Ny tokony ataontsika dia mivavaka ho an'ny fanahin'ilay rangahy ( efa maty io an) ahoana koa izany?

21. andry2013 ( 05/02/2013 18:14)
niryna :

Ahoana no fiheveranao izany hoe mivavaka ny fanahin'ilay rangahy iza efa maty io an ?
misaotra antsika rehetra sry misaotra manokana an'i Smileyah aho
Voninahitra anie ho an'Andriamanitra irery ihany
Niryna



Ho an'ny Fiangonana Katolika dia mila ampiana amin'ny vavaka ny Fanahin'ny Maty raha mbola ao amin'ny Afo Fandiovana izy. toy izao no anisan'ny fotom-pampianaran'ny Fiangonana mikasika ilay hoe Afo Fandiovana sy ny mahasamihafa azy amin'ny Afobe:

Ny Eglizy Mijaly na Afofandiovana : Misy ny Fanahy izay tsy mbola mendrika ny ho any an-danitra kanefa tsy mendrika ihany koa ny ho very any amin’ny Afobe ka mila mandalo ny afo Fandiovana , hoy ny Katesizin'ny Fiangonana Katolika :

“Ireo izay maty ao anatin’ny fahasoavana sy ny fisakaizana amin’Andriamanitra, kanefa tsy voadio tanteraka, na azo antoka aza ny famonjena mandrakizay ho azy ireo, dia mijaly amin’ny fandiovana aorian’ny fahafatesany izy ireo, mba hahazoana ny fahamasinana ilaina hidirana ao amin’ny hafalian’ny lanitra.

Antsoin’ny Fiangonana hoe Afofandiovana izany fandiovana farany ireo olom-pinidy izany, izay tsy mitovy velively amin’ny famaizana ny olom-bery any amin’ny afobe. Nandrafitra tamin’ny rijan-teny ny fitambarampampianaram-pinoana momba ny Afofandiovana ny Fiangonana, indrindra tamin’ny Kônsily tao Florence3 sy tao Trente. Ny lovam-pampianaran’ny Fiangonana, izay manovo hevitra avy amin’ny lahatsoratra sasany ao amin’ ny Soratra Masina5, dia miteny afo mpandio :

Noho ny fisian’ny fahadisoana kely sasantsasany, tsy maintsy mino fa misy afo mpandio alohan’ny fitsaràna, araka ny nolazain’Ilay Fahamarinana, amin’ny fitenenana fa ny olona izay hanao teny faniratsirana ny Fanahy Masina, dia tsy hahazo famelan-keloka, na amin’ity fiainana ity na amin’ny fiainana ho avy (Mt 12,32). Ao amin’ izany tenim-pitsaràna izany no
ahafahantsika mahafantatra fa ny fahadisoana sasantsasany dia mety ho voavela eto amin’ity fiainana ity, fa ny hafa sasantsasany dia any amin’ny fiainana ho avy (Katesizin’ny fiangonana Katolika 1030-1031)

Averiko manokana eto ambany ireo soratra masina anisan'ny nakan'ny fiangonana io fotopampianarana momba ny afo fandiovana

"ary ny andron'ny Tompo no hampiseho azy; satria andro hanetriketrika amin'ny afo izany, ka ny afo no hizaha toetra ny asan'ny olona tsirairay isam-batana: maharitra moa ny asa narafiny teo amboniny, dia handray valisoa izy; may kosa ny asany, dia ho faty antoka izy, nefa hovonjena ihany ny tenany, saingy toy ny avy ao amin'ny afo." (1 Korintianina 3, 13-15)

Ary na iza na iza hanao teny manohitra ny Zanak'olona, dia hahazo famelan-keloka ihany: fa izay hanao teny manohitra ny Fanahy Masina kosa, dia tsy hahazo famelan-keloka, na amin'ity fiainana ity na amin'ny ho avy. (Matio 12,32)

Ilay hoe fianana ho avy dia ankoatra ity fiaianana ity nefa mbola misy resaka famelan-keloka : tsy ny fiangonana sambatra (fiangonan'ny Olomasina any an-danitra) izany satria tsy mila avela heloka intsony ny any, tsy ny afobe koa satria efa very indray ny any , ny afo fandiovana izany.

Ny anisan'ny Tena nametrahan'ny Fiangonana ny fampianarana momba ny afo fandiovana io dia noho ny fisehoana hitan'ireo olomasina sasany toa an-dry Mb Françoise Romaine, Mb Faustine ,...izay nahita fahitana momba io afo fandiovana io sy ireo fanahy ao izay mila vavaka.


Marihiko fa araka ny efa voalaza etsy ambony dia Samihafa tanteraka amin'ny Afobe mihitsy io Afofandiovana io

« Ny fampianaranân'ny Fiangonana dia manantitrantitra ny fisian'ny afobe sy ny maha-mandrakizay izany. Ny fanahin'ireo izay maty ao amin'ny toepahotana mahafaty dia midina eo no eo avy hatrany any amin'ny afobe aorian'ny fahafatesana, izay ao izy no mijaly amin'ny sazin'ny afobe, âo ilay afo mandrakizay. Ny sazy lehibe indrindra ao amin’ny afobe dia ny fisarahana mandrakizay amin'Andriamanitra, satria ao amin'Andriamanitra irery ny olombelona no afaka mahazo ny fiainana sy ny fahasambarana izay ho amin'izany no nahariana azy ary izany rahateo no iriny. » (Katesizin'ny Fiangonana Katolika 1035)

I Jesoa indrindra ihany ka no nanambara matetika (Mt 5,22.29 ; Mt 13,42.50 ; Mk 9,43-48.) ny fisian’io Afobe Mandrakizay io (izay afo ara-panahy ny endriny voalohany satria ny fanahy any dia ireo fanahy very fanantenanana sy kivy mandrakizay mandrakizay tsy hahita intsony ny Fahamarinana sy hiray amin'ny Fitiavana dia Andriamanitra izany)

Rehefa maty ilay olona dia mety tsy fantatra hoe lasa any amin'ny afofandiovana ve ny Fanahiny sa efa any amin'ny Afobe ka mivavaka ho azy ihany aloha.
22. Nehemiah ( 06/02/2013 06:18)

andry2013:

Antsoin’ny Fiangonana hoe Afofandiovana izany fandiovana farany ireo olom-pinidy izany,

Fisainana kristiana ve izany ? Tsy filôzôfia grika mpanompo sampy ve izany ? Satria mampieritreritra fatratra an'ireny olona miandry 100 taona eo amoron'ny ony Styx alohan'ny idirana @ Champs-Élysées satria tsy nanana ariary omena an'i Charon ilay mpampita izy ireo. Sady izay koa no novakiako t@ "Somme théologique" nosoratan'i Md Thomas d'Aquin : mampalaky ny famelan-keloka sy ny fivoahan'ireo voafonja anaty Afo Fandiovana ny manome vola ny fiangonana.
andry2013:
Ny anisan'ny Tena nametrahan'ny Fiangonana ny fampianarana momba ny afo fandiovana io dia noho ny fisehoana hitan'ireo olomasina sasany toa an-dry Mb Françoise Romaine, Mb Faustine ,...izay nahita fahitana momba io afo fandiovana io sy ireo fanahy ao izay mila vavaka.

Na inona na inona fireham-pinoantsika dia tokony tandremana ka dinihana tsara ireny "fisehoana" ireny satria efa voalazan'ny Lk. 16:27-31 fa tsy hiverina aty @ velona ny maty hanome hafatra azy ireo. Nefa kosa, "Satana aza mampiova ny endriny ho tahaka ny anjelin’ ny mazava." (2 Kor. 11:14).
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0413