Milaza i Benoit XVI fa diso ny datin' ny Fahaterahan'ny Tompo

1. Maranatha ( 10/12/2012 06:11)
Araka ity rohy ity dia milaza i Benoit XVI fa diso ny daty fankalazana ny fahaterahn'ny Tompo.
http://www.huffingtonpost.fr/2012/11/20/benoit-xvi-remet-en-cause-date-naissance-jesus_n_2165089.html

Dia ahoana izany. Ny katolika aloha raha vao hilazana fa diso io dia azo antoka fa tonga dia hanaiky satria ry zareo no namorona io. Manao concil fotsiny izy dia resena lahatra ny eveka sy ny sisa dia apetraka ilay tena daty marina (ohatra hoe 1 avril ) dia tsy hiisy hikotaba ny vahoaka katolika. sady ny azy ao anaty katesizy kely misy teny manao hoe tsy mety diso ny Papa.

Fa hanao ahoana kosa ireto alahadiste rehetra izay mpanaran-drenirano sy efa nampiasa io fety io hatrizay, hanaraka ny daty vaovao ve ?? tsy hitsoaka tao daholo ny mpivavaka ao ary angamba aza mety ho lasa any amin'ny katolika satria toa izay lazain-dry zareo no marina .

Hipetraka amin'izao hitazona ny 25 decembra ve toa hiisy Krismasy anakiroa izany ao anaty ny taona iray .

Hampihomehy izy ity satria eo vao ho hita fa ry zareo katolika tokoa no namorona io karazana fety io ka izay tiany hanaovana azy no hataony .

Dia inona no hevitra. Mba hialana amin'ny fisavorovoroana dia tsotra be tsy maintsy atao izay hamonoana an'i Benoit XVI mba tsy hivoahan'io hevitra io. F'aza hadino raha mbola tafapetraka eo izy dia efa nilaza fa farany sisa amin'ity taona 2012 ity no hanaovana izany fankalazana izany ho ny 25 Decembra.

Sao mba efa tratry ny Retour d'age koa ary ry Benoit izany tena ts.... Izao ry Tefigasy sy ny alahdiste mpankasitraka io tsy fantatra intsony hoe inona no hatao, aiza no hasiana ny tongotra?. Ho tratra eto fa zanaky ny Katolika avokoa, ka ny fanaon'ny reniny ihany no fanaon'ny zanany.

Ho ratsy ity!!!
novalian'i Miharena ny 20/12/2012 14:27
2. Tefigasy ( 10/12/2012 06:43)
Inona no hivakianao loha amin'izany na diso io na tsy diso e ! Ngah koa moa ianao mankalaza ny fahaterahan'ilay Mpamonjinay, tsy efa devoly ve ny mpamonjinay aminao ?
3. jajajaly ( 10/12/2012 06:59)
Efa ho 2 000 tapitrisa, eran-tany, ny olona mankalaza ny nahaterahan’i Jesosy Kristy ny 25 Desambra, ary 200 tapitrisa fara fahakeliny no manao izany ny 7 Janoary. An-tapitrisany koa anefa no tsy mankalaza izany mihitsy. Nahoana?

Tsy mpivavaka ao amin’ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina angamba ny sasany fa Hindoa na Shintoista, na anisan’ny Fivavahana Jiosy. Angano fotsiny kosa ny Krismasy amin’ny olon-kafa, ohatra hoe ny olona tsy mino an’Andriamanitra.

Mahagaga anefa fa be dia be ny olona mino an’i Jesosy nefa tsy mety manao Krismasy. Nahoana? Ireto misy antony efatra:

Voalohany, tsy mino izy ireo hoe teraka tamin’ny Desambra na Janoary i Jesosy. Tsy milaza ny daty nahaterahany mantsy ny Baiboly fa milaza fotsiny hoe: ‘Nisy mpiandry ondry tany amin’io faritra io. Nitoetra tany an-tsaha izy ireo tamin’ny alina, niambina ny andian’ondriny. Tampoka teo, dia nisy anjelin’i Jehovah nitsangana teo anilan’izy ireo. Hoy ilay anjely: «Mpamonjy no teraka ho anareo androany, dia i Kristy Tompo.»’—Lioka 2:8-11.

Tamin’ny voalohandohan’ny Oktobra i Jesosy no teraka, raha jerena ny porofo. Mbola afaka natory tany an-tsaha tamin’ny alina mantsy ny mpiandry ondry sy ny ondriny tamin’izay. Faran’izay mangatsiaka kosa any Betlehema rehefa Desambra sy Janoary. Tsy maintsy nampidirina tao amin’ny tranony àry ny ondry mba tsy ho fatin’ny hatsiaka any ivelany amin’ny alina.

Faharoa, ny nahafatesany ihany no nasain’i Jesosy notsarovan’ny mpanara-dia azy fa tsy ny nahaterahany. (Lioka 22:19, 20) Mariho koa fa tsy miresaka ny nahaterahan’i Jesosy mihitsy ny Filazantsaran’i Marka sy Jaona.

Fahatelo, tsy misy porofo hoe nankalaza ny nahaterahan’i Kristy ny Kristianina fahiny. Ny nahafatesany kosa no notsarovan’izy ireo. (1 Korintianina 11:23-26) Efa 300 taona mahery taorian’ny nahaterahan’i Jesosy vao nankalaza Krismasy ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina isaky ny 25 Desambra. Namoaka didy nandrara ny fankalazana Krismasy koa ny antenimieram-pirenena tany Angletera, tamin’ny taona 1600 tany ho any. Nanao toy izany koa ny antenimiera tany Massachusetts any Etazonia. Nahoana? Hoy ny boky hoe Ady Hanafoanana ny Krismasy (anglisy): «Tsy misy antony ara-baiboly na ara-tantara hilazana fa tamin’ny 25 Desambra i Jesosy no teraka.» «Fetin’ny mpanompo sampy namboamboarina mba ho lasa fety kristianina» koa ny Krismasy, araka ny hevitr’ireo mpivavaka nafana fo avy tany Angletera.

Fahefatra, ratsy ny niandohan’ny Krismasy. Avy amin’ny fetin’ny mpanompo sampy tany Roma izy io, dia ny fety fankalazana an’i Satiorna, andriamanitry ny fambolena sy fiompiana, sy Mithra na Sol Invictus, andriamanitra masoandro. Izao no nosoratan’i Christian Rätsch sy Claudia Müller-Ebeling, manam-pahaizana, tao amin’ny bokiny hoe Krismasin’ny Mpanompo Sampy (alemà): «Toy ny ankamaroan’ny fombafomba sy foto-pinoana talohan’ny nisian’ny Kristianina, dia novana ho fankalazana ny nahaterahan’i Kristy ilay fety taloha nankalazana ny fiverenan’ny masoandro isan-taona.»

Azonao amin’izay àry ve hoe nahoana ny tena Kristianina no tsy manao Krismasy?

http://www.jw.org/mg/zavatra-misy/gazety/wp20121201/olona-tsy-manao-krismasy-nahoana/
4. Maranatha ( 10/12/2012 07:07)

Tefigasy:

Inona no hivakianao loha amin'izany na diso io na tsy diso e ! Ngah koa moa ianao mankalaza ny fahaterahan'ilay Mpamonjinay, tsy efa devoly ve ny mpamonjinay aminao ?

Tsy mivaky loha aho fa te hanaporofo aminao fa ry zareo katolika no namorona io fa tsy ny apostoly. Fanao iray izay tsy nahazo fanomezan-dalana avy any an-danitra .
Ary eto vao tena hiseho fa samy manana ny Mpamonjiny marina isika. FA raha ilay voasoratra ao amin'ny soratra masina dia manaraka izay lazainy isika. Tsy mamoromporona zavatra tsy nampanaoviny. Eo vao ho tonga aminao ity teny ao matio ity :
Matio 7:21 Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra.22 Maro no hanao amiko amin'izany andro izany hoe: Tompoko, Tompoko, tsy efa naminany tamin'ny anaranao va izahay? ary tsy efa namoaka demonia* tamin'ny anaranao va izahay? Ary tsy efa nanao asa lehibe maro tamin'ny anaranao va izahay? 23 Ary dia hambarako aminy marimarina hoe: Tsy mba fantatro akory ianareo hatrizay hatrizay; mialà amiko, ianareo mpanao meloka.

Indrisy ry Tefigasy malala! Mba efa nankalaza ny fahaterahan'ny Tompo ihany anefa lazainy fa tsy fantany. Sady mbola lazainy ihany ko fa mpanao ny meloka.

Tefigasy a! mbola misy ny fotoana azo hibebahana e!

5. hery ( 10/12/2012 08:14)
Tsy azonao mihitsy ilay izy.

Efa hatramin'izay no fantatra fa tsy 25 desambra no TENA TERAKA ny Tompo. Saingy ny 25 désambra no hanaovana ny fetin'ny fahaterahany.

Fantatra tsara mihitsy fa tsy teraka ny 8 septambra i Maria, fa ny 8 septambra ny katolika no mankalaza ny nahaterahany.

Koa aza manahy fa tsy hitady daty hafa hankalazana ny krismasy izahay fa io 25 desambra io ihany satria daty symbolique io fa tsy daty historique.
6. hery ( 10/12/2012 08:18)
jajajaly:

Azonao amin’izay àry ve hoe nahoana ny tena Kristianina no tsy manao Krismasy?


Tsy ifanerena io e :-)
Aza mankalaza ny zavatra tsy azo.

Izahay mankalaza satria io no andro iray hahatsiarovanay ny nahatongavan'Andriamanitra ho nofo ho famonjena anay.

7. Tefigasy ( 10/12/2012 08:24)
Afaka atotonao aty amiko daholo izay teny fanozonana sy ratsiratsy rehetra ao anaty baiboly mikasika ny fanjakan'Andriamanitra fa tsy misy olana. Ianao no ho reraka hi-demontrer zavatra efa hita fa tsy misy dikany aminao akory. Tsy ny adala ve no miezaka manaporofo zavatra efa fantany fa tsy misy na tsy mitombona, lol

Raha ny amiko manokana dia sahiko sy hireharehako amin'ny Jesoa fa efa nosoratany ao amin'ny bokin'ny fiainana ny anarako ary tsy izay olona mamorona firehan-kevitra etsy sy eroa sy fatra-panenjika ireo mpanara-dia Azy ka hahavitany manopa an'io Jesosiko io ho devoly akory no hampiontsona ahy !

Averiko aminao hatrany ihany koa fa tsy ny daty no olana amiko, na misy olona ary any ho any mankalaza an'ilay mpamonjy noho ny fahaterahany amin'ny andro izay tiany ka hanomezany fanasana ho ahy mba hiarahany manao izany dia fifaliana tanteraka ho ahy izany ! eny fa na dia isan'nadro aza dia ankalazaina foana ny fahaterahan'izany Jesoa tonga nofo izany mba ho famonjena izao tontolo izao, vao maika tiako sy mety be amiko !

Apetrako foana fa tsy vao noforonina akory ny fankalaza izany fahaterahana ho nofo izany teo amin'Andriamanitra fa efa nataon'ireo mpiandry ondry fahizay sy ireo mpanjaka tonga nitsaoka an'io Andriamanitra tonga nofo io !
8. Maranatha ( 10/12/2012 10:14)

Tefigasy:

Afaka atotonao aty amiko daholo izay teny fanozonana sy ratsiratsy rehetra ao anaty baiboly mikasika ny fanjakan'Andriamanitra fa tsy misy olana. Ianao no ho reraka hi-demontrer zavatra efa hita fa tsy misy dikany aminao akory. Tsy ny adala ve no miezaka manaporofo zavatra efa fantany fa tsy misy na tsy mitombona, lol

I kor 1:23 fa izahay kosa mitory an'i Kristy voahombo tamin'ny hazo fijaliana, dia fahatafintohinana amin'ny Jiosy ary fahadalana amin'ny jentilisa
Tefigasy:

Raha ny amiko manokana dia sahiko sy hireharehako amin'ny Jesoa fa efa nosoratany ao amin'ny bokin'ny fiainana ny anarako ary tsy izay olona mamorona firehan-kevitra etsy sy eroa sy fatra-panenjika ireo mpanara-dia Azy ka hahavitany manopa an'io Jesosiko io ho devoly akory no hampiontsona ahy !

Aza mirediredy ianao aza tsy fantatry ny any an-danitra akory. Matio 7:23 Ary dia hambarako aminy marimarina hoe: Tsy mba FANTATRO akory ianareo hatrizay hatrizay; mialà amiko, ianareo mpanao meloka.
Misy fifankafatarana amin'A/tra sy ny olony Ezekiela 20:12 Ary nomeko azy koa ny Sabatako ho FAMANTARANA ho amiko sy ho aminy mba ho fantany fa Izaho Jehovah no manamasina azy.
Hianao angaha mitandrina Sabata. Tsy fantatry ny any an-danitra izany hianao.

Samy manana ny Mpamonjiny angamba hoa: Fa raha ilay nirahin'i Ray tety ambonin'ny tany aloha tsy nampanao anay mpanaradia Azy an'izany . Aza adino fa be Jesosy be ao anaty baiboly. Asa 13:16 Barjesosy, I tantara 24:11, IItantara 31:15 sns... ka sao dia ilay iray amin'ireo ity anareo ity ???
Fa raha ny 25 Decembre aloha dia ny Devoly no manao fety eo e! FETIN-DEMONY io daty io. ka raha isany mpankalaza io hianao dia tsy afaka fa isan-dry zareo.

Tefigasy:

Averiko aminao hatrany ihany koa fa tsy ny daty no olana amiko, na misy olona ary any ho any mankalaza an'ilay mpamonjy noho ny fahaterahany amin'ny andro izay tiany ka hanomezany fanasana ho ahy mba hiarahany manao izany dia fifaliana tanteraka ho ahy izany ! eny fa na dia isan'nadro aza dia ankalazaina foana ny fahaterahan'izany Jesoa tonga nofo izany mba ho famonjena izao tontolo izao, vao maika tiako sy mety be amiko !

Hay ve hiombona amiko amin'izany ihany hianao e! isan'andro no hateraka ny Tompo. (jereo ilay adi-hevitra teo aloha: Ny Krismasy sy ny baiboly ) . Jaona 3:30 Izy tsy maintsy mitombo fa izaho kosa tsy maintsy mihena. esorina ny maha isika antsika dia apitoerina ny maha Izy ny Tompo ao anatitsika mba hitovy endrika aminy isika. Vonoina isan'andro ny Izaho dia ateraka isan'andro izay toetran'i Tompo mbola tsy hananan-tsika. Fa tsy hiandry andro anakiray vao hanao izany. Ity ilay teny netiko tamin'izay
Maranatha 04/12/2012 11:27 :

hoy ny Lioka 2:11 fa Mpamonjy no teraka ho anareo ANIO ao an-tanànan'i Davida, dia Kristy Tompo,izany hoe isan'andro dia tokony ho teraka ao amponao ny Tompo fa hianao kosa mihamaty ( ny toetra) Mba hanamarina ilay teny ao @ gal 2:20 Voahombo miaraka amin'i Kristy amin'ny hazo fijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko; fa izay ivelomako ankehitriny eo amin'ny nofo dia ivelomako amin'ny finoana ny Zanak'Avoindrindra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy.
Fa tsy hiandry ny 25 Dec vao hiala amin'ny ratsy sy hiiditra ampiangonana.


Mampahery anao aho ry Tefigasy
9. Tefigasy ( 10/12/2012 10:42)
Maranatha:

Aza mirediredy ianao aza tsy fantatry ny any an-danitra akory. Matio 7:23 Ary dia hambarako aminy marimarina hoe: Tsy mba FANTATRO akory ianareo hatrizay hatrizay; mialà amiko, ianareo mpanao meloka.
Misy fifankafatarana amin'A/tra sy ny olony Ezekiela 20:12 Ary nomeko azy koa ny Sabatako ho FAMANTARANA ho amiko sy ho aminy mba ho fantany fa Izaho Jehovah no manamasina azy.
Hianao angaha mitandrina Sabata. Tsy fantatry ny any an-danitra izany hianao.

Samy manana ny Mpamonjiny angamba hoa: Fa raha ilay nirahin'i Ray tety ambonin'ny tany aloha tsy nampanao anay mpanaradia Azy an'izany . Aza adino fa be Jesosy be ao anaty baiboly. Asa 13:16 Barjesosy, I tantara 24:11, IItantara 31:15 sns... ka sao dia ilay iray amin'ireo ity anareo ity ???
Fa raha ny 25 Decembre aloha dia ny Devoly no manao fety eo e! FETIN-DEMONY io daty io. ka raha isany mpankalaza io hianao dia tsy afaka fa isan-dry zareo.

Dia bon voyage ianao izany koa! Tongava soa fa samy manana ny lalana hizorany isika, dia aoka samy mandeha amin'izay alehany fa aza mitsongolingolika amin'ny lalana hizoran'ny sasany intsony manomboka eto !
Maranatha:

Hay ve hiombona amiko amin'izany ihany hianao e! isan'andro no hateraka ny Tompo.

Tsy haiko itony olona itony raha mba mahay mamaky teny tsara na tsia. Ny fankalazana an'Andriamanitra noho ny nanomezany ny zanany izay teraka indray mandeha, nidina indray mandeha teto an-tany mba hamonjy ny olona no resahina eto, ary indray mandeha ihany Izy no nateraka fa tsy isan'andro akory . Raha tsy hainao dia ny olona no misy ateraka isan'andro ao Aminy fa tsy Izy akory no hateraka foana isan'andro, lol. Koa raha tsy sampona koa, rehefa mitombo mihalehibe ve ny zazakely iray dia midika fa ateraka foana izy ao anatin'ny fitomboany? Fa ny fankalazana izany fahaterahana izany no resahina, izay afaka atao isan'andro fa tsy ianao akory no andeha hiteraka ny Tompo isan'andro! Mba mieritreritra!
Maranatha 04/12/2012 11:27 :

Mampahery anao aho ry Tefigasy

Manana an'i Jesoa izay opainao ho devoly lava izao izay mampahery ahy foana aho ary tsy mila ny fampianaran-diso sy ny hevitra mivoana aminao mba entina handotoana ny anarany. Zory ny lalanao fa ny aty tsy mila fa efa miara-mandeha aminy ho mandrakizay !
10. Nehemiah ( 10/12/2012 13:50)
Zavatra anankiray fantatro dia tsy manan-jo antsika hitsaratsara olona nefa antsika azy tsy mahavita manaraka @ fomba lavorary ny Lalàn'Andriamanitra. Iza amintsika no tsy mbola nandainga ? No mbola tsy nanonononona foana hoe "Andriamanitra ô !" nefa tsy nieritreritra azy akory ? No mbola tsy nangalatra ? No mbola tsy nankahala olona ? Misy zavatra mendriky ny hitolomana ho an'ny tena kristianina, fa tsy ao anatin'izay ny tsi-fankalazàna Krismasy. Averiko ihany : ny fahavalon'ny finoana kristianina (silamo, athées) no tena maniry hanafongotra an'io.
11. andrywui ( 10/12/2012 14:18)

Tsy azonao mihitsy ilay izy.

Efa hatramin'izay no fantatra fa tsy 25 desambra no TENA TERAKA ny Tompo. Saingy ny 25 désambra no hanaovana ny fetin'ny fahaterahany.


marina ny tenin'i hery !! tsy tena daty nahaterahany io fa symbolique fotsiny
12. Nehemiah ( 10/12/2012 14:20)

Tefigasy:

Raha ny amiko manokana dia sahiko sy hireharehako amin'ny Jesoa fa efa nosoratany ao amin'ny bokin'ny fiainana ny anarako ary tsy izay olona mamorona firehan-kevitra etsy sy eroa sy fatra-panenjika ireo mpanara-dia Azy ka hahavitany manopa an'io Jesosiko io ho devoly akory no hampiontsona ahy !

Mahagaga fa betsaka ny mirehareha (sa midedaka no tokony ilazàko azy ?) ho Kristianina, nefa i Tefigasy ihany amin'ity lohahevitra ity no tena hitako ho tena nahazo ny dikan'ny hoe "Fa mandehana ka mianara izay hevitry ny teny hoe: famindrampo no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-drà [Hos 6:6] ; fa tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota."
13. Miharena ( 10/12/2012 16:23)
Tsy aleo ve aloha ilay resak'i Pape Benoit XVI no hatao fa tsy miady hevitra ivelany!!

Raha ny fantatra dia tsy 2012 no tokoy ho daty amin'izao fotoana izao fa 2020 raha ny fanadihadiana nataon'i Pape. Ny dikany dia tsy misy andro azo antoka na ny fanisana isanandro alatsinainy, talata....Sabata na ny taona. Ka inona àry no mbola hiadiana hevitra amin-java-tsy misy fotony toy izany?!

Ny fandaharam-potoanan'ny olona nifaneken'ny maro kosa dia azo lazaina fa tsy tokony hasiana olana koa, satria izay aloha no fantany fa mampiray azy rehetra amin'ny fahatsiarovana zava-dehibe iray. Toy ny alahady izay andro malaza noho ny nitsanganan'ny Tompo izay nahatonga ny olona tsy nandray intsony ny Sabata teo aloha izay efa ela notandremana.

Nefa tsy azo antoka zato isan-jato koa hoe alahady, na sabata ny andro itsahitnstika ankehitriny raha tena manao fiverenana any am-boalohany tany amin'ny antapitrisan-taona maro lasa any isika.
14. Nehemiah ( 11/12/2012 05:15)

Miharena:

Nefa tsy azo antoka zato isan-jato koa hoe alahady, na sabata ny andro itsahitnstika ankehitriny raha tena manao fiverenana any am-boalohany tany amin'ny antapitrisan-taona maro lasa any isika.

Aiza kay ianao no mahita an'izany resaka tapitrisa taona izany anaty Baiboly ? (lol) Raha ny fandinihan'ny manam-pahaizana ara-Baiboly tahakan'i Ussher sy Newton dia 6 000 taona farafahabeny izao tontolo izao :) .
15. sitlo ( 11/12/2012 05:41)
Tsy nisy izany ny dinausore.
16. Nehemiah ( 11/12/2012 05:48)

sitlo:

Tsy nisy izany ny dinausore.

Iza no niteny anao hoe tapitrisa taona lasa no niveloman'ny dinôzôra ?
17. sitlo ( 11/12/2012 07:24)
Hmmm, tena mila mamerina manao calcul ny mpikaroka fa tsy mifanaraka amin'ny baiboly.
18. Nehemiah ( 11/12/2012 07:32)

sitlo:

Hmmm, tena mila mamerina manao calcul ny mpikaroka fa tsy mifanaraka amin'ny baiboly.

Tsy dia tena izay fa resaka "paradigme" io. Raha miainga avy amin'ny hevitra fa tsy misy izao i Andriamanitra ka niforona ho azy ny zavatra rehetra (lol) ianao, dia ho hafan'ny tsoa-kevitry ny olona mihevitra ho marina hatr@ Gen 1 ny Baiboly mihitsy ny hevitra tsoahinao avy @ zava-misy ara-tsiansa. I Darwin anie dia namorona ny foto-pisainany indrindra mba hanilihana ny hypotezin'ny Andriananahary Tsitoha izay manan-ko lazaina @ fiainan'ny zanak'olombelona e. Dia izay no anatsetsenana ny ato-dohan'ny ankizy gasy @'zao, satria zanahin'ny mpamatsy vola vazaha tsy mino an'Andriamanitra.
19. sitlo ( 11/12/2012 07:41)
Ka raha ny Baiboly ange no jerena dia fisaka ny tany e! Ary raha tsy ny siantifika no nilaza dia tsy nanaiky ho diso mihitsy ny mpino.

Fa mbola mipetraka ny fanontaniako amin'i Nehemiah, tsy nisy ve ny dinosaure tamin'ny tapitrisa taona lasa?

Dia ahoana izany ilay taolana dinosaure hita tany Mahajanga?
20. Nehemiah ( 11/12/2012 08:10)

sitlo:

Ka raha ny Baiboly ange no jerena dia fisaka ny tany e! Ary raha tsy ny siantifika no nilaza dia tsy nanaiky ho diso mihitsy ny mpino.

Tsy natao ho an'ny alika kosa ny honnéteté intellectuelle. Tsy milaza an'izao velively ny Baiboly. Raha milaza an'izao dia ameo an'ilay andininy misy azy aho fa aza mitoraka elefanta.
sitlo:
Fa mbola mipetraka ny fanontaniako amin'i Nehemiah, tsy nisy ve ny dinosaure tamin'ny tapitrisa taona lasa?

Dia ahoana izany ilay taolana dinosaure hita tany Mahajanga?

Dia mbola mipetraka ny fanontaniako amin'i sitlo : iza no niteny anao hoe an-tapitrisa taona ireto taolana ireto ? F'angaha nisy etikety niaraka t@ hoe "65 millions d'années" ? Ny fomba fidatiana taolana dinôzôra dia miainga avy @ vinavina, dia ampanarahina @'izay vinavina izay ny vokatry ny analizy. Habetsahana elemanta simika samihafa no hita ao anatiny, dia iny no anaovana interprétation. Fa ny mampihomehy dia izao : ny vato izay fantatra fa amam-polo taonany no nivainganany dia mbola manome vokatra an-jato tapitrisa taona ny analiziny. Ka mampieritreritra ihany izany lol : hita fa diso ny "paradigme" dia mbola manao izay ifikirany aminy ihany.

Raha ny ara-Baiboly no jerevana dia noforonina t@ andro faha-6 ny dinôzôra (satria biby mandeha ambony tany) ary nalain'i Noah t@ sambofiarany rehefa tonga ny Safodrano izy ireo mazava ho azy. Tsy hita anaty Baiboly ny teny hoe "dinosaure" satria noforonin'i Ing. Richard Owen t@ taon-jato faha-XIX, fa nahoana kay no mitovy dia mitovy @ dinôzôra ny fanoritsoritana ny dragona t@ Moyen-Âge ? Nahoana no neverina ho biby tena nisy izy ireo ?

Manentana anao aho hikaroka vetivety @ Google ny momba ny "mokélé-mbémbé".
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3519