Soso-kevitra sao mahasoa (famerenana)

21. Miharena ( 08/08/2012 15:31)
Mazava fa misaotra anao nahamarika ilay fanamarihana.
22. jojo3t ( 09/08/2012 05:06)
Raha mahay mampihatra an'io ny rehetra dia tsara, saingy zao, ny mahatonga ny fara-nteny sy fifandirana eto dia ny tsy fahazakan'ny sasany amintsika andinin-teny mazava sy mivantana, hany ka lazain'izy ireo fa tsianjery na hoe hafahafa ilay izy, na hoe fampianaram-piangonana, nohezahiko notanisaina ireo satria ny fieritreretana toy izany mihitsy no mahatonga ny fifandirana sy mampivoana ary mampihitatra ilay resaka satria tonga hatrany amin'ny hoe fiangonana sy baiboly tsy izy sns...

Raha tena mahay forum sy tena mitory ary vonona hifanakalo hevitra anefa tsy tokony hanao ireo mihitsy satria hita miharihary hoe, sady tsy fitoriana ilay izy no tsy fifanakalozana fa lasa enjika sy fanaratsiana, dia aveo manala baraka ny rehetra satria efa fantatra hoe resaka ara-panahy ny ato, ary efa nisy fanamarihan'ny mpamaky tsotra mihitsy ao ny momba io ka tena mahamenatra, ary lasa tsy dia niditra tato intsony izy avy eo.

Raha olona hitory nefa enao dia tsy hitako hoe inona no hatahoranao raha manazava ny hevitrao miaraka amin'ny andininy fotsiny enao, dia aveo manitsy izay lazainao fa diso miaraka fanohanan-kevitrao, fa tsy manaratsy sy manenjika, aveo mandinika ny mpamaky hoe, ny an'itsy no azo antoka sy voaporofo tsara na ny an'itsy hotrizao, dia mitohy toy izany foana, fa tsy isaky ny mandeha dia misy tsy mahazaka dia manaratsy avy hatrany, io no fototry ny fifandirana eto hatramin'zay. Saintsaino tsara io dia mahaiza mampihatra ry namana isany.
23. Miharena ( 11/08/2012 05:39)
Marina dia marina ny resak'i Jojo3t.

Fa ny tena azo antoka aloha dia samy manana izay fahadisoam-piheverana ao aminy avy ny tsirairay ny momb ny ara-panahy ary rehefa atsikafona dia mahatsiaro mihen-danja ka izany no mahatonga ilay fanohanan-kevitra tsy mandeha any amin'ny tena lalana tokony handehanany, indrindra fa manana izay efa heveriny fa marina izay ny olona.

Ny hevitra ve maharitra sa ny maha-izy ny tena? hoy aho amin'ny lohahevitra iray.
Mla avahana aloha ireo dia avy eo mamoaka tsoa-kevitra mitombina.
24. fahamarinana ( 30/08/2012 07:36)

bor2lais:

Sosokevitra ihany ny ahy iny ka avereno aty amiko raha toa ka tsy mety ! :-)


Io ilay fahezan-teny tsy adinoko mihitsy ! Kopakopa-tanana madinidinika ho an'ise Bor2lais sy Niryna koa ary ny rehetra namana fahiny ! :)
(Tsetsatsetsa tsy aritra iny sady anaty fonosana koa fa tena H S tanteraka mihitsy aho eto, Azafady indrindra) :)
25. bor2lais ( 30/08/2012 09:20)
Faha > misaotra amin'ny tsy fanadinoina e ! :-)
Namana fahiny angaha hono, tsy izy intsony izany ankehitriny ? :-)
26. RBNIR ( 31/08/2012 09:42)
RBNIR

Faly miarahaba sy manasa ny namana rehetra,

Fandaharana ao @ TN TV UHF 471.25 anio alina amin'ny 8h 30.

Samia ho tahin'ny Tomp namana,

Faly miarahaba ny namana rehetra indray,
Raha tsy nahita ianao dia mbola afaka mijery ny alahady 02-09-2012 ho avy izao ao amin'io télé io ihany fa amin'ny 1ora tolakandro fandaharana tsiambara3,

Samia ho tahin'ny Tompo,
27. bor2lais ( 31/08/2012 12:45)
Tsy HS be ve ny an'i RBNIR izany ? :-)
28. RBNIR ( 31/08/2012 13:05)

bor2lais:

Tsy HS be ve ny an'i RBNIR izany ? :-)


Faly miarahaba namana,

Dia ho diso aho v?
Hafatra maika B anie izy ity e,

Samia ho tahin'ny Tompo e,
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1604