Ho avy Kristy

21. arist ( 12/10/2012 11:43)
Namana lovegod

Tena lalina dia lalina ny eritreritrao. Mahalasa saina ary misy ho tsakotsakoina
22. manoasoa ( 12/10/2012 12:28)
Mety mahafantatra marina ny lalam-pamonjena ny olona iray kanefa tsy mahazo antoka fa voavonjy izy.Ary,mety ho tsy mbola nanandrana ny fifaliana sy fahasambarana miara-dalana mandrakariva io fahazoana antoka io famonjena io,na dia mahatsapa ny tenany ho voavonjy aza
23. Miharena ( 14/10/2012 09:56)
Rehefa mamaky io Baiboly io aho hatramin'ny fahakely dia mahatsapa hoe misy fandikana hevitra manasaraka ataon'y olona mitory teny ihany.

Ny tiana ahatongavana dia eo amin'io firesahana ny fianvian'i Krsity io mihitsy.

Ao amin'ny soratra ataony i Paoly dia milaza mazava fa i Krsity no velona ao anatiny. Raha Krsitianina izany isika dia izay no fahamarinana. Ilay Krsity niainga iny tamin'ny andron'ny Apostoly izany dia tsy io nofony io no tena IZY fa ny fanahiny izay manerana amiko ka ao anatin"ny tsirairay.

Momba ireo fiantsoana araka ny namana Moustaraf, ataoko angamba fa na dia nisy aza fiheverana ny hanova ilay anarana, dia principe iray ihany no nambaran'i Paoly dia ny maha-zanak'Andriamanitra antsika rehetra.

Ny mampandringa ny finoana ankehitriny dia ny filazana fa ho avy IZY. Izy tsy andrasana dia tsy ho avy izany satria efa eo.
Ny mahagaga mantsy dia izao, ny namana RBNIR ohatra milaza fa ny Topo no mampianatra ankehitriny. Koa tsy efa miresaka amin'ny namana mpitarika ny Vitao ny Asan'n yFahamarinana ve IZY izao? ka iza indray ilay andrasana?

Raha milaza koa ny namana Moustaraf fa mampahatsiahy ny fahitsian'ny Torah Adonai Elohim, tsy efa fanahy mazava miresaka ankehitriny ve izany?

Ka mitombina ve sa tsia ilay filazana resaka ho avy io?
24. RBNIR ( 15/10/2012 07:31)
Miharena:

Ny mahagaga mantsy dia izao, ny namana RBNIR ohatra milaza fa ny Topo no mampianatra ankehitriny. Koa tsy efa miresaka amin'ny namana mpitarika ny Vitao ny Asan'n yFahamarinana ve IZY izao? ka iza indray ilay andrasana?

Faly miarahaba namana miharena,
Tsy tokony afangaron-tsika ny fandatsahan'Andriamanitra ny Fanahy Masina,
Ny fifidianan'i Jesosy Kristy mifidy ny olom-boafidiny ary
Ilay FIAVIANY INDRAY (izay amin'ny TENA) (corps)).

Ny zava-misy ankehitriny dia:
1- ny fandatsahan'Andriamanitra (fanantanterahina ny teny fikasany tany aloha (Joe.3:1) sady fanantanterahan'i Jesosy Kristy Tompo ny teniny ihany koa (Jao.16:7). Izay nanomboka notanterahiny tamin'ny andro pentekosta (vakio ny Asan'ny apostoly toko faha 2) ary mitohy hatrany mandraka ankehitriny ho an'ireo olona nofidiny.
2- Fifidianan'i Jesosy Kristy Tompo mivantana ireo olona ho vavolombelony. Nanomboka tamin'ny fifidianany an'i paoly apostoly (Asa.22:6-10).

Ireo anankiroa ireo namana dia tsy ilay fiaviana nampanantenainy akory fa teny fikasany ho an'ny olomboafidiny.

Ilay fiaviany indray kosa dia voalaza fa amin'ny tena (mitafy corps IZY amin'izay fa hazavana intsony akory) ary ny maso rehetra samy hahita avokoa (fa tsy ireo nofidiana ihany akory) ary amin'ny HO AVY AMIN NY VONINAHITRA LEHIBE IZY AMIN IZANY FIAVIANY IZANY.(Vakio ny Mat.24:30).

Izay no fanampimpanazavana atolotro anao namana,

Samia ho tahin'ny Tompo




25. manoasoa ( 15/10/2012 07:37)
Efa vonona ve ianareo o!
26. Miharena ( 15/10/2012 08:00)
RBNIR:

Ilay fiaviany indray kosa dia voalaza fa amin'ny tena (mitafy corps IZY amin'izay fa hazavana intsony akory) ary ny maso rehetra samy hahita avokoa (fa tsy ireo nofidiana ihany akory) ary amin'ny HO AVY AMIN NY VONINAHITRA LEHIBE IZY AMIN IZANY FIAVIANY IZANY.(Vakio ny Mat.24:30).


Tsy mazava loatra ny fanazavanao azy namana RBNIR. Ahoana no fomba hahitan'ny olona rehetra ami'ny vazantany efatra Azy raha mandray nofo IZY?
27. RBNIR ( 15/10/2012 08:15)
Miharena:

Tsy mazava loatra ny fanazavanao azy namana RBNIR. Ahoana no fomba hahitan'ny olona rehetra ami'ny vazantany efatra Azy raha mandray nofo IZY?

Faly miarahaba namana,
Izaho tsy niteny hoe "NOFO" fa hoy aho hoe TENA (coprs).
Vakio ny 2 Kor.15:50-53. Ny nofo aman-dra tsy mahazo mandova ny fanjakan'Andriamanitra. Isika koa dia hahazo Tena vaovao (tsy fantatro hoe otran'iza fa any vao hahalala izay olona voafidy).
Izy no niteny hoe ny maso rehetra no hahita Azy,
Imagineo fotsiny hoe amin'ny FOMBA ahoana tokoa moa no ahafahan'izao tontolo izao miaramahita ny volana sy ny masoandro?????
Ka raha ireny aza hain'Andriamanitra ny mampahita azy amin'ny olona REHETRA maika v ka ny TENANY REHEFA HO AVY IZY.

Samia ho tahin'ny Tompo namana,
28. RBNIR ( 15/10/2012 10:07)
Azafady namana, 1 Kor.15:50-53 no izy fa tsy 2 Kor akory,
Noho ny sitrapon'Andriamanitra dia mahafaly ny mizara aminao ireo famantarana ny ho fiavian'ny farany. Araho ity rohy ity zfdy.
http://forum.serasera.org/forum/message/m507bdfc0e9c94
Samia hotahin'ny Tompo
29. asimbo ( 15/10/2012 10:08)
Eeee!!! aleoko tsy miteny.
30. RBNIR ( 16/10/2012 08:31)
manoasoa:

Efa vonona ve ianareo o!

Faly miarahaba namana,
Efa vonona v? Eo tokoa isika izao.
Iza no sahy hilaza toa an'i paoly fa efa nahavita ilay hazakazaka?
Misy ny fiomanana tsy maintsy atao,
Izay mahavita fiomanana mbola mila miambina ihany koa satria tsy fantatra izay andro.
Mila mandinika lalina dia lalina tokoa
EFA VONONA MARINA V ISIKA?
Samia ho tahin'ny Tompo namana
31. manoasoa ( 16/10/2012 13:35)
izaho aloha vonona e!Na amin'ny fomba ahoana na ahoana ny poziny rehefa eny amin'ny rahon'ny lanitra tsy ahoako fa ny fantatro dia manaraka Azy aho.
32. Miharena ( 16/10/2012 15:29)
Ary raha tsy eny amin'ny rahon'ny lanitra Izy fa mitsidika anao ao anaty dia ho hainao ve ny mamantatra Azy?

Raha isika ohatra no isehoaNY toy ny nisehoany tamin'ny mpino maro eran-tany, ahoana no mety ho fihetsitsika?
33. manoasoa ( 17/10/2012 05:19)
Raha Jesoa Kristy no fiainanao ahoana moa no tokony tsy ahalalanao Azy,"Fantatro izay izay inoako".
34. RBNIR ( 17/10/2012 05:26)
Faly miarahaba ny namana rehetra indray,
Efa nitohy ny fizarana ireo famantarana ny fiavian'ny Tompo
3ème Evènement : FANJAKAN Ny BIBIDIA MIAMPY fanenjehana.
Rohy tsy miova http://forum.serasera.org/forum/message/m507bdfc0e9c94

Samia ho tahin'ny Tompo namana
35. RBNIR ( 22/10/2012 11:26)

RBNIR:

Faly miarahaba ny namana rehetra indray,
Dia mbola mitohy hatrany ny fizarana ireo famantarana ny fiavian'ny Tompo
4ème Evènement : KRISTY SANDOKA.
Rohy tsy miova http://forum.serasera.org/forum/message/m507bdfc0e9c94

Samia ho tahin'ny Tompo namana
36. RBNIR ( 26/10/2012 10:23)
Dia mbola Faly miarahaba ny namana rehetra hatrany,
Efa nozaraina ny famantarana faha 5 na ny 5ème Evènements hanambara ny farany.
Ny rohy tsy miova http://forum.serasera.org/forum/message/m507bdfc0e9c94
Koa dia samia hotahin'ny Tompo hatrany ry namana isany
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0653