Fepetra hoan'ny Fiangonanan'Avoindrindra

1. Maranatha ( 05/09/2012 11:19)
Manana ny fiangonany i Avoindrindra izay mifandray amin'ny fiangonany any an-danitra. Misy fepetra maro manaporofo io fiangonany io ka raha tafiditra ao anaty fepetra izany vao azo lazaina fa fiangonany. Ny ankoatra izay dia ilay voalazany hoe fa maro no ho avy amin'ny anarako. Hiisy mpaminany sandoka, Mesia sandoka sns....

ireny ilay lazainy hoe Tonokira 10:8 "Misy mpanjakavavy enim-polo sy vaditsindrano valo-polo ary zatovovavy tsy hita isa.9 Fa IRAY MONJA kosa no voromailalako, dia ilay ahy tsy misy kilema, vavy tokan-dreniny sady tsongaina amin'izay naterany. Ny zazavavy nahita azy ka nanao azy ho sambatra, eny, ny mpanjakavavy sy ny vaditsindrano, ka nidera azy."
sy ny ao amin'ny Isaia 4:1 "Ary amin'izany andro izany dia hisy vehivavy fito hihazona lehilahy iray ka hanao hoe: Ny haninay ihany no hohaninay, ary ny lambanay ihany no hotafinay; Fa izao ihany no angatahinay: Aoka hotononina amin'ny anaranao izahay, Ka afaho tondromaso"

Toy izao ilay fepetra ahafantarana ny fiangonany:
- Itim3:15 fa raha tratra ela aho, dia ny hahafantaranao izay fitondran-tena mety hatao ao an-tranon'Andriamanitra, dia ny fiangonan*'Andriamanitra velona, sady ANDRY SY FIORENAN'NY FAHAMARINANA.
- Isaia 8:19 Ary raha lazainy aminareo hoe: Milà saina amin'ny manao azy ho tsindrian-javatra sy ny mpanao sikidy, izay mitsiatsiaka sy miboeriboerika, Moa tsy Andriamaniny va no tokony hilan'ny olona saina? Fa hila saina amin'ny maty ho an'ny velona va izy?
20 Ho amin'ny LALàNA SY TENIN'NY VAVOLOM-BELONA ihany! Raha tsy miteny araka izany teny izany izy, Dia olona izay tsy hiposahan'ny fahazavan'ny maraina*.
- Apok 14:12 Indro ny faharetan'ny olona masina, dia izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesosy.
- Apok 10:11 Ary nisy nilaza tamiko hoe: Tsy maintsy MAMINANY indray ianao ny AMIN'NY OLONA MARO sy ny FIRENENA MARO sy ny FITENY MARO ary ny MPANJAKA MARO.
- Apok 14:6 Ary hitako fa, indro, nisy anjely iray koa nanidina teo afovoan'ny lanitra, NANANA NY FILAZANTSARA MANDRAKIZAY HOTORIANA AMIN'IZAY MONINA AMBONIN'NY TANY sy amin'ny FIRENENA sy ny FOKOM-PIRENENA sy ny SAMY HAFA FITENY ary ny OLONA REHETRA,


Ireo no fepetra raha fitinina dia Io Fiangonana io no Andry sy Fiorenan'ny fahamarinana (Jaona 17:17 Fahamarinana=Tenin'i Avoindrindra) Manorina sy manadratra ny Lalàn'I Avoindrindra sy ny Finoana an'i Mesia (Manaraka ny fampianarany) manana Mpaminany maminany ho an'i olona rehetra . Fiangonana tsy maintsy maneran-tany .

Raha izany dia mety hitovy amin'ity fanontaniana ity ny fanontanianao hapetrakao Tonokira 6:10 Iza moa io vehivavy mitsidika toy ny maraina, izay tsara tarehy tahaka ny volana, madio toy ny masoandro sady mahatahotra toy ny antokon'ny miaramila mitondra faneva?

Aza mety ho fitahina fa raha vao tato ho ato no nihorina ny fiangonanao dia tsy hahatanteraka ireo fepetra ireo mihintsy. Satria rahoviana vao hanerana ny tany. Dia hoe alefa amin'ny Internet ve??? ka raha tsy mahay mijery na tsy afaka ny hanao izany ve ilay olona dia ho very???? Ianao no nasaina hitory ny Filazan-tsara amin'ny olona rehetra fa tsy ny Inernet. Diniho sao mba Business no antony hanorenana fiangonana. Aza manao rakitra na fanatitra na 1/10 mihintsy aloha elaela dia ho hitanao fa ho ravainy tsikelikely ilay fiangonana.

Dia mety hiteny ianao hoe izahay ilay ondry hafa izay mbola tsy amin'ity vala ity fa mbola ho hampiarahana dia hakambana ka iray ihany ny mpiandry. Dia hoy aho aminao hoe sao dia efa eo aminao ilay fiangonana fa hianao no manao be marenina sy te hiavaka dia ho tonga aminao izao teny izao "teo aminareo ny mazava fa naleonareo ny maizina."

DINIHO TSARA. MAHEREZA
novalian'i Miharena ny 15/09/2012 02:36
2. didi10 ( 05/09/2012 14:59)
Raha nananatra ireo Fiangonana 7 tao Azia Jesosy ao amin'ny bokin'ny Apokalipsia dia samy nodidiany ireo hibebaka sy hiverina Aminy. Ny famonjena ny fanahy dia miankina amin'ny isam-batan'olona fa tsy miankina amin'ny maha zana-piangonana azy.
3. moustaraf ( 05/09/2012 16:51)
Miala tsiny fa hiditra kely indray e! mahaliana ny lohahevitra
Io teny fiangonana io ankehitriny dia ampiasaina be fahatany , toko sy andininy iray dia ilazana hevitra.
Ny fiangonana lazaina ao @ baiboly dia tsy ilay resahintsika @ izao io mihitsy:
EKS 12 : 3 fiangonana = Israely= Vavolombelona mahalala
SALAMO 147 : 19-20 Milaza ny teniny @ Jakoba izy ary ny didiny sy ny fitsipiny amin'Israely, TSY NANAO TOY IZANY T@ izay FIRENENA HAFA IZY, ary ny fitsipiny tsy mba fantatr'ireny"

Maro ireo toko sy andininy ao @ baiboly no mitovy amin'io "Fiangonana , dia ny Israely rehetra"-
Eo anatrehan'ilay nahary dia mazava ny définition-n'ny fiangonana :NY ISRAELY,
dikany : ny Romana TSY FIANGOANA, Ny hafa firenena TSY FIANGONANA velively
Inona ny mahatonga izany?
ny faminaniana rehetra dia mampiseho fa Ny hafa firenena ,raha te hivavaka dia manatona ilay fiangonana, satria ao no itoeran'ny voninahiny.
IZANY NO FIANGONANA ELA INDRINDRA ARY IZY NAHARY NO NAMORONA AZY, FA TSY MBA NOFORONIN'OLOMBELONA.

Ezek 8: 23 Ny hafa firenenena no hanatona ny jiosy
Zakar 8:13 ho tonga fitsofandrano ny firenena rehetra ny Israely
Zakar 8:23 hisy 10 hafa firenena hihazona ny sisin-damban’ny jiosy 1: hiaraka aminareo izahay fa ao aminareo El
Mika 4:2 ny jentilisa ho avy @ israely hivavaka
Isa 19: 18-25 hisy alitara ho an’I Adonaï ao Egypt , Israely = fitahiana ny firenena rehetra

Ireo fiangonana tany Azia izay resahina foana ao @ Epistily, dia fiangonan'ireo Israeliana izay niely, sy nino ny famonjena nentin'YESHO'A ary ny hafa firenena dia nanatona tao mba hivavaka.
Tadidio koa ny tantaran'ilay kapiteny Kornelio, izay lazaina fa "mpivavaka TSARA" tany Italia nefa nirahina i Petera mba hanambara aminy ny fomba ivavahana.
mipetraka aminao ny fanontaniana:
Io fivavahana misy anao io ve mamaly ireo critère napetrak'ilay nahary ireo? sa noforonin'ny sain'olombelona fotsiny ihany araka ny filozofiam-pampianarana taty aoriana? fiangonan'ny hafa firenena ve ? Fiangonana mampifanipaka ny Mpaminany @ Epistily? MANDRAVA ny lalàna sa mampiorina azy tsara? Mivavaka @ ilay nahary ny lanitra sy ny tany sa @ ireo anarana dikan-teny?

NY Fiangonana dia tsy Tempoly, ary IANAO IRERY DIA TSY TEMPOLY, fa ISIKA REHETRA MITAMBATRA NO TEMPOLY , fa ianao irery dia VATO ARAFITRA AO AMIN'NY TEMPOLY.
4. moustaraf ( 06/09/2012 04:25)
(TOHINY)
II TES 2
-3) aza mety hofitahin’olona akory ianareo, fa tsy ho avy izany (andron’ny Adone), rahatsy efa TONGA ALOHA NY FIHEMORANA, ka hiseho ilay LEHILAHIN’OTA, dia ilay zanaky ny fahaverezana.
Iza ilay lehilahin’ota?
-4) ILAY MANOHITRA ka manedri-tena ho AMBONY NOHO ELOHYM, na izay ivavahana ka MIPETRAKA EO AMBONIN’NY TEMPOLIN’ELOHYM, KA MANAO NY TENANY HO ELOHYM.
Izay ivavahana ka milaza ny tenany ho Elohym:
-Andriamanitra (niantsoana ny mpanjaka rehefa maty; boky Farimamy Terminale P.57…)
-Dieu, God, Got….(anarana sampy Romana sy grika)

GALAT 2:2
Izay nalehanareo fahiny, araka ny fomban’izao tontolo izao, araka ny mpanapaka ny fanjakana eny @ rivotra (lanitra), dia ny fanahy izay miasa ankehitriny ao anatin’ny zanaky ny tsy-fanarahana.
-Ilay lehilahin’ota = zanaky ny tsy-fanarahana
-Milaza tena ho ambony noho Elohym= Mpanjaka eny @ lanitra

MAT 24 :12) Ary noho ny haben’ny tsy fankatoavan-dalàna dia hihamangatsiaka nyfitiavan’ny maro
II TES 2: 7 (Ilay lehilahin’ota= fa miasa sahady ny zava-miafina dia ny tsy FANKATOAVAN-DALANA
-8) Ary hiseho ilay tena MPANDIKA LALANA
APOK 12:17 dia tezitra t@ ilay vehivavy ny dragona ka lasa nandeha hiady tamin’ny zanany sisa, izay mitndrina ny DIDIN’ ELOHYM
-Ilay lehilahin’ota dia mitory: RAVA NY LALANA / Tsy ilaina intsony ny TORAH/ tsy tandremana intsony ny DIDY

-9) Ary ny fihavin’ilehiny dia araka ny FIASAN’NY SATANA, amin’ny hery , sy ny Famantarana, sy Fahagagana mandainga rehetra.
APOK 13: 13 Ary manao FAMANTARANA lehibe izy, ka mampidina afo avy any AN-DANITRA ho amin’ny TANY eo imason’ny olona aza.
-Ilay lehilahin’ota manna hery lehibe= famantarana, fahagagana, mapidina afo (sarin’ny Fanahy masina sandoka), AVY ANY AN-DANITRA.

------
Famintinana:
Lehilahin’ota=
Mitoriteny, mamabo ny maro
Milaza ny tenany ho Elohym (nanao ny tany sy ny tontolo)
Milaza tena ho ambony noho ilay Nahary
Maka ny toeran’ilay nahary eo @ Tempoly
Mandrava ny lalàna sy ny didy
Manao fahagagana lehibe
Mampidina fanahy masina Hafa
Mipetraka any an-danitra ihany koa
Mandrava ny fitandremana ny Sabata
MAT 24: 19 mivavaha ianareo mba tsy ho @ ririna na @ SABATA no handosiranareo
-----
MAT 24: 14 Aorian’izany rehetra izany vao «HOTORIANA AMIN’IZAO TONTOLO IZAO NY FILAZANTSARAN’NY FANJAKANA»
II TES 2
-3) aza mety hofitahin’olona akory ianareo, fa tsy ho avy izany (andron’ny Adone), rahatsy efa TONGA ALOHA NY FIHEMORANA, ka hiseho ilay LEHILAHIN’OTA, dia ilay zanaky ny fahaverezana.
>>>Miseho aloha ny Fihemorana = lehilahin’ota , vao ho tonga ny andron’I Adone= hotoriana ilay filazantsaran’ny fanjakana (famonjena)

Ny baiboly manontolo dia faminaniana, TSY MAINTSY HO TANTERAKA
Tsy efa nandalo ve izany rehetra izany? Tsy izany ve no toriana eran-tany?

Ekena fa maro ireo SOA mety efa noraisintsika taminy: fahagagana, fahasitranana, fanahy avy an-danitra koa aza angamba, sns…..

Faly izahay manambara aminareo fa Tapitra hatreo ny fotoana nomena ILAY LEHILAHIN’OTA, na Mpaminany sandoka, nitory lainga sy fahadisoana lalina,
TORINA ankehitriny izao ny Filazantsaran’ny FANJAKANA mamerina ireo rehetra efa NORAVANA izay tsy hohitanao na aiza na aiza raha tsy ao @ Fiangonana noforonin’ILAY NAHARY.
5. Miharena ( 06/09/2012 05:57)
Araka ny tena fisehon'ny zava-drehetra ankehitriny, ilay milaza ny tenany ho Andriamanitra sy Mpanjakan'izao tontolo izao (ambaranao fa Lehilahin'ota) ve efa fantatra ary re tokoa ny asany sa ireo hevitra tonga tao amin'ny olombelona izay natao convention toy ny hoe God, Dieu, Andriamanitra sns afaka hiseho araka ny maha-convention azy fa tsy fahamarinana tsapa tanteraka ho Fanahy miteny mivantana amin'ny fanahin'ny olombelona izay Fofon'AINY?

Ny tiana ahatongavana amin'ilay fanontaniana dia hoe inona no atao hoe hevitra sy ny hoe fahamarinana tsapa. Ny finoana ve tsy illusion na antontan-piheverana ihany fa tsy mahadika izay tena IZY dia ny fahatsapana fa FOTOTRA IRAY ihany no iorenan izao rehetra izao?
6. Maranatha ( 06/09/2012 12:15)

moustaraf:

Miala tsiny fa hiditra kely indray e! mahaliana ny lohahevitra
Io teny fiangonana io ankehitriny dia ampiasaina be fahatany , toko sy andininy iray dia ilazana hevitra.
Ny fiangonana lazaina ao @ baiboly dia tsy ilay resahintsika @ izao io mihitsy:
EKS 12 : 3 fiangonana = Israely= Vavolombelona mahalala
SALAMO 147 : 19-20 Milaza ny teniny @ Jakoba izy ary ny didiny sy ny fitsipiny amin'Israely, TSY NANAO TOY IZANY T@ izay FIRENENA HAFA IZY, ary ny fitsipiny tsy mba fantatr'ireny"

Maro ireo toko sy andininy ao @ baiboly no mitovy amin'io "Fiangonana , dia ny Israely rehetra"-
Eo anatrehan'ilay nahary dia mazava ny définition-n'ny fiangonana :NY ISRAELY,
dikany : ny Romana TSY FIANGOANA, Ny hafa firenena TSY FIANGONANA velively
Inona ny mahatonga izany?
ny faminaniana rehetra dia mampiseho fa Ny hafa firenena ,raha te hivavaka dia manatona ilay fiangonana, satria ao no itoeran'ny voninahiny.
IZANY NO FIANGONANA ELA INDRINDRA ARY IZY NAHARY NO NAMORONA AZY, FA TSY MBA NOFORONIN'OLOMBELONA.

Ezek 8: 23 Ny hafa firenenena no hanatona ny jiosy
Zakar 8:13 ho tonga fitsofandrano ny firenena rehetra ny Israely
Zakar 8:23 hisy 10 hafa firenena hihazona ny sisin-damban’ny jiosy 1: hiaraka aminareo izahay fa ao aminareo El
Mika 4:2 ny jentilisa ho avy @ israely hivavaka
Isa 19: 18-25 hisy alitara ho an’I Adonaï ao Egypt , Israely = fitahiana ny firenena rehetra

Ireo fiangonana tany Azia izay resahina foana ao @ Epistily, dia fiangonan'ireo Israeliana izay niely, sy nino ny famonjena nentin'YESHO'A ary ny hafa firenena dia nanatona tao mba hivavaka.
Tadidio koa ny tantaran'ilay kapiteny Kornelio, izay lazaina fa "mpivavaka TSARA" tany Italia nefa nirahina i Petera mba hanambara aminy ny fomba ivavahana.
mipetraka aminao ny fanontaniana:
Io fivavahana misy anao io ve mamaly ireo critère napetrak'ilay nahary ireo? sa noforonin'ny sain'olombelona fotsiny ihany araka ny filozofiam-pampianarana taty aoriana? fiangonan'ny hafa firenena ve ? Fiangonana mampifanipaka ny Mpaminany @ Epistily? MANDRAVA ny lalàna sa mampiorina azy tsara? Mivavaka @ ilay nahary ny lanitra sy ny tany sa @ ireo anarana dikan-teny?

Raha amin'ny fomba fijeriko dia te hilaza izany i Moustafar fa ny Fiangonana Juif Messianique no fiangonan'i Avoindrindra (aza gaga ny amin'ny hahafantarako izany). Mety ho izay tokoa fa izao no mahalasa ny saiko ny amin'izy ity raha toa ka io ary no izy dia tokony mbola ho arahana tahaka ny nanarahan'i Jiosy azy teo aloha ve ireo lalàn'i Mosesy (Fisoronana) ireo indrindra fa ny amin'ireo sabata (na karazana fety isan-karazany ireo) ireo lalàna rehetra fanao ao amin'ny tempoly. Raha izany mantsy dia tsy tokony ho nitriatra ilay efitra lamba teo amin'ny tempoly tamin'ny nahafaty ny Mpamonjy. Ary tsy tokony napetraky Paoly ireo teny ao amin'ny Galatiana toko faha 3 ireo. Mazava tsara fa eo no mihiditra ny lalàn'i Mesia sy ny fomba fomba fivavahana napetrany rehetra.

Tsy izay anefa no tsikaritro amin'ny anareo fa toa mbola mamerina ny olona hitandrina ny:
Paska: 14 jours de Nissan izay efa nosoloina ny fandraisana (I kor 11:25 Dia araka izany koa ny kapoaka, rehefa nihinana, dia hoy Izy: Ity kapoaka ity no ilay fanekena vaovao amin'ny rako; izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy, NA OVIANA NA OVIANA NO MISOTRO HIANAREO.
26 FA NA OVIANA NA OVIANA ianareo no mihinana itony mofo itony sy misotro amin'ny kapoaka, dia manambara ny fahafatesan'ny Tompo ianareo mandra-pihaviny.)

NY PATEKOSTA :50 Andro aoriana ny paska Izay efa nandraisan'ny apostoly ny Fanahy Masina

SNS....

Izay rehetra efa vita dia tsy tanterahana intsony izay mbola tsy vita no tanterahana sy mbola hataon'ny fiangonana ohatra:

NY ANDRO FANAVOTANA=FITSARANA nanomboaka oviana ??? tamin'ny fahataperan'ny 2300 Jours nanomboka nidiran'ny Mpisoronabe ao amin'ny efitra masina indrindra any an-danitra??
Inona no tokony hataon'ny vahoaka mpino ety an-tany amin'izany ????

NY FETIN'NY VOKATRA : Andro fijinjana FIAVIAN'NY MESIA eny amin'ny rahon'ny lanitra


Dia izao no mahagaga ahy maninona hianareo no tsy manao ny voaloham-bolana???

Na izany aza anefa dia nisy ny zavatra izay tsy fantatray raha tsy taminareo toy ny fiverenana amin'ilay anarana tena izy sy ny fialana amin'ireo anarana sampy . Misaotra fa tonga dia nampiharinay ireny. satria ireny dia santionany amin'ireo izay fahamarinana nohitsakitsahin'ilay tandroka kely nadritra ny 1260 jours. raha mahatsikaritra ny faminanian'ny daniela isika dia mahatsapa fa mpanjaka Jentilisa no nomena ny fahitana fa ny olon'ny Avoindrindra ihany no mahay mamaky ny dikany arak'izay anomezan'i Avoindrindra azy ny heviny.

moustaraf:

Faly izahay manambara aminareo fa Tapitra hatreo ny fotoana nomena ILAY LEHILAHIN’OTA, na Mpaminany sandoka, nitory lainga sy fahadisoana lalina,
TORINA ankehitriny izao ny Filazantsaran’ny FANJAKANA mamerina ireo rehetra efa NORAVANA izay tsy hohitanao na aiza na aiza raha tsy ao @ Fiangonana noforonin’ILAY NAHARY.


Mety tsy ho diso izany , fa betsaka ihany koa no tsy hianareo no nahita azy. Raha manaraka tsara ireo faminaniana ao amin'ny Fiangonana 7 ao amin'ny bokin'ny apokalipsy dia mazava tsara no voalazany Apok 3:2 Miambena*, ka aoreno tsara ny zavatra sisa izay saiky maty; fa tsy nisy hitako** tanteraka ny asanao eo anatrehan'Andriamanitro. Raha manaraka io tantara io isika dia nazava tsara fa ireo fifohazana izay nentindry Lotera sy ry Calvin sns...no voalaza teo .

Famintinana: Ny tena tsikaritro dia mitady hamerina ny olona hitandrina ny Lalàm-pisoronanan' i Mosesy izay efa noravan'i Mesia izay fanao teto ambonin'ny tany hianareo. Raha vao miverina amin'ireny anefa dia midika fa tsy mino an'i Yeshoua araka ny Gal 3.
Ny lalàm-pisoronan'i Mesia no atao izao sy izay tokony harahina manodidina izany fanompoam-pivavahana izany.

DINIHO TSARA.

7. moustaraf ( 06/09/2012 17:11)
Salama daholo dray e!
Tsara ny adihevitra eto, satria samy mamoaka ny fandalinana nataony ary tsy mifampitsara be fahatany.
Marihiko aloha fa ity sehatra ity dia tsy natao famafazana fampianarana akory, fa ifanakalozana, ka toa somary tery raha eto no hamoahana ireo fototra rehetra, ka ity ny mail raha te- hanohy lalina kokoa @ takalo hevitra" zafjohs@yahoo.fr"

Na izany aza anefa dia misy hovaliana ihany ireo faniriana hahazo fanazavana.
I-Tsara avahana aloha ireo teny sy hafatra ary faminaniana ao anatin’ny Baiboly mba tsy hampifangaro ny tsy tokony hifangaro:
Mizara 4 lehibe (raha tsorina) ireo faminaniana anatin’io baiboly io:
1° Ho an’i Israely rehetra (taranak’I Abrahama ara-nofo)
2° Ho an’ny firenenen’I Israely (fanjakana 9) irery ihany
3° Ho an’ny firenen’I Joda (fanjakana 3 ) irery ihany
4° Ho an’ny Hafa firenena
ka ilàna fahaizana mamaky mba tsy handefa ny hafatra ho an’I Joda any @ Israely, na any @ Jentilisa, satria izany no mampibirioka ny fanazavana rehetra avy eo.

II- Avahana tsara ihany koa fa ny JIOSY avy @ teny anglisy Jews dia ilazana ireo foko 3 @ firenen’I Joda (na Yohada) , sisa tafaverina avy tany Babylona. Ireo foko 3 ireo sisa no mandrafitra ny 80% n’ny firenena Israely @ izao fotoana izao.
Nankaiza ilay foko (9) babo tany Asyria? Naely manerana an’izao tontolo izao, mba «ho fitahiana ny firenena rehetra», ary ny sasany dia «Nandalo an’I Javana, dia any @ ireo Nosy lavitra», ary koa «Nandalo an’I Etiopia, dia any @ ilay Nosy lavitra»

III- Momba ny fivavahana :
1.Ny bokin’ny lalàna (Torah) dia tsy lalàna fotsiny ihany fa sady «Faminaniana» ihany koa, milaza sy manondro , ary tandindon’ilay ho avy dia ny MESIA.
Dikany: Ny lalàna dia milaza an’Yesho’a, ny fiainany, ary ny fomba fahafatesany, sy ny famonjena entiny.» Nanazava ireo teny voasoratra milaza azy izy»
Raha ravana ny lalàna, dia foana koa ny làlam-pamonjena.

1.Ny lalàna (Torah) koa anefa dia ZAVA-PANAHY, satria I Elohym dia Fanahy:
-Misy ny fahatanterahana ara-bakiteny tahaka ny t@ andron’ny Mpaminany,
-Misy koa ny heviny ara-panahy , rehefa tonga ny Mesia; ka noho izany dia tsy tokony hisy hifanipaka na dia iray aza ny Taloha sy ny vaovao.
Raha nitory famonjena ireo Apostoly dia tsy nisy boky Matio, Mark, Lioka….fa ny bokin’ny Mpaminany no nentiny nanambara ny famonjena nentin’Yeshoa.

Ohatra 1:
-Tany Egypta: Paska (Peshar), novonoina ny zanak’ondry, ary ny ràny no fanavotana/ nohanina ny nofony, ary ranom-boaloboka no nosotroina…..alin’ny Paska no amonoana azy
-Tonga Yesho’a: Paska, novonoina ilay lehilahy zanal’ondry, ary ny ràny no fanavotana / ny nofony no tena fihinana, ny ràny no tena fisotro….alin’ny Paska no nahafaty ny Mpamonjy
Ohatra 2:
Namaky ny ranomasina mena = batisa @ rano (tevyla)
…….

Ohatra 3:
Ny tsy ihinanana biby maloto dia tsy heviny ara-nofo akory fa misy fiantraikany @ ara-panahy mihitsy:
LEVIT 20: 25 «Aza mametaveta ny FANAHINAREO amin’ny biby maloto»
APOK 21: 27 «tsy mba hiditra ao mihitsy izat tsy masina, na izay manao vetaveta,….»
APOK 21: 8 «ny osa, ny tsy mino, ny vetaveta,….dia hanana ny anjarany any @ afo…»

Ohatra 4:
Ny famorana ara-nofo dia Fanekena ho an’I Abrahama sy ny Taranany mandrakizay
Fa ny bokin’ny lalàna dia efa nilaza fa Famorana FO no takian’ny lalàna;
DEOT 10: 16 Koa forao ny Fonareo ,fa aza mafy hatoka intsony ianareo
DEOT 30 : 6 Dia hoforan’I Adonay Elohym-nao ny FONAO sy ny Fon’ny taranakao….
Dikany: ilay famorana fo toriana aty @ Epistily dia efa notoriana tany @ lalàna.

Ny tiana ihaviana ; misy heviny sy dikany ara-panahy daholo ireo lalàna rehetra (fety isan-karazany, andro voatokana,….) ao @ bokin’I Mosesy ary ireo no manoritra ny lalana narahin’I Yesho’a , ary asaina arahintsika ihany koa.
ISA 11: 16 LALANA TOY NY MIVOAKA AVY TAO EGYPT HO AN’IREO SISA MIVERINA AVY ANY ASYRIA
Iza ilay babo tany Asyria? Naely @ firenena maro , ary tonga aty @ Nosy lavitra? Ny Israley, fa tsy ny Jiosy (Yohadah).
8. Miharena ( 07/09/2012 04:57)
Mazava ny famelabelaranao Moustaraf fa mamoha antsika Malagasy ianao ahafantatra ny momba antsika marina.

Fa mba te-hanontany ihany izahay, satria moa izy ity forum dia azo aseho avokoa ny zava-drehetra izay azontsika avy. Efa azo antoka ve ireo tetiharana ka ny foko isan-karazany eto Madagasikara dia efa fantatra hoe avy amin'ny taranaka 9 araka ny filazanao? Dia azo resahana ve hoe iza ny Merina, ny Betsileo sns?
9. Maranatha ( 07/09/2012 06:57)
moustaraf:

III- Momba ny fivavahana :
1.Ny bokin’ny lalàna (Torah) dia tsy lalàna fotsiny ihany fa sady «Faminaniana» ihany koa, milaza sy manondro , ary tandindon’ilay ho avy dia ny MESIA.
Dikany: Ny lalàna dia milaza an’Yesho’a, ny fiainany, ary ny fomba fahafatesany, sy ny famonjena entiny.» Nanazava ireo teny voasoratra milaza azy izy»
Raha ravana ny lalàna, dia foana koa ny làlam-pamonjena.

Mazava tsara fa ilay lalàna inona eto no tsy rava??? mazava be fa ny lalàn'i EL. Apok 14:12 Indro ny faharetan'ny olona masina, dia izay mitandrina ny didin'El sy ny finoana an'i Yeshoua.
moustaraf:

1.Ny lalàna (Torah) koa anefa dia ZAVA-PANAHY, satria I Elohym dia Fanahy:
-Misy ny fahatanterahana ara-bakiteny tahaka ny t@ andron’ny Mpaminany,
-Misy koa ny heviny ara-panahy , rehefa tonga ny Mesia; ka noho izany dia tsy tokony hisy hifanipaka na dia iray aza ny Taloha sy ny vaovao.
Raha nitory famonjena ireo Apostoly dia tsy nisy boky Matio, Mark, Lioka….fa ny bokin’ny Mpaminany no nentiny nanambara ny famonjena nentin’Yeshoa.

Ohatra 1:
-Tany Egypta: Paska (Peshar), novonoina ny zanak’ondry, ary ny ràny no fanavotana/ nohanina ny nofony, ary ranom-boaloboka no nosotroina…..alin’ny Paska no amonoana azy
-Tonga Yesho’a: Paska, novonoina ilay lehilahy zanal’ondry, ary ny ràny no fanavotana / ny nofony no tena fihinana, ny ràny no tena fisotro….alin’ny Paska no nahafaty ny Mpamonjy
Ohatra 2:
Namaky ny ranomasina mena = batisa @ rano (tevyla)
…….

Batisa ihany koa dia misy tandindona anakiroa ny voalohany dia Famorana. Tsy mahazo mihinana azy ny hafa firenena na ivelan'i Israely Eks 12:43 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy sy Arona: Izao no lalàn'ny Paska: Tsy hisy olona hafa firenena hihinana azy.
Izay zanaky ny teny fikasana ihany no mahazo mihinana azy Rom 9:8 Izany hoe: Tsy ny zanaky ny nofo no zanak'El; fa ny zanaky ny teny fikasana no isaina ho taranaka.
Faharoa fiampitana ny ranomasina mena: Ikor 10:Fa tsy tiako tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, fa ny razantsika rehetra dia tambanin'ny rahona, ary izy rehetra namaky ny ranomasina,2 ary izy rehetra dia NATAO BATISA HOAN'iMOSESY tao amin'ny rahona sy ny ranomasina,3 ary izy rehetra nihinana ny fihinam-panahy iray ihany,4 ary izy rehetra nisotro ny fisotrom-panahy iray ihany; fa nisotro tamin'ny vatolampy fanahy izay nanaraka azy izy, ary Kristy izany vatolampy izany.5 Nefa ny ankabiazany dia tsy sitrak'Andriamanitra, fa naringana tany an-efitra.
Batisa hoan' ESHOUA
moustaraf:

Ohatra 3:
Ny tsy ihinanana biby maloto dia tsy heviny ara-nofo akory fa misy fiantraikany @ ara-panahy mihitsy:
LEVIT 20: 25 «Aza mametaveta ny FANAHINAREO amin’ny biby maloto»
APOK 21: 27 «tsy mba hiditra ao mihitsy izat tsy masina, na izay manao vetaveta,….»
APOK 21: 8 «ny osa, ny tsy mino, ny vetaveta,….dia hanana ny anjarany any @ afo…»

Raha io no resahinao dia mila mianatra aty aminay ianao fa ny aty efa miverina amin'ny tsy fihinana nofom-biby tahaka ny tamin'ny nanamboarana ny olom-belona voalohany. sady tadidio fa rehefa nivoaka an'i Egipte ny zanak'Israely (foko 12) ho any amin'ny tany kanana dia tsy nomena hena mihintsy izy ireo raha tsy efa nidongy ka liana ireo hafa firenena izay niaraka taminy. Novonoina ireny avy eo .
Andalana ho any amin'ny kananan'i lanitra isika izao ajanona ireny. sady misy hifandraisana betsaka amin'izao andro fanavotana izao.

Hianareo no fahazavanan'izao tontolo izao avy ao no mivoaka ny fahazavana rehetra ka gaga aho izany raha mbola betsaka ireo fahazavana tsy mbola hitanareo??

MAHEREZA ISE
10. moustaraf ( 09/09/2012 14:49)
Salama e!
Mahagaga ahy aloha ny tsy fihinanana henam-biby,
1.Ny Torah (lalàna) dia tsy azo ampiana na analana satria lalàna io "interprétation stricte", ka ny biby lazaina fa tsy azo hanina no tsy hoanina ,fa didiana kosa hihinana izay tsy maloto.
Ny torah aza dia manazava fa ny fanatitra atsatsika @ afo, dia hanina ny henany; izay tandindon'Yesho'a , izay ny NOFONY no tena fihinana.

2.Ka raha tsy mihinan-kena ianareo dia Tsy tokony hihinana ny nofon'Yesho'a (satria izy no tondroin'ilay fanatitra zanak'ondry).

3.Na dia tandremana aza ny Torah, raha mbola anarana "hafa" , fa tsy ilay nanome ny TORAH no ivavahana dia zava-poana ihany koa izany.

4.Raha niteny t@ Apostoly Yesho'a hoe "Raha mangataka zavatra amin'ny Ray amin'ny ANARAKO ianareo, dia ho azonareo izany", Iza no anarana nantsoin'ny Apostoly tamin'izany? JESOSY (grika) ve? TSIA
11. Maranatha ( 10/09/2012 06:42)
moustaraf:

Salama e!
Mahagaga ahy aloha ny tsy fihinanana henam-biby,
1.Ny Torah (lalàna) dia tsy azo ampiana na analana satria lalàna io "interprétation stricte", ka ny biby lazaina fa tsy azo hanina no tsy hoanina ,fa didiana kosa hihinana izay tsy maloto.
Ny torah aza dia manazava fa ny fanatitra atsatsika @ afo, dia hanina ny henany; izay tandindon'Yesho'a , izay ny NOFONY no tena fihinana.

2.Ka raha tsy mihinan-kena ianareo dia Tsy tokony hihinana ny nofon'Yesho'a (satria izy no tondroin'ilay fanatitra zanak'ondry).

3.Na dia tandremana aza ny Torah, raha mbola anarana "hafa" , fa tsy ilay nanome ny TORAH no ivavahana dia zava-poana ihany koa izany.

4.Raha niteny t@ Apostoly Yesho'a hoe "Raha mangataka zavatra amin'ny Ray amin'ny ANARAKO ianareo, dia ho azonareo izany", Iza no anarana nantsoin'ny Apostoly tamin'izany? JESOSY (grika) ve? TSIA

Saloum, tsy azoko hoe nahoana ny misy anareo no manaraka tsara ny tantara sy mijery ireo tandindona rehetra harahana rehefa nivoaka avy any egypte ny zanak'israely mankany amin'ny tany kanana teto an-tany toy ny hoe:
Paska= fandraisana ny fanasan'i Yeshoua
Fiampitana ny ranomasina mena = batisa
Ilay menarahana varahana= Mesia teo ambony hazo fijaliana
Fandrodanana an'i jeriko= fandrodanana an'i Babilona (Romana katolika)
Sns.... tsy ho lazaiko daholo!
Fa araka ny voasoratra ao amin'ny Rom15:4 Fa izay rehetra voasoratra fahiny dia nosoratana ho fianarantsika hananantsika ny fanantenana amin'ny faharetana sy ny fiononana avy amin'ny Soratra Masina.

Hain-tsika tsara ny tantara fa tsy nanome hena azy ireo ny Avoindrindra rehefa niala tany Egypte mandram-pahatonga any amin'ny tany kanana. Raha tsy rehefa nidongy ireo hafa firenena niaraka taminy Nomery 11:4 Ary ny olona hafa firenena izay niharo taminy dia liana, ary ny Zanak'Isiraely koa dia nitomany indray hoe: Enga anie ka hisy hanome hena hohaninay!5 Tsaroanay ny hazandrano izay nohaninay, maimaim-poana tany Egypta mbamin'ny voatango sy tongolo samy hafa karazana.6 Fa izao dia maina ny ainay: tsy misy na inona na inona eto imasonay afa-tsy ny mana ihany..........31 Ary nisy rivotra nivoaka avy tamin'i Jehovah ka nitondra papelika avy tany amin'ny ranomasina ary nampihahakahaka azy teny amin'ny toby, ka tokony ho lalana indray andro manodidina ny toby no nisy azy, ary tokony ho roa hakiho ambonin'ny tany izy......33 Fa raha mbola teo am-bavany ny hena ka tsy mbola lany, dia nirehitra tamin'ny olona ny fahatezeran'i Jehovah, ary namely ny olony tamin'ny kapoka mafy indrindra Izy.
Io ihany no nanomezan'i Avoindrindra hena ho azy ireo fa rehefa avy eo nokapohiny ka maty ireny olona liana ireny.
Tsarovy ihany koa fa tsy misy hena hoanina any an-danitra na amin'ny tany vaovao sy lanitra vaovao .

Ny nofon'i Yeshoua efa nampianariny fa ilay mofo tsy misy masirasira I kor5:7 Esory ny masirasira ela, mba ho vongana vaovao ianareo, araka izay tsy maha-misy masirasira anareo. Fa voavono Mesia, Paska ho antsika;
I kor 11:23 Fa izaho efa nandray tamin'ny Tompo izay natolotro anareo kosa, fa Yeshoua Tompo tamin'iny alina iny izay namadihana Azy, dia NANDRAY NY MOFO,24 ary rehefa nisaotra Izy, dia novakiny, ka hoy Izy: ITY NY TENAKO HO ANAREO; izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy.

Mikasika io anarana io indray dia izao no voasoratra moa manameloka olona va ny lalà-tsika raha tsy efa nampahafantatra azy mialoha.

Tsy azo melohina ny olona raha tsy efa nampahafantarana ka rehafa vitanao ny nampahafantatra nefa izy tsy nakato dia an'azy sy ny Avo indrindra izany fa ny anjaranao mampahafantatra fotsiny . Fa ny Avoindrindra tsy mijery ny andron'ny tsy fahalalana fa ankehitriny kosa izy mandidy ny olona rehetra hibebaka.

DINIHO TSARA. AZA MIHEVITRA NY HI-BIZINA FIVAVAHANA MIHINTSY FA NY LANITRA NO TOKONY HATAO TANJONA. AHOANA NO FOMBA REHETRA MBA HAHATONGAVANA ANY ???? RAHA MISY TSY MIFANARAKA AMIN'NY SITRAM-PONY DIA AZA MIHAFIHAFY MIHINTSY MANARAKA NY TENA IZY SAO VOAFATOTRY NY ANARAM-PIANGONANA SY NY FOTOM-PINOANY EO. IZAY VAO HOE VERY AHO RY LANITRA. MAHEREZA DIA ANDAO HIARAKA HANDINIKA TSARA E !
12. moustaraf ( 10/09/2012 16:42)
Shalom,
Ny resaka fihinanana hena io dia efa olana na dia t@ andron'ny Apostoly aza:
1. I Petera (Petros) sy ny mpianatra dia tsy nampianarin'Yesho'a nihinana "ny biby rehetra" (biby maloto), satria nandà hatramin'ny farany azy raha nampisehoana ilay fahitana nampidinina avy tany an-danitra. Ary koa "Tsy biby" velively no tiana naseho an'i Petera fa ny fisokafan'ny filazantsara @ Hafa firenena. ASA 10: 25" Tsy misy OLONA azoko atao hoe fady na tsy madio"

2.
ROM 14: 1-6
Thème: Fandraisana ny malemy finoana (Fiangonana tao Roma)
Teto i Paoly dia namaha olana teo @ Végétarien sy ny mihinana hena ary nilaza hoe:"«aoka tsy hifampitsara ny vegetarian sy ny mihinana hena»

3.Ny momba ny famerenana ilay ANARANA dia tsotra:
Marihina fa mbola tarazon'ny fampianarana Romana ,ny ilazana foana fa vahoaka Jentilisa isika. Mampalahelo fa raha Ny vahiny no milaza amin'ny Malagasy fa Taranaka Andevo izy, dia manaiky daholo ny ankamaroan'ny Malagasy, na dia tsy dia misy porofo manao ahoana aza, fa raha Malagasy Ray Reny no mampiseho amin'ny antsipirihany, miaraka @ porofo tsy azo lavina "irréfutable" (fomba amam-panao sy kolotsaina, ny Teny, ny anaram-poko, ny fomba fivavahan'ny Ntaolo) araka ny Torah sy ny Baiboly (@ alalan'ireo faminaniana maro),fa Izy ilay Taranaka izay NAELY, dia MIEZAKA Mihitsy ny sasany mba tsy HINO na handinika akory!

Tsotra ny momba io ANARANA io; Ireo Faminaniana maro ho an' ny Taranak' Israely izay Naely (babo tany Asyria, Nandalo tao "JAVANA, ary ETIOPIA" ka tonga aty @ nosy lavitra) dia milaza mazava, fa "ATY NO HAMERENANA ILAY ANARANA"; ARY "Hodiovina ny molony amin'ny ANARAN'NY FATIN'NY MPANJAKANY" = Andriamanitra (Mpanjaka maty, tsy azo lazaina hoe Mainbo, no nivavahan'ny Ntaolo malagasy) Maro ny porofo am-pelatanana ilazana izany.

Aza mihevitra ianareo fa Sain'olombelona no mitondra izao hafatra izao, na Bizn araka ny voalaza etsy ambony! VAKIO ARY DINIHO TSARA IREO FAMINANIANA VOASORATRA, fa fotoana izao hiverenantsika @ maha izy antsika.

MANIRY IHANY KOA NY FIARAHA-MIDINIKA AKAIKIKAIKY KOKOA RAHA SITRAKAREO
03314 958 64


13. Maranatha ( 11/09/2012 05:58)
moustaraf:

2.
ROM 14: 1-6
Thème: Fandraisana ny malemy finoana (Fiangonana tao Roma)
Teto i Paoly dia namaha olana teo @ Végétarien sy ny mihinana hena ary nilaza hoe:"«aoka tsy hifampitsara ny vegetarian sy ny mihinana hena»

Tsy diso io famahana olana nataon'i Paoly io tamin'izany vanim-potoana izany. fa raha izao izany hoe tamin'ny fahataperan'ny 2300 andro dia tsy maintsy manaraka izay voasoratra mikasika ny andro fanavotana isika. Inona no fanao amin'ny andro fanavotana?? mitsahatsa sy miory ny fiangonana. Lev 23:27 Ary amin'ny andro fahafolo amin'izany volana fahafito izany (dia ny andro fanavotana) hisy fivoriana masina ho anareo; ary hampahory ny tenanareo ianareo .....Lev 16:29 Ary izao no ho lalàna mandrakizay ho anareo: amin'ny andro fahafolo amin'ny volana fahafito dia aoka HAMPAHORY ny tenanareo ianareo ary tsy hanao raharaha akory, na ny tompon-tany, na ny vahiny eo aminareo.30 Fa amin'izany andro izany no hanaovana fanavotana ho anareo hanadiovana anareo, ka dia hadio ho afaka amin'ny fahotanareo rehetra eo anatrehan'i Jehovah ianareo.

FANAVOTANA=FITSARANA Apok 14:6-7
Maro eto ny andro Fanavotana fa tsy toy ny t@ zanak'Israely hoe 1andro noho izany:
FITSAHARANA=MANATONA AN'I MESIA Matio 11:28
FIHORIANA: Manaraka ny fihorian'i Daniela rehefa andro maromaro ny hanaovana izany Dan 10:3
POROFO FATSY TOKONY HIHINANA HENA AMIN'IZAO VANIM-POTOANA IZAO Isaia 22:12-14 sy ny 22:22 (mifandray amin'ny Apok 3:7 fotoana nanombohan'ny fitsarana)
moustaraf:

3.Ny momba ny famerenana ilay ANARANA dia tsotra:
Marihina fa mbola tarazon'ny fampianarana Romana ,ny ilazana foana fa vahoaka Jentilisa isika. Mampalahelo fa raha Ny vahiny no milaza amin'ny Malagasy fa Taranaka Andevo izy, dia manaiky daholo ny ankamaroan'ny Malagasy, na dia tsy dia misy porofo manao ahoana aza, fa raha Malagasy Ray Reny no mampiseho amin'ny antsipirihany, miaraka @ porofo tsy azo lavina "irréfutable" (fomba amam-panao sy kolotsaina, ny Teny, ny anaram-poko, ny fomba fivavahan'ny Ntaolo) araka ny Torah sy ny Baiboly (@ alalan'ireo faminaniana maro),fa Izy ilay Taranaka izay NAELY, dia MIEZAKA Mihitsy ny sasany mba tsy HINO na handinika akory!

Tsotra ny momba io ANARANA io; Ireo Faminaniana maro ho an' ny Taranak' Israely izay Naely (babo tany Asyria, Nandalo tao "JAVANA, ary ETIOPIA" ka tonga aty @ nosy lavitra) dia milaza mazava, fa "ATY NO HAMERENANA ILAY ANARANA"; ARY "Hodiovina ny molony amin'ny ANARAN'NY FATIN'NY MPANJAKANY" = Andriamanitra (Mpanjaka maty, tsy azo lazaina hoe Mainbo, no nivavahan'ny Ntaolo malagasy) Maro ny porofo am-pelatanana ilazana izany.

Tsy manameloka aho ary tsy manamarina koa satria eto madagasikara anie r'ise mety misy ho taranaka fa mety misy ihany koa taranaka haaf dia atao ahoana no ahoana izany izay tsy izy, ny hafatra nampitondrain'i Mesia anefa hoan'ny olona rehetra Jerosalema, Jodia, Samaria, ary any amin'ny faran'ny tany dia ity no hita fa mampety azy Gal 3:28 Tsy misy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, na lahy sy vavy; fa iray ihany ianareo rehetra ao amin'i Yeshoua Mesia.
Ilay anaraNY dia ekena fa marina e izany no fiantso Azy tamin'Izy tonga tety, io ihany koa no tena anaran'i Avoindrindra. Ekena ihany koa fa nandritra ny 1260 andro nanjakan'i Katoloika Romana no nahavery io anarana io e! Fa diso ve ny olona raha ny anaram-boninahiny no hiantsoana Azy ???
moustaraf:

MANIRY IHANY KOA NY FIARAHA-MIDINIKA AKAIKIKAIKY KOKOA RAHA SITRAKAREO
03314 958 64

Voaray io fa misaotra fa ny olana kely mety mifanalavitra ny toerana misy an-tsika. Tsy eto Antananarivo mantsy ny misy anay fa aty amin'ny faritra . Fa na izany aza rehefa miakatra mety mandalo sy mifampiantso ihany. MAHEREZA DIA ARAHO TSARA DAHOLO KOA NY FAMINANIANA.
14. RBNIR ( 11/09/2012 09:35)
Faly miarahaba ny namana rehetra indray,
« Izay avy any ambony dia ambonin'izy rehetra; ary izay avy amin'ny tany dia avy amin'ny tany, ka ny momba ny ety an-tany ihany no lazainy; Izay avy any an-danitra dia ambonin'izy rehetra; » (Jao.3:31) « koa izay hitany sy reny no ambarany; ary tsy misy mandray ny fanambarany. » (Jao.3:32)
Misy ny avy any ambony (Izay voalaza hoe avy any an-danitra ihany koa)(tokana ny filaza azy eto aloha raha araka io teny io) misy kosa anefa ny avy amin'ny tany (io indray dia maro satria voalaza hoe "izy rehetra").
Io teny io no teny nomen'Andriamanitra mba hamantaran'ny olona ny tena fiangonana marina (ilay avy any ambony na avy any an-danitra).
Jesosy Tompo raha nanangana fiangonana dia toy izao « natsangana teo ambonin'ny fanorenan'ny Apostoly sy ny mpaminany, ary Kristy Jesosy no fehizoro indrindra; » (Efe.2:20)
Eo ambany fanorenan'ny Apostoly hoy ny teny,
Inona no atao hoe Apostoly?
« Ary nony maraina ny andro,dia nantsoiny hanatona Azy ny mpianany, ka nifidianany roa ambin'ny folo lahy, izay nataony hoe Apostoly, » (Lioka 6:13)
Vakio tsara ny tantaran'ireo Apostoly ireo fa tsy nisy na dia iray aza olona nanolotena ka nanendry ny tenany ho Apostoly, fa JESOSY no niantso sy nifidy azireo.
Ny Apostoly manorina fiangonana namana isany dia JESOSY MIVANTANA no mifidy fa tsy hoe ilay olona akory no manolotra ny tenany na manambara ny tenany ho Apostoly ,
Ary ireo Apostoly ireo dia tsy ampianarin'olona FA JESOSY IHANY KOA NO MAMPIANATRA MIVANTANA.
Ireo Apostoly 12 ireo dia I JESOSY AVOKOA NO NAMPIANATRA AZIREO MIVANTANA.
Nisy olona iray nofidian'ny olona (fa tsy nofidian’i Jesosy ho solon'i Jodasy ilay namadika Azy) « Ny nifidianan'ny Apostoly ny anankiray ho namany hisolo an'i Jodasy] Ary tamin'izany andro izany dia nitsangana teo afovoan'ny rahalahy Petera (tokony ho roa-polo amby zato no isan'ny olona* vory teo) ka nanao hoe: » (Asa.1:15) Vakio ny tohiny fa ho hitanao ao hoe iza ilay nofidian'ny olona (fa tsy nofidian'i Jesosy) hisolo an'i Jodasy mba ho Apostoly faha 12.
Noporofoin'Andriamanitra fa Izy ihany no tokony hifidy ilay Apostoly fa tsy ny olona dia nifidy an'i Saoly (izay tonga Paoly) ny Tompo.
« dia lavo tamin'ny tany izy ka nandre feo nanao taminy hoe: Saoly, Saoly, nahoana ianao no manenjika Ahy? » (Asa.9:4)
« Ary hoy izy: Iza moa ianao, Tompoko? Dia hoy Izy: Izaho no Jesosy Izay enjehinao; » (Asa.9:5)
« Fa hoy ny Tompo taminy: Mandehana, fa fanaka voafidy izy ho fitondrana ny anarako eo anatrehan'ny jentilisa sy ny mpanjaka ary ny Zanak'isiraely; » (Asa.9:15)
Vakio hatramin'ny farany Asa.9:4-15 dia ho hitanao ao ny fomba nifidianan'i JEsosy an'i Saoly (niova ho Paoly Apostoly).
Fanontaniana : i Paoly v nampianarin'i Jesosy mivantana koa sa nampianarin'olona?
Valiny :
« Fa ampahafantariko anareo, ry rahalahy, ny amin'ny filazantsara izay notoriko, fa tsy araka ny fanaon'ny olona izany. » (Gal.1:11)
« Fa izaho tsy nandray azy tamin'olona, ary tsy mba nampianarina aho, fa tamin'ny fanambaran'i Jesosy Kristy ihany. » (Gal.1:12)

Fehiny, ny olona voafidy hanorina ny fiangonan’Andriamanitra dia TSY MAINTSY APOSTOLY, ary tsy maintsy JESOSY no MIFIDY AZY SY MAMPIANATRA AZY MIVANTANA.

Tsy izaho no mamorona fa ireo ny tenin’Andriamanitra ry namana isany.

Tsotra ary anontanio ny filoha nanorina ny fiangonana misy anao tena JESOSY MIVANTANA V NO NIFIDY SY NAMPIANATRA AZY?

Mety handainga anefa izy, ka amarino fa mora ny fahafantarana azy :

« Izay avy any ambony dia ambonin'izy rehetra; ary izay avy amin'ny tany dia avy amin'ny tany, ka ny momba ny ety an-tany ihany no lazainy; Izay avy any an-danitra dia ambonin'izy rehetra; » (Jao.3:31) « koa izay hitany sy reny no ambarany; ary tsy misy mandray ny fanambarany. » (Jao.3:32)
Tsy mitory ny zavatra ety an-tany izy ry namana (toy ny fitahina, fanasitranana, izay rehetra mikasika ny nofon-tsika e) fa mitory kosa ny zavatra naseho azy any ambony any : FIAINANA MANDRAKIZAY, TANY VAOVAO LANITRA VAOVAO JEROSALEMA VAOVAO, sy ny làlana rehetra tsy maintsy hizorana mba hahatongavan’ny olona izany.
Ny zavatra ampanantenainy dia izay hitany sy naseho azy any ambony any fa tsy izay hitany tety an-tany akory.
Ny tanjon’Andriamanitra tokoa mantsy dia ity manaraka ity : « Saino ny zavatra any ambony, fa tsy ny zavatra ety an-tany. » (Kol.3:2)
ILAY VOAFIDY HO MPANORINA NY FIANGONANY dia tsy hitaona ny olona afatsy ny hisaina izay hitany sy naseho azy any ambony any.
Izay no marina ry namana isany, Tadiavo ilay fiangonana nahoron’ny apostoly izay hanambara aminao izay any ambony hitany any, ary koa hitaona anao hisaina ny any fa tsy ny ety.
Samia ho tahin’ny Tompo
15. moustaraf ( 12/09/2012 04:21)
Salama daholo e!
Tsy misy omena tsiny mihitsy tokoa aloha @ izay foto-kevitra ijoroana e! fa ny mahalasa saina fotsiny dia ireto olona milaza ho mpino sy mpandinika baiboly , nefa ampisehoana Toko sy andininy mazava be izao, dia milaza zavatra hafa indray.
Maro amintsika no mamerin-desona fotsiny ny tena marina, ka rahefa zavatra tsy nampianarina tany am-piangonana, na tsy ary ren'ny sofina dia atao bontolo tsotra izao.
Zavatra vitsivitsy monja no tiana mba ampitaina momba ny fiangonann'y Avoindrindra:
1-Eo amin'io Fiangonana io no misy NY ANARANY (fa tsy dikan'anarana)
2-Ny ANARANY dia nomeny ny Israely, ary ny didiny an'i Jakoba, ary tsy nomeny ny hafa firenena
3-Ny bokin'ny lalana (Torah) sy ny bokin'ny mpaminany no milaza sy manambara ny lalan'ny famonjena; io no narahin'i Yesho'a (anarana tsy dikan-teny)
4-Yesho'a no fahatanterahan'ny lalàna ara-panahy
5-Aty @ Nosy lavitra , aty Madagasikara no niafaran'ny dian'ny Israely izay naely (araka ny bokin'ny faminaniana, version originale HEBREO)
6-Aty @ nosy lavitra no hamerenana ilay ANARANA (version originale HEBREO); hiala @ anarana fatin'ny mpanjaka (Andriamanitra)

-1 JAON 2:22
iza no MPANDAINGA, afa tsy izay mandà an'i YESHO'A (v.original) tsy ho HAMASHYRHA (v.originale).23) izay rehetra mandà ny zanaka no tsy manana ny Ray.

-Raha milaza izany izahay , dia tsy manao honohono, fa ny masonay no efa mahita ary ny sofinay no nampandrenesina, ary ny sainay no nampahalalaina.
Izahay dia mpanenjika tahaka anareo izao koa taloha, fa efa RENAY ILAY FEO AVY ANY AN-DANITRA, izay niteny t@ Paoly "tamin'ny teny HEBREO" hoe: izaho no YESHO'A izay enjehinao;
ASA 26:14
Ary nandre feo nilaza tamiko aho nanao tamin’ny TENY HEBREO hoe: Saoly, Saoly, nahoana ianao no manenjika ahy?
-
Ialana tsiny raha TSY IANAO ilay taranaka israely izay naely aty @ Nosy lavitra, fa ny filazantsara dia ho an'ny "ondry izay niely aloha" izay AVERINA ao am-bala , izay vao ny hafa firenena;
ASA 2: 39 fa ny teny fikasana dia ho anareo sy ny zanakareo ary ho an'izay rehetra NAELY( v.originale)...
16. Miharena ( 12/09/2012 05:01)
Mbola lasa mivily any amin'ny ady anarana ilay lohahevitra fa tsy manome izay endrika pratika ahafahana mahafantatra ilay Fiangonanan'ny Avo Indrindra.

Raha toa ka esorina daholo izay tsy mampitovy hevitra ka raisina hoe iray ihany no fototra nahatonga ny tsirairay hijery ny rafitr'ilay fiangonana fa ny fanononana azy no samihafa. Misy rafitra mazava azo antoka mijoro ve sa tsia isaky ny firenena sy ny foko misy eto ambonin'ny tany?

Toy ny milaza hoe rano = eau = water

Ny ilazana hoe Andriamanitra = Jehovah = Yahouah

sy ny hoe Yaoushoua = Yeshua = Jesoa = Jesosy

Ny hany mba hitako sy tsapako manko dia io atao hoe Babela io no tsy nahatafantsangana ny Tilikambo. Ka sao dia avela aloha izay ady fanononana izay vao tafatsangana ilay Tilikambo?
17. Maranatha ( 12/09/2012 12:40)
moustaraf:

1-Eo amin'io Fiangonana io no misy NY ANARANY (fa tsy dikan'anarana)


Tsy hoe manohitra aho fa ilay ANARANA koa anie midika hoe FAHEFANA e! Asa 4:7 Ary rehefa nataony teo ampovoany izy roa lahy, dia nanontaniany hoe: FAHEFANA manao ahoana, NA ANARANA manao ahoana, no nanaovanareo izany?

Ka sao dia ny FAHEFANY no tiany ho lazaina .

Miharena:


Toy ny milaza hoe rano = eau = water

Ny ilazana hoe Andriamanitra = Jehovah = Yahouah

sy ny hoe Yaoushoua = Yeshua = Jesoa = Jesosy


Raha ity lazainao ity kosa aloha dia tena mivaona satria samy hafa ny anaran-tsamirery sy ny anarana iombonana.
Ny anarana iombonana dia azo adika amin'ny fomba fiteny isam-pirenena. Araka izay fomba fiantsoana azy any amin'ny firenena tsirairay.

Ny anaran-tsamirery kosa dia tsy tokony hiova mihintsy na aiza na aiza no firenena hanononana ilay anarana.
Ohatra: - Barak obama dia na aiza na aiza ianao amin'ny firenena rehetra eto ambonin'ny tany dia io foana no hiantsoana azy.
- Sarkozi koa torak'izany . na i Andry Rajoelina na Ravalomanana dia tsy miova ny fiantsoana azy.

Mino aho fa azonao.
Miharena:

Ny hany mba hitako sy tsapako manko dia io atao hoe Babela io no tsy nahatafantsangana ny Tilikambo. Ka sao dia avela aloha izay ady fanononana izay vao tafatsangana ilay Tilikambo?


Ny Avoindrindra mihintsy no nanimba io tilikambo io tamin'alalan'ny fanorokorohana ny fitenin'ny olona. Miverina anefa izao fa mitady hitovy fomba fiteny sy mitady ho mora ny fifandraisan'ny olona rehetra eto ambonin'ny tany amin'alalan'ny izao fandrosoana hiaraha-mahita izao Internet, téléphone, satellite sns.... mbola misy maromaro no mbola tsy vita ireo dikan-teny sasany oha ny antsika Mgasy

Mazava ho azy fa raha tanteraka koa io, miampy ireo efa tanteraka izay antony nandravana an'i sodoma sy Gomora ( Homosexualite), sy ny fivoahan'ny Lota tao(ny mpino amin'izao) miala amin'ny toerana misy ireny , fidirana ao amin'ny sambofiara tamin'ny andron'i Noa ( Fiangonan'i Avoindrindra amin'izao), sy ny fandosirana ao amin'ilay tanàna natao fandosirana
(mbola ny fiangonana ihany), fahafenoan'ireo isa 144 000 sns...

IZAY FA MAHEREZA KA (Mitady hivoaka eto daholo ny ....)
18. moustaraf ( 12/09/2012 16:29)
hoy ny namana RBNIR etsy ambony hoe :"Fehiny, ny olona voafidy hanorina ny fiangonan’Andriamanitra dia TSY MAINTSY APOSTOLY, ary tsy maintsy JESOSY no MIFIDY AZY SY MAMPIANATRA AZY MIVANTANA".

Marina tokoa io, ary ny tena loza ankehitriny dia samy te hanangana ny azy isam-pianakaviana ny rehetra, raha vantany vao mahazo sombim-pampianarana kely eny rehetra eny.

NY teny hoe APOSTOLY mantsy dia SALARH (na iraka) no ilazana azy @ teny Hebreo, ka ny Iraka dia hafatra mivantana, fa tsy mba tondroin'olona, na atokana, na ametrahan'olona tanana. YESHO'A mivantana no mampianatra azy, fa tsy mba olombelona akory; ekena dia ekena izany, ary IZANY NO EFA TANTERAKA ANKEHITRINY

Izany hafatra torinay izany , Ry namana isany, dia TOKANA ETO AN-TANY, tsy mba notovozina tetsy na teroa, ka azo tefitefena na ampitovitoviana @ atsy , na avahana kely @ zaroa. Tsy ho hitanreo @ fiangonana hafa izany foto-pinoana izany, satria IZY no nanome azy mivantana.
-Ataon'ny sain'olombelona ahoana moa ny FANAGANANA NY RAVA EFA ELA, na ny hahalala fotsiny aza ?
-Ataon'ny olona TSOTRA anakiray ahoana moa ny fahalala teny HEBREO TRANAINY, izay lazaina fa "langue morte", tsy azo adika intsony? nefa tsy nianatra ABIDY mikasika izany akory ,na nandalina THEOLOGIE tany @ faculté des hautes études, ary tsy niala teto Madagasikara?
-Marihina fa vitsy dia vitsy amin'ireo Vita fiofanana @ Téolojia no afaka tena mamelabelatra ny fehin-kevitra ara-baiboly @ teny hebreo, nefa dia misosa toy ny rano izany @ ilay olona (toa tambanivohi-dahy) nametrahany NY HAFATRA; ka afaka mivaofy @ antsipirihany ireo firafitry ny teny sy ny dikany,ary ny heviny isaka ny andininy.
19. Miharena ( 12/09/2012 18:09)
Maranatha:

Raha ity lazainao ity kosa aloha dia tena mivaona satria samy hafa ny anaran-tsamirery sy ny anarana iombonana.
Ny anarana iombonana dia azo adika amin'ny fomba fiteny isam-pirenena. Araka izay fomba fiantsoana azy any amin'ny firenena tsirairay.

Ataontsika indray àry hoe :
Joél = Yoel = Joely
Eugène = Eugenio = Ezena

izany hoe samy manana ny fanononany azy isaky ny firenena

Ilay valim-panontaniana no tokony ho hita hoe inona no tafatsangan'ny isam-pirenena raha toa ka misy heviny mitovy ihany no fandraisana ny anarana nampiasaina fa ny fanononana azy no tsy mitovy?

Fanontaniana indray ho an'ny namana Moustarafa sy RBNIR:

Efa maro hatrany an-dafin-dranomasina any no mahazo hafatra mivantana amin'i Kristy sy ny Anjely maro. Aiza ho aiza ny fahamarinana manoloana ireo? efa nodinihintsika koa ve ireo hafatra ireo ary aiza ho aiza no ahafantarana fa sandoka izany hafatra izany?

Misy site vitsivitsy azontsika vakiana momba izany hafatra izany : ohatra "Yeshua channeling", "autres dimensions" ary koa ireo boky toy ny 3ème Testament, ny La Vie des Maitres.

Tsy hoe mandà ireo resaka azon'ny namana Malagasy rehetra aho fa mampifandray izay azon'ny vahiny manoratra izay azony koa.
20. moustaraf ( 13/09/2012 05:41)
Salama ndray e!
1.ANARANA
Raha ny fandinihana sy ny lalàna mifehy ny aranan-tsamirery aloha dia tsy azo ADIKA, na OVANA, izany io, fa izay voasoratra dia voasoratra, anjaran'ilay firenena hafa mandray na maheno ilay anarna no miezaka ny hanonona azy, ny zavatra misy dia mety ho sarotra @ ilay hafa firenena ny fanononana, fa na dia izany dia tsy azony ovana ny fanoratana.
Ohatra tsotra eto Madagasikara:
Aty afovoan-tany dia misy ny anarana LALAINA, izay sarotra tononina any anindrana satria tsy misy any ilay zana-tsoratra roa mifanesy "AI" , fa soloiny "è" ka lasa "Lalèna", fa saingy tsy manova ilay anarana fototra.
-Isika ve manaiky raha i DESIRE no antsoina hoe NANTENAINA, na dia mitovy dika aza ireo?
Ny zavatra misy anie ka YESHO'A no lasa JESOSY, ary HAMASHYRAH lasa KRISTY= niniana novana mihitsy nie izany fa tsy hoe Fanononana isam-pirenena e!
Ary, en plus, i JESUS, sy i KRISTOS anie ka olona tena ni-existe ara-batana be izao tany Roma e!
Ny fanambarana izay entinay dia misy soritra mazava izay azo arahina, sy porofoina ary vakiana ara-baiboly, fa tsy ilay hoe "Nisehoan'izatsy, na izaroa"
Raha milaza izahay hoe;
-aty @ nosy lavitra dia misy ISRAELY IZAY NAELY , ARY TSY MAINTSY ITORIANA NY FILAZANTSARAN'NY FANJAKANA, dia porofoina ao à BAIBOLY.
-hODIOVINA NY MOLOTRY NY FIRENENA HAMERENANA ILAY ANARANA, dia porofoina ao @ baiboly
-Miantso anarana FATY ny Malagasy (Porofo ara-baiboly)
-.....
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2052