Ny tokony ataontsika dia mivavaka ho an'ny fanahin'ilay rangahy ( efa maty io an) ahoana koa izany?
1. niryna
(
31/01/2013 17:44)
Tsasa ny Tompo! Raha niresaka ity tantara nisy itan'ny masoko ity aho dia nandeha ny hevitra maromaro,teo no nampahery ary mazava ho azy moa fa fampianarana ho antsika tsirairay sy ho an'ny hafa ary indrindra ho an'ireo izay mbola tsy nandray an'i kristy no tena zava-dehibe
Mba mangataka ny hevitrareo aho ahoana tsara izany hoe mivavaka ho an'ny fanahin'ilay rangahy efa maty io an
Aiza no anjara-toerana misy antsika na miandry antsika> Dieny mbola velona ve isika no mangataka famindrampo sy mangataka famonjena sa rehefa maty ilay olona dia mivavaka amin'Atra isika mba ho voavonjy ny fanahiny (ahoana raha tsy te hovonjena izy-enga anie ary sanatria anie izany )
Ity ary ilay resaka ary misaotra an'i smileyah aho fa nahatonga saina ahy ilay izy
Ahoana no fiheveranao izany hoe mivavaka ny fanahin'ilay rangahy iza efa maty io an ?
misaotra antsika rehetra sry misaotra manokana an'i Smileyah aho
Voninahitra anie ho an'Andriamanitra irery ihany
Niryna

smileyah:
smileyah - 30/01/2013 07:58
Manao ahoana daholo. Momba ity tranga iray ity, dia tsy anjarantsika olombelona ny mitsara , fa ny tokony ho ao an-tsaintsika dia hoe: Andriamanitra be famindran-po ka mahay mamela ny heloka rehetra. Tahaka ny namelan'i Jesoa Kristy ny helok'ilay jiolahy niara-nofantsiana taminy teo @ hazo fijaliana, ary nilazany hoe anio ihany dia hiaraka amiko any am-paradisa ianao. Raha nisy fanenenana tao @ ilay rangahy ka nitodika tany @ i Jesoa izy alohan'ny nahafatesany dia mino marina aho fa novonjena izy. Satria ny fiainana mandrakizay dia fanomezam-pahasoavana maimaim-poana omen'Andriamanitra ireo izay tiany.Ka na teo aza ny ota nitondra fahafatesana, Jesoa kosa manome maimaim-poana ny fiainana tsy mana-pahataperana.
Ny tokony ataontsika dia mivavaka ho an'ny fanahin'ilay rangahy.
Ahoana no fiheveranao izany hoe mivavaka ny fanahin'ilay rangahy iza efa maty io an ?
misaotra antsika rehetra sry misaotra manokana an'i Smileyah aho
Voninahitra anie ho an'Andriamanitra irery ihany
Niryna
novalian'i Nehemiah ny 06/02/2013 06:18
2. Nehemiah
(
01/02/2013 05:46)
Ny fivavahana ho an'ny maty dia anisan'ny fampianaran-diso avy @ EKAR. Milaza tsara ny Baiboly hoe : "Ary tahaka ny nanendrena ny olona ny ho faty indray mandeha, ary rehefa afaka izany, dia hisy fitsarana" (Heb. 9:27). Sady tsy miteny mihitsy ny Baiboly tena Baiboly fa tokony hivavaka ho an'ny maty isika. Misy an'izay ny apôkrifa eken'ny Katôlika (Makabeo), fa saingy fantatsika fa t@ voalohany, rehefa nampiditra an'ireny i Jerôma dia tsy nilaza mihitsy izy hoe boky kanônika ireo fa nampidiriny izy ireo mba ahalalàn'ny mpamaky ny tantara t@'izany andro izany. Ny Konsily tany Trente no nitompo teny fantatra fa ampidirina ho kanônika izy ireny (izay no niavian'ny teny hoe "deoterokanônika" : canon faharoa).
Ka aoka antsika tsy ho tratran'izany : rehefa maty ny vatana, tonga dia mandeha @ toerana sahaza azy ny fanahy : na Paradisa, na fiainan-tsi-hita, fa tsy misy an'izany hoe mandry am-piadanana na tsy mandry am-piadanana.

3. smileyah
(
01/02/2013 12:51)
Nehemiah:Moa ve tompoko efa tany ankoatra ianao vao niverina azafady indrindra? Fa sao dia ianao izany no mitompo teny fantatra? Koa raha mivavaka ho an' ny fanahin'irao zay efa maty ny olona, moa tsy vokatry ny fitiavana mba hahavonjy ny olon-drehetra ve izany? Sa mahavery any amin'ny afobe ny mivavaka ho an'ny fanahin'ireo zay efa maty? Sa mahavoaheloka eo anatrehan'Andriamanitra raha mitalaho ny famindrampony? Moa ve Andriamanitra tsy be famindrampo sa ianao tsy matoky ny halehiben'ny famindrampony sy ny hatsarampony ka manakana ny olona hitalaho izany aminy?
Ny fivavahana ho an'ny maty dia anisan'ny fampianaran-diso avy @ EKAR. Milaza tsara ny Baiboly hoe : "Ary tahaka ny nanendrena ny olona ny ho faty indray mandeha, ary rehefa afaka izany, dia hisy fitsarana" (Heb. 9:27). Sady tsy miteny mihitsy ny Baiboly tena Baiboly fa tokony hivavaka ho an'ny maty isika. Misy an'izay ny apôkrifa eken'ny Katôlika (Makabeo), fa saingy fantatsika fa t@ voalohany, rehefa nampiditra an'ireny i Jerôma dia tsy nilaza mihitsy izy hoe boky kanônika ireo fa nampidiriny izy ireo mba ahalalàn'ny mpamaky ny tantara t@'izany andro izany. Ny Konsily tany Trente no nitompo teny fantatra fa ampidirina ho kanônika izy ireny (izay no niavian'ny teny hoe "deoterokanônika" : canon faharoa).
Ka aoka antsika tsy ho tratran'izany : rehefa maty ny vatana, tonga dia mandeha @ toerana sahaza azy ny fanahy : na Paradisa, na fiainan-tsi-hita, fa tsy misy an'izany hoe mandry am-piadanana na tsy mandry am-piadanana.
Isaorako indrindra ianao ry Andriamanitro fa lahibe ny indrafonao amin'ireo zay mitoky Aminao sy matoky Anao.Mba amindrao fo ny fanahin'ireo zay efa maty indrindra ny kristianina. Matoky ny hatsaram-ponao aho ary manaiky zay sitrakao. Amen
4. Nehemiah
(
01/02/2013 13:33)
Smileyah >> Raha izaho ianao dia tsy entim-po, satria "Ny fo rano mangotraka, ny to fo mpamosavy". Am-panajàna anie no itenenako an'izay. Ary tsy niteny mihitsy aho na aiza na aiza fa heloka mahafaty ny mivavaka @ maty, ny tiako tenenina dia "fampianaran-diso tahaky ny hoe fisaka ny tany (tena misy anie izany Flat Earth Society izany @'izao andro izao). Tsy notoherinao mihitsy ny hevitro, ka mbola mijanona ihany ny Heb. 9:27, ary raha mahita andininy @ Baiboly kanônika manohitra an'izany ianao dia entaniko hametraka an'izay aty @ serasera aty ianao. Sady mbola tohanan'ny fanoharan'ny lehilahy manankarena sy Lazarosy izany.
Eny, Andriamanitra dia be famindram-po, fa kosa marina koa Izy. Ary rehefa miteny zavatra Izy, dia Izy no marina fa tsy mompera mpanota mety diso. Ka zava-dehibe loatra ny mifantoka @'izay tenenin'ny Baiboly.

5. miarana
(
02/02/2013 06:59)
« Fa toy izao no nitiavan' Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay. » (Jaona 3:16)
=> Izay rehetra tsy mino dia very = tsy manana fiainana mandrakizay
Tsy nilaina ny fisian'i Jesosy raha toa ka mbola ho avotra @ vavaka ndray izay efa maty very.

6. moustaraf
(
02/02/2013 18:16)
miarana:
« Fa toy izao no nitiavan' Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay. » (Jaona 3:16)
=> Izay rehetra tsy mino dia very = tsy manana fiainana mandrakizay
Tsy nilaina ny fisian'i Jesosy raha toa ka mbola ho avotra @ vavaka ndray izay efa maty very.
Salama namana,
Misy secret izay mila dinihina akaiky io vavaka ho an'ny fanahin'ny EFA NODY MANDRY io, raha tena mamaky ny baiboly isika. Ireto misy aandininy vitsivitsy asehoko anareo ka mba hazavaina sy jerena akaiky:
1. LEVIT 26: 40-42
"Fa raha hiaiky ny helony sy ny heloky ny RAZANY izy, dia ny fahadisoany izay nahadisoany tamiko t@ nanoherany Ahy"
2. i Daniela no nanao an'io fifonana io tany @ fahababoana
DANIEL 9: 4-19
-8)Eny anay ny fahangaihazana,...dia an'ny mpanjakanay sy ny mpanapaka anay ary NY RAZANAY, satria efa nanota taminao izahay,
3.Ahoana indray koa ary ny "Batisa misolo ny MATY" aty @ andron'ny Apostoly???
Mahereza daholo namana
7. niryna
(
02/02/2013 20:06)
Nehemiah:misaotra anao fa nazava ilay izy
Ny fivavahana ho an'ny maty dia anisan'ny fampianaran-diso avy @ EKAR. Milaza tsara ny Baiboly hoe : "Ary tahaka ny nanendrena ny olona ny ho faty indray mandeha, ary rehefa afaka izany, dia hisy fitsarana" (Heb. 9:27). Sady tsy miteny mihitsy ny Baiboly tena Baiboly fa tokony hivavaka ho an'ny maty isika. Misy an'izay ny apôkrifa eken'ny Katôlika (Makabeo), fa saingy fantatsika fa t@ voalohany, rehefa nampiditra an'ireny i Jerôma dia tsy nilaza mihitsy izy hoe boky kanônika ireo fa nampidiriny izy ireo mba ahalalàn'ny mpamaky ny tantara t@'izany andro izany. Ny Konsily tany Trente no nitompo teny fantatra fa ampidirina ho kanônika izy ireny (izay no niavian'ny teny hoe "deoterokanônika" : canon faharoa).
Ka aoka antsika tsy ho tratran'izany : rehefa maty ny vatana, tonga dia mandeha @ toerana sahaza azy ny fanahy : na Paradisa, na fiainan-tsi-hita, fa tsy misy an'izany hoe mandry am-piadanana na tsy mandry am-piadanana.
8. niryna
(
02/02/2013 20:25)
smileyah:tsy izaho aloha no omenao ny fanontaniana fa voalaza ao anaty baiboly kosa angamba io an- aleo ny maty andevina ny maty sa HD aho,
Moa ve tompoko efa tany ankoatra ianao vao niverina azafady indrindra?
Fa sao dia ianao izany no mitompo teny fantatra? Koa raha mivavaka ho an' ny fanahin'irao zay efa maty ny olona, moa tsy vokatry ny fitiavana mba hahavonjy ny olon-drehetra ve izany?ny famonjena tokoa aloha dia nomena antsika maimaimpoana e,saingy ny famonjena kosa dia ho an'ny tsirairay io fa tsy hoe mpivavaka na mpanompon'Andriamanitra ny rar -niko dia ho voavonjy koa ny fanahiko-Izay mino dia voavonjy hoy ny baiboly ka raha toa ka tsy mino ny olona iray na hivavahana aza mety tsy ho voavonjy sa ahoana ?
Sa mahavery any amin'ny afobe ny mivavaka ho an'ny fanahin'ireo zay efa maty?ny hoe mahavery sy tsy mahavery dia toa tsy mahasarika ilay fanahin'ilay efa maty ny mivavaka ho azy aorian'ny fahafatesana,fihevitro izany an ,raha tsy izany dia tsy mila famonjena intsony isika fa afaka mifampivavabavaka eny daholo ary tsy mila mahalala ny tenin'Andriamanitra na mifikitra amin'ny teniNy intsony fa dia miandry ilay fahafatesana dia antsoina ny fianakaviana hivavaka dia tonga any an-danitra raha izany whoops
Sa mahavoaheloka eo anatrehan'Andriamanitra raha mitalaho ny famindrampony? [/Moa ve Andriamanitra tsy be famindrampo sa ianao tsy matoky ny halehiben'ny famindrampony sy ny hatsarampony ka manakana ny olona hitalaho izany aminy?mamindrafo tokoa izy ary ny fahasoavany no namonjeny antsika fa izany tokoa no nahatonga sy mbola mahatonga antsika mizara ny teniNy mandraka ankehitriny mba ahatonga ny rehetra ho voavonjy ,dieny ety an-tany fa tsy ao anaty fasana -hevitro anefa izay
[/quote] ary noheveriko fa nanazava ilay hevitrao tary aloha hianao hoe mivavaha raha mbola ka misy ny fotoana.Kanefa toa lasa nitompo teny fatratra indray hianao fa mila mivavaka hoan'ilay olona sa diso aho ? Tsy izaho akory no teneninao fa saingy mahatonga saina e Na efa maty aza ve dia mbola mila mivavaka ilay olona isika?
9. Miharena
(
03/02/2013 05:17)
Raha izaho indray no anontaniana momba ity resaky ny namana Niryna ity dia ny vavaka ho an'ny maty dia tsy misy satria izay velona no hivavahana. Ka raha milaza ny namana eo ambony hoe fampuanaran-diso nomen'ny EKAR, dia tsy mahazo izay tena fototry ny olombelona izany izy. Ny vatana no maty fa ny fanahy dia velona ary io no angatahana hovonjena ho ao amin'y fiainana mandrakizay.
Ny olona dia lasa manao referansa amin'ny nofo fa tsy amin'y fanahy eo amin'ny firesahana sy fandinihana ny momba ny fahafatesana, ka izany no maharendrika ny maro.
Ny vontoatin"ny Baiboly anefa dia fampahafantarana fa manana fiainana mandrakizay isika tsirairay avy

10. niryna
(
03/02/2013 23:00)
miarana:Voavaly ny hafatra fa dia misaotra Miarana
« Fa toy izao no nitiavan' Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay. » (Jaona 3:16)
=> Izay rehetra tsy mino dia very = tsy manana fiainana mandrakizay
Tsy nilaina ny fisian'i Jesosy raha toa ka mbola ho avotra @ vavaka ndray izay efa maty very.
11. niryna
(
03/02/2013 23:06)
Miharena:misaotra Miharena ,izay koa no mba fantatro sy nampianarina ahy saingy misy tokoa ny fiangonana izay mandrehitra labozia ary tonga ao am-piangonana mandohalika ary mivavaka ilay olon-tiany efa maty.Nanatonan'ity namako iray aho dia hoy izy mantsy ahy hoe mba hivavaho ny nenitoako,iza no anarany hoy aho,efa maty aky izy .Tena kenda aho ,tsy te handratra ny fony aho saingy tsy tiako kosa ny andainga fa hoy aho hoe hivavaka ny fianakaviany aho mba omen'Andriamanitra hery sy tanjaka izy ireo. Taty aoriana aho no nanazava azy tsikelikely ary hay ve izany e
Raha izaho indray no anontaniana momba ity resaky ny namana Niryna ity dia ny vavaka ho an'ny maty dia tsy misy satria izay velona no hivavahana.
12. Miharena
(
04/02/2013 05:35)
Mety tsy azonao tsara izay nolazaiko namana Niryna satria ilay velona lazaiko eto dia ilay olona nodimandry mihitsy fa tsy hafa akory ary ny angatahana ny famonjena ny fanahin'io nodimandry io dia amin'i Jesoa sy ny Ray ao an-danitra.
Ny maharendrika ny maro hoy aho dia ny fiheverana fa maty izay nodimandry.
Tsy ny EKAR amin'ny fomba fanaony manatontosa izany no tokony hasiana fanakianana satria samy manana ny fombany ny tsirairay eo am-panatontosana io resaka fangatahana io.
Maro ohatra ireo izay mahalala tsy amim-piahambahambana fa velona mandrakizay ny fanahin'ny olona voavonjy sy nifanerasera tamin'i Krsity teto an-tany ary tsy misalasala koa izy ireo mampahatsiahy ny mpiara-mivavaka ny toe-pon'izy ireo (ohatra : ireo Mpaminany izay nahatonga fisiana Toby Masina maro eto amintsika Malagasy).
Toy izany koa ireo fahagagana maro manaraka ireo Olomasina izay resahan'ny EKAR.
Ireny dia olona raisina ho ohatra ihany fa raha hiverina kely eo amin'ilay hoe hivavahana ny hamonjena ireo nodimandry dia azo heverina fa ny velona ao amin'ny nofo raha tena miaina ara-panahy dia hahatsapa fa mety tena ilaina tokoa ny mivavaka mba hamonjena ny havan-tiana.
Mba ho fijoroana, dia nisy ohatra teo amiko ny fanofisana ireo nodimandry ary naseho tamiko fa gadra na maizina izy ireo. Nivavaka aho dia afaka ilay nofy ratsy fa nanjary nofy tsara amin''ny fahavelombeloman'ireo no hitako ary tsy niverina intsony ilay nofy ratsy.
Eo amin'ny olona sasany dia rehefa eo ambavahaona ny olona no ampiana tosika mba ho tafita. Io dia tsy ny Kristianina ankehitriny ihany no manao azy fa efa nataon'ny razana tany aloha tany koa. Ary toeo ami'ny Malagasy dia tsy nisy loatra izany resaka maty izany fa fodiamandry no izy. Hoy ilay mpitan-kazomanga iray izay rehefa nihaona tamin'ny fanahy izay te-hampita hafatra taminy hoe : tsy maty ny olombelona hoy izy fa mitsahatra fotsiny ny fikorian'ny rany dia miala ao amin'y vatany izy.
Ka hoy aho hoe, sao dia tsy tokony hatao intsony ny manenjika ny fombafomban'ny tsirairay fa matoa izany mitranga aminy dia fampianarana ihany koa izay azony izay eo amin'ny fandalovany ny tany?

13. miarana
(
04/02/2013 06:22)
moustaraf:
Salama namana,
Misy secret izay mila dinihina akaiky io vavaka ho an'ny fanahin'ny EFA NODY MANDRY io, raha tena mamaky ny baiboly isika. Ireto misy aandininy vitsivitsy asehoko anareo ka mba hazavaina sy jerena akaiky:
1. LEVIT 26: 40-42
"Fa raha hiaiky ny helony sy ny heloky ny RAZANY izy, dia ny fahadisoany izay nahadisoany tamiko t@ nanoherany Ahy"
2. i Daniela no nanao an'io fifonana io tany @ fahababoana
DANIEL 9: 4-19
-8)Eny anay ny fahangaihazana,...dia an'ny mpanjakanay sy ny mpanapaka anay ary NY RAZANAY, satria efa nanota taminao izahay,
« Mahari-po Jehovah sady be famindram-po, mamela heloka sy fahadisoana, kanefa tsy mety manamarina ny meloka, fa mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka hatramin'ny zafiafy sy ny zafindohalika. » (Nomery 14:18)
« nefa kosa mamindra fo amin'ny olona arivo mandimby, izay tia Ahy ka mitandrina ny didiko. » (Deotoronomia 5:10)
14. smileyah
(
04/02/2013 14:37)
Nehemiah:Izaho dia olon-tsotra tsy mpampianatra na mpandinika na mpandalina ny baiboly fa kosa mandray ny fampianarana avy amin'ireo zay nomen'Andriamanitra fahefana amin'izany.Fa misy andalana any ho any milaza hoe : ary ianao ry Simona, tsy antsoina hoe simona intsony ianao fa i Piera (zany hoe vato), ary eo ambonin'izany vatolampy izany no anorenako ny fiangonako. Ary koa hoe : raiso ny Fanahy Masina izay rehetra hovahanareo ety an-tany dia hovoavahana koa any an-danitra, ary izay rehetra hohidianareo ety an-tany dia hohidiana koa any an-danitra.
Smileyah >> Raha izaho ianao dia tsy entim-po, satria "Ny fo rano mangotraka, ny to fo mpamosavy". Am-panajàna anie no itenenako an'izay. Ary tsy niteny mihitsy aho na aiza na aiza fa heloka mahafaty ny mivavaka @ maty, ny tiako tenenina dia "fampianaran-diso tahaky ny hoe fisaka ny tany (tena misy anie izany Flat Earth Society izany @'izao andro izao). Tsy notoherinao mihitsy ny hevitro, ka mbola mijanona ihany ny Heb. 9:27, ary raha mahita andininy @ Baiboly kanônika manohitra an'izany ianao dia entaniko hametraka an'izay aty @ serasera aty ianao. Sady mbola tohanan'ny fanoharan'ny lehilahy manankarena sy Lazarosy izany.
Eny, Andriamanitra dia be famindram-po, fa kosa marina koa Izy. Ary rehefa miteny zavatra Izy, dia Izy no marina fa tsy mompera mpanota mety diso. Ka zava-dehibe loatra ny mifantoka @'izay tenenin'ny Baiboly.
Ary mino ny fampianarana rehetra avy amin'ny Eglizy Katolika Apostolika Romana aho ary tsy azo hozongozonina na oviana na oviana.
Ianao rahateo moa niteny hoe tsy mahavoaheloka ny ho faty ny mivavaka ho an'ny fanahin'ireo zay nodimandry, dia tsy hitako loatra ny fatiantokako amin'izany.
15. Nehemiah
(
05/02/2013 07:15)
Mazava izany ny position-nao. Hajaiko izany ary manentana anao hanaja ny ahy koa. Izao fotsiny no mba tiako ho fantatra : ahoana no ahafantarana fa manana ny fahefana avy @ Fanahy Masina ireo olona ireo ?
16. smileyah
(
05/02/2013 08:02)
Nehemiah:Izaho koa dia manaja ny position nao. Ianao no mpahay ny Baiboly ary mahalala ny toko sy andininy amin'ny antsipirihany fa ny ahy kosa ny finoako no hanekeko.
Mazava izany ny position-nao. Hajaiko izany ary manentana anao hanaja ny ahy koa. Izao fotsiny no mba tiako ho fantatra : ahoana no ahafantarana fa manana ny fahefana avy @ Fanahy Masina ireo olona ireo ?
17. mandalomiserana
(
05/02/2013 11:19)
ny fijery samy manana, toy izany koa ny faharesen-dahatra, tsy hitsara no antony hanoratako eto fa mba hizara ny fomba fijeriko. Aoka anefa hohamarinina foana amin'ny tenin'Atra (baiboly) izany ary hangataka ny Fanahy Masina isika mba hampazava ny saintsika.
Ny zavatra maharesy lahatra ahy dia maty miaraka ami'ny olona ny safidiny; tsy afaka mifidy ny akanjo hanaovany intsony ny olona rehefa maty fa hampiakanjoana,toy izany kokoa ny lalan-kalehany . Noho izany mandritra ny taona hahavelomany ihany no hahafahana misafidy ny ho avy rehefa miala ety, ary tsy misy afaka manova izany na dia Jesosy aza. tsy mbola nahita isika tao amin'y baiboly ka nanova ny safidin'ny olona Atra fa nanaja foana izay tapakin'ny fony.
tsy zavatra roapolo no natolotr'Atra hizoran'ny olona fa safidy roa ihany: fiainana sa fijaliana??
koa ny lalana mandeha any dia tena mazava be ao anaty baiboly: "RAISO JESOSY HO TOMPO SY MPANDIDY NY FIAINANAO" NA "AZA MANAIKY AN'I JESOSY HO MPAMONJY ANAO ".
izay tianao atao mety daholo fa lalana roa samihafa tsy mety miaraka ireo ary mitondra anao any amin'ny toerana roa samihafa tsy mety miaraka.Eto an-tany no mbola azo hovana ny safidy satria mbola velona ianao ka azo handramana izay maharesy lahatra anao. ary tsy rariny raha toa ianao ka nifidy ny ho any amin'ny fiainana mandrakizay tety an-tany dia azon'ny vavakin'ny velona hovana rehefa maty ianao.
tsy hanakiana fijery no hanoratako eto fa tsy aleo tsy mandany fotoana ny fanahin'ilay maty fa ny fanhintsika mbola velona no karakaraina, sao misy mbola tsy mahalala ny fiainana aorian'ny fahafatesana ety an-tany ka tokony hizarana izany mba tsy hangatahany amin'ny hafa indray ny hanovany safidiny rehfa eo anoloan'ny fitsarana any an-danitra izy.
Torio ny fitiavan'Andriamanitra sy famindram-pony tsy lany izay tsy mitahiry na mahatsiaro ny faharatsiantsika ,raha toa ka resy lahatra tanteraka fa tsy mendrika akory izany fitiavany izany isika nohon'ny fahadalantsika ; Mibebaha @ ratsy fanaontsika ka meteza hotarihin'ny fanahin'Atra hahalala ny marina: HOY JESOSY:IZAHO NO LALANA SY FAHAMARINANA ARY FIAINANA,TSY MISY MANKANY AMIN'NY RAY RAHA TSY AMIN'NY ALALAKO.
mAHEREZA

18. Nehemiah
(
05/02/2013 13:28)
smileyah:
Izaho koa dia manaja ny position nao. Ianao no mpahay ny Baiboly ary mahalala ny toko sy andininy amin'ny antsipirihany fa ny ahy kosa ny finoako no hanekeko.
Sao dia tsy azoko tsara ny tianao tenenina : mifanohitra @ finoana angaha ny fandinihana ny Soratra Masina ? Raha ny Asa 17:10-12 no zohiko aloha dia tsara ny mampitaha ny fampianarana @'izay tena voalazan'ny Tenin'Andriamanitra.
19. smileyah
(
05/02/2013 14:20)
Ianao dia tia mifanditra. Tokony ho hisy tohiny ve ny valim-panontaniako raha ianao aza efa niteny fa manaja ny position-ko, izaho koa manaja ny position-nao. Ary nanontany ahy ianao hoe ahoana no ahafantarana fa manana ny fahefana avy amin'ny Fanahy Masina ireo olona ireo ? Dia ny finoako ny valiny. Fa ianao no mitadiava ny toko sy andininy hamalianao azy satria tsy mino ianao.
20. Nehemiah
(
05/02/2013 14:41)
Tsy filàna vanona anie izao. Ny tiako isarihana ny sainao anie dia ny mahatsara ny fandinihana ny Baiboly fa tsy inona. Satria nosoratana ho an'ny sarambabembahoaka ilay izy fa tsy notakana ho an'ny manam-pahaizana, mazava ho azy. Miala tsiny raha nahasosotra anao ny fomba fiteniko, tsy mba tanteraka aho.