Raha resaka lalàna fiantsoana anarana samirery lazainao Moustaraf dia tsy maharesy lahatra ahy mihitsy satria ny lalànan'ny tany tsy lalànan'ny lanitra.
Raha ny fanidinihako ny anarana olona iray dia miovaova isaky ny fandalovany ara-nofo izy io (réincarnation no tiana tenenina eto).
Ny zavatra iray azo ambara koa dia fanjakana ve sa fanjakazakana no itazoman'Andriamanitra anarana? sa sao dia tsy manana anarana no tena IZY fa ilay niteny hoe Izaho izay IZY?
Ka efa eo amin'ny resaka réincarnation ihany isika, aiza ho aiza no fahazoanareo izany?
af eo amin'ilay hoe HS dia mety marina amin'ny ampahany ny resakao fa ny fanontaniana tiana havoitra dia hoe : ao amin'ny Fiangonan'ny Avoindrindra ve misy fanekena ny momba ny incarnation sy réincarnation sy ny anton'izany fahatongavana nofo izany?
Ny anton'ny fanontaniana dia mazava : ny ifangonana ve fanompoana sa fampianarana ny momba an'Andriamanitra sy ny zavaboary?