Tsy nisy teto antany Moizy : tantara notsiponina no natambatra ho Eksaody ka natao ho tantarany!!

1. badboy ( 23/10/2012 09:53)
Angano : tsy misy Moizy ao anatin'ny testamenta taloha!
Ny tena marina : tantara heno tetsy sy teroa no natambatra ka lasa tantaran'i Moizy!
Ny porofo : ireo loza 9 voalohany dia niankina t@ fipoahan'ny volokano Santorin. Ny filatsahan'ny oran'asidra no nahatonga ny renirano Nil ho mena tahaky ny rà, tsisy oxygène tsony ka nahatonga ny trondro maty, nampitsoaka ny sahona rehetra, nampajary feno lalitra sy moka noho ny tsy fisian'ny trondro sy sahona, ny fery t@ biby fiompy sy olombelona vokatr'ilay oran'asidra, fandrakofan'ny setroka ny lanitra nandritra ny 3 andro!
Ilay loza faha 10, ny fahatesan'ny lahimatoa (diso @ teny gasy satria ny teraka voalohany na vavy na lahy) dia vokatry ny fihinana vokatra lo ka lasa poizina. Ny teraka voalohany moa no misakafo voalohany.
Ny fiavian'ny israelita nandeha tao kanaana : mponina nidina avy any asie mineure fa tsy andevon'ny faraona!

Hanaiky ho fahanana angano tahak'izao mandrak'izay ve ny olombelona?????
novalian'i andrywui ny 10/09/2015 09:34
2. zamanay ( 23/10/2012 11:50)
Salut! na dia ny anaran'ise aza dia mahafatifaty no sady mifono hevitra tsy fahita firy raha tsy any ho any.Finoana no takian'ny baiboly ka tsy efan'ny saina fotsiny izany fa avy amin'ny herin'ny fanahy masina.Te-hilaza izany ise fa ny baiboly manontolo mihitsy no misy kianina.Tsy marina anefa izany.Noho izany tsy manome tsiny an'ise aho fa dia mirary soa.Mbola be no azo resahina toy ny hoe,ny zavatra miseho amin'izao androntsika izao anie dia efa voalaza mialoha avokoa ao anaty baiboly, ary tanteraka tsy misy kianina avokoa.Izay no inoako fa marina ny baiboly, ary tsy mandainga ny bokin'ny Jenezy milaza ny tantarn'ny Moizy.Merci
Mbola afaka manohy resaka aho fa amin'ny manaraka satria tsy maintsy mankany ambanivohitr'Ambatondrazaka aho hijery olona tsy salama vao miakatra eto Tana indray. De amzay mitohy ny resaka.Nefa raha misy resaka manokana dia ity ho an'ny rehetra tradirichard@hotmail.fr
Mazotoa daholo e
3. leva2 ( 23/10/2012 15:00)

badboy:

Angano : tsy misy Moizy ao anatin'ny testamenta taloha!
Ny tena marina : tantara heno tetsy sy teroa no natambatra ka lasa tantaran'i Moizy!
Ny porofo : ireo loza 9 voalohany dia niankina t@ fipoahan'ny volokano Santorin. Ny filatsahan'ny oran'asidra no nahatonga ny renirano Nil ho mena tahaky ny rà, tsisy oxygène tsony ka nahatonga ny trondro maty, nampitsoaka ny sahona rehetra, nampajary feno lalitra sy moka noho ny tsy fisian'ny trondro sy sahona, ny fery t@ biby fiompy sy olombelona vokatr'ilay oran'asidra, fandrakofan'ny setroka ny lanitra nandritra ny 3 andro!
Ilay loza faha 10, ny fahatesan'ny lahimatoa (diso @ teny gasy satria ny teraka voalohany na vavy na lahy) dia vokatry ny fihinana vokatra lo ka lasa poizina. Ny teraka voalohany moa no misakafo voalohany.
Ny fiavian'ny israelita nandeha tao kanaana : mponina nidina avy any asie mineure fa tsy andevon'ny faraona!

Hanaiky ho fahanana angano tahak'izao mandrak'izay ve ny olombelona?????


Velona Jesosy!

Tena hita hoe mbola lavitry ny afo ny kitay. Mbola lavitra ianao namana fa dia mahereza.
4. leva2 ( 23/10/2012 15:12)
Velona Jesosy!

Ahatsiarovako an'ireo archéologues mandany millions de dollars anaovana fouilles ianao namana, vao hino sy hanaiky fa MARINA ny BAIBOLY.

Ny ahy namana entiko amin'ny an'ilay jamba nampahiratin'ny Tompo ka nanao hoe : "Jamba aho fahiny, mahiratra aho ankehitriny" ka inona indray no mbola porofo ilaiko ankoatra izany! Efa itako, sy tsapain'ny tanako ary iainako isan'andro ny fahamarinan'ny Tenin'Andriamanitra : ampy sy feno ho ahy izany hinoako Azy.

Ny baiboly anie namana tsy hoe boky tantara fotsiny ihany akory e, fa mirakitra ny finoana indrindra indrindra. Ary raha mamaky ianao ka tsy ny fanahin'Andriamanitra no angatahinao hanazava ny Teny, mazava ho azy fa ny devoly no ho tonga ka hanome saina anao.

Raha tena mikatsaka Azy amin'ny fonao ianao namana dia hahita ny MARINA.
5. didi10 ( 23/10/2012 16:32)

badboy:

Angano : tsy misy Moizy ao anatin'ny testamenta taloha!
Ny tena marina : tantara heno tetsy sy teroa no natambatra ka lasa tantaran'i Moizy!
Ny porofo : ireo loza 9 voalohany dia niankina t@ fipoahan'ny volokano Santorin. Ny filatsahan'ny oran'asidra no nahatonga ny renirano Nil ho mena tahaky ny rà, tsisy oxygène tsony ka nahatonga ny trondro maty, nampitsoaka ny sahona rehetra, nampajary feno lalitra sy moka noho ny tsy fisian'ny trondro sy sahona, ny fery t@ biby fiompy sy olombelona vokatr'ilay oran'asidra, fandrakofan'ny setroka ny lanitra nandritra ny 3 andro!
Ilay loza faha 10, ny fahatesan'ny lahimatoa (diso @ teny gasy satria ny teraka voalohany na vavy na lahy) dia vokatry ny fihinana vokatra lo ka lasa poizina. Ny teraka voalohany moa no misakafo voalohany.
Ny fiavian'ny israelita nandeha tao kanaana : mponina nidina avy any asie mineure fa tsy andevon'ny faraona!

Hanaiky ho fahanana angano tahak'izao mandrak'izay ve ny olombelona?????


Maivana loatra ny argument entinao mba hanamarinana fa tsy nisy izany Moizy izany!!!
Raha tena tia mikaroka ianao dia mbola omeko anao aza ity video ana Archeologue malaza ity izay tsy nahita porofo na singany iray aza hanamarinana fa nisy tokoa izany Moizy sy ny vahoaka Israely tany an'efitra izany.



Fa i Jesosy no vato fehizoro indrindra, izay rehetra nampianarin'i Jespsy aminay mpanaradia azy dia marina ary nisy tokoa, nampianatra momba ny fahariana Izy, ny amin'ny Mosesy sy ny Mpaminany ary ny mpanjaka.

Inoanay ny fisian'i Mosesy amin'ny anaran'i Jesosy.
6. badboy ( 23/10/2012 16:34)
zamanay >> Andriamatoa Richard, tsy nilaza aho akory hoe ny baiboly iray manontolo no tsy marina fa ny Eksaody (éxode fa tsy ny jenezisy na genèse) no voaporofo fa tsy marina. Ary raha boky mioatra ny 2000 pejy mamintina fiainan'antokonolona iray nadritra ny 5000 taona (na amanapitrisa mihintsy aza raha raisina hatr@ jenezisy) no tsy hahay mamehy ny tranganjavatra miverina matetika (volokano mipaoka, ady anaty firenena na izaisampirenena, ny aretina, ny mosary ...) dia tokony hampieritreritra.

leva2 >> Raha ny testamenta taloha no asongadin'ilay hevitro dia valinao @ testamenta vaovao! Mino aho fa evanjelista (évangéliste) ianao!
Ny teny "tantara" mifono hevitra 2 @ teny malagasy : tantara noforonina (une histoire), tantara marina sy nisy vavolombelona (l'histoire).
Raha jereko ny ambaran'i leva2 dia ilay tantara marina nisy vavolombelona no tiany holazaina. Izany hoe misy porofo. Ary ny porofo voalohany tokony ho jerena dia ilay fakana ny faraona ho vavolombelona. Izany hoe ny fisian'ireo piramida ao ejipta satria ao ny tantara no miseho.
Ilay tantaran'i Moizy dia mametraka ny porofo ho fototra (rano mivadika rà, maizinkitsoka mandritra ny 3 andro ...). Koa raha misy ny porofo mivaingana, dia ny piramida, nahoana no tsy mba ho jerena koa ny porofon'ny tantara momba an'i Moizy? Dia voaporofo fa tsy nisy Moizy.

Hoy ianareo hoe "minoa fotsiny ihany" (akamandRa8)! Izaho tia hilaza hoe aza mino fahatany (kolotsaina malagasy fahagola izay tokony ho averina sy tohizana)!

Misaotra anareo nandray anjara!
7. badboy ( 23/10/2012 20:04)

didi10:


Maivana loatra ny argument entinao mba hanamarinana fa tsy nisy izany Moizy izany!!!
Raha tena tia mikaroka ianao dia mbola omeko anao aza ity video ana Archeologue malaza ity izay tsy nahita porofo na singany iray aza hanamarinana fa nisy tokoa izany Moizy sy ny vahoaka Israely tany an'efitra izany.

Fa i Jesosy no vato fehizoro indrindra, izay rehetra nampianarin'i Jespsy aminay mpanaradia azy dia marina ary nisy tokoa, nampianatra momba ny fahariana Izy, ny amin'ny Mosesy sy ny Mpaminany ary ny mpanjaka.

Inoanay ny fisian'i Mosesy amin'ny anaran'i Jesosy.


Eh eh eh, dia io ndray koa fa afangaro daholo ny zavatra lazaina rehetra.
1- Tsy miresaka an'i Mosesy aho fa ny tantaran'i Moizy.
2- Tsy miresaka ny testamenta vaovao aho fa ny testamenta taloha.
3- Ny didy 10 mbola andrandraina hatr'izao dia ireo didy 10 nalain'i Moizy teny antendrimbohitra (tsisy Moizy, noforonina izany ny didy 10????)
4- Ilay fanadihadiana eto milaza ny taona nanoratana ny didy 10 (6ème siècle avant JC), ny mpanoratra (Joshua) sy ny antony nanoratany azy (pôlitika)! Tsy manisy resaka na kely aza ny fototr'ireo loza folo voalaza ao @ Eksaody!
5- Ireo loza 10 dia t@ 13ème siecle avant JC no nitranga. Ireo 9 voalohany dia voafototra ny fisiany ary voaporofo saingy ny daty itrangany dia mielanelana fa tsy mifanesy tahaka ny ao @ baiboly.

Noho izany dia ny fototry ny testamenta taloha no mihozongozona. Ny didy 10 tsy soratanan'Atra fa hevitsain'ny mpanjaka 1 (Joshua) lalintsaina. Ireo fahagagana tsy nisy fa natioraly (volokano Santorin na microalgues ocillatoria milosia anao no misafidy). Moizy tsy nisy fa tantara noforonina!

Izaho ve no mandainga sa ianao no mino tantara noforonia?
Peace and love!
8. hadji ( 24/10/2012 07:43)
TSY MPINO IO FA MINOMINO FOANA MIVAVAHA HO AZY
9. hadji ( 24/10/2012 07:43)
TSY MPINO IO FA MINOMINO FOANA MIVAVAHA HO AZY
10. lals ( 24/10/2012 07:44)
Dia natoraly koa ve ny fisarahan'ny ranomasina ho roa, ka namakivakian'ny zanak'Israely ny eo afovoany, andaniny sy ny ankilany samy ranomasina?
Dia vokatry ny fipoahan'ny inona sa inona no nahatonga ny tehina ho lasa bibilava? Sa rehefa mahay manova ny zavatra ho lasa biby ny olona dia hoe magie magie iny ... Fa rehefa misy zavatra mahagaga tsy takatry ny saina dia halalinina sy mandany andro sy alina mikaroka hoe ahoana no nahatonga an'iny?

11. badboy ( 24/10/2012 08:11)
hadji >> Misy torohevitra kely ho anao : mandiniha aloha, dia vay eo mivavaha mba tsy hihohino fahatany loooooooool!

lals >> Mba mandiniha kely monja moa eh : rehefa tsy nisy Moizy, dia hisy ve ilay bibilava? (principe de cause à effet)!!
12. lals ( 24/10/2012 08:42)
Badboy
Eny ary,
Ataoko angamba fa samy mahita isika ... ao @ Testamenta vaovao (Jaona 1): ... Ary ny teny dia Andriamanitra ... Tsy haiko hoe azonao ambara ary ve Teny inona ilay teny tiany holazaina eto?
Io Baiboly manontolo io ilay Teny, Tsy haiko hoe diso ve aho? ... Ka raha tantara noforonina io Moizy io dia ataoko hoe mampandainga an'Andriamanitra isika @ izay fotoana izay.
Asa raha izaho no tsy mahay mandinika na ianareo no diso mikaroka loatra dia lasa miteniteny foana
13. badboy ( 24/10/2012 09:08)
lals ah ah! Jereo tsara ny zavatra nosoratako. Tsy niteny mihintsy aho hoe A/tra no mandainga, fa i Joshua nanoratra ilay tantara noforonina, ka nampifandray io tantara tsisy fototra io ho asatanan'A/tra, no tondroiko tanana eto. Ary ny mpino tsy manadihady fa faly mino fotsiny hatrany koa manarak'izay. Ny hiafarany raha mitohy izao, raha tsy hoe efa tara loatra angamba, dia ilay soratra sy ilay boky no amasinina fa tsy dia ny teny loatra.

Averiko indray : tsy ny testamenta vaovao no misy ilay tantara noforonina fa ny testamenta taloha! Azao manao io adisoana io intsony fa mahakivy!

Tsy izay rakotra ao anatin'io boky io akory dia marina avokoa. Soratanan'olona ny baiboly fa tsy soratanan'A/tra. Mitsinjara maromaro ny tantara rakitra anatin'ny baiboly : misy ny tantara azo t@ nofy (Apokalipsy...), ny tantara avy @ vavolombelona (evanjely Matio, Marka, Lioka, Jaona) sy ny tantara noforonina (Moizy) mba hametrahana lalàna iraisana.

Mpino tsy manadalina sy minomino fahatany, izay ve hoy ianao no tena andrasan'A/tra @ tsirairay avy? Rehefa mpino ve dia tsy tokony handinika intsony ny toerana, ny taona sy ny olona niavian'ireo soratra? Sao dia lasa manamasina fahatany @ izany!

Anjaranao no mieritreritra.
14. didi10 ( 25/10/2012 06:52)

badboy:

Jereo tsara ny zavatra nosoratako. Tsy niteny mihintsy aho hoe A/tra no mandainga, fa i Joshua nanoratra ilay tantara noforonina, ka nampifandray io tantara tsisy fototra io ho asatanan'A/tra, no tondroiko tanana eto. Ary ny mpino tsy manadihady fa faly mino fotsiny hatrany koa manarak'izay. Ny hiafarany raha mitohy izao, raha tsy hoe efa tara loatra angamba, dia ilay soratra sy ilay boky no amasinina fa tsy dia ny teny loatra.

Averiko indray : tsy ny testamenta vaovao no misy ilay tantara noforonina fa ny testamenta taloha! Azao manao io adisoana io intsony fa mahakivy!

Tsy izay rakotra ao anatin'io boky io akory dia marina avokoa. Soratanan'olona ny baiboly fa tsy soratanan'A/tra. Mitsinjara maromaro ny tantara rakitra anatin'ny baiboly : misy ny tantara azo t@ nofy (Apokalipsy...), ny tantara avy @ vavolombelona (evanjely Matio, Marka, Lioka, Jaona) sy ny tantara noforonina (Moizy) mba hametrahana lalàna iraisana.

Mpino tsy manadalina sy minomino fahatany, izay ve hoy ianao no tena andrasan'A/tra @ tsirairay avy? Rehefa mpino ve dia tsy tokony handinika intsony ny toerana, ny taona sy ny olona niavian'ireo soratra? Sao dia lasa manamasina fahatany @ izany!

Anjaranao no mieritreritra.


Tsy afaka miteny ianao hoe marina ny voalazan'ny Testamenta vaovao kanefa miapanga ny Testamenta taloha (Josoa) ho mpandainga). Vakio tsara ny baibolinao fa mifototra betsaka amin'ny tantaran'i Moizy sy ny existence-ny ny fampianaran'ny Tompo; aza mampandainga an'i Jesosy ianao namana fa fahotana izany.
15. badboy ( 25/10/2012 07:55)
didi10 >> Ianao mamaky fe mamaky fotsiny. Vereno vakiana tsara ny testamenta vaovao fa kianin'i Jesoa lalandava ny fampianarana sy ny fombafomba ao @ testamenta taloha : na ahintsiny (tolory koa ny takolaka havia ...) na toheriny (ny fanasitranana @ andro sabata ...).

Inona no antony? Lazainao io ambony io ny valiny ; satria mifototra loatra @ tantaran'i Moizy ny finoana (didy 10). Ary eo no mampisaraka ny kristianina @ jiosy.

Ankoatr'izay ny testamenta vaovao, indrindra ny evanjely, dia misy vavolombelona 4.

Torohevitra farany omeko anao (sy ireo mitovy fomba fanao aminao) : aza lazaina ho ota avokoa izay hevitra lazain'ny hafa ka tsy mifanaraka @ hevitrao, fa mametraka sahady ny tenanao ho mpitsara sy mpamaritra ny ota @ tsy ota ianao @ izay fomba izay.

Peace and love!
16. didi10 ( 25/10/2012 09:28)
Amin'ny anaran'i Jesosy:

Jao 5,46
Fa raha nino an'i Mosesy hianareo, dia hino Ahy, satria nanoratra nilaza Ahy izy. 47 Fa raha tsy mino izay nosoratany hianareo, hataonareo ahoana no fino ny teniko?

17. majesty ( 25/10/2012 10:07)
badboy:
mahalatsaka be isé !!!
ireo zavatra nolazain' isé ireo dia nalain' isé tao @ film mitondra ny lohateny hoe '' REVELATION" , lol iny indray no tsy hitako fa angah izay miseho ao anaty film dia zava-nisy sy marina avokoa @ isé!!!

Conseil: raha za isé dia ireny horonantsary fanadihadiana ireny na documentaire no jerena fa avelao ilay tantara an-tsary fa tsy mety @ isé :)
18. badboy ( 25/10/2012 10:08)
Fa i Moizy angah moa nanoratra ho an'iza na an'iza? Ny eksaody angeh ka tsy soratanan'i Moizy fa Joshua eh!

Tsy hiverina hilaza intsony ny efa voambarako teo aloha aho. Ny averiko sy amafisiko fotsiny dia ny fifanoherana marobe misy eo @ testamenta vaovao sy ny testamenta taloha. Tsy mifanohitra @ fampianarana ao @ eksaody ve ny fanasitranana andro sabata? Tsy mifanohitra ve ny fomba fijerin'ny kristianina @ jiosy? Ny kristianina @ silamo? Ny jiosy @ silamo? Ny samy kristianina? Ny samy silamo? Ny samy jiosy? Tsy iray ihany ve anefa ny A/tra inoan'ireo antokompinoana samihafa ireo?

Tsy jiosy aho na silamo fa kristianina tsy mandeha any ampiangonana intsony fotsiny.

Ary aza manahy fa izaho raha mandeha eto akory tsy hanozongozona ny finoanao, na hifaninana @ fahalalana, na handresy lahatra akory aza, fa tonga hiady hevitra sy hampita ny fomba fijeriko ihany ; satria tsy izaho no mitana ny marina tsy azo toherina! Mino aho fa izay koa no ataonao eto.

Peace and love!
19. badboy ( 25/10/2012 10:28)
majesty >> Ny fampianarana, teny ampiandoana, dia fampitana ny fahalalana @ vava avy @ olona nanana fahalalana sy manampahaizana manokana ary nanadihady. Rehefa nahay nanoratra sy nanatonta boky ny olombelona dia nanangona ireo fahalalana nampitaina taloha t@ vava ary natonta anaty boky. Ankehitriny, ankoatry ny boky, dia afaka koa ampitaina @ haino amanjery tahaka ny fahita lavitra, ny radio ary ny aterineto ireo fahalalana rehetra misy. Anjaranao no misafidy izay tianao horaisina manomboka eo.

Ianao izao mahay manoratra sy mamaky teny dia satria nisy nampianatra (mpampianatra miampy boky miampy fahita lavitra ...). Ary ampiasainao ny teknolojia ankehitriny hampitanao ny hevitrao. Io teknolojia ampiasainao io ihany koa anefa dia ahitana fampianarana sy fanadihadiana maro. Tsy ilaina ve ny fahalalana avy @ fandihadiana @ haino amanjery? Tonga ampototsofitsika avy any andanitra tahaka ny mana ve ny fahalalana rehetra?

Isika rehetra eto dia tsisy mpikaroka malaza erantany tahaka an'i Einstein (na eran'ny sersera akory aza) fa mpampita fotsiny ny hadihady efa nataon'ny hafa.

Ka aza ny renirano nahitana fahalalana no tondroina molotra ; ianao tsy nadalina ny ampahafolony akory ny fandalinana nataony. Ny baiboly angaha moa niseho taminao tanaty nofy? Sa ianao no namorina ny baiboly? Sa kosa boky efa voatonta sy nampitaina taminao?

Curiosité est source de savoir!
Peace and love!
20. didi10 ( 25/10/2012 11:23)

badboy:

Curiosité est source de savoir!
Peace and love!


Mazava amin'ny sonianao fa New Age ianao!!!

Mampitandrina anao aho fa avy amin'i Satana ny idéologie New Age.


http://www.info-sectes.org/newage/newage.htm
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0084