Ho avy Kristy
2. moustaraf
(
06/10/2012 16:48)
Salama!
Miandry anareo KRISTIANA mba hamaly ny fanontaniana fa toa tsy misy hatreto ka , aleo indray ary izahay no hanohy azy:
-Ny fiverenan'ny Mpamonjy @ rahon'ny lanitra dia "ZAVA-MIAFINA", ary indrindraindrindra ny fomba hiomanana amin'izany,
Io dia tsy vitan'ny milaza hoe "Vonona aho" @ fihaviany, fa misy fanehoam-pinoana tsy maintsy atao, izay efa VOASORITRA ao amin'ny Torah (bokin'ny lalàna sy ny mpaminany);
-Tsy misy fiangonana na dia 1 aza no mba manazava ny zava-miafina ao @ fetin'ny fitsofana trompetra na "Rhag Teroah", nefa io no fototra iorenan'ny fiomanana @ fiverenan'ny mpamonjy.
Ary tsy hay ny manazava ny hevitry ny Apokalipsy raha tsy fantatra ny dikan'ny fetin'ny trompetra sy ny fombafombany ary ny heviny ara-panahy...."Raha tsofina ny trompetra...."
-Ny Torah dia efa nanome antsika mazava ny FOTOANA hitrangan'izany (tsy ny ora, na ny taona akory fa ny fotoana);
-Ahoana moa no hitsenanao ny Mpamonjy @ fetin'ny trompetra "RHAG TEROAH", nefa na ianao aza tsy nampahalalana ny dikan'izany sy ny fombafomban'izany?

3. leva2
(
07/10/2012 10:57)
moustaraf:

Velona Jesosy!
Hevitrao sy ny fiangonanao izay namana Moustaraf, fa amiko dia ny baiboly ihany no Tenin'Andriamanitra, ary tsy ampiana io sady tsy anesorana, araka ny voasoratra ao amin'ny Apo 22/18-19 : "Izaho dia manambara amin’izay rehetra mandre ny tenin’ny faminaniana amin’ity boky ity: Raha misy manampy ireo, Andriamanitra hanampy ireo loza voasoratra eto anatin’ity boky ity ho azy; ary raha misy manaisotra amin’ny teny amin’ny bokin’ity faminaniana ity, dia hesorin’Andriamanitra ny anjarany amin’ny hazon’aina sy amin’ny tanàna masina, dia izay zavatra voasoratra eto anatin’ity boky ity".
Manaraka izay, ny valin-teny eto dia tena personnelle, confidentielle ary fandinihan-tena no takiany, ahafahana mamaly hoe : eny, na tsia. Ireto misy tenin'Andriamanitra vitsivitsy afaka hanampy antsika hijery ny tenantsika amin'izany :
1- Apo 22/14 : "Sambatra izay manasa ny akanjony, mba hananany fahefana amin'ny hazon'aina sy hidirany amin'ny vavahady ho ao an-tanàna".
Ny akanjo maloto ka mila sasaina dia ny tena feno ota, izay mila diovina ho tonga olom-baovao, ho tonga zanak'Andriamanitra. Ny hazon'aina dia fandovana ny fiainana mandrakizay, ary ny tanàna resahina eto dia ilay Jerosalema vaovao nampanantenain'ny Tompo ny olony amin'ny fiaviany.
2- Jao 14/06 : "Hoy Jesosy taminy: Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako".
Jesosy irery ihany no lalana handraizana io hazon'aina io, Jesosy irery ihany no fahamarinana sy hanamarinana antsika ary handiovana antsika amin'ny ota "ary Izy nitondra ny fahotantsika tamin’ny tenany teo ambonin’ny hazo, mba ho faty ny amin’ny ota isika, fa ho velona ny amin’ny fahamarinana" 1Pet 02/24, Jesosy irery ihany no vavahady ary amin'ny alalany no handovantsika ny fiainana mandrakizay ka hidirantsika ao an-tanàna "Ary raha zanaka, dia mpandova; eny, sady mpandova an’Andriamanitra no mpiray lova amin’i Kristy koa" Rom 08/17. Jesosy rahateo no vavahady mankao an-tanàna :"Izaho no vavahady; raha Izaho no hidiran’ny olona, dia hovonjena izy" Jao 10/07..
3- Jao 01/12-13 : "Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra, dia izay mino ny anarany, dia ireo izay tsy nateraky ny ra, na ny sitrapon’ny nofo, na ny sitrapon’ny olona, fa naterak’Andriamanitra".
Eny, vonona aho.
5. lovegod
(
08/10/2012 08:31)
eritreritra ihany ny ahy....
Roa arivo taona mahery kely teo ho eo izao no nahatongavan'i Kristy teto an-tany... Talohan'izany dia nankalazaina tao amin'ny vahoaka jiosy fa ho avy ilay Messia hamonjy azy ireo... Tonga tokoa ilay Messia nefa tsy arakaraky ny tokony ho izy no nandraisana azy... Nanenjika azy ny mpitondra fivavahana jiosy (ireo fariseo sy ny namany) ary nisy fotoana rehefa voasambotra i kristy dia nanontany ny vahoaka jioosy ny governora romana Pilato nanao hoe: " iza no tianareo havotsotra, i Kristy sa Barabasy?". Dia namaly ny vahoaka jiosy hoe: "Barabasy avotsory ary I kristy vonoy..."
Rava ny fanjakana jiosy... niparitaka nanerana izao tontolo izao ny jiosy ary tamin'ny fiafaran'ny ady lehibe faharoa taona 1947 vao naverina tao palestina ry zareo ary teo no nahaterka ny fanjakana israeliana hitantsika amin'izao fotoana izao io...
Tantara ihany izany ka tantara...
Amin'izao fotoana izao, milaza ianao fa hiverina indray Izy, ho avy Izy, vonona ve ianao?
Mbola eritreritra ihany no amaliako anao, izany kristy izany fony naka nofo (reincarnation) tany moyen orient 2000 taona lasa izay dia vatana jiosy no noraisiny ary jesus Christ no anarany tamin'izany fotoana izany...
Ny zavatra hany kely maba fantatro dia ny vatana no mety ho faty, fa ny fanahy dia tsy manam-pahataperana, indrindra moa fa ny fanahin'i Kristy...
Ka apetrako ny fanontaniana, raha hiverina izy hiseho amin'ny vatana vazaha fotsy be ve sa afrikana sa mbola ho jiosy ihany? Tsy lazaintsika matetika ve hoe velona jesosy, ny dikan'izany ve tsy efa miara miaina amintsika ve izy, izany hoe efa eto izy ka ahoana indray ity fivereneny vetesina ombieny ombieny ity?
Eritreritra sendra mandalo, tsy voatery ho marina...

6. leva2
(
08/10/2012 15:37)
lovegod:

Hita hoe liana amin'ny fiainam-panahy ianao namana, saingy tena mahantra amin'ny fahalalana tenin'Andriamanitra.
Tena mamporisika anao mafy aho hamaky baiboly, ary indrindra hangataka amin'Izy tompon'ny teny ny hanazavany izany teniny izany.
Ny teny hoe "Velona Jesosy" eto dia notsoahana tamin'ilay Galatiana 02/20 : "tsy izaho intsony no velona fa Kristy no velona ato anatiko ..." izay mamaritra ny atao hoe Kristiana rahateo.
Ity koa mbola afaka hanampy azy : "Fa hianareo tsy ao amin’ny nofo, fa ao amin’ny Fanahy, raha ny Fanahin’Andriamanitra no mitoetra ao anatinareo. Fa raha misy kosa tsy manana ny Fanahin’i Kristy dia tsy Azy izy. Fa raha Kristy no mitoetra ao anatinareo, na dia maty ihany aza ny tena noho ny ota, dia fiainana kosa ny fanahy noho ny fahamarinana". Rom 08/09-10
Ilay hoe Kristy mitoetra ao anaty izany dia ny Fanahy Masin'Andriamanitra, na ny Fanahin'i Kristy.
Ity kosa mampatsiahy antsika ny amin'ilay fiverenany : " Ary raha mbola nandinika ny lanitra izy ireo tamin’ny nandehanan’i Jesosy, indreo, nisy roa lahy teo anilany niakanjo akanjo fotsy, izay nanao hoe: Ry lehilahy Galiliana, nahoana no mijanona eto mijery ny lanitra hianareo? Iny Jesosy Izay nampiakarina niala taminareo ho any an-danitra iny dia mbola ho avy tahaka ny nahitanareo Azy niakatra ho any an-danitra" Asa 01/10-11 fa azontsika vakiana koa ny Apo 22 manazava misimisy kokoa io fiavian'ny Tompo io.
Mazotoa dia mahereza namako!
7. sitlo
(
08/10/2012 17:31)
Misy an'izay razoky antsoina hoe Kzy sy Ma izay. Tena mihizingizina mihitsy lery fa izy hono no kristy ary Madagasikara hono no Israely vaovao lazain'ny baiboly. Ary Pastera Andriamanjato Richard dia nitehaka mafy mihitsy tamin'izany.
8. moustaraf
(
08/10/2012 20:04)
Fa maninona eto amin'ity dinika Fivavahana sy finoana ity no misy milaza ho tompon'ny Fahamarinana?
1. AVERIKO FOANA fa ho lany andro eo ianareo mianakavy raha hiandry an'izany JESOSY KRISTY (noforonin'ny Romana) izany , fa tsy misy izany! YESHO'A HAMASHIRHA no anarany ary IZY NO HO AVY @ RAHON'NY LANITRA.
2.Izay zavatra tsy fantatra dia HALALINO ALOHA fa , ny adala no manosika fahalalana:
Ny teny hoe Rhag Teroah (fetin'ny fitsofana trompetra) no fiomanana @ fiavian'Yeshoa, ary io teny io no miverimberina ao @ Apokalipsy ry namana isany! Tsy nadika t@ teny malagasy sy ny hafa rehetra izy io ka izany no tsy ahalalan'ny maro azy.
Raha tsy nampahalalaina izany ianao dia miheritrereta fa lalana sandoka sy fiomanana tsy izy no andanianao fotoana, ary IZANY NO ASAN'ILAY DRAGONA.
3. Betsaka ireo teny na dikan-teny no diso na niniana nodisoina ato @ baiboly malagasy, ka ilaina foana ny mampifanatrika azy @ dikan-teny hebreo (fototra), ka maro ireo mpitoriteny no mibirioka mihitsy ary miala @ hevitra niandohany, fa entanin-kafanam-po fotsiny izao ka miteniteny foana!
Ohatra vitsivitsy ireto:
-Satana = devoly>> tsia , Satana = Fahavalo, na mpifaninana (oh: ady baolina kitra)
-LOsifera= devoly >> tsia, Losifera = Anarana pretra nanohitra ny Orthodoxe, tahaka an'i Luther
-Devoly= Dragona sy anjely nivadika >> diso , Dragona sy anjely nivadika= Zazel na SHEDYM
ka Ianao izay miezaka mandroaka Devoly, Satana, Losifera,....anaovan'i Zazel SINEMA fotsiny eo, fa tsy izy akory io roahinao io!
-tOMPO= demonia, Bala,...(asaina ianao mifampitsodrano hoe: Fiadanan'i Tompo)
-Masina=Fanahin'ny razana (asaina ivavahanao ny Tompo+ masina)
-.....
4.Manentana antsika rehetra aho, isika izay mitonona ho mpitarika sy mpitoriteny, mba hianatra sy handalina ny baiboly fototra hebreo, ary hianatra ny hebreo tranainy, mba hisokafan'ny saina sy ny fanahintsika amin'ireo dikan-teny marina, fa tsy ho diso sy hampianatra zava-diso lava izao foana.
Mahavariana tokoa fa io TENY HEBREO TRANAINY io dia feno teny malagasy ao anatiny, ary tsy sarotra ho antsika Malagasy ny mahay azy:
-Asa, Soa, Vatana, vava, loha, hariva, zoky, zaka, safa, teraka, midabora, anana,matsatso, vary, ........

9. sitlo
(
08/10/2012 20:57)
Koa zany izy ary hoe hebreo sady tsy vitan'izay fa tranainy ihany koa. Tsy izany ve no tena fandaniam-potoana?
Jesosy aloha dia tena nisy raha izay no ifanontaniana. Ny hoe Andriamanitra izy, na Kristy, na nitsangana tamin'ny maty sns... ireo no azo iadiana hevitra (inoana na tsia).
Plus raha jiosy ny gasy dia tokony ho be orona...

10. moustaraf
(
09/10/2012 04:24)
Salama namana,
Izay ilay valin-teny efa voaomana sy efa voalahatra nandravana ny fahamarinana:
-Ianareo ve dia isan'ireo izay MINO fa ny tenin'ilay Nahary ny tany sy ny lanitra dia azo lazaina hoe LANGUE MORTE???? Ka tsy ilaina intsony???
Ilay teny nanomezany ny faminaniana rehetra momba ny famonjena ve dia ho sahy isika hilaza fa efa tsy Izy??
Raha milaza aho eto hoe "Hebreo tranainy" dia ilay DIKANY hoe Hatramin'ny Ela(=El) no tiana hotenenina.
Ny Romana no nampiely izany foto-piheverana izany hoe: Efa tsy izy ny Hebreo, efa nifindra ny fifidianana, efa aty @ jentilisa indray izao ny faminaniana,....Rava ny lalàna,....
Raha tsy izy intsony ary ny Israely; Aiza @ vavahady 12 ianao no hiditra???? SA hamaky fefy??? Miomana ny hiditra aiza?? sa diso indray ny fanambarana ao @ Apokalipsy???
iZA ILAY ANDRASANAO: JESUS KRISTOS mpitaritafika GRIKA , sa YESHO'A HAMASHIRHA JIOSY lohan'ilay fiangonanan'ny Apostoly antsoina hoe NAZAREANA na NOTSRYM???
MIALAA AMIN'IZAY ISIKA EO AMBANY VAHOHON'NY FAMPIANARANA ROMANA, FA FITAKA SY LAINGA NO NASESIKA TAO AN-DOHANTSIKA HATRIZAY.
Hatreo no azoko ambara: "Aoka ny vatosoanareo tsy atsipy eo anoloan'ny Kisoa"
Raha mahaliana anao ny hitafa, na te hahalala misimisy: tel 033 14 958 64

11. manoasoa
(
09/10/2012 07:42)
moustaraf:
-Ny fiverenan'ny Mpamonjy @ rahon'ny lanitra dia "ZAVA-MIAFINA", ary indrindraindrindra ny fomba hiomanana amin'izany,
Io dia tsy vitan'ny milaza hoe "Vonona aho" @ fihaviany, fa misy fanehoam-pinoana tsy maintsy atao, izay efa VOASORITRA ao amin'ny Torah (bokin'ny lalàna sy ny mpaminany);
Vonona=Efa tafahomana tsara sa ahoana?
12. lovegod
(
09/10/2012 08:28)
leva2 - 08/10/2012 17:37
Hita hoe liana amin'ny fiainam-panahy ianao namana, saingy tena mahantra amin'ny fahalalana tenin'Andriamanitra.
Tena mamporisika anao mafy aho hamaky baiboly, ary indrindra hangataka amin'Izy tompon'ny teny ny hanazavany izany teniny izany.
eritreritra sendra nandalo fotsiny ny ahy iny ka... Mety ho tena mahantra tokoa aho amin'ny fahalalana izany tenin'Andriamanitra izany, ekeko izany satria izany no mety amiko ary tiako ny miaina amin'izany ...Inona moa ny hiantsoana ny anaran'i jesoa Kristy isan'andro raha tsy mihaino akory izy... Maninona no milaza isika hoe mamaly vavaka i Kristy raha toa ka TSY MIAINA MIARAKA AMINTSIKA IZY, MITARIKA SY MITSILO NY LALANTSIKA IZY... Aminay kely fahalalana dia tsy ao amin'ny galatiana 2/20 ihany no velona i Kristy ...
Raha mihevitra ianao fa mahantra ny fahalalako dia hoy aho hoe...tsy tompon'ny fahalalana aho.... ary tsy fahalalana koa no nozaraiko teto fa eritreritra ihany
14. moustaraf
(
09/10/2012 17:02)
Salama namana isany,
Androany Atalata faha 9 octobra no andro faha 10 @ volana faha7: Andron'ny fanaronana na "Hakipourym", firy @ fiangonana izay milaza ho manara-dia ny Mpamonjy no mba mahalala an'izany???
Io andron'ny fanaronana ny heloka io anefa no mampiseho sy manazava ny lalana rehetra nahatanterahan'ny fanavotana izay nataon'ny Mpamonjy, ary voalaza fa "hotandremana mandrakizay izany andro izany" ary anaovana Fanehoam-pinoana.
Maro indray no hilaza fa " tsy ilaina intsony izany" satria efa lany andro; dia gaga aho milaza hoe ny tenin'ny Mpahary ve mba lany andro! sa nafenina anao ny fahamarinana??
Raha manaraka ny fanehoan-kevitra eto aho dia lasa saina ihany hoe: betsaka no miezaka milaza hoe "MALALAKA FA TSY TERY AKORY NY LALANA MANKANY @ FAMONJENA" satria:
-azo ovana daholo izay rehetra voasoratra,
-izay anarana tononina rehetra dia mahavonjy avokoa,
- izay fombam-pivavahana arahina dia mahavonjy avokoa,
-TSY ILAINA INTSONY NY MAHALALA NY TENA VOASORATRA fa dikan-teny dia ampy na dia diso aza,
-Azo hanina ny biby maloto rehetra,
-Tsy ilaina intsony ny mitandrina ireo didy natao hotandremana mandrakizay satria efa ambanin'ny fahasoavana
-Ny jentilisa indray no lasa tompon'ny teny fikasana natao t@ Abrahama
-Ilay Mesia dia Grika ary Jesosy Kristy no arany fa tsy Jiosy akory
-....

15. bichette
(
10/10/2012 11:30)
lovegod:
eritreritra ihany ny ahy....
Roa arivo taona mahery kely teo ho eo izao no nahatongavan'i Kristy teto an-tany... Talohan'izany dia nankalazaina tao amin'ny vahoaka jiosy fa ho avy ilay Messia hamonjy azy ireo... Tonga tokoa ilay Messia nefa tsy arakaraky ny tokony ho izy no nandraisana azy... Nanenjika azy ny mpitondra fivavahana jiosy (ireo fariseo sy ny namany) ary nisy fotoana rehefa voasambotra i kristy dia nanontany ny vahoaka jioosy ny governora romana Pilato nanao hoe: " iza no tianareo havotsotra, i Kristy sa Barabasy?". Dia namaly ny vahoaka jiosy hoe: "Barabasy avotsory ary I kristy vonoy..."
Rava ny fanjakana jiosy... niparitaka nanerana izao tontolo izao ny jiosy ary tamin'ny fiafaran'ny ady lehibe faharoa taona 1947 vao naverina tao palestina ry zareo ary teo no nahaterka ny fanjakana israeliana hitantsika amin'izao fotoana izao io...
Tantara ihany izany ka tantara...
Amin'izao fotoana izao, milaza ianao fa hiverina indray Izy, ho avy Izy, vonona ve ianao?
Mbola eritreritra ihany no amaliako anao, izany kristy izany fony naka nofo (reincarnation) tany moyen orient 2000 taona lasa izay dia vatana jiosy no noraisiny ary jesus Christ no anarany tamin'izany fotoana izany...
Ny zavatra hany kely maba fantatro dia ny vatana no mety ho faty, fa ny fanahy dia tsy manam-pahataperana, indrindra moa fa ny fanahin'i Kristy...
Ka apetrako ny fanontaniana, raha hiverina izy hiseho amin'ny vatana vazaha fotsy be ve sa afrikana sa mbola ho jiosy ihany? Tsy lazaintsika matetika ve hoe velona jesosy, ny dikan'izany ve tsy efa miara miaina amintsika ve izy, izany hoe efa eto izy ka ahoana indray ity fivereneny vetesina ombieny ombieny ity?
Eritreritra sendra mandalo, tsy voatery ho marina...
azafady aminao aloha fa important ve ny fahafantarana hoe vatana otran'ny ahoana no hisehoan'i Jesosy rehefa hiverina izy ? manampy handovàna ny fanjakan'ny lanitra ve izany ???? raha te hahalala ny marina ianao dia ataovy izay handovàana ny fiainana mandrakizay dia rehefa any andanitra toi manontany Azy mivantana !
;-) ;-) ;-)
16. lovegod
(
10/10/2012 14:38)
bichette - 10/10/2012 13:30
azafady aminao aloha fa important ve ny fahafantarana hoe vatana otran'ny ahoana no hisehoan'i Jesosy rehefa hiverina izy ? manampy handovàna ny fanjakan'ny lanitra ve izany ???? raha te hahalala ny marina ianao dia ataovy izay handovàana ny fiainana mandrakizay dia rehefa any andanitra toi manontany Azy mivantana !
Averiko foana fa eritreritra ihany ny ahy, tsy voatery ho marina ary tsy voatery ho important na tsia....
Mbola eritreritra ihany no zaraiko... amin'izao fotoana izao dia ifandroritana ny fampianaran'i Kristy... Iadian-kevitra ny Kristy maty 3 andro sy 3 alina... Misy milaza fa misy antokon'olona na fiangonana manompo Kristy sandoka... fa any aminy no tena misy an'i Kristy... Mizarazara ny fiangonana... Valalanina ny saina mandinika an'izany, aiza no aleha fa izay henoina toa samy mahay toko sy andininy avokoa nefa tsy mitovy fijery...
Ka inona ny problemanao raha mba mandefa eritreritra ny tenako... Eritreritra fotsiny fa tsy tena izy akory... Rehefa tsy mety aminao aza raisina....
17. moustaraf
(
10/10/2012 18:02)
Salama namana ,
Ho avy tokoa Izy, araka ny teny faminaniana maro be izay voasoratra, izay tsy mino an'izany kosa angamba dia tokony hamaky tsara ireo rehetra voasoratra ireo.
-Fa ny azo inoana dia "VITSY NO HOVONJENA", isika anefa dia samy miezaka ny te hilaza fa"MARO NO HOVONJENA" satria hoy isika:
-Izay fivavahana arahina dia mahavonjy avokoa,
-Izay finoana tiana dia mahavonjy daholo,
-Azo ohanina ny biby maloto rehetra (satria efa nodiovina hono)
-Efa nifidra alahady (sun day=Andron'ny masoandro) hono ny Sabata
-Rava ny lalàna (Torah sy ny mpaminany), fa Epistily ihany no ampiasaina
-Izay anarana antsoina rehetra dia mahavonjy avokoa, eny fa na dikan'anarana aza
-......
Maro ireo zavatra mila averina @ laoniny alohan'ny fahatongavany;
ohatra: "Mivavaha mandrakariva ka aza mitsahatra",
io dikan-teny io dia tena nodisoina tanteraka, satria ilay teny hoe MANDRAKARIVA dia tsy hita @ original, hany ka samy manao fotoam-pivavahana daholo ny rehetra @ fotoana tiana hanaovana izany! Tsy ratsy izany kanefa...
Araka ny baiboly ihany dia misy ny fotoana voatendry hivavahana (fantaro io!), hatramin'ny voalohany, ary nampitaina t@ Shalarym (Apostoly) : VAVAKA ISAN'ANDRO, fa tsy mandrakariva! "TEFYLA TAMYD"
Ankoatra io fotoana io dia fehezina isika: "Aza manonontonom-poana ny anaran'ny Tsitoha"; izany hoe fahotana ny fItenitenenana ny anarana ivelan'io fotoana voatendry isan'andro io!
Efa NAMBARA anao ve ny antsipirihan'izany????
-"Ny tena mpivavaka dia hivavaka @ fanahy...hanao fanti-panahy"
Diso ny filazana fa tsy misy intsony ny fanatitra atao isan'andro; ny fanatitra biby no nitsahatra, fa ny fanti-panahy kosa dia tsy maintsy atao isan'andro; Misy fomba fanaovana fanti-panahy ARAKA NY TORAH, Efa nampianarina ano ve izany?
-Ny fihinanana BIBY MALOTO dia fahavetavetana ara-panahy"Aza mametaveta ny fanahinareo @ fihinananareo biby maloto: Ny vetaveta dia tsy hiditra ny fanjakan'ny lanitra,
i PETERA dia tsy nihinana biby maloto fa nandà, biby maloto= Hafa firenena efa nodiovina.
-Afindra @ zanak'ondry ny fahotana rehetra, Ny ràn'ny zanak'ondry izay atao fanatitra noho ny ota, araka ny Torah, dia alain'ny Mpisoronabe, atentiny @ tabernakely, afafy @ alitara;
Ny ràn'ny zanak'ondry dia TSY ISASANA satria rà namindrana ny fahotantsika,
Tadidio fa ny fivavahana isan'andro hoe: Sasao @ ranao izahay! dia midika hoe: averena aty aminay ny fahotanay! Madio tokoa ve isika?? ILAY RA NO MITONDRA NY FAHOTANTSIKA
-Sns....
VONONA TOKOA ARY VE IANAO ry NAMANA????

18. RBNIR
(
11/10/2012 10:43)
Faly miarahaba ny namana rehetra indray,
Ireo tokony ho fantarin-tsika mikasinany ny fiavian'ny Tompo indray.
Jao.14:1-3 araka ny voasoratra ao dia Jesosy Tompo mihitsy no nanambara fa mbola hiverina indray IZY.
Asa.1:11 nisy anjely (ireo 2 lahy dia anjely) nanamafy fa tena mbola hiverina marina tokoa izy)
Ary farany II Pet.3 raha vakiana ny soramandry dia izao no voasoratra : "ny amin'ny hihavian'ny Tompo sy ny fananarana noho izany"
Ireo TENY ireo dia manamarina fa dia mbola ho avy tokoa IZY satria vavolombelona 3 karazana B izao no efa niteny
Tokony ho fantarina koa anefa hoe manao ahoana izany fihaviany izany??
Mat.24:27 "tahaka ny helatra avy any Antsinana ka hita hatrany Andrefana hoy ny Teny. Izany ho ny fihaviany dia MANERAN-TANY satria ny helatra eto midika hoe tselatra rehefa miseho dia mahita avokoa ny vazan-tany rehetra. Mila tsarovana mandrakariva io teny io satria JESOSY TOMPO dia efa nampitandrina ny amin'ny fiavian'ilay kristy sandoka izay hiseho anaty efitrano, any an'efitra sns (izany hoe olona vitsivitsy ihany no hahita fa tsy ny rehetra akory) (vakio ny Mat.24:23,26) dia ho azon-tsika ny tiana ambara
Manamafy fa tena Maneran-tany tokoa dia vakio ny Apok.1:7 fa dia tena ho hitan'ny maso rehetra tokoa izany fihaviany izany.
Zava-dehibe tokony hofantarina koa dia hoe inona no hitranga rehefa ho tonga IZY?
Mat.25:31-34, 41 HISY FANAVAHANA lehibe hisy ny atao eo an-kavanana kilasiana hoe "ondry" ary hisy ihany koa atao eo an-kavia atao hoe "osy". Io indrindra no anarako an-tsika rehetra satria na tian-tsika na tsia dia tsy maintsy hisy ny "osy".
Zavatra hitranga faha2 dia I Tes.4:15-17 Ny fitsanganan'ireo atao hoe "maty ao amin'ny Tompo" na ireo nanao ny Sitrapon'Andriamanitra. Io ihany koa ilay fitsanganana voalohany voalaza ao amin'ny Apok.20:6 izay nohamafisin'ny apostoly paoly ao amin'ny Ikor.15:51-52.
Rahoviana izany no hitranga?
Mat.24:36 tsy misy mahalala eny fa na dia ny ZANAKA aza. diso araka izany ny amin'ny desambra 2012 e aoka tsy hatahotra na hihorohoro isika.
Saingy araka ny voasoratra ao amin'ny Mat.24:3 dia hisy ireo famantarana izany fiaviany izany (mbola hoentitsika eto raha sitrak'Andriamanitra).
Fampianarana mivantana avy tamin'i Jesosy Kristy Tompo izao namana ka dia zaraina amin-tsika ampitiavana,
Mbola hitohy.....
Samia ho tahin'ny Tompo
Mbola hotohizan-tsik

19. manoasoa
(
11/10/2012 13:57)
Ho an'i Moustaraf,RBNIR:
Misaotra indrindra anareo manome fanazavana momba ny Fiavian'indray eny amin'ny rahon'ny lanitra ahafahany tsirairay mandinika sy misaintsaina ny tokony atao alohany Fahatongavany.
Ho an'i Leva2:
«Izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena» (Mat. 10 /22)
Ho an'i Didi10,Bichette,Lovegod:
Na tsy niteny mivantana aza ianareo efa novalinareo tany an'eritreritra ny amin'ny fiaviny indray.
Ho an'i Sitlo:
Ny finoana ry Sitlo manjakely dia samy manana ny azy ary safidy malalaka.Noho izany dia tsy anery anao ihany koa aho."Indro, mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandondona; raha misy mihaino ny feoko, ka mamoha ny varavarana,dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy ary izy amiko." Apokalipsy 3:20.Jesoa Kristy izay ekeko tsy manery fa miandry izay safidinao hatrany ka anjaranao ny mamoha na tsy mamoha Azy.
MISAOTRA ANAREO REHETRA!
20. RBNIR
(
12/10/2012 11:20)
Faly miarahaba an-tsika rehetra indray,
Misaotra ny Tompo noho ny famelany indray ny hanoizana mikasika ny fiverenany indray.
Voalazako ery ambony ny zavatra hitranga 2 rehefa ho avy ny Tompo (fanavahana lehibe sy ny fitsanganan'ireo maty ao amin'ny Tompo).
Mbola misy anefa ny faha3 izay tena zava-dehibe tokony ho fantarina koa II Pet.3:10 HO LEVONINA IZAO REHETRA IZAO sy ny asa eo aminy. Zava-dehibe tokoa io ary izay no tena anton'ireo fiomanana atao.
Hoy koa aho tery ambony hoe tsy hisy hahafantatra ny fiaviany nefa misy famantarana saingy raha ny voasoratra ao amin'ny II Tim.3:1-5 dia efa tsy ho ela intsony io fiaviany io satria ireo zavatra rehetra voalaza fa "hiseho any amparany" ireo dia efa saika miseho avokoa ankehitriny.
Ankehitriny dia andeha ho fantarina ny zavatra hitranga amin'ny fiandoan'ny farany (fotoana hanombohan'ny farany) Vakio Lio.21:25-28.
Araka ny voasoratra ao dia hahita famantarana ny olona eny amin'ny masoandro, ny volana ary ny kintana ary ny ranomasina dia hirondrona sy hanonja mafy tokoa.
Vokany ho reraka ny fon'ny olona eo ampiandrasana izay zavatra hiseho.
Misy afaka handositra v amin'izany?
Apok.6:12-17 ny karazan'olona rehetra dia hitady handositra ny tavany saingy ny firenena rehetra, ny olona rehetra dia samy hanenina avokoa (TOY IZAY IHANY AHO NANAO NY SITRAPON ANDRIAMANITRA izany no hanakoako eran'ny tanana ry namana isany).
Mametraka an-tsika eo anoloan'ny safidy izany zavatra izany ka inona ary no safidinao?
Mat.24:40-41 (horaisina sa avela)? hisy tokoa ny hovoaray, nefa hisy ihany koa ny avela.
Inona ary no atao?
Mat.24:42-44 (mila miambina, MIOMANA)
Aza misy manao kitoatoa ry namana isany, tara loatra raha any amin'ny ora farany vao hikoropaka ka hanisan'ireo hanenina B vava.
Raha sitrapon'Andriamanitra dia hozaraina eto ihany ny fiomanana tokony atao, ny mikasika ireo famantarana ireo.
Fa izay sitrapon'Andriamanitra efa fantatrao sy nozaraina teto dia raiso ary tanteraho fa ho famonjena ho anao.
Samia ho tahin'ny Tompo namana isany