Ny miteny @ teny tsy fantatra

1. Nehemiah ( 12/03/2013 07:04)
1 Kor. 14:22 : "Koa ny fiteny tsy fantatra dia famantarana amin’ ny tsy mino, fa tsy amin’ ny mino; fa ny faminaniana kosa dia amin’ ny mino, fa tsy amin’ ny tsy mino."

Rehefa zohintsika ny Asa. 2:7-12 dia azontsika ny tian'i Paoly tenenina eto : nifampiresaka t@ olona avy @ firenena maro samihafa t@ tenin-drazany izay tsy nianarany ny Apôstôly nilatsahan'ny Fanahy Masina t@ andron'ny Pentekôsta, na dia tsy nahafantatra an'ireo fiteny ireo izy ireo, mba ho mora tafita ny hafatry ny famonjena sady ho famantarana ho azy ireo @ asan'ny Fanahy Masina sy ny nisokafan'ny famonjen'Andriamanitra ho an'ny olombelona rehetra.

Ka inona izany no dikan'ireo "Manamanamanamanasônilisa menemenemenemenemene" ataon'ny "fiangonana zandriny" sasany ? Tsy avy @ Fanahy Masina ireny, ka ny dikan'izay dia na adala ireo olona ireo, na iasan'ny fanahy ratsy.

Ka aoka antsika hitandrina ka hamantatra ny tena marina.
novalian'i Miharena ny 13/03/2013 14:53
2. RBNIR ( 12/03/2013 11:32)
Nehemiah:

Ka inona izany no dikan'ireo "Manamanamanamanasônilisa menemenemenemenemene" ataon'ny "fiangonana zandriny" sasany ? Tsy avy @ Fanahy Masina ireny, ka ny dikan'izay dia na adala ireo olona ireo, na iasan'ny fanahy ratsy.

Ka aoka antsika hitandrina ka hamantatra ny tena marina.

AZA MITENITENY FOANA NAMANA,

TSY FANTATRAO IZAY ZAVATRA LAZAINAO,
OTA MAHAFATY NO ATAONAO ARY TENA MAHAVERY ANY AMIN NY AFOBE.
MIBEBAHA IANAO AMIN IO FAHOTANAO IO.
REHEFA TSY MINO ARY TSY MAHAFANTATRA DIA ALEO MANGINA

FITIAVAKO ANAO NO ILAZAKO IZANY.

TOROHEVITRA ATOLOTRA AMPITIAVANA : RAHA IZAHO ISIKA TSY MANOKATRA LOHAHEVITRA MOMBA NY FANAHY MASINA ETO FA RAHA HITORY IANAO DIA ALEO FANDAHARANA NO ZARAINA FARAFAHARATSINY FA TSY ATAO ADY HEVITRA AMIN NY FORUM ILAY IZY.
« fa izay miteny ratsy ny Fanahy Masina kosa dia tsy mahazo famelan-keloka mandrakizay, fa miendrika hohelohina ny amin'ny ota mandrakizay izy; izany no nolazainy, » (Mar.3:29)
« Fa na zovy na zovy no hanao teny hanohitra ny Zanak'olona dia hahazo famelan-keloka; fa izay miteny ratsy* ny Fanahy Masina dia tsy mba hahazo famelan-keloka.» (Lio.12:10)

SAMIA HO TAHIN NY TOMPO DAHOLO
3. RBNIR ( 12/03/2013 11:38)

4. RBNIR ( 12/03/2013 11:39)

5. mirananirina ( 12/03/2013 11:44)
hihihi efa niditra fiangonana @ io miteny tsy fantatra io tokoa aho taloha (izany hoe te ahalala fotsiny nidirako tao) dia mitabataba be mht mankarenintsofina izy mianakavy ary tsy mitovy ny zvt lazainy sy hambarany dia hoy aho anakamboko hoe iza no henoin'Atra @ izao? miaraka @ fihetsika koa izy ireo @ io!
Rehefa nanontany moa aho avy eo dia novaliandry zareo fa fanahy masina no miteny @ alalany fa tsy ry zareo dia variana tokoa aho satria tsy azoko ilay tian'ny fanahy masina ambara
6. didi10 ( 12/03/2013 13:30)

Nehemiah:

1 Kor. 14:22 : "Koa ny fiteny tsy fantatra dia famantarana amin’ ny tsy mino, fa tsy amin’ ny mino; fa ny faminaniana kosa dia amin’ ny mino, fa tsy amin’ ny tsy mino."

Rehefa zohintsika ny Asa. 2:7-12 dia azontsika ny tian'i Paoly tenenina eto : nifampiresaka t@ olona avy @ firenena maro samihafa t@ tenin-drazany izay tsy nianarany ny Apôstôly nilatsahan'ny Fanahy Masina t@ andron'ny Pentekôsta, na dia tsy nahafantatra an'ireo fiteny ireo izy ireo, mba ho mora tafita ny hafatry ny famonjena sady ho famantarana ho azy ireo @ asan'ny Fanahy Masina sy ny nisokafan'ny famonjen'Andriamanitra ho an'ny olombelona rehetra.

Ka inona izany no dikan'ireo "Manamanamanamanasônilisa menemenemenemenemene" ataon'ny "fiangonana zandriny" sasany ? Tsy avy @ Fanahy Masina ireny, ka ny dikan'izay dia na adala ireo olona ireo, na iasan'ny fanahy ratsy.

Ka aoka antsika hitandrina ka hamantatra ny tena marina.

Marka 3;29
29 fa izay miteny ratsyny Fanahy Masina kosa dia tsy mahazo famelan-keloka mandrakizay, fa miendrika hohelohina ny amin'ny ota mandrakizay izy;

I Kor 2,14
14 Fa ny olona izay araka ny nofo ihany dia tsy mba mandray izay an'ny Fanahin'Andriamanitra; fa fahadalana aminy izany sady tsy azony, satria araka ny Fanahy no amantarana izany. 15 Fa ny olona araka ny Fanahy kosa dia mahafantatra ny zavatra rehetra, kanefa izy tsy fantarin'olona. 16 Fa "iza no nahafantatra ny sain'ny Tompo mba hampianatra Azy?" (Isaia 40:13) . Fa izahay manana ny sain'i Kristy.

7. Miharena ( 12/03/2013 17:44)
Mila anontaniana izay miteny amin'ny teny tsy fantatra hoe inona no hitany sy tsapany aryfantany tsara ve hoe iza no itenenany sy miteny aminy ary inona no ifampiresahany?

Raha mamaky ireny atao hoe canalisation ireny isika dia mahita tsara fa mirindra ara-dalàna ny rohin-kevitra mivaoka avy ami'nizy ireo. Ny an'ny miteny amin'ny fiteny tsy fantatra sasany anefa dia tsy misy rindra mazava akory izay ambarany.

Ka raha mazava tsara ny zavatra teneniny rehefa adika teny hay henoina dia avy amin'ny Fanahy Masina tokoa izy izay. Ny ankoatr'izay dia filtre na fivoahan'ny angona nataon'ilay olona nandritra ny andro niainany.
8. Nehemiah ( 13/03/2013 05:58)
Miharena >> Mety izay fivoahan'ny angona nataon'ilay olona nandritra ny andro niainany koa izany. Fa na izany na tsy izany dia midika fa tsy mba ny Fanahy Masina no mitarika azy ireo.

RBNIR & Didi10 >> Tsy azoko mihitsy ny réaction-nareo. Mba azonareo hazavaina misimisy kokoa ve taiza no "niteny ratsy t@ Fanahy Masina" aho ? Satria fiampangàna henjana be izany.
Tsy nanao afa-tsy ny nanatsoaka hevitra mitombina avy @ Soratra azo t@ tsindrimandrin'ny Fanahy Masina aho.
9. RBNIR ( 13/03/2013 06:09)
Faly miarahaba namana,
Inona ny atao hoe miteny ratsy ny FANAHY MASINA?
Fanahy Masina no ao amin'ilay olona nefa lazainao fa hoe fanahy ratsy, na koa lazainao fa lasa adala ilay olona.
Samia ho tahin'ny Tompo namana
10. Nehemiah ( 13/03/2013 06:13)
Ay ve ? Ka ny Baiboly anie no nanatsoahako an'izay hevitra izay : tsy mba ny Fanahy Masina no miasa ao aminy. Raha handiso ahy ianao dia tokony miainga avy @ Baiboly.
11. smileyah ( 13/03/2013 06:20)
Ny fahazahoako an'ilay hoe miteny @ teny tsy fantatra aloha dia; ohatra hoe: misy pasitera vahiny hitory teny eto Mada ka mitory izany @ fitenintsika izay azon'ny olona rehetra, nefa tsy nianatra izany izy. Izany dia asan'ny Fanahy Masina.
Ohatra koa hoe Gasy mitory teny @ vahoaka manatrika azy, ary eo @ vahoaka misy karazan'olona hafa fiteny ka miteny ny fitenin'ireo olona ireo ilay mpitory mba hahazahoany azy, nefa ilay mpitory tsy nianatra ilay fiteny. Izay koa dia asan'ny Fanahy Masina.
12. RBNIR ( 13/03/2013 06:25)
Nehemiah:

Ay ve ? Ka ny Baiboly anie no nanatsoahako an'izay hevitra izay : tsy mba ny Fanahy Masina no miasa ao aminy. Raha handiso ahy ianao dia tokony miainga avy @ Baiboly.

Niainga avy tamin'ny fitenenana ratsy an'i Jesosy Tompo ilay mar.3:29.
Vakio ny andininy eo alohan'io teny io dia ho fantatrao ny hoe MITENY RATSY.
Samia ho tahin'ny Tompo namana
13. jajajaly ( 13/03/2013 09:21)
Natao hitoriana ny vaovao tsara ny teny (samihafa na tsy fantatra) taloha. Ny Jiosy ihany no nasain’i Jesosy nitorian’ny mpianany, tamin’ny voalohany. (Matio 10:6; 15:24) Tsy dia nandeha ivelan’ny faritanin’ny Jiosy àry izy ireo. Niova anefa izany.
Taorian’ny nitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty tamin’ny taona 33, dia nirahiny ny mpanara-dia azy mba hanao “mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra.” Nilaza koa izy fa ho vavolombelony “any amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany” izy ireo. (Matio 28:19; Asan’ny Apostoly 1:8) Mba hahavitana izany, dia nila nahay fiteny hafa ankoatra ny teny hebreo izy ireo.
‘Tsy dia nahita fianarana sady olon-tsotra’ anefa ny ankamaroan’ireo mpianatra. (Asan’ny Apostoly 4:13) Ahoana àry no hitoriany any amin’ny faritra lavitra, nefa ny fiteny any aza tsy hainy na mbola tsy henony mihitsy? Nahazo fahaizana mahagaga avy amin’ny fanahy masina ny sasany tamin’ireo Kristianina be zotom-po ireo, ka afaka nitory tamin’ny fiteny tsy nianarany akory.
Antony lehibe roa àry no nilana ny fitenenana amin’ny teny samihafa. Voalohany, famantarana izy io fa nankasitrahan’Andriamanitra ireo Kristianina fa tsy ny Jiosy ara-nofo intsony. Faharoa, tena nilaina izy io mba hitoriana tamin’ny olona samihafa fiteny. Mahafeno an’ireo fepetra roa ireo ve ny fivavahana miteny amin’ny teny tsy fantatra ankehitriny?

14. didi10 ( 13/03/2013 10:33)

jajajaly:

Aza afangaro fa samihafa ireto:

1- Fiteny amin'ny fitenim-pirenena samihafa = fiteny fantatra (Asa 2)
Mazava eto fa niteny tamin'ny fiteny fantatra ny Apostoly satria samy nahalala ny tenin-drazany avy izay naheno

2- Fiteny amin'ny teny tsy fantatra (fitenin'ny anjely fa tsy fitenin'olona )
I kor 14,2
2 Fa izay miteny amin'ny fiteny tsy fantatra dia tsy miteny amin'olona, fa amin'Andriamanitra; fa amin'ny fanahy no itenenany zava-miafina, ka tsy misy olona mahalala;
15. jajajaly ( 13/03/2013 10:44)
Efa hitantsika fa ny antony faharoa nitenenan’ny Kristianina fahiny tamin’ny fiteny samihafa dia mba hitoriana. Ary ahoana ireo mpivavaka miteny amin’ny teny tsy fantatra ankehitriny? Mampiasa izany mba hitoriana amin’ny olona samihafa fiteny ve izy ireo? Tadidio fa avy any amin’ny tany maro ireo olona tonga tao Jerosalema tamin’ny Pentekosta taona 33, ary azon’izy ireo tsara ny fiteny samihafa nampiasan’ireo mpianatra nilatsahan’ny fanahy masina. Tsy mba toy izany anefa ankehitriny. Tsy misy heviny sady tsy misy mahazo akory izay lazain’ireo miteny amin’ny teny tsy fantatra.
Tena tsy mitovy amin’ny fiteny samihafa nampiasain’ny mpianatr’i Jesosy nahazo fanahy masina, ny fiteny tsy fantatra ankehitriny. Raha ny marina dia tsy voalaza intsony hoe nisy olona nahazo an’izany fahaizana miavaka izany, rehefa maty ny apostoly. Tsy mahagaga an’ireo mpamaky Baiboly izany. Nilaza mantsy ny apostoly Paoly fa “hitsahatra” ireo fahaizana mahagaga, toy ny fitenenana amin’ny teny samihafa. (1 Korintianina 13:8)
16. Nehemiah ( 13/03/2013 12:48)

didi10:

Aza afangaro fa samihafa ireto:

1- Fiteny amin'ny fitenim-pirenena samihafa = fiteny fantatra (Asa 2)
Mazava eto fa niteny tamin'ny fiteny fantatra ny Apostoly satria samy nahalala ny tenin-drazany avy izay naheno

2- Fiteny amin'ny teny tsy fantatra (fitenin'ny anjely fa tsy fitenin'olona )
I kor 14,2
2 Fa izay miteny amin'ny fiteny tsy fantatra dia tsy miteny amin'olona, fa amin'Andriamanitra; fa amin'ny fanahy no itenenany zava-miafina, ka tsy misy olona mahalala;

Mamorona fahasamihafàna any @'izay tsy misy fahasamihafàna ianao : izao no lazain'ny dikan-teny Segond @ 1 Cor. 14:2 : " En effet, celui qui parle en langue ne parle pas aux hommes, mais à Dieu, car personne ne le comprend, et c’est en esprit qu’il dit des mystères." Ka ilay "tsy misy olona mahalala" eto dia ny vahiny manatona. Izay foana no mahatonga ny hoe diniho tsara ny contexte sao miteniteny foana.
17. RBNIR ( 13/03/2013 12:59)
Fiteny tsy fantatra dia tena tsy misy olona mahafantatra tokoa.
teny anglisy : fantatr'ireo anglisy sy izay nianatra azy
teny frantsay: fantatr'ireo frantsay sy izay nianatra azy
teny japonais : fatatr'ireo japonais sy izay nianatra azy
dia toy izay, raha mbola fitenina firenena anankiray eto an-tany dia mbola misy olona mahafantatra izay,
Ilay teny ao @ 1 Kor.14:2 no mahafehy azy.

Ny Tompo anie, hanazava ny saintsika tsi11 avy,

Samia ho tahin'ny Tompo daholo
18. Nehemiah ( 13/03/2013 13:40)
I RBNIR angaha mahafantatra teny tagalog na urdu na guarani ?
19. RBNIR ( 13/03/2013 13:44)

Nehemiah:

I RBNIR angaha mahafantatra teny tagalog na urdu na guarani ?

Tsy fantatro ireo namana, saingy raha mbola fantatrao kosa ny dikan'ireo dia tsy mbola ilay resahina satria ianao dia mbola olona ihany ary ilay tenin'Andriamanitra dia milaza hoe "ka tsy misy olona mahalala".

Samia ho tahin'ny Tompo e
20. Nehemiah ( 13/03/2013 13:48)
Arahabaina ianao minia tsy mahita ny hevitra napetrako tetsy ambony izay efa manohitra an'izay hevitrareo izay.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.2617