Andriamanitra mahery indrindra ve i Jesosy?
21. jojo3t
(
18/12/2012 08:10)
Tsy petra-kevitra ireo namana fa fampianarana mazava ao amin'ny baiboly, efa nilaza ny tenako etsy ambony fa afaka miverina ao amin'ny lohahevitra fanahy masina enao raha mitady valiny, fa lava dia lava ny fanazavana momba io,
22. bor2lais
(
18/12/2012 13:28)
Nehemiah:
ny mahavoa anao dia miainga avy @ petrakevitra hoe marina ny anao mba hanaporofoana fa marina ny anao...
Voatsikaritro koa aloha io e ! :-)
bor2lais:
Ho an'ny mpino Trinité dia Andriamanitra ("A") daholo Izy telo ireo fa tsy misy andriamanitra ("a") akory !
jojo3t:
ny fanahy masina dia tsy personne mitovy amin'ny Jesosy sy Andriamanitra ...
Izay izany ny finoanao ka azoko atao ahoana moa ! :-) Marihiko fa aminao izany tsy Andriamanitra i Jesosy araka io soratanao io ... (hafa Jesosy, hafa Andriamanitra) ;-)
jojo3t:
voalohany alou dia tsy miresaka Andriamanitra telo izay iray ny baiboly na andininy iray aza
Mazava ho azy fa tsy hitovy mihitsy ny fomba fijerintsika ny Baiboly araka io fanamarihana nataoko eo ambony io ! :-)
Raha hitady soratra hoe "Andriamanitra telo izay iray" na "Trinité" tokoa aloha ianao dia ho fanina tsy ahita velively.
Izaho anefa mahita fa trinitaire io Baiboly vakianao io (asa aloha raha mitovy ny antsika fa zavatra hafa indray izay) :
- Testamenta taloha milaza indrindra ny asa nataon'ny Ray
- Filazantsara milaza ny asa nataon'ny Zanaka
- Epistily milaza ny asan'ny Fanahy Masina
Mazava ho azy fa fomba fijeriko amin'ny maha mpino ny Trinité ahy io ! ;-)
23. jojo3t
(
20/12/2012 04:37)
Namana borlais, fampianaran'ny baiboly mazava no nomeko fa tsy ahy manokana akory, mampianatra mazava ny baiboly fa samihafa mihitsy i Jesosy sy i Jehovah fa tsy iray ihany, matoa zany tsy hitanao dia tsy mbola nandalina ny baiboly enao, ka mampirisika anao ny tenako hanao misimisy kokoa dia enao ihany dia ahita ny valiny fa tsy mila manontany.
24. bor2lais
(
20/12/2012 08:26)

Izay ange ny manahirana miresaka aminao e : tsy vakinao tsara akory ny zavatra soratako ka lasa mamaly à côté ianao ! :-)
Hoy aho hoe :
"aminao (jojo3t) dia tsy Andriamanitra i Jesosy ! ", noho izany dia tsy hitovy velively ny fijerintsika io Baiboly io satria tsy mitovy izany ny zavatra vakiana ! ;-)
25. jojo3t
(
20/12/2012 09:05)
bor2lais:Miala tsiny ny tenako raha miteny hoe, ny fomba fijerenareo an'ilay baiboly no tsy ampy ka lasa otrany hoe tsy mitovy fijery, ilay Jesosy ivavahana mihitsy no tsy resahan'ny baiboly, ary manavaka mihitsy ny baiboly fa hafa ilay Andriamanitra Rain'i Jesosy, ary izy dia zanaka izay tsy natao ivavahana, midira enao ao amin'ilay lohahevitra hoe "kristianina ve ny vavolombelon'i Jehovah dia pejy faha-4, lasa aller retour be mantsy ilay izy, ao enao mahita tsara ireo andininy maro be miresaka ny toeran'i Jesosy sy ilay Andriamanitra tokana, afaka mamakafaka ireo andininy ireo enao dia mba hazavao fa aza lalovana fotsiny.
jojo3t:
Namana borlais, fampianaran'ny baiboly mazava no nomeko fa tsy ahy manokana akory, mampianatra mazava ny baiboly fa samihafa mihitsy i Jesosy sy i Jehovah fa tsy iray ihany, matoa zany tsy hitanao dia tsy mbola nandalina ny baiboly enao, ka mampirisika anao ny tenako hanao misimisy kokoa dia enao ihany dia ahita ny valiny fa tsy mila manontany.
Izay ange ny manahirana miresaka aminao e : tsy vakinao tsara akory ny zavatra soratako ka lasa mamaly à côté ianao ! :-)
Hoy aho hoe :
"aminao (jojo3t) dia tsy Andriamanitra i Jesosy ! ", noho izany dia tsy hitovy velively ny fijerintsika io Baiboly io satria tsy mitovy izany ny zavatra vakiana ! ;-)
26. bor2lais
(
20/12/2012 12:24)
jojo3t:
ilay Jesosy ivavahana mihitsy no tsy resahan'ny baiboly
Ka ataonao ahoana moa ny hivavaka amin'i Jesosy Izay tsy ekenao akory fa Andriamanitra : io no isan'ny ivon'ny tsy ifanarahantsika ka ilazako fa rehefa izay izany ny finoanao inona moa no ho lazaiko aminao eo intsony ! ;-)
Dia lasa resaka aller-retour ilay izy ! :-)
27. Miharena
(
20/12/2012 14:08)
Eo amin'ny fomba fiasan'Andriamanitra angamba no misy tsy azon'i Jojo3t !
raha jerena manko ilay adihevitra dia samihafa tanteraka ny zavatra tiana avoitra. Ny iray (Jojo3t) manasaraka tsara azy telo, ny iray mahita tsara fa miombona izy telo na misaraka aza.
Ka inona no olana amin'ilay adihevitra fa mitovy ihany ireo!
Nisy olona nijoro izay nahita ny asan'i Satana izay naneho ny tenany ho lohan'olona telo ao anaty vatana iray. Dia rehefa miteny izy dia manomboka ny teny ny loha iray dia tohizan'ny loha faharoa ary faranan'ny loha fahatelo (na io fehezanteny, na io teny iray tiany lazaina.
Ka sao dia misy mihevitra aza hoe hoatr'izay ny Trinite?
Nefa tsy izay ilay izy fa marina ny tenin'i Jojo3y hoe telo misaraka ireo, ary marina koa anefa ny tenin'i Bor2lais hoe iray ireo satria iray aina.
Ka aiza marina no olana eto e! fanina ny mpanaraka fa mila mihevi-tena izay nanokatra ny lohahevitra

28. niryna
(
21/12/2012 17:56)
jajajaly:Raha vao mametraka io fanontaniana io hianao dia midika fa tsy mino Azy ho Atra mahery,midika koa izany fa manana baiboly hafa dia tsy iza fa ny temoin de jehovah indray io mametraka fanontaniana io
Maro ny mpivavaka milaza fa Andriamanitra i Jesosy. Misy mihevitra fa telo izay iray Andriamanitra. Araka io fampianarana io, dia «Andriamanitra ny Ray, Andriamanitra ny Zanaka, ary Andriamanitra ny Fanahy Masina, nefa tsy telo Andriamanitra fa iray ihany.» Lazaina fa «samy maharitra mandrakizay sy mitovy» izy telo ireo. (Ny Rakipahalalana Katolika, anglisy) Marina ve izany?
I Jehovah Andriamanitra no Mpamorona. (Apokalypsy 4:11) Tsy manam-piandohana na fiafarana izy, ary mahery indrindra. (Salamo 90:2) I Jesosy kosa nanam-piandohana. (Kolosianina 1:15, 16) Niantso an’Andriamanitra ho Rainy izy, ary nilaza hoe: «Ny Ray dia lehibe noho izaho.» (Jaona 14:28) Nohazavainy koa fa nisy zavatra tsy fantany sady tsy fantatry ny anjely, fa ny Rainy ihany no nahalala azy.—Marka 13:32.
Nivavaka toy izao tamin-dRainy koa i Jesosy: «Aoka tsy ny sitrapoko no atao, fa ny anao.» (Lioka 22:42) Iza moa no hivavahany raha tsy izay lehibe noho izy? Andriamanitra koa no nanangana an’i Jesosy tamin’ny maty, fa tsy ny tenany ihany. (Asan’ny Apostoly 2:32) Mazava àry fa tsy nitovy ny Zanaka sy ny Ray talohan’ny nahatongavan’i Jesosy tetỳ an-tany, na nandritra ny fiainany tetỳ. Nanjary nitovy anefa ve izy ireo rehefa natsangana tamin’ny maty i Jesosy, ka nankany an-danitra? Hoy ny 1 Korintianina 11:3: ‘Andriamanitra no lohan’i Kristy.’ Raha ny marina, dia ho eo ambany fahefan’Andriamanitra foana ny Zanaka. (1 Korintianina 15:28) Asehon’ny Soratra Masina àry fa tsy Andriamanitra Mahery Indrindra i Jesosy. Zanak’Andriamanitra kosa izy.
Tsy andriamanitra koa ny fanahy masina, na dia izany aza no lazain’ny olona mino ny Andriamanitra telo izay iray. Nivavaka tamin’Andriamanitra ny mpanao salamo hoe: «Maniraka ny Fanahinao Hianao, dia ary izy.» (Salamo 104:30) Tsy ilay Andriamanitra Mahery Indrindra akory io fanahy io, fa ny hery ampiasainy mba hanatanterahany ny sitrapony. Tamin’ny alalan’izy io no namoronan’Andriamanitra ny lanitra sy ny tany ary ny zavamananaina rehetra. (Genesisy 1:2; Salamo 33:6) Ny fanahiny masina koa no nahafahan’ny olona nanoratra ny Baiboly. (2 Petera 1:20, 21) Tsy hita ao amin’ny Soratra Masina ny fampianarana momba ny Andriamanitra telo izay iray. «Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany», hoy ny Baiboly.—Deoteronomia 6:4.
Dia ho avy indray hoe ,izy sy ny rainy ve dia ho iray,ny zanakao ihany ve no rainao
Mahazo mino hianao ary tsy voatery hino ihany koa
Saika andefa hafatra aho ka ny anao no tonga aloha fa na dia izany aza alefako ihany ny ahy
Mahereza ary mividiana ny baibolin'ny krisitiana dia mba manaova recherche kely miampy ny vavaka toram-po hoe asehoy ahy tokoa Atra ny tena fahamarinana ok Izay mitady dia ahita,izay mandona dia ho vohainy tokoa ny fonao ahalalanao ny marina
29. jojo3t
(
26/12/2012 05:07)
Namana nyrina, afaka mamoaka hevitra enao ary aza misalasala, alefaso ny dinika, fa aza variana mitsara, raha manahirana anao dia baiboly katolika sy protestanta no apesaintsika eto, rehefa tsy hita mantsy izay lazaina dia lasa mamorona ka hoe hafa mihitsy ny baiboly nefa dia mitovy ihany ny baiboly fa tsy misy samihafa, rehefa mivantana sy mazava ary tsy azo ialana mantsy ilay fanazavana dia aolana kely ilay izy, resaka Jesosy zao no resahana eto dia mba alefaso ny fanazavanao.
30. toriteny
(
10/01/2013 12:15)
MAmpalahelo ahy ianao izay miteny fa tsy mahery Jesosy. Ny fitenenanao izany dia midika fa tsy mahavonjy Kristy satria izay no mission any teto ambonin'ny tany: ny hamonjy antsika.
Dia iza izany no Mpamonjy anao? Andriamanitra RAy? Fa angaha tsy fantatrao fa tsy misy
mankany amin'ny RAy raha tsy amin'ny alalan'i Jesosy? Jao14:16 TSy hahita ny RAy na oviana
na oviana ianao raha tsy mandalo amin'i Jesosy.
HAfa ny tany amin'ny Testamenta taloha hoe
Andriamanitra mihitsy no niteny tamin'i Abrahama, Mosesy,...sy nitarika ny dian'ny
zanak'Israely.
Dikan'izany tsy ho any am-paradisa (any no misy ny RAy) mihitsy ianao fa ho any amin'ny
helo raha tsy mandray an'i Jesosy
FAntatrao moa fa Kristy no namoronana izao tontolo izao? JAo1: 1-3: "Tamin'ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin'Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra .2 Izy dia tao amin'Andriamanitra tamin'ny voalohany .3 Izy no nahariana ny zavatra rehetra;"
Jesosy no Teny namoronana izao tontolo izao satria Izy ilay Teny tonga nofo. Dia mbola
sahy hilaza ihany ve ianao hoe tsy puissant Izy nefa tsy nisy izao tontolo izao raha tsy
Izy?
Ary ny amin'ilay hoe tsy misy mihitsy ao amin'ny BAiboly hoe Andriamanitra dia trinité. VAo miandoha ny baiboly dia efa ahitanao izany ao.
-Andriamanitra RAy efa fantatrao fa mi-existe
-Jesosy izay Teny koa efa fantatrao amin'izao fa tao amin'ny RAy Izy tamin'ny famoronana izao tontolo izao araka izay hitantsika teo amin'i JAona teo
-Ny FAnahin'Andriamanitra nanomba tambonin'ny rano (Gen1:2). Izy tsy niteny mihitsy hoe nisy FAnahin'Andriamanitra hafa koa nanomba tambonin'ny rano. FA Fanahin'Andriamanitra hoy izy. Ary Grand F no hanoratany azy izay midika fa Andriamanitra koa io FAnahy io. Ary satria nanomboka teo dia Jehovah Andriamanitra foana no voalaza ao amin'ny testamenta taloha dia hinoana fa tao anatin'ilay Jehovah Andriamanitra ihany koa izany ilay FAnahy tahaka ilay Teny). Ohatra gen3: 8 NAndre an'i Jehovah Andriamanitra nitsangatsangana teo amin'ny saha izy. Tena Jehovah en personne (misy vatana) mihitsy no nitoetra niaraka tamin'i Adama sy Eva talohan'ny nihinananay ilay voankazo voarara ary olona 1 no hitany satria ny FAnahy sy ny Teny dia tao anatiny
Raha mbola tsy mino ianao dia tamin'ny nanao ny olombelona Andriamanitra dia hoy Izy: Andeha Isiaka. Izy tsy niteny mihitsy hoe handeha Aho hamorona olona mitovy endrika Amiko
Ny fehiny izany dia izao. Tena Andriamanitra 3 izay iray Izy fa kosa samy manana ny période-ny ireo personne 3 ao amin'Andriamanitra ireo:
1)TT: Andriamanitra RAy no nitondra ny zanak'Israely
2)Testamenta vaovao----->niakaran'i Jesosy tany an-danitra: Jesosy Kristy no Andriamanitra
nitondra ny mpino
3)Après niakaran'i Jesosy----->mandra-pahatongany indray dia ny FAnahy MAsina no mitondra
ny Mpino SAINGY mitondra ho any amin'i Jesosy fa Izy irery ihany no Mpamonjy
4)Ho avy am-boninahitra indray Izy ary haka ny olony ary Izy amin'izay no hitondra mandrakizay an'i Jerosalema vaovao
Koa aza manao hoe limité Jesosy fa sady namoronana izao tontolo izao Izy, no namonjena
izao tontolo izao no mbola Izy no Mpanjakan'ny lanitra sy ny fiainana mandrakizay. Sao lahy ka tsy mahazo anjara amin'ny fiainana mandrakizay ianao fa dieny mbola mamindra fo Izy ka mbola manome anao andro ihainana dia miovà fa Andriamanitra MAHERY Jesosy ary amin'ny anarany irery ihany no handoalihan'ny lohalika rehetra, na ny any an-danitra, na ny eto an-tany na ny any ambanin'ny tany fil2:10
Amen