Soso-kevitra sao mahasoa (famerenana)

1. bor2lais ( 01/08/2012 09:36)
Tsy maninona na dia "film" efa nandeha aza ity apetrako eto ity : ;-)
------------
Faly miarahaba antsika rehetra.

Tato ho ato dia somary vaka ihany ny saina mamaky ity seraserantsika "Fivavahana sy finoana" ity satria toa lasa miafara amin'ny "faran-teny" ny dinika sasany eto in11.

Ka mahatonga te-hanontany hoe : inona moa no andraisantsika izany antsoina hoe forum izany ?

Amiko manokana mantsy dia sehatra iray natao ifampizarana, ifanakalozana izany. Tsy natao ifandresen-dahatra ny forum amiko.

Ny olona miditra eto dia olona efa manana ny faresen-dahany avy ny ankamaroany ka tsy izaho akory no andeha hihevitena fa aharesy lahatra ny hafa hanaraka ahy.

Ny tiana lazaina dia aoka re hijanona amin'ny fifampizarana sy fifanakalozana ny resaka fa aza hitarina amin'ny fifandresen-dahatra raha azo atao.

Mazava ho azy fa ao anatin'ny fifampizarana ny fangataham-panazavana, saingy tsy voatery ihany koa ahazo (na hanome) valiny mahafapo isika amin'izany ...

Heveriko fa mety mba mampandroso sy mahasoa kokoa ny dinitsika amin'izay.
-------------
Sosokevitra ihany ny ahy iny ka avereno aty amiko raha toa ka tsy mety ! :-)
novalian'i RBNIR ny 31/08/2012 13:05
2. RBNIR ( 01/08/2012 09:52)
Faly miarahaba namana bor2lais a,
Ity ny ahy no mahatonga ahy andray anjara eto ry namako,
« Izay soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin'ny fahamarinana, » (2 Tim.3:16)
Afobe no enjeu namana, ary nampahafatarina tsara ahy ny Marina rehetra, raisiko ho andraikitra noho ny fitiavanamana ny hizara maimai-poana izay nampahafantarina ahy.
Misy handray tsara hisaorako ny AVO INDRINDRA izany.
Tsy maintsy hisy kosa ny handà (satria efa voasoratra izany) Hivavaka ho azy ireny aho.
Samia ho tahin'ny Tompo ry namana isany
3. didi10 ( 01/08/2012 10:27)
Iza no hahasakana ahy?
16 ka mandrara anay tsy hitory amin'ny jentilisa mba tsy hamonjena ireny (I Tes 2,16)
4. jojo3t ( 02/08/2012 04:57)
Marina loatra ny voalazan'ny namana borlais, ary mivoana tokoa ny resaka indraindray, miezaka manazava ihany nefa ny tena na dia mivoana aza ilay izy mba ahazoan'ny olona azy.

Misy olona tsy mandray anjara amin'ity dinika ity mihitsy nefa dia tena mamaky tokoa, ka tsara mihitsy ilay soso-kevitra, ary koa mba hanajana azy ireo.

Ka hanampiako io soso-kevitra io dia izao :

Rehefa misy lohahevitra iray, dia samy mamoaka ny heviny ny tsirairay, mazava ho azy tsy ny heviny manokana aloha, fa tokony hiorina amin'ny baiboly amin'ny maha resaka ara-panahy azy.

Ary rehefa mamoaka hevitra ny tsirairay, dia manazava araka zai azony atao fa tsy manenjika na koa mitsara ny hevitry ny hafa, hafa mihitsy ny hoe manenjika sy mitsara sy ny hoe manitsy sao hafangarontsika, afaka manitsy ny hafa raha tsy manaiky ary manome porofo fotsiny hoe izao no hanohanako ity hevitra ity. Izay no tena atao hoe fifanakalozan-kevitra.

Rehefa avy mamoaka eo amin'zai ny tsirairay, dia mandinika ny mpamaky, ary afaka manaporofo koa hoe, inona no tena marina, ary inona no lesona tena tokony horaisina.

Mino ny tenako fa mety amin'ny rehetra io, fa raha misy moa mbola soso-kevitra afaka manampy.
5. didi10 ( 02/08/2012 05:50)
Tsy dia hitako loatra ny tokony hitarainana ny amin'ny hoe manenjika sy ny hoe manitsy ny tsy mety.
Raha izaho ohatra no miteny (manitsy ny tsy mety) dia manenjika mety ho fandraisan'ny namana azy.
Ary raha ny hafa no miteny (manitsy ny tsy mety) dia manenjika ny mety ho fandraisako azy.

C'est juste une question de point de vue!!!!

Ento ny hevitrao, tsikerao, tsikafony ny lainga sy ny fampianaran-diso, saingy aza miteny ratsy fotsiny.
6. jojo3t ( 02/08/2012 06:14)

didi10:

Tsy dia hitako loatra ny tokony hitarainana ny amin'ny hoe manenjika sy ny hoe manitsy ny tsy mety.
Raha izaho ohatra no miteny (manitsy ny tsy mety) dia manenjika mety ho fandraisan'ny namana azy.
Ary raha ny hafa no miteny (manitsy ny tsy mety) dia manenjika ny mety ho fandraisako azy.

C'est juste une question de point de vue!!!!

Ento ny hevitrao, tsikerao, tsikafony ny lainga sy ny fampianaran-diso, saingy aza miteny ratsy fotsiny.
Tsy azonao ny atao hoe manenjika sy manitsy, ny manenjika dia izao : misy lohahevitra iray eo, dia rehefa mandeha eo ilay adi-hevitra dia lasa mivoana sy mihitatra be ilay izy, ka tsy any amin'ny lohahevitra intsony fa lasa miditra resaka momba ny fiangonana iray, ary manao hoe, ianareo izao sy izao, indrindra fa tsy misy porofo, izany no atao hoe manenjika raha tsy fantatry ny namana. Nefa raha tena mitory ny namana dia tsy miditra lalina ankoatra ny fitoriana izay ataony eto, sa ve raha tsy manenjika ny hafa tsy manan-danja ilay hevitra toriana, raha misy tian'ny namana ho fantatra mahakasika fiangonana iray, dia afaka manontany izy, na miresaka amin'ilay olona, resaka manokana zany, fa tsy atao eto amin'ny forum raha tena mahay miresaka aminà forum enao.

Ny manitsy kosa dia izao : miteny enao ohatra hoe, tsy azo atao ny mijangajanga, dia manitsy ny tenako hoe, azo atao izany, izao no porofo sy hanohanako izany hevitro izany, fa tsy lasa miteny hoe, nareo mihitsy zao na izao, nareo zao no niandohanareo, hitanao tsara eo ngamba fa lasa mihitatra be ilay izy avy eo, ary tsy misy idiran'ilay lohahevitra sy adi-hevitra intsony, ka na ny mpamaky ihany aza dia hitsara hoe ahoana koa izany? Fitoriana ve zany sa inona ? Zany zao dia efa fanitsiako atoako aminao hoe, hajao ny lohahevitra sy ny dinika atao, fa tsy fanenjehana no hampisy lanja ny fitoriana ataonao, fa raha tena hitory enao, dia aza matahotra fa aleo ny mpamaky handinika izay lazaina eto.
7. didi10 ( 02/08/2012 07:21)
Aza raisina ho fankahalana ireny namana fa fitiavako ny fanahinao tsy ho very no ananarako anao.

Tsy ampahafirin'ny nanaovan'i Jesosy ny Sadoseo sy ny Fariseo sy ny Mpanora-dàlana ireny, tsy sanatria fankahalana no nanaovany izany fa tena fitiavana.
8. jojo3t ( 02/08/2012 07:31)

didi10:

Aza raisina ho fankahalana ireny namana fa fitiavako ny fanahinao tsy ho very no ananarako anao.

Tsy ampahafirin'ny nanaovan'i Jesosy ny Sadoseo sy ny Fariseo sy ny Mpanora-dàlana ireny, tsy sanatria fankahalana no nanaovany izany fa tena fitiavana.
Misaotra anao aloha raha amim-pitiavana tokoa, izaho anefa manitsy ihany satria fantatra ihany ny setroka sy tomany, efa ela no nitoriana ny vaovao tsara ka mahafantatra tsara ny atao hoe manenjika, ary efa zatra enjehina ihany koa, tsy tahotra ny hohenjehina nefa no ilazana io ambony io, fa mba tsy hampihitatra ilay lohahevitra tiana ampitaina amin'ny mpamaky sy ho fanajana azy ireo, ka tsy hitsarany antsika.
9. universal ( 02/08/2012 07:36)
Tena ekena 100% ny resakao ry Bord2lais.


Iza no hahasakana ahy?
16 ka mandrara anay tsy hitory amin'ny jentilisa mba tsy hamonjena ireny (I Tes 2,16)


Tsy hisy manakana anao anie fa ny fanehoanao azy eto toa didy jadona ny fahitana azy satria Na Andriamanitra aza tsy nanao didy jadona fa naniraka ny zanany lahy tokana nampianatra ny fitiavana , ny fandeferana sy ny fanetre-tena sns...

Fa iza koa no heverinao ho jentilisa eto amin'ny forum ka amoahanao io toko sy andininy io? Fiangaviana no ataoko: miangavy re aza dia maika mitsara olona ho tsy mahalala an'Andriamanitr'e...

Tadidio ny tenin'i kristy momban'ny
- vorona izay tsy mamafy na mamboly nefa mihinana
- momban'ny vonikazo, ka na Salomona aza tsy nanana fitafy tsara toy ny vonikazo
Amiko raha Andriamanitra no namorona ny olona, Izy no miahy azireo ary mahafantatra ny tsirairay avy ary Izy no mitari-dàlana ny tsirairay avy amin'ny fanatonana Azy, efa vita planina izany ary planin'Andriamanitra.

Manarak'izany, misy miseho ho mahay mamaky teny mihoatra ny sasany, miseho ho mahalala baiboly ary manandratra ny tenany ho mpitory sy ho mpampianatra mihitsy aza.
10. didi10 ( 02/08/2012 07:55)

universal:


Amiko raha Andriamanitra no namorona ny olona, Izy no miahy azireo ary mahafantatra ny tsirairay avy ary Izy no mitari-dàlana ny tsirairay avy amin'ny fanatonana Azy, efa vita planina izany ary planin'Andriamanitra.

Manarak'izany, misy miseho ho mahay mamaky teny mihoatra ny sasany, miseho ho mahalala baiboly ary manandratra ny tenany ho mpitory sy ho mpampianatra mihitsy aza.



Manana hafatra ho anao ny Tompo

Tim II 4 : 1 - 6

[-4-] Eo anatrehan'Andriamanitra sy Kristy Jesosy, Izay hitsara ny velona sy ny maty, ary noho ny amin'ny fisehoany sy ny fanjakany, no ananarako anao mafy: 2 mitoria ny teny, mazotoa, na amin'ny fotoana, na tsy amin'ny fotoana, mandrese lahatra, mamporisiha, MANANARA MAFY amin'ny fahari-po sy ny fampianarana rehetra. 3 Fa ho avy ny andro izay tsy hahazakan'ny olona ny fampianarana tsy misy kilema; fa hangidihidy sofina izy, dia hamory mpampianatra ho azy araka ny filany; 4 ary hampiala ny sofiny amin'ny teny marina tokoa izy ka hivily ho amin'ny anganongano. 5 Fa hianao kosa mahonona tena amin'ny zavatra rehetra, miareta fahoriana, ataovy ny asan'ny evanjelista, tanteraho ny fanompoanao.
11. universal ( 02/08/2012 09:08)

didi10 - 02/08/2012 09:55
Manana hafatra ho anao ny Tompo


Modieur DIDY10

Asa na azonao ny tiako ho lazaina na tsia fa toa mbola toko sy andininy indray no hamalianao ahy.

Ampanetre-tena no ilazako anao izao resaka izao:
1/ raha mitady an'Andriamanitra aho dia fantatro ny tokony ataoko fa tsy mila mpanelanelana hitondra hafatra,

Matthieu 6
6 - Mais quand tu pries, entre dans ta chambre, ferme ta porte, et prie ton Père qui est là dans le lieu secret; et ton Père, qui voit dans le secret, te le rendra.
7 - En priant, ne multipliez pas de vaines paroles, comme les païens, qui s'imaginent qu'à force de paroles ils seront exaucés.


2/ Raha azo atao re tompoko, tsy tokony iadiana hevitra ny tenin'Andriamanitra satria tsy mitondra vokan-tsoa ho ahy sy ho anao ny manao izany, satria izaho manana ny fijeriko matoa aho tsy resy lahatra amin'ny voalazanao, tsy midika akory fa izany fa manana ny marina aho, tsia tsy izany, ny tena izy dia izay aloha no ambaratonga nametrahan'Andriamanitra ahy, ny fiainako dia efa napetrako Aminy irery ihany fa TSY NAPETRAKO AMIN'NY PASITERA ZATSY NA ZAROA, NA FIANGONANA ZATSY NA ZAROA, NA MPITORY ZATSY NA ZAROA.
12. AndriambyII ( 02/08/2012 09:12)
Ny finoana sy fivavahana no mahaolona ny olona , ampianaro dieny tanora ny zaza hanao ny marina fa rahatrizay dia hiorenan' ny fiainany iray manontolo izany rehetra izany .Fampitam-pahaizana sy fahatsapana eo @ fiainam-panahin' ny tsirairay . Tsy misy ny tonga lafatra , fa ny manakaikikaiky izany no ahitana ny fitahian' A/ry .
13. RBNIR ( 02/08/2012 09:26)
Faly miarahaba ny namana rehetra indray,
Ny marina dia ity, misy olona na vondron'olona ankehitriny tefen'Andriamanitra ary fidin'Andriamantra hanambara ny Marina rehetra.
Mizara am-pitiavana tokoa izy ireny (fanehom-pitiavana ihany koa ny filazana mazava ny fahadison-kevitra rehetra mety hitondra ny olona any amin'ny AFOBE.)
Maro B tokoa anefa no efa niaina sy efa nino tanteraka ny fampianarana diso rehetra teo aloha.
Ny teny entina dia FAHAMARINANA ary avy amin'Andriamanitra (izay no tena anton'ilay kitsipona fa tsy hoe fampiderana fahaizana akory mba hanindrina mazava tsara fa tsy fihevitr’ilay olona no entiny fa araka ny tenin'Andriamanitra marina tokoa,
Raha misy mahatsapa voaenjika na voatsara dia tsy tokony hahagaga izany fa fahatanterahan'ity teny ity fotsiny ihany :
« Fa velona sy mahery ny tenin'Andriamanitra ka maranitra noho ny sabatra roa lela, ka manindrona hatramin'ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy ary ny tonona sy ny tsoka, ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan'ny fo. » (Heb. 4:12)

Noho izany tsy ilay olona mitory no hiantefan’ilay fanomezan-tsiny fa Andriamanitra mivantana ry namana isany.
Torohevitra mahasoa raiso ary tanteraho ity teny ity dia ho sitrana isika:
« Fa tafintohina amin'ny zavatra maro isika rehetra. Raha misy olona tsy mba tafintohina amin'ny teny, dia izy no lehilahy tanteraka ka mahafehy ny tenany rehetra koa. » (Jak. 3:2).

Samia ho tahin'ny olona ry namana isany a,
14. didi10 ( 02/08/2012 09:43)
Amena RBNIR

Mbola ampiako!

Tes I 2,2-6

Sahy tao amin'Andriamanitray izahay hiteny taminareo ny filazantsaran'Andriamanitra, na dia be aza ny fanoherana. 3 Fa ny fananaranay dia tsy avy amin'ny fitaka, na ny fahalotoana, na ny soloky. 4 Fa tahaka ny nankasitrahan'Andriamanitra anay, ka notolorana ny filazantsara ho adidinay izahay, dia araka izany koa ny itenenanay, tsy toy ny mila sitraka amin'olona, fa amin'Andriamanitra, Izay mizaha toetra ny fonay. 5 Fa tsy nanao teny mandrobo akory izahay na oviana na oviana, tahaka ny fantatrareo ihany, na nihatsaravelatsihy hanafina fieremana (Andriamanitra no vavolombelona); 6 ary tsy nitady voninahitra tamin'olona izahay, na taminareo, na tamin'ny sasany, na dia nanam-pahefana hahavaky tratra aza izahay, araka izay mah'Apostolin'i Kristy anay.

Mahereza namana isany!
15. universal ( 02/08/2012 13:49)
Heverinay fa samy olon'Andriamanitra matoa miditra amin'ny forum "fivavahana , finoana", ekeko tanteraka ny tenin'Andriamanitra ary Izy irery ihany no mahafantatra ny "capacité de compréhension-ko" amin'izany, Izy ihany koa no nametrahako ny fiainako iray manontolo ...

Tsy hoe rehefa tsy mitovy amin'ny fijerinao ny ahy dia tsy izy. Ampanetre-tena no ialàko tsiny raha tsy mirona any fijerinao ny tenako.

NY TENIN'ANDRIAMANITRA TSY TOKONY IADIN-KEVITRA ka hangina aho tsy hiresaka intsony, araky ny teny malagasy manao hoe: "ny hendry mody voky fa ny adala manesika ihany"

AMEN
16. felampaiso ( 05/08/2012 17:21)
Ny Soratra Masina araky ny Ezekiela 3 dia milaza fa ilaina tenenina ny ratsy fanahy mba hiverina amin'ANDRIAMANITRA ka hanaraka ny lalana marina,eo ilay ratsy fanahy vao MISAFIDY na hibebaka izy na tsia.Raha eny voavonjy ny fanahiny , raha tsia dia very ny fanahiny ary tsy adinin'ny TOMPO amin'ny mpitory ny ran'ny mpanota.
17. lovegod ( 05/08/2012 20:20)

felampaiso - 05/08/2012 19:21
Ny Soratra Masina araky ny Ezekiela 3 dia milaza fa ilaina tenenina ny ratsy fanahy mba hiverina amin'ANDRIAMANITRA ka hanaraka ny lalana marina,eo ilay ratsy fanahy vao MISAFIDY na hibebaka izy na tsia.Raha eny voavonjy ny fanahiny , raha tsia dia very ny fanahiny ary tsy adinin'ny TOMPO amin'ny mpitory ny ran'ny mpanota.


Namana felampaiso
ity lohahevitra ity dia anisan'ny nahitaha fifandirana be (mba efa somary nangingina izy tato ho ato), heveriko fa tsy mendrika ho antsika olon'Andriamanitra ny mifanditra eto. Satria tsy misy ratsy fanahy izany ato amin'ny forum ka miangavy anao aho mba vakio tsara aloha ny zavatra tian'ny namana bor2lais (izay namorona ity loha hevitra ity)hambara (nataoko copie-colle eto ambany) dia avy eo ianao manao réaction par rapport amin'ny zavatra tiany hambara. SOSO-KEVITRA MOMBAN'NY FOMBA FIFAMPIZARANA ETO AMIN'NY FORUM IHANY NO NASEHONY

Tsy hoe be fananarana akory ny tenako fa maro ny mamaky ny resaka eto ka manahirana raha isika samy olon'Andiamanitra no hifanditra eto.

Am-pitiavana


bor2lais - 01/08/2012 11:36
Tsy maninona na dia "film" efa nandeha aza ity apetrako eto ity :
------------
Faly miarahaba antsika rehetra.

Tato ho ato dia somary vaka ihany ny saina mamaky ity seraserantsika "Fivavahana sy finoana" ity satria toa lasa miafara amin'ny "faran-teny" ny dinika sasany eto in11.

Ka mahatonga te-hanontany hoe : inona moa no andraisantsika izany antsoina hoe forum izany ?

Amiko manokana mantsy dia sehatra iray natao ifampizarana, ifanakalozana izany. Tsy natao ifandresen-dahatra ny forum amiko.

Ny olona miditra eto dia olona efa manana ny faresen-dahany avy ny ankamaroany ka tsy izaho akory no andeha hihevitena fa aharesy lahatra ny hafa hanaraka ahy.

Ny tiana lazaina dia aoka re hijanona amin'ny fifampizarana sy fifanakalozana ny resaka fa aza hitarina amin'ny fifandresen-dahatra raha azo atao.

Mazava ho azy fa ao anatin'ny fifampizarana ny fangataham-panazavana, saingy tsy voatery ihany koa ahazo (na hanome) valiny mahafapo isika amin'izany ...

Heveriko fa mety mba mampandroso sy mahasoa kokoa ny dinitsika amin'izay.
-------------
Sosokevitra ihany ny ahy iny ka avereno aty amiko raha toa ka tsy mety !
18. niryna ( 06/08/2012 21:07)

didi10:

Iza no hahasakana ahy?
16 ka mandrara anay tsy hitory amin'ny jentilisa mba tsy hamonjena ireny (I Tes 2,16)
misaotra an'i Bor2lais tamin'ny fampizarana
ny hoe mandra anay tsy hitory amin'ny jentilisa indray dia lasa mivoana ilay izy satria indraindray ny olona mampiasa ny andininy sy ny andalana ao anaty baiboly .ny tiako tenenina dia hoe misy olona manana references baiboly ka lasa manjary tsianjery ilay izy aminy(misy olona hoy aho an). ny olona misy eto dia ilay fizirizirian'ny olona mitory ka mitompo teny fatratra amin'ny fiangonany.Eo no olana misy eto amin'ity forium ity.Satria raha mandalina ny baiboly tokoa(baibolin'ny kristiana io an,)..misy manana baiboly hafahafa mantsy any ho any ooops! dia tsy mila mandresy lahatra akory fa ny hazo no hilazana ny voany.
19. Miharena ( 08/08/2012 12:00)
Izaho indray dia mahita fa efa matevin-koditra daholo isika manao fanadihadiana eto. Tsy misy tsotra toy ny zaza mahay tsara hoe rehefa izao teny izao no manomboka etsy dia iny ihany no mitohy hatramin'ny farany fa tsy ovaina rehefa misy mandrorona.

Iay fahaiza-manavaka ny Fototra sy ny haingon-javatra no tiana ahatongavana. Hoy ny tanora ankehitriny hoe : vakiana fotsiny rehefa mahita hevitr'olona mibirioka anankiray.

Fa na izany na tsy izany, ny mampatevin-koditra antsika aloha no tokony ezahana izay hamoanana azy vao milaza izay hevitra madio tokony hivoaka isika tsirairay avy ami'ny forum. Ar ytsy tokony ho tonga amin'y faran-teny ilay izy.

I Bor2lais ohatra mahavatra mihitsy mametraka ilay hoe : TAPITRA fa ts yhiresaka amin'ny hafa tsy mitovy hevitra aminy intsony. Nefa izy miresaka ihany avy eo!

Ka ny forum toy itony dia ahitana ihany hoe manova zavatra na manadio kokoa arakaraka ny fandroson'ny fifanakalozan-kevitra.

Ny hany mba anoroako hevitra ny rehetra fotsiny dia mila sokafana tanteraka ny saina amam-panahy rehefa miresaka eto. Amin'izay dia manana ilay atao hoe discernement na fahaiza-manavaka ny mety sy ny tsy mety.
20. bor2lais ( 08/08/2012 13:17)
miharena:

I Bor2lais ohatra mahavatra mihitsy mametraka ilay hoe : TAPITRA fa ts yhiresaka amin'ny hafa tsy mitovy hevitra aminy intsony. Nefa izy miresaka ihany avy eo!

Misaotra an'i Miharena nanoratra ity fanamarihana ity, izay nahafantarako fa hay misy tsy mahazo ny dikan'ilay teny hoe TAPITRA soratako eto in11.

Averiko eto ilay fanaoko rehefa mampiditra resaka HS ny tenako :
- Sokafako ilay resaka rehefa amin'ny fanoratana hoe H.S (io izany ny fiatombohany),
- rehefa vita dia faranako hoe TAPITRA.

Ny dikan'io tsy hoe tsy hiresaka amin'ny hafa tsy mitovy hevitra amiko intsony akory aho araka ny fahazoan'i Miharena azy fa ilay H.S nosoratako no tapitra mba hiverenana amin'ilay tena lohateny indray ! :-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5376