Ny miteny @ teny tsy fantatra

21. Miharena ( 13/03/2013 14:53)
Na izany aza dia afaka hatrany isika hoy aho mamantatra hoe avy aiza ilay teny rehefa tena miresaka sy mizara an-kitsimpo ilay manao izany.

Ohatra : Nenilava sy Tsaratsara dia nampianarina fiteny tsy fantatra ary miresaka amin'izany fiteny izany amin'izay nampianatra azy.

Dia tsara atonina ireo olona ireo anontaniana hoe inona no dikan'ny teny iresahany fa mety liana ny mpino amin'izay hafatra lazainy.

Ao koa anefa dia misy tokoa Fanahy izay miteny amin'ny teny fantatra tsara sy mazava tsara . Dia henoina izay ambarany sy zarainy ary tsy misy afa-tsy amin'ny alalan'ny famakiana izay ambara ka hita fa marina no azo raisina ho Fanahy Masina. Tsy mitsara ihany koa rehefa mihaino ireny fanambarana isan-karazany ireny fa mivavaka mba hiparitaka izay fahamarinana tokony hivoitra amin'izy ireny sy ny ezaka nataon'ilay Mpampita hafatra.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0071