? Zava-poana daholo ny zava-drehetra raha tsy ao i Andriamanitra. Ary tsy vitantsika ny mamerina azy ny fahasoavana tsy tambo isaina nomeny antsika na dia manao asa soa mandritry ny fiainana manontolo.
Sady ao ny trosa ananany amintsika nohon'ny otantsika t@, izay tsy hay efain'olombelona. Fa i Kristy hoy aho dia nanefa an'izay trosa izay tany Kalvary. Ka izay no antony mahatonga antsika kristiana hanao soa : ny fahasoavan'Andriamanitra no manosika antsika hanao an'izay.
Satria tadidio fa ny fahasoavana azo avy @ finoana no mahavonjy fa tsy ny hatsaram-panahy.

10. hery
(
20/03/2013 08:45)
Dia sitrak'Andriamanitra izany ny hahavery ny olona iray tsy nahalala azy (teraka tao anatin'ny fianakaviana Bouddhiste) kanefa miaina antsakany sy andavany ny fitiavana (izay didy napetrak'Andriamanitra) ao anatin'ny hatsaram-panahy?
Tsy izany marina ve no hoe sektarisma?
Tsy izany marina ve no hoe sektarisma?
11. Nehemiah
(
20/03/2013 08:59)
F'angaha izaho no tokony imenomenoana fa tsy Andriamanitra ?
Nefa moa ao ny hoe "Taiza ianao t@'izaho namorona ny tany ?"

12. hery
(
20/03/2013 09:02)
Ianao no imenomenonana satria misolo vava an'Andriamanitra mitsara ny olona mampiseho hatsaram-panahy ka... :-)
13. RBNIR
(
20/03/2013 09:58)
Faly miarahaba ny namana rehetra hatrany,
« Ny rakitra tsara no amoahan'ny olona tsara fanahy zavatra tsara; ary ny rakitra ratsy kosa no amoahan'ny olona ratsy fanahy zavatra ratsy. » (Mat.12:35)
« Ny olona tsara fanahy dia mamoaka ny tsara avy amin'ny rakitra tsaran'ny fony; ary ny ratsy fanahy kosa dia mamoaka ny ratsy; fa amin'ny haben'ny ao am-pony no itenenan'ny vavany. » (Lio;6:45)
Raha tsara ilay rakitra (ao am-po) : dia zavatra tsara no mivoaka, raha ratsy kosa ilay rakitra (ao am-po) dia zavatra ratsy no mivoaka eo.
Izay betsaka ao anatin'ny fo no mivoaka ety ivelany (ary ny avoakan'ny vava no tena hitarafana azy)
« Ary ny olona tsy hanao hoe: Indro, ety! na ery ! fa, indro, ny fanjakan'Andriamanitra dia ao anatinareo*.» (Lio.17:21)
EFA MBA NIHAZAKAZAKA NY HO ANY AMIN'IZANY V ISIKA?
Tandremo aza mamita-tena fa diniho tsara aloha ny ao anaty ao : inona no betsaka ao????
Tombony azon'ny tsara fanahy:
1- « dia fantatry ny Tompo izay hamonjeny ny tsara fanahy amin'ny fakam-panahy sy ny hitehirizany ny olona tsy marina amin'ny fijaliana ho amin'ny andro fitsarana,- » (2 Pet.2:9)
VONJENA @ FAKAM-PANAHY.
2- « Ny tsara fanahy mahazo sitraka amin'i Jehovah; Fa ny mamoron-tsain-dratsy hohelohiny. » (Oha;12:2)
MAHAZO SITRAKA @ JEHOVAH
Samia ho tahin'ny Tompo namana

14. Nehemiah
(
20/03/2013 12:48)
Ahoana indray ny tenin'Andriamanitra hoe :
Rom. 3:23-24 : "samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’ Andriamanitra, nefa hamarinina maimaimpoana amin’ ny fahasoavany izy noho ny fanavotana izay ao amin’ i Kristy Jesosy"
rehefa miresaka momba ny olombelona ? Izaho aloha dia tsy mahita an'izany hoe tsy tafiditra ao anatin'izay ny etsy na ny eroa na ny olona "miaina antsakany sy andavany ny fitiavana (izay didy napetrak'Andriamanitra) ao anatin'ny hatsaram-panahy". Mba tahak'izay koa anie ilay lehilahy tanora manankarena iny fa nataon'i Jesoa hoe "Tsy ampy zavatra iray loha ianao", izany hoe ny manary an'izay ny harena notompoiny ary manaraka an'i Jesoa. Ary niteny mihitsy i Jesoa hoe : "Ho moramora kokoa ny hidiran’ ny rameva amin’ ny vodi-fanjaitra noho ny hidiran’ ny manan-karena amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra" (Mt. 19:24).
Raha ampy ny "miaina antsakany sy andavany ny fitiavana (izay didy napetrak'Andriamanitra) ao anatin'ny hatsaram-panahy" dia inona fotsiny no nahatongavan'i Kristy ety ambony tany hijaly sy ho faty hisolo voina antsika ? Ilaina ihany ve ny "manao ho mpianany ny voary rehetra" raha izany ? Sady construction de l'esprit rahateo izany olona "miaina antsakany sy andavany ny fitiavana (izay didy napetrak'Andriamanitra) ao anatin'ny hatsaram-panahy" fa tsy tena misy izany olona mahavita manaraka antsakany sy andavany an'izao didy izao.
Averiko indray mandeha : ny fahasoavana azo avy @ finoana no mahavonjy fa tsy ny hatsaram-panahy. Ary @ maha-fahasoavana azy dia tsy mendrika @'izany antsika. Na ny hatsaran'ny asantsika, na ny hatsaran'ny fanahintsika dia tsy afaka mahatonga antsika ho mendrika an'izany eo anatrehan'Andriamanitra (Is. 64:5).
Raha nihevitra ahy ho sectaire ianareo hatrizay dia mbola hihevitra ahy ho sectaire lavitra nohon'izay ianareo @'ity : araky ny tenin'Andriamanitra dia tsy ho tafiditra @ fanjakan'Andriamanitra i Gandhi : nanaja an'i Kristy ary niaiky Azy izy fa saingy tsy nanaiky Azy ho Tompony.

15. Miharena
(
20/03/2013 15:53)
Ilay fahatsoram-po mihitsy namana Nehemiah no very rehefa mandalina ny zava-boalaza ao anaty Baiboly ianao, na koa ao anatin'ny bokim-pinoana isan-karazany.
Ny sektarisma anie namana dia mandray fahamarinana ampahany no tiana hilazàna azy e!
Raha mamakyohatra isika ao anaty Baiboly, ka mandray ny hafatra tsy sektarisma dia ireto misy vitsivitsy:
- Tantaranilay Samaritana Tsara fanahy : Tsy ny Jiosy nahalala an'Andriamanitra no nanaraka ny toetra tiaNY nampitaina fa ilay hafa firenena;
- Andro fitsaràna tao amin'ny Apokalypsy : tsy ireo olona nahalala AZY no niditra ny fanjakan'ny lanitra fa ireo nanao soa tsy nahalala AZY.
Mazava fa ireo sektarisma no lasa tsy tafiditra eto. Ka sao dia sanatria lahy ka izany tokoa no foto-pisainantsika. Enga anie ho foto-pisainana fotsiny ilay izy fa tsy hahakasika hihatra any amin'ny fanahin'izay manao izany fanavahana ny olombelona izany.
Ny FihevitrAndriamanitra rahateo tsy fihevitsika olombelona, ka izay no hany hametrahana fanantenana ho amin'ny famonjena ny olombelona rehetra tsy ankanavaka.

16. Nehemiah
(
21/03/2013 06:17)
Miharena:
- Tantaranilay Samaritana Tsara fanahy : Tsy ny Jiosy nahalala an'Andriamanitra no nanaraka ny toetra tiaNY nampitaina fa ilay hafa firenena;
Miala tsiny fa somary mamitaka ny fomba fampiasanao azy. Nanome an'izay fanoharana izay an'ilay mpanora-dalàna i Jesoa mba anehoana azy ny tena fomba fanatanterahana ny Lalàna, kanefa ao kosa ny hoe "hita marimarina fa amin’ ny lalàna dia tsy misy olona hamarinina eo anatrehan’ Andriamanitra; fa ny marina amin’ ny finoana no ho velona."
Miharena:
- Andro fitsaràna tao amin'ny Apokalypsy : tsy ireo olona nahalala AZY no niditra ny fanjakan'ny lanitra fa ireo nanao soa tsy nahalala AZY.
Aiza kay no misy milaza an'izay ny Apôkalipsy fa tsy mahita aho ?
17. Miharena
(
22/03/2013 03:56)
Nehemiah:
Miala tsiny fa somary mamitaka ny fomba fampiasanao azy. Nanome an'izay fanoharana izay an'ilay mpanora-dalàna i Jesoa mba anehoana azy ny tena fomba fanatanterahana ny Lalàna, kanefa ao kosa ny hoe "hita marimarina fa amin’ ny lalàna dia tsy misy olona hamarinina eo anatrehan’ Andriamanitra; fa ny marina amin’ ny finoana no ho velona."
Tsy hoe mamitaka ny fomba fampiasana ilay ohatra fa miompana kokoa amin'ny fiantraikan'ny fampitana ny finoana ary maneho ny fiainan'ny olona ny finoana no asehon'i Jesoa. Na Jiosy manana ny teny fikasana aza dia tsy mampihatra ny didim-pitiavana satria finoana pli-vava fa tsy ampiharina. Ny toetry ny olona tsotra indray no manome fahitsiana kokoa. Ary ireo toetra ireo dia azo ambara avy hatrany fa fantatr'Andriamanitra nahary ny olombleona rehetra tsy ankanavaka.
Ny fanavahana izany no mila esorina eo amin'ny Kristianina raha te-ho tanteraka izy.
Ilay resaka faharoa ao amin'ny Apokalypsy nambarako (izay mety diso boky) dia azonao hahitsy fa fantatro fa fantatrao tsara hoe aiza ho aiza no misy io resaka io.
Ny tanjona raha Kristianina dia ny mampivoitra ny toetran'i Kristy tsy nanisy fefy teo AMINY sy ny RAY ka nahatanteraka AZY satria izay olombleona rehetra, eny na ny devoly aza dia voanatra avokoa. Rehefa manana izay fomba izay dia afaka hiteny hoe manana finoana azo ampiharina amin'y rehetra (UNIVERSEL).
18. Nehemiah
(
22/03/2013 05:48)
Asa raha miombon-kevitra aminao ny Papa...
Kanefa averiko indray mandeha : raha ampy ny "miaina antsakany sy andavany ny fitiavana (izay didy napetrak'Andriamanitra) ao anatin'ny hatsaram-panahy" dia inona fotsiny no nahatongavan'i Kristy ety ambony tany hijaly sy ho faty hisolo voina antsika ?
Satria tafiditra ao anatin'ny toetran'i Jesoa Kristy (ilay Jesoa Kristy ara-tantara fa tsy ilay Jesoa namboamboarin'ny sekta sy cultes sasany) ny fanajàna tanteraky ny Soratra Masina.

19. smileyah
(
22/03/2013 07:03)
Izao kosa no zavatra fantatro:
Izay rehetra mankahala ny Zanaka dia tsy tia ny Ray.
Ny finoana an'i Jesoa Kristy ho Tompo sy mpamonjy no mahavoavonjy.
Ny finoana iainana ao anaty hatsaram-panahy dia mahatonga an'i Kristy ho tonga nofo ao anatintsika ka ahazoantsika ny fiainana mandrakizay. (Finoana miteraka: batemy, komonio, fanambadiana kristianina, fanokanantena @ Andriamanitra, fiombonana @ olomasina).

20. Nehemiah
(
22/03/2013 07:10)
Raha mino Azy antsika dia apetrany ao anatintsika ny hatsaram-panahy ankasitrahan'Andriamanitra, ka manjary mitovy aminy tsikelikely antsika (sanctification).