Te hanana namana

1. jobiely ( 15/02/2013 05:51)
Mba te hanana irony antsoin'ny olona hoe " meilleure amie" irony aho. Tsy mba misy olona ifampizarako ny manahirana sy ny mahafinaritra anà mints.
novalian'i andrywui ny 26/11/2013 08:17
2. miarana ( 16/02/2013 10:05)
« Izay tena sakaiza tokoa dia tia amin'ny andro rehetra, Sady miseho ho rahalahy hamonjy amin'ny fahoriana » (Ohabolana 17:17)

Mirary anao hahita ilay tena sakaiza
3. nanie2 ( 18/02/2013 14:33)
Zany ve? zà ndray kosa alo de manana ary tena mifampitondra otran'ny mpirahavavy zahay na mihoatra ary!!!! te ho namanay ko ve ianao? tsy maninona anie raha mety aminao e!
4. shannie ( 18/02/2013 20:18)
afaka ataonao namana za rah tinao izny. za ko ne mtady namana e. d mirary soa aryaho. Tsy mba misy olona ifampizarako ny manahirana sy ny mahafinaritra anà mints.
[/quote] afaka at
5. hery ( 18/02/2013 21:55)
Ny meilleurs amis ohatry ny tsy tadiavina an. Toa tonga ho azy.

Rehefa misy namanao ka manomboka mifandray aminao ka mirindra ny tadin-dokanga dia mety misy amin'ireny lasa meilleurs amis... fa misy koa lasa sipa, misy lasa vady, misy lasa fahavalo.
6. jobiely ( 19/02/2013 11:54)

[quote=hery]
Ny meilleurs amis ohatry ny tsy tadiavina an. Toa tonga ho azy.

Rehefa misy namanao ka manomboka mifandray aminao ka mirindra ny tadin-dokanga dia mety misy amin'ireny lasa meilleurs amis... fa misy koa lasa sipa, misy lasa vady, misy lasa fahavalo.
[/quote=jobiely]
Marina ny an' i Hery fa nenà lé tena vehivavy namako mifampitondra amiko ôtran rahavaviko toy ny lazain' i nanie2 mihintsy no mba iriko e. Za ko tsy dia mifanerasera lôtra amin' olona ko zany ngamba no tsy hananako namana.
7. jobiely ( 19/02/2013 11:56)
Dia misaotra an' i Shanie, sy miarana sy nanie 2 ko za e
8. shannie ( 20/02/2013 06:39)
bjr jobiely. vao2 maresak. aza misalasala rah misy ny ifanampina e, zay n ilaina namana. mirary soa. shannie!
9. shannie ( 20/02/2013 06:42)
bjr jobiely. vao2 maresak. aza misalasala rah misy ny ifanampina e, zay n ilaina namana. mirary soa. shannie!
10. jobiely ( 20/02/2013 07:59)
Salama Shannie an, tsisy ninin fa msôtra betsaka amin'ny fanoanana ny antso e.
11. di ( 07/03/2013 13:30)
Jobiely:za ko vonona ho namanao.
12. pisoonja ( 19/03/2013 12:41)
za koa vonona ny ho namanao , andramo aloha sao dia tsy mety , somary mahitsy fijery koa ny tenako ka dia otran'ny tsy hain'ny olona ny mifandray amiko
13. hadji ( 20/04/2013 05:30)
ARY NAHAZO NAMANA BETSAKA KOSA IANAO AN kanefa tsarovy fa misy ny mitarika @ tsara ary misy mitondra any @ fakam-panahy
14. andrywui ( 02/05/2013 11:05)
hadji ko nga hidittra meiera amie anle kala io? kozio izy e ! huhuh
sao nefa de mivadika elah refa mba mihidy trano irery mammboraka ny secret-ny amlah ao izy a hohohoh
15. hadji ( 07/05/2013 13:05)
tsy mazava ra andry fa hazavao tsara kely hoe
16. jobiely ( 08/05/2013 09:12)
aza manova resaka eo ry andrywui an
17. ZAKAIOSY ( 21/11/2013 16:52)

jobiely:

Mba te hanana irony antsoin'ny olona hoe " meilleure amie" irony aho. Tsy mba misy olona ifampizarako ny manahirana sy ny mahafinaritra anà mints.

Tena marina ny tenin'i Hery hoe tsy tadiavina ny tena namana fa tonga ho azy, ary ampiako hoe tsy terena ho vehivavy(meilleure amie) fa mety ho lehilahy. Dia tohizako ihany, ny taona 2005 ianao mieritreritra fa nahazo tena namana kanefa 2013 mety ho tsapanao fa tsy io indray ilay tena namana. Tsy ho tsapanao vetivety koa hoe "tena namana" ny olona iray fa arakaraky ny fandrosoan'ny fifandraisanareo. Mahaiza ary mandray namana betsaka fa tsy maintsy 1 @ireny ilay tena namana.Isika izao anie dia efa mpinamana e, sao dia mba izaho ilay tena namanao ? Lehilahy ny tenako, manambady milamina tsara, manan-janaka 3, mipetraka eto Tana, tia mamaha olan'ny olona, ary manjary ny ahy indray aza no tsy voavahako. Zarao izay manahirana sy mahafinaritra mandra-pahitanao ilay tena namana fa sao mba misy "kely" azoko atao. Mahereza !
18. jobiely ( 25/11/2013 07:10)

ZAKAIOSY:

Misaotra t@ valiteninao fa atramzao za dia mbola ts manana namana ihany. Mba misy vehivavy iray mpiresaka amiko ihany nefa ohatra ny tsy dia mifandray loatra ny tadin- dokanganay fa miresadresaka fotsiny. Tsy dia ilay hoe olana loatra no tiako ho zaraina amin'ny tena namana fa ilay mba miara mi s' amuse mihitsy no tsy ampy amiko e (oh: miaraka miantsena, mba mifanao volo, afaka mifaniraka @ fotoana tsy maha afaka ... sns e). Za rahateo tsy dia mifanerasera be amin' ny olona ka mety izay koa no manahirana kely ahy.
19. booboo ( 26/11/2013 08:07)
Dommage isika sy Jobiely mifanalavitra toerana hipetrahana raha tsy izay efa nasaiko niaraka mandeha² amiko :-). Ary raha manao premier pas manasa ilay mpiresadresaka aminao hanao activité iraika miaraka aminao ? Ny ahy izay no fanaoko, zà no tonga dia manasa na tsy mpinamana aza zà sy ireo olona mpiresadresaka amiko, ndraindray juste hoe hisotro dité rehefa avy manatitra mpianatra iny dia izay. Dia mitombo tsikelikely ny cercle d'ami(e)s avy teo fa raha miandry² sy tsy sahy² dia ny eo ihany no ho eo, sa ?
Na koa miditra assoc na ateliers @ truc tiana, passion(s), dia mora kokoa ny mifandray @ hafa @ iny satria mitovy² vazo. Ny ahy izay trucs mahakasika ny fitaizana/être parents sy ny zaridaina no passions-ko dia nahazo namana, tena namana, tany @ forum sy ateliers fandehanako.
20. booboo ( 26/11/2013 08:10)
Hadino :-°), rehefa misy fihaonana Serasera dia mandehana koa fa tena mahafinaritra gravy ^_^
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1194