TAOM-BAOVAO DISO

1. tsitialainga ( 07/01/2013 14:19)
Efa miha-malaza izao ny TAOM-BAOVAO MALAGASY izay tanterahina isan-taona eto amin-tsika. Mahafaly tokoa izany satria nody ventiny tsikelikely ny rano nantsakaina raha nanomboka mba nanentana izany izahay taona vitsivitsy lasa izay. Tiana àry ny manamarika fa tsy ara-kolotsaina fotsiny ihany na ara-pomba nentim-paharazana fotsiny ihany no antony hankalazana azy io fa tena voalaza mihitsy ao anaty baiboly kristianina izy io fa misy hevi-dalina ara-panahy ary ahazoana sitraka sy tso-drano ary fihavaozana tanteraka amin'ny lafiny rehetra ara-piaina sy ara-piaraha-monina izany.
Ho nofinofy ve raha ny antsasaky ny malagasy fotsiny ihany aza no mba mankalaza izany atao hoe TAOM-BAOVAO Malagasy izany? Mahatsikaiky mantsy fa mifanandrify tsara ny fanisan'andro Malagasy sy ny fanisan'andro ao anaty baiboly Krsistianina. Ary sao dia mba tena Hebreo marina tokoa àry isika ireto e?
2. Nehemiah ( 07/01/2013 15:06)
Mba te-hanontany aho : inona no tombontsoa mety ho azontsika gasy @ fanarahana ny taom-baovao gasy toy izay ny taom-baovao grégorien na ny taom-baovao sinoa na ny taom-baovao josy na ny taom-baovaon'ny revolisiona frantsay ?
3. tsitialainga ( 07/01/2013 16:28)

Nehemiah:

Mba te-hanontany aho : inona no tombontsoa mety ho azontsika gasy @ fanarahana ny taom-baovao gasy toy izay ny taom-baovao grégorien na ny taom-baovao sinoa na ny taom-baovao josy na ny taom-baovaon'ny revolisiona frantsay ?

Raha izaho aloha Nehemia, alohan'ny hamalian'ny namana mpisera hafa dia te hampita aho hoe fa iza marina moa aloha ny malagasy ary avy aiza marina izy satria raha tsy fantany ny tena fihaviany dia ho sasatra foana izy hanandrakandrana toy ny akanjo na ny kiraro tsy antonona azy ireo fomba sy kolon-tsaina ary fivavahana vahiny izay aseho sy hamahanana azy.
Topazo maso anefa ireo firenen-kafa maneran-tany ireo @ fombany sy ny fanaony fa tena manana ny mendrika sy antonona azy tokoa izy ireo ary tena fikiriny mafy tsy ho very na hifangarongaro @ hafa mihitsy ny azy. Koa tsy mampanontany tena ve raha toa ka misesika izay tsy izy ireo fomba sy antokom-pivavahana vahiny eto amin-tsika? Inona no antony? Ary fa naninona isika no efa nahalala an' Andriamanitra Andriananahary talohan'ny nahatongavan-dry Thomas B. sy ry D. Jones t@ 1820 araka ilay fomba fiten' ny ntaolo hoe : Aza ny lohasaha mangina no jerena fa Andriamanitra ao an-tampon'ny loha?
Raha izany no dinihina izany dia toa tsy ampy ny malagasy ve ny fahendrena efa azony sy ny fahalalàny an' Andriamanitra talohan'ny 1820 no dia nampidirana sy noraviravizana fivavahana hafa vaovao tsy fantatra indray izy? Mampieritreritra a!
Hitsikitsika tsy mandihy foana fa ao raha! Maninona ao anaty baiboly nentin-dry Jones sy ry Bevan izao ohatra misy fandraràna ny fihinanan-kisoa ary ny malagasy koa efa talohan' izany no tsy nihinana fa nifady kanefa ankehitriny dia azo isaina @ rantsan-tànana sisa ny malagasy no mahatana izany fifadiana kisoa izany, ary avy taiza ny kisoa? Efa nisy teto ve sa nampidirina niaraka t@ baiboly? Ny hany fantatra sy azo antoka aloha dia saiky mihinana kisoa avokoa ireo vahiny tonga teto hatr@ zao ankoatra ny Jiosy sy ny Musulman ka midika inona re izany e?
Tsy azo hodian-tsy fantatra anefa fa ny vahiny miha manankarena raha vao tonga sy miala eto fa ny malagasy kosa dia hatr@ taolany aza mila hamidiny na dia mbola velona aza izy vokatry ny fahantràny. Sao dia izao kosa àry ilay voalazan'ny Baiboly ao amin'ny Det 28/42-45?
Hatreto aloha angamba ny hamaranako azy fa tsy maintsy hahazo fahafaham-po ianao @ valim-panontaniana fa ndao mba hamakafaka sy hitady izay tokony hamoahana ny malagasy maro ao anatin'izao lavaka mandifotra izao e! Sa ahoana? Tsy tsara mantsy ny mitsikera fahatany fa tokony handroso soso-kevitra mampandroso hatrany!
Dia manasa an-tsika namana rehetra hifarimbona e!
4. Nehemiah ( 08/01/2013 07:54)
Tsy azoko tsara ny fanehoan-kevitrao : ohatran'ny lazainao fa tsy mety @tsika gasy ny Baiboly nefa avy eo maka andininy @ Baiboly ianao. Afaka manazava misimisy kokoa ve ianao ?

Raha ny fanontanianao momba ny hoe maninona no efa nahalala an'Andriamanitra talohan'ny nahatongavan'ny misionera ny gasy, dia mahavaly an'izay tsara ny Baiboly : avy tany Babela no niparitahan'ny vahoaka rehetra manerana ny tany, izay taranak'i Noah rahateo fa saingy lo t@ fanariana an'Andriamanitra nataon'i Nimroda sy ny sakaizany ny fahalalany an'Andriamanitra. Tsy mba ny gasy irery no afaka mirehareha an'izay fa na dia ny mitolojia be fanompoan-tsampy indrindra (tahaky ny mitolojia Grika sy ny mitolojia hindoue) dia ahitàna fa mino "hery lehibe" mpamorona an'izao tontolo izao izy ireo, fa izany hoe ny fanompoan-tsampy no tena nanjàka. Ary rehefa dinihina dia mitovitovy @'izay ihany ny ntaolo : i Andriamanitra any alavitra any fa i Kelimalaza sy ny tariny no tena deraina.

Raha ny hevitrao momba ny Det. 28 dia mazava aloha fa tokony ahatsikaritra fa tena ny ozona ao anatiny no mahazo antsika gasy. Ka rehefa dinihina dia ny fanariantsika gasy an'Andriamanitra ihany no mahatonga an'izany. Izy ve dia hiravoravo tanana manoloana an'izany nefa efa nomeny toerana sy anjara mahatalanjona antsika (ny zavaboary, ny fahendren'ny ntaolo, ny harena voajanahary, ny maritiora...) ? Rehefa manary an'Andriamanitra ny firenena 1 dia tsy maintsy izay no vokany, fa raha nomen'Andriamanitra be antsika nefa manary azy dia tsy maintsy manasazy mafy kokoa Izy.
Ny tena manahirana ny saiko dia vao mainka mihamafy ny fanariana an'Andriamanitra azon'ny firoboroboan'ny sekta sy ny haino aman-jery manaparitaka fampianaran-diso isan-karazany. Ka inona no hany fanafody ? Miverina @'Andriamanitra sy ny Teniny.

Izany akory tsy midika hoe atao fitaovana ny Tenin'Andriamanitra mba hanohana ny hevi-diso iray, fa tsy maintsy ny Baiboly iray manontolo no arahina. Ka ny Tenin'Andriamanitra milaza fa efa lany daty ny Fanekena Taloha fa ny Fanekena Vaovao @'i Jesoa Kristy no manan-kery @'izao, ary ny Fitiavana sy ny Fahasoavana no hany tena vontoatin'izay Fanekena izay. Ny fanompoam-pivavahana sitrak'Andriamanitra dia ny fanaovan-tsoa vokatry ny finoantsika sy fitiavantsika, araky ny Jak. 1:27. Ka tsy dia azoko loatra ny maha-zava-dehibe ny fanarahana andro fankalazàna 1 nohon'ny andro fankalazàna 1. Hampandroso antsika @ fitiava-namana sy fahatahorana an'Andriamanitra ve izany ?
5. Miharena ( 08/01/2013 09:36)
Miarahaba ny namana Tsitialainga mandray anjara amin'ny serasera eto.

Amiko dia ny mythe dia tsy mamokatra satria manalavitra ny Talenta na Cconscience Universelle miasa ao anatintsika mahatonga ny olona tsirairay hanana ny maha-izy azy avy amin'ny RAY na Loharano nipoirana.

Azo atao ny manadihady ny firazanana sy ny finoany fa raha vao hita fa misy Mythe dia ialàna impito mandifotra olona.
6. didi10 ( 08/01/2013 11:36)

Nehemiah:

Mba te-hanontany aho : inona no tombontsoa mety ho azontsika gasy @ fanarahana ny taom-baovao gasy toy izay ny taom-baovao grégorien na ny taom-baovao sinoa na ny taom-baovao josy na ny taom-baovaon'ny revolisiona frantsay ?

Nehemiah:

Mba te-hanontany aho : inona no tombontsoa mety ho azontsika gasy @ fanarahana ny taom-baovao gasy toy izay ny taom-baovao grégorien na ny taom-baovao sinoa na ny taom-baovao josy na ny taom-baovaon'ny revolisiona frantsay ?

Tsara be ilay fanontaniana.

Misy tombontsoa 2

Voalohany
Fetsy i Satana, fanatrao ve fa manonona anarana sampy (satana no ao ambadika) ianao isaky ny manonona anaram-bolana grégoriana (Mars, Janus = janvier, ...) ohatry ny hoe tsy mampaninona ilay izy satria efa zatra isika fa eritrereto hoe manana calendrier ianao dia ny anaran'ny volana voalohany, Ikalanoro, ny volana faharoa Ikelimalaza, ny volana fahatelo ikakizavimba, ny volana fahaefatra zazavavindrano ....
Tonga dia kiriko avy hatrany isika raha izany no anaran'ny volana ampiasaintsika kanefa dia mitovy ihany ireo fa samy sampy.
Tsy adala ny baiboly raha fanisana no nampiasana ny andro sy ny volana fa tsy nomena anarana: ohatra tamin'ny andro faha efatra amin'ny volana faha enina.

Faharoa
Raha tena miaina ny fiainana kristiana isika ka hankalaza ihany tsy aleo ve mankalaza araka ny nanaovan'i Jehovah azy fa tsy araka ny noforonin'olona?

Fantatrao ve fa ny zavaboahary rehetra dia "influencen'ny" fihodin'ny tany sy ny fihodin'ny volana, na ny toe-batan'ny olona aza dia manaraka io lojikan'ny natiora io.
Misy "décallage" na "déphasage" ny calendrier grégorien (repère ao amin'ny saina) sy ny calendrier naturel (arahin'ny toe-batana) ka izay dia mety hahatonga aretina tahaka ny faharerahana tsy fantam-pihaviana, na stress sns...

Jereo anie ity graph ity e!
NY ANDRO ARAKA NY NANAOVAN'ANDRIAMANITRA AZY

Hitanao fa équilibré ary mirindra tsara io graphe io

NY ANDRO ARAKA NY CALENDRIER GREGORIEN

Jereo tsara anie ny différence e!
Au lieu de 12h vao miova dia 6h amin'ny calendrier grégorien, normal raha mahatsiaro reraka ny vatana nefa tsy hay hoe ahoana, mihazakazaka kokoa ny fréquence amin'ny calendrier grégorien ka izay no mahatonga ny olona stressée lava tsy hay hoe ahoana...

Mbola afaka asehoko eto ny décallagen'ny graphe amin'ny volana sy ny taona kanefa ataoko fa mazava ny tiako tenenina.

Tadidio fa ny bibidia no ao ambadiky ny fanovana fotoana.
Dan 7 25
25 Ary hiteny hanohitra ny Avo Indrindra izy sy hampahory ny olo-masin'ny Avo Indrindra ary hitady hanova fotoana sy lalàna

Mahereza namana
7. Nehemiah ( 08/01/2013 12:22)

didi10:

Raha tena miaina ny fiainana kristiana isika ka hankalaza ihany tsy aleo ve mankalaza araka ny nanaovan'i Jehovah azy fa tsy araka ny noforonin'olona?

Misaotra ho an'ny valy. Fa izay no tena sarotra : tsy fantatra intsony ny nanaovan'i Jehovah azy fa very.
8. tsitialainga ( 08/01/2013 12:22)

Didi10 a! Za tena afa-po tanteraka @ le exposé nataonao e! Tsy mbola tsikaritro ireny demonstrations graphiques ireny fa tena tsara haely hoan namana rehetra izay liana.
Tsy manaonao foana tokoa Andriamanitra t@ andro sy ny fotoana raha eo @ ara-batan'ny olombelona fotsiny no jerena, maika koa fa eo @ ara-panahy?

Misaotra betsaka didi10 a. Misimisia ny tahaka ireny fa tena lafatra e!
9. tsitialainga ( 08/01/2013 12:46)

Miharena:

Miarahaba ny namana Tsitialainga mandray anjara amin'ny serasera eto.

Amiko dia ny mythe dia tsy mamokatra satria manalavitra ny Talenta na Cconscience Universelle miasa ao anatintsika mahatonga ny olona tsirairay hanana ny maha-izy azy avy amin'ny RAY na Loharano nipoirana.

Azo atao ny manadihady ny firazanana sy ny finoany fa raha vao hita fa misy Mythe dia ialàna impito mandifotra olona.

Misaotra namana Miharena.
Inona moa no idirana mythe ao anatin'ity lohahevitra ity? Te hiteny ve ianao izany fa mythe na fable koa ny baiboly ka tsy tokony handaniana fotoana ny fahafantarana ny souche na ny loharano nipoirana araka ny voalazanao?
Raha tsy fantatra fa ny race arienne no race ambany indrindra eto an-tany dia tsy ho "fier" isika satria malagasy, ary raha tsy fantatra sy voaporofo fa niala avy tany assyrie sy babylone ny malagasy talohan'ny niparitahany tany @ ireo voalaza fa austronésiens, izay vao niantsona sy niditra tao Maroantsetra dia tsy ho "fier" ihany koa isika satria Israelita na Jiosy!
Tena tsara mihitsy ny nilazanao fa tokony ialàna im-pito mandifotra olona raha vao mamofompofona mythe fa na ny anaran-tsika malagasy aza sy ireo anaran-tany araka ny études linguistiques vitsivitsy dia voaporofo fa samy nanimbinana t@ ireo firenena 3 farafahakeliny izay nampiantrano ny razan-tsika fahagola dia ny Egyptiana sy ny Hebreo ary ny assyriana (mbola teo koa ny astonéziana).
Dia fatiantoka sy fandaniam-potoana àry ve ny hahafantarana araka izany fa hebreo ny malagasy eny fa na dia nafenina sy mbola afenina fatratra mihitsy aza mandra-kandroany?

Mahereza daholo fa tsy maintsy mifoha @ zay ny Jiosy e!
10. tsitialainga ( 08/01/2013 13:04)

tsitialainga:

azafady kely Miharena fa astroneziana fa diso kapoka.
Mialatsiny
11. Nehemiah ( 08/01/2013 14:18)
tsitialainga:

Raha tsy fantatra fa ny race arienne no race ambany indrindra eto an-tany dia tsy ho "fier" isika satria malagasy, ary raha tsy fantatra sy voaporofo fa niala avy tany assyrie sy babylone ny malagasy talohan'ny niparitahany tany @ ireo voalaza fa austronésiens, izay vao niantsona sy niditra tao Maroantsetra dia tsy ho "fier" ihany koa isika satria Israelita na Jiosy!

Mifanohitra tanteraka @ fampianaran'ny Baiboly izany. Tsy misy resaka "race" ny Baiboly. Tsy manohana an'izao resaka "races" izao ny Baiboly. Ary ny siantsa tena siantsa dia tsy manohana an'izay koa : tsy misy modely jenetika azo anavahana ny caucasiens, ny mongoloïdes, sns. Ny Tenin'Andriamanitra dia milaza fa samy taranak'i Adama sy Eva avokoa antsika. Ny fanjakàna nanary an'izay fampianaran'ny Baiboly izay no tena namono olona betsaka indrindra t@ tantaran'ny olombelona, raha azonao ny tiako tenenina. Ka nahoana ianao no mirona @ fampianaran-diso toy izao, nefa tsy tia lainga ? Sady @'izay aiza ny porofo manohana ny hevitrao hoe Jiosy ny malagasy ? Raha ny fandinihan'ny manam-pahaizana tahak'i Fréderic Randriamamonjy dia ny mponin'i Ste-Marie ihany no mety Josy fihaviana, fa antsika gasy dia avy any Afrika sy any Malayzia, na tiantsika na tsy tiantsika.
De toute façon averiko ihany : SAMY TARANAK'I ADAMA SY EVA ANTSIKA ka tsy ilaina midedadedaka @ firenen-kafa antsika gasy.
12. Miharena ( 08/01/2013 15:54)
Namana Tsitialainga, marina ireo fanadihadiana resahanao fa ny diso ao anatiny dia ny filazana fa misy firazanana ambany sy ambony. Ny fiheverana io resaka ambany sy ambony o dia isan'ny asa fampisaraham-bazana goavana dia goavana ary mahalavo ny olona matetika satria tsy misy rindra mazava intsony ny fiaraha-monina. Hita taratra io ankehitriny noho ny fisian'ny mahantra sy manankarena, ary ny olana dia ireo manankarena dia mitsetsitra ireo mahantra marobe. Io ilay vokatry ny fizaozahoana ho ambony noho ny hafa. Isika Malagasy dia anisan'ny nanana io fomba io, dia nisy ireo atao hoe andriana sy andevo. Miaina amin'ny fanompoan'ny hafa ny tena. Izay no fototry ny fikorontanan'ny fiarahamonina satria betsaka ny fitiavantena.

Fa na izany na tsy izany, rehefa tena mandinika lalina ka mahatsapa tsara fa manana fomba sy fahendrena miafina tsy fantatry ny hafa isika dia izay no azo lazaina ho mitondra ny maha-isika antsika. Nefa mila mitandrina ihany satria sao mitsaratsara foana ny fahendren'ny hafa koa.
13. tsitialainga ( 08/01/2013 20:59)

Nehemiah:

didi10:

Raha tena miaina ny fiainana kristiana isika ka hankalaza ihany tsy aleo ve mankalaza araka ny nanaovan'i Jehovah azy fa tsy araka ny noforonin'olona?

Misaotra ho an'ny valy. Fa izay no tena sarotra : tsy fantatra intsony ny nanaovan'i Jehovah azy fa very.

tsitialainga indray ity ry Nehemia malala a.
Voalohany aloha dia sao dia tsy mety @nao koa ilay hoe "Nehemia" na dia solon'anarana aza fa tiako ny mampahafantatra anao fa izany Nehemia zany ao anaty baiboly dia olona réformateur sy tena nitady t@ fomba rehetra ny hamerenana ny fomba sy ny fotoam-pivavahana tena avy amin' Andriamanitra rehefa niverina avy babo ny zanak' Israel. Mba vakio tsara Nehemia 8 ka hatr@ Nehemia 10 fa tsy olona kamo ara-panahy sy ara-tsaina ka nitoe-potsiny niandry ny famerenan' Andriamanitra ny zanak' Israel tany Jerosalema.
Araka ny voalazanao mantsy dia tsy fantatra intsony hoy ianao ny nanaovan'i Jehovah ny daty sy ny fankalazana tena marina raha namaly an' i didi10 ianao. Fa maninona no Nehemia no anaranao kanefa manao tari-bato vilam-bava toy izany ry namako malala? Averiko ihany fa tsy olona kamo ara-panahy na ara-javatra na ara-tsaina izany lehilahy natao hoe Nehemia izany raha niverina avy tany Babylone ry zareo fa izy no leader t@ fotoanany niaraka t@ ry Ezra sy ny Levita maromaro izay saro-piaro t@ famerenana ny fomba fiaina Jiosy rehetra sy ny fifandraisana @ Andriamanitra. Na izany tokony hovaina ny anaranao na dia solonanarana aza io na ny fomba fiasa sy fandraisan' andraikitra ary ny finoana no hahitsy tsara hifanandrify @ ilay anarana. Azafady fa solonanarana.

Faha-2 dia izao : izay olona mpikatsaka ny Fahamarinan' Andriamanitra sy ny Fanjakany dia mikaroka sy tena mitady fatratra araka ny voalaza ao @ baiboly ihany fa voninahitry ny mpanjaka ny manafin-javatra fa adidin-tsika ny mamantatra izany. Ahoana àry no tokony hatao? Raha tena kristianina marina dia mahalala ny zavatra rehetra satria raha tsy kamo mikaroka dia ampian' Andrialmanitra @ fanomezany ny Fanahiny dia io Fanahiny io no ahafantarana ny zavatra rehetra namana "NEHEMIA", mila manao révision kely ianao ao @ 1Kor2/12-16 sy ny 1Jao2/20;27. Rehefa mahazo io hosotry ny Fanahy io ny olona iray rahalahy dia mahazo HERY lehibe manosika ny finoana hoenti-miasa sy manompo an' Andriamanitra fa tsy manakana azy hikaroka foana izany hananany fahalàlana araka ilay hoe fantaro ny zavatra rehetra dia tazony mafy izay tsara...

Faha-3 dia tena miresaka race mihitsy hatr@ farany ny baiboly rahalahy malala ka anisan' izany ny fanavahan' Andriamanitra tanteraka ny race Hebreo na Israelita araka ny Eks 4/22. Manaraka izany koa dia hita ao @ Salamo 147/19-20 fa tena mbola navahany ihany ny taranak' Israel sa hafa no voasoratra ao @ baibolinao? Mbola manamafy izany ihany koa ny Isaia 2/2-3 fa ny Israelita no mpampianatra sy mpanorolàlana. Sao dia eritreretinao fa efa lany andro ireny teny ireny rehefa ambany Fahasoavana ny olombelona rehetra t@ nahatongavan' ny Mpamonjy dia Ilay Zanak' Andriamanitra? Tsy lany andro na very hasiny na mivadibadika IZY araka ny Salamo 89/34 fa vakio ny Jaona 4/22 dia fantaro hoe avy amin' iza tsara ny famonjena? Ary sao kosa hatreo @ andron' i Jaona ihany ny tantara no mitranga? Aza adino fa taorian'ny nitsanganan' i MASHIAH dia nahazo hafatra mafonja izao tontolo izao ka mbola nasain'ny Fanahin' ANdriamanitra namafisin' i Paoly tsy ho an'ny Romana ihany fa misy tombony betsaka ny maha-jiosy fa tsy nanaonao foana NY RAIKO izay any an-danitra raha nilaza ireny teny rehetra ireny ka izay mino sy mandray ny teniny no vonjeny ary izay manaiky hotarihiny no zanany.
Faha-4 namana NEHEMIA dia tsy maintsy any @ ilay Jerosalema vaovao no tanjon'ny kristianina rehetra raha izay no ilazana azy mahitsy kanefa mampahatsiahy anao aho fa midedadedaka ve ELSHADDAI raha ny Jiosy no miditra voalohany dia ny foko 12 @ taranak' Israel vao manaraka azy ny olona tsy tambo isaina rehetra araka ny Apok 7/4-9.
Fanampin' izany dia mbola miavaka tsara ny vavahady fidiranan 'ny zanak' Israel any @ ilay Jerosalema vaovao araka ny Apok 21/12-14.
Ka hono hoaho ranamana, iza amin-tsika no mitondra fampianaran-diso na manohitra ny voalaza ao @ baiboly? Ianao " Nehemia" sa izaho tsitialainga fa na dia ny fomba fanehoanao ny hevitrao farany teo aza dia tsy voatandrianao tsara ny vavanao kanefa aza adino fa voasoratra hoe : "raha misy manao hoe tia an' Andriamanitra aho kanefa tmankahala ny rahalahiny dia .............tadidinao ve ny tohiny?
Faha-5 dia ny tsara angamba dia mifankahita mihitsy isika hampisehoana anao ny porofo rehetra tsy am-bava fotsiny fa miaraka @ documents rehetra izay mirakitra ny maha-jiosy ny malagasy ka nafenina hatr@ izay. Dia jereonao fa izay mangetaheta (ny Fahamarinana) no omena ary izay mitady fatratra no hahita dia tiako ny manambara @nao fa any hoany @ 3.000 pages any raha atonta ny tena tantara maha-jiosy ny malagasy fa tsy dia i Frederic Randriamamonjy ihany no vato namelan-kafatra fa 1/1000 raha ny nolazainao mahakasika an' i Ste marie teo. Sa ny metimety kokoa raha tsy te-hihaona isika dia manantona ianao an-dry Pasteur Tolotra sy ry Réverend Docteur Rabarioelina farafaharatsiny aloha fa mampalahelo ny malagasy tsy mahafantatra ny tena tanatarany sy ny fiaviany.
Efa mba fantatrao ve Nehemia ny tena fototry ny vonomoka natao t@ malagasy t@ 1947?
Izaho izany ranamana dia mbola mi-persiste sy mi-signer aminao fa TENA JIOSY NY MALAGASY fa tsy vitan'ny hoe taranak' i Adama sy Eva fotsiny araka ny filazanao azy.
Farany tsy dia fantatro loatra ny antony nametrahanao ilay teny hoe midedadedaka fa raha izaho ranamana dia miala tsiny fa ireharehako ny maha-Israelita na maha-jiosy ahy satria nofidiana tao anatin'ny firenena rehetra aho kanefa entiko @ fahasarotam-piaro sy ny fahendrena nomen' Andriamanitro ahy izany fa sanatria tsy hieboeboako toy ny filazanao azy.
Ny dikan'ny hoe fierté angamba ve no nampivaona ny eritreritrao?
IZAHO DIA TENA FALY SY AFA-PO ARY FENO FANANTENANA AMIN' NY MAHA-JIOSY AHY ary tsy ataoko diso fanantenana ILAY NIFIDY AHY tao anatin 'ny maro fa ho TOMPOIKO HATRAMIN'NY FARANY IZY ary HAROVAKO TANTERAKA ilay Teniny hoe IANAREO NO FAHAZAVAN' IZAO TONTOLO IZAO ka tsy apetrako ao AMBANY VATA FAMARANA fa ATAOKO @ TOERANA AMBONY MBA hAMPAHAZAVA NY REHETRA MANODIDINA.
Mahereza ranamana dia tandremo ny fo mihoatra noho izay tokony hotandremana fa ao anie no alitara fanaovan-tsika sorona isan' andro amin' Andriamanitra e!
Mbola hitohy...
14. didi10 ( 09/01/2013 06:11)

tsitialainga:

Didi10 a! Za tena afa-po tanteraka @ le exposé nataonao e! Tsy mbola tsikaritro ireny demonstrations graphiques ireny fa tena tsara haely hoan namana rehetra izay liana.
Tsy manaonao foana tokoa Andriamanitra t@ andro sy ny fotoana raha eo @ ara-batan'ny olombelona fotsiny no jerena, maika koa fa eo @ ara-panahy?

Misaotra betsaka didi10 a. Misimisia ny tahaka ireny fa tena lafatra e!

Ny voninahitra dia ho an'ilay Mpahary irery ihany namana.
15. didi10 ( 09/01/2013 06:14)

Nehemiah:

didi10:

Raha tena miaina ny fiainana kristiana isika ka hankalaza ihany tsy aleo ve mankalaza araka ny nanaovan'i Jehovah azy fa tsy araka ny noforonin'olona?

Misaotra ho an'ny valy. Fa izay no tena sarotra : tsy fantatra intsony ny nanaovan'i Jehovah azy fa very.

Aleo fa hanokatra lohahevitra vaovao aho hampianatra antsika ny momba ny calendrier nataon'Andriamanitra dia tsy afaka hiteny intsony isika fa tsy mahafantatra.
16. Nehemiah ( 09/01/2013 06:35)
Mivonto fo @ valiko ve ianao sa inona no amoahanao tartine tahak'izao aho miaraka @ ad hominem lava be? Ka tsy hamaly ny ad hominem-nao aho satria tsy ny tenako no tiako arovana fa ny fampianaran'ny Baiboly. Ny baolina no lalaovina fa tsy ny mpilalao baolina.

Rehefa dinihina ny sources nomenao sy ny lahatsoratra @ Wikipédia aloha dia tsy hoe Josy ny gasy fa metisy Josy. Fa na izany na tsy izany dia "Tsy misy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, na lahy sy vavy; fa iray ihany hianareo rehetra ao amin’ i Kristy Jesosy" (Gal. 3:28). Ary tsy misy intsony izany ny tokony ifanavakavahana momba ny race na ny fihaviana. Efa mizaka ny zom-pirenen'ny Jerosalema Vaovao antsika araky ny Gal. 4:26 sy ny Heb. 12:22-23. I Kristy no mahatonga antsika miditra any fa tsy ny maha-Jiosy na tsy Jiosy antsika.

Ianao milaza fa ny race aryenne no ambany indrindra. Aiza no misy resaka race 1 ambany nohon'ny race hafa anaty Baiboly ? Ka manohitra ny voalazan'ny Baiboly izany izay fampianarana izay. Antsika gasy efa mivarilavo tsy misy hotr'izany nefa mbola mikiry @ chauvinisme-ntsika ihany, izay no tiako ambara @ "midedadedaka". Fa raha tsy hajaintsika ny vahoaka hafa dia rariny loatra raha tsy manaja antsika izy ireo.
17. tsitialainga ( 09/01/2013 07:48)

Misaotra anao fa mitohy ny dinidinika.
Tsy mivonto fo aho rahalahy ary tsy miaro ny tenako ihany koa toy ny filazanao fa miaro ny fahamarinana sy ny fahasarotam-piaron' ilay Andriamanitry ny Hebreo @ vahoakany.
Tsy misy dikany mantsy raha hiantsehatra eto isika kanefa hifanaratsy sy hifankahala nefa milaza ho mahalala an' Andriamlanitra sy ny baiboly.
Azonao tsy valiana izay voalazako omaly alina ireny fa inoako fa mampivoatra sy manampy fahalalàna ary fahendrena ho an-tsika foana ny dinidinika miseho eto.
Raha lohahevitra hafa toy ny fahasalamana na ny politika mantsy no ifampiresahan-tsika dia azo leferina izay mety ho fomba fiteny sy fomba fisainana eny fa na dia ny fihetsika aza.
Fa eto @ itony sehatra ara-pinoana sy ara-pivavahana itony kosa dia tsy tokony hifandranitra sy hifankahala na hanao fomba fitsaran' ny tsy mino satria tsarovy fa ianao no nampiditra ny fanakianana voalohany kanefa manaiky ihany ianao fa ny baiboly no tokony arovana ary ny tsy fahamarinana no tokony ho potehina fa tsy ny olombelona ary koa ny baolina no tokony lalaovina fa tsy ny mpilalao hoy ianao.
Raha wikipédia no resahinao dia tsy meilleure référence ireny satria tsy hohitanao @ ireny karazana support universel ireny ny tena marina @ tantaran'ny firenena iray surtout ireny zana-tany ireny. Eto am-pelatànanay hoy aho ny MAHA-JIOSY 100% ny MALAGASY fa tsy metisse zany. Nanomboka tany Egypte ka hatraty Maroantsetra dia tsy misy miafina.
Mikasika ny race aryenne dia tsy nilaza t@nao aho fa tao anaty baiboly ny source fa document hafa ary vita boky mihitsy izy io ka frantsay no nanoratra azy ka izany no mahatonga an-dry zareo ho complexé satria rehefa nanao recherche tao @ pyramide Kheops ry zareo dia niseho tao ny mikasika ny races rehetra eto ambonin'ny tany.
Azoko omena anao ny référence rehetra mikasika io boky io aoriana kely fa maro loatra ny lohahevitra tsy maintsy mbola hovaliana ka ialàko tsiny.
Mikasika ny chauvinisme dia ce n' est pas le cas de le dire satria samihafa ny saro-piaro @ tenany sy ny saro-piaro @ Fahamarinana' Andriamanitra.
Amiko izany dia tena misy ary mbola hisy miavaka tsara ny atao hoe JIOSY eto ambonin'ny tany mandra-pahatongan' i IESHUAH eny @ rahon'ny Lanitra.
18. Nehemiah ( 09/01/2013 08:00)

tsitialainga:

Raha lohahevitra hafa toy ny fahasalamana na ny politika mantsy no ifampiresahan-tsika dia azo leferina izay mety ho fomba fiteny sy fomba fisainana eny fa na dia ny fihetsika aza.
Fa eto @ itony sehatra ara-pinoana sy ara-pivavahana itony kosa dia tsy tokony hifandranitra sy hifankahala na hanao fomba fitsaran' ny tsy mino satria tsarovy fa ianao no nampiditra ny fanakianana voalohany kanefa manaiky ihany ianao fa ny baiboly no tokony arovana ary ny tsy fahamarinana no tokony ho potehina fa tsy ny olombelona ary koa ny baolina no tokony lalaovina fa tsy ny mpilalao hoy ianao.

Fanakianana ? Niteny aho hoe : "Ny fanjakàna nanary an'izay fampianaran'ny Baiboly izay no tena namono olona betsaka indrindra t@ tantaran'ny olombelona, raha azonao ny tiako tenenina. Ka nahoana ianao no mirona @ fampianaran-diso toy izao, nefa tsy tia lainga ?" Resaka nazisme anie no noresahako tao. Ka tsy mba kiana izany izay fa tsikera. Ary tsy haiko mihitsy ny manazava ny fandraisanao azy raha tsy hoe nikasika "nerf sensible" aho, satria mampahatsiaro ny Jiosy nihaino ny tenin'i Jesoa hoe "tsy zanak'i Abrahama ianareo" ny réaction-nao.
19. didi10 ( 09/01/2013 08:09)

tsitialainga:

Eto am-pelatànanay hoy aho ny MAHA-JIOSY 100% ny MALAGASY fa tsy metisse zany. Nanomboka tany Egypte ka hatraty Maroantsetra dia tsy misy miafina.

Raha azoko tsara izany dia ao aminareo no mivavaka ry Poopy.
20. tsitialainga ( 10/01/2013 17:06)

didi10:

tsitialainga:

Eto am-pelatànanay hoy aho ny MAHA-JIOSY 100% ny MALAGASY fa tsy metisse zany. Nanomboka tany Egypte ka hatraty Maroantsetra dia tsy misy miafina.

Raha azoko tsara izany dia ao aminareo no mivavaka ry Poopy.

Zao rahalahy didi10 a! voalohany aloha dia tsy mbola ato aminay izy izao fa asa rahampitso sy @ SABATA.
Faharoa dia tsy manao ny Filazan-tsara ho fitadiavam-bola izahay na manao izay hahavaky tratra ny olona fa kosa miezaka manatanteraka ny voasoratra ao @ Matio 6/33.
Ka tsy tsara ve na ry Samoela sy ry Princio koa àry moa tafiditra aty e! Ary ny tena nofonofiko dia i TENCE MENA! Sa ahoana hoy ianao rahalahy?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 2.7858