Tompo sy Mpamonjy

1. Tefigasy ( 17/02/2013 14:02)
Rehefa teraka tao amin’i Kristy ny olona iray noho ny fanekeny Azy ho Tompo sy Mpamonjiny dia manana andraikitra aminy i Jesoa mba hanapaka ny fiainany. Ary izay no antsoina hoe fahateraham-baovao.
Fa maninona moa no atao hoe Tompo sy Mpamonjy i Jesoa Kristy ?
Ny olombelona rehetra dia mpanota avokoa vokatry ny fahotan’I Adama sy ny vadiny (Rom.3:9-10) . Ary ny fahafatesana - izay midika ho fisarahana amin’Andriamanitra - no tambin’izany fahotana izany (Rom.6:23 - Gen.2:17). Rehefa voagejan'ny fahotana sy ny fahafatesana toa izany ny olombelona dia tsy maintsy mila mpamonjy raha te hiverina amin’ny fahavelomana indray; mba hanafaka azy amin’izany.Betsaka ny zavatra notadiavina sy nataon'ny olombelona mba hiverenany amin’izay toeran’ny fahavelomana izay indray toa ny fitandremana lalàna sy didy, andro sy datin'andro, sakafo, fombafomba maro isan-karazany, ... saingy tsy nisy nahavonjy ny olona ireny rehetra ireny. Tokana ihany ny lalana dia Jesoa Kristy (Jao.14:6) . Izy no hany mahavita manafaka antsika amin’izay fahafatesana izay satria Izy ihany no afaka manangana ny olona amin’ny maty, Izy ihany no afaka mamerina ny olona amin’ny fifandraisana amin’Andriamanitra Ray indray. Jesoa no nidina tety an-tany, nahafoy ny ainy mba hamonjy antsika. Noho izany Jesoa irery no afaka ato hoe Mpamonjy
Tompo ihany koa Izy satria ny rany no nividianany antsika mba tsy ho andevon’ny fahotana intsony (Asa.20:28) , hanala amin'ny rofin'ny fahafatesana.Koa satria efa novidiany tamin’ny rany ny olombelona mpanota dia Izy no mitantana sy miahy ny fiainantsika rehetra ary manam-pahefana amin’izay azy Izy. Izay no mahatonga Azy ho lasa Tompon’izay manaiky novidiany.
Apetraka ary ny fanontaniana, raha tena Tompo sy mpamonjinao marina Jesoa, Izy ve no tena mitantana ny fiainanao, avelanao ho vahany ve ny olanao rehetra, marina sy ekenao eo amin’ny fiainanao ve fa Jesoa no miantoka ny lafim-piainanao manontolo, na eo amin’ny vola, sakafo, fiarovana ny fananana, fianarana, asa…: Jesoa ve no mamaha ny olanao rehetra. Raha tena marina eo amin’ny fianantsika fa Tompo sy Mpamonjy Jesoa dia Izy no miantoka ny fiainantsika. Tsy manana mpiantoka hafa ankoatrany isika. Dia mandiniha tena eo amin’ny fiananao raha tena miantoka ny lafim-piainanao tokoa Jesoa eo amin’ny sehatra rehetra. Sao sanatria mbola misy zavatra hafa indray ampidirinao eo amin’izany fiainanao izany mba hiaro anao, hitadiavanao sitraka amin’Andriamanitra, hanananao fanasitranana, mba hananaona fitahiana sy ahazoana harena. Ny fanekena izay Jesoa ho Tompo sy mpamonjy izay dia tena zava-dehibe. Raha tamin’ny vanim-potoanan’ny fanenjehana ny kristianina fahiny, dia sarotra ny fitenenana hoe: Jesoa Kristy no Tompoko. Betsaka ny aina nafoy noho izany teny izany, ary ny ankamaroan’ireo mpianatra sy ny apostoly tamin’ny fiangonana voalohany dia maty maritiora avokoa. Fa isika kosa ankehitriny, efa ao anatin’ny fahalalahana amin’ny sehatry ny fivavahana, sao dia eo am-bava fotsiny no hanekentsika an’I Jesoa ho Tompo sy mpamonjy. Aoka ho ao anatinao ankehitriny fa raha tena Tomponao Izy, tena mpamonjinao, aoka ho Izy ihany no hibaiko sy hitondra anao amin’ny lafim-piainana rehetra fa tsy ny zavatra hafa atsofotsofoka hitadiavana famonjena indray, tsy ny zavatra hafa ezahinao tandremana sy fadiana, tsy ny fanaon'izao tontolo izao no hibaiko ny fanompoanao sy hitadiavanao 18 amin'Andriamanitra. Ampiharo, asehoy amin'ny fiainanao fa Jesoa no Tompo sy mpamonjinao fa tsy ny zavatra izay efa tsy nahitana famonjena taloha (lalàna, andro, sakafo, fombafomba... )satria tsy vitan'ny olona ny nanantanteraka izany, tsy ny fanaon'izao tontolo izao no mibaiko ny fanarahanao an'Andriamanitra ka rehefa manao ny fanaony izao tontolo izao(dadabenoely, famadihana, joro, ...) dia mangina sy misitrika ianao . Misaotra anao namaky sy hampiatra izany eo amin'ny fiainanao !
novalian'i Miharena ny 27/02/2013 02:28
2. didi10 ( 17/02/2013 15:04)
Lohahevitra: Tompo sy Mpamonjy

Misaotra ny namana amin'ny fanandratana an'i Jesoa fa izany tokoa no tokony ataontsika mpanara-dia Azy.

Fa maninona moa isika raha somary mandini-tena kely amin'io lohahevitra io?
raha Tompo sy Mpamonjy Izy dia isika izany inona?

Mazava fa mpanompo sy hovonjena

Mba efa nandinika ve isika hoe manao ahoana izany mpanompo izany?
Manana fahafahana sy fahefana ve izany? TSIA
Manan-tsafidy ve izany? TSIA
Afaka mandà na manova ny didin'ny Tompony ve izany? TSIA
Manana Obligation de résultat ve izany? ENY

Romana 6;16-23
16 Tsy fantatrareo va fa raha manolo-tena ho mpanompo hianareo na ho an'iza na ho an'iza, dia mpanompon'izay arahinareo hianareo, na ny ota ho amin'ny fahafatesana, na ny fanarahana ho amin'ny fahamarinana? 17 Ary isaorana anie Andriamanitra, fa na dia efa mpanompon'ny ota aza hianareo, ny fonareo dia efa nanaraka ny fomban'ny fampianarana izay nanolorana anareo; 18 ary rehefa natao afaka tamin'ny ota hianareo, dia tonga mpanompon'ny fahamarinana. 19 Miteny araka ny fanaon'ny fanaon'ny olona aho noho ny fahalemen'ny nofonareo; fa tahaka ny nanoloranareo ny momba ny tenanareo ho mpanompon'ny fahalotoana sy ny tsi-fanarahan-dalàna, dia mba atolory ankehitriny toy izany koa ny momba ny tenanareo ho mpanompon'ny fahamarinana hahatanteraka ny fahamasinana.
20 Fa fony mpanompon'ny ota hianareo, dia afaka tamin'ny fahamarinana. 21 Inona ary no vakatra azonareo fahiny tamin'izay zavatra mahamenatra anareo ankehitriny? fa fahafatesana ny hiafaran'izany zavatra izany. 22 Fa ankehitriny, rehefa natao afaka tamin'ny ota hianareo ka efa tonga mpanompon'Andriamanitra, dia manana ny vokatrareo ho amin'ny fahamasinana, ary ny farany dia fiainana mandrakizay. 23 Fa fahafatesana no tambin'ny ota; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika.

Amena!
3. Tefigasy ( 17/02/2013 15:41)
didi10 >> Afaka atao lohahevitra hafa ny amin'ny atao hoe mpanompo . Fa mba ny mikasika izay Tompoinao sy eritreretinao hamonjy anao aloha mba avoitra amin'ity lohahevitra ity raha mety. Ny ahy moa efa io ambony io ka isaorako ianao namaky izany !
4. toriteny ( 17/02/2013 15:58)
Io maha Tompon'ny fiainanao an'i Jesosy io no marika mampihavaka ny tena mandray an'ny Tompo sy ireo hovonjena sy ny kristianina sarintsariny izay mivavaka ihany sy mandalina ny baiboly ihany fa tsy ho voavonjy.

Ny fanekena ny Tompo tena hitondra ny fiainanao amin'ny lafiny rehetra (asa, fianarana,...) ka Izy no manapak'hevitra amin'ny décision tokony ho raisinao na dia eo amin'ny fiainana andavan'andro aza no tadiavin'ny Tompo amintsika fa tsy resaka finoana ihany ka hoe ny alahady na ny sabata ihany Izy no handrandraina fa au placard ny alatsinainy-->Zoma

Ary tena marina fa hita ety ivelany ny olona converti satria ny fihetsiny, ny fiteniny, ny fiakanjony mitory Azy avokoa.
5. Nehemiah ( 18/02/2013 07:03)

didi10:
Manana fahafahana sy fahefana ve izany? TSIA
Manan-tsafidy ve izany? TSIA

Tsy tokony adino kosa fa Fitiavana ny Tompontsika. Ary fitiavana izany dia tsy maintsy manome fahafahana. Fahafahana @ naha-mpanota antsika.

Mitombina ny andininy nomenao : lasa andevon'ny fahamarinana antsika ka lasa mandeha ho azy ny fanarahana ny sitrapon'Andriamanitra. Ka efa lasa torolalana ny Lalàna fa tsy fanerena an-kolaka intsony. Taloha, tsy maintsy mitandrina ny didy voa voavonjy (nefa tsy possible ho an'ny olombelona rahateo izany). Izao, manatanteraka ny sitrapon'Andriamanitra antsika satria efa novonjena ka i Andriamanitra no miasa ao anatintsika hahavitantsika an'izany fa tsy antsika intsony no miasa ho an'Andriamanitra.
Ka satria antsika efa eo ambany Fanekena vaovao dia tsy maintsy avahana ny tandindona sy ny aloka t@ Testamenta Taloha izay endrikendriky ny Asam-Pamonjena nataon'i Kristy sy ny Hazavàna izay nampanjavina an'ireo aloka ireo dia ny Fanekena Vaovao @ Kristy.

Ny fahasoavan'Andriamanitra izany no manery antsika hanara-dia an'i Kristy, ka raha mbola eo ambany fahasoavana dia tsy manan-tsafidy antsika. Nefa mbola manan-tsafidy hiala ambanny fahasoavana antsika (fa @'izay fotoana izay dia tsy maintsy faizin'ny Tompo satria tia antsika Izy).
6. didi10 ( 18/02/2013 10:38)

Tefigasy:

didi10 >> Afaka atao lohahevitra hafa ny amin'ny atao hoe mpanompo . Fa mba ny mikasika izay Tompoinao sy eritreretinao hamonjy anao aloha mba avoitra amin'ity lohahevitra ity raha mety. Ny ahy moa efa io ambony io ka isaorako ianao namaky izany !

Ataoko fa tsy iandian-kevitra ny maha Tompo sy mpamonjy an'i Jesoa namana fa tokony dinihina dia isika ve manaiky tokoa fa mpanompo raha Tompo Izy?

7. Tefigasy ( 18/02/2013 11:53)
didi10:

Ataoko fa tsy iandian-kevitra ny maha Tompo sy mpamonjy an'i Jesoa namana fa tokony dinihina dia isika ve manaiky tokoa fa mpanompo raha Tompo Izy?

Io no fototry ny fizarazana r'ise a. Hamaivanin'ny sasany io maha-Tompo sy Mpamonjy an'i Jesoa io ary lasa pli-vava sisa ilay izy. Raha tena Tompo Izy dia Izy no tokony ho Tompoina fa tsy zavatra hafa, ary raha Mpamonjy Izy dia any aminy no tokony hiantoraka fa tsy mila mitady sitraka amin'ny zavatra hafa.
Omeko ohatra ise, misy olona vitsivitsy ireto izay tsy manaiky fa Tompo i Jesoa: Jajajaly, Jojo3T, miharena
jajajaly - 12/12/2012 08:31 :

Betsaka anefa ny tsy itovizanay amin’ny fivavahana hafa antsoina hoe Kristianina. Mino, ohatra, izahay fa mampianatra ny Baiboly hoe Zanak’Andriamanitra i Jesosy fa tsy anisan’ny Andriamanitra : http://forum.serasera.org/forum/message/m50c59bb28e475

==> Tsy manaiky an'i Jesoa ho Andriamanitra izy, tsy Tompony i Jesoa
Miharena - 12/12/2012 02:32 :

I Kristy dia tsy ivavahana : http://forum.serasera.org/forum/message/m50c59bb28e475

==> Tsy mivavaka amin'i Kristy izy, midika izany fa tsy Tompony sy Mpamonjiny i Jesoa Kristy

Misy koa milaza fa sady tsy Tompo no tsy Mpamonjy i Jesoa:
moustaraf - 20/01/2013 15:53 :

-TSY AZO RAVANA NY LALANA:Ny fanoratana azy ao aminao no misakana ny bibidia tsy hametraka ny marka eo @ handrinao! ary mahatonga anao ho tempolin'ny fanahy Masina! : http://forum.serasera.org/forum/message/m50f95ed1d94c7

==> ny lalàna no mamonjy azy amin'ny bibidia ary mampiditra ny Fanahy Masina ao aminy fa tsy i Jesoa
Maranatha - 10/12/2012 10:14 :

Misy fifankafatarana amin'A/tra sy ny olony Ezekiela 20:12 Ary nomeko azy koa ny Sabatako ho FAMANTARANA ho amiko sy ho aminy mba ho fantany fa Izaho Jehovah no manamasina azy.
Hianao angaha mitandrina Sabata. Tsy fantatry ny any an-danitra izany hianao. http://forum.serasera.org/forum/message/m50c57d1cdd267

==> Ny sabata ny azy no famantarana sy hahazoany antoka fa hamonjy azy tsy ho very fa tsy i Jesoa

Tsy hotanisaiko eto daholo fa maromaro izy ao. Ny antony ireny rehetra ireny dia tsy ny fanekeny fa Jesoa no tena Tompo sy Mpamonjy. Tsy azony akory izany hoe Tompo sy Mpamonjy, ary izay no tena nanosika ahy hanokatra ity lohahevitra ity .
8. Maranatha ( 19/02/2013 05:23)

Hita mihintsy hianao hoe tsy ampy fahalalana. Raha holazaiko aminao eto ny fampianarana ny amin'ny hoe Fanamarinana @ finoana dia ho gaga hianao. Ary ho tonga saina satria mihevitra anay ho tsy mino ny Mpamonjy.

Apokalipsy 14:12 Indro ny faharetan'ny olona masina dia IZAY MITANDRINA NY DIDIN'NY TSITOHA SY MINO NY MPAMONJY.

JAONA 1:12 Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery* ho tonga zanak'y ny Tsitoha , dia izay mino ny anarany (Mpamonjy).

Efesiana 2:8 Fa fahasoavana no namonjena anareo amin'ny finoana; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin'Tsitoha;9 tsy avy amin'ny asa, fandrao hisy hirehareha.

Ireo fotsiny dia mpy hilazako aminao fa fahasoavana no hamonjena anay. Fa izao nahoana no mitandrina ny Lalàna?? raha tia ahy hianareo dia hitandrina ny didiko tahaka ny nitandremako ny didin'ny Raiko hoy ny Tompo.
Ny sabata dia famatarana teo amin'ny israely fahiny fa izy ireo dia mpanompon'ny Tsitoha. Ny israely ara-panahy ankehitriny ihany koa dia mbola io no hifankafatarana aminy. araka io Ezekiela 20:12 io.
Hoy ny Tompo Matio 7:21 Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra.
22 Maro no hanao amiko amin'izany andro izany hoe: Tompoko, Tompoko, tsy efa naminany tamin'ny anaranao va izahay? ary tsy efa namoaka demonia* tamin'ny anaranao va izahay? Ary tsy efa nanao asa lehibe maro tamin'ny anaranao va izahay? 23 Ary dia hambarako aminy marimarina hoe: Tsy mba FANTATRO akory ianareo hatrizay hatrizay; mialà amiko, ianareo mpanao meloka (=Mpanota).

Mpanota=Mpanao ny meloka
IJaona 3:4 Izay rehetra manota no mandika ny lalàna; fa ny ota no fandikana ny lalàna.

Ny tena izy ry Tefigasy dia MITANDRINA NY DIDIN'I TSITOHA SY MINO AN'I JESOSY . Tafiditra ao ny SABATA
9. didi10 ( 19/02/2013 06:05)

Nehemiah:

didi10:
Manana fahafahana sy fahefana ve izany? TSIA
Manan-tsafidy ve izany? TSIA

Tsy tokony adino kosa fa Fitiavana ny Tompontsika. Ary fitiavana izany dia tsy maintsy manome fahafahana. Fahafahana @ naha-mpanota antsika.

Mitombina ny andininy nomenao : lasa andevon'ny fahamarinana antsika ka lasa mandeha ho azy ny fanarahana ny sitrapon'Andriamanitra. Ka efa lasa torolalana ny Lalàna fa tsy fanerena an-kolaka intsony. Taloha, tsy maintsy mitandrina ny didy voa voavonjy (nefa tsy possible ho an'ny olombelona rahateo izany). Izao, manatanteraka ny sitrapon'Andriamanitra antsika satria efa novonjena ka i Andriamanitra no miasa ao anatintsika hahavitantsika an'izany fa tsy antsika intsony no miasa ho an'Andriamanitra.
Ka satria antsika efa eo ambany Fanekena vaovao dia tsy maintsy avahana ny tandindona sy ny aloka t@ Testamenta Taloha izay endrikendriky ny Asam-Pamonjena nataon'i Kristy sy ny Hazavàna izay nampanjavina an'ireo aloka ireo dia ny Fanekena Vaovao @ Kristy.

Ny fahasoavan'Andriamanitra izany no manery antsika hanara-dia an'i Kristy, ka raha mbola eo ambany fahasoavana dia tsy manan-tsafidy antsika. Nefa mbola manan-tsafidy hiala ambanny fahasoavana antsika (fa @'izay fotoana izay dia tsy maintsy faizin'ny Tompo satria tia antsika Izy).

Avy amin'Andriamanitra ny fahefana
Rom 13:1
Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny fahefana lehibe. Fa tsy misy fahefana afa-tsy izay avy amin'Andriamanitra.

Efa nomena an'i Jesosy ny fahefana
Mat 28:18
Ary Jesosy nanatona dia niteny taminy ka nanao hoe: Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany;

Jesosy tsy nanome fahefana na iza na iza handrava ny lalàna sy ny mpamimany
Mat 5:17
Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka.

Fahefana avy aiza no ahafahanao milaza fa "tsy ilaina intsony ny fanatanterahana ny didy ao amin'ny fanekena vaovao?

Dan 7:25
Ary hiteny hanohitra ny Avo Indrindra izy sy hampahory ny olo-masin'ny Avo Indrindra ary hitady hanova fotoana sy lalàna;

Io ilay fiangonana vehivavy janga, mpampianatra didin'olombelona mba hanompoana an'Andriamanitra

Isa 29:13
Ary hoy ny Tompo: Satria manatona Ahy amin'ny vavany ity firenena ity ary mankalaza Ahy amin'ny molony, nefa ampanalaviriny Ahy kosa ny fony, ka ny fahatahorany Ahy dia didin'olombelona ampianarina azy ihany,
Mat 15:9
Koa foana ny ivavahan'ireo amiko, Raha mampianatra ny didin'olombelona ho fampianarana izy (Isa.29.13).

Farany ho anao mitady hohamirinina ao amin'i Kristy io kenefa milaza fa "tsy possible ho an'ny olona ny fitendremana ny didy ho famonjena", dia milaza tena ho mpanota kanefa hoy ny Teny:

Gal 2:17
Fa raha mitady hohamarinina ao amin'i Kristy isika, nefa ny tenantsika no hita fa mpanota, moa mpanompo ny ota va Kristy? Sanatria izany!

10. Nehemiah ( 19/02/2013 07:14)
Averiko foana fa tsy mampianatra mihitsy aho hoe "mahazo mamono olona, maniratsira an'Andriamanitra, mijangajanga, mitsiriritra ny fananan'ny hafa sns ianareo", fa "tsy tery an-kolaka intsony no anaovantsika azy fa an-tsitrapo. Izay anie ny hoe : "raha tia ahy ianareo dia hitandrina ny didiko : i Andriamanitra no miasa ao anatintsika ka manisy ny finiavantsika hahatanteraka ny sitrapony sady mankahery antsika hahatanteraka ny sitrapony (Fi. 2:12-13).

Raha hahatanteraka ny didy mba hovonjena antsika dia apetrantsika alohan'ny omby ny angadinomby, ka reraka fotsiny sady @'izay voaozona satria tsy hisy zavamananaina hohamarinina @ asan'ny Lalàna. Raha handray ny fahasoavan'i Kristy antsika ka @ alalan'izay no mitandrina ny didiny dia hamoa be antsika.
11. didi10 ( 19/02/2013 07:22)
Fa nataonao aiza ireto didy efatra voalohany ireto?

1- Izaho no Jehovah Andriamanitrao, aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany.
2- Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na ny mety ho endriky ny zavatra izay eny amin'ny lanitra ambony, na izay ety amin'ny tany ambany, na izay any amin'ny rano ambanin'ny tany. 5 Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy; fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka hatramin'ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin'izay mankahala Ahy; 6 nefa kosa mamindra fo amin'ny olona arivo mandimby izay tia Ahy ka mitandrina ny didiko.
3- Aza manonona foana ny anaran'i Jehovah Andriamanitrao; fa tsy hataon'i Jehovah ho tsy manan-tsiny izay manonona foana ny anarany.
4- Mahatsiarova ny andro Sabata hanamasina azy. 9 Henemana no hiasanao sy hanaovanao ny raharahanao rehetra. 10 Fa Sabatan'i Jehovah Andriamanitrao ny andro fahafito; koa aza manao raharaha akory hianao amin'izany, na ny zanakao-lahy, na ny zanakao-vavy, na ny ankizilahinao, na ny ankizivavinao na ny biby fiompinao, na ny vahininao izay tafiditra eo am-bavahadinao. 11 Fa henemana no nanaovan'i Jehovah ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina mbamin'izay rehetra ao aminy, dia nitsahatra Izy tamin'ny andro fahafito; izany no nitahian'i Jehovah ny andro Sabata sy nanamasinany azy.
12. Nehemiah ( 19/02/2013 07:38)
Tao an-dohako sy tao am-poko. Fa maninona ?
13. Tefigasy ( 19/02/2013 08:40)
Maranatha:

Tefigasy:

==> ny lalàna no mamonjy azy amin'ny bibidia ary mampiditra ny Fanahy Masina ao aminy fa tsy i Jesoa
Maranatha - 10/12/2012 10:14 :

Misy fifankafatarana amin'A/tra sy ny olony Ezekiela 20:12 Ary nomeko azy koa ny Sabatako ho FAMANTARANA ho amiko sy ho aminy mba ho fantany fa Izaho Jehovah no manamasina azy.
Hianao angaha mitandrina Sabata. Tsy fantatry ny any an-danitra izany hianao. http://forum.serasera.org/forum/message/m50c57d1cdd267

==> Ny sabata ny azy no famantarana sy hahazoany antoka fa hamonjy azy tsy ho very fa tsy i Jesoa

Hita mihintsy hianao hoe tsy ampy fahalalana. Raha holazaiko aminao eto ny fampianarana ny amin'ny hoe Fanamarinana @ finoana dia ho gaga hianao. Ary ho tonga saina satria mihevitra anay ho tsy mino ny Mpamonjy.

Tsy izaho tompoko no nanoratra an'io ambony io. Tsy misy mihitsy eo ambony eo hoe "i Jesoa no hampifandray anao amin'Andriamanitra" fa ny nosoratanao tao dia hoe "Hianao angaha mitandrina Sabata. Tsy fantatry ny any an-danitra izany hianao" Na zazakely vao mianatra mamaky teny ary tompoko dia maharaka fa aminao dia ny sabata izany no mitondra ny olona ho any an-danitra fa tsy i Jesoa. Aza menatra ny mijoro amin'izany raha izay no finoanao fa inona ary ity !
14. Maranatha ( 19/02/2013 10:26)

Mazava be izany fa izany ve dia mbola mila hazavaina indray. Tsy fantatry ny any an-danitra izany mihintsy hianao raha tsy sady mitandrina ny lalàna(tafiditra ao anatiny ny sabata arak'io Ezekiela io) no mino ny Tompo. Fa himpiry haverina ary izany ????
Minoa ny Tompo dia tandremo ny lalàna izay vao ho fantatry ny any an-danitra hianao.
Ohabolana 28:9 Izay manentsin-tadiny tsy hihaino ny lalàna, Na ny fivavahany aza dia fahavetavetana.
Haveriko sy hamafisiko ny Sabata no famantarana Amiko sy amin'ny oloko hoy ny Tsitoha. Izay tsy mitandrina io dia tsy fantany akory. Hebreo 4:9 Ary dia mbola misy sabata fitsaharana ho an'ny olon'ny Tsitoha.

Ny fitarainan'ny olona mitandrina ny Didin'ny Rainy no henoin'ny Tompo sy hitondrany fifonana fa tsy ny olona izay tonga hanohitra ny Rainy.

Afaka hataon-tsika defi izany e fa raha mihaino anao ny Tsitoha amin'io hianao tsy mitandrina ny Didiny io , dia tsy mihaino ahy izy izany.

Mbola haveriko aminao ho fantatrao tsara fa izany no nanazerana an'i Losifera sy ny anjeliny avy tany an-danitra. Tsy te hitandrina ny Didin'i Tsitoha. Io no fototry ny ady tany an-danitra. Ary azoko antoka fa mitovy hevitra aminy hianao io.Tsy te hitandrina izany. Te ho baikon'ny feon'ny fieritreretanao hianao fa tsy te ho fehezin'ny Didin'ny Tsitoha.

Mibebaha raha mbola misy ny fotoana f'aza manamafy fo.
15. Tefigasy ( 19/02/2013 12:04)
Maranatha:

Tefigasy:

Tsy izaho tompoko no nanoratra an'io ambony io. Tsy misy mihitsy eo ambony eo hoe "i Jesoa no hampifandray anao amin'Andriamanitra" fa ny nosoratanao tao dia hoe "Hianao angaha mitandrina Sabata. Tsy fantatry ny any an-danitra izany hianao" Na zazakely vao mianatra mamaky teny ary tompoko dia maharaka fa aminao dia ny sabata izany no mitondra ny olona ho any an-danitra fa tsy i Jesoa. Aza menatra ny mijoro amin'izany raha izay no finoanao fa inona ary ity !

Mazava be izany fa izany ve dia mbola mila hazavaina indray.

Izay indrindra mantsy, manamafy ny lazainao fotsiny aho fa ny sabata ny anao no Tompoina koa inona indray ! Ianao no mitady hiova hevitra teo nefa za ary mba mampahatsiahy izany. Izay indrindra no mba nanokafana ity lohahevitra ity: ny hahitan'ny olona izay tena Tompoina sy hahazoan'ny tsirairay famonjena ! Mazotoa ary !
16. leva2 ( 20/02/2013 00:54)

didi10:

Lohahevitra: Tompo sy Mpamonjy

Misaotra ny namana amin'ny fanandratana an'i Jesoa fa izany tokoa no tokony ataontsika mpanara-dia Azy.

Fa maninona moa isika raha somary mandini-tena kely amin'io lohahevitra io?
raha Tompo sy Mpamonjy Izy dia isika izany inona?

Mazava fa mpanompo sy hovonjena

Mba efa nandinika ve isika hoe manao ahoana izany mpanompo izany?
Manana fahafahana sy fahefana ve izany? TSIA
Manan-tsafidy ve izany? TSIA
Afaka mandà na manova ny didin'ny Tompony ve izany? TSIA
Manana Obligation de résultat ve izany? ENY

Velona Jesosy!

Tena miala tsiny kosa aloha ry didi 10 fa misy tsy araka ny Soratra Masina izay soratanao. Ity lohahevitra ity mihitsy no tsy ampy zavatra goavana be ka mandiso ny fijery ambiny rehetra :
1- Tsy mpanompo intsony fa sakaiza : "Hianareo no sakaizako, raha manao araka izay andidiako anareo. Tsy hataoko hoe mpanompo intsony hianareo, fa ny mpanompo tsy mahalala izay ataon’ny tompony; fa efa nataoko hoe sakaiza hianareo" Jao 15/14-15
2- Tsy sakaiza fotsiny ihany fa ZANAKA : "Fa hianareo rehetra dia zanak’Andriamanitra amin’ny finoana an’i Kristy Jesosy. Fa na iza na iza hianareo no natao batisa ho an’i Kristy dia nitafy an’i Krity" Gal 03/26-27
3- Tafiditra ny fanjakan'ny lanitra izay ateraka indray (zanaka) Jaona 03/03. Noho izany : mpandova fiainana mandrakizay, niala tamin'ny ozona ka niditra ao amin'ny fitahiana, fiadanana fa tsy loza, fahasalamana fa tsy aretina, ...

Mazava ho azy fa :
1- Raha Tompo sy Mpamonjy Jesosy, isika izay efa nandray azy (nibebaka, nateraka indray) dia tonga zanak'Andriamanitra, porofoin'ny Fanahy Masina miasa ao anatintsika : "Oui, vous êtes vraiment ses enfants. La preuve, c’est que Dieu a envoyé dans nos cœurs l’Esprit de son Fils, l’Esprit qui nous fait dire: «Abba! Père!»" Gal 04/06
2- Nomena fahefana sy hery : "Indro, efa nomeko fahefana hanitsaka menarana sy maingoka sy handresy ny hery rehetra ananan’ny fahavalo hianareo, ka tsy hisy hampaninona anareo akory" Lio 10/19.
3- olona afaka sy misafidy, saingy misafidy ny hanao ny tsara mandrakariva : "Ny zavatra rehetra azoko atao, nefa tsy dia ary mahasoa avokoa ny zavatra rehetra; ny zavatra rehetra azoko atao, nefa izaho tsy mety handevozin-javatra na inona na inona". IKor 6/12

Meteza hanitsy izay diso, na hameno izay banga namana.
17. Maranatha ( 20/02/2013 05:11)

Tefigasy:

Maranatha:

Mazava be izany fa izany ve dia mbola mila hazavaina indray. Mazava be izany fa izany ve dia mbola mila hazavaina indray. Tsy fantatry ny any an-danitra izany mihintsy hianao raha tsy sady mitandrina ny lalàna(tafiditra ao anatiny ny sabata arak'io Ezekiela io) no mino ny Tompo.
MINOA NY TOMPO dia TANDREMO NY LALàNA izay vao ho fantatry ny any an-danitra hianao.
Ohabolana 28:9 Izay manentsin-tadiny tsy hihaino ny lalàna, Na ny fivavahany aza dia fahavetavetana.

Tefigasy:

Izay indrindra mantsy, manamafy ny lazainao fotsiny aho fa ny sabata ny anao no Tompoina koa inona indray ! Ianao no mitady hiova hevitra teo nefa za ary mba mampahatsiahy izany. Izay indrindra no mba nanokafana ity lohahevitra ity: ny hahitan'ny olona izay tena Tompoina sy hahazoan'ny tsirairay famonjena ! Mazotoa ary !

Hay io no tsy mampahay n'inoninona (tsy ampy fahalalana) anao, mpamaky tapak'andininy. Tohizo ny tohin'ny teny f'aza mitsipona izay mety aminao fotsiny.
Mitovy tsy misy valaka hianao sy ny eny ambohidrapeto. Misarika ny olona ho any amin'ny fahaverezana. Rehefa tsy hay hanarina hianareo dia aza gaga fa efa nomanina ho anareo ny farihy mirehitra afo sy solifara.
18. moustaraf ( 20/02/2013 13:12)
Salama namana,

Ho an'i Namana Tefigasy sy ireo rehetra mitandrina ny andro alahady;
Misy sujet hafa nanazavako tato ny nahatonga ny fivavahana Alahady, lava be ila izy; fa tsy araka izay itokianareo amin'izao fotoana izao;

Extrait ihany ity:" Ny protestanta izay manenjika anay dia tsy fantany akory fa izahay no nanova ny andro ivavahana ho alahady, ary izay rehetra mivavaka ny andro alahady dia mampiseho ny fankatoavany ny herin'ny Eglizy Romana", sns....

Izay manana havana pretra katolika dia mba mangataha an'ireny boky fototra Katesizy, sy ireo tantaran'ny Eglizy

Resabe fotsiny izany hoe; andro voalohany nitsanganany e! izao sy izao e!....ny tena izy dia FIANKOHOFANA EO AMIN'NY EGLIZY ROMANA ny fivavahana Alahady ary ireharehany fatratra izany, satria nanafoana ilay Sabatan'i Tsitoha.

Tohizo hatrany ny fikarohana, ary mba mamakia boky sy tahirin-kevitra maro mba tsy hohabadoin'ny olona:
"Ringana ny oloko noho ny tsy fahalalana"
19. Nehemiah ( 20/02/2013 13:27)
Izaho indray dia manome anao an'ity : http://forum.serasera.org/forum/message/m50f95ed1d94c7

ary ity : 1 Kor. 8:1
20. Tefigasy ( 20/02/2013 13:38)
Maranatha:

Hay io no tsy mampahay n'inoninona

==> Mba alefaso kely eto hoe r'ise ny diploman'ise miseho mahay Be io. Na ara-tsaina na ara-panahy ? Sao de ise no tena hiantefan'io teny io satria teny nosoratan'ise daholo ihany no hamafisiko !
Maranatha:

mpamaky tapak'andininy. Tohizo ny tohin'ny teny f'aza mitsipona izay mety aminao fotsiny.

Tsy baiboly akory ny eto ka hoe vakiana hatramin'ny farany vao tokony ho azo ny zavatra ambara, fa izany no maha- forum ny forum, tsy voatery handany andro hamaky hatramin'ny farany dia afaka mandray sy mamaly!
Mba tapatapao otran'io ny teny nataoko hatrizay fa tena tsy misy mivaona ny ambarako na kely aza !
Maranatha:

Mitovy tsy misy valaka hianao sy ny eny ambohidrapeto. Misarika ny olona ho any amin'ny fahaverezana. Rehefa tsy hay hanarina hianareo dia aza gaga fa efa nomanina ho anareo ny farihy mirehitra afo sy solifara.

Tsy maninona fa ianareo no efa zatra manozona toa ny devoly, tsy mahagaga koa izany satria ny anareo rahateo sabata no Tompoina fa tsy i Jesoa ! Sur
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1797