NY FIVERENAN'I JESOSY ENY AMIN'NY RAHON'NY LANITRA

1. RBNIR ( 15/03/2013 05:56)
Faly miarahaba ny namana rehetra indray,
Ireo tokony ho fantarin-tsika mikasinany ny fiavian'ny Tompo indray.
Jao.14:1-3 araka ny voasoratra ao dia Jesosy Tompo mihitsy no nanambara fa mbola hiverina indray IZY.
Asa.1:11 nisy anjely (ireo 2 lahy dia anjely) nanamafy fa tena mbola hiverina marina tokoa izy)
Ary farany II Pet.3 raha vakiana ny soramandry dia izao no voasoratra : "ny amin'ny hihavian'ny Tompo sy ny fananarana noho izany"
Ireo TENY ireo dia manamarina fa dia mbola ho avy tokoa IZY satria vavolombelona 3 karazana B izao no efa niteny
Tokony ho fantarina koa anefa hoe manao ahoana izany fihaviany izany??
Mat.24:27 "tahaka ny helatra avy any Antsinana ka hita hatrany Andrefana hoy ny Teny. Araka Izany ny fihaviany dia MANERAN-TANY satria ny helatra eto midika hoe tselatra rehefa miseho dia mahita avokoa ny vazan-tany rehetra. Mila tsarovana mandrakariva io teny io satria JESOSY TOMPO dia efa nampitandrina ny amin'ny fiavian'ilay kristy sandoka izay hiseho anaty efitrano, any an'efitra sns (izany hoe olona vitsivitsy ihany no hahita fa tsy ny rehetra akory) (vakio ny Mat.24:23,26) dia ho azon-tsika ny tiana ambara
Manamafy fa tena Maneran-tany tokoa dia vakio ny Apok.1:7 fa dia tena ho hitan'ny maso rehetra tokoa izany fihaviany izany.
Zava-dehibe tokony hofantarina koa dia hoe inona no hitranga rehefa ho tonga IZY?
Mat.25:31-34, 41 HISY FANAVAHANA lehibe hisy ny atao eo an-kavanana kilasiana hoe "ondry" ary hisy ihany koa atao eo an-kavia atao hoe "osy". Io indrindra no anarako an-tsika rehetra satria na tian-tsika na tsia dia tsy maintsy hisy ny "osy".
Zavatra hitranga faha2 dia I Tes.4:15-17 Ny fitsanganan'ireo atao hoe "maty ao amin'ny Tompo" na ireo nanao ny Sitrapon'Andriamanitra. Io ihany koa ilay fitsanganana voalohany voalaza ao amin'ny Apok.20:6 izay nohamafisin'ny apostoly paoly ao amin'ny Ikor.15:51-52.
Rahoviana izany no hitranga?
Mat.24:36 tsy misy mahalala eny fa na dia ny ZANAKA aza.
Saingy araka ny voasoratra ao amin'ny Mat.24:3 dia hisy ireo famantarana izany fiaviany izany (araho ny rohy : http://forum.serasera.org/forum/message/m507bdfc0e9c94#m50af58caa4a24).
Fampianarana avy tamin'i Jesosy Kristy Tompo izao namana ka dia zaraina amin-tsika ampitiavana,
Mbola hitohy.....
Samia ho tahin'ny Tompo
novalian'i RBNIR ny 10/09/2013 02:57
2. sitlo ( 15/03/2013 06:04)
aiza ny porofo?
3. Nehemiah ( 15/03/2013 06:16)
Misaotra betsaka.

Zava-dehibe loatra ho an'ny finoana kristiana ny fiverenan'i Kristy ara-bakiteny.

Miomàna fa ho avy masiaka aminao i Miharena.
4. sitlo ( 15/03/2013 06:18)
aiza ny porofo?
5. RBNIR ( 15/03/2013 06:19)
sitlo:

aiza ny porofo?

Aiza ny finoana?
Samia ho tahin'ny Tompo namana
6. sitlo ( 15/03/2013 06:23)
izany hoe arakaraka ny finoana?
7. RBNIR ( 15/03/2013 07:21)
sitlo:

aiza ny porofo?

Sambatra ny mino nefa tsy mahita.
Na izany aza namana ho anao ity hafatra ity dia mba minoa amin'izay namana;
Fantaro fa ny antony nahatongavan'i JESOSY TOMPO TETY an-tany:

http://forum.serasera.org/forum/message/m4ffe73717ce13

Ny Tompo anie, hanazava ny sainao namana,

Samia ho tahin'ny Tompo
8. sitlo ( 15/03/2013 07:44)
izany hoe arakaraka ny finoana?
9. RBNIR ( 15/03/2013 08:15)
sitlo:

izany hoe arakaraka ny finoana?


[dailymotion]http://www.dailymotion.com/video/x5776t_taona-maro-ny-menafify_music#.UULJ1hfwabs[/dailymotion]
10. sitlo ( 15/03/2013 11:29)
Rehefa tsy azo amin'ny fampiasan-tsaina izany dia langoy amin'ny hira mandambolambo ny fony.

Mahay ianareo ka. Zao na marina aza ny teneniko lasa ohatra ny manenjika be fahatany fotsiny. :)
11. RBNIR ( 15/03/2013 12:18)
sitlo:

Rehefa tsy azo amin'ny fampiasan-tsaina izany dia langoy amin'ny hira mandambolambo ny fony.
Mahay ianareo ka. Zao na marina aza ny teneniko lasa ohatra ny manenjika be fahatany fotsiny. :)


Namana sitlo,
Andriamanitra no miasa ao anatin'ny tsi11 ka manosika hitory ry namana,
Andriamanitra no tianao.
Saino kely anie e, RBNIR tsy mahafantatra anao, RBNIR tsy mitaona anao ho any amin'ny fiangonany,
RBNIR tsy mangataka na inona na inona aminao.
Inona moa no tombony amin'i RBNIR na hino namana stilo na tsy hino????

Saingy nampahafahantarina aho namana mikasika ny fisian'ny fiainana mandrak'izay, ary nampafahantarina koa aho ny fisian'ny helo ho an'izay minia tsy mino,

Fitiavana no hifampizarana hoy aho, saingy aoka ho fantatrao koa fa IZY no tena tianao fa ny olona fitaovana fotsiny ihany,

Samia ho tahin'ny Tompo namana,

12. RBNIR ( 15/03/2013 13:21)
Namana sitlo,
Toy izao no fomba fiasan'Andriamanitra rehefa manangona ny ondriny IZY,
« Ry Jerosalema, ry Jerosalema, izay mamono ny mpaminany sy mitora-bato izay irahina ho aminao, impiry Aho no ta-hanangona ny zanakao, tahaka ny fanomban'ny akoho ny zanany ao ambanin'ny elany, fa tsy nety ianareo! » (Mat.23:37)

Aza manao toy ny nataon'i Jesoralema fahiny fa nampalahelo tokoa ny nanaovan'izireo an'i Jesosy Tompo.
INDRISY TSY FANTANY FA NAMANGY AZY NY TOMPO.

ny tenako tsy mampiasa strategie fa mangataka ny fitarihan'ny Fanahy,

Fantaro ary fa raha mahatsapa ho voakasika ianao dia IZY NO MIASA fa izahay dia fitaovana fotsiny ihany,

TENA TIAN I JESOSY TOMPO sy ANDRIAMANITRA RAY ARY NY FANAHY MASINA ianao namana,

Samia ho tahin'ny Tompo
13. sitlo ( 15/03/2013 14:12)
hihihi, aza misolo vaika ny akalana.
14. lekialala ( 15/03/2013 15:02)

sitlo:

Rehefa tsy azo amin'ny fampiasan-tsaina izany dia langoy amin'ny hira mandambolambo ny fony.

Mahay ianareo ka. Zao na marina aza ny teneniko lasa ohatra ny manenjika be fahatany fotsiny. :)


Lol, mba tsetsatsetsa tsy aritra ny ahy, inona no tianao ahatongavana e? lol, Inona moa ilay hoe "marina" teneninao?

-ilay porofo (misy/tsy misy) ny fihavian'i Jesosy fanindroany?
- ilay hoe arakaraky ny finoana (ireo mino dia hahita/hiaina/handre ny fiverenany; ireo tsy mino kosa dia tsy hahita/tsy handre/tsy haninona)

Misaotra :)
15. RBNIR ( 15/03/2013 16:10)
Mba hifantoantsika amin`ny lohahevitra dia tohizako,

Faly miarahaba an-tsika rehetra indray,
Misaotra ny Tompo noho ny famelany ny hanoizana mikasika ny fiverenany indray.
Voalazako ery ambony ny zavatra hitranga 2 rehefa ho avy ny Tompo (fanavahana lehibe sy ny fitsanganan'ireo maty ao amin'ny Tompo).
Mbola misy anefa ny faha3 izay tena zava-dehibe tokony ho fantarina koa II Pet.3:10 HO LEVONINA IZAO REHETRA IZAO sy ny asa eo aminy. Zava-dehibe tokoa io ary izay no tena anton'ireo fiomanana atao.
Hoy koa aho tery ambony hoe tsy hisy hahafantatra ny fiaviany nefa misy famantarana saingy raha ny voasoratra ao amin'ny II Tim.3:1-5 dia efa tsy ho ela intsony io fiaviany io satria ireo zavatra rehetra voalaza fa "hiseho any amparany" ireo dia efa saika miseho avokoa ankehitriny.
Ankehitriny dia andeha ho fantarina ny zavatra hitranga amin'ny fiandoan'ny farany (fotoana hanombohan'ny farany) Vakio Lio.21:25-28.
Araka ny voasoratra ao dia hahita famantarana ny olona eny amin'ny masoandro, ny volana ary ny kintana ary ny ranomasina dia hirondrona sy hanonja mafy tokoa.
Vokany ho reraka ny fon'ny olona eo ampiandrasana izay zavatra hiseho.
Misy afaka handositra v amin'izany?
Apok.6:12-17 ny karazan'olona rehetra dia hitady handositra ny tavany saingy ny firenena rehetra, ny olona rehetra dia samy hanenina avokoa (TOY IZAY IHANY AHO NANAO NY SITRAPON ANDRIAMANITRA izany no hanakoako eran'ny tanana ry namana isany).

Mametraka an-tsika eo anoloan'ny safidy izany zavatra izany ka inona ary no safidinao?
Mat.24:40-41 (horaisina sa avela)? hisy tokoa ny hovoaray, nefa hisy ihany koa ny avela.
Inona ary no atao?
Mat.24:42-44 (mila miambina, MIOMANA)
Aza misy manao kitoatoa ry namana isany, tara loatra raha any amin'ny ora farany vao hikoropaka ka hanisan'ireo hanenina B vava.
Raha sitrapon'Andriamanitra dia hozaraina eto ihany ny fiomanana tokony atao, ny mikasika ireo famantarana ireo.
Fa izay sitrapon'Andriamanitra efa fantatrao sy nozaraina teto dia raiso ary tanteraho fa ho famonjena ho anao.

Samia ho tahin'ny Tompo namana isany
16. Miharena ( 16/03/2013 02:41)
Raha tonga eto amin'ny fandraisana anjara eto amin'ity lohahevitra ity aho araka ny resaky ny namana Nehemiah hoe miomana fa ho avy masiala aminao Miharena dia fanontaniana iray ihany no mba tiako hovaliana mahitsy tsara eh!

Iza moa no milaza fa tsy efa eto IZY fa mbola andrasana ahoana ny fiverenaNY?

Ny anton'ny fanontaniana dia misy hatrany ny mampandotso, mitantara endri-piverenana tovozina ao anaty Baiboly. Fa ny fanontaniana lehibe dia hoe fa IZA io miteny sy mitantara io no mbola mamerin-teny fotsiny no ataon'ny iraka fa tsy milaza mazava hoe izahay dia miara-dia izao ary satriko ianao namana isany hahatsapa izany fiarahana izany ao anatinao koa mba tsy hampavesatra antsika hiandry lava.

Ny tiana hahatongavana dia hoe ny inona ao amin'ny olombelona no tiana havotana marina?
Inona no tiana ampijaliana ampiandrasina? Ny sainy ve? Ny nofony ve? Ny fanahiny ve?

Ary mitovy tsara ve ny fiheverana izany atao hoe fanahy izany sa ny an'ny sasany ny fifandraisan'ny sainy amin'ny fanahiny ary ny an'ny hafa ny fanahy mazava tsy laitran'izay ota (nofo saina ota)?

Ilay fitaizam-panahy mihitsy izany no tiana tsindriana eto e! Efa betsaka no nahatsapa fa miaraka amin'ny Tompo nefa rehefa mitory dia lasa tsy lalimpaka mihatra ao anatin'ny olona ilay fampianarana. Dia mila miova endri-pampianarana mihitsy raha tiana ho tafapaka ilay izy.

17. RBNIR ( 17/03/2013 05:00)
Miharena:

Iza moa no milaza fa tsy efa eto IZY fa mbola andrasana ahoana ny fiverenaNY?

Faly miarahaba namana,
Afangaronao ny hoe Jesosy velona ao amin-tsika sy ny fiverenany ara-batana indray (iry lazaiko ery ambony).
Samia ho tahin'ny Tompo namana
18. Miharena ( 17/03/2013 06:14)
RBNIR:

Afangaronao ny hoe Jesosy velona ao amin-tsika sy ny fiverenany ara-batana indray (iry lazaiko ery ambony).
Samia ho tahin'ny Tompo namana


Hazavao tsara àry namana hoe Jesoa ara-batana sa ara-panahy no niseho tamin'ny mpitory ny Vitao ny Asan'ny Fahamarinana raha azonao hadihadiana?
19. RBNIR ( 17/03/2013 12:27)
Miharena:

RBNIR:

Afangaronao ny hoe Jesosy velona ao amin-tsika sy ny fiverenany ara-batana indray (iry lazaiko ery ambony).
Samia ho tahin'ny Tompo namana


Hazavao tsara àry namana hoe Jesoa ara-batana sa ara-panahy no niseho tamin'ny mpitory ny Vitao ny Asan'ny Fahamarinana raha azonao hadihadiana?

Faly misera aminao hatrany namana,
Aza afangaro koa namana ny fahatongavan'ny Tompo mifidy olomboafidy (toy ny nitranga tamin'ny apostoly paoly) sy ilay FIVERENANA LEHIBE (voalazany koa hoe ANDRON'NY TOMPO = JOUR DU SEIGNEUR izay voalazako ery ambony.

Samia ho tahin'ny Tompo namana
20. Miharena ( 17/03/2013 16:35)
Misaotra anao namana amin'ny fanazavanao.

Fa ity misy zavatra mampanontany ahy hatrany: nahatsiaro tsara aho tamin'ny hidirana ny taona 2000, izay talohan'izay ny Mpitandrina malaza teo amin'ny fitorianteny dia efa nametraka tsara hoe efa feno ny famantarana rehetra hahatongavan'ny farany ary nanitrikitrika izy tamin'ny faran'ny taona 1999 hoe hitsena an'i Jesoa eny amin'ny rahon'ny lanitra ny mpino rehetra amin'ny taona hitsidika.

Tsy nisy zavatra niseho anefa tamin'izay ary iarahana mahita fa efa 13 taona aty aoriana isika ankehitriny, ary efa nisy ihany koa ny nametraka hoe 2012 ilay izy.

Ka eo no tiana hotsindriana hoe : ilay endrika toy ny ahoana marina ilay fisehoana namana a!

Misy mahazo antoka ve isika hoe efa nomena fahitana momba izany? Sa sanatria fanehoana illusion no misy fa tsy mifanentana amin'izay voafariparitra tao anaty Baiboly?

Ankehitriny ohatra ny iraka azon'ny namana Tsaratsara dia amin'ny 2017 indray no hisy ny haizina fanambaràna ny farany. Mety mifanojo ve ny resaky ny namana VAF sy izay naniraka ireo Apostoly nampijoro teto Madagasikara ny Fifohazana sy izao fantatsika mipoitra etsy sy eroa izao?

IO no tiana mba ametrahan'ny namana concordance de paroles e!

Misaotra mialoha ny amin'ny fametrahana valiny mahafa-po sahady.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1408