Mitoriteny n'aiza n'aiza

1. toriteny ( 06/03/2013 02:57)
Indray mandeha aho nandeha teny Antanimena teny dia nisy lehilahy izay, nanao fitafiana mihaja (Jean, lobaka, adidas), nipetraka tamin'ny tany teo akaikin'ireo mpangataka eo ampitan'ny EKAr ireo ary nitoriteny tamin'izy ireo .

Dia tonga dia nanindrona be ny FAnahy izay tato anatiko hoe ahoana ianao amin'izao? Fa tonga aho dia niondrika satria fantatro ny zavatra tiany notenenina ary tena menatra be nyTompo aho tamln'izany ary niteny fa tsy maintsy ho vitako ihany koa izao. Mbola tsy vitako moa ilay izy mandrak'ankehitriny fa nataony tonga ato an-tsaiko indray ilay izy androany maraina ka angamba fotoazny izao.

Inona ny hafatra tiako ampitaina? Nisy pasitera izay nampianatra anay (mety efa misy mahalala hoe iza :) )dia hoy izy: gaga mihitsy angamba hoy izy, ireo olona any Foulpointe, sy VAtomandry sy MAjunga hoe fa angaha ary izahay no toerana be devoly be indrindra eto MAdagasikara fa rehefa miantafika ry zareo ao Antanananrivo (ny sampana rehetra mihitsy) dia aty aminay foana ry zareo no mandeha isan-taona.

Noho izany; aza dia variana eto Andrenivohitra sy eto amin'ny forum eto re ry olona fa ny olona eto efa mahalala an'i Jesosy avokoa hatramin'ny fahakeliny fa adalana ny azy raha tsy mbola hiditra amin'ny famonjena izy fa ny 90% ny effort ntsika hitoriana teny tokony any amin'izay mbola tsy manana ny fahazavana mihitsy (mpanompo sampy, any ambanivohitra be mbola mivavaka amin'ny razana, ny dahalo sy mpanao sitomahery, ny any am-ponja) dia ny 10% no fanintsiana izay diso sy hanosihana izay mbola tsy tapa-kevitra tsara hiditra ao Aminy

FA hiverenako ilay mahantra. Ireny no tokony hataontsika priorité sy ny zokiolona. Ny zokiolona satria efa masoandro milentika ireny nefa mbola betsaka amin'izy ireo no tsy manana ny Tompo ary ny mahantra eny an-dalana mba tsy ho voailikilika satria tena hadino izy ireny sy tsy tsarovana mihitsy raha tsy krismasy hoentina hisehosehoana hoe nanome fanomezana ianao.

Fa efa ratsy ny fiainany teto an-tany, au moins fiainany any aoriana no tsara.

novalian'i niryna ny 21/03/2013 04:46
2. toriteny ( 06/03/2013 03:02)
tsy mety angamba ilay 90-10% é fa andao atao 75, 25%
3. didi10 ( 06/03/2013 06:01)
Ho an'Andriamanitra irery ny voninahitra fa afaka ijoroako vavolombelona fa efa nitory Teny nandeha irery teny Analakely teo anoloan'ny Naza taloha ny tenako, ankoatry ny fitoriana ankalamanjana miaraka amin'ny fiangonana.

Tsy hoe fireharehana sanatria fa hanaporofoana amintsika fa tsy maha-menatra ny mitory ny Tenin'Andriamanitra na aiza na aiza misy anao.

Tsy mampalahelo antsika ve ny mahita ireo olona variana amin'ny "magie - magie" eny Analakely eny? raha samy hitangorongorona ihany tsy aleo ve mihaino ny Tenin'Andriamanitra?
4. Tefigasy ( 06/03/2013 07:04)
didi10:

Mialatsiny amin'ny mpanokatra lohahevitra fa hanararaotra kely ity tenin'ity ranamana iray ity eto aho.

Toaizao hevitrao izao indrindra no anisany nakan'ny kristianina hankalazana an'i Jesoa noho ny fahaterahany isaky ny 25 Desambra rehefa nanao ny ataony ny jentilisa. Averiko le teninao eo ambony hoe
didi10:

raha samy hitangorongorona ihany tsy aleo ve mihaino ny Tenin'Andriamanitra?

Dia aza manamafy fo intsony fa raha samy hanao fety ihany ve tsy aleo tsindrina amin'ny fiderana ny Tompo ny ataon'ny jentilisa rehetra e ! Sur nama a!
5. toriteny ( 06/03/2013 07:19)

Tefigasy:

didi10 anie efa niova fijery e. Izany moa didi ô?
6. toriteny ( 06/03/2013 07:49)
Fa hiverenako ilay resak'i didi10, ilay mitory teny eny an-dalana sy an-kalamanjana. Ianareo ve tsy mahita hoe perte de temps ilay izy? Fa tsy rarahin'ny olona akory fa presque ankizy daholo ny mijery an'ireny? SA mba misy résultat ihany ry didi10?

FA raha izaho izao no hitory eny an-dalana dia ohatran'ilay cas an'ilay lehilahy tetsy Antanimena no ataoko. Tena hoe manokana 30 min à 1h00 na mihoatra isaky ny olona iray dia tena raha tsyresy lahatra izy tsy miala eo sy mifindra amin'ny anakiray. Hitako izay aloha no sur kokoa hoe misy fanahy voavonjy toy izay ilay hitatatata eo nefa tsisy mihaino akory ianao, tsisy olona nandray famonjena na iray aza.
7. hery ( 06/03/2013 08:33)
Ary raha ny toetrantsika no entina mitory teny voalohany?

Ilay namana niakanjo tsara nipetraka nitory teny tamin'ireo mpangataka izao dia nety ny nataony. Fa mety ho tsara kokoa raha toa ka tena nanao asa fiantrana ilay ranamana dia mety ho gaga ny mpangataka hoe fa iza ary ity? Fa inona no misarika ny fony hampiseho fitiavana toa izao? Dia farany izy tonga saina hoe hay tsara izany Jesoa izany, hay mahafinaritra izany Kristianina izany.

Dia miverina amin'ny tenin'ilay rangahy iray izay hoe "Ny ifankatiavanareo no hahalalàna hoe mpianatro ianareo"

Amiko dia fitorianteny tena goavana koa ny fanehoana fitiavana.
8. toriteny ( 06/03/2013 09:14)

hery:

Nanao asa fiantrana izy ka. Nisy mofo tapany teny an-tanan'ilay ramatoa mpangataka. Ataonao ahoana koa moa ny hijery azy tsy hihinana nefa ianao any am-poketranao au moins manana 25 000 fmg? Izany ve tsy fitiavan-tena tsotra izao?

Na olona tsy manana ny Tompo aza angamba mba manome ihany rehefa mandalo satria malahelo na dia amin'ny maha olombelona fotsiny ihany aza. Fa ilay izy nandany fotoana, nipetraka tamin'ny tany tsy niraharaha izay akanjony haloto no tena mampite hidera sy tsara ho fangala-tahaka
9. hery ( 06/03/2013 09:39)
Izaho tena midera an'ireny olona ireny aloha e. Fa fotsiny hoe raha maka tahaka an'ireny olona ireny ianao dia asehoy foana hoe tsy teny fotsiny no maha kristianina fa fiainana mihitsy.

Ny vavaka dia tolona fa tsy sento hoy ilay ranamana izay. Fa misy dia misy ny olona azo alaina tahaka izay niara-nihosona tamin'ny mahantra, tsy niraharaha izay momba azy intsony, sns. Ny taloha ohatra nisy an'izany Francois d'Assise izany, fa taty aoriana koa nisy an-dry Mère Théresa de Calcuta, ry Père Pedro Andralanitra sns.
10. didi10 ( 06/03/2013 09:54)

toriteny:

Fa hiverenako ilay resak'i didi10, ilay mitory teny eny an-dalana sy an-kalamanjana. Ianareo ve tsy mahita hoe perte de temps ilay izy? Fa tsy rarahin'ny olona akory fa presque ankizy daholo ny mijery an'ireny? SA mba misy résultat ihany ry didi10?

Mahagaga raha avy amin'ny namana milaza azy ho Toriteny no milaza fa perte de temps ny fitoriana ankalamanjana.
Afaka mijoro vavolombelona aminao aho fa maro ny olona resy lahatra sy manolo-tena ho an'Andriamanitra rehefa manao fitoriana toy ireny, na ny fahenoana ny Tenin'Andriamanitra fotsiny aza dia afaka hanova ny fiainana sy famindran'ny olona iray.

toriteny:

FA raha izaho izao no hitory eny an-dalana dia ohatran'ilay cas an'ilay lehilahy tetsy Antanimena no ataoko. Tena hoe manokana 30 min à 1h00 na mihoatra isaky ny olona iray dia tena raha tsyresy lahatra izy tsy miala eo sy mifindra amin'ny anakiray. Hitako izay aloha no sur kokoa hoe misy fanahy voavonjy toy izay ilay hitatatata eo nefa tsisy mihaino akory ianao, tsisy olona nandray famonjena na iray aza.

Ka en 2 temps anie ilay izy e! mitory ianao aloha, asaina manantona na mananga-tanana izay resy lahatra ka hanolo-tena ho an'ny Tompo, dia avy eo resahana sy entina am-bavaka tsirairay.
11. bor2lais ( 06/03/2013 09:58)
H.S
hery:

Ny vavaka dia tolona fa tsy sento hoy ilay ranamana izay.

Mba aiza tokoa iny ranamana iny izay ? :-)

Ny finoana tsy arahin'asa koa ange maty e ! ;-)
12. toriteny ( 06/03/2013 10:05)
Ny zavatra teneninao fiainana isan'andro ny maha kristianina fa ny tiako havoitra eto indrindra indrindra dia ilay hoe mandehana mitoria teny fa aza mihonona fotsiny hoe efa tany am-piangonana tamin'ny alahady na sabata na hoe anjaran'ny pasitera sy ny mompera izany

Fa miteny fiainana ny maha mpanaradia ny Tompo ianao, tokony Jesosy irery ihany no alain-tahaka fa tsy olona.
Ny mission anao eto ambonin'ny tany mety tsy hitovy amin'ny mission an'ireo olona notanisainao eo ambony ireo ka hoe handeha hanao trano be dia be ho an'ny mahantra toy ny Père Pedro koa aho nefa ny nanirahana anao dia ny hiparitahan'ny filazantsara erak'izao tontolo izao.

FA n'inon'inona mission anao, aza maka tahaka olona fa izay mahamendrika anao eo anatrehan'ilay Jesosy ao anatinao atao.
13. toriteny ( 06/03/2013 10:13)

didi10:

toriteny:

Fa hiverenako ilay resak'i didi10, ilay mitory teny eny an-dalana sy an-kalamanjana. Ianareo ve tsy mahita hoe perte de temps ilay izy? Fa tsy rarahin'ny olona akory fa presque ankizy daholo ny mijery an'ireny? SA mba misy résultat ihany ry didi10?

Mahagaga raha avy amin'ny namana milaza azy ho Toriteny no milaza fa perte de temps ny fitoriana ankalamanjana.
Afaka mijoro vavolombelona aminao aho fa maro ny olona resy lahatra sy manolo-tena ho an'Andriamanitra rehefa manao fitoriana toy ireny, na ny fahenoana ny Tenin'Andriamanitra fotsiny aza dia afaka hanova ny fiainana sy famindran'ny olona iray.

toriteny:

FA raha izaho izao no hitory eny an-dalana dia ohatran'ilay cas an'ilay lehilahy tetsy Antanimena no ataoko. Tena hoe manokana 30 min à 1h00 na mihoatra isaky ny olona iray dia tena raha tsyresy lahatra izy tsy miala eo sy mifindra amin'ny anakiray. Hitako izay aloha no sur kokoa hoe misy fanahy voavonjy toy izay ilay hitatatata eo nefa tsisy mihaino akory ianao, tsisy olona nandray famonjena na iray aza.

Ka en 2 temps anie ilay izy e! mitory ianao aloha, asaina manantona na mananga-tanana izay resy lahatra ka hanolo-tena ho an'ny Tompo, dia avy eo resahana sy entina am-bavaka tsirairay.

Tady hiverina indray ilay didi taloha mora tezitra. Za anie manontany fotsiny é! Tsara rehefa misy vokatra ilay izy ka. Fa raha ilay olona mitoriteny ankalamanjana aty aminay aloha dia mahakivy fa mandeha ny olona dia miantsena dia ny sasany miandry bus dia ny sasany misotro toaka eo akaiky eo.
14. Miharena ( 07/03/2013 05:30)
Ny tsy mety amin'ny fomba fitoriana teny dia rehefa tsy nampamory olona hitoriana ianao. Dia izay no mahatonga anao ho kivy mijery hoe ny sasany manao izatsy sy izaroa io.

Raha tena te-hitory teny ianao amin'ireny olona ireny dia aleo aza miaraka aminy mihitsy ; ohatra te-hitory teny ao amin'ny bar ianao, dia antsoy aloha ny namanao fantatrao fa mpisotrosotro handeha ao amin'ny bar dia miaraka manangana vera aminy ao ianao (tsy voatery mandray alikaola amin'izay) avy eo miresaka satria ao anaty vera hono ny fahamarinana. Ny namana mpisotro ireny manko rehefa tena zohina dia miteny amin'ny fanahiny ary izay alentikao mandritra iny fotoana iny dia voarainy tsara avokoa.

Raha toa indray olon-tsotra no hitorianao, dia mila manetry tena aloha ary mijery hoe inona no mahatery io olona io. Avy eo vao mampiditra tsikelikely ny Fitiavan'Andriamanitra.

Ary raha mitory dia fitiavan'Andriamanitra resahana fa aza miresaka mihoatra an'izay raha tsy hoe manontany anao ny namana.
15. sitlo ( 08/03/2013 01:18)
Toriteny> Ary raha ilay nahatonga ny fahantrana ho ezahina vahana?
16. toriteny ( 08/03/2013 07:25)

sitlo:

Toriteny> Ary raha ilay nahatonga ny fahantrana ho ezahina vahana?

RAha za manokana aloha no teneninao ny fiainana mandrakizay ny ahy no ezahiko atoro ny manodidina ahy sy ny havako fa tsy dia ilay fiainana eto an-tany loatra ka na dia hahantra toy ny inona aza aho tsy dia olana amiko raha izay no sitrany amin'ny fiainako rehefa voavonjy fotsiny ny fanahiko.
17. sitlo ( 08/03/2013 07:54)
Ka raha izany, inona no antony hanindriana ny fahantran'ireo olona ireo?
18. Nehemiah ( 11/03/2013 05:36)

toriteny:

ny 10% no fanintsiana izay diso sy hanosihana izay mbola tsy tapa-kevitra tsara hiditra ao Aminy

Tiako marihina fa natao ho an'ny kristiana rehetra ny 1 Pet. 3:15 sy 2 Kor. 10:5
19. toriteny ( 12/03/2013 07:56)

sitlo:

Ka raha izany, inona no antony hanindriana ny fahantran'ireo olona ireo?

Fa maninona no hoe manindry? Diso ve izany ilay nitory teny taminy sa hoe tsy tokony hanome vola sy hanina rehefa mandalo mpangataka ny kristianina? Dia ataonao aiza ny MAt25:35: "fa noana Aho , dia nomenareo hanina ; nangetaheta Aho dia nampisotroinareo ; nivahiny Aho , dia nampiantranoinareo "
20. toriteny ( 12/03/2013 08:03)

Nehemiah:

toriteny:

ny 10% no fanintsiana izay diso sy hanosihana izay mbola tsy tapa-kevitra tsara hiditra ao Aminy

Tiako marihina fa natao ho an'ny kristiana rehetra ny 1 Pet. 3:15 sy 2 Kor. 10:5

Afaka azavainao ve azafady ny tianao tenenina amin'nireo andininy 2 ireo?
1Pet3:15: "fa manamasina an'i Kristy ho Tompo ao am-ponareo (Isa. 8. 12, 13); ary aoka ho vonona mandrakariva ianareo hamaly izay manontany anareo ny amin'ny anton'ny fanantenana ao anatinareo , nefa amin'ny fahalemem-panahy sy ny fanajana"
2 Kor. 10:5: "fa mandrava ny fisainana sy ny zavatra avo rehetra izay atsangana hanohitra ny fahalalana an'Andriamanitra izahay ka mamabo ny hevitra rehetra hanaiky an'i Kristy"
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 1.2931