FJKM TSY mankasitraka sy manenjika Fifohazam-panahy Lehibe ao Amparafaravola

1. ishi ( 18/08/2012 11:43)
FJKM TSY mankasitraka sy manenjika Fifohazam-panahy Lehibe misy ao Amparafaravola, lahatsoratra ao amin'ny adiresy : http://fifohazam-panahy.webrpg.info/index.php , "Fifohazam-panahy lehibe no entina hanenjehina ny mpitandrina FJKM Rakotondraoasy Joëlson"
2. didi10 ( 18/08/2012 16:01)
II Tim 3,12

12 Eny, izay rehetra te-ho velona amin'ny toe-panahy araka an'Andriamanitra, izay ao amin'i Kristy Jesosy, dia henjehina.

Efa voasoratra daholo izany rehetra izany, fa izay maharitra hatramin'ny farany ihany no hovonjena.
Voaporofo eto ny tsy afaka iarahan'ny fampianaram-piangonana sy ny fampianaran'ny Fanahy Masina.
Anao ny Safidy.
3. LazaDaddy ( 22/08/2012 04:08)

ishi:
FJKM TSY mankasitraka sy manenjika Fifohazam-panahy Lehibe misy ao Amparafaravola
Inona marina tokoa izany lazainao fa fifohazam-panahy Lehibe izany fa mba tianay ho fantatra raha tsy mahadiso?
4. Mamytiana ( 23/08/2012 06:35)
LazaDaddy>> ishi ihany (fa niova anarana).

Lay fifohazam-panahy lehibe? "serasera amin' ny lanitra" izay no mahalaza izany fifohazam-panahy lehibe any Amparafaravola izany. Fahatanterahan' izay voambara rehetra ao amin'ny Baiboly.

Hoy Jesosy Kristy t@ alalan' ny mpanompony Pastera Jean Baptiste : " Hanao zavatra lehibe tsy manam-paharoa ho anareo Aho, izay tsy mbola nisy toy izany tany aloha ary tsy hisy toy izany intsony ao aoriana." Dia izao fifohazam-panahy niatomboka any Amparafaravola izao izay hanenika an'i Madagasikara ary hiparitaka any @ firenena rehetra manerana izao tontolo izao, araka ny voalazan' ny faminaniana rehetra momba an' i Madagasikara, fa ity firenena malalantsika ity no ho Fahazavan' izao tontolo izao. Fa hiposaka eto tokoa izany.
5. bor2lais ( 23/08/2012 12:19)
Tsy fantatro ho an'i Lazadaddy fa vao maika maizina amiko ilay fanazavana nentin'i Mamytiana ! :-)
6. Mamytiana ( 25/08/2012 09:49)
bor2lais> tsy misy hanalana ny voalazako tetsy ambony! Fa mipetraka ny fanontaniana hoe: mino ve isika fa ankehitriny, amin' izao andro iainantsika izao, Jesosy Kristy Tompo mandatsaka ny Fanahiny ety amintsika ary maika Izy amin' ny famenoana ny tranony ao an-danitra ao? Fa tena izany tokoa no ataony amintsika ankehitriny, anton' izao asa fifohazam-panahy nipoaka tao Amparafaravola izao.
7. bor2lais ( 25/08/2012 11:05)
Mamytiana > misaotra anao amin'ny valinteny ! :-)

Marihina fa na ny rohy nomenao ery amboalohany na ny famaliana ny fanontaniana napetrakao eo ambony io dia tsy manampy velively amin'ny fahazoana ny tianao lazaina ! ;-)

Ny hany kely azoko amin'ilay resaka dia toa raharaham-piangonana izy ity (misy fifohazam-panahy te-hiasa eo anivon'ny FJKM nefa ny FJKM tsy mety) : eto amin'ity sehatra ity ve no tsara itondrana izany ? :-)

Hevitro manokana anefa izay ka ialako tsiny raha tsy mety aminao ! :-)
8. sitlo ( 26/08/2012 01:50)
Nareo mpino reto dia tena mahita resahana mihitsy ka.

Dia rehefa mifoha aloha izany ilay fanahy dia mba miborosy nify sa tonga dia mandeha amin'izao?
Dia rehefa miserasera amin'ny lanitra ve dia mankeny antampon-kavoana sa miorakoraka be fotsiny dia vita?

Pastera Jean Baptiste izao mitaty rakitra sy mangataka fanampiana hanatanterahana ny fahitany fa koboko eto mihitsy.

Dia rehefa kelikely dia ho avy koa ny hoe mila vehivavy virjiny fito sns...

9. niryna ( 26/08/2012 03:53)

sitlo:

Sitlo ity mampalahelo an.Izay ve rangahy dia mbola tsy mifoha ihany kanefa efa mba ela ihany izay no nangarangarananao teto amin'ity sehatra fivavahana ity.
E! Ny fahasoavan'ny Tompo anie ho ao aminao.Katsaho fa tsara Izy ary mandrakizay ny famindrampoNy.Sokafo ny fo hidirany,vahao ny varavaran'ny fo fa aza manamafy fo ok
Ataovy ny fanandramana
10. Mamytiana ( 26/08/2012 05:15)
bor2lais> tena tsara be lay fanamarihanao fa misaotra!

Zaho mantsy dia mivavaka ao @ FJKM ka dia naneho tato @ forum ny tsy fankasitrahako ny fihetsika ataon' ny FJKM aho manao hoe: "FJKM TSY mankasitraka sy manenjika Fifohazam-panahy..." , dia hoy ianao hoe tsy azonao lay tiako ambara. Tetsy ambony mantsy i [LazaDaddy] dia nanontany ahy hoe inona lay fifohazam-panahy lehibe?fa tiany ho fantatra.
Dia novaliako izy ary nohazavaiko t@ 'zay sombiny kely fahafantarako azy tetsy ambony ny @ lay fifohazam-panahy. Ka zay no nahatonga lay resaka nidiran' ilay fifohazam-panahy fa raharaham-piangonana hoy ianao no fahitana azy teny am-piandohana.

Fa ilay fifohazam-panahy ataon' ny FJKM hoe "tsy izy" ary enjehiny hoy aho dia tena fifohazam-panahy marina tokoa.
11. Mamytiana ( 26/08/2012 05:28)

sitlo:

Nareo mpino reto dia tena mahita resahana mihitsy ka.

Dia rehefa mifoha aloha izany ilay fanahy dia mba miborosy nify sa tonga dia mandeha amin'izao?
Dia rehefa miserasera amin'ny lanitra ve dia mankeny antampon-kavoana sa miorakoraka be fotsiny dia vita?

Pastera Jean Baptiste izao mitaty rakitra sy mangataka fanampiana hanatanterahana ny fahitany fa koboko eto mihitsy.

Dia rehefa kelikely dia ho avy koa ny hoe mila vehivavy virjiny fito sns...

ianao aza ty zany tsy mpino dia tsy mahataitra raha toy izany ny fahitanao sy hevitrao momba ny mino!
Fa tsy manome tsiny anao aho raha zany no fahitanao ny fifohazam-panahy satria efa nisy nanao ny toy izany ngamba dia zay no itanao, fa ty noresahako ty kosa tsy toy zany sitlo a! Fa zay fitsaranao azy zao na dia tsy hitanao sy takatrao akory aza, tsy maninona!

Mivavaka ho anao, Tahian' Jesosy ianao!
12. sunday ( 26/08/2012 12:22)
Tahian'ny Tompo manokana ianao ilay nilaza hoe rehefa midina ve ny Fanahy dia miborosy nify ... Tsy manome tsiny anao aho satria tena tsy fantatrao tokoa ny zavatra lazainao. Fa ny tiako ampahafantarina anao fotsiny dia ny Fanahin'Andriamanitra tsy fanao vazivazy ary Jesosy dia nilaza fa izay miteny ratsy ny Zanaka hoy Izy dia ahazo famelan-keloka fa izay miteny ratsy ny Fanahy Masina kosa dia tsy ahazo famelan-keloka mandrakizay. Mangataka anao manokana aho raha tsy azonao ny zavatra resahina ato dia tsara raha tsy miteny fotsiny ianao fa tsy mamazivazy.
Ankoatra ny izay, ny zavatra izay misy ao Amparafaravola dia famangian'Andriamanitra mivantana. Ao @ Baiboly dia milaza Izy hoe: "antsoy Aho dia ho valiako ianao" dia izay no zava-misy, rehefa antsoina Jesosy dia mamaly Izy ary mamangy mivantana. Rehefa mamangy Izy dia tsapa ary heno ny fanatrehany, miteny @ ireo mpanompony Izy, mampitondra hafatra ireo anjely.
13. sitlo ( 26/08/2012 19:11)
Izay ilay teniko hoe ny finoana kristianina dia mifototra amin'ny fampiahorana.
Raha vao kely ny ankizy no ampidirina amin'ny finoana kristianina dia hoe lasa hendry be. Nefa ny tena izy, ny tahotra no be dia be.
Dia gaga ve ianareo raha malaza ny hoe: ny gasy olona mora ampitahorina? Koa izy tenany aza mampitahotra azy.
Aiza ve ka zazakely vao teraka dia lazaina sahady fa mpanota mila famonjena. Ha
Raha resaka fahitana indray, na Hitler aza nilaza fa nahita fahitana. Maro ny sekta no milaza fa mahita fahitana...
Amin'ny malagasy dia ny fifanaovana soa no zava-dehibe. Amiko, raha ny Baiboly no mahatonga anareo hanao soa, dia tsara izany. Fa raha itaritanareo korotana kosa ny finoanareo sy ny hoe "fahitanareo" dia tsy mety izany amiko.
Aiza ve ka mba nisy vorondolo nipetraka tao amin'ilay tilikambom-piangonana, dia izy rehetra no fadiranovana fa hoe "devoly", "mpamosany". Ilay vorona avy eo ifanenjehana torahim-bato mihitsy. Fa dia efa mitapy ve hoy aho ireto olona ireto. Maninona raha ovaina ny paozin'ny fitoeran-daklosy fa tsy atao tilikambo misy toerana maizimaiziny afaka ipetrahana. Ny vorondolo fantatsika ihany fa mpihaza, tia toerana avo sady malomaloka.
14. LazaDaddy ( 27/08/2012 08:24)

ishi:

FJKM TSY mankasitraka sy manenjika Fifohazam-panahy Lehibe misy ao Amparafaravola, lahatsoratra ao amin'ny adiresy : http://fifohazam-panahy.webrpg.info/index.php , "Fifohazam-panahy lehibe no entina hanenjehina ny mpitandrina FJKM Rakotondraoasy Joëlson"
Tsy mahavaly ilay fanontaniako anie ilay ambaranao e. Ny fanontaniako dia hoe inona izany fifohazam-nahy lehibe ambaranao izany? Izany hoe inona ny tranga misy any ilazana fa misy fifohazam-panahy ny olona?
15. Mamytiana ( 27/08/2012 11:49)
LazaDaddy:

>LazaDaddy<
ity lohahevitry ny namana sunday ity dia mamaly tsara ny fanontanianao hoe " inona lay fifohazam-panahy, inona ny ilazana fa misy fifohazam-panahy any amparafaravola izay enjehin' ny FJKM.
>>Voambarany tsara ao ny tranga misy tadiavinao ry LazaDaddy ny amin' ny fifohazam-panahy misy any Amparafaravola manitikitika anao.
Isaorako ny rahalahy sunday ny fanazavana!

lohahevitra: Fandatsahan' Andriamanitra ny Fanahiny
sunday - 26/08/2012 15:30
Amin'ny andro farany hoy Jehovah dia handatsaka ny Fanahiny @ nofo rehetra Izy
(Asan'ny Apostoly 2:17) « Ary amin'ny andro farany, hoy Andriamanitra, No handatsahako ny Fanahiko amin'ny nofo rehetra; Ary ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo haminany, Ary ny zatovonareo hahita fahitana, Ary ny lahiantitrareo hanonofy.
Ary ankehitriny dia tanteraka izany teny izay fa ny nofo rehetra tsy ankanavaka tokoa no handatsahany ny Fanahiny. Rehefa alatsak'Andriamanitra ny Fanahiny dia misy ny miteny @ fiteny tsy fantatra, ny maminany ary isehoan'i Jesosy sy iresahany mivantana. Ny olona rehetra izay mino dia mahatsapa sy miaina izany zavatra izany satria tsy misy fetra tokoa ny fanomezan'Andriamanitra ny Fanahiny.
Ao @ FJKM Amparafaravola dia mitranga izany zavatra izany, kanefa tsy neken'ny FJKM foibe satria tsy ao anatin'ny foto-kevitra hono izany. Tsy ao anatin'ny foto-kevitra tokoa izany fa tsy hoe tsy ao anatin'ny Baiboly.
Ny fitenenana @ fiteny tsy fantatra, ny faminaniana, ny fahitana, ny fifaneraserana @ anjely sy @ olo-masina dia zavatra avy ao Baiboly, tsy zavatra vaovao anefa izany fa zavatra nafenina.
Tanteraka izany rehetra izany amin'izao fotoana izao, andro farany izao ary maneho ny voninahiny amintsika Andriamanitra.
16. Mamytiana ( 27/08/2012 12:20)
sitlo:

Izay ilay teniko hoe ny finoana kristianina dia mifototra amin'ny fampiahorana.
Raha vao kely ny ankizy no ampidirina amin'ny finoana kristianina dia hoe lasa hendry be. Nefa ny tena izy, ny tahotra no be dia be.
Dia gaga ve ianareo raha malaza ny hoe: ny gasy olona mora ampitahorina? Koa izy tenany aza mampitahotra azy.
Aiza ve ka zazakely vao teraka dia lazaina sahady fa mpanota mila famonjena. Ha
Raha resaka fahitana indray, na Hitler aza nilaza fa nahita fahitana. Maro ny sekta no milaza fa mahita fahitana...
Amin'ny malagasy dia ny fifanaovana soa no zava-dehibe. Amiko, raha ny Baiboly no mahatonga anareo hanao soa, dia tsara izany. Fa raha itaritanareo korotana kosa ny finoanareo sy ny hoe "fahitanareo" dia tsy mety izany amiko.
Aiza ve ka mba nisy vorondolo nipetraka tao amin'ilay tilikambom-piangonana, dia izy rehetra no fadiranovana fa hoe "devoly", "mpamosany". Ilay vorona avy eo ifanenjehana torahim-bato mihitsy. Fa dia efa mitapy ve hoy aho ireto olona ireto. Maninona raha ovaina ny paozin'ny fitoeran-daklosy fa tsy atao tilikambo misy toerana maizimaiziny afaka ipetrahana. Ny vorondolo fantatsika ihany fa mpihaza, tia toerana avo sady malomaloka.

>>sitlo!
inona daholo re ty lazainao e! " fampitahorana", "itaritanareo korontana"..."voron-dolo teo amin' ny tilikambom-piangonana"...??..."sekt"..., ny resakao tsy fantatra izay ambony sy ambany na iza amin' ny inona fa dia alefa fotsiny any... Tampoka teo asinao resaka vorondolo sy mpamosavy tsy fantatra hoe taiza na oviana?????

Ny resakao aloha ry sitlo dia mampibaribary ny fandraisana resaka an-tendrony fotsiny tsy misy fandinihina akory. Hany ka ny finoana Kristianina no ilazainao izay tsy izy rehetra ty.
Ampifangaroanao fahatany ao avokoa ny madio sy ny maloto, ny mety sy ny tsy mety, ny Masina sy ny tsy Masina, ny fotsy sy ny mainty.

Miala tsiny raha nanafitohina anao sitlo ny teniko, fa ianao mantsy toa nampiharihary be ny amin'ny tsy finoanao sy ny fomba fahatakaranao ny tontolon' ny finoana.
Tahin'Jesosy ianao!
17. sitlo ( 27/08/2012 20:22)
Resaka mitombina tsara io fa ianao no mody tsy maazo satria manohitra ny finoanao.

Ny anareo rehefa miresaka, any an'eritreritra any daholo fa tsy misy tonga dia mivantana. Inona izao izany "fifoazam-panahy lehibe"? Misy fifohazam-panahy kely ve zany sa rehefa ankalazaina dia atao hoe lehibe?
Dia ahoana izany hoe "ahenika erak'izao tontolo izao"? Ohatry ny mormon mandeha eraky ny elakelatrano ve izany sa mangingina eo dia mifoha lehibe tampoka ny fanahin'ny olona? Joseph Smith koa mantsy mba hoe nahita fahitana dia namorona ny mormon.

Raha ny fahalalako momba ny finoana indray dia aza ambaniana fa maro no efa hitako sy nodinihiko. Maro ny finoana fa ny miankina amin'i Abrahama izany hoe kristianina, silamo ary ny jiosy dia tsy ekeko mihitsy.
18. sitlo ( 28/08/2012 01:39)
Mamytiana:
misy ny miteny @ fiteny tsy fantatra, ny maminany ary isehoan'i Jesosy sy iresahany mivantana. Ny olona rehetra izay mino dia mahatsapa sy miaina izany zavatra izany satria tsy misy fetra tokoa ny fanomezan'Andriamanitra ny Fanahiny.
Ao @ FJKM Amparafaravola dia mitranga izany zavatra izany

Ha
izay izany ilay fifoazana lehibe. Aleo aza hodinihina.
misy ny miteny @ fiteny tsy fantatra

Raha olona mirediredy no anorenanao ny finoanao dia efa reraky ny fiainana loatra ianao ka mitady magie.
Raha tsy mpankany ampiangonana no hitanao mirediredy amin'ny teny tsy fantatra, dia hino aho fa ho lazainao fa "efa mivika" izany olona izany.
ny maminany ary isehoan'i Jesosy sy iresahany mivantana

Efa maro hatrizay. Ny voalazako tetsy ambony ohatra akaiky: John Smith izay nanoratra ny baibolin'ny mormon
Ny olona rehetra izay mino dia mahatsapa sy miaina izany zavatra izany

Izay mino izany dia mahatsapa sy miaina izany.
Izay mino izany dia lasa miteny amin'ny teny tsy fantatra sy isehoan'i Jesosy? Alaivo sary ary hoe.

Na ny FJKM aza tsy mino ny teneninareo koa izaho aty indray andeha hivaky loha. Rehefa hitanareo any Amparafaravola hono izany ilay fanahy lehibe dia salut hono hoe hoy sitl.
19. sunday ( 28/08/2012 12:46)
sitl!
tena asehonao @ sitlo mena mihitsy fa tsy inoanao izay resaka atao eto, tsy maninona fa izay ny fahatakaranao. Ny olona tsy mino foana matetika no mangataka famantarana tahaka anao izay mitady sarin'i Jesosy, nefa lazaiko anao na hisy maty hitsangana aza avy any am-pasana dia mbola tsy hino foana ianao.
Na tsy manaiky aza ianao sy ny FJKM dia tsy hanova na inona na inona izany, fa Andriamanitra dia efa miasa eto Madagasikara izao ary tsy ho eto ihany fa hanenika izao tontolo izao. Izahay avy any Amparafaravola no vavolombelon'izany, izahay tsy nitady porofo sy famantarana fa fantatray ny fa marina ny zavatra izay iainanay. Ary fantatray mialoha fa maro ny olona tsy hino anay sy hilaza anay hoe adala, fa ny fahadalana @ izao tontolo izao dia fahendrena eo anatrehan'Andriamanitra.
Andriamanitr'i Abrahama, Isaka ary Jakoba no Andriamanitray; Jesosy Kristy Zanany no Tomponay, Izy no miresaka aminay asan'andro satria Izy nilaza hoe antsoy aho dia ho valiako Ianao. Ary ny Fanahy Masina no miaraka aminay amin'ny zavatra rehetra ataonay, Izy no mampiteny anay @ fiteny tsy fantatra na dia ataon'izao tontolo izao hoe mirediredy aza izahay.
20. sitlo ( 28/08/2012 14:45)
Tsy olana amiko izay finoanareo. Malalaka tsara ianareo hino. Inona moa no maha-finoana ny finoana raha misy porofo?
Fa ny tsy mety amiko fotsiny dia raha entinareo anasoketana ny hafa ny finoanareo.
Ny tiako tenanina eto dia maro ny mpino ny FJKM. Nefa raha vao misy mamaky ny lohatenin'ny dinika "FJKM TSY mankasitraka sy manenjika Fifohazam-panahy Lehibe ao Amparafaravola", dia midika hoe tsy milay ny FJKM.
Kanefa ny fahitako azy avy aty ivelany, mitovy ihany ianareo, samy manenjika. Ny anomezako rariny ny FJKM fotsiny dia ianareo milaza fa ao antiny. Normale be izy raha manohitra anareo amin'izany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0085