Andriamanitra mahery indrindra ve i Jesosy?
1. jajajaly
(
14/12/2012 07:44)
Maro ny mpivavaka milaza fa Andriamanitra i Jesosy. Misy mihevitra fa telo izay iray Andriamanitra. Araka io fampianarana io, dia «Andriamanitra ny Ray, Andriamanitra ny Zanaka, ary Andriamanitra ny Fanahy Masina, nefa tsy telo Andriamanitra fa iray ihany.» Lazaina fa «samy maharitra mandrakizay sy mitovy» izy telo ireo. (Ny Rakipahalalana Katolika, anglisy) Marina ve izany?
I Jehovah Andriamanitra no Mpamorona. (Apokalypsy 4:11) Tsy manam-piandohana na fiafarana izy, ary mahery indrindra. (Salamo 90:2) I Jesosy kosa nanam-piandohana. (Kolosianina 1:15, 16) Niantso an’Andriamanitra ho Rainy izy, ary nilaza hoe: «Ny Ray dia lehibe noho izaho.» (Jaona 14:28) Nohazavainy koa fa nisy zavatra tsy fantany sady tsy fantatry ny anjely, fa ny Rainy ihany no nahalala azy.—Marka 13:32.
Nivavaka toy izao tamin-dRainy koa i Jesosy: «Aoka tsy ny sitrapoko no atao, fa ny anao.» (Lioka 22:42) Iza moa no hivavahany raha tsy izay lehibe noho izy? Andriamanitra koa no nanangana an’i Jesosy tamin’ny maty, fa tsy ny tenany ihany. (Asan’ny Apostoly 2:32) Mazava àry fa tsy nitovy ny Zanaka sy ny Ray talohan’ny nahatongavan’i Jesosy tetỳ an-tany, na nandritra ny fiainany tetỳ. Nanjary nitovy anefa ve izy ireo rehefa natsangana tamin’ny maty i Jesosy, ka nankany an-danitra? Hoy ny 1 Korintianina 11:3: ‘Andriamanitra no lohan’i Kristy.’ Raha ny marina, dia ho eo ambany fahefan’Andriamanitra foana ny Zanaka. (1 Korintianina 15:28) Asehon’ny Soratra Masina àry fa tsy Andriamanitra Mahery Indrindra i Jesosy. Zanak’Andriamanitra kosa izy.
Tsy andriamanitra koa ny fanahy masina, na dia izany aza no lazain’ny olona mino ny Andriamanitra telo izay iray. Nivavaka tamin’Andriamanitra ny mpanao salamo hoe: «Maniraka ny Fanahinao Hianao, dia ary izy.» (Salamo 104:30) Tsy ilay Andriamanitra Mahery Indrindra akory io fanahy io, fa ny hery ampiasainy mba hanatanterahany ny sitrapony. Tamin’ny alalan’izy io no namoronan’Andriamanitra ny lanitra sy ny tany ary ny zavamananaina rehetra. (Genesisy 1:2; Salamo 33:6) Ny fanahiny masina koa no nahafahan’ny olona nanoratra ny Baiboly. (2 Petera 1:20, 21) Tsy hita ao amin’ny Soratra Masina ny fampianarana momba ny Andriamanitra telo izay iray. «Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany», hoy ny Baiboly.—Deoteronomia 6:4.

novalian'i toriteny ny 10/01/2013 12:15
2. bor2lais
(
14/12/2012 08:23)
"Fa Zaza no teraka ho antsika,
Zazalahy no omena antsika;
Ary ny fanapahana dia eo an-tsorony,
Ary ny anarany atao hoe Mahagaga, Mpanolo-tsaina*, Andriamanitra Mahery, Rain'ny mandrakizay Andrian'ny fiadanana."
Soa ihany fa misy ny Krismasy mampatsiahy itony Teny itony ! :-)

3. jajajaly
(
14/12/2012 08:36)
Bor2lais
Ary ny anarany atao hoe Mahagaga, Mpanolo-tsaina*, Andriamanitra Mahery, Rain'ny mandrakizay Andrian'ny fiadanana."
Fa tsy mahery indrindra, na ilay tsitoha ô! Ny Ray mbola lehibe noho izy hoy i Jesosy!!!
5. didi10
(
14/12/2012 09:03)
Samy diso na ireo milaza fa Telo izay iray na ireo milaza fa misy Andriamanitra samy hafa mahery kely sy mahery be na ireo milaza fa anjely Jesosy.
Jehovah = Jesosy
Iray ihany no Andriamanitra tompointsika.

6. bor2lais
(
14/12/2012 09:14)
jajajaly:
Fa tsy mahery indrindra, na ilay tsitoha ô! Ny Ray mbola lehibe noho izy hoy i Jesosy!!!
Hay ve compétition no andraisanao ilay izy e ? :-)
Ianao izany no juge arbitre a ! ;-)
7. Nehemiah
(
15/12/2012 08:32)
jajajaly:
I Jesosy kosa nanam-piandohana. (Kolosianina 1:15, 16)
"Izy no endrik’ Andriamanitra tsy hita, ny Lahimatoa talohan’ izao zavatra ary rehetra izao;
fa tao aminy no nahariana ny zavatra rehetra any an-danitra sy etỳ ambonin’ ny tany, dia ny hita sy ny tsy hita, na fiandrianana [Gr. seza fiandrianana] , na fanjakana, na fanapahana, na fahefana, Izy no nahariana ny zavatra rehetra, sady ho Azy izany" Tsy milaza mihitsy izao fa nateraka i Jesoa, fa antsoina hoe "Lahimatoa" Izy satria manana ny zon'ny Lahimatoa amin'izay rehetra voahary.
jajajaly:
Niantso an’Andriamanitra ho Rainy izy, ary nilaza hoe: «Ny Ray dia lehibe noho izaho.» (Jaona 14:28)
@ maha-olombelona Azy no nilazàny an'izay fa tsy @ maha-Andriamanitra Azy. Raha tsy izay ve dia hiteny izy hoe "Izaho sy ny Ray dia 1" (Jn. 10:30).
jajajaly:
Nohazavainy koa fa nisy zavatra tsy fantany sady tsy fantatry ny anjely, fa ny Rainy ihany no nahalala azy.—Marka 13:32.
@ maha-olombelona azy dia nasiany fetrany ny maha-Tsitoha azy t@'izy tety ambony tany.
jajajaly:
Nivavaka toy izao tamin-dRainy koa i Jesosy: «Aoka tsy ny sitrapoko no atao, fa ny anao.» (Lioka 22:42) Iza moa no hivavahany raha tsy izay lehibe noho izy? Andriamanitra koa no nanangana an’i Jesosy tamin’ny maty, fa tsy ny tenany ihany. (Asan’ny Apostoly 2:32) Mazava àry fa tsy nitovy ny Zanaka sy ny Ray talohan’ny nahatongavan’i Jesosy tetỳ an-tany, na nandritra ny fiainany tetỳ.
Nanjary nitovy anefa ve izy ireo rehefa natsangana tamin’ny maty i Jesosy, ka nankany an-danitra? Hoy ny 1 Korintianina 11:3: ‘Andriamanitra no lohan’i Kristy.’ Raha ny marina, dia ho eo ambany fahefan’Andriamanitra foana ny Zanaka. (1 Korintianina 15:28)
cf ambonibony.
jajajaly:
Asehon’ny Soratra Masina àry fa tsy Andriamanitra Mahery Indrindra i Jesosy. Zanak’Andriamanitra kosa izy.
Nahoana izany no nitady hitora-bato t@ ny Josy rehefa niteny izy hoe "Avant qu'Abraham fût, Je Suis" ? Izay "Je Suis" izay no anarana nomen'Andriamanitra ho an'Ny Tenany rehefa nifanena t@ i Mosesy t@ tendrom-bohitra Horeba. Fantatry ny Fariseo tsara izany ny tian'i Jesoa tenenina @'izany : niteny Izy fa Andriamanitra Izy, niteny Izy fa Iray ihany @ Andriananahary.
jajajaly:
Tsy andriamanitra koa ny fanahy masina, na dia izany aza no lazain’ny olona mino ny Andriamanitra telo izay iray. Nivavaka tamin’Andriamanitra ny mpanao salamo hoe: «Maniraka ny Fanahinao Hianao, dia ary izy.» (Salamo 104:30) Tsy ilay Andriamanitra Mahery Indrindra akory io fanahy io, fa ny hery ampiasainy mba hanatanterahany ny sitrapony. Tamin’ny alalan’izy io no namoronan’Andriamanitra ny lanitra sy ny tany ary ny zavamananaina rehetra. (Genesisy 1:2; Salamo 33:6) Ny fanahiny masina koa no nahafahan’ny olona nanoratra ny Baiboly. (2 Petera 1:20, 21) Tsy hita ao amin’ny Soratra Masina ny fampianarana momba ny Andriamanitra telo izay iray. «Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany», hoy ny Baiboly.—Deoteronomia 6:4.
Tsy misy sahirana ara-panahy rehefa mampiasa "shampooing 3 en 1" ka nahoana no misy sahirana @ Andriamanitra 3 izay 1 ? (Tsy hoe mampianatra modalisme aho lol, fa fampitahàna fotsiny izany, ary samy manana ny mahavoa azy daholo ny fampitahàna rehetra). Marina fa tsy hita ao anatin'ny Baiboly ny teny hoe Trinite, fa kosa tsoa-kevitra lojika avy @ Baiboly ilay izy. Mt. 28:19 : "Mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ ny anaran’ ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina". Ny batisa ve dia atao @ anaran'ny voary fa tsy @ anaran'Ilay Mpahary ? Ohatra 1 izany fa mbola misy betsaka, na dia ny teny "Elohim" ampiasain'i Mosesy @ Genesisy toko 1 izay midika hoe "Andriamanitra" @ pluriel, na i Andriamanitra manao hoe "Aoka Isika hidina" @ Gen. 11:7, etc.
Azoko an-tsaina fa tsy ho resy lahatra mihitsy ianao, na inona na inona hevitra tsara lahatra arosoko, fa mba te-hamaly ny fampianaran-disonao aho mba ho voaorina mafimafy kokoa ny finoan'ny mpino izay mamaky an'ity.
8. Miharena
(
16/12/2012 16:36)
Raha nandre sy nijery tamin'ny TVM ny fijoroana iray aho dia nolazainy fa Jehovah dia ao ami'ny Toerana masina indrindra tsy hay jerena ny heriny raha tsy misy sosona manasaraka amiNY sy ny olona.
I kristy kosa dia afaka soa amantsara miserasera amin'ny olona.
Fa io fijoroana io aloha dia nataon'ny Dahalo izay nentina notsaboina tamina fivavahana Krsitianina ary maty indroa miantoana vao sahy nizara izay azony.
Ampianarina miteny tsy fantatra izy ary mitsabo olona maro ary manana mission ny hitory eran'izao tontolo izao.

9. leva2
(
16/12/2012 18:30)
jajajaly:
Bor2lais
Ary ny anarany atao hoe Mahagaga, Mpanolo-tsaina*, Andriamanitra Mahery, Rain'ny mandrakizay Andrian'ny fiadanana."
Fa tsy mahery indrindra, na ilay tsitoha ô! Ny Ray mbola lehibe noho izy hoy i Jesosy!!!
Velona Jesosy!
Raha ny marina namana jajajaly : hitanao ny halehiben'ny trano, saingy tsy hitanao ny varavarana mankao anatiny, nefa ianao mihevi-tena fa efa tafiditra ao an-trano.
Mivavaka ho anao aho namana!
10. jajajaly
(
17/12/2012 06:16)
Nehemia
Azoko an-tsaina fa tsy ho resy lahatra mihitsy ianao, na inona na inona hevitra tsara lahatra arosoko, fa mba te-hamaly ny fampianaran-disonao aho mba ho voaorina mafimafy kokoa ny finoan'ny mpino izay mamaky an'ity.
Tsy fantatra aloha na ilay trinite tsy ao anaty baiboly izay sady tsy nampianarin'ny Jesosy na ny mpaminany fa nifandovan'olombelona no diso na io fahamarinana tsotra voaporofo io. Ny olona koa anie tsy forcena hanaraka an'io, Vavolombelon'i Jehovah izahay ary adidinay noho izany ny mampahafantatra ny marina momba an'i Jehovah tahana ny nataon'ni Jesosy ilay vavolombelon'i Jehovah lehibe indrindra.
Nehemia
@ maha-olombelona Azy no nilazàny an'izay fa tsy @ maha-Andriamanitra Azy
Miverimberina matetika io eto na amin'ny katesizy aza rehefa voatohitohina ilay fotompinoana DISO. Aiza ao amin'ny soratra masina no manaporofo izany??
Aoka atao hoe mody marina io filazana diso io! Ekentsika rehetra anefa fa natsangana ho fanahy any an-danitra i Jesosy rehefa maty. Ho lasa Andriamanitra tahaka ny Rainy ve izy!
Aleo ny tenin'Andriamanitra inianareo lavina ihany no hamaly izany:
"Aoka ho ao aminareo foana izao toe-tsaina izao, izay tao amin’i Kristy Jesosy koa: Na dia fanahy tahaka an’Andriamanitra aza izy, dia tsy nieritreritra mihitsy ny handrombaka fahefana, izany hoe ny hitovy amin’Andriamanitra." Fil 2:5,6
Lasa iray amin'Andriamanitra ve izy?
Asa 2:34-36: ‘Hoy i Jehovah tamin’ny Tompoko (tompon'i Davida na i Jesosy Kristy): «Mipetraha eto ankavanako mandra-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.»’ Koa aoka ho fantatry ny taranak’Israely rehetra marimarina fa nataon’Andriamanitra (Jehovah) ho Tompo sy Kristy iny Jesosy nofantsihanareo tamin’ny hazo fijaliana iny.»
Raha eo ankavanana i JEsosy, Tsy Roa samy hafa ve izany!!!
Amin'ny maha inona azy indray izao no ambara eto......Valio
Noresahan'ny namana iray izay ilay Jaona 1:1,2 ,14 mba hanohanana ny hevitra, tsy novakiny hatramin'ny farany ny nodinihany tsara anefa ny teny manodidina. Eto indray koa izao ny misy hoe
CitationLeva2
Raha tsy izay ve dia hiteny izy hoe "Izaho sy ny Ray dia 1" (Jn. 10:30).
Sambany aho nahita an-dinin-teny hoatran'izao, mahasahy manampy sy manala mihitsy ry zalah!!!
Efa nijery ny teny manodidina ve! sa io aloha dia io no fikirana.
11. jojo3t
(
17/12/2012 06:17)
Tsotra ihany ny valiny sy ny zavatra hasaina hataonareo :
Jaona 17 : 3 : koa mba ahazoan'izy ireo fiainana mandrakizay dia ilainy ny mahafantatra anao ilay Hany Andriamanitra tokana sady marina, sy i Jesosy Kristy ilay nirahinao :
Olona roa samihafa mihitsy no ilazan'i Jesosy azy eo, saingy tsy azonareo ny tiany lazaina tamin'ilay hoe, izaho sy ny Ray dia 1 iany.
Koa raha te ahazo ny fiainana mandrakizay enao dia aza maika mamaly sy miaro ny hevitrao fotsiny fa mandehano alou halalino ny baiboly dia ianaro tsara ny hatao hoe Jehovah sy i Jesosy dia ho hitanao ao tsara ny valiny hatrany amin'ny Genesisy ka hatramin'ny Apokalipsy.
Misaotra,

12. jajajaly
(
17/12/2012 06:33)
Leva2
Velona Jesosy!
Raha ny marina namana jajajaly : hitanao ny halehiben'ny trano, saingy tsy hitanao ny varavarana mankao anatiny, nefa ianao mihevi-tena fa efa tafiditra ao an-trano.
Mivavaka ho anao aho namana!
Misaotra, tsy maty manko i Jesosy ary tsy zazakely araky ny eritreretin'ny olona maro amin'ity desambra ity fa efa mpanjaka!
Rehefa mivavaka fotsiny ianao dia araho ity tenin'i Jesosy ity. Mino aho fa vitanao izany:
"Ary hoy izy (Jesosy) tamin’ireo: «Izao àry lazaina rehefa mivavaka ianareo: ‘Ray ô" Lioka11:2
Nohoana no ny Ray???
I Jesosy ve no Andriamanitra mahery indrindra?
"Izaho no Jehovah, ary tsy misy hafa. Tsy misy Andriamanitra afa-tsy izaho. Homeko hery ianao na dia tsy mahafantatra ahy aza,Fa izao no nolazain’i Jehovah, ilay Mpamorona ny lanitra, Ilay tena Andriamanitra, ilay Mpamolavola ny tany sy Mpanao azy, Ilay nanao azy ho mafy orina, ary tsy hoe tsy misy antony ny namoronany azy fa nataony honenana: «Izaho no Jehovah, ary tsy misy hafa. Tsy izaho Jehovah ve? Tsy misy Andriamanitra afa-tsy izaho. Tsy misy Andriamanitra marina sy Mpamonjy ankoatra ahy.
«Mitadiava ahy dia ho voavonjy ianareo rehetra any amin’ny faran’ny tany, fa izaho no Andriamanitra, ary tsy misy hafa" (Isaia 45:5, 18, 21, 22)
Mba ho fantatry ny olona fa ianao irery ihany, izay manana anarana hoe Jehovah,
No Avo Indrindra ambonin’ny tany manontolo! (SAlamo 83:18)
Aoka ho fantatrareo fa i Jehovah no Andriamanitra. Izy no nanao antsika, fa tsy ny tenantsika. Olony sy ondry ao an-kijanany isika.(Salamo 100:3)
Hoy indrindra i Jesosy: Koa mba hahazoan’izy ireo fiainana mandrakizay, dia ilainy ny mianatra hahalala anao (Jehovah), ilay hany tena Andriamanitra, sy Jesosy Kristy, ilay nirahinao.(Jaona 17:3)
FANTARO ARY FA MBOLA TSY TARA ILAY HANY TENA ANDRIAMANITRA NORESAHAN'NY JESOSY
13. Nehemiah
(
17/12/2012 06:36)
jajajaly:
Nehemia
Azoko an-tsaina fa tsy ho resy lahatra mihitsy ianao, na inona na inona hevitra tsara lahatra arosoko, fa mba te-hamaly ny fampianaran-disonao aho mba ho voaorina mafimafy kokoa ny finoan'ny mpino izay mamaky an'ity.
Tsy fantatra aloha na ilay trinite tsy ao anaty baiboly izay sady tsy nampianarin'ny Jesosy na ny mpaminany fa nifandovan'olombelona no diso na io fahamarinana tsotra voaporofo io. Ny olona koa anie tsy forcena hanaraka an'io, Vavolombelon'i Jehovah izahay ary adidinay noho izany ny mampahafantatra ny marina momba an'i Jehovah tahana ny nataon'ni Jesosy ilay vavolombelon'i Jehovah lehibe indrindra.
Nehemia
@ maha-olombelona Azy no nilazàny an'izay fa tsy @ maha-Andriamanitra Azy
Miverimberina matetika io eto na amin'ny katesizy aza rehefa voatohitohina ilay fotompinoana DISO. Aiza ao amin'ny soratra masina no manaporofo izany??
Aoka atao hoe mody marina io filazana diso io! Ekentsika rehetra anefa fa natsangana ho fanahy any an-danitra i Jesosy rehefa maty. Ho lasa Andriamanitra tahaka ny Rainy ve izy!
Aleo ny tenin'Andriamanitra inianareo lavina ihany no hamaly izany:
"Aoka ho ao aminareo foana izao toe-tsaina izao, izay tao amin’i Kristy Jesosy koa: Na dia fanahy tahaka an’Andriamanitra aza izy, dia tsy nieritreritra mihitsy ny handrombaka fahefana, izany hoe ny hitovy amin’Andriamanitra." Fil 2:5,6
Lasa iray amin'Andriamanitra ve izy?
Asa 2:34-36: ‘Hoy i Jehovah tamin’ny Tompoko (tompon'i Davida na i Jesosy Kristy): «Mipetraha eto ankavanako mandra-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.»’ Koa aoka ho fantatry ny taranak’Israely rehetra marimarina fa nataon’Andriamanitra (Jehovah) ho Tompo sy Kristy iny Jesosy nofantsihanareo tamin’ny hazo fijaliana iny.»
Raha eo ankavanana i JEsosy, Tsy Roa samy hafa ve izany!!!
Amin'ny maha inona azy indray izao no ambara eto......Valio
Noresahan'ny namana iray izay ilay Jaona 1:1,2 ,14 mba hanohanana ny hevitra, tsy novakiny hatramin'ny farany ny nodinihany tsara anefa ny teny manodidina. Eto indray koa izao ny misy hoe
CitationLeva2
Raha tsy izay ve dia hiteny izy hoe "Izaho sy ny Ray dia 1" (Jn. 10:30).
Sambany aho nahita an-dinin-teny hoatran'izao, mahasahy manampy sy manala mihitsy ry zalah!!!
Efa nijery ny teny manodidina ve! sa io aloha dia io no fikirana.
Izay mihitsy no tiako lazaina, tsy ho resy lahatra mihitsy ianao, na dia ny petra-kevitro sasany aza tsy voavalinao fa mionona amin'ny fanarabiana ny . Ny mpino ny Trinite dia tsy mandà fa samihafa ny Ray, Zanaka sy Fanahy Masina, fa sady miavaka izy ireo no iray, amin'ny fomba mahagaga. Averiko ihany, maninona no nitady hitora-bato an'i Jesoa ny Josy @ Jn. 10 ? Rehefa jerevana aloha ilay izy dia ohatran'ny hoe milaza ny tenany ho Iray @ Jehovah i Jesoa. Manana hevitra hafa ve ianao ?
14. jojo3t
(
17/12/2012 06:58)
Nehemiah:Eny, manaiky tokoa ny olona fa samihafa izy 3 ireo, nefa ilay hoe iray mihitsy no tsy azon'ny olona, voalohany fotsiny alou de tokony hanaraka ilay modeli-mbavaka nomen'i Jesosy rehefa tsy mahazo, fa tsy hivavaka amin'izy 3 ndrai miaraka, matoa nitady hitora-bato an'i Jesosy ny Jiosy, dia tsy azon'izy ireo ny tenin'i Jesosy fa lazainy hoe miteny ratsy an'Andriamanitra izy, ny Jiosy mantsy efa nampianarina tsara momba an'Andriamanitra ka izay no mahatonga azy ireo saika hamono azy raha nilaza i Jesosy fa zanak'Andriamanitra izy. Noho izany dia mila azontsika tsara alou ny voasoratra mba ahafahantsika manazava ny tenin'Andriamanitra amin'ny fomba tsara.
jajajaly:
Nehemia
Azoko an-tsaina fa tsy ho resy lahatra mihitsy ianao, na inona na inona hevitra tsara lahatra arosoko, fa mba te-hamaly ny fampianaran-disonao aho mba ho voaorina mafimafy kokoa ny finoan'ny mpino izay mamaky an'ity.
Tsy fantatra aloha na ilay trinite tsy ao anaty baiboly izay sady tsy nampianarin'ny Jesosy na ny mpaminany fa nifandovan'olombelona no diso na io fahamarinana tsotra voaporofo io. Ny olona koa anie tsy forcena hanaraka an'io, Vavolombelon'i Jehovah izahay ary adidinay noho izany ny mampahafantatra ny marina momba an'i Jehovah tahana ny nataon'ni Jesosy ilay vavolombelon'i Jehovah lehibe indrindra.
Nehemia
@ maha-olombelona Azy no nilazàny an'izay fa tsy @ maha-Andriamanitra Azy
Miverimberina matetika io eto na amin'ny katesizy aza rehefa voatohitohina ilay fotompinoana DISO. Aiza ao amin'ny soratra masina no manaporofo izany??
Aoka atao hoe mody marina io filazana diso io! Ekentsika rehetra anefa fa natsangana ho fanahy any an-danitra i Jesosy rehefa maty. Ho lasa Andriamanitra tahaka ny Rainy ve izy!
Aleo ny tenin'Andriamanitra inianareo lavina ihany no hamaly izany:
"Aoka ho ao aminareo foana izao toe-tsaina izao, izay tao amin’i Kristy Jesosy koa: Na dia fanahy tahaka an’Andriamanitra aza izy, dia tsy nieritreritra mihitsy ny handrombaka fahefana, izany hoe ny hitovy amin’Andriamanitra." Fil 2:5,6
Lasa iray amin'Andriamanitra ve izy?
Asa 2:34-36: ‘Hoy i Jehovah tamin’ny Tompoko (tompon'i Davida na i Jesosy Kristy): «Mipetraha eto ankavanako mandra-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.»’ Koa aoka ho fantatry ny taranak’Israely rehetra marimarina fa nataon’Andriamanitra (Jehovah) ho Tompo sy Kristy iny Jesosy nofantsihanareo tamin’ny hazo fijaliana iny.»
Raha eo ankavanana i JEsosy, Tsy Roa samy hafa ve izany!!!
Amin'ny maha inona azy indray izao no ambara eto......Valio
Noresahan'ny namana iray izay ilay Jaona 1:1,2 ,14 mba hanohanana ny hevitra, tsy novakiny hatramin'ny farany ny nodinihany tsara anefa ny teny manodidina. Eto indray koa izao ny misy hoe
CitationLeva2
Raha tsy izay ve dia hiteny izy hoe "Izaho sy ny Ray dia 1" (Jn. 10:30).
Sambany aho nahita an-dinin-teny hoatran'izao, mahasahy manampy sy manala mihitsy ry zalah!!!
Efa nijery ny teny manodidina ve! sa io aloha dia io no fikirana.
Izay mihitsy no tiako lazaina, tsy ho resy lahatra mihitsy ianao, na dia ny petra-kevitro sasany aza tsy voavalinao fa mionona amin'ny fanarabiana ny . Ny mpino ny Trinite dia tsy mandà fa samihafa ny Ray, Zanaka sy Fanahy Masina, fa sady miavaka izy ireo no iray, amin'ny fomba mahagaga. Averiko ihany, maninona no nitady hitora-bato an'i Jesoa ny Josy @ Jn. 10 ? Rehefa jerevana aloha ilay izy dia ohatran'ny hoe milaza ny tenany ho Iray @ Jehovah i Jesoa. Manana hevitra hafa ve ianao ?
15. Nehemiah
(
17/12/2012 07:06)
jojo3t:
Eny, manaiky tokoa ny olona fa samihafa izy 3 ireo, nefa ilay hoe iray mihitsy no tsy azon'ny olona, voalohany fotsiny alou de tokony hanaraka ilay modeli-mbavaka nomen'i Jesosy rehefa tsy mahazo, fa tsy hivavaka amin'izy 3 ndrai miaraka, matoa nitady hitora-bato an'i Jesosy ny Jiosy, dia tsy azon'izy ireo ny tenin'i Jesosy fa lazainy hoe miteny ratsy an'Andriamanitra izy, ny Jiosy mantsy efa nampianarina tsara momba an'Andriamanitra ka izay no mahatonga azy ireo saika hamono azy raha nilaza i Jesosy fa zanak'Andriamanitra izy. Noho izany dia mila azontsika tsara alou ny voasoratra mba ahafahantsika manazava ny tenin'Andriamanitra amin'ny fomba tsara.
Tsy azoko. Aiza no hisy zanaka ho iray @ Rainy ?
16. bor2lais
(
17/12/2012 09:31)
Nehemiah:
Ny mpino ny Trinite dia tsy mandà fa samihafa ny Ray, Zanaka sy Fanahy Masina, fa sady miavaka izy ireo no iray, amin'ny fomba mahagaga.
jojo3t:
Eny, manaiky tokoa ny olona fa samihafa izy 3 ireo, nefa ilay hoe iray mihitsy no tsy azon'ny olona
Iza aloha ilay olona tsy mahazo e ? :-)
Amiko aloha, raha mahazo ny atao hoe "communion dans la diversité" dia tokony ahazo ny firaisana misy amin'ny Ray, Zanaka ary Fanahy Masina. Ao anatin'izany fiombonana izany dia tsy misy resaka fifaninanana ka ilazana hoe iza no mahery indrindra ! ;-)
Ho an'ny mpino Trinité dia Andriamanitra ("A") daholo Izy telo ireo fa tsy misy andriamanitra ("a") akory ! :-)
17. jojo3t
(
18/12/2012 04:59)
Misaotra namana borlais, mba fantatrao ve alou fa ny fanahy masina dia tsy personne mitovy amin'ny Jesosy sy Andriamanitra fa hery miasa, izay enao vo manatsoaka hevitra, fantaro tsara alou, natao ianarana mantsy ny baiboly, fa hazavainy tsara ao ny anjara asan'ireo ary samy manana ny toerany, ary voalohany alou dia tsy miresaka Andriamanitra telo izay iray ny baiboly na andininy iray aza, azonao ve ny tiako holazaina.
18. Nehemiah
(
18/12/2012 05:44)
jojo3t:
ny fanahy masina dia tsy personne mitovy amin'ny Jesosy sy Andriamanitra fa hery miasa
Aiza kosa ? Aiza no hisy "hery miasa" hiteny (Asa 13:2 : Ary raha nanao fanompoam-pivavahana ho an’ ny Tompo sy nifady hanina ireo, dia hoy ny Fanahy Masina: Atokàny ho Ahy Barnabasy sy Saoly hanao ny asa izay efa niantsoako azy.), hijoro ho vavolombelona (Jn. 15:26 : "Fa raha tonga ny Mpananatra [Izahao 14.16] , Izay hirahiko ho aminareo avy amin’ ny Ray, dia ny Fanahin’ ny fahamarinana Izay mivoaka avy amin’ ny Ray, dia Izy no ho vavolombelona hanambara Ahy."), hahatsiaro alahelo (Is. 63:10 : "Fa ireo kosa dia niodina ka nanome alahelo ny Fanahy Masiny; dia tonga fahavalony Izy ka niady taminy."), hamantatra, hahalala (1 Kor. 2:10-11 : "dia isika no nanambaran’ Andriamanitra izany tamin’ ny Fanahy; fa ny Fanahy mamantatra ny zavatra rehetra, na dia ny saina lalina izay an’ Andriamanitra aza. Fa iza no olona mahalala ny ao am-pon’ olona, afa-tsy ny fanahin’ ny olona izay ao anatiny ihany? Ary toy izany koa, tsy misy mahalala ny ao am-pon’ Andriamanitra afa-tsy ny Fanahin’ Andriamanitra ihany."), hanana sitrapo (1 Kor. 12:11), azo siratsiraina (Heb. 10:29 : "manao ahoana kosa ary no hamafin’ ny fampijaliana ataonareo tokony hihatra amin’ izay nanitsaka ny Zanak’ Andriamanitra ka nanao ny ran’ ny fanekena izay nanamasinana azy ho zavatra tsy masina sady naniratsira ny Fanahin’ ny fahasoavana?", sns ? Na dia ny nanaovan'ny Fanahy Masina an'i Ananiasy sy Safira (Asa 1:1-11) dia efa manohitra an'izay petrakevitra izay.
19. jojo3t
(
18/12/2012 06:01)
Nehemiah:efa misy lohahevitra momba azy io ao alou ao dia mba ivereno kely, io fanahy masina io dia hery ampiasain'Andriamanitra hanatanterahana ny fikasany, nampiasainy tamin'ny famoronana, nanaovana fahgagana, nomena ny mpianatra mba hanampy azy ireo, marina ny voalazanao hoe miteny izy io, fa amin'ny alalan'io fanahy masina io no itenen'Andriamanitra amin'ny olona iray, hazavaina ao fa maniraka io fanahy io izy mba hanao asa araka ny sitrapony, ary i Jesosy no nilaza fa hery ampiasain'Andriamanitra io fanahy io, ary tsy vatana toy ny an'i Jesosy sy Andriamanitra izy io, tsy vatan'Andriamanitra izy io, hafa mihitsy ilay vatan'Andriamanitra hoe fanahy, fa ny fanahy masina avahany mihitsy hoe hery ampiasain'Andriamanitra, lava be le fanazavana ao fa tsy de averiko intsony.
jojo3t:
ny fanahy masina dia tsy personne mitovy amin'ny Jesosy sy Andriamanitra fa hery miasa
Aiza kosa ? Aiza no hisy "hery miasa" hiteny (Asa 13:2 : Ary raha nanao fanompoam-pivavahana ho an’ ny Tompo sy nifady hanina ireo, dia hoy ny Fanahy Masina: Atokàny ho Ahy Barnabasy sy Saoly hanao ny asa izay efa niantsoako azy.), hijoro ho vavolombelona (Jn. 15:26 : "Fa raha tonga ny Mpananatra [Izahao 14.16] , Izay hirahiko ho aminareo avy amin’ ny Ray, dia ny Fanahin’ ny fahamarinana Izay mivoaka avy amin’ ny Ray, dia Izy no ho vavolombelona hanambara Ahy."), hahatsiaro alahelo (Is. 63:10 : "Fa ireo kosa dia niodina ka nanome alahelo ny Fanahy Masiny; dia tonga fahavalony Izy ka niady taminy."), hamantatra, hahalala (1 Kor. 2:10-11 : "dia isika no nanambaran’ Andriamanitra izany tamin’ ny Fanahy; fa ny Fanahy mamantatra ny zavatra rehetra, na dia ny saina lalina izay an’ Andriamanitra aza. Fa iza no olona mahalala ny ao am-pon’ olona, afa-tsy ny fanahin’ ny olona izay ao anatiny ihany? Ary toy izany koa, tsy misy mahalala ny ao am-pon’ Andriamanitra afa-tsy ny Fanahin’ Andriamanitra ihany."), hanana sitrapo (1 Kor. 12:11), azo siratsiraina (Heb. 10:29 : "manao ahoana kosa ary no hamafin’ ny fampijaliana ataonareo tokony hihatra amin’ izay nanitsaka ny Zanak’ Andriamanitra ka nanao ny ran’ ny fanekena izay nanamasinana azy ho zavatra tsy masina sady naniratsira ny Fanahin’ ny fahasoavana?", sns ? Na dia ny nanaovan'ny Fanahy Masina an'i Ananiasy sy Safira (Asa 1:1-11) dia efa manohitra an'izay petrakevitra izay.
20. Nehemiah
(
18/12/2012 07:47)
Tsy voavaly ny fanontaniako fa ny mahavoa anao dia miainga avy @ petrakevitra hoe marina ny anao mba hanaporofoana fa marina ny anao...