FAHENDRENA ZARAINA

1. RBNIR ( 14/09/2012 09:45)
« Ny olon-kendry tsy mba mampideradera fahalalana foana*; Fa ny fon'ny adala mamoaka fahadalana.» (Oha.12:23)

Samia ho tahin'ny Tompo daholo,
répondu par Miharena le 01/10/2012 16:39
2. bor2lais ( 14/09/2012 10:22)
"Ny hendry mody voky fa ny adala misesika ihany"
Miala tsiny fa tsy misy toko sy andininy ! :-)
3. didi10 ( 14/09/2012 11:17)
Kor I 2,12

12 Fa isika tsy nandray ny fanahin'izao tontolo izao, fa ny Fanahy Izay avy amin'Andriamanitra, mba ho fantatsika izay zavatra nomen'Andriamanitra antsika. 13 Izany koa no lazainay, tsy amin'ny teny ampianarin'ny fahendren'olona, fa amin'ny teny ampianarin'ny Fanahy, raha milaza zava-panahy amin'izay olona araka ny Fanahy izahay. 14 Fa ny olona izay araka ny nofo ihany dia tsy mba mandray izay an'ny Fanahin'Andriamanitra; FA FAHADALANA AMINY IZANY SADY TSY AZONY, satria araka ny Fanahy no amantarana izany.
4. RBNIR ( 14/09/2012 11:39)

didi10:

Mahafinaritra e,
Zaraho eto daholo izay fahendrena fantantsika (fizarana fahendrena ny lohahevitra eto),
Mba raiso koa anefa io ambony nozaraiko io raha sitrakao.
Samia ho tahin'ny Tompo namana,
5. RBNIR ( 14/09/2012 12:17)
Dia mbola faly misera hatrany,
« Ny fahatahorana an'i Jehovah no fiandoham-pahendrena; Ary ny fahafantarana ny Iray Masina no fahazavan-tsaina. » (Oha.9:10)
Samia ho tahin'ny Tompo hatrany,
6. bor2lais ( 14/09/2012 15:47)
"Ny adalan'ny olona no ihomehezana fa ny adalan'ny tena kosa tafian-damba" (tsy misy toko sy andininy ihany hatreto !) :-)
7. Miharena ( 15/09/2012 02:44)
12 Fa isika tsy nandray ny fanahin'izao tontolo izao, fa ny Fanahy Izay avy amin'Andriamanitra, mba ho fantatsika izay zavatra nomen'Andriamanitra antsika.

Mira amin'ny hoe : zava-poana ny zava-drehetra

Hoy koa ny fahendrena tatsinanana hoe ; illusion izao tontolo izao fa ny fanahy maha-Andriamanitra (non-incarné) no tena izy.

Nilazan'ny Malagasy hoe : ny fanahy no maha-olona, izay ahitsy hoe ny fanahy no olona.
8. ledala ( 16/09/2012 18:46)
Izany ny fahendrena amin'ny baiboly, fa inona kosa ary ny fahendrena ho an'ny malagasy? Eto dia nosokajiana ho telo lehibe izany:
- ny fahendrena hita maso dia ny fitondrantena, ny aloaky ny vava
- ny fahendrena latsa-paka dia ny fahendren'ny anti-panahy, ny fahendrena sy ny fahaizana
- ny fahendrena, tandra vadin-koditra dia ny halemem-panahy, ny tahotra sy henatra, ny fifampitokisana...
Ampahany fotsiny ireo fa isan'ny sarotra tokoa ity hoe fahendrena ity, asa iza no tena manana ny fahendrena marina ka afaka hizara izany? na izany na tsy izany « Ny adalan'ny tena tsy hatakalo ny hendrin'ny hafa ».
9. arist ( 17/09/2012 06:55)
Manhoana daholo.

Araky ny lohahevitra: "fahendrena zaraina" dia tena anisan'ny mahafinaritra ahy. Marihiko fa tanora mikaroka fatratra an'Andriamanitra aho, ary mazava ho azy fa mikaroka fahendrena ihany koa.

Misy fanontaniana adaladala anefa ireto tiako hapetrako ho antsika rehetra indrindra ho an'ny namorona ny lohahevitra: Iza moa ny olona azo lazaina fa hendry? ary inona ilay fahendrena zaraina?

Napetraka io fanontaniana io satria samy milaza azy ho hendry avokoa.
10. RBNIR ( 17/09/2012 07:15)
arist:

Faly Miarahaba namana,
Miantefa mivatana amiko moa ny fanotanianao namana ka dia hovaliako mivantana ihany koa
Izay nomena maimaipoana no zaraina maimaipoana namana,
Izaho tsy nanana fa nomena ary ilay nomena ahy tsy ahy fa an'izay nanome ahy dia tsy iza fa ANDRIAMANITRA (izay no tsy hitondrako afatsy tok.sy and. mba tsy hihevitra ny sasany hoe hendry aho fa kosa hihevitra izy hoe "TENA HENDRY ANDRIAMANITRA"
Isika rahateo efa nampianarina hoe "« ....... Aza manao ny tenanareo ho hendry.» (Rom. 12:16).
Samia ho tahin'ny Tompo namana

11. arist ( 17/09/2012 08:11)
Misaotra anao namana RBNIR namaly ny fanontaniako. Araky ny voalazako dia tena mikaroka an'Andriamanita aho ary indrindra ny fahendrena. Mazava ny valiteninao fa misy fanamarihana kely ity:

RBNIR - 17/09/2012 09:15
.... (izay no tsy hitondrako afatsy tok.sy and. mba tsy hihevitra ny sasany hoe hendry aho fa kosa hihevitra izy hoe "TENA HENDRY ANDRIAMANITRA"...

Adaladala tokoa ny fanontaniako satria tsy ny toko sy andininy no problema-ko, fa ny fivoizana an'izany be fahatany. Iarahana mahita eto amin'ity forum ity fa na ireo samy mpitanisa toko sy andininy aza dia mifandramatra, ary azo tarafina amin'ny fiaraha-monina ny fivakivakisana eo amin'ny finoana na dia samy kristianina satria samy tapi-pahaizana amin'ny toko sy andininy ka tsy mifandefitra mihitsy. Ny olana dia ny toko sy andininy tokony handratovana fahendrena no lasa mitarika tsy fifankazahoana.

Ka izany no mahatonga ahy manontany hoe: "Iza moa ny olona azo lazaina fa hendry? ary inona ilay fahendrena zaraina?"

PS ialàna tsiny raha manafitohina ny fanamarihana sy ny fanontaniana nataoko fa zava-misy izany.
12. RBNIR ( 17/09/2012 08:34)
arist:

PS ialàna tsiny raha manafitohina ny fanamarihana sy ny fanontaniana nataoko fa zava-misy izany.

Faly misera hatrany namana,

Fanamarihana efa nentiny mpisera maro teto io namana, ary tsy hataoko hanafitohina na hahagaga intsony satria ny tenin'Andriamanitra anie ka "sabatra roa lela" e,

Ny hafatro fotsiny dia hoe aza leo tenin'Andriamanitra izany fa raha leo isika dia toy manao an'Andriamanitra hoe "Akombony ny vavanao fa leo aho".

Tsara foana ny tenin'Andriamanitra na iza na iza mitory azy namana a! , Ary matoa iny renao sy henonao na voavakinao dia Andriamanitra izay no te hiresaka aminao (fitaovany fotsiny ihany ilay olona eo aloha fa modio tsy hita namana a).

Raiso ho fiadiana ho an-tsika : "« Fa tafintohina amin'ny zavatra maro isika rehetra. Raha misy olona tsy mba tafintohina amin'ny teny, dia izy no lehilahy tanteraka ka mahafehy ny tenany rehetra koa. » (Jak.3:2)

Samia ho tahin'ny Tompo indray e,
13. arist ( 17/09/2012 09:19)
Miala tsiny fa tsy mitovy fijery aminao aho ry namana RBNIR, amiko Andriamanitra dia fitiavana ary ny fahendrena voalohany tokony ho katsahintsika olombelona dia ny fifankatiavana araky ny nandidian'i Kristy antsika.

RBNIR - 17/09/2012 10:34
Tsara foana ny tenin'Andriamanitra na iza na iza mitory azy namana a! , Ary matoa iny renao sy henonao na voavakinao dia Andriamanitra izay no te hiresaka aminao (fitaovany fotsiny ihany ilay olona eo aloha fa modio tsy hita namana a).

Miala tsiny fa raha io teninao io no raisina dia tsy mahavaly ny fanontaniako ianao ary lasa ganagana anaty rano ilay resaka ka samy manao izay saim-patany.Ka na hiafara amin'ny tsy fifankazahoana aza dia mety foana....

14. didi10 ( 17/09/2012 11:01)
Toro-hevitra tsotra no omena ny namana liana amin'ny Tenin'Andriamanitra.
1- Aza miandry ampianarin'olona
2- Fafao daholo aloha ny fahalalana ananao na nampianarina anao
3- Mamakia Baiboly sady mangataka ny Fanahy Masina hanome anao ny fahalalana ny fahamarinana.

Samia ho tahian'i Jesosy!
15. arist ( 17/09/2012 11:30)

didi10 - 17/09/2012 13:01
Toro-hevitra tsotra no omena ny namana liana amin'ny Tenin'Andriamanitra.
1- Aza miandry ampianarin'olona
2- Fafao daholo aloha ny fahalalana ananao na nampianarina anao
3- Mamakia Baiboly sady mangataka ny Fanahy Masina hanome anao ny fahalalana ny fahamarinana.

1- Aza miandry ampianarin'olona: tsy tokony hisy intsony izany ny olona miseho ny tenany ho mpitory eto?
2- Fafao daholo aloha ny fahalalana ananao na nampianarina anao: Tokony ho hadinoina daholo izany izay voalaza rehetra sy nampianarina rehetra teto?
3- Mamakia Baiboly sady mangataka ny Fanahy Masina hanome anao ny fahalalana ny fahamarinana: no comment.
16. RBNIR ( 17/09/2012 13:31)
arist:

Miala tsiny fa tsy mitovy fijery aminao aho ry namana RBNIR, amiko Andriamanitra dia fitiavana ary ny fahendrena voalohany tokony ho katsahintsika olombelona dia ny fifankatiavana araky ny nandidian'i Kristy antsika.

Faly misera hatrany namana,
Ilay tenin'Andriamanitra ampitaina namana raisina a,

Tsy voatery hamalifaly fo ny Tenin'Andriamanitra fa indraindray mba mananatra ihany koa,

Jesosy aza anie nasiaka mihitsy raha niteny e,

Jereo anie ity nataony tamin'ny apostoly Petera ity e, « Fa Izy nihodina ka niteny tamin'i Petera hoe: Mankanesa ato ivohoko, ry Satana; fahatafintohinana amiko ianao, satria tsy misaina izay an'Andriamanitra ianao, fa izay an'ny olona. » (Mat.16:23)
Nefa dia i Petera ihany koa no mbola nametrahany ny fanalahidy????

Mbola tsy nisy nanao toy io kosa angamba aloha nizara teto fa ny marina dia mbola "manomboka mitory ireo tsy fahamarinana niaina hatramin'izay ny namana vitsivitsy eto"
Atao ahoana moa, tsy maintsy handratra ny sasany ihany indraindray nefa izay ilay marina namana tsy azo afenina io satria Fiainana mandrak'izay no tanjona ary Afobe kosa ho an'ireo tavela.
Fahendrena ihany koa ary tena fitiavanamana ny fizarana ny MARINA rehetra.

Samia mahery dia samia ho tahin'ny Tompo e,

17. arist ( 17/09/2012 15:24)

RBNIR - 17/09/2012 15:31
Faly misera hatrany namana,
Ilay tenin'Andriamanitra ampitaina namana raisina a,

Tsy voatery hamalifaly fo ny Tenin'Andriamanitra fa indraindray mba mananatra ihany koa,

Asa na tena tsy azonao mihitsy ny zavatra tiako hambara na tsia. Tsy mitady ny hamalifaly fo anie aho amin'ny tenin'Andriamanitra e. Mitady an'Andriamanitra aho ary tsy ny sitrapoko no atao fa ny Azy, mitady fahendrena aho izany hoe "toetran'ny olona hendry" no ilaiko ato anatiko ato, arak' izany no nahatonga ahy hanontany hoe: "Iza moa ny olona azo lazaina fa hendry? ary inona ilay fahendrena zaraina?"

Napetrako io fanontaniana io satria izany no voizin'ny lohahevitra (FAHENDRENA ZARAINA).

RBNIR - 17/09/2012 15:31
Jesosy aza anie nasiaka mihitsy raha niteny e,

Jereo anie ity nataony tamin'ny apostoly Petera ity e, « Fa Izy nihodina ka niteny tamin'i Petera hoe: Mankanesa ato ivohoko, ry Satana; fahatafintohinana amiko ianao, satria tsy misaina izay an'Andriamanitra ianao, fa izay an'ny olona. » (Mat.16:23)
Nefa dia i Petera ihany koa no mbola nametrahany ny fanalahidy????

Mba fantatrao moa?, eny e fantatrao tsara ny antony sy ny fotoana nitenenan'i Kristy an'io toko sy andininy io tamin'i Petera. Nataon'i Kristy ho an'i Petera irery ihany io teny io fa tsy ho an'i Jaona na Jodasy na ny mpianany hafa... ary heveriko fa tsy tokony hataonao copier/coller io toko sy andininy io satria tsy anjaranao ny mitanisa izany ho an'ny hafa, ary tsy anjarako ihany koa.
Ka izay ilay mampifamaly fa samy te hitanisa toko sy andininy amin'izay itiavany azy avy isika rehetra, hany ka....

Ka manao veloma am-panajàna anao aho ary misaotra anao ihany koa nahafoy fotoana niseraserana tamiko, ity no fandraisako anjara farany amin'ity lohahevitra ity.

18. ledala ( 17/09/2012 19:55)
misaotra an'i Arist, ary mampahery anao ho tojo izay irinao. Hitako fa olona mpandalina tokoa raha ianao ary efa lasa lavitra.Mirary ny soa e!
19. RBNIR ( 18/09/2012 05:25)
arist:

Jereo anie ity nataony tamin'ny apostoly Petera ity e, « Fa Izy nihodina ka niteny tamin'i Petera hoe: Mankanesa ato ivohoko, ry Satana; fahatafintohinana amiko ianao, satria tsy misaina izay an'Andriamanitra ianao, fa izay an'ny olona. » (Mat.16:23)
Nefa dia i Petera ihany koa no mbola nametrahany ny fanalahidy????

Mba fantatrao moa?, eny e fantatrao tsara ny antony sy ny fotoana nitenenan'i Kristy an'io toko sy andininy io tamin'i Petera. Nataon'i Kristy ho an'i Petera irery ihany io teny io fa tsy ho an'i Jaona na Jodasy na ny mpianany hafa... ary heveriko fa tsy tokony hataonao copier/coller io toko sy andininy io satria tsy anjaranao ny mitanisa izany ho an'ny hafa, ary tsy anjarako ihany koa.
Ka izay ilay mampifamaly fa samy te hitanisa toko sy andininy amin'izay itiavany azy avy isika rehetra, hany ka....

[/quote]
Faly miarahaba anao hatrany namana,
Io toe-tsaina io no tena mahavoa an-tsika (tsy miala aho fa anisany namana) Raha vao misy sitrapon'Andriamanitra somary henjankenjana zaraina amin-tsika ankehitriny dia mivoaka ilay feo : an'iny Israelinina ihany izany fa tsy natao ho antsika (ohatra iray ity lazainao ity raha niteny anie JESOSY dia mba nataony ho hitan'ny hafa mba tsy hanaovan'ny hafa izany koa avy eo e).
Ankoatran'izay dia betsaka loatra ny méfiance ao anatin-tsika (mbola tsy manala tena ihany aho fa ao anatiny namako). Raha vao misy mitory zavatra hafa tsy niainana na nianarana hatramin'izay dia méfiance (miala tsiny tsy voadikako mazava fa raha misy mahay manitsy dia ahitsio fa tsy maninona) no tonga dia mameno ny fo. Indrindra moa fa raha vao olona tsy avy ao amin'ireo fiangonana lehibe no mizara dia avy dia hoe Secte indray izay mitady hitaona olona indray izay fa tandremo.
Ilay TENIN ANDRIAMANITRA ZARAINA zary tsy voavaky akory fa ny MEFIANCE no atao be am-po,
Vokany: LASA AMBANY ILAY TENIN ANDRIAMANITRA,. Zary adinontsika fa miteny amin-tsika anie ny Tompo e, Misy hafatra tiany ampitaina amin-tsika anie e,
Any ka na dia hita fa efa MARINA MIBARIBARY B IZAO AZA dia toa zary mamorona zavatra hafa hatrany ISIKA (mbola tsy miala hatrany aho) mba hanoherana ilay hevitra izay heverin-tsika fa hevitr'ilay olona (fa tsy an'Andriamanitra).

Amiko ry namana isany ny FAHENDRENA dia ny fandinihina lalina ilay tenin'Andriamanitra nomena. Tsy hijerevako an'iza na iza io fa rehefa naheno aho dia ampy izay hitsaran'Andriamanitra ahy.

Rehefa hitako fa MARINA , dia EKEKO NA IZA NA IZA MITENY sy MANAMBARA AZY . REHEFA DISO dia LAVIKO NA IZA NA IZA NO MANAMBARA AZY.
TOKANA NY MARINA, ary izay ilay averimberiko hoe REHEFA (ohatra ity an) KATOLIKA V NO MITENY HOE JESOSY NO TOMPO dia diso izay fa rehefa Protestanta dia MARINA?????

Diniho tsara fa izay ilay FAHENDRENA TIAKO AMPITAINA . DIOVY NY FO REHETRA REHEFA MIZARA NY HAFA. AZA MANANA MEFIANCE DISO TAFAHOATRA FA MANJARY ILAY HAFATRA HOMEN ANDRIAMANITRA ANAO LASA TSINOTSINONA AMINAO nefa dia FITIAVANY ANAO NY HIZARANY AZY,

SAMIA HO TAHIN NY TOMPO E

20. RBNIR ( 18/09/2012 05:32)
Ary tsy voamariko fa efa vita vao hitako.
Tsy nisy toko sy andininy ilay nozaraiko io ambony io :-)

Samia ho tahin'ny Tompo e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2054