Inona no zavatra takian'Atra amintsika?

1. niryna ( 31/10/2012 03:44)
Mahalasa saina ihany indraindray ny mijery ireto olona mandefa kisarisary sy ny sasany manome toro-marika amin'ny fampianaraha hafahafa ka izay nolazain'ny baiboly rehetra dia toheriny sy laviny ary mahita zavatra sy teny hafahafa sy filazana hafahafa ny niavian-dramalagasy.
Inona tokoa anefa no zavatra takian'Atra antsika?
novalian'i niryna ny 24/11/2012 05:38
2. Tefigasy ( 31/10/2012 04:30)
niryna :

Inona tokoa anefa no zavatra takian'Atra antsika?

TOKANA fa tsy be dia be toa izay ambaran'ny hafa
Jao.6:40 "Fa izao no sitrapon'ny Raiko , dia ny hahazoan'izay rehetra mijery ny Zanaka ka mino Azy fiainana mandrakizay ; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany "

"La volonté de mon Père, c'est que quiconque voit le Fils et croit en lui ait la vie éternelle; et je le ressusciterai au dernier jour."
3. Miharena ( 31/10/2012 04:31)
Raha ny fanadihadiana momba ny firazanana no resahana dia ataoko fa tsy misy maharatsy azy afa-tsy ny fiavonavonana na fanambonian-tena noho ny hafa.

Ny takian'Andriamanitra amintsika raha nandinika lalina io Baiboly io aho dia tsotra ihany : ny fahatsorana iainana am-pitiavana ao anaty tontolo vaovao hanjakan'ny fiainana mandrakizay. Ny ankoatr'izay dia zava-mandalo avokoa.
4. moustaraf ( 31/10/2012 05:09)
Salama namana,
Ilay fanadihadiana ny tantaran-mpihavianao ve no mampahalikiliky anao?
Ny malagasy dia tsy hiova mihitsy angamba; raha fisaorana no tokony hoa atao dia fanesoesoana no asetry ny ezaka bediabe ataon'ny hafa.

-Baiboly no resahina eto ombieny ombieny:
Raha milaza aminao ve izahay heo: "anatin'io boky ivavahanao io anie ka misy ny tantaran'ny raybe nao sy hafatra mivantana ho anao,sy faminaniana ho an'ny Malagasy mitokana",
dia ESOESO ve no avalinao izany??? Tsy tokony ho faly ve ISIKA???
-Satria tsy ilay mpitarika fivavahana ao aminao, na document vahiny ve no manambara zava-baovao aminao dia ho lazaina foana hoe HAFAHAFA???na ridicule???

-Ny lalan'ny famonjena dia "tsy TSOTRA KELY" tahaka izay ilazanareo azy; raha izany dia
TSY ETY NY VAVAHADY IDIRANA MANKANY,
TSY ROMBAHINA NY FANJAKAN'NY LANITRA, ary TSY ALAINA AN-KERINY
IZAY REHETRA (maloto, janga, vetaveta, ...) dia hiditra ao daholo.

Fa misy lalana voatokana, plan matipaika, fepetra voasoritra MAZAVA TSARA, izay TSY MAINTSY ARAHIN'IZAY REHETRA MITADY NY FAMONJENA.
5. Tefigasy ( 31/10/2012 05:48)
moustaraf >>
"Lazaiko aminareo marina tokoa fa ny mpamory hetra sy ny vehivavy janga efa mialoha anareo ho amin'ny fanjakan'Andriamanitra ." (mat.21:31)
6. didi10 ( 31/10/2012 05:52)
Titosy 3,9
9 Fa halaviro ny fanontaniana adala sy ny tantaram-pirazanana sy ny fifandirana sy ny ady teny ny amin'ny lalàna; fa tsy mahasoa sady zava-poana izany
7. Maranatha ( 31/10/2012 10:10)

niryna :

Mahalasa saina ihany indraindray ny mijery ireto olona MANDEFA KISARISARY ....
Inona tokoa anefa no zavatra takian'Atra antsika?


Tononiko aminao ihany aloha ny FIADANANA . Fa izao raha tsy zakan'ilay fanahy ao anatinao ireny kisarisary hentina hanazavana ny sain-tsika ireny mba hahafahan-tsika mandinika ny zavamisy marina satria hoy ny Mpamonjy ao @ Jaona 4:24 hoe Ny Avoindrindra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin'ny fanahy sy ny fahamarinana.
Dia mandiniha tena fa sao tratran'ilay teny ao @ Matio 7:23 hoe Ary dia hambarako aminy marimarina hoe: Tsy mba fantatro akory ianareo hatrizay hatrizay; mialà amiko, ianareo mpanao meloka (mpanota).
Mahereza ! Tsy mba manao Clientelisme izahay mba hitarihana anareo any amin'izay misy anay fa milaza aminareo kosa mba ho vavolombelona aminareo.
8. bor2lais ( 31/10/2012 13:42)
niryna:

Inona tokoa anefa no zavatra takian'Atra antsika?

1. Tia Azy
2. Fanehoana fa manana Azy tokoa isika : tia ny namana !

Diso aho ve ? :-)
9. moustaraf ( 01/11/2012 03:58)
Salama namana,
Misy fanontaniana ity ho anareo mitory famonjena @ alalan'ny fahalalahala ireto:
-sahinareo ve ny mitory @ olona entinareo hoe: MALALAKA BE NY LALANA ARAHINTSIKA MANKANY ANDANITRA? MINO FOTSINY DIA IZAY? TSY MISY FITSIPIKA ? MAHAZO MANAO IZAY TIANA ATAO?

-Tefigasy -
moustaraf >>
"Lazaiko aminareo marina tokoa fa ny mpamory hetra sy ny vehivavy janga efa mialoha anareo ho amin'ny fanjakan'Andriamanitra ." (mat.21:31)
Io indray ilay fanaovana tsianjery toko sy andininy tsy amim-pandinihana, spécialité-nao sy DIDI10; hany ka mampibirioka foana ny hevitr'ireo teny.
Nahoana no tsy averinao ilay teny hoe "Fa ny mpamory hetra sy ny vehivavy janga no NINO", fa avy dia tsaingohina tahaka an'io foana?

-didi10 -
Titosy 3,9
9 Fa halaviro ny fanontaniana adala sy ny tantaram-pirazanana sy ny fifandirana sy ny ady teny ny amin'ny lalàna; fa tsy mahasoa sady zava-poana izany.
>>>Ity resaka ity dia tsipiho tsara fa tsy ho an'ny olona rehetra akory ry didi10, fa ho an'ny olona "and-3,4,5,6:EFA NANDRAY NY FANASAN'NY FITERAHANA SY NY FANAVAOZAN'NY FANAHY= batisa (Tevylah)" izay efa fianakaviana iray (1) ao @ famonjena, firenena iray (1) ao @ Mpamonjy, taranaka (1) @ Abrahama, efa nosoratana ao am-pony ny lalàna ka tsy hiady hevitra momba izany izy.
Fa tsy IO akory no entina hilaza indray fa "Rava ny lalàna na tsy azo resahina ny tantaram-pirazana, na ny fihavianao ara-nofo, snsns...araka ny fandraisana antendrony efa mahazatra anareo.

-Borlais2
Tsy ampy ilay hoe TIA AZY, sy TIA NY NAMANA,fa fenoy tsara ilay adininy satria milaza hoe: IZAY TIA AZY DIA MITANDRINA NY DIDINY.
10. Miharena ( 02/11/2012 18:13)
MALALAKA BE NY LALANA ARAHINTSIKA MANKANY ANDANITRA? MINO FOTSINY DIA IZAY? TSY MISY FITSIPIKA ? MAHAZO MANAO IZAY TIANA ATAO?

Hazavao tsara angamba Moustaraf hoe ahoana izany vavahady ety izany no heviny?

Hoy Jesoa hoe : raha tsy tsotra toy ny zaza ianareo dia tsy hiditra ny fanjakan'ny Lanitra. DIa aiza ho aiza amin'io ilay vavahady ety?

Ny ahy manokana dia tsy mino aho raha tsy hazavaina antsipirihany ny teny iray. Tsy hoe rehefa manaiky fa zanak'Israely isika dia ampy hampiorina finoana fa fantatra tsara ilay inoana ary hita taratra fa izay mino dia manana fiainana na dia mbola ao amin'ny nofony aza.

Ka mba mila fanazavana bebe kokoa raha azonao atao.
11. Tefigasy ( 03/11/2012 01:51)
moustaraf:

-Tefigasy -
moustaraf >>
"Lazaiko aminareo marina tokoa fa ny mpamory hetra sy ny vehivavy janga efa mialoha anareo ho amin'ny fanjakan'Andriamanitra ." (mat.21:31)
Io indray ilay fanaovana tsianjery toko sy andininy tsy amim-pandinihana, spécialité-nao sy DIDI10; hany ka mampibirioka foana ny hevitr'ireo teny.
Nahoana no tsy averinao ilay teny hoe "Fa ny mpamory hetra sy ny vehivavy janga no NINO", fa avy dia tsaingohina tahaka an'io foana?


Tsy misy mibirioka akory eo fa ianao no mieritreritra fa ny mpijangajanga sy ny mpangalatra dia tsy hiditra ny fanjakan'Andriamanitra fa natokana ho anareo mbola andevozin'ny lalana ihany izany. Sahiko nefa ny manambara aminao fa raha mbola tsy miditra ao amin'ny fitsaharan'i Kristy ianao dia tsy hahita akory izany fanjakan'Andriamanitra izany fa ireo mpijangajanga sy heverinao fa mpamono olona izay nanaiky niditra ao amin'i Kristy ireo no handra izany !

Mampalahelo ahy ianao namana, nefa moa ataoko ahoana fa safidy io !
12. moustaraf ( 03/11/2012 16:38)
Salama namana,
> Sarotra ny manazava hevitra rehefa voasasa ny ati-doha entina miresaka!
-Tefigasy: Nolazaiko hoe Tsipiho tsara ilay teny hoe "NINO", fa tsy nilaza aho akory hoe izy ireo tsy hiditra any!!! aza maimaika fa vakio tsara izay soratana!

>Miharena: TERY NY LALANA ARY ETY NY VAVAHADY
Tsy izaho no nilaza an'io , ka anontanio i Mesia hoe inona no tiany holazaiana?
-Heverinareo fa Mora ve izany "Mody toy ny zaza" izany??? MANDRAY NY TOETRAN'NY ZAZA?
-Moramora @ rameva ny miditra @ vodi-fanjaitra, ....
-Mora ve izany MAMONO ny momba ny nofo izany?
-Raha ny masonao no manafintohina anao, potsiro...., fa tsara aminao ny tsy misy maso nefa miditra ny fanjakan'ny lanitra
-sns....
Ny ankamaroantsika miresaka eto manko dia toa te hamily, na hanatsotsotra, na hanao braderie mihitsy ny fidirana any an-danitra, asa na clientèlisme, na inona?
13. Tefigasy ( 04/11/2012 02:09)
moustaraf:

Ny ankamaroantsika miresaka eto manko dia toa te hamily, na hanatsotsotra, na hanao braderie mihitsy ny fidirana any an-danitra, asa na clientèlisme, na inona?

Jao 14 : 6 Hoy Jesosy taminy : Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana ; tsy misy olona mankany amin'ny Ray , afa-tsy amin'ny alalako .

Izy no lalana, lalana tokana. Amin'ny olona mbola tsy nandeha amin'io lalana io dia mandeha amin'ny lalana tery sy sarotra ary tena manahirana satria mbola andevon'ny zavatra maro izy; ary malahelo aho milaza amin'izy ireo fa tsy ho tonga any amin'izay tiany hatongavana akory izy ireo. Fa amin'ny olona efa mahafantatra tsara an'izany Jesosy izay lalana sy fahamarinana izany dia mahatsapa fa mandeha amin'ny lalana "auto-route" tsy misy lavaka, tsy atahorana hivraina gauche na droite raha mandeha amin'izany lalana izany.
14. sitlo ( 04/11/2012 05:55)
fa efa voasoratra hoe jereo sitlo dia manga ny lanitra [IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Films_et_TV/cow-boy-98.gif[/IMG]
15. moustaraf ( 04/11/2012 12:19)
Salama namana,
>Tefigasy:
Diso koa izany ny tenin'i Mesia hoe"Midira @ vavahady ety ianareo, ..fa tery ny lalana mankany @ fiainana mandrakizay ka VITSY NY MAHITA AZY"????
Fa ianareo indray mahita ny hoe:
"Midira @ vavahady migodana ianareo..., fa AUTO-ROUTE ny lalana mankany @ fianana mandrakizay ka MARO NY MAHITA AZY" sy ny hoe:
"Tery ny lalàna mankany @ FAHAVEREZANA"

Aoka isika mpisera no hanadihany izany resaka izany!
16. sitlo ( 04/11/2012 17:40)
Izaho ange efa milaza hoe aza mivaky loha amin'ny fiainana aorinan'ny fahafatesana izany fa ianareo no be doika.
niryna izao mody mitarika "ady hevitra" nefa ny hitifitra ny fahitan'olonkafa no tena tanjony.
Izy io fanambonian-tenan'ny olombelona no tena fotony. Efa nanontany ve ianareo hoe inona mihitsy no takian'Andriamanitra amin'ny kisoa na ny bitro?
Fa rehefa olombelona dia tena hoe hoe!
Fiainana aorian'ny fahafatesana = oxymoron
17. Tefigasy ( 05/11/2012 04:09)
moustaraf:

Salama namana,
>Tefigasy:
Diso koa izany ny tenin'i Mesia hoe"Midira @ vavahady ety ianareo, ..fa tery ny lalana mankany @ fiainana mandrakizay ka VITSY NY MAHITA AZY"????
Fa ianareo indray mahita ny hoe:
"Midira @ vavahady migodana ianareo..., fa AUTO-ROUTE ny lalana mankany @ fianana mandrakizay ka MARO NY MAHITA AZY" sy ny hoe:
"Tery ny lalàna mankany @ FAHAVEREZANA"

Aoka isika mpisera no hanadihany izany resaka izany!

Izao aloha e, rehefa manokatra baiboly ianao, hamaky ny tenin'Andriamanitra, dia angataho ny Fanahy Masina mba hanzava izany teny izany tsara fa raha tsy izany, dia tsy hotakatrao toa izao foana io teny tiany hampitaina aminao io.

Tery ny lalana mankany amin'ny fiainana. Tsy ny fiainana akory no tery fa ny lalana mankany amin'ilay fiainana no tery. Jesosy Kristy no fiainana, ary rehefa ao Aminy ianao dia tsy mahatsiaro teritery izany intsony. saingy ny lalana mankany Aminy no tery tahaka izao mahazo anao izao ka tsy hitanao akory io lalana mankany amin'i Jesosy io. Tsy ny lalàna sy izay eritreretinao rehetra ho teritery akory no lalana fa tokana ihany dia ny finoana an'i Jesoa Kristy ho Tompo sy mpamonjy, ny fanekena Azy hanjaka sy hanapaka eo aminao. Izay ilay lalana mankany amin'ilay fianana. Ary rehefa ao amin'ilay fiainana ianao , rehefa ao amin'i Jeso ianao dia Izy indray no lalana , io ilay ataoko hoe "tsara nohon'ny auto-route aza" mitondra anao ho any amin'ny Ray, hahita ilay fiainana mandrakizay.
Raha mitady toko sy andininy mikasika izany rehetra izany ianao dia alahatro tsirairay eto ambany fa raha tsy mitady kosa ianao dia sambatra izay mino ary tsy mitady porofo.
18. moustaraf ( 05/11/2012 04:52)
Salama namana,
Aza malaky fanimpanina tahaka an'io fa forum fotsiny anie ny eto e!
Tsy jeu de mots akory ny baiboly, ka andaharana teny mitovitovy dika sy mitovitovy faneno mba handresena lahatra!
>Raha nilaza ny Mpamonjy hoe "Tery ny lalana"= Tery ny lalana, fa tsy misy dika hafa tokony hatao,
>Ny maha tery an'i lalana io ry Tefigasy, dia noho izy tsy natao ho an'ny NOFO( vakio ireo fampianarana maro nataon'iPaoly mikasika ny maha ota ny nofo= tsy hiditra ny fanjakan'ny lanitra= Ny nofo tsy mahay mitandrina ny didy, fa "soratana ao am-ponao ny didy sy ao an-tsainao ny lalàko"=Tsy mavesatra ny didy! IZAY IANAO VAO LAZAINA HOE OLOM-BOAVONJY.

>Fa tsy ilay hoe: Noho ny fankafizana ny sitrapon'ny nofo dia lazaina fa RAVA ny lalàna, efa ambanin'ny fahasoavana, malalaka be ny lalana, migodana ny vavahady,...Auto-route e!sns...
19. Tefigasy ( 05/11/2012 05:49)
Averiko foana ity ary tsy sasatra aho no mamerina satria fanahy iray izay very no irina mba ho voavonjy :
Jao 14 : 6 Hoy Jesosy taminy : Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana ; tsy misy olona mankany amin'ny Ray , afa-tsy amin'ny alalako .
Tsy misy resaka lalàna izany tompoko na kely aza, tsy misy resaka hoe tandremo aloha ito izay vao mahazo an'ito ianao. TSIA. Na olona mpanota be iringiriny aza, mpangalatra sy mpamono olona dia afaka mandray an'i Kristy fa tsy mila fahamasinana na hoe masimasina aloha satria tsy avy hiantso ny marina izy fa ny mpanota mba hibebaka. Izay ilay lalana tery tsy hitanao, tsy hainao no miditra sy mandeha aminy, izay ilay vavahady "ety"
Raisina aloha Jeso izy no lalana hany tokana fa tsy misy ankoatra Azy. Rehefa ao aminy ianao dia hahiratra ny masonao ary Izy no mitarika anao handeha amin'izay sitrany sy ankasitrahany rehefa izy no avelanao hanapaka ny fiainanao.

Raha ny momba ny lalàna no tianao havoitra :
Mat.5:17-18: "aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany, tsy tonga Aho handrava fa hanantanteraka, fa lazaiko anareo marina tokoa, mandrapahafoana ny lanitra sy ny tany, dia tsy hisy foana akory amin’ny lalàna na dia litera iray, mandrapahatanterak’ izy rehetra.
Oviana no tanteraka ny lalàna rehetra ?
Jesoa dia tonga hanantanteraka, ary rehefa tanteraka ao amin’i kristy ny lalàna rehetra dia mijanona hatreo ny asany (lalàna) amin’ny maha fanekena taloha azy.
Tanterak’i Kristy ve ny lalàna? Ahoana ny fomba nanantanterahany azy?
Mat.5:21-22 : "Efa renareo fa voalaza tamin'ny ntaolo hoe : "Aza mamono olona" (Eks .20 .13); ary izay mamono olona dia mendrika hohelohina amin'ny fitsarana . fa izaho kosa milaza aminareo hoe izay rehetra tezitra amin’ny rahalahiny dia mendrika hohelohina amin’ny fitsarana ary na zovy na zovy manao amin’ny rahalahiny hoe olo-poana ianao dia mendrika helohina amin’ny sinedriona ary na zovy na zovy no hanao hoe foka ialahy dia mendrika ny ho amin’ny helo mirehitr’afo."
Ireo zany ny fomba fanantanterahany ilay lalàna. Izy tsy mijanona fotsiny amin’ilay ara-bakiteny, ilay soratry ny lalàna hoe aza mamono olona, izay nezahan’ny fanekena taloha narahina. Fa kristy nanambara fa raha izany dia ny soratra ihany no tanterahinareo, fa ny atiny(noyau) mihitsy, ny fanahin’ny lalàna izay ataon’i kristy hoe izao no fanantanterahana izany lalàna izany, raha vao misy tezitra amin’ny rahalahiny na manopa dia efa mamono azy.

Rom.10:4 : fa kristy no faran’ny lalàna, fahamarinana ho an’izay rehetra mino.
20. Miharena ( 05/11/2012 06:31)
Maneho hevitra mitozo amin'y fitoviana ny namana rehetra rehefa mandeha ilay adihevitra.

Tery ny lalana satria tsy izay encrika ivelany no iharan'ny teny fa izay fiovana hatramin'ny fotony ao anaty. Izay no mamintina ireo resaka roa nataon'ny namana Moustaraf sy Tefigasy ireo.

Raha ny tena marina dia fo madio no mahatery ny lalana satria io no tsy ananan'ny maro noho ny fivesarany lalàna izay heveriny fa ivelany no mampanao azy izany ka mihatra fotsiny amin'y nofo izany. Ny Fanahin'Anriamanitra ao anaty no mahatanteraka ny lalàna (na ny fahadiovana) fa tsy IZY mibaiko ivelany. Tsy voafehin'ny teny voasoratra izay novakiany ny olona eto fa ny Fanahin'Andriamanitra sy Krsity mihitsy no mibaiko ny feon'ny fieritreretany noho ny fahatsiarovany fa sombin'ain'Anriamanitra izy tsirairay avy. rehefa fantatra ireo dia tsy misy intsony ny hanafoka ny hafa satria iray no FOTOTRA dia ny maha-singan'Andriamanitra ny olombelona tsirairay fa tsy hevitra na teny.

Koa raha izay no izy dia tokony tsy hisy adin-teny intsony. Io lafiny maha-izy ny olona io no tsy mba jeren'ny' olona matetika fa rehefa hoe tsy mitovy hevitra dia misaraka.

Ka izy ity tsy hoe fanehoana izay angonina etsy sy eroa fa tokony ho fampisongadinana izay maha-izy ny olona izay tena iray ihany ao amin'ny famoronana izao rehetra izao.

Asa na mahatsapa izany isika na tsia.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.154