Tompo sy Mpamonjy
21. Tefigasy
(
20/02/2013 13:51)
moustaraf:
Salama namana,
Ho an'i Namana Tefigasy sy ireo rehetra mitandrina ny andro alahady;
Ahitsiho kely ny soratrao ramose fa i Tefigasy tsy mitandrina andro na dia iray aza. Raha mahita ianao, teny nosoratako fa mitandriana andro aho dia ambarao sy apetraho eto ny lien hiaraha-mahita. Jesoa ny anay no Tompoina sy arahina fa tsy ny andro
moustaraf:
Misy sujet hafa nanazavako tato ny nahatonga ny fivavahana Alahady, lava be ila izy; fa tsy araka izay itokianareo amin'izao fotoana izao;
Izahay koa mba efa nanazava ny antony hivavahanay isan'andro na alahady na asabotsy na alatsinainy na atalata, .... Samia mitazona ny azy dia vita izany ramose a! Tsy mampaninona anay ianareo raha mivavaka amin'izay tianareo hivavahana !
moustaraf:
Extrait ihany ity:" Ny protestanta izay manenjika anay dia tsy fantany akory fa izahay no nanova ny andro ivavahana ho alahady, ary izay rehetra mivavaka ny andro alahady dia mampiseho ny fankatoavany ny herin'ny Eglizy Romana", sns....
Raha izaho no tianao hiantefan'io teninao io dia tsy manenjika fiangonana na antokom-pivavahana aho, eny fa na dia hatramin'ireo mivavaka amin'ny razana sy ny sampy aza dia tsy manenjika aho. Miezaka ny mba hiteny izay hafatra nampitondran'Andriamanitra ahy ho an'ny olona rehetra aho: mandray ilay olona tsara, tsy mandray ilay olona , miezaka foana aho fa tsy kivy. Fitiavana ny ahy noo manosika ahy fa tsy fanenjehana r'ise a !
moustaraf:
Resabe fotsiny izany hoe; andro voalohany nitsanganany e! izao sy izao e!....ny tena izy dia FIANKOHOFANA EO AMIN'NY EGLIZY ROMANA ny fivavahana Alahady ary ireharehany fatratra izany, satria nanafoana ilay Sabatan'i Tsitoha.
Aminao izany resabe ny baiboly satria voasoratra tsara ao anaty baiboly ny teny hoe andro voalohany, andro niangonana, nizarana ny mofo, .....
moustaraf:
Tohizo hatrany ny fikarohana, ary mba mamakia boky sy tahirin-kevitra maro mba tsy hohabadoin'ny olona:
"Ringana ny oloko noho ny tsy fahalalana"
Ny ahy sy izay mitovy amiko dia ny baiboly ihany no fototra hiangana r'ise a! Na lazainao fa bado ary aho vokatr'izany dia tsy maninona fa Jesoa Tompoko kosa efa nanome fampanantenana mahafinaritra be ahy amin'ny hoaviko manontolo.
22. Miharena
(
20/02/2013 16:09)
Ahatsiarovana ny Tilikambon'i Babela ilay adihevitra miseho eto namana isany. Tompo sy Mpamonjy no resahana ka misy maro ireo izay mampiditra hevitra araka ny fahaizany azy avy. Mazava fa nataon'Andriamanitra tsy hifankahazo mihitsy satria fantaNY fa raha toa ka nandeha nitady AZY dia jamba nifampitantana ihany.
Ka asa hoe amin'izao taona arivo fahatelo izao, mbola jamba mifampitantana ihany ve izay milaza ho mpanara-dia an'i Kristy?
FIangonana maro izy ireo ankehitriny no samy te-ho any Jerosalema Vaovao. Fa tsy ny Tompo no banjinin'ny sasany fa ny ankanjon'ny sasany. Tsy hita mihitsy ilay andry be eo anoloan'ny mason'ny tena maba hahatazana tsara AZY, f any sombin-kazon'y namana no mahatery ny ankamaroan'ny fiangonana ankehitriny. Ar mahagaga fa fiangonana zandriny avokoa izy ireo an!
Mahavariana ihany ka mila saintsainina. Mampametra-panontaniana hoe sao dia samy diso lalana ary?

23. Nehemiah
(
21/02/2013 06:22)
Miharena >> Ianao izany mino ny Gen 11 ho azo raisina ara-bakiteny nefa tsy mino ny Gen 1 ho azo raisina ara-bakiteny ? Nefa samy lahatsoratra ara-tantara ?
24. Miharena
(
21/02/2013 08:54)
Izy io anie namana Nehemia, tsy hoe ny finoana ilay voasoratra fa ny fijerena ilay vokatry ny asa tamin'izany e!
Ny Gen 11 dia mazava fa niteraka ireo zavatra mahazo antsika ankehitriny izao.
Ny Gen 1 indray dia descriptif fa tsy azo hakana lesona amin'ny finoana loatra raha tsy hoe angaha miresaka momba ny asa ivelan'ny fivoarana ara-potoana isika. Ohatra, ny ADN dia efa misy ireo tondro zotra nipoiran'ny zavamananaina rehetra eto an-tany. Mifanaraka ami'ny famoronana iray andro ve izany? ny Masoandro sy ny planeta manodidina azy dia ampahany amin'ny galaxy, Mifanaraka amin'y famoronana indray andro ve izay? Ny izao tontolo izao lazaina fa noforonina tao anatin'ny 7 andro ve mahakasika ny tany sy ny manodidina azy ihany sa ny ERANA rehetra?
Dia toy izany hatrany no tokony hatao fa tsy hoe fitsipahana izay voasoratra, nefa koa tsy mamorona na mivaky loha hanamarina izay voasoratra raha tsy mitombina ny hevitra aroso.

25. didi10
(
21/02/2013 08:58)
Nehemiah:
Tao an-dohako sy tao am-poko. Fa maninona ?
Hafa izany ny ao am-ponao sy ao an-tsainao dia hafa ny alehan'ny tongotrao rehefa Sabotsy sy Alahady
26. didi10
(
21/02/2013 09:17)
leva2:
didi10:
Lohahevitra: Tompo sy Mpamonjy
Misaotra ny namana amin'ny fanandratana an'i Jesoa fa izany tokoa no tokony ataontsika mpanara-dia Azy.
Fa maninona moa isika raha somary mandini-tena kely amin'io lohahevitra io?
raha Tompo sy Mpamonjy Izy dia isika izany inona?
Mazava fa mpanompo sy hovonjena
Mba efa nandinika ve isika hoe manao ahoana izany mpanompo izany?
Manana fahafahana sy fahefana ve izany? TSIA
Manan-tsafidy ve izany? TSIA
Afaka mandà na manova ny didin'ny Tompony ve izany? TSIA
Manana Obligation de résultat ve izany? ENY
Velona Jesosy!
Tena miala tsiny kosa aloha ry didi 10 fa misy tsy araka ny Soratra Masina izay soratanao. Ity lohahevitra ity mihitsy no tsy ampy zavatra goavana be ka mandiso ny fijery ambiny rehetra :
1- Tsy mpanompo intsony fa sakaiza : "Hianareo no sakaizako, raha manao araka izay andidiako anareo. Tsy hataoko hoe mpanompo intsony hianareo, fa ny mpanompo tsy mahalala izay ataon’ny tompony; fa efa nataoko hoe sakaiza hianareo" Jao 15/14-15
2- Tsy sakaiza fotsiny ihany fa ZANAKA : "Fa hianareo rehetra dia zanak’Andriamanitra amin’ny finoana an’i Kristy Jesosy. Fa na iza na iza hianareo no natao batisa ho an’i Kristy dia nitafy an’i Krity" Gal 03/26-27
3- Tafiditra ny fanjakan'ny lanitra izay ateraka indray (zanaka) Jaona 03/03. Noho izany : mpandova fiainana mandrakizay, niala tamin'ny ozona ka niditra ao amin'ny fitahiana, fiadanana fa tsy loza, fahasalamana fa tsy aretina, ...
Mazava ho azy fa :
1- Raha Tompo sy Mpamonjy Jesosy, isika izay efa nandray azy (nibebaka, nateraka indray) dia tonga zanak'Andriamanitra, porofoin'ny Fanahy Masina miasa ao anatintsika : "Oui, vous êtes vraiment ses enfants. La preuve, c’est que Dieu a envoyé dans nos cœurs l’Esprit de son Fils, l’Esprit qui nous fait dire: «Abba! Père!»" Gal 04/06
2- Nomena fahefana sy hery : "Indro, efa nomeko fahefana hanitsaka menarana sy maingoka sy handresy ny hery rehetra ananan’ny fahavalo hianareo, ka tsy hisy hampaninona anareo akory" Lio 10/19.
3- olona afaka sy misafidy, saingy misafidy ny hanao ny tsara mandrakariva : "Ny zavatra rehetra azoko atao, nefa tsy dia ary mahasoa avokoa ny zavatra rehetra; ny zavatra rehetra azoko atao, nefa izaho tsy mety handevozin-javatra na inona na inona". IKor 6/12
Meteza hanitsy izay diso, na hameno izay banga namana.
Aza taitra ianao namana fa tsy mifanipaka na amin'ny Baiboly na amin'ny voalazanao akory ny teniko.
Raha manana Patron ianao any ampiasana, hoy io Patron io hoe antsoy amin'ny anarako aho fa aza atao Sefo na Patron izany na ataovy mihitsy hoe Papa fa tsy maninona!
Moa va manafoana ny maha patron-nao azy izany, moa va tsy vao mainka aza ianao hanao asa metimety kokoa amin'ny didy sy iraka izay ataony?
Sa raha miteny izany izy dia manomboka hanao tara lava amin'izay ianao, dia hanao antsirambina ny asanao?
Raha resaka fahefana indray, moa va manana fahefana hafa ankoatry izay nomeny ianao, avy aminy ny fahefana noho izany afaka mampiasa izany fahefana izany amin'ny hafa ianao fa ny mahavoa antsika dia ampiasaintsika hanoherana an'ny Tompontsika indray ilay fahefana kely nomena antsika.
27. Nehemiah
(
21/02/2013 12:21)
Miharena:
Izy io anie namana Nehemia, tsy hoe ny finoana ilay voasoratra fa ny fijerena ilay vokatry ny asa tamin'izany e!
Ny Gen 11 dia mazava fa niteraka ireo zavatra mahazo antsika ankehitriny izao.
Ny Gen 1 indray dia descriptif fa tsy azo hakana lesona amin'ny finoana loatra raha tsy hoe angaha miresaka momba ny asa ivelan'ny fivoarana ara-potoana isika. Ohatra, ny ADN dia efa misy ireo tondro zotra nipoiran'ny zavamananaina rehetra eto an-tany. Mifanaraka ami'ny famoronana iray andro ve izany? ny Masoandro sy ny planeta manodidina azy dia ampahany amin'ny galaxy, Mifanaraka amin'y famoronana indray andro ve izay? Ny izao tontolo izao lazaina fa noforonina tao anatin'ny 7 andro ve mahakasika ny tany sy ny manodidina azy ihany sa ny ERANA rehetra?
Dia toy izany hatrany no tokony hatao fa tsy hoe fitsipahana izay voasoratra, nefa koa tsy mamorona na mivaky loha hanamarina izay voasoratra raha tsy mitombina ny hevitra aroso.
INONA kay no nahasakana Azy tsy hamorona an'izay ao anatin'ny 6 andro araky ny voalazan'ny Teniny raha ny fijerinao azy ?
28. Nehemiah
(
21/02/2013 12:23)
didi10:
Hafa izany ny ao am-ponao sy ao an-tsainao dia hafa ny alehan'ny tongotrao rehefa Sabotsy sy Alahady
Tsy hamerina injato ny momba ny Sabatan'ny Fanekena Vaovao aho an !
29. Miharena
(
21/02/2013 14:58)
Nehemia:
INONA kay no nahasakana Azy tsy hamorona an'izay ao anatin'ny 6 andro araky ny voalazan'ny Teniny raha ny fijerinao azy?
Mametraka fanontaniana tsy mitombina ianao. Aza manontany akory ny fijeriko azy aloha raha toa ka tsy misy afa-tsy io no marina araka ny fitazonanao azy satria Tenin''Andriamanitra hoy ianao ilay izy, tsy azo dikaina, fa rehefa izay no voasoratra dia izay.
Ny olana manko namana Nehemiah dia rehefa ny Mpitarika ohatra no miteny hoe izao no voasoratra ary araho an-tsakany sy an-davany, dia izay no izy hoy ianao ka na injato, na inarivo aza ny filazana hoe : ny fihodinan'ny tany maneho tava amin'ny masoandro no mahatonga ny andro sy ny alina hifandimby dia hoy ihany isika hoe Andriamanitra no nampisy ny mazava sy ny maizina, dia tsipahina ilay fanazavana hoe mihodina ny tany.
Avy eo koa, raha mandinika tsara isika dia tsy Andriamanitra mivantana no miteny amintsika ankehitriny fa soratra no inoantsika, nefa raha io soratra io dia milaza hoe : Ary Andriamanitra nanao hoe misia, dia nisy izany, fa tsy hoe : Ary Izaho izay IZY no nanao hoe : misia ny Mazava ... Toa misy sarintsarina famoronana avy ami'ny mpanoratra io version eo aloha io fa tsy IZY miteny no nadika.
Hevitra daholo izany, fa ny marina dia tsy hita mihitsy raha tsy IZY no miresaka mivantana aminao, ka anontanio mivantana IZY fa hamaly anao mazava e, aza vakiana akory aloha ny Baiboly alohan'ny hanontanianao AZY !
30. Nehemiah
(
21/02/2013 15:14)
Aoka aloha hazava : tsy manarak'efa ny hevitry ny pasiteranay aho.
Efa mazava fa tsy omenao ny fahefàna sahaza azy ny Baiboly.
Nohon'ny antony inona, mbola tsy voafaritro tsara.
Sady tsy mitombina ny ohatra omenao : mba mahala kristiana tsy mino fa miodina ny tany ve ianao ? Averiko ihany, ary tsy leon'ny mamerina an'izay aho : i Kristy no tena nanantitra ny fahefan'ny Soratra Masina, nokianiny t@'izany ny Sadoseo.
"Manana an’ i Mosesy sy ny mpaminany izy; aoka hihaino ireo izy." (Lk. 16:29)

31. Miharena
(
24/02/2013 04:06)
Ny tanjon'ilay fanontaniana mihitsy no olana namana Nehemia satria Tompo sy Mpamonjy no resahana eto amin'ny lohahevitra dia lasa hoe mitsipaka sa manaiky ny Baiboly no voizina.
Samy te-hahalala izany Tompo sy Mpamonjy izany nefa lasa adihevitra ilay izy, izany no nilazako ilay resaka hoe Babela eo ambony namana. Na isika miresaka aza dia manao Babela ihany koa. Fa raha zohina dia ampahany ihany ao amin'ny feno no fantatsika ka tsy azo hahitrikitrika ho marina satria rehefa heverina dia tsy nanome mihitsy ny laha-zotran'ny dinika ilay natao teto. Dia ny maneho mazava ny Tompo Mpamonjy.
hoy moa ianao hoe:
Azonao faritana tsara ve izany atao hoe fahefan'ny Baiboly? rehefa voavalinao izay, izay vao afaka hitsara toy io ianao. Nefa aoka tsy hanao Babela indray isika eto ka takon'ny adihevitra ny mazava tiana aseho. Samy manana jiro tiana hazava ho an'ny rehetra manko isika. Nefa io Jiro io dia IRAY ihany. Ka ao naaty Babioly izy io sa amn'ny fahefan'ny Baiboly sa avy amin'Andriamanitra sy ny Tompo Mpamonjy ary iainana ankehitriny eo anivontsika?
Rehefa mamaky ny vokatry ny finoana ihany koa, dia manontany hoe : finoana feno fanadihadiana sa finoana madio tsy misy pentina?
Samy te-hahalala izany Tompo sy Mpamonjy izany nefa lasa adihevitra ilay izy, izany no nilazako ilay resaka hoe Babela eo ambony namana. Na isika miresaka aza dia manao Babela ihany koa. Fa raha zohina dia ampahany ihany ao amin'ny feno no fantatsika ka tsy azo hahitrikitrika ho marina satria rehefa heverina dia tsy nanome mihitsy ny laha-zotran'ny dinika ilay natao teto. Dia ny maneho mazava ny Tompo Mpamonjy.
hoy moa ianao hoe:
Nehemiah:
Efa mazava fa tsy omenao ny fahefàna sahaza azy ny Baiboly.
Nohon'ny antony inona, mbola tsy voafaritro tsara.
Azonao faritana tsara ve izany atao hoe fahefan'ny Baiboly? rehefa voavalinao izay, izay vao afaka hitsara toy io ianao. Nefa aoka tsy hanao Babela indray isika eto ka takon'ny adihevitra ny mazava tiana aseho. Samy manana jiro tiana hazava ho an'ny rehetra manko isika. Nefa io Jiro io dia IRAY ihany. Ka ao naaty Babioly izy io sa amn'ny fahefan'ny Baiboly sa avy amin'Andriamanitra sy ny Tompo Mpamonjy ary iainana ankehitriny eo anivontsika?
Rehefa mamaky ny vokatry ny finoana ihany koa, dia manontany hoe : finoana feno fanadihadiana sa finoana madio tsy misy pentina?
32. Nehemiah
(
25/02/2013 06:59)
Fantatrao tsara ny tiako tenenina : tsy omenao ny fahefàna sahaza azy ny Baiboly satria eo an-daniny raisinao ho manana fahefàna ny andininy sasany nefa eo ankilany tsy manaiky ny ampahany sasany ho manam-pahefàna.
33. Miharena
(
25/02/2013 16:28)
Ny Baiboly namana tsy manam-pahefana hoy aho. Apetraho ao an-tranon'ny tsy mamaky azy anie izy io raha manana izany fahefana izany e!
Andriamanitra no manam-pahefana fa tsy ny Baiboly. Fitarafana ny Fahefan'Andriamanitra ny Baiboly. Fa tokony tsy adino ny atao hoe Andriamanitra miasa ivelan'ny Baiboly dia ny fandrafetana ny ankehitrinintsika sy ny mandrakizay izany.
Mahafinaritra ilay fifanjohin-kevitra ary mety ahafahana maka lesona tsara ihany sy mifanitsy namana.
Hotahian'ny Tompo hatrany isika amin'izany rehetra izany e!

34. Nehemiah
(
26/02/2013 05:55)
Toa tsy mitovy ny fiheverantsika ny fahefan'ny Baiboly. Ny tiako tenenina @ hoe fahefan'ny Baiboly dia ilay izy marina tanteraka @ zavatra rehetra lazainy (fa tsy hoe ny zavatra rehetra raketiny).
35. Miharena
(
27/02/2013 02:28)
Vakio tsara ny zohin-kevitra rehetra ifamaliantsika fa mihaona ihany ny voalazako sy ny voalazanao namana fa ny teny ampiasaina fotsiny no miteraka tsy fifankahazoana; ka rehefa mitohy ilay resaka dia mitombina amin'ny mazava kokoa hatrany.
Izany no anton'ny dinika toy itony amiko, mba ahafahana manazava ny rehetra amin'ny maha-dinika matotra azy.
Izany no anton'ny dinika toy itony amiko, mba ahafahana manazava ny rehetra amin'ny maha-dinika matotra azy.